Bacc baoritra ny @ty taona ity
Mande ny feo eo anivon'ireo mpampianatra fa terena ry zareo hanome isa tsara ny mpianatra rehetra manala fanadinam-panjakana @ ity taona ity. tsy mijery izay votoatiny sy ny fahaizana ny mpampianatra rehefa mitsara ny fanadianana fa kosa ny "présentation" ihany no tsaraina ary tonga dia afahana avy hatrany izay mpianatra mahay mikajy ny taratasim-panadianana.
(raha ny marina diatokony higadra koa ilay nanodina ity fiaramanididina ity)
Tsy misy kosa anefa ny tambin-karama omena ireto mpampianatra mampanao "cours" ireto. Dia inona moa izany fa tsy dia tonga @ ilay fitenenana oe "bacc" baoritra izany no ho zaraina maimaim-poana @ ty izay tsy afaka kosa dia mety oe légalisite ny ray aman-dreny angamba na misy oe Raveloson ny anarana. lol Simbaina mihitsy ny taranaka malagasy e! izay no hita sy tsapa @ izao fotoana izao.
Nahafaly ny malagasy kosa ny fahavoazana mahazo ny frantsay ankehitriny na eo @ lafiny baolina kitra resy ny nigeria 1 sy zero na eo @ tennis lavo t@ 1/4 i Monfils G. na ny lafiny fitanterana toy ny nahazo ilay sidina AF 447 farany teo iny ary dia misy ny olona tsy oe mandatsa akory fa miteny oe ratsy toetra laotra ireto vazaha frantsay ireto ka valin'Andriamanitra @ zavatra tsy ampoiziny avy eo ary maharary azy mihitsy izany kapoka izany. Eo indray ny sasany miteny oe naninona ary tsy ilay sidina nitondra ny fat no nidoboka faty tany. Tsy anjaratsika no mandahatra fa voalahatra kosa anefa isika e.
Eo ampiandrasa ny mpampandry tany sy izay mety ho mpikarama an'ady ho avy izay nampanantenain'ny filoha ravalomanana kosa dia notsarain'ny fitsarana higadra 4 taona sazy mihatra ny tenany. Nividy Air force II moa no fahotana nahafaty nataony ka izay no sazy omena azy @izany. Dia manotany tena ny mpanaram-baovao manao oe mbola maro koa ny higadra reheva rava ny fat satria vao tsy ela akory dia vola be 10.000€ no nolaniana indray alina fotsiny tany frantsa tany. Ary inona hoy ianareo no mba zestiavana aty @ mpijery dia ny oe na Ravalomanana aza mbola tsy nanitsaka izany toerana izany!!!
Anjaratsika ny mieritreritra oe iza no basin'arifito @ izany.





06/06/2009, 12:24
DJ ve lesy ny PHAT tsy ho afaka bacc daholo ireo dondorna rehetra ! Mzmpalahelo ireo tena nilofo ! izay lesy ilay feelings-na boite de nuit a !
05/06/2009, 14:57
Samy mahazo ny anjarany avy @ Andriamanitra daholo, izay no anaovana ny soa sy ny tsara, izay mamafy rivotra tsy maintsy hijinja tadio.
Ny tsy azoko dia izao, na ny tenako aza tsy tia Frantsay, nefa inona no antony isisihan'ny sasany hipetraka any Frantsa? Raha nisy Malagasy moa tao anatin'ilay Airbus nianjera dia mba ahoana ny hevitry ny malagasy? Raha tsy diso aho dia Breziliana no betsaka maty fa vitsy ihany ny frantsay, iza izany no tena nizaka ny vokany?
Io izany dia izay voasoratra dia voasoratra e! toa an'i Petera io, efa nolazaina fa handà in-telo dia tsy maintsy mandà, toa an'i Jodasy efa voalaza fa izay nitsabaka t@ kapoaka no hamadika, dia mbola nanontany ihany hoe iza moa izany? nefa dia izy no efa voalaza.
Dia eo isika mahita izy izany.
05/06/2009, 09:27
Pissoa => Efa voasazy e! tsy mahagaga intsony izany!
Izay sazy izay anie no andrasa eto e! samy nanota avokoa ko nga io misy ho afa maina eo na katolika enao na protestant na silamo... samy voasazy eo daholo rehefa nanao ratsy
04/06/2009, 22:55
Aza dia ampidirina amin'ny tsy tokony hidirany Andriamanitra e. Sao dia ho voasaziny eo koa vao gaga. (Tsy ho an'ny mpanoratra fa ho an'izay nieritreritra ireo voalaza etsy ambony) Miala tsiny, fa raha izay miseho rehetra ho atao hoe kapok'Andriamanitra - tsy i Ravalomanana ve no isan'ny voalakony be indrindra ao Madagasikara ? Efa nifampilazana koa anie taloha ny hoe i Ravalomanana koa mbola higadra any aoriana any e (tahaka ny nanagadrany ny mpanao politika hafa.) Tsy hifanomezantsiny angamba fa isika Malagsy moa ... manamarina ilay fitenenana hoe rehefa ny tena no misioka dia voro-manga, fa rehefa ny hafa no misioka dia voron-dolo. Dia miara-miandry ny anjaran'ny HAT indray aloha izao. Dia izany foana ny antsika gasy eee hi hi hi
04/06/2009, 22:02
Izay mitranga eo hiaraha-mahita e.
04/06/2009, 18:04
ka raha tsy mandehy tsy mahita raha ka.
HAT mpanimba taranaka malagasy
04/06/2009, 17:26
mandeha ny feo,
injay le feo!!!!
mandehadeha mahita raha
fahiny hono, i ragola no, honohono....