[Fiarahamonina
]
11 Novambra, 2008 09:33
Tsy nisy farany intsony ity hira mitondra ny lohateny oe: "Iny lalana Iny" ataon'ny tarika Saotra sy Dera avy any @ toby Manolotrony any @ faritra ny betsileo iny ankehitriny. Tsapa izany t@ alahady teo t@ famaranana ny JKM teny Mahamasina. Dodoria ihany koa ny fandehanany @ radio. Mitsidika eto andrenivohitra moa ry zareo ireto @ izao fotoana izao. Tsara ilay hira ary tena milay be ny mihaino ny feo mikaratsana ataon'izy ireo. Izany moa no atao oe hira zafindraony.
Fanamarihana: Raha sendra tsy mety ny fampidinana ilay mp3 dia azonareo angatahana @ko mivantana ao @ mailako news2dago@yahoo.com izany.





12/11/2008, 17:21
tena mety amin'ilay "slogan" hoe "amboary ny lalana"...
12/11/2008, 13:19
Mitovy amin'ilay hira hoe "iza no hamonjy ahy, iza iza no hamonjy ahy re ? (Fa reraka aho e)fa reraka 'ty nofo .... feno fahotana be . MAnatona an'i Jesoa (fa izy ihany)Izy no hamonjy anao) fa noreseny)Efa noreseny izao ny fahafatesana ...sns" Asa raha tadidinareo ! Fa tsara koa ilay zafindraony nasiana mozika ka, rehefa tena henoina ilay izy toa tsy ratsy ! Mahafinaritra fa misy fivoarana tokoa ny gasy eo amin'ny lafiny rehetra. Misaotra N2D a ! (ataovy bisou be avy aty amiko ikalafotsy kely ao an)
12/11/2008, 13:09
Simp => Ka tsara sa ratsy?
11/11/2008, 23:03
neveriko fa hoe le hiran'i nary arthur no natao accapela/nozafindraoniavana kay tena hira hafa mintsy :P
ie
tena fatao refa miandry faty marina :)
11/11/2008, 19:17
mba ametraka rohy fotsiny, ... ato misy bedia be :
http://www.dailymotion.com/relevance/search/zafindraony
:).
Misaotra ô
11/11/2008, 14:32
Maintikely => tsy misy fisaorana e! lol
Hery => Efa fanao mihitsy e! Hiran'i Saotra sy Dera.
Jentlisa => Tena tsara le izy e!
Tomavana => Karazany hafa indray angamba izy ity
11/11/2008, 13:37
Misaotra nizara ... vaovao tamiko satria ny ahy mbola ilay endrika "a capella" na tsy misy zava-maneno no ankafizako ny haren'ny zafindraony
11/11/2008, 13:35
Ireny ho hiram-pifohazana aminy ihany koa ka!
Mety ho azonareo amin'izay izay nosoratako tany amin'ny lahatsoratro tany
11/11/2008, 12:18
Tsara tokoa.
Lasa hira fanao amin'ny fiandrasam-paty indray izao io.
Mba azo fantarina ve hoe hiran'iza?
11/11/2008, 12:09
Dia nohenoiko dia nohenoiko tokoa moa izany. Tsy haiko nareo raha toa anà fa ohatry ny rythme-na hira katolika ny fahenoako ilay izy :). Tsy ratsy fa misaotra nizara :)