Henjana ny lalao izay no azo hilazana azy satria dia saika mikatso avokoa ny asa asa ankehitriny. Maro ny very asa maro ihany koa ny mitady asa na aiza io na aiza dia tsy ankifidy intsony fa atao daholo sitraniahay vazamihetsika hoy ny fitenenana. Sarotra tokoa ny mitady asa ankehitriny ny mpampiasa vola rahateo miala an-daharana avokoa ny akamarony. Inona ary ny hevitra hoy ianareo? Valiny tsotra dia ny mivarotra kely amoron-dalana izany.
Vokany dia feno mpivarotra eran'ny arabe indrindra fa iny manoloana ny Behoririka rehetra iny manoloana ireo mpivarotra sinoa lehibe rehetra eo Soarano tsy misy andinganana intsony ny arabe ka dia mitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana hidina aty behoririka makany @ ranomaibo iny ka voatery manivaka midina eto @ pochard ny fiara lasa azo hifanenana zany ilay arabe manolona ny polisin'ny gara io raha ho any Antanimena ambany ny avy aty analakely. Tsy hita izay jojony fa samy manao izay saim-pantany ny rehetra hita mihitsy oe tany tsy misy mpifehy sy fanjakana fa lasa fanjakan'ny baroa.
Mbola manamafy izany koa ny fahamaron'ny vary mitsangana be dia be eny amoron-dalana rehetra eny na fiarakodia io na tsangam-by no asina labasy de vita ny ady asina seza kely ao anatiny de asina vitrine vita aluminium ny FDC dia haranty eo ireto composé be dia be sy lasary isan-karazany. Tsy adino koa ny nem sy ny sambos ary ny hena baolina sy ny mofo dipaina. Feno mpivarotra "gargotte" ny sampan-dalana rehetra eo analakely toy ny etsy @ Raberaivelo ohatra de manoloana ny pavillon mpivarotra taratasy dia fiara indray no eo lokoina volon'oranjy sy tapany fotsiny ireo fiara dia asina vitrine dia izay.
Ny azoko tenenina dia mangalan-tahaka ny ataon'ny hafa ny olona sasany. "Gargotte" iray no mitsangana eo dia afaka andro vitsivitsy dia misy anakiray hafa mitsangana tsy lavitra akory an'io. Tsy miova kosa ny asa eo @ 13 mai fa mbola eo avokoa ireo mpanao "décodage" sy mpanamboatra finday ao anaty fiara rano araraka an-damosina ganagana ny fampitandremana ataon'ny cua. Mbola eo avokoa ireo mpibizina vato sy mpivarotra fiara. Na dia somary mahalana ary ry zalahy vao mahalafo fiara dia mbola ao ihany hanao inona tokoa moa efa io no asa natao h@ izay.
Mino aho fa azonareo sary an-tsaina ny saritsary ny endrikin'ny tanana ao analakely ao @ izao fotoana izao. Loto tsy loto, olona tsy olona, fiara tsy fiara, taxi be sy ny taxi tsy adino eo koa ireo mpivarotra sy mpangarom-paosy izay mameno ny arabe sy ny lalan'ny mpandeha an-tongotra. Asa izao nga ilay antsoina oe Bord...
Tapitra





31/10/2009, 21:55
ehe !mbô ho ela avao !Mampalahelo,mampahonena nefa dia tsy maintsy iainana rahateo !Ny fanarenana an'izao no tena asa aman-draharaha be ho an'izay manaraka eo ....
31/10/2009, 12:23
Hay ve izany no misy any izao e ! Très très bien TGV !!!! DIa manodiava aminao izay nataonao amin'ny mpiray tanindrazana aminao !
31/10/2009, 00:56
Ka hoy aho hoe, rehefa lasa mpivarotra daholo dia iza no mividy?
29/10/2009, 19:35
zany eo ihany fa lasa mampilendalenda be le hoe nem sy samosa :-)
ny loto sy ny mpivarotra amoron-dalana indray moa ny antsika dia efa lasa tandra vadi-koditra mintsy ee... tsy ho afaka intsony :)
tokony ny tax sy ny patanty no atao matevina tsara :-)
29/10/2009, 18:40
Maeva74 => Aleo ihany mamaky ny tantaram-pitiavana soratanao toy injay mihaino ny resaka politika eto dago
29/10/2009, 16:57
E!Atao ahoana e! Mapalahelo ilay gasikara