Na asaina mando fidirana 75.000 Fmg aza izahay hiaro ny safidinay t@ 2006 dia vonona izahay ho avy hameno ny kianja hoy ny olona hiaro ny 54% azon'Ingahy Ravalomanana t@ fifidianana. @ 11 ora sy 45 minitra izao ary efa feno ny gradin ary tonga hatreny @ atsasaky ny kianja ny hamaron'ny olona ankehitriny. Maina tsara ny andro eto Antananarivo fa tsy toy ny t@ alarobia lasa teo.
Tonga eny Mahamasina ny Filoha Ravalomanana Marc @ 12 ora sy 45 mn izao! hikiaka tsy misy hifandrenesana eto @ kianja ankehitriny. Mitsanga avokoa ny olona eto Mahamasina izay nolazaina moa @ ilay onjam-peo iray oe voavidy vola 75.000 Fmg de mandeha moa ny vazivazy oe koa raha tsy ny etsy 13mai koa ny antsika 250.000Fmg lol. Resaka tsy mitombina na izy ara no inona @ izao fanany efa tapitra fongana izao dia handany vola @ napa ve? Asa aloha!!!
Saika tsy afaka niteny ny filoha Ravalomanana marc fa niantsoantso mafy ny vahoaka oe "sambory TGV sambory TGV". Na izany aza dia nilaza ampahabemaso indray izy fa vonona ny hiresaka satria samy malagasy oe. Aza mamaly fiantsina ianareo hoy izy fa izaho kosa tsy hamela anareo irery ary hiaro ny safidinareo ihany koa. Nihoraka tsy nisy fijanonana intsony nanomboka teo ny olona ny onja mandeha ihany ny tehaka sy ny sihoka. Mitovy @ ireny Barea mahafaty baolina ireny ny hafalin'ireo mpanohana azy. Tsy nisy nanampo koa moa oe hoavy i Ramose!!! lol
Ny ankilany etsy @ 13mai kosa @ io dia manedry ireo minisitra ihany. Ary nilaza ny tgv oe hanatitra minisitra @ alatsinainy. Dia efa raharaha tadiavina ny an'izay manaraka azy @ izany. Izy rahateo tsy manery akory fa sitrapon'ireo izay mpitolona io ka tsy misy azo hanomezana tsiny azy. Nifarana moa ny fikomina avy eo ka nisy ny ampahan'olona niseho be loha oe hiantsy ny eny mahamasina nony avy eo ary niazo iny RM1 iny ny andihana olona vitsy dia vitsy manao feloha orange. Sady mandeha ihany ny hogahoga sy ny siotsioka nifanehatra tokoa t@ ireo vahoaka ny Mahamasina ry zalahy tao anaty ny tonelina ambohidahy ka vaky nirifatra nanao taridositra niverina. Nihomehezany iretsy farany fotsiny.

Ny manahirana kely ny saiko fotsiny dia ny maheno ny vavaka misandratra etsy @ 13mai rehefa hanomboka ny kabary. Tsy ilay mivavaka akory no ratsy fa ilay fo tsy madio manantanteraka azy. Satria na inona na inona dia karazana fikomina io atao eo io. tsy mifanaraka @ soratra masina izany. Miala tsiny aho fa mety hanafitohana ny sasany indray izao ity soratro farany ity an!
Manome fanampim-baovao eo avy eo.





15/02/2009, 17:47
Ikalamako => lol
15/02/2009, 13:23
mangamaso : eka ouzzzzzzz.
news : je cite : "Raha manana ny fanahy masina enao afaka mahalala ny tsara sy ny ratsy" - hmmmm. Boh !
Aza ampidirina bingo hoa Andriamanitra fa aleo izy hipetraka tsara. Samia mitolona @ firehany fotsiny :)))) (mihomehy aho miteny an'io sao misy mivatravatra eto indray an !)
15/02/2009, 11:03
Mangamaso => Raha manana ny fanahy masina enao afaka mahalala ny tsara sy ny ratsy. Tsy misy mitsara akory eto
15/02/2009, 10:43
Andriamanitra irery no mahazo mitsara.
Ao baiboly izany ka aza adino.
(Tu ne jugeras point ton prochain).
Indrindra ato amin'ny fivavahana izany ry namana.
15/02/2009, 10:21
Ny devoly angamba no mihaino ny vavaky ny mpikomy fa raha misy mpangalatra ve mivavaka hoe: Tahio aho Andriamanitra tsy ho tratra dia mino ve ianareo fa hihaino izany Izy?
Fa ny devoly no rain'ny fikorontanana sy rain'ny mpandainga dia ny devoly no mihaino ny vavaka ataony
Tandremo -> Eva efa voafitak'io, ao ambadiky ny menarana izy no miteny fa tsy miseho tava hoe devoly, attention!!
15/02/2009, 09:06
Ikalamako => Tsy misy mivavaka hanongam-panjakana izany na koa hoe hikomy!!! Mihaino vavaka foana Andriamanitra fa tsy misy izany oe tsy hitany izay henoina izany e! Aiza ary enao zany kle
15/02/2009, 08:46
Hipoka ve Mahamasina ?
Aiza ny sary atao porofo letsy a ?
(Rehefa ry TGV mantsy no milahatra dia alaina sary tsara, dia avy eo lazaina hoe "ireo fotsiny hono ny vahoaka". hihihi Fa rehefa Tikoland kosa dia tsy aseho ny sary )
14/02/2009, 21:11
hoy i news :
"Ny manahirana kely ny saiko fotsiny dia ny maheno ny vavaka misandratra etsy @ 13mai rehefa hanomboka ny kabary. Tsy ilay mivavaka akory no ratsy fa ilay fo tsy madio manantanteraka azy."
Izaho moa tsy tany fa ato (http://www.moramora.fr/v7/index.php?option=com_content&task=view&id=888&Itemid=52) misy an'ity :
"Sur scène, aux ecclésiastiques célébrant un culte oecuménique ont succédé, derrière le micro, des chanteurs locaux et des alliés politiques du président."
Efa miteny aminareo aho fa leo angamba hoa Andriamanitra mihaino izao vavaka isaky ny mihetsika izao dia mijery fotsiny sisa izy :-P
Ny an'iza ary no hohenoiny ? Pro-Ravalo milaza fa ny andrizareo no marina, ry pro TGV koa mitovy @ zay ny teniny dia inona no ataon'Andriamanitra ? Sa fomba tokoa ny mivavaka dia atao klou... :-)))))
14/02/2009, 18:37
Arovy hatr@ farany ra8 n'lisany f'efa manaonao fôna, Président manakarama olona hanohana azy hahahahaha! mampalahelo.
Dieny zao de mba miomana koa @ fandraisan'azy rehefa miala teto izy. Manangona vahoaka ndray de mandehana eny mahamasina @ lundi fa mbola tsy lany ny sôsy e. Raha tsy mino de jereo ny france 2.
14/02/2009, 17:43
Misaotra news2dago a!
Hatraty amiko io vonna handoa vola io (fa tsy mila karamaina) raha ny fitakian-jo no resahina.
Maninona kosa no "olona efa lanim-bahoaka" izao no esorina fotsiny amin'ny fanakorontanana etsy sy eroa!
14/02/2009, 17:06
Dadarabe => ela zany
14/02/2009, 16:53
Misaotra news2dago mampita vaovao
14/02/2009, 13:57
miandry sary zahay lesy a, de misaotra e
14/02/2009, 13:45
za waaaaaa hanao governemanta vaovao atao governemasaka. i ra8 priministra de i andry atap senatera. Atao karama varimasaka amizay tsy misy mitaraina noana
14/02/2009, 13:33
misaotra news2dago milaza vaovao a
14/02/2009, 12:42
ho an' i andrinirina
Tsy otopsie izany fa autospie , voalohany, faharoa, ny otopsia enie ke rehefa tsy fanatra ny nahatonga (cause)ny fahafatesana fa tsy hoe atao otopsia daholo izay maty rehetra r'ilay dondrona ity a
14/02/2009, 12:00
merci news a, zaho koa na handoa 75 000 fidirana aza, vonona hanohana an-dRavalomanana
14/02/2009, 11:55
NA HANDOA 75 000fmg hoy ianao?
tsara ny manao tatitra, fa aza dia atao mihoatra loatra le fanatisme e! lasa tsy misy credit ny zavatra lazainao
de mba lazao koa ny eny @ 13 mai, dia asio sary, @ izay mba misy credit ny zavatra tenenina
14/02/2009, 11:35
fa nahoana kay no tsy natao otopsie ilay olona voatifitra ireny fa tonga de nentina fotsiny de tsy fantatra hoe iza marina no nitifitra,fa za aloha sur fa olona voakarama no nitifitra,ary ny miaramila tsy mitifitra ra tsy mitehaka @tany ny tongotr'ilay olona ho tifirina.
14/02/2009, 11:34
Ok!