Na inona na inona dia misy hadison'ny vahiny ihany izao zavatra mitranga eto Mandagasikara izao. Misy tena mahatsiaro very tombotsoa manokana indrindra fa ny reny malala hatramin'izay niakaran'i Ra8 teo @ fitondrana izay ary mazava ho azy fa tsy mankasitraka izany izy ireo ka manao izay hatongavana any @ ady an-trano.
Raha tsy mitandrina isika dia ho tody @ zavatra iriny ireto firenena matanjaka ireto satria mantsy afaka miditra mivantana eto ny tafika vahiny hampandry ny tany sy hiaro ny teratany vahiny monina eto amintsika no sady afaka manao ampihimamba maka ny harenan'ny malagasy toy ny vehivavy sy ny vatosoa ary ny safira sy ny lavanila... Misy mivohy foana mantsy izao ny resaka merina sy tanindrana any @ sisiny any ary voalaza fa misy manejika ny mpiavy tany @ faritr'i sava iny ary efa nisy 4 no maty t@ ireo mpanao varo-mandeha.
Ny zavatra mitranga anefa dia ny samy merina no miady seza eto andrenivohitra ny mpanaraka azy ireo anefa dia hita misy fahasamihafana mihitsy satria ny mpanohana ny fitondrana dia olona manana ny toerana salan-tsalany fa ny manohana ny Tgv kosa dia ireo kilasy fahatelo hita izany @ sary maro samihafa ireo izay mora karamaina vola sy tsy mijery lavitra satria efa tena ao anaty fahatrana tanteraka. Mahita izany ireo fanetribem-pirenena izay voakarama ny firenena lehibe ihany koa ka mijapy ilay Tgv sy miantsy ady hatrany handranitana an'i adim-poko io.
Tsy izaho velively no handeha hampianatra ireo ngeza lahy roa mifanandrina eto Iarivo eto fa tokony hahay hanindry fo izy ireo. Ka tsindriko eto mihitsy ny oe tokony hahay hifandefitra satria samy diso samy marina fa tsy misy manana ny marina feno akory afatsy Andriamanitra irery ihany. Zavatra tsy ampoizina akory mantsy dia mety hanimba ny taranaka maro hifandimby. Ny zanak'ireo mpitondra sy mpanakorotana sy mpanao politika ireo moa dia any an-dafy any avokoa. Ka sady tia tena zany ry zareo no tsy mendrika ny hizaka ny zom-pirenena malagasy ihany koa. Asakasak'izay manan-tsaina hitarika adim-poko eto.
Ny vaovao farany eto dago aloha dia ny fifanolanana @ le resaka PDS sy ny fandravana ny sefom-pokotany 192 ka androany no voalaza fa hametraka ny solontena ny PDS ny eo anivon'ny fitondrana hanendry sy hametraka ny eny @ firaisana ary hanedry ny prezidam-pokotany kosa ny ekipan'ny tgv. Mitohy hatrany ny ady saritaka efa manomboka mahatofoka ny vahoaka.





06/03/2009, 00:32
ny manam- pahaizana moa tsy tia ny tanidrazany dia any an-tany lavitra satria mikarama kely eto an-tanidrazana, satria hono ny vola no maha rangahy, ny tsy nahita fiarana na nahita ihany fa tsy ampy fahalalana mananaraotra ny malagasy maro an'isa mitavozavoza. Handroso ho any ankady ve sa hihemotra ho faty? Dia samia mamisavisa, ka tsy aleho ve manampy izay sahy mijoro satria mitabe tsy laniny mamba ary tsy aleho ve madroso ho any an-kady satria ny ady mbola azo totofana toy yzay hihemotra ho faty tsy hisy hanavotra! hoy ny ray amadrenitsika MAMONO BIBY TSY MAHAFATY TANDREMO FA HIFOTERANY RAMBONY dia soa fa tsy maty manota ny anatry ny raiamandreny. Koa mivonona hiatrika hatraminy farany ary aza matiny laingy tsara lahatra fa aleo mihatrika hatraminy farany.
17/02/2009, 12:49
"Marina daholo zany ramalagasy !... tsy mendrika hitsimpona izay sombitsombiny latsaka avy @ latabatro akory ianao...nefa raha hanao TIM ianao tsy mba holaviko mihitsy!!!" "Izaho no lalana sy la farine ary menaka,tsy mahazo mikaly raha tsy amin'ny alalako irery ihany" (Marka 7,77) "Tiava ny namanao ary gadrao zay manenjika anao" (1Tim 7,77) "araraoty ny andro azo hanangonam-bola fa miharatsy zao fiainanaizao" (2Tim 1,77) Ahoana no tsy hinoanao fa mivavaka aho ? misaotra an'Andriamanitra mandrakariva aho fa nomeny vahoaka bado sy dondrona ary koa fiangonana mora vidy izay maharo ahy mihoatra noho ny foloalindahy sy ny miaramilako. Ny miaramila miaro ahy raha misy mitady hitifitra na hamono ahy,ny fiangonana kosa mampianatra ny olona tsy hamono ahy fa hivavaka hoahy sy hankatoa ny fahefako lehibe. Ho ahy irery ihany anie ny voninahitra sy ny fanjakana ary fiadanana hoan'ny olona ankasitrahako! de nandray ny dibera tiko izy de hoy izy:hano, ity ny dibera vitan'ny omby vavy be ronono nafarana avy any afrika atsimo zao no ataovy ho fahatsiarovana ahy raha mahavidy ianareo,,de toy izany koa ny ronono:raiso, ka sotroy, ity ny màna milk,zao no ataovy ho fahatsiarovana ahy refa lasa adala any @hopitaly ianareo ...... Raha misy olona roa na telo mivory tsy amin'ny anarako dia sambory izy! ---------***************--------------------- "Ny fanananao dia vokatry ny vintana fotsiny ihany, fa tsy nohon'ny fahaizanao akory"
06/02/2009, 06:34
Kdaombaramita ==> Tactiques hahafahana mi-manipuler ny opinion publique ny fanafangaroana faits. Toy ny fanaon'ny mpanao politika rehetra ihany.
"in order to achieve maximum dramatic political impact, you must mix truth with lies."
Ny blogs rahateo dia opinion personnelle fa tsy voatery hoe ny "tena zava-misy marina" akory.
05/02/2009, 16:58
Fanontaniana : taiza tokoa aloha io sary karan-doha nalainao io fa raha tsy eto Dago io na tsy vokatry ny korontana ankehitriny dia tsy tokony napetraka, ilay sary faharoa misy miaramila mijery jumelles io koa ve taiza ? Manjary mivilana ny fijery ny zava-misy mantsy raha sary tsy misy ifandraisany amin'ny teneninao no apetrakao. Manarak'izany, hoy ianao hoe : "miditra mivantana eto ny tafika vahiny hampandry ny tany sy hiaro ny teratany vahiny monina eto amintsika no sady afaka manao ampihimamba maka ny harenan'ny malagasy toy ny vehivavy sy ny vatosoa ary ny safira sy ny lavanila", tena sûre @izany ve ianao ? dia natao haka ireo zavatsoa ireo fontsiny tokoa ve no tena ahtongavany fa tsy hanao ny asany ? Asa aloha, fa lasa lavitra ilay eritreritrao angambany ka mila malina tsara vao manaiky ny sasantsasany. Ekeko ny ambiny !
05/02/2009, 15:46
anatin'ilay savorovoro koa aloha tsy hita hitompoana teny fantatra ny hoe "iza" no manakarama ny mpanakorontana e ! :-P.
Mikorontana loatra kanou, tsisy nahita izay niandohany marina 8-)
Ny mpijery valalanina fotsiny fa toa ho tonga @ ilay fiteny tanaty site tsy tadidiko n nandalo ny masoko izay hoe "toa ménage à trois ilay izy fa ny tsy hay fts hoe iza no cocu" lololll
05/02/2009, 15:17
Fa hono ho'ahy aloha e : fatin'iza ary taiza nonahazoanao iretsy sary karandoha? :). Manaraka izany, mba fanontaniana koa : tsy mbola misy fitaovana fampielezam-baovao mahenika ny nosy moa zany zao? (satria simba ny rnm sy tvm)
05/02/2009, 15:17
Fa hono ho'ahy aloha e : fatin'iza ary taiza nonahazoanao iretsy sary karandoha? :). Manaraka izany, mba fanontaniana koa : tsy mbola misy fitaovana fampielezam-baovao mahenika ny nosy moa zany zao? (satria simba ny rnm sy tvm)
05/02/2009, 14:53
>>>>Ravolijery: ekeko tokoa ny hafatrao. Ny fandinihako azy dia miandry filaminana aloha ny mpitondra vao hiroso amin'izany. Ny hanakatonana an'ilay masoivohon'ilay mpanjanaka indray ... tsy ho azo tanterahina mihitsy satria betsaka gasy any amin'ny taniny.
05/02/2009, 13:16
Ny fahitako dia mila fandraisana andraikitry ny fanjakana ity resaka ity.
Lalàna maro no efa nodikain'i Andry TGV, mitovy amin'ny fanafihana RNM taloha ny zavatra ataony ka ny mendrika azy dia miakatra famotorana sy fitsaràna avy hatrany. Tokony ataoko koa ny fanadihadiana ny fihavian'ny vola rehetra ampiasaina amin'izao fankorontanana izao na hiafara amin'ny fanakatonana ny masoivohn'ilay firenena mpanjanaka io aza.