Vehivavy gasy 4.000 te hanambady vazaha
Tonga eto Madagasikara ireo mpanera vazaha ka nampiantso ireo malagasy te hanambady vazaha. Gaga fotsiny aho nahita ity tantitra an-gazety fa mahery ny 4.000 izy ireo no milingilingy te hanambady vazaha. Ary voalaza fa arahan-dranomaso mihitsy oe ireo izay tsy lany. Indrisy tokoa fa dia hitomanina ankehitriny ny hanambady vazaha.
Hividy fiaramanidina hfa indray hono ingahy Filoha fa tsy afapo @ ilay air force one keliny ao izy.Etsy an-daniny dia voalaza fa hiaka-bidy indray ny jiro sy rano. Ny solika moa dia tsy nisy fidinany mihitsy fa ariary be no mba fihenam-bidy. Ny baril anefa efa 60$ sisa. Misy fetsy be mihitsy ireo be vola ireo an.
Niletika kely ranews2dago teo ho eo izay satria variana @ fiainana an-davanandro. Eo ny fitaizana ny zaza eo ny asa somary maimaina tato ato izay. Fiainana daholo izany. Fa ny tena nahatonga saina ahy dia ny nijereko ny alimanaka fa hay efa madiva hivalona ity taona 2008 ity. Jereko ihany anefa izay tomban'ezaka toa ny eo ihany no eo. LoL ny tena no miantitra fa tsy hita izay tena zavatra niova.





17/11/2008, 09:35
Raha izay mahasoa tokoa moa maninona fa avy eo anie fantany oe vola no nahamay dia tsy asiny hasiny intsony.
17/11/2008, 09:29
Eny ho'aho letsy ry news2dago, ifandrombahana mihitsy izao ny manambady lehilahy vazaha kah. Atao ahoana fa efa lany andro angamba ny manambady antsika lehilahy gasy e. ...hihihi...
Ny sandan' ny euro hono mahatonga an'io e.
Dia homentsika tsiny kosa ary ve ry zareo raha toa ka mba mitady izay mety hahasoa azy ?