Adinoko tanteraka ny fetin'ny reny
Tena mafy loatra ny ady @ fianinana an-davanandro e! Ka asa na noho izay no nanadinoko ilay andro ho an'ny neny omaly. Hitako nalahelo mihitsy i madama omaly satria na dia efa teny iarana aza ny anay ny oe tsy mandany vola @ fety mihitsy aloha isika @ ty taona ity fa mbola tsy hay izay hofisehon'ny ampitso dia adiko ny niarahaba aza omaly. Repotra t@ fiomanana ny ho any ampiangonana izahay ary mba niandry ahy hiarahaba izy kanjo indrisy!!! Ny antoandro avy nivavaka izahay vao niteny tamiko izy nanao oe:" Mba sambany aho vao lasa reny kanefa dia adinonao tanteraka" tena gina sy tsy nahateny ny anao lahy ary nitady hevitra hanarenana ny adisona.
Eny fa na dia ireo reny rehetra mpandalo eto @ blaogy koa ary dia adinoko ny nametra hafatra kely toy ny isan-taona miaraba azy ireo. Miala tsiny ry reto fa tena repotra mijery ny adin'i tgv sy ra8 ka lasa tena ohatrany entana mavesatra mihitsy izy ity marina.
Koa dia faly miarahaba anareo reny rehetra ary miala tsiny na somary tara aza.





10/06/2009, 14:46
kdaomba => Tena tay be wa efa antitra e!
10/06/2009, 09:44
LeRastah < i ND no tena mahay ny dikan'io "mired" io kanjo !
N2D < zvt 1 ihany no tsy adino rehefa tonga ny fotoana ! ha ha ha ! Fa resaka fa izaho koa adino t@ io maraina io raha tsy ny zanako no niarahaba sy nanao ny tsianjery keliny ho ahy, vao nihazakazaka leiry namita adidy haingana niarahaba ! Ianareo lhl itony tena tsss !!!
10/06/2009, 09:18
Simp => Misaotra lesy ry bandy akama a! fa za anie nahatsiaro tsara ny asabotsy e! fa nony tena tg ny andro nandrasana tena oh tsy tadidiko mht kle
09/06/2009, 20:23
GooGle calendar less ry bandy na agenda @ telefona ra misy no tena vahaolana maharitra a.
Tena kozy ee, asiana reminder mandefa e-mail 1 andro mialoha izy... dia @ ilay andro iny koa... tsisy anniversera na fety ho adino tsony!!
;-)
09/06/2009, 15:56
Lerastah => Anotanio an'i kdaomba e! lol
09/06/2009, 15:34
inona kay izany "mired" ? :-)
09/06/2009, 14:33
kdaomba => ekena e!
08/06/2009, 21:47
'Ndana mired any fa tsss ! TPT !
08/06/2009, 16:00
Tokinao => Ka i neny aloa mi-comprendre foana e! fa rafotsy tena somary midongy kely
08/06/2009, 15:44
gravy tokoa e :).
Ny ahy androany alatsinainy vao niarahaba aho :(.
Nolazaiko azy fa sahirana be aho omaly (izay tsy diso). Tsy ny renin-janako io fa ny reniko a hihihi.
08/06/2009, 15:41
Hery => tena tsy hay intsony oa
Lerastah => Tena adinoko marina e
08/06/2009, 15:24
Ny renin-janak'i News2Dago mahavatra mifoha amin' ny efatra ora maraina isan'Alahady ?
Mila isaorana io fa tsy tokony hadino mihitsy.
08/06/2009, 14:27
:-)
Ny ahy indray io no nataoko voalohany, fa ohatran'ny lasa ironique kely ilay izy dia toa tsy nahafaly azy indray...