Rano raraka an-tany
(sary avylavitra)
Manakory aby ianareo tompoko, mamangy amin’ny fahoriana tompoko. Tsy lahatry ny miankandrefam-baravarana izao fa hetraketrakin’ny mpanao politika. Antontanio Ratsiraka : iza no namono ny olona tamin’ny 10 aogositra 1991 ? Voatery nitifitra ny miaramila rehefa notarihina hananika an’Iavoloha ny vahoaka aman’alina. Iza no tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesan’ireny maty tamin’ny 10 aogositra ireny : Ratsiraka sa ny Hery Velona ?
Vahotra tokoa ny lela raha, 18 taona aty aoriana, voatery mamerina ny fanontaniana sy ahiahy rehetra efa nosoratako tao amin’ny Madagascar Tribune («Ni Iavoloha, ni 13 mai», 12 août 1991). Fa voaozona inona loatra ny mpanao politika malagasy no tsy mahita irika afa-tsy ny fanaovana sorona ny olona ? Tamin’iny 10 aogositra 1991 iny, mbola niala nenina nampitandrina ny olona tonga teny Tanjombato ny Praiministra Razanamasy : «aza mandingana mihoatra eto ianareo fa raharaha ny ao aloha ao». Tsy nisy nihaino azy. Impiry impiry, hatramin’ny nanombohan’izao raharaha izao, no nitsangana sy niteny ny olona maro sady tsy momba ny atsy no tsy momba ny aroa : «mampidi-kizo izao fiziriziriana izao, tsy maintsy ny resaka no vaha-olana». Tsy misy nihaino isika.
Tsy fomban-tany, na aiza na aiza, na oviana na oviana, izany hoe manani-drova. Faha-Mpanjaka dia voaheloka ho faty izay milingilingy amin’izany. Raha nijanona teo amin’ny kianjan’ny 13 mey ny kabary sy ny fanambarana isan-karazany, tsy ho nisy izao rà mandriaka izao. Anontanio ny any Eoropa sy Amerika raha tojo vahoaka an’alina mananontanona ny lapam-panjakana ka mikasa hanao amboletra hiditra ao : ho jerem-potsiny ? Ka inona intsony no maha Fanjakana ny Fanjakana ?
Hatramin’ny 1972 dia ny faty olona no fetran’ny fitondrana. Efa diso hay loatra izany. Lasa tetika politika. Nahazera an’i Tsiranana. Nahalavo an-dRatsiraka. Izao mahasolafaka an-dRavalomanana izao. Kizo ho an’ny vahoaka, kendry tohana ho an’ny mpitondra, tsiny ho an’ny mpanohitra. Mbola mafana ny fo, mbola mamaivay ny fery, saingy teny tsy maintsy atao izao, zokin’izay aoriana rehetra, mba sanatriavina ka tsy ny fanaovana sorona ny olona foana no handrombaham-pahefana eto Madagasikara.

Ilay Filoham-pirenena, tsy hita, tsy nandrenesam-peo, mahabe ahiahy ny olon-tsotra manara-dalàna sady tsy tia korontana. Raha mba miteny indray, lavitra loatra, toa zary miafina, sanatria toa efa lositra. Fa Fanjakana inona loatra ity eto amintsika ity ? Tompon’andraikitra amin’ny haja sy voninahitra fotsiny fa mialangalana rehefa misy fahasahiranana ? Ianao ihany, Ravalomanana, no nihomehy ilay mpiandry omby miandry omby tokana : «tsy fantatra intsony, hoy ianao, iza no sefo, izy sa ilay omby». Mbola sefo ve ianao, Ravalomanana ?
Nasolo-Valiavo Andriamihaja
Vaovao farany dia nametram-pialana ny minisitrin'ny fiarovam-pirenena. Ary andrasana etsy @ kianja mitafo ny mahamasina ireo soronan'ny tolom-bahoaka 2009. Tsy mbola misy resaka hidirana any @ marimaritra iraisana mihitsy hatreto.





10/02/2009, 19:19
10/02/2009
Départs pour Madagascar suspendus
Il est désormais recommandé par le Ceto (Centre d'Etude des Tours Operateurs) aux voyagistes d'annuler les départs pour Madagascar. Les billets réservés pourront être reportés à une date ultérieure ou mis à profit sur une autre destination proposée. Ces dispositions sont valables jusqu'au 15 février inclus, sous réserve de modification selon le climat sur place.
La situation sur l'île rouge ne semble pas sur la voie de l'apaisement deux jours après la répression sanglante des manifestations samedi 7 février pour laquelle on déplore 28 morts et 212 blessés. Ce mouvement marquait le soutien des partisans du maire déchu de la capitale Tananarive.
http://www.roadbook.travel/voyage/News-key-0-noRubrique-2-noActu-822
10/02/2009, 14:03
efa ita mintsy ranga fa io andry io no niandohany olana a, io mintsy no tena manana saina devoly, tia vola, mpanakorotana, mpamono ol, mpandainga ary piatsaravelatsihy, ita mintsy oe ts tia tanindrazana, otran ol ts nianatra, manao sainjaza na ny fiteny aza otrany ny akizy 14ans.aita tsara mou io fa nga omenireo galy fantsy ireo toerana eo am fitondrana eo, mody ataony fitaovana fotsiny hanao tetezamita fa satri ra ireo galy fantsy ireo tsy ahavory ol de aleo manakarama anle tsis saina io, de eo io no oraisina fa iverina ampandihy any am boite fa very ny maha maire azy hihihihihihihh
mbola hanody ny taranany mandrakizay ane zao ra alatsany ahazoany tetezamita izao, de o ita eo e, tetezamita io de vita tsy ahazo seza ao akory, mbola ela vo o ampy taona e, allez alou mikosoka any am dj
10/02/2009, 13:28
Iza no nitondra ny olona bdb hiakatra any Ambohitsorohitra fa namela azy ireo handingana ny zone rouge, tsy mba nampilaza akory hoe tandremo anie ? ---> RA8 ? Iza no nitarika ny olona handeha handoro ny fivarotana maro ka nahamay olona maro ? ----> RA8 ? Dia tena misaina marina ve izany ? Raha manana saina dia mandeha miresaka tsotra fatsy lâche miditra an'Ambohitsorohitra miaraka amin'ny délégation fa tsy mijery² ety ivelany dia mitsoaka nefa izany hono ho hoe Prézidà, tena prézida Vendrana tokoa ilay izy knou ! Mazotoa izay mbola te-ho V fa dia ianareo nosorona manaraka e !!!!!
10/02/2009, 13:17
lasa palestine i Iarivo sanatria atsy ho atsy hisy terroriste any dago...efa tena nisotro ny aleoko maty mihitsy ny sasany. Fa dia inona loatra? Efa hoe ny violence tsy hitondra @ tsara zany mihitsy. Miandry ny fitsaran'ny Avy any Ambony izany? Izy ihany manko no mahay mitsara marina
10/02/2009, 11:23
O ry Mpandinika milaza ho tsy mpanohana an'i Ravalo ianao dia hita miharihary be ny fiarovanao azy, amiko kosa aloha dia i Ravalo no tokony ho sazina mafy dia mafy satria izy no nanome baiko hitifitra ny malagasy mpiray tanindrazana aminy, namono ny malagasy mitovy aminy.
10/02/2009, 10:02
Vita ny amin'ialahy ry Ra8. Azo noleferina ihany ny zava-nitranga rehetra, sauf ity farany ity. Fa dia inona no nitranga, fa dia naninona? Jereo tsara eto ry zalahy... jereo tsara ity, http://www.youtube.com/watch?v=-uDSRNjZwdc,
dia hitan'i lisany tsara.
Tena lisany gasy ireto tena tsy avotra intsony. Izany koa moa rehefa olona tsy avaram-pianarana no fidiana.
Dia izao, mba olona mpivavaka eh, mba olona kristianina mba hoe protestanta, nefa dia izao.
Ie... dia arovy foana ny ratsy ry zalahy ah ary aza mimenomenona intsony rehefa very sy miha-mahantra ary miha-maimbo ao Dago ao.
10/02/2009, 04:08
Solution aroso dieny mbola tsy betsaka ny maty!
09/02/2009, 18:31
Tena miaiky aho ... ary mitolagaga fa dia misy ny manaiky ho faty noho ny heviny...efa hatramin'i 1947 - 1972 - 1991 - 2002 dia izao indray 2009...
09/02/2009, 17:02
Lazaina fa nahazo villa lapa be i Andry TGV, lazaina fa efa misonanika any ny vady amanjanany, vao omaly ny omaly i Andry sy ny Vadiny no tao Mahamasina, ary vao androany no tetsy @ 13 mai ko lazaina fa lasa nitsoaka sy nividy villa, efa tsy hita tsony nga izay hiarovana an'i ra-8 ka foronina daholo ty tsaho rehetra ty, sao de ny ra-8 nareo no efa nividy tananan'olona any andafy any handehanany hitsoaka. Io na seza na tsy seza, ny marina tsy mba maty ry se a, efa mijaly ny vahoaka nefa ra-8-nareo manakarena ary efa lasany daholo i M/kara, mba menatra fa efa ataon'ny vazaha firesaka sy nomeny anarana hoe TIKOLAND ny firenenao, mba menatra fa ianao no mbola misonanina mahita hanin-kohanina isan'andro sy matory ampilaminana fa mba jereo le gasy kely mahantra kely mampahonena, satria nareo no mahita fahasambarana any andafy any, mba misaina, raha mbola toy zany ny toe-tsaintsika malagasy de aza mieritreritra fa handroso. Ireny no ministra manana fahendrena fa rehefa tsy mety de aleo miala toy izay hiray petsapetsa amin'ny mpamono olona. Mba jereo ny Sinoa sy Japoney, nahay niray hina nampandroso ny fireneny, ary tsy mba nisy filoha nanakarena tany fa tantsaha no niakatra ho filoha. MBA MISAINA AMIN'IZAY, AVOTY NY FIRENENAO IZAY EFA AO AMBAVAN'NY MPANGORON-KARENA SY MPAMONO OLONA
09/02/2009, 15:30
Stratégie-na ady mihitsy no nitondran'i TGV ny fanakorontanana, nopotehiny ny communication-ny adversaire(RNM,TVM,MBS),manjaka irery ny azy (VIVA,TV Plus, Antsiva), mande @zay ny intox sy ny terorisme miampy rà mandriaka kely dia vita Ra8
09/02/2009, 13:53
Zah izay manoratra sy maneho hevitra dia mahatsampa tena fa Malagasy manana adidy ho an'ny Mpiara-belona Sady tsy momba ny President Ravalomanana zah no tsy mankasitraka an'i Andry Rajoelina fa de ny fitsaran'olontsotra madio amin'ny maha olompirenena ahy no lazaiko fa : - Tafahoatra loatra ny zavatra ataon'i Andry ka mendrika ho faizina mafy arakan'ny lalàna fara-tampony misy eto Mcar izy satria hita mibaribary fa amidiny sanda volabe ny ran'ny Malagasy mpiray tanindrazana aminy - Ny tanjona amin'i Andry dia ny fanapotehina fotsiny ny firenena mba hahamora ny fanjanahana vao² amin'ny endriny maoderina ( izay marihina fa ny fitondrana Frantsay no mamatsy vola azy hahazahoana tombotsoa manokana ), izany hoe atao izay tsy hampisy ireo Sommet O.U.A fa manjary mizara amin'ny firenena maro hafa ny tsenambarotra - Raha tena mpitolona araka ny dradradradrainy tokoa i Andry dia navelany ho vita soamantsara io sommet io vao nanao ny nataony izy satria na mpanohitra aza izy ka mahita fandresena dia lozika loatra raha sambo efa mandeha no tohizana avily fotsiny
09/02/2009, 13:34
Efa voatendry izany ny ministry ny Fiarovana vaovao : Vice-Amiral Ranaivoniarivo Mamy Solofoniaina
( http://www.madagascar-presidency.gov.mg/index.php/view/outputs/item/1306 )
09/02/2009, 11:26
Ny ahy aloha ny antom-bavako dia ny mbola hipetrahan-dRavalo eo fa Andry Rajoelina ange dia hita hoe saosy no anakorontanany ny vahoaka toa izao e: Tapa-bolana nitolomana dia efa nahavidy villa lapabe any France, efa any ny vady aman-janany izao misonanina ery mijery ny gasy @ youtube ampiadiana sy alentika fahantrana andro aman'alina! Mieritrereta!
09/02/2009, 10:28
Inona koa ity minisitry ny fiarovana lâche ity? Ampiharo ny loi martial dia rava ho azy ny ady seza kotrehin'ireo mangidihidy te-hameno paosy indray fa hamokatra petrole madagasikara atsy ho atsy!
09/02/2009, 10:14
Sao dia diso kosa oha ny lohatenin'ny lahatsoratra eh....
Ilay " Nanafika ny lapa dia voatifitra", sao dia tokony hoe lasa tany @ lapa dia notifirina.
Efa mankaleo mihitsiny ny ady an-trano any Dago. Miadiva ary eh, tsy azo hanarina daholo ianareo, miadiva dia misy maty, de tandremo voan'ny piti-dra-nareo ny akanjonay.
Hitanareo moa izany fa mbola ho avy ny rivo-doza sy ny orambe hanadio ireo rà nilatsaka. Hanadio ny otanareo.