Voafatotrin'ny lelany ny etsy @ 13mai
Tena sanganehana ihany aho naheno ny ben'ny tanàna lefitra Ramatoa Ratsivalaka Michelle toa saropiaro ery @ safidim-bahoaka 63% azon'ny t@ fifidianana ben'ny tanàna teto Antananrivo Renivohitra ny taona 2007. Izy hono no mpisolo toerana ny ben'ny tanàna rehefa misy raharaha ataon'itsy farany. Etsy @ 13 mai anefa dia atao tsinotsinona mihitsy ilay 54% azon'Ingahy Ravalomanana t@ 2006 izay ny malagasy rehetra no nifidy azy fa tsy mponina teto Antananarivo renivohitra fotsiny.
Manarak'izany dia mitohy hatrany fampihorohorona ny olona mpanelanelana ankehitriny satria dia nisy nitoraka sy nihaodihaody ny manodidina ny tranon'ny filohan'ny Fjkm Lala Rasendrahasina. Tsy mahagaga izany satria dia dradraina ao @ radio viva isan'andro oe mpiray tsikombakomba @ mpitondra jadona.
Efa nahazo ny anjarany koa ny maosenera Razanakolona Odon t@ alahady tetsy Mahamasina. Hampiorohorona hatramin'ny mpitondra fiangonana rehefa tsy mitovy hevitra @ etsy 13mai.Efa naheno feo ary aho oe nisy fiangonana Fjkm efa nodorana fa ny toerana no mbola tsy haiko oe aiza (enga anie mba hijanona tsaho ihany io). Ny foibe fjkm etsy analakely moa dia nisy sahy nilaza mihitsy oe nisy mpikaramanady nitifitra t@ 7/02/09??? Fa inona loatra no olona @ fjkm e? Ovay dieny izao ny fomba fijery sy famindra fa tsy mety izany. Tsy azo zimbazimbaina ny tranon'Andriamanitra na Fjkm io na katolika na inona na inona. Ary efa olona voahosotra daholo ny mpitondra fivavahana rehetra.

Mitohy hatrany moa ny lainga afafy isan'andro etsy @ 13mai lazaina ampahibemaso fa nozaraina vola ny olona tonga marobe tetsy mahamasina! lol maro ny havanay teny nanotaniko kanefa tsy nahazo na ny ariary aza! fa dia fitiavana no nandehanana teny. Misy ny vola sandoka miparitaka etsy sy eroa sy ny sisa...Aoka fotsiny fa dia marina avokoa izay voalaza teo angamba e! Kajikajy tsotsotra fotsiny raha nisy olona 30.000 teny Mahamasina nozaraina 75.000Fmg avy dia any @ 2.250.000.000 Fmg any ho any izany no vola nozaraina teny. Sao mba nihoatra iray ary ny Zero nosoratako teo!lol

Ny tena mampihome dia ny nanesorana ireto mpiambina oe misy mitady hamono hono i TGV ka aleony maty mitolona toy injay maty @napa. Dia velom-panotanina aho izany oe maty @napa izany ve ireo olona t@ asabotsy niady irery tsy nisy mpiaro tetsy Ambotsirohotra satria tsy hita tabilao teny ilay ranamana io t@ izay andro izay raha tsy diso aho an!!! Asa aloha nareo no mahalala. Manginy fotsiny ny fanampariahana ny tsaho oe misy "tireur d'élite" etsy @ hotely papango e! misy mpikaramanady etsy @ Louvre e! sy ny sisa tsy voatanisa e. Nanome fanamarihina daholo moa ireo hotely voatonona rehetra ireo oe tsy marina izany. Ka iza ihany ary no mpandainga e. Izay no ataoko oe ho voafatotra @ lelany ry zalahy ireo ny farany.





14/02/2009, 09:01
Koa satria mitaraina ny mpamaky dia hofafako foana ny hafatra ataon'i rakoto rehefa misy teny ratsy!
ialako tsiny @nareo mpitsidika eto ny tsy fahaizana miaina ataon'ny sasany
14/02/2009, 08:51
Tokony hisaina ny gasy rehetra eh! Raha tsy faly isika dia hilatsaka an-dalambe foana ve, dia handrava ny tanana! Sa dia faly fotsiny fa tsy miasa! Tsy grevy na fitokonana no vahaolana ry zalahy ah, jereo ny tany AFrikana nanao ady an-trano, nandroso ve ireo? Aleo ry zalahy miasa ah! Aleo izay tsy faly hitabataba @ radio sy tv manao propagandy dia avy eo fidiana rehefa te hitondra ah!
14/02/2009, 06:40
i TGV aza nikarama 500 milliard am Ratsiraka sy ny firenena tia azy, de efa naazo avance 200 milliards anakaramana 75 tsi-1-1 avy ireo ol eo am 13mai. Aiza no isy vahoka lhl vaventy sy ranjanana daoly hita teny ambotsiroatra ireny ra ts voakarama. Ra tia tanindrazana de jerena iany ny oavy fa ts ny anio fotsiny.
14/02/2009, 03:36
mieritreritra aho hoe: mba dondrona koa ny miaramila malagasy sa matahotra an-dra8 koa ve no tsy mandray andraikitra sy anjara avy hatrany rehefa misy ny vono olona sy tany tsy milamina sahala @ izao. Ry zareo avy hatrany no tokony mandray ny andraikitra eo @ firenena mandra-pilamin'ny tokony ho izy rehetra, ary tsy avela hanao n'inoninona mihitsy ra 8 sy TGV fa tokony samy miala maina any mandra-pitsangan'izay tokony ho izy.
14/02/2009, 02:59
Mba iangaviako ianao hamafa ny hafatra ato fa tena maharikoriko. Fantaro fa anao toy ny tranonao ny blog hoy sefo 'zay. Koa zonao ny tsy hampiditra izay olona hiteny ratsy fotsiny.
14/02/2009, 02:59
Mba iangaviako ianao hamafa ny hafatra ato fa tena maharikoriko. Fantaro fa anao toy ny tranonao ny blog hoy sefo 'zay. Koa zonao ny tsy hampiditra izay olona hiteny ratsy fotsiny.
14/02/2009, 02:12
I like ur articles and u have the right to take either party, it is ur right as a Malagasy cititizen. As i had the right to choose McCain over Obama and no one has the right to call me names and ditch me because we live in a free society. And that is still a way of life to learn in Dago: to respect each others choice. I think if TGV did this the right way, the way most of us think (Fifidianana-fakantoavana by lalam-panirenana), then he would have won all of us. And he should have chosen a different path after the 01/26th incidents as he knew that his followers are looters but he didn't. Well, now he likes it or not, he lost and big time!
14/02/2009, 02:12
I like ur articles and u have the right to take either party, it is ur right as a Malagasy cititizen. As i had the right to choose McCain over Obama and no one has the right to call me names and ditch me because we live in a free society. And that is still a way of life to learn in Dago: to respect each others choice. I think if TGV did this the right way, the way most of us think (Fifidianana-fakantoavana by lalam-panirenana), then he would have won all of us. And he should have chosen a different path after the 01/26th incidents as he knew that his followers are looters but he didn't. Well, now he likes it or not, he lost and big time!
13/02/2009, 23:03
tsiazoko é. mba mandehana eny am 13 mai de fantatrao oe inn no notenenin'i Andry Rajoelina teny tamin'ny talohan'io ho eny Ambohitsorohitra izay kolontsaina navelan'Andriamatoa Ravalomanana tamin'ny 2002. Ny tantara tsy fanadino sady vao 7 taona lasa izay. Miezaka mafy manatsara ny tarehiny amin'ny internet amin'ny alalan'ireo spammeurs sy blog ary site internet ny eo amin'ny fitondrana satria ny eto Madagasikara dia efa tsy takona afenina toy ny tafika andrefatanana ny fibaribarin'ny fahalovana misy ao aminy sy ny fankahalany ny vahoaka.
13/02/2009, 20:48
mahagaga a! ry zalahy mpamono olona ndray ato no miorakoraka e! o ry zalah a! na ratsiraka aza tsy sahy nitifitra ol otran'io demony velona io, refa ny havanareo no maty de ho tonga saina nareo, zao mantsy, mbola tsy maty ny gasy fa tsy mihinankanina fotsiny, de mbola afa-miteny isika, atsy ho atsy raha mbola mijanona eo io de ho voaroaka ao amin'ny taniny zay tsy maty noana ao ...
13/02/2009, 19:23
Rakoto +> Tena fantatrao tsara mihitsy kay izany kanefa enao mbola miteny ratsy olona eto foana! Mampalahelo ny toetsaina hananao ny hevitra no tsy hitovizantsika za tsy handoro ny tranonao velively tsy fombanay izay ary tsy hiantso tody ho anao koa! Mahereza hatrany @ asa aman-draharaha ato any ampita any fa ho mafy ny fiananareo @ ity taona ity.
13/02/2009, 18:59
ela io mihintsy ry news no devoly a tokony hametrahana tanana kely aloha hanalana ny devoly ao @ ela
13/02/2009, 18:53
Rajoely => Misaotra anao @ hevitra! hiezaka hanao izay mihitsy ao aorina kely fa na izany aza tsy te hitakosina hiaraka @ ry Rakoto ho any @ ELO kosa alou izaho izao! Jereo fa ohatr'izao foana ny fomban-dry zalahy ireo na efa ho faty aza. Nisy ampahana horonan-tsara izay mantsy hitako t@ tv+ ny asabotsy fa efa tifitra variraraka ny eo ambony lohan-dry zalahy mbola teny ratsy makadilo sofina mihitsy no miraraka setrin'izany. Asa ihany oe iza mihitsy no mibaiko antsika malagasy ireto fa tena manjaka loatra ny Devoly de izao no alehany.
13/02/2009, 18:00
Ra-News oah lasa subjaectif be. Izaho alony tsy hoe contre na pour @ position-nao. Tsy ohatran'ny taloha intsony ny lahatsoratrao. Taloha ianao, dia toa un vrai journaliste mihitsy. Fa izao ianao lasa manao propagande. Raha ohatra ka any @ fametrahana hevitra ianao no maneho ny hevitrao, dia mahafinaritra tokoa. Hoy ianao hoe:"Tsy azo zimbazimbaina ny tranon'Andriamanitra na Fjkm io na katolika ", marina mihitsy izany. Maninona moa ny filoha no nihezaka nifehy ny FJKM. Fa maninona moa no olona akaiky azy no nohezahiny napetraka ao @ io antokom-pinoana io? Mba nametram-panotaniana ve iaona ry Ra-News? Nefa na izany aza dia mitovy hevitra aminao aho hoe :"Tsy azo zimbazimbaina ny tranon'Andriamanitra na Fjkm io na katolika ". Izay indray ary alony ry Ra-News fa ekeko fa ho tonga any aminao ity lahatsoratra ity; Domage, l'ancinen blog et blogeur était magnifique...
13/02/2009, 16:42
Misaotra News2Dago a. I Rakoto=xxx dia efa voky teny ratsy ary maimbo rezatra sy mandoa vory mihitsy. Jereo tsara ange fa vao maika hidegoba i lery sy ny toa azy aorian'ity soratro ity e... Lavage gastrique mantsy ity... hehehe... Izahay d momba ny ara-dalana fa tsy izay Boay Kely (BK) io nde handrava fihavanana eto.
13/02/2009, 16:42
Misaotra News2Dago a. I Rakoto=xxx dia efa voky teny ratsy ary maimbo rezatra sy mandoa vory mihitsy. Jereo tsara ange fa vao maika hidegoba i lery sy ny toa azy aorian'ity soratro ity e... Lavage gastrique mantsy ity... hehehe... Izahay d momba ny ara-dalana fa tsy izay Boay Kely (BK) io nde handrava fihavanana eto.
13/02/2009, 16:19
rakoto => LOL mbola tsy very saina a ka!
13/02/2009, 16:16
efa tena mitapy mihintsy ty news2dago ty ngamba mpilalao ody mahery miaraka @ ra8 tena
hihihi
13/02/2009, 15:47
Za miaky mihitsy fa namono olona e! T@ namonoko ny zanak'Andriamanitra t@ ota rehetra efa vitako kanefa tsy mba nanaratsy sy nandà ahy mihitsy fa namela ahy indray aza! Ka tiako mba hitovy amiko koa inao Rakoto mibebaha fa efa akaiky ny farany i TGV tsy hahavonjy ny singa-mbolonao iray akory. Mahereza hatrany mivavaka
13/02/2009, 15:24
rakoto maka mpamono olona tsy vanona satria manohana an'i tgv, toy izany daholo ve ianareo mpanohana azy ireo ? Mahamenatra sady mampalahelo ! Indrisy efa tsapa hatry ny ela izany e !