Mbola manahirana ny manao taratasy
Saika haka ny kopia ny nahaterahan-janako aho androany efa tokony azoko ny alakamisy lasa teo izy io fa saingy mbola tsy afaka naka azy tany aho satria tena mbola sahirana be fa mbola tany @ hopitaly t@ io andro io. Mba nanantena aho zany androany oe tonga de azoko fotsiny ilay kopia! Kanjo tena mbola tsy nisy nikarakara ilay taratasy. Dia tsy hiteny zavatra betsaka aho fa ny any tato an-tsaiko dia ny oe tena ni-derail ny tgv zany. Etsy @ firaisana voalohany moa no natao ilay kopia. Tena tsy misy mandeha @ laoniny ny raharaha tena marina e! Asain'ilay olona miverina indray aho @zoma ho avy izao ny fotoana anefa volamena ka asa izao raha ho afaka ny ho any indray na tsia.
Manaraka izany indray dia ny fomba fiasa ao @ ity atao oe pavillon sainte fleur ity e! anarany fotsiny ny oe tsy miankina kanefa dia mitovy @ fomba any @ sarababem-bahoaka ihany. Lasa vonjy tavan'andro fotsiny sisa ny fanara-maso ny zaza fa tsy misy fizahana tena manara-penitra. Ny hialazako an'izany mantsy dia be ny olona miandry sy milahatra dia manomboka kizitina ny mpampivelona satria miasa irery dia diso ny zavatra atao avy eo! Hita ihany oe mbola mila ezaka e! Ny mpitsambo kosa aloha dia tena ao @ kapaokany mihitsy e! Ary inoako marina fa ireo no tena mahasarik'olona ao @ ity hopitaly iray ity. Mbola betsaka ny tiana tenenina fa @ manarka indray aho manohy fa sao lasa mahamonamonaina sy mahakamo ny mamaky ny lahatsoratra.
Farany dia lasa any Tazania i Ramose! Ny tena antodia any moa tsy arako laotra fa sendra henoko fotsiny io anikeo. Ny akaotran'izay dia mirongatra ny vono olona feno habibina eto @ tanana eo ny olona misy mandoro dia arina any anaty fako sy ny sisa. Niniko natao ny tsy dia mitatitra ireny vaovao ratsy ireny satria tena manimba saina e! Amiko mantsy ny vaovao dia mba tokony ho tsara fa tsy ratsy sa tsy izay? Rehefa mifampiarahaba mantsy isika ny mifanontany vaovao foana.
Information and Links
Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.
Hevitra
Re: Mbola manahirana ny manao taratasy
news2dago | 08/10/2008, 10:18
Re: Mbola manahirana ny manao taratasy
simp | 07/10/2008, 21:47
mila solosaina sy aterineto dia mety ho haingakaingana kokoa... asa ra mba mety ho tsapan'ny tompon'andraikitra izany :)
Re: Mbola manahirana ny manao taratasy
ikalamako | 07/10/2008, 21:20
fa aiza le voninkazo masina ry news ? Soavinandriana ?
Ka na fitsaboana na administratif na logistique, sns, dia mirefarefa ihany isika amin'ilay toe-tsaina...Na tsara aza ny hevitry ny ao ambony ka tsy miova ny aty ambany manantanteraka dia tsy mankaiza e.
Saingy mazàna ny fiainana no mitarika ny olona hanao zara fa vita nefa dia eksikiozy daholo ihany izany na izany aza fa rehefa vonona dia vonona hanao tsara na sahirana na ahoana.
Re: Mbola manahirana ny manao taratasy
news2dago | 07/10/2008, 17:48
Kdaomba => Tsy misy mahatsapa tena tokoa ireo isan'ambaratonga ka manahirana ilay izy e! iza zao no tokony hanolo ny ruban ny ao @ firaisana izany satria io no antony voalaza fa mbola tsy nahavitana ilay kopia!
Re: Mbola manahirana ny manao taratasy
news2dago | 07/10/2008, 17:46
Kdaomba => Mialatsiny fa voa spam enao teo!
Re: Mbola manahirana ny manao taratasy
kdaombaramita | 07/10/2008, 17:05

