Hira foza orana mp3

Posted by news2dago on 04 Oktobra, 2008 10:32

Inona no malaza eto @ tanàna hoy ianareo! valiko tsotra dia tsotra oe hira mora raisin'ny daholobe sy  tsy dia misy tonony firy no miverina foana ny refrain sy ny gadona. Dia gaga tokoa aho ry reto fa saika karazan-kira toy izao no mande @ radio sy hirainy ny ankizy!

Apetrako @nareo indray ny fanontanina oe moa ve mba tianareo ilay izy?

Alaiovo eto ilay hira dia ankafizo fa izany no hira foza orana, malaza ankehitriny ka sao dia tara isika tsy maharaka! lol

 jereo koa eto

Information and Links

Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.



Hevitra

Re: Hira foza orana mp3

Rasoa | 23/10/2008, 21:15

Ianao amgaha maninona fa dia lasalasa ho azy ao ambavako tokoa ilay hira a ? Nefa dia tsy tiako mihitsy. Izay angambany no mahatonga azy ao ambavan'ny be sy ny maro koa na dia tsy dia makaiza ary ny teny ao anatiny.

Re: Hira foza orana mp3

news2dago | 06/10/2008, 14:58

Ikalamako => Aoka re marina! lol fa de tin'ny olona oa ireny oh kidaladala ireny e! mahagaga mihitsy!

Re: Hira foza orana mp3

ikalamako | 05/10/2008, 21:48

le tena hira 2 mn mahery kely dia naverina indroa na intelo ilay izy namenoana 5 mn latsaka, fa ny tena hidiran'ny foza orana sy ny zavatra lazainy sy ny dihin'ireo zazavavy tsy hitako loatra : ny prizy, ny podra sy ny lokomena, ny mianatra manoratra... hihihi

Re: Hira foza orana mp3

news2dago | 05/10/2008, 19:44

Lehilahytsyresy => le izy mande mirina angamba sa ahn tokoa moa zany mitorna zany kle

"Biby mi-tourne "

lehilahytsyresy | 05/10/2008, 16:40

Hitako ilay vidéo tao amin' ny Dailymotion natoronao ry ikalamako, fa misaotra betsaka.
Hoy ilay izy hoe: " Foza orana, biby mi-tourne ". :-) " Foza orana, ampianaro manoratra."
Ny contenu-n'ilay vidéo kosa moa dia ankizivavy kely mampandihy valahana sy mampiseho atin'akanjo, mitovy amin'ireo clips malagasy rehetra amin' izao fotoana ihany.
Ny tsy azoko fotsiny dia hoe: mi-tourne ahoana moa ny foza orana ... ? :-)

Re: Hira foza orana mp3

news2dago | 04/10/2008, 20:13

Stilo => Le rap gasy anie teny misy tonony azo fiazana tsara e! fa ity tena oh tsy hita izay andraisana azy! nefa dia misy pitia an! lol

Re: Hira foza orana mp3

sitlo | 04/10/2008, 19:56

hahaha
fa aleoko ihany ilay rap gasy mampihomehy ireny

Re: Hira foza orana mp3

news2dago | 04/10/2008, 18:42

Ikalamako => asa indray zao io na hisokatra aty na tsia

Re: Hira foza orana mp3

ikalamako | 04/10/2008, 17:32

ato le video e ! tsss
mahazoa fahafinaretana :

http://dailymotion.alice.it/video/x6drng_foza-orana_music

Re: Hira foza orana mp3

ikalamako | 04/10/2008, 17:30

nann, nisy namanay vao niverina avy any Dago nitondra ny video no nahitako azy kah - hihihi Dia tonga aho dia kivy be.
Fa raha mp3 angamba no henoko taloha mety ho nihomehy ihany aho aloha - :-P

Re: Hira foza orana mp3

news2dago | 04/10/2008, 16:09

Kdaoma => Mba manaitaitra ilay titre @ ilay iray atsy e! mdr hainao ihany ny olona mantsy somary manko visy izay!lol

le tonony alo mbola tsy manana aho e!

ikalamako => Fa aiza indray izany video zany e? mp3 mantsy no napetrako tao

Re: Hira foza orana mp3

ikalamako | 04/10/2008, 15:01

vao nahita ny clip-n'io voalohany aho dia ny tenin'i mamanay foana no tsaroako hoe "dia tsy hitan'ny ankizy ankehitriny intsony izay atao hira". Vizana be aho nijery an'io fa lainga ny lainga, tena tsy nidina tany @ fankafizako azy mihitsy kle (angamba tokony nohenoiko fotsiny aloha fa tsy nojereko ny video :-P)

Re: Hira foza orana mp3

Kdaombaramita | 04/10/2008, 14:42

Miverina kely indray aho fa nahare ilay hira ! Tapaka ny tsinaiko ! Ianao kosa tsy maihaino tsara fa amin'ny farany izy toa miteny hoe : "miakatra ny daina" ha ha ha! Fa mitady ny tonon'io aho raha mba manana ianao satria misy tsy haiko izay lazainy, ohatra ilay izy vao miteny amin'ny voalohany hoe "foza orana ..." dia tsy haiko ny tohiny :)) tapaka hoa ny tsinaiko e !

Re: Hira foza orana mp3

Kdaombaramita | 04/10/2008, 14:29

Fa maninona ilay iray iry no atao hoe "Mcar news rencontre funny sexe-home" LOL ?

Re: Hira foza orana mp3

news2dago | 04/10/2008, 14:14

lehilahytsyresy => tadidiko iny hira iny! ilainao anga! misy ato amiko ato fa version remix!lol

Re: Hira foza orana mp3

lehilahytsyresy | 04/10/2008, 10:53

Tsy ratsy indray iny ry news2dago.
Tsara ihany kosa aloha ilay hira tsy-misy tonony, fa amin' izay mba tsy mila mampiasa saina loatra rehefa mihaino azy e. :-) hihihi
Tamin' ny annees 90 (angamba 1996-1998 tany ho any) koa dia nisy hira iray nalaza antsoina hoe "Gorisa-gorisa" (Jean Freddy), ary tsy nisy tonony afa-tsy io hatramin' ny fanombohany ka hatramin' ny farany.