Mpitondra tenin'ny vahoaka (updated)
Dia notanterahin'ilay ben'ny tanana tokoa ny hetahetan'ireo lazaina fa vahoaka maro an'isa ankehitriny dia ny hitondrany ny Tetezamita.
(sary efa lany daty io satria t@ 26/01/09)
Toy izao ilay atao oe vahoaka maro an'isa izany oe 80.000/20.000.000 na koa oe 0,004 % no hadidy sy hanapaka ny tany sy ny fanjakana.
(sary topmada 31/01/09)
Dia atao ahoana izany ireo vahoaka tsy milahatra tsy tia korontana kanefa tsy sahy maneho hevitra fa ampitahorina bemiranga sy olona milanja basy handromba sy hanampim-bava.
Demokrasia ny bandy bokona sy beloha no tiana hanjaka eto @ tanana.
Niato kely mihitsy aloha omaly tsy namoaka lahatsoratra fa nandinika tsara ny zavamisy ary nanao jeritodika niezaka ny tsy haneho hevitra fa hilaza vaovao fotsiny sisa sao dia tapaka lalan-drà @ hatezerana eto ny farany. Lol !!! Ny fiainana rahateo mitohy ihany.
Indreto indray ary ny vaovao nisongadina eto @ tanana ankehitriny.Tsy misy entana intsony eny @ mpivarotra indrindra ny ppn ilaina andavanandro. Raha sendra misy ary dia hilaharana ny menaka dia mindagana 40.000 Fmg na 8.000 ariary miandry ilay 2.000 Ar toky nampanan-tenain'ny mpitondra tetezamita izany izao! lol Tsy fahotana tokoa ny manofy ô.
Izy tompony(ra8) ary tsy nahavita izany kanefa io no asany. Ny vary ny dibera ny sira siramamy tsy misy firy intsony e! Teo anefa afaka nisafidy tsara fa tsy nahay nionona dia izao no vokany. Efa natao hilahatra mandram-pahafatiny ny gasy mantsy. Dia aleo zany mividy vita vazaha fa lasa manankarena laotra ilay teran-tany malagasy e! zany ve tsy fialonana. LOL
Aleo manao tôtôkelim-bazaha eto daholo e! Ny vazaha na manalika aza toa lefitra ihany fa raha malagasy kosa tonga de ataovy @ fanaovana azy.
Mbola lefitra ihany aloa hatreto ny fiakaran'ny vidim-piainana fa miandry fatratra ireo entana nagalarina atao risoriso izao ny rehetra sao mba afaka mividy mora eny na efa mibotsina aza ny iaorta sy ny ronono vidina foana fa iza no ho faty noana eto. Misy ihany koa ny solika fa ao aorina no asa.

Miandry fihaonana izay ataon'izy roalahy mianaka moa ny rehetra na dia efa nilaza ampahibemaso aza ny ben'ny tanana manao oe miray tsikombakomba @ mpitondra ny FFKM dia mbola hisy ihany ve hino fa hanao izany dinika izany izy mitsamy ireo. Ho hita eo ny aina no matezà. Ny tsapa izao dia tsy misy raharaha vanona eto an-tanana fa mikorontana ambony ambany.
Nomen'ny fanjakana 1.250.000 Fmg na 250.000 Ar ireo mpiasa rehetra niara-boina t@ ilay rotaka ny alatsinainy eo. Miandry ny fanambarana avy @ filoha ny repoblika ny rehetra ankehitriny.Toy izao ny fintina @ ilay fanambarana:"Mijoro hatrany ny fanjakana tarihin'ny filoha ny repoblika izay voafidy @ fomba demokratika". T@ ilay fanelanelanana nataon'ny FFKM moa dia samy niaky ny 2tonta fa hiaona tsy misy fepetra mialoha kanefa nohon'ny zava-nitranga androany 31 janoary kosa dia hotrotrona am-bavaka ny firenena ny alahady 01/02/09 ao Isotry fitiavana mba isorohana ny fifandonana.

31/01/2009, 17:23
Tsy aleo ve mba amboarina kely ity blaogy ity fa lazainy fa tsy mahazo manoratra aho nefa avy eo hitako eo daholo ndray ny post-ko e? sa dia manoratra in-dray fotsny zany dia na inona no teneniny eo dia efa lasa? asio fanazavana kely aloha! ary nareo k'ay en direct ao an? ahoana io hoe tsy mandeha efa 2h io TVM? dia hisy déclaration Ravalo ato ho ato?
31/01/2009, 17:08
na 200.000 aza tsy mahazo afatsy 0,01% zany e! de ahn manjakazaka ve? Eto @ Ville ihany TGV no mety ho to teny fa na etsy ivato aza de efa minorité de enao indray ve no hibaiko ny rehetra ô leretsy a sao de mba tsy mety!
hajanony => Manao ratsy matoa miaro tena mafy
31/01/2009, 17:07
Mpiambina angamba ireo manao orange, izay ara-dalàna raha mpiambina tokoa satria manana droit ny olom-panjakana hanana mpiambina mitondra basy raha mangataka (ny karazana basy kosa dia tena tsy haiko hoe ireo AK 47 ireo an-tanany ireo ve sa revolver no izy). Ireo sary roa manaraka kosa dia tsy afaka miteny aho hoe commandos sa olona sendra nahita basy latsaka dia nandray (drrry tena hafahafa koa zany hoe mahita basy latsaka zany). Izaho ts'inona tsy nahita izay niseho teny anosipatrana teny ka dia tsy afaka mitompo-teny fantatra.Mandra-paha aloha : misy an'ity hitako tao amin'ny sobika tao http://www.france-info.com/spip.php?article246033&theme=14&sous_theme=18

31/01/2009, 17:05

31/01/2009, 17:04

31/01/2009, 16:58
Mpiambina ny tenany ireo,
Fa anga adala i Andry kely no andeha eny fivoriana ts'isy mpihary?
31/01/2009, 16:46
news2dago = vendrana dondrona,tsy mahita ny eo ambany maso diso ty fa 200 000 ny ol teo @ 13 may
31/01/2009, 16:31
fa inona le komando e! tsy olona tsy ao anatin'ny tafika milanja basy sa milisy ireo?
jereo ity
http://hery.blaogy.com/post/4/5949
31/01/2009, 16:13
Asio porofo fa an'i TGV izany komando izany ry news2dago.
Aza de mandainga foana leitsy e!
31/01/2009, 15:39
Fan =< aleo mihitsy io ho eo mbô hiakatra ny credulité-ny e
31/01/2009, 15:34
Soloy kosa le sary ery ambony eeee!
31/01/2009, 15:26
ramalahelo => Tena soson-T mihitsy a fa manimba zavatra e! ny tenako izao efa niditra tao @ Tvm sy ny Rnm fa tena raitra de raitra tokoa nefa de afoy ao anatiny tapakandro. Momba ny miaramila indray dia mahay miresaka lery dia ohatra ny oe azy mihitsy kanefa mbola ny ara-dalana ihany no tena tokony arahina fa tsy fanjakana an-dalambe fa manana komando kely ny etsy @ 13mai e!
31/01/2009, 15:17
Miarahaba e! Aza dia masiaka loatra raNews2dago a! Samy tsy misy faly amin'izao korontana izao daholo fa ianao tena hita tezitra be loatra! manjary tsy misy vaovao tonga hatramin'ny omaly nefa 'zay niandry. Aza marary fo eo aloha fa diniho tsara ny fandehany. Ny miaramila ve tena lasan'ilery koa sa ahoana e? Fanontaniana io raha misy valiny azo atolotra. Sa stratégie fotsiny? sa dia efa tsy izy intsony ny Filoha ravalo zao? Vaovao alefa fa aza manao tora-po a! ok!
31/01/2009, 15:12
Ie hoy izy oe:"Manomboka androany dia izaho no hitondra sy hibaiko anareoooooooo" de hoy ny valiny manao oe: "wouh wouh wouh" oh alika mivovo zany ny fihaino azy @ radio
31/01/2009, 15:04
Mba te-hiseho ho Obama gasy ka manolo-tena ho prezida... Dia mba ahoana aloha ny fiteniny r'ireto fa mafy ity tsy any tanàna ity, hoe "Izaho indray no prezidà manomboka androany" ve? Tsy mihomehy loza aho fa izao fiaingany izao ve tsy mibaribary hoe type-n'olona manao jadona koa io?
Sao dia mba prezidan'ny pelaka izany r'ireto a? tsy hoe pelaka ahoana moa zany fa sao misy tezitra eo ndray fa SARIM-BAVY no tiako tenenina, ho hita eo izay apokany, ho hita eo!
P.S.: Ilay paozin'ny vadiny manainga tanana V dia ohatrany miteny an'ireo mpilahatra hoe Vendra-p daholo, sa ahoana hoy nareo?