Vehivavy gasy 4.000 te hanambady vazaha

Published on 11/17,2008

Tonga eto Madagasikara ireo mpanera vazaha ka nampiantso ireo malagasy te hanambady vazaha. Gaga fotsiny aho nahita ity tantitra an-gazety fa mahery ny 4.000 izy ireo no milingilingy te hanambady vazaha. Ary voalaza fa arahan-dranomaso mihitsy oe ireo izay tsy lany. Indrisy tokoa fa dia hitomanina ankehitriny ny hanambady vazaha.

Hividy fiaramanidina hfa indray hono ingahy Filoha fa tsy afapo @ ilay air force one keliny ao izy.Etsy an-daniny dia voalaza fa hiaka-bidy indray ny jiro sy rano. Ny solika moa dia tsy nisy fidinany mihitsy fa ariary be no mba fihenam-bidy. Ny baril anefa efa 60$ sisa. Misy fetsy be mihitsy ireo be vola ireo an.

Niletika kely ranews2dago teo ho eo izay satria variana @ fiainana an-davanandro. Eo ny fitaizana ny zaza eo ny asa somary maimaina tato ato izay. Fiainana daholo izany. Fa ny tena nahatonga saina ahy dia ny nijereko ny alimanaka fa hay efa madiva hivalona ity taona 2008 ity. Jereko ihany anefa izay tomban'ezaka toa ny eo ihany no eo. LoL ny tena no miantitra fa tsy hita izay tena zavatra niova.

Hevitra

  1. tiana

    raha vazaha tsara saina , tsy mi-profité fa tena feno fitiavana dia iaraho fa mety izay no anjaranao

  2. kdaombaramita

    No tageko i toi fa mandehana jereo anie !

  3. miangaly

    Tsy zakan'ny ambo-pon'ny lehilahy gasy rehefa mitady hanambady vazaha ny vehivavy gasy. Au lieu de manenjika be fahatany, afaka mandinika ve izy ireo ny antony mety mahatonga izany? Afaka mandinika ve isika rehetra?
    Tsy resaka euro na dollar foana akory.
    Misy antony matoa ireo vehivavy ireo 'milingilingy' amizay zvatra mety tsy ho fantany akory. Afaka manao sondages isika raha te-hahalala izany, na koa anontanio mivantana tsotra izao izy e. Aza mitsara ambony fotsiny ihany. Aoka koa samy hitsara tena aloha, sa tsy izany?

  4. Tritriva

    Ny any fantatro, betsaka ny lehilahy gasy manambady vazaha, na mbola mitady sipa vazaha.
    Tsy ny vehivavy fotsiny izany.
    Ka aleo samy manao izay tiany eo amin'ny fiainany ny tsirairay, mitady gasy na mitady vazaha, gasy-gasy na vazaha-vazaha, samy olombelona daholo, sa ahoana?

  5. ritchelle

    raha avy amiko aloha manam-bady vazaha eo ihany fa raha azo atao ny misafidy dia aleo manam-bady vazaha mbola tsy manan-)janaka fa sarotra ny mitaiza zana-bady reo manao tsisy dikany anao ary ny zanany tsy atakalony ho anao mihintsy na inona ny mitranga

  6. zarasoa sylvie

  7. sylvie

  8. ritchelle

  9. ritchelle

  10. finoanaranoray

    Ary hono ho aho...tsy misy vehivavy vazaha mitady lehilahy gasy angaha tamin'ilay vaovao?

  11. simp

    ze tiany ihany io eee :P
    mba responsable fotsiny refa mandray decision... gasy ka manja :)

  12. billy the kid

    ny survie aloha no tadiavina fa rehefa mitombo ve ny fitiavana après, inn no olana? mba samy te hanana ny confort keliny daholo, fa raha tsara ny fiainana ao dago, nisy nandeha nitady ravinahitra aty ivelany ve? ary ny fanambadiana vazaha no solution tsara idd raha te ho tafapetraka aty ivelany, misy aza vonona ny hi-clandy mihintsy mba itsoahana ny fahoriana any an-tanàna !!!

  13. maintikely

    Izay 4000 ve ry newsdedago dia maninona an! ampahafirin'ny isan'ny vehivavy gasy nefa izany.

    Fa maninona tokoa moa no ataonao hoe milingilingy e? Choix anie io e! tsy voatery hoe ratsy, tsy voatery hoe tsara. Ny fahendrena dia ny mampitandrina azy fotsiny hoe ny fiainana andafy tsy idyllique fa sarotra.

    Il faut seulement savoir respecter le choix des autres.

  14. mangamaso

    Aleo mihintsy mijanona mihaina any an-tanindrazana sy manambady lehilahy malagasy, izany no fahasambarana tanteraka.
    Kanefa...

  15. ndrema

    efa mba mitapaka ve izao ny vazaha?...tokony mba fepetra hapetraky ny vehivavy gasy io...

  16. Rasoa

    Tsy misy afa tsy ny maha samy gasy no tena tsara. Mbola tsy mahita ny fahoriana ireto gasy vavy kely ireto aleo miadana mahantra toa izay manana nefa mijaly.

  17. ikalamako

    efa miha-ingahindriana i raprezy ka mavesabesatra = tsy mahazaka azy intsony ny Air Force 1

    manao ahoana aloha ny zazà tsika ao ry news a. mitombo ve ?

  18. poussin012

    heverin'ireny vehivavy mitady vady vazaha fa fiadanana be mints mants ny manambady vazaha.
    mbola ts tratran'ny miveri-potsiny izy fa aleo ahita

  19. mpandalo

    Zao angaha ianao vao nahalala io zava-misy io? Efa an-taonany maro no nisy vazaha vavy mandeha any dago ary mikarakara ny ttasy rehetra momba izay vehivavy hanambady vazaha. Maro amin'izy ireo no milamina ny fiainany, ary nisy koa anefa ny tsy dia nahomby loatra.
    Raha izaho manokana aloha dia safidy io fa tsy antery, dia samy mijinja izay vokatra azony ny tsirairay avy eo. Ny lehilahy koa ange tsy dia ampy loatra ka inona moa no olana e!hihi

  20. Kdaombaramita

    0 + 0 = 0
    0 + 1 = 1
    ...
    0 + 100... = 100...

Hametraka hevitra