Hotapahana koa ny aterineto!!!
Efa nataon'ny amiraly izy ity t@ fotoan'andro ka asa raha mety ho tanteraka koa ao aoriana kely hoy tokoa mantsy ny amiraly oe:"Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina"!!! Ka mety hiverina daholo izany na ny andrimasom-pokonolona izay hiaro an'ingahy ben'ny tanana @ fanamborana (izay mbola tsaho aloha hatreto), ny barazy antiekonomika (ny filoha ny ACEM izay efa lasa tanan-kavanana ny filoha ankehitriny ihany koa), ... Ary ny farany izay tena hany sisa lalana tokana afahana mampiely ny vaovao haingana dia ny fanampahana ny aterineto izany.
Hamaivay io taona 2009 io ka na lasa PDS ny hitondra an'Antananarivo na hiroso any @ tetezamita izy ity. Pôlitika avo lenta tokoa satria dia ny sakay sy maso taloha no lasa miray latabatra ankehitriny dia ny Tim sy ny Arema izany satria ny ankamaron'ireo olom-boafidy ao @ Tsimbazaza ao ohatra dia ny Arema ihany no lasa TIM dia inona moa izany fa tsy marina ilay teny oe ny Teo Ihany no Miverina.
Manaraka izany dia miverina @ ilay tsaho izay mora mandaitra @ ramalagasy aho satria rehefa sakanana ny haino aman-jery dia tsy maintsy mihonona @ hono hono ny rehetra ka indraindray mety marina izy ireny mety ho diso koa anefa. Ka ny tsirairay no mila mahay madanjalanja izay fahamarinan'ilay tsaho.
Tombontsoa ho an'iza tokoa moa ny fanapenam-bava e? Tsy efa tokony ho mailo ve ny mpitondra oe efa nahavoa ny teo aloha ity fomba fiady iray ity ka tokony hanitsy ny lalana ry zareo!!! Misy marina kosa aloha ny voalazan'i tgv @ ilay resaka mbs io satria dia tsy afaka manamparitaka sary sy feo manerana ny Madagasikara izy fa ny Tvm sy ny Rnm ihany no tokony afaka manao izany. Eo zao dia efa hita oe nilaozan'ny toetrandro ilay lalàna mifehy ny fifandraisana ka azo hiadina tsara any @ tribonaly mila fahasahina fotsiny io dia izay. Toriho aloha ny mbs oe tsy manara-dalàna ka tokony akatona, eo mantsy ho hitan'ny havany eo raha misy ambany ny lalana tokoa ve eto sa misy ihany ilay tsy maty manota.
Fa mialoha izany rehetra izany aloha dia avelao aloha izahay hifety zay nareo vao milahatra sy manao barazy @ izay. Ho hita eo ny tohiny eo isika mahita izy... I news2dago kosa aloha dia hilaza vaovao foana na tsara na ratsy ho ny andaniny roa raha tsy oe angaha hanao vazivazy ratsy indray ka hanapaka ny aterinaeto!!!





22/12/2008, 17:57
mampihomehy koa ianareo fa ny tsaho no toa betsaka fa tsy nahatapaka ny aterineto izany mihitsy ary toa tsy nikasa hanapaka akory aza i Ratsiraka t@ fotoan'androny.
raha jerena ny pagination ataon'ny gazety malagasy androany t@ aterineto dia toa vaovao mitovy lenta @ hafa ihany ny an'i tgv. na i tribune izay mpanohana azy aza toa tsy nanao wawawa be.
mbola tsy nisy niteny ity holazaiko ity. raha tsy mahatafita eo i Andry Rajoelina dia "jamais 2 sans 3" ny an'ny fanjakana : Fianarantsoa / Toamasina dia avy eo Antananarivo. Toa tsy misy korontana izany anie ieo tanàna 2 voalohany nefa somary nosintonina ihany ireo be'ny tanàna kalaza roa lahy e.
"il ne faut pas vendre la peau de l'ours avant de l'avoir tué" ozy ny vazaha. asa iza no tena manana ny kibay @ izao fotoana izao ???
22/12/2008, 15:07
Simp => Izany mihitsy e! efa tokony tsy misy intsony ilay fanampenam-bava @ izao taona efa 2009 izao e
22/12/2008, 14:50
sitl,
za koa aloha tsy dia mirevy an'ilay style frantsay e.
Sady lery koa no otran'ny milalao afo ny tena marina :)
fa zany hoe ny censure no tena iadivana ra misy an'zany fa tsy dia tena hoe hanohana an'i tgv hanongam-panjakana akory ny tena tanjona ;-)
22/12/2008, 14:04
Sitl => Ie misy marina tokoa izany zavatra kôzinao izany satria ny ambasady ny lafrantsa no toa oe naheno ilay mandat d'arrêt voalohany! sady mzava fa ao ambadika ny frantsay ankehitriny e!
22/12/2008, 13:28
Ny ahy aloha tsy hitako loatra ny olana ry zareo fa mba manaraka ihany aho. Toa i Andry TGV no mitady korotana ny fahitako azy. Hatramin'ny nahalany ben'ny tanàna azy toa hoe sakana avy amin'ny fitondrana foana no hirahirainy.
Sady hatramin'ny oviana koa ny ben'ny tanàna manome ultimatum ny fanjakana izany?
Angaha tsy misy interim ny VIVA no toa ingahy ben'ny tanàna no manao fampilazana.
Raha ny fahitako azy dia style frantsay ity manao ben'ny tanànan'ny renivohitra ity, dia avy eo miteny hoe raha tohina ny afero...
Mba ben'ny tanàna koa ra8 tamin-dRatsiraka filoha fa toa tsy nitarika korotana izany.
22/12/2008, 12:48
Simp => Ka ry lerony efa mikorapaka ihany fa mody tsy miseho ivelany fotsiny e!
Tena angaredona be ity kle
22/12/2008, 12:36
Ny diaspora lesy misy aterineto foana na tiany na tsy tiany a.
Atao in fotsiny ny Global Voice haha
angaredona be eto io ra vao manao kozy voretra eo fa tssssssss :)
sady anti-economika be izany no mampiseho be hoe mi-panika iray trano e. Mety hoe tena efa alohalika ny ranom-bary, en dernier ressort mintsy izy vao hanao an'zany... ra hanao ary :)