Mody tsy manao politika izy kanefa dia miray petsapetsa @ mpanao politika h@ izay. Saika olomanga ny gasikara mihitsy kanefa noho ny fidirany @ resaka politika voretra dia lasa io olom-bomanga io ny niafarany. Tsy maintsy tonga eto antananarivo hono izy hirahira etsy @ 13 mai sambany kosa izy no lasa mihira eo @ 13 mai io izay lazainy oe faritra mena t@ izy mbola nahazo ranondranony tao @ Radidy. Toro hevitra ny ahy tsy aleo ve mijanona mpanakanto toy izay mandoto tena @ ze politika e. Mba bandy mahay mamoron-kira ihany!!
(Izy no Rossy milaza ho irery any antanin'olona kay tena be akama tokoa any)
Misy azy indray izany ireo jomaka sy bemiranga rahampitso fa hampanaovina asa maloto @ fanankorotanana. Mahantra rahateo ka sitrany ahay mba misy dimy arivo kely hividianana vary 4 kilao aloha. Mazava ho azy fa tsy maintsy hisy zava-doza ketrehana ao rahampitso. Dia avy eo indray hiteny ny mpitarika oe tsy tompon'andraikitra @ hatezeram-bahoaka. Ilay vahoaka no anilihina ny andraikitra rehefa misy ny fihoaram-pefy sy maty @ sorona. Tsy mendrika kosa raha izany toetra fetsifetsy izany no hakana ny fahefana.
(ireto ny mpanao gazety ao @ radio Antsiva)
Tondro molotra fontsiny mantsy izao dia maharava trano sy voaroba ka ilaina mailo tsara mihitsy ny miresaka @ olona. Tsy mety rahateo ny fomba ataon'ny radio viva sy ny antsiva izay milaza mivantana ny laharan'ny ny fiara sy ny toerana misy ilay olona ary lazaina ampahibemaso oe fahavalontsika sy tsy namantsika. Izany ve no atao nefa mba mieritreritra ny hitondra firenena ianao. Maniraka ny mpanaradia anao hamono sy handroba ny olona tsy miovy hevitra @nao. Tokony mba hieritreritra ihany lahy fa tsy izao ihany anie no iainana eto Madagasikara e.
"Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina!!!". Mba meteza kely fotsiny eo @ toeran'ireo voaromba ireo mpanao gazety manondro molotra ireo mba manana vady aman-janaka ihany. Ovay ihany koa ny fomba fanao fa mbola tsy tara. Tao aorinan'ny 17 janoary no nankaty izao dia maro ireo olona voaroba. I Moxe Ramandimbilahatra, nanaraka azy omaly i Eugène Randriamiandrisoa teo koa i Saholimalala izay mpanolotsainam-paritra ny antoko Tim dia farany izay natao antsoantso omaly t@ radio viva dia i Jaquot ny tarika Green. Lazaina fa fahavalom-bahoaka daholo ireo olona ireo dia robaina ny fananany. (vahoaka madinika tsy maneho hevitra)
Marina ihany koa fa misy ireo "olona mangina tsy maneho hevitra" izay maro an'isa lavitra noho izy roa tonta mifampiantsy @ izao dia atao ahoana ny hevitr'izireo? 50% ny malagasy no nifidy an'i Ra8 ho filoha ny repoblika ary 63% ny olona teto Antananarivo @ mpifidy 44% tonga nifidy no nifidy an'i Andry Rajoelina izany oe ampaham-bato ihany izany no tena azony fa tsy izy manontolo akory. Ny ambony tsy naneho hevitra izay maro an'isa lavitra dia atao tsinotsinona ankehitriny.Te hiasa ampilaminana ireo te hianatra ny zanak'izireo tsy tia resaka politika izireo kanefa dia tsy misy mihaino ny feony satria olona tsy tia tabataba sy miady ry zareo. ny fahendrena malagasy anefa dia milaza fa "Izay mangina volamena".





07/02/2009, 12:56
tsy ampy cirque ao madagasikara e! pensez-y!
07/02/2009, 10:55
inona kou ty Rossy nty e,efa nataon'i deban'ty nahamay tamin'ny fotoan'androny kou mbola mitady ihany,sady aza manantena an'zany fa tsy ho avy izy e he he he
07/02/2009, 08:27
Amin'izao fotoana izao dia ny resaka fampihavanana sy famelomana izany no tokony imasoan-tsika fa tsy ho latsaka amin'ny fandriky ny fifandrafiana sy ny halako bika tsy tiako tarehy intsony. FIry tokoa moa ireo olona very asa izao tao anatin'ny fotoana fohy, ireo namoy ny ainy zay efa adino sahady, ireo voatery najanona satria tsy misy ny asa (trano fandraisana mpizahatany ireny,....) Iza zao no mba mijery ny momba ireny olona sy fianakaviana ireny? Dia miady saina irery ao, mangotika ny fo fa maty havana, lasa saina mihitsy satria very ny kapoaka fihinana. Tsy RARINY mihitsy raha mivelona izany isika. Avy any ambony ny ohatra moa. Ka mba meteza hifanatona ianareo fa fotoanany zao. Rehefa misy hevitra tsy mitovy dia mifanatona, tokony asiana lalana fa tsy ekena ny fanehoankevitra fiahantsiana ireny fa saziana amin'izay, tokony hisy toerana atokana hanaovana fanehoan-kevitra sy fitarainana. Ny tena fahavoazana mantsy dia efa very ny hasina isaky ny toerana sy ny andraikitra ka io no miteraka izao fahavoazana izao. Tany Toliara raha namaky ny magazay misy ny fananan'i Ra8 dia ny zandary sy ny miaramila no lohalaharana re tompoko, mahamenatra be saingy efa maty eritreritra mihitsy dia tsy miraharaha na dia misy maka sary tsotra izao. Ka tsy mahagaga fa na dia ny mpanao gazety natao ho mpanabe sy hilaza ny zavamisy lasa mpandranitra ady sy korontana amin'izao. Dia tsy mahagaga raha misy ny Artista tafiditra ao koa satria mampirafy asa tsy natao hiaraka mihitsy. Eny e! efa difotra isika ny tena marina satria tsy mandratra ny fihainoana ny mahare hoe : Rafozan'i Mompera sy zaodahin'i Mompera, vadikelin'i Pasitera izy, zanak'i Pasitera anelakelan-trano iny, sns.... Mila mieritreritra isika mianakavy fa efa dila tokoa ka mety tsy ho AVOTRA raha tsy mitandrina. Samia mandinitena ary fa samy ho TSARAIN'NY TANTARA eto daholo isika e
06/02/2009, 23:43
Marina tokoa ny voalazanao ry Kalamako fa ilaina ny mifidy. Kanefa Ra8 lany ho filoha tamin'ny 2 taona lasa no lavin'i Andry lany maire tamin'ny herintaona.
06/02/2009, 15:42
zao le efa teneniko hoe mananotanona i Deba
hum hum
06/02/2009, 14:59
hoy news :
"Marina ihany koa fa misy ireo "olona mangina tsy maneho hevitra" izay maro an'isa lavitra noho izy roa tonta mifampiantsy @ izao dia atao ahoana ny hevitr'izireo?"
izay no handehanana mifidy. Adidy ny mifidy, droit et devoir d'un vrai citoyen. Mila maka responsabilité. Fa tsy miafina fotsiny @ hoe "izaho tsy nifidy t@ zany" rehefa misy ny olana aty aoriana. Hakanosana sy tsy fahamatorana izany !!!
06/02/2009, 13:45
ketabozy ==> No one invited the filipinos here in the first place. Should they have to be repatriated for some reason or another, we won't stand against that decision.
06/02/2009, 13:40
fa iza klou hoa le tena manakarama an'izany bemiranga sy jomaka zany fa mbola tsy misy taratasy mazava naseho ange hoe i anona na i anona e - mdr. Mbola "hono" daholo fa ny mpijery mbola fanina beuh !
06/02/2009, 12:41
De maninonan'lah mampaninona an'lah rah manao poilitika i Rossy,
Manafana hetsika politika izy, na izany na tsy izany misy firaisan-kevitra ao matoa izy tonga,
Azy l'ty zany e, ze tiany io, rah izay no hahasoa ny fiainany de aleo izy hanao koa.
06/02/2009, 12:40
Filipinos may be at risk in Madagascar
By Michael Lim Ubac
Philippine Daily Inquirer
First Posted 17:39:00 02/06/2009
Filed Under: Conflicts (general), Overseas Employment
MANILA, Philippines—Senator Richard Gordon on Friday sought a contingency plan for overseas Filipino workers (OFWs) seeking to flee civil unrest in Madagascar.
In a statement, Gordon said the Arroyo administration should prepare for a possible repatriation of the more than 500 Filipino workers stranded in Madagascar, an Indian Ocean island off Africa, should the political unrest there escalate.
Gordon said the OFWs had been calling for help in vain after violence broke out in the capital Antananarivo.
Fighting erupted in the former French colony after Madagascar President Marc Ravalomanana accused his main rival Andry Rajoelina, the mayor of Antananarivo, of stoking political unrest. Rajoelina has been leading a week of demonstrations and strikes against the government, which he accused of turning Madagascar into a dictatorship.
About 100 people have already been killed.
"The Filipino community in Madagascar trapped in the midst of the political crisis in Madagascar had been sending distress signals. With the airport closed temporarily, they are afraid of being caught in the midst of the violence without an alternative means of getting out of there if worse comes to worst," Gordon said.
"I am calling on the government to be prepared to repatriate our distressed Filipino workers in Madagascar. The government should answer their call for help," he added.
According to the senator, the OFWs have been calling for help from the Philippine Embassy in Kenya which has jurisdiction in the area.
Gordon himself said he had been swamped with emails coming from some members of the Filipino community in Madagascar, pleading for help from the national government, notably from the Philippine Overseas Employment Administration and Overseas Workers’ Welfare Administration.
Gordon thought of tapping the Philippine National Red Cross’ counterparts in countries near the troubled island to carry out immediate repatriation of the Filipinos trapped in Madagascar.
Madagascar is the world's fourth largest island with a population of 20 million. The island opened a new market for OFWs when its government decided to develop its rich mineral resources.
There are more than 500 Filipinos working in Madagascar spread out in different business establishments like textiles, mineral exploration, food industry, and agri business, among others.