Mandat d'arrêt contre Andry Rajoelina!
Njay ny anareo!!! Gina ny tena namaky gazety mivoaka isan'andro iray ary avy dia nahoraka be eran'ny tanana ilay vaovao izay fikasana hisambotra an'i Bandy kely. Dia hanao ahoana tokoa izany ny fety ho diavina atsy ho atsy raha ho soparan'ny rapôlitika indray!!! Enga anie ka tsy hisy ny korontana izay no rarina.
Fa amiko kosa aloha raha manao izany fisamborana izany ny fanjakana izay voalaza @ sihon-daresaka moa: "fa namory olona mpanao politika tsy nahazoana alalana tetsy @ La Rotonde ingahy ben'ny tanana" no tena antony mety hisamborana azy. Avy dia hita mivandravandra fa tsy mahazo maneho hevitra intsony eto dago izany. Noho izany tsy misy ny demokrasia. Ho hita eo moa ny tohiny ny tantara fa ny aina no mateza.
Andaniny kosa dia mandrora mitsilany ny mpitondra raha miroso @ izany satria mety tsy hitazam-potsiny ny olona 63% ny mpifidy teto Iarivo raha misy izany. Tsy azo lavina fa mety tena hisy ny gidragidra izany.
Efa miakatra ny maripana raha izany fa miandry izay higadonany sisa isika samy manisa andro izany ny andaniny sy ny ankilany. Izaho kosa hitazan-davitra ihany fa tsy misy hidirako ny @ izay satria tsy misy hanome ahy ariary na ny andaniny na ny ankilany ny ahy any am-paosiko aza no manaraka @ fandoavaka 6% @ impôt synthetique ho an'Ingahy ben'ny tanana ary ny hetra TVA homena an'i ra8 hozaraina @ ireo mpisolelaka mpanao pôlitika omena 400 tapitrisa ariary be izao (vola be hono no nozaraina teny Mavoloha teny t@ 17 izany adalan'ireo izay tsy te hankeny).
Izahay vaohako kosa ity miady mafy @ fiainana andro aman'alina mba nisy nijery ve? eo ireo mararay mila vonjy eny @ hopitaly mety miandry vola kely afahana mividy fanafody sy ny sisa... Eo koa ireo olona be antitra miandry pension milahatra efa manomboka @ 3 maraina eny @ fandraisam-bola avy eo anefa voaendaka etsy ivelany @ tsy fisin'ny fandrimpahalemana ry zalahy anefa manao ampihimamba ny volam-panjakana sy ny fandehanana mitety izao tontolo izao. tsy hanao lava teny aho fa ampy izay isika rehetra mahalala tsara ny fahorin'ny isan-tokantrano ankehitriny.





21/12/2008, 13:31
Rehafa avy nandinika izany aho dia i Andry TGV no tian-dRatsiraka tenenina amin'ilay hoe akihikely.
+ iza no mahalala ny tena anton-dian'ingahy ben'ny tanna tany Paris?
20/12/2008, 20:31
Io ho'a minoa marimarina ianareo fa resaka saosy daholo io. Izay manome saosy no arahin'ny mpanao politika eto amintsika. Fa aza mandany betron-doha amin'io. Ataovy izay ihinanan-kanina dia araho izay andriandrian'ny saina sy ny fo. Tsy ny mpanao politika no hampiditra sakafo sy hampatsara ny fiainana fa izy aza haka ny any aminao amin'ny valandresaka etsy sy eroa.
Raha te-hilaza ry zalahy dia ity vidin'ny lasantsy zara raha midina ity no tokony teneny nefa efa 36$ ny barika.
Bain'iza aza no nampandoro ny lapan'ny tanana t@ 72? Ahahahhahahahahhahhaaha
20/12/2008, 17:46
Pakysse => Vaovao farany koa dia oe nisy nihaona mangingina t@ filoha hn ny sasany t@ ireo mpanohitra izay teny @ la rotonde asa mety notambazana volabe ihany koa angamba hanampidinana ny marimpana!
20/12/2008, 15:59
@zombia Tsy oe rehefa mpanohitra kosa dia mamely fa izaho masahy miteny aminao fa matanjaka ireo fa mila mpitariak fotsiny dia io tratrn'dry zalhy indray andriamatoa Andry Rajoelina.
Ny tiako tenenina tsy oe momba ny atsy na momba ny aroa fa kosa na dia mipozipozy be aza ireo mpanohitra ireo dia izaho masahy miteny aminao fa matahotra ihany ny fanjakan fohibe satia avelao fotsiny aza ny haino amn-jery ny fanjakana hidirany zareo anie dia ho hitanao izany mpanohitra tsy mamely izany sady raha atao bango tokana efa ao anty rà any zareo ny politika dia mino aho fa sty olona vaovao sy mihevitra ny tenany fa azo vidian vola tahaka ny manao afera ery @ avenue no ahavita hividy ny malagasy amin'ny akapobeny.
Mankasitra @zombie.
20/12/2008, 15:54
ilay regles du jeu anie no tena tsy misy amin'ny resak poilitika eto Madagascar dia lasa manaonao foan daholo sy lasa miteny izay tiany daholo dia ny fiafarany lasa psychozy mihintsy.
20/12/2008, 08:22
Dadarabe => k'hita oa! sady ny kibo efa noana ve mbola hisahotaka ihany.
Zombia => Ary enao lalintsaina an! Eny e tena intox no bobaka @ le izy
Andribe => De akatona koa ny tiko ve? lol
20/12/2008, 01:28
mbola aiza mbola betsaka no hikatona sy ho samborina. ze tsy minana produit tiko de ho samborina hahahaha
19/12/2008, 22:01
Hosamborina i TGV eh
Ohatry ny feo nampatsiahy ahy ilay hoe :"Voapoizina i Hasina eh" na ilay hoe "hosamborina i Zafy eh"
Resaka hanentanam-po ny olona fotsiny, fa ny ol vao mijery hoe iza avy no mpanohitra dia aleo indray miverina mody manidy trano. Fa miandry fotoana ny zavatra rehetra
Iza no mahita raha sarinady anakonana ny fanomezana ny tany 1.000.000 ha ho an'ny Daewoo, sy ny 250.000 ha ho an'ny Indianina fotsiny io
19/12/2008, 21:16
Mano ahoana ry News2Dago.
Ny ahy indray dia ny hoe : aleo hilamina ny tany fa be izay korontana izay.
Ilay resa-politika sy fikafika toa mampiesona vahoaka hatrany koh !
Mahereza é
19/12/2008, 16:59
Ikalamako => Andraso fa kôziko enao e!
19/12/2008, 15:33
mba ilazao lesy aho ra-news rehefa misy fizarana volabe manaraka fa tena izany izao no mba andrasako - dia mba atoroy le fomba fisolelahana anefa an - mdr
En attendant aloha dia j'attends et regarde tokoa...
19/12/2008, 14:21
Sitlo => Za ko
19/12/2008, 13:14
Mbola mandinika tsara aho io
19/12/2008, 13:01
Hery =>Rehefa mbola tsy mikatona aloa ny aterineto dia mahazo vaovao ara-potoana isika aty an-dafy!
Simp => Hitovizako hevitra enao
Jentlisa => Ho hita eo e! sa ahn? Miandry fa gasy
19/12/2008, 12:22
paika entina hampakarana ny maripana izany zandry mba hivononan'ny olona hitokona amin'ny voalohan'ny taona a! jereo ange fa saiky nifanitsy tamin'ilay nosoratako tamin'ny lahatsoratro halina hoe ho avy amin'ny fiambenana indray izany ny mponin'Antananarivo eee!
19/12/2008, 11:38
commencement de la fin lesy ra fanagadrana an'lery no atao a.
Plutot avela hivazava eo izy fa ignorer-na fotsiny no mety kokoa...
zavatra kely otr'zao matetika no lasa mihitatra be. Satria mitambatra ny lonilony hatrizay :)
19/12/2008, 10:45
Izay no ilazàko hoe sao dia diso adihevitra ary isika? Resaka VIVA nakatona no andaniana fotoana fa tsy hita hoe misy krizy mafimafy kokoa noho izany.