Mety ho diso hevitra izay milaza fa ny fanampenam-bava sy ny fisamborana no hiazonana ny fitondrana. Nalainao t@ basy io kaaza gaga raha halain'olona @ basy ihany koa. Lalam-piainana izany ary voafetra ihany ny fisainan-tsika olombelona. Ompa tsy Ompa no heno t@ ilay horonan-tsary tetsy @ carlton nandritra ny fisamborana an'i PM Manandafy sy ny namany.
(sary topmada)
Eo dia afaka hitsarana sahady fa jiolahimboto ireto miaramila ireto ary manamafy izany ny fanamboridanana ireo voasambotra.
Tsy ho vita mora ity raharaha ity hoy ny mpanaram-baovao maro. Efa mandeha moa ny feo oe notifirina i Manadafy!!! Mbola tsy voamarina aloha io vaovao io hatreto. Ny hany azoko lazaina aloha di na efa ao anatin'ny fo mafana aza ny rehetra dia mbola mandamindamina ihany ingahy Ravelson Constant ary manetana ny olona ho tony aloha. Misy farany ihany koa anefa izany satria ny malagasy izay tsy miteny fa rehefa hitraotra izy tsy matahotra basy intsony an.
Izay oe ihany fa ny mahagaga ny maro dia tsy naharenesana vaovao mihitsy ny mpitondra ny FAT sy ny mpanaraka azy. Menatra ve? sa tsy manakambara intsony. Hita rahateo fa tsy voafehy ireto miaramila nikomy sy nampiakatra teto @ fitondrana izay miroso makany @ ny tena Jadona tanteraka. Ny tantara no hitsara ka ho hita eo ny tohiny.





01/05/2009, 09:47
Yes,efa manomboka mifanaikitra izy izany!izao no tena demokrasia an,samborina zé miteny betsaka
Hita marina fa tsy misy atao ireto miaramila gasy ireto,maninona moa 'reo raha halefa any Afghan- dia any no mitady vola é!sady misy vola ho azy ,misy ho an'ny fianakaviany,misy ho an'ny firenena avy eo izy sady malaza no mbola manampy ny Frantsay...fa tsy eto Madagascar no manao Lé-poaka mpanjakan'ny jamba araka ny fiheverany azy.Tezitra ny vahoaka,tsy rariny ny ataonareo,fa ny compte tsy very!ny havanareo anie ka fantatra é!ny vady amanjanaka koa na dia any ampita aza.Hiisy angano ity taona ity
30/04/2009, 16:25
Tena tsy rariny intsony kosa izao e. Tena tsy rariny.
30/04/2009, 13:22
Tsy ny miaramila no tsy voafehy fa ilay mpibaiko mihitsy no efa ratsy.
Diso fijery ianareo raha mihevitra fa tsy voafehin'i Andry ny miaramilany. Ny marina dia hainy tsara ny mampita izay tadiaviny sy tiany ho tanterahina amin'ny alalan'ireo miaramila ireo.
Efa pré-médité sy nivononany daholo izao rehetra izao. Na ho amanarivony aza ny ho faty dia tsy ahoany mihitsy, satria tsy te higadra izy, ary ny vady aman-janany efa tsy eto Madagasikara intsony koa.
Fantaro ny tantaran'oi Staline, sy Napoléon.
30/04/2009, 12:47
Ary ity raibentsika toa tsy nasiana hajany akory, na ny volofotsiny na ny ketrona eny amin'ny tavany maneho ny maha raiamandreny azy notsinontsinoavina avokoa... hisy todiny izao.