Mahonena ny fitaovana ampiasain'ny polisy
Tena omaly aho vao afaka nametraka fitorina tany @ manampahefana t@ ilay zavatra nitranga tato amiko. Dia inona no nitranga hoy ianareo lany tany ny tapakandroko iray manontolo. Voalohany aloha dia mbola mivory ny kaomisera sy ireo eo ambany fiadidiny. Vita ny fivorina vao afaka mandray olona ry zalahy. Nivory efa ho adiny 2 ry zalahy dia miandry fa gasy e!
Zay eo ihany fa ny tena nahakamo ahy dia ny nahitako ireo polisy nandray ahy nangataka vola hividianana toaka!!! Tsy nanome aho mazava ho azy satria tsy hitondra olona any @ ratsy akory no nalehako tany. Dia avy ilay polisy iray dia namoaka 5.000 Ariary no naniraka ilay namany indray avy eo no sady niteny oe: " Aleo fa soloko ny anjaran'io ranamana io (mantsy ahy io zany), ary haingana ela fa maika isika e!" Ny andro anefa vao @ 10 sy sasany maraina. Tsy hatao mahagaga raha tsy asin'olona hasiny ry zalahy.
Dia tena toerana ratsy mihitsy aloha ny any @ tobin'ny polisy tena marina e! ny trano hiasana moa dia tsizarizary hitanao ao daholo na fandriana na latabatra sy seza efa tena voky taona ny akamarony. Ny milina fanoratana moa dia efa t@ andron'ny repoblika voalohany angamba, kanefa dia kinga ery ingahy inspektera manoratra aminy. Ny trano fiazonana olona atao famotorana moa dia tena tsy manaja ny zon'olombelona mihitsy feno tranon-kala no sady tsy misy kidoro hatorina sy toerana hivoahana. Dia mifangaro ao izany ny loto sy ny fandriana. Aza mba voatana ao ihany oa anankam-po.
Mandeha eo koa moa ny famotorana eo @ efitra ilany mifanila ny misy ahy ka henoko eo daholo ny adalana ataon-draolombelona. eo ohatra ny raim-pianakavina iray namono ny zanany t@ hety! Loza anie zany re olona e! ny sasany indray dia ny ao an-trano ihany no mifampitory sy mifandetika ao! ny anambavina ihany no mitory ny anadahany izay voalaza fa mamono azy ny ny vadiny ary vonon'ilehio h@ dadatoany ary! misy raha la tera oa.
Ny tena antodihako tany moa dia hametraka fitoriana @ olona X iray izay nanao ny asa ratsy tao amiko! dia ny anotanin-dry zalahy voalohany dia ny oe misy olona ahihinao ve? mazava hoazy fa tsy misy satria tsy nahatratra ambody omby na iza na iza aho. No sady masaka tao an-tsaiko ny tenin'ilay mpampianatra ao @ EMGAM manao oe: " aleo lavitra mamotsotra olon-dratsy toy izay manameloka olo-marina!" Ka io no nahatonga ahy tsy hanedrinkendrika na iza na iza... (Mbola hitohy)





17/10/2008, 00:25
fa le pi @ 10 sy sasany koa aloha tena degany be... aiza no hisy asa vanona :)
na dia hoe tsy ampy fitaovana aza ve dia mbola ampiana trotraka an'zany ihany le tsssssssssss
17/10/2008, 00:03
mahakivy !
16/10/2008, 16:50
Tomavana => Dia toy izao indray no resaka momba an'io oe "misy garde à vue ao de asaivo mamafa trano rampitso"! de gaga wa za marina e
16/10/2008, 15:50
Ny tsy fisian'ny fitaovana eo ihany fa ity ry zalahy dia miaritra izany eo ... Moa izay manadio ny toeram-piasana koa ve dia iandrasana olon-kafa ?
16/10/2008, 15:38
Eprom => Za ko efa mailo ihany satria fantatra ny lohan-dry zalahy ireo e!lol
16/10/2008, 15:09
Soa ihany ianao tsy nanonona anaran'olona, fa raha tsy izany de efa fantatra ny ataon'ny polisy: nosamboriny iny olona iny dia mihinana 48 ora aloha farafahakeliny. ny tena loza, rehefa mihetsika izay ny lohan'ny magistrat de mandat de depot avy hatrany le olona. Gaigy ka