Azonareo indray ity tagytagy ity an!
Efa namoaka lahatsoratra aho teo kay aho voatondro tatsy ambadika dia mba manoratra indray ny fahitako an'i afrika. Isaorana i kdaomba manadala ahy lol.
Afrika dia kaontinanta anisan'ny niangaran'Andriamanitra satria dia ao aminy no misy ny harena be tsy hita nonoa eo @ harena an-kibony ny tany. Kanefa dia mbola mahatra ara-toetsaina izy satria misy ireo olona hafa tsy mitovy loko aminy izay fetsy sy mpampiady angely etsy sy eroa ka rotiky ny ady sy ny korotana i Afrika. Ary sokajin'ireo fetsy ireo ho sarangan'olona ambany izy satria dia havahana mihitsy izy raha eo @ lafina volokoditra. Raha samy misy olona tratra miklandy ohatra any eropa dia ny afrikanina ihany no tena lazaina sy dradraina lava @ haino aman-jery na samy misy eropeanina tatsinana sy aziatika aza samy tratra ao.
Tsy atao mahagaga izany satria tsy maintsy hifandimby hanana ny heriny ireo lokom-bolokoditra rehetra ireo. Efa madiva hifarana ity ny herin'ny fotsy ka hirona any @ mavo indray izao ny hery izay hinona marimarina fa karazana tetezamita hanampy ny mainty hoditra hiakatra sy haka ny toerana tokony hisy azy.
I Barack Obama moa no tena pitik'afo nadrehatra ny ambopo ny afrikanina hitraka oe tokony havita zavatra ny mainty rehefa tena hanao. Santionany io fa maro ireo safiotra sy mainty hoditra no manam-pahaizana sy kinga eo @ lafiny fanatanjahan-tena. Ireny olona ireny moa dia azo antoka fa taranaka afrikanina miely etsy sy eroa noho fivarotana andevo taloha. Ireto ohatra ny olona mainty mba fantatro anisany malaza indrindra: Péle mpanjaka ny baolina kitra, Tiger Woods, Lewis Hamilton, Ry Michael jackson, Jordan ..., Ry Venus sy Serena... ireo aloha no tsaroko fa mbola betsaka fa tsy ary ho voatanisako eto avokoa. Ny tiako hatongavana fotsiny dia ity oe! tsy latsan-danja @ hafa akory i afrika fa manana ny maha izy azy.
Raha te hiala @ izao fahatrana misy azy izao i afrika dia tokony hahay hifandamina aloha ny firenena tsirairay sy ireo mponina eo aminy. Izany dia tsy ezaka ho azo rampitso dia rampitso akory fa mety mbola taonjato maro any aorina any vao ho tratra satria mila adinoin'ireo taranaka ho avy aloha ny tontolo misy azy izao vao miorona tsara ny fitiavan-tanindrazana hipoitra ao anatiny ao.
Niniko natao toy izao ity lahatsoratra ity satria isika afrikanina mantsy dia fatratra @ fitanisana ny lasa ka manetretra ny fiainana taloha izay efa tsy ho diavina intsony fa efa nivalona ho tantara sisa fa tokony hahay himbajina ny ho avy sy hanao tomban'ezaka sy hanisy tanjona tsaratsara kokoa mihoatrany anio. Fehiny dia faniriko tokoa raha ny afrikanina no hanoritra ny ho aviny sy izay mety sy tsara ho azy fa tsy ny firenena hafa akory. Mbola maro ny torapo tiako soratana ka aleo aloha faranana eto ny anio.
Tageko indray:
Tomavana: lasa mpaka sary malaza ao geneve ao mba hamoaka sary indray mipika ho an'i afrika.
Hery: tia tsikitsiky ao afrikaItaly ao.lol
Pissoa: izay atsy afrika atsimo mahafatra tsara ny fisainan'ny afrikanina
Tsikisariaka: izay any ejypta
Helisoa: ao frantsa izay mamaphery @ lahatsoratra mitory ny filazantsara izay tsy ampy eto afrika.
Lehilahytsyresy: Izay atsy japon izay mpametraka hafatra eto aminy blaogiko tsy tapaka izay hinoako fa manakambara tokoa @ ity lalao ity.
tantara tsy fanadino fa natao ho lesona ho an'ny ho avy :D
Kdaomba => Kôpy ela e! lol
Vita tompoko !
Mamaky ny eto aho dia nahazo toky izany!
Kivalavala , comme koi par exemple ?
Kdaomba => ie tena tiako be mihitsy! lol indrindra rehefa le resaka kivalavala iny aoka fotsiny
Fa angaha moa ianao ity mirevy ireny sary nampidiriko ireny ? ha ha ha !
kdaomba : tsy adidy fa fandraisana anjara, fitondrana anjara biriky @ hevitra iray, fampitahana hevitra isan-karazany. Ny ahy efa vita an, sao hoe ilaozako be kabary eto fts. hihihi
Ikalamako => Ie angamba eto ihany i tsiks ka za no diso fitsatoka!
Kdaomba => Tsy dia voatery loatra fa mba manala azy sa ahn?
Dia io fa manadala olona 5 be zao koa ! Dia manao vazaha mody miady eo !
Fa ny tsy azoko dia hoe adidy ve izy ity tokoa moa sa inona no tena tanjona fa tsy fantatro loatra ?
arahabaina nahaefa adidy e, izay no tena zava-dehibe :-)
(Tsikisariaka tsy any ejipta kah, ao Dago ihany izy koh, sa zah no tsy naharaka vaovao ?)
Kdaomba => Tsy misy fisaorana e! k'hita eo fa manadala koa inona indray.
Manadala angaha ? Teneno mafy i Jentilisa fa izy no nitagy ahy ! hi hi hi ! misaotra lesy !