Lahatsoratra hafa mihitsy ity satria ny fiainana an-davanandro mihitsy no resahako eto indray. Nahatsiaro ilay lahatsoratra nosoratan'i kdaombaramita manao oe "ianareo lehilahy ireto tena tssssss" manko a io izao ka lasa ihany ny fisainana manao oe tena mivika ihany anie ny lehilahy izany e. Maninona tokoa moa no mikitikitika etsy sy eroa tsy aleo ve mijerijery fotsiny e de mba manofinofy eo rehefa @ alina. lol
Roboka tanteraka ao @ ilay facebook a io mantsy ankehitriny ary tena varina mijery mamakely mihitsy lol. Tena vaky vava mihitsy a ny farany manao oe tena manja le zazavavy malagasy ka. Izay mivoaka iray babany avokoa. Nalaiko namana avokoa izay joba mba ohatrany metimety sy tsara endrika avy eo izy manaiky koa ny ho namako de ao revo mijery ireto sary a. Pôzy nama izao misy dia tena jejo tokoa moa izany ary sary nofidina mihitsy no avoaka ao tsy misy maharatsy an'izany akory fa tena varina enao mijery azy ireo. Izao tokoa ilay tonga @ fitenenana oe antitra 'ty vao be ny tanora.
Fa ny tena nahafinaritra @ ilay FB dia hitako tao indray ireo namako taloha teny @ lycée ka nahatsiaro ny fahiny izahay. Efa mitaiza avokoa ny akamaron'izireo ao ny efa niteraka 4 dahy be zao ao kosa ny mianadahy sy ny sisa. Tena tsy mahalavitany tokoa ity teknolojia vaovao ity ka.
Izay aloa no azoko atolotra fa ohatrany oe tsy maintsy mamoaka lahatsoratra koa moa @ ity resaka bombs bombs nareo ity ka. lol
Tapitra.
Ande hijery mamakely indray za io lol





10/11/2009, 16:12
hihihi !tapaka ny tsinaiko !Kay zany ny adin'ireto bandy ireto !
Eny e,ny vehivavy malagasy hany ka soa !
10/11/2009, 15:53
ravakamalala > Izay indrindra ! :-)
10/11/2009, 15:53
ravakamalala > Izay indrindra ! :-)
10/11/2009, 14:58
ary ny vehivavy ve sur fa tsy mijery dadakely???.... tpt....
10/11/2009, 14:09
Marina izany r'ise. Manja ny vehivavy malagasy. Kanefa rehefa mandeha ny fotoana, dia ho hitan'ise fa ilay akoho taman-trano ihany no tsara indrindra :-)
10/11/2009, 13:19
ikalamako => lol
zay ary hendry be koa mijery fotsiny fa tsy mikitika
10/11/2009, 13:17
hahahaha - marina zany ry news. Izay ianareo lehilahy izay, akory atao fa vita nanahary io, tsy azo anomezan-tsiny anareo.
Mba aiza ho aiza ao @ facebook ao elah fa mbo hijery zany mamakelin'i news zany koa zahay klé !!!
10/11/2009, 12:23
Kdaomba => Zay enao zay
10/11/2009, 11:49
Hay izany no tsy ahitako an'ity intsony ? mamakely a mamakely ! ha ha ha !