Voarara ny mipipy, mandrora ary miteny ratsy!!!
Mba nahafaly ahy ny naheno ity onjam-peo nilaza vaovao hafa kely ity oe voarara ny mipipy, mandrora ary ny miteny ratsy eny @ toerana hifamezivezena ny olona sy ankalamanjana. Mety hapigadra 10 andro ary handoavana lamandy ny mandika ireo lalana ireo. Tena mila ampiharina kosa anefa fa tsy atao plivava fotsiny. Tena azo lazaina fa fanitsina goavana eo @ fiara-monina sy ny fiainana andavanadro ny mponina mihitsy ity lalana vaovao ity.
Marihina mantsy fa ny gasy dia anisany mponina voretra indrindra raha oharina @ firenena hafa. Tokony mba hisy koa ny lalana manafay ireo mpandoto sy mpanimba ny vola taratasy izay ampiasaina eto Madagasikara. Asa izao raha mba ho hitan'ny manampahefana ity lahatsoratra ity izao.lol
Information and Links
Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.
Hevitra
Re: Voarara ny mipipy, mandrora ary miteny ratsy!!!
maintikely | 10/10/2008, 23:26
Re: Voarara ny mipipy, mandrora ary miteny ratsy!!!
yonikafopl | 10/10/2008, 15:20
Ianareo miteny we tsy misy ny wc eee, tsy mandray andraikitra ny commune ee,
tsy mba ao antsainareo nefa fa ny gasy dia tsy mba tsara hanaovanjavatra mihintsy, fa izay vita eo sady tsy hajainy no mihoatra izay aza, angalarina sy endahana izay zavatra mba vita ao.
Ka na hanisy wc isaky ny 10m aza ianareo,nefa ilay toetsaina tsy mahay manaja mbola manjaka dia manjaka tsy misy fiovana,tsy hisy raha hanjary ao.
Misy aza anie ny sasany, na dia efa misy izao aza ny wc, dia miditra ao anatiny izy fa tsy ao amin'ny tokony hasiana azy no anaovany fa ataony ivelan'ny lavaka e, tadidiko tamin'ny mbola naha mpianatra tao amin'ny RASALAMA, gay gay gay, dia naleo niharitra any antrano vao manao pipi fa sady maimbo no miparitaka etsy sy eroa ny maloto ao, asa izao na mba efa nihanadio izy ao.
Re: Voarara ny mipipy, mandrora ary miteny ratsy!!!
news2dago | 09/10/2008, 12:24
Helisoa => misaotra @ hevitra fa ampy no mafonja
Simp => Azo heverina ihany ilay hevitra kle!lol
rajiosy => zatra miandalana
Finoanaranoray => Efa ny cua zao no mitanatana ny rehetra e
pipi etsy pipi eroa ! teny kk !
Helisoa | 09/10/2008, 06:09
Mamangy,
raha vao ny fomba fiasan'ny mpiandraikitra mihintsy no TSY MIOVA = manao io ho raharaha loha laharana amin'ny rehetra (prioritaire) sy mamerina ny FOKONOLONA miaraka @ ny ANDRAIKINY t@ maha-izy azy dia TSY HIOVA MIHINTSY io fa mbola hivadika kk daholo ary eran'ny tanàna !
Koa ny rivotra iainana aza mbola olana goavan be koa e !
Fa ahoana ihany ny olona SOMERA maro mipipi sy mipetrapetraka io no tsy omena asa e ?
Ary nakaiza ilay "voirie" e ?
Sa mila isika fanampiana avy any ivelany koa vao afaka manadio ny lototsika ?
Tsy mba menatra mihintsy anie ireo olona manam-pahefana mandehandeha eran'ny tanàna @ 44 sy miaraka @ vahiny maro conférence atsy, conférence eroa an !
Dia fanamboarana kely etsy sy eroa matetitetika rehefa misy vahiny ve dia heverina ho mety e !
Sa dia efa doma mihintsy no fiheverana antsika Gasy !
Isika koa moa miandry eo fa tsy mba mahay mivondrona samy manadio isa-quartier ko !
Efa lasa FAKONOLOA e !
Salama e !
Re: Voarara ny mipipy, mandrora ary miteny ratsy!!!
simp | 08/10/2008, 21:25
Rajiosy,
ie
ianao miteny azy ndray no opaina tssssssssssssssss
fa ny fanafodin'ity wa, ra hoe kapa ranony fotsiny tokony hoe samy mivatsy tavoangy plastika fotsiny.
NY vevavy aza mazoto misotro rano haha
Re: Voarara ny mipipy, mandrora ary miteny ratsy!!!
Rajiosy | 08/10/2008, 20:46
ny ahy ilay sady mipipy an-tsisin-dàlana no miteny ratsy no tena tsy tantiko !
ok
finoanaranoray | 08/10/2008, 19:09
angaha moa tsy efa hoe tsy ny commune itsony no mpanadio...fa ny SAMVA tantanin'ny Ministeran'ny fanajariana...ny fanarian-drano maloto indray dia an'ny Ministera ny rano...Tana ihany no misy fepetra manokana toy izany
Re: Voarara ny mipipy, mandrora ary miteny ratsy!!!
news2dago | 08/10/2008, 17:40
Lehilahytsyresy => Ie ka io no mety ho olana @ ity ady kle ity kono voalazan'i DotMG etsy ambany!
Re: Voarara ny mipipy, mandrora ary miteny ratsy!!!
lehilahytsyresy | 08/10/2008, 17:37
Ilay "miezaka tsy hiteny ratsy" toa ho vita ihany, fa ilay miaritra poritra no toa ho loza.
Raha misy lavapiringa betsaka kosa aloha isaky ny quartier, dia mety tsy maninona ihany.
Re: Voarara ny mipipy, mandrora ary miteny ratsy!!!
news2dago | 08/10/2008, 17:37
Hery => Ie tokony mihitsy satria izay no maha commune azy sa ahn!
DotMG => Tsy nahavita e! tsy nisy vitany mihitsy ny wc tetsy ampefiloha aza very daholo hatraminy ao anatiny!lol
Re: Voarara ny mipipy, mandrora ary miteny ratsy!!!
DotMG | 08/10/2008, 16:50
Azafady aloha, fa ny kaominina ve anefa mba efa nahavita toeram-pamanizana isaky ny sisin-dàlana? Fa tsy hoe any Anosizato ianao no poritra dia aty Analakely vao hahita toeram-pivoahana?
Re: Voarara ny mipipy, mandrora ary miteny ratsy!!!
hery | 08/10/2008, 16:36
Ary noheveriko fa efa ela no nisy lalàna tahaka an'io fa izy tsy nampiharina fotsiny.
Fa etsy andaniny koa tokony manadio ny malotony koa ny commune.


Mba fanapahan-kevitra tsara.
Fa na izany resaka civisme io e. Isika gasy efa andrasana ohatry ny omby vao hahay hanaja lalana sy hanaja zavatra ve koa!tsy hitako hoe inn no hitenenana ratsy sy handrorana eny rehetra eny. Ny te hi-pips manko mba tsy fidiny satria toe batana
fa tokony arahan-dry zareo fanamboarana wc tokoa ilay izy.ohatry ny ilay eny mahamasina sy analakely.