Voafatotrin'ny lelany ny etsy @ 13mai
Tena sanganehana ihany aho naheno ny ben'ny tanàna lefitra Ramatoa Ratsivalaka Michelle toa saropiaro ery @ safidim-bahoaka 63% azon'ny t@ fifidianana ben'ny tanàna teto Antananrivo Renivohitra ny taona 2007. Izy hono no mpisolo toerana ny ben'ny tanàna rehefa misy raharaha ataon'itsy farany. Etsy @ 13 mai anefa dia atao tsinotsinona mihitsy ilay 54% azon'Ingahy Ravalomanana t@ 2006 izay ny malagasy rehetra no nifidy azy fa tsy mponina teto Antananarivo renivohitra fotsiny.
Manarak'izany dia mitohy hatrany fampihorohorona ny olona mpanelanelana ankehitriny satria dia nisy nitoraka sy nihaodihaody ny manodidina ny tranon'ny filohan'ny Fjkm Lala Rasendrahasina. Tsy mahagaga izany satria dia dradraina ao @ radio viva isan'andro oe mpiray tsikombakomba @ mpitondra jadona.
Efa nahazo ny anjarany koa ny maosenera Razanakolona Odon t@ alahady tetsy Mahamasina. Hampiorohorona hatramin'ny mpitondra fiangonana rehefa tsy mitovy hevitra @ etsy 13mai.Efa naheno feo ary aho oe nisy fiangonana Fjkm efa nodorana fa ny toerana no mbola tsy haiko oe aiza (enga anie mba hijanona tsaho ihany io). Ny foibe fjkm etsy analakely moa dia nisy sahy nilaza mihitsy oe nisy mpikaramanady nitifitra t@ 7/02/09??? Fa inona loatra no olona @ fjkm e? Ovay dieny izao ny fomba fijery sy famindra fa tsy mety izany. Tsy azo zimbazimbaina ny tranon'Andriamanitra na Fjkm io na katolika na inona na inona. Ary efa olona voahosotra daholo ny mpitondra fivavahana rehetra.

Mitohy hatrany moa ny lainga afafy isan'andro etsy @ 13mai lazaina ampahibemaso fa nozaraina vola ny olona tonga marobe tetsy mahamasina! lol maro ny havanay teny nanotaniko kanefa tsy nahazo na ny ariary aza! fa dia fitiavana no nandehanana teny. Misy ny vola sandoka miparitaka etsy sy eroa sy ny sisa...Aoka fotsiny fa dia marina avokoa izay voalaza teo angamba e! Kajikajy tsotsotra fotsiny raha nisy olona 30.000 teny Mahamasina nozaraina 75.000Fmg avy dia any @ 2.250.000.000 Fmg any ho any izany no vola nozaraina teny. Sao mba nihoatra iray ary ny Zero nosoratako teo!lol

Ny tena mampihome dia ny nanesorana ireto mpiambina oe misy mitady hamono hono i TGV ka aleony maty mitolona toy injay maty @napa. Dia velom-panotanina aho izany oe maty @napa izany ve ireo olona t@ asabotsy niady irery tsy nisy mpiaro tetsy Ambotsirohotra satria tsy hita tabilao teny ilay ranamana io t@ izay andro izay raha tsy diso aho an!!! Asa aloha nareo no mahalala. Manginy fotsiny ny fanampariahana ny tsaho oe misy "tireur d'élite" etsy @ hotely papango e! misy mpikaramanady etsy @ Louvre e! sy ny sisa tsy voatanisa e. Nanome fanamarihina daholo moa ireo hotely voatonona rehetra ireo oe tsy marina izany. Ka iza ihany ary no mpandainga e. Izay no ataoko oe ho voafatotra @ lelany ry zalahy ireo ny farany.





13/02/2009, 15:21
Rakoto => Tsy maninona izany e! Raha izay no sitrapon'andriamanitra moa afaka ny hidify ho aiza ny tena.
13/02/2009, 15:18
na rakoto io na xxx tsy rarahiny ela fa aza atao fantatray fontsiny ela fa garainay mpamono olona tsy vanona
13/02/2009, 15:11
Mahaiza mangina daholo ary aoka tsy hiteny ratsy fa lasa enao indray ilay tsy mahatanty fa TENA MARINA DE ZAO: betsaka ny porofo mitohoka amin'ny tendany fa nahazo vola tamin'ny fandehanana teny Mahamaisna de AMPY ZAY!de vola nalaina t@ kitapo tany Baky tany @ faritany izany
13/02/2009, 13:09
reefa mahavory olona ny TGV dia lazaina fa voakarama eeeeeeeeee, satria izay no fomba fiadin'ty fitondrana ity, ka nataonareo ny fomba fiadinareo de tratran'ny marina be wawa eo? mety nisy ihany ny tsy voakarama tao, fa ny ankamaroany de sosy daholo sy ny olona nalaina avy any Manjakandriana, Ambatolampy... le tanana be olona dontodonto ireny e, mba hitsangatsangana koa..... hi hi hi Sady efa nambarany fa "ny vola misy fa ny andaniana azy no tsy misy" koa tsy naleony hanaramana olona ande hivory any Mahamasina? Fa i TGV aiza no mba hananany vola hanaramana olona? reefa mahavory oul izy de de tia azy ihany no mankao fa tsy olona karamaina.
13/02/2009, 13:09
reefa mahavory olona ny TGV dia lazaina fa voakarama eeeeeeeeee, satria izay no fomba fiadin'ty fitondrana ity, ka nataonareo ny fomba fiadinareo de tratran'ny marina be wawa eo? mety nisy ihany ny tsy voakarama tao, fa ny ankamaroany de sosy daholo sy ny olona nalaina avy any Manjakandriana, Ambatolampy... le tanana be olona dontodonto ireny e, mba hitsangatsangana koa..... hi hi hi Sady efa nambarany fa "ny vola misy fa ny andaniana azy no tsy misy" koa tsy naleony hanaramana olona ande hivory any Mahamasina? Fa i TGV aiza no mba hananany vola hanaramana olona? reefa mahavory oul izy de de tia azy ihany no mankao fa tsy olona karamaina.
13/02/2009, 13:08
Rakoto = XXX ihany!!!
Mafinaritra fa efa niala @ teny ratsy aloha enao.
13/02/2009, 12:54
ela ry news2dago dondrona vendrana,any @ vody no misaina
13/02/2009, 12:48
Miarahaba,
Mba tsinjio kely azafady ao site ity ry namana rehetra.
*
http://rahelys.unblog.fr/
Articles sy vidéos
*
Misaotra
13/02/2009, 12:33
otran'zao ihany t@ hery rafalimanana. Feno Mahamasina nef aiza. 37% no mba azony.
13/02/2009, 11:06
Rakoto => Tompo ô Mamela ny elony fa tsy fantany izay ataony!