Baiboly ao anaty Finday

Published on 10/11,2008

Mifarana ny herinandro tokony hiala sasatra ny rehetra ny ara-panahy kosa tsy mba tokony hisy hakana sasatra izany. Efa andron'ny fandrosona moa izao ka rariny loatra raha ampiasaina ny tekinolojia vaovao sy avo lenta! Koa raha sendra manana irony finday efa somary raitra sy azo ampidirana hira sy dossier irony ianao dia azonao alaina eto ny Baiboly efa voadika @ teny malagasy. Ataoko fa mety hanampy anao izy ity. Ampidirina ao anaty finday izy io mazava ho azy fa mbola extracter-na aloha vao afindra any anaty finday. Koa mazotoa mamaky baiboly sy mizara izany teny izany ho an'ireo namana rehetra. Isaorana ireo nanampiniavana nandika izany hatraminy farany ka nahazoana izao vokatra izao.

Vaovao ratsy kosa aloa no tanteriko manaraka satria dia nisy namaky t@ alarobia hifoha alakamisy ny trano fiasan'i news2dago ary very t@ izany ireo fitaovana sasany tao ampiasana. Atao ahoana fa izay no anjara sy lahatra ary ny zavatra rehetra dia miara miasa ho an'reo izay tia an'Andriamanitra. Lesona azoko notsoahana t@ izao dia nataoko tsirambina ny hamafiny ny hiditrano. Soa ihany fa mbola tsy nanitatra ny ambaidainy ny kapitaly ny tena no nitranga izao zavatra izao fa vao nikasa! kanjo efa nomen'ilay nahary fanairana sahady oe tokony hanamafy ny hiditrano sy hanao alarme sy ny sisa izay rehetra mety ilaina @ fiarovana ny fananana.

Manarak'izay dia tapitra hatreo ny lalana ho an'ny barea t@ can sy ny coupe du monde 2010 satria dia lavo 3 no 0 tany @ elefanta izy no sady naharesy 1 no 0 an'i Botsoana koa i Mozambika. @manaraka indray manarina e!lol laharana faha 3 no misy antsika ao @ sokajy faha 7 narahako mivantana tao @ live coverage ny fifa moa io lalao io.

Na dia teo aza izany vaovao rehetra izany dia tsy maintsy mijery ny ho avy foana no tanjona ary manakina ny fiainana @ Andriamanitra hatrany. Izy no mahafantatra ny mahasoa ny zanany rehetra. Koa mahereza daholo no samy ho tahin'ny Tompo.

Jereo koa eto


Hevitra

  1. news2dago

    lehilahytsyresy => Marina oe! ka sao dia matikenamaso kosa aza ry lerony vola be ihany mantsy izany 500$ izany!!


  2. lehilahytsyresy

    Marina aloha fa resy ny ekipan'ny Barea, kanefa kosa dia falifaly ny mpilalaontsika satria notoloran' ny filoham-pirenena ivoarianina lelavola 500 dollars tsirairay avy izy ireo mba ho fampaherezana azy.
    (araka ny voalazan' ny gazety Tribune en ligne.)


  3. news2dago

    Misaotra antsika rehetra nandalo sy namela hafatra teo koa ireo nampahery! Mirary soa antsika rehetra


  4. Helisoa

    Mankasitraka e !

    Mirary soa


  5. pakysse

    soratra diso tsy mba kabary e.makantelina e


  6. pakysse

    Tena ny marina dia somary mila mitandrina ihany fa lasa resaka psychose be mihintsy ity resaka fahadriam pahalemana ity eto Dago marina.....korzy ra namana an ary raha ny momba ireo ireo mpialalao baolina kitra dia amiko ny federationnina sy ny ministera ny fanatanjahan tena mihintsy no tsara esorina satria tsy ahitana vokany mihintsy fa ny tena maha tolagaga anefa dia ny voal mitontona izay tsy fantatra oe lasa aiza daholo satria amiko raha ireo mpanao fanatanjahantena ireo no tohanana ara bola tsara dia mino aho mety ho lasa alavitra, asa fa aleo ho ahy ny hevitro raha diso ra N2D


  7. HERY

    Dia faly nitsidika ny blaogy nao ny tenako !
    tiako ny mamaky ny teny Gasy teto !

    Mahereza ary dia ho tahian ' ny Tompo è !

    ba mamy !


  8. news2dago

    Kdaomba => Dia mazotoa e! de zarao ny namana rehetra any! tsy misy fisaorana


  9. Kdaombaramita

    Misaotra N2D fa naveriko no téléch ilay izy dia nety. Tena milay e !


  10. news2dago

    Kdaomba => Mety tapaka ny connexion-nao zany raha tena tsy mety mihitsy dia omeo email aho andefasako azy mivantana!

    tokinao => Tsy misy fisaorana e


  11. Kdaombaramita

    Tsy mety voasokatro ilay izy fa fichier endommagé hono na inconnu ! Fa tsara tokoa ilay hevitra ! Mifandray amin'ny hevitr'i "Anaran-dray tsa afify"


  12. tokinao

    Misaotra @'ilay baiboly :)



Hametraka hevitra