Nakarin'i T.Henry t@ tànany i Lafrantsa
Hadiva hifarana ny fifanitsanana eo @ lalao eran-tany atsy Afrika atsimo @ taona ho avy. Tafiakatra avokoa ny akamaroan'ireo firenena goavana @ baolina kitra toa dry brezila ry Alemana, Italia sy ny maro hafa tsy tafa t@ io kosa ny Rosianina sy ny Okraniana. Ny tena nitana ny sain'ny mpanaraka sy mpitia baolina kosa dia ny lalaon'i Eire sy Frantsa omaly alina.
Efa nampoiziko ihany ny vokatra kanjo tena nipoitra tokoa ilay noeritreretiko oe hivoaka sempotra ireo vao ho afaka eo raha ho afaka ary. Raha jerena moa ilay lalao mandroso tany @ Eire (Irlande) dia nifandanja ny lalao fa saingy nanantombo t@ isa maty tany antanin'olona ny frantsay t@ lalao mandroso. Ny mpanao gazety frantsay moa dia efa tsy dia nanisy vidiny firy intsony ity lalao miverina ity fa dia oe 90minitra hono sisa dia efa any Afrika atsimo hono.
Kanjo noho nandeha ny lalao miverina kay sendra ny taolana ry zareo satria dia mba nahafaty tany antanin'olona koa i Irlandy raha vao 30 mn fotsiny ny lalao. Tsy nisy endriny ny lalao avy eo fa toa sasatra manary baolina ilay ekipa frantsay efa faly ery ny tena oe ihitsana ireto.
Nandeha ny fanalavam-potoana nahazo coup franc ny ekipa frantsay ary nodakan'i F.Malouda teny @ 40m tany ho any notatazan'i T.Henry t@ tànany an-kavia ilay baolina ary hainy ny nanafina izany tsy ho hitan'ny mpitsara ka nalefany mora teo ambony lohan'i W.gallas ny baolina naiditr'ileio tany anaty arato ny baolina 1 no 1 ny baolina teo ary midika izany fa tafiakatra indray i lafrantsa. Eto aho dia te hiteny oe ilaina ihany ny Video @ itony lalao avo lenta itony satria tsy ho ary ho hita ny mpitsara daholo ny mpitsopitsony kely toy ireny.
Fa ny tena mahalasa fisainana koa dia ity oe lalao nihaonan'i Algerie sy Egypt any Soudan izay nivoaka 1 no 0 koa ny algeriana dia ny renivohitra lehibe rehetra any frantsa no misy rotaka. Midika izany fa voazanak'ireo arabo izany ny frantsay e! ary aleo ataony any koa fa ratsy loha e. nareo any antoerana angamba no hilaza misy misy @ izay tena zavatra nitranga marina tany.
Miala tsiny @ ireo tsy tia baolina aloha fa dia io ny lahatsoratra navoakako androany. Tsy nasiko sira izay vaovao ny tetezamita tsy hinanako hanina any. lol
Tapitra





20/11/2009, 08:32
Maeva74 => Nisy lalao play-off izay natao ahafantarana izay tena hiakatra @ mondial any afrika atsimo @ 2010 e! de nihaona i france sy irlande de io saika tsy tafakaitra io i frantsa raha tsy nahazo ilay baolina maty t@ fanalavam-potoana e! misaotra nandray anjara lol
Stilo => calme enao fa tsy makaiza ireo e.
kdaomba => Tsy possible intsony io e! asa anefa
19/11/2009, 21:47
Za manohana ny minisitra irlandais mangataka ny hamerenana ny match fa efa nanaiky i TH fa voakasika ilay baolina !!! affaire à suivre !
19/11/2009, 21:04
Dia mbola mahita an'izay miorakoraka sy mihazakazaka be ihany avy eo.
Dia hoe noteneniko hono ny arbitre hoe main ilay izy. Fa tamin'ny farany.
19/11/2009, 21:02
Dia hoe nanantona ny tanany hono ny baolina nefa hita be fa ninina.
Efa voavidy koa angamba ilay arbitre teny amin'ny sisiny fa efa hitany tsara izao.
Tsy ho lasa alavitra izany ireo ka.
19/11/2009, 19:34
Tsy arako ilay resaka fa mba te handray anjara fotsiny aho e!
19/11/2009, 19:07
Simp => Tsy lasa lavitra izany ireo e!
19/11/2009, 16:37
:-)
kobon'toi ihany ny mokondo frantsay eee... tsy maintsy mi-exploiter ny faiblessen'ny systeme foana vao mba mandresy fa tsy afaka manao zavatra araka ny ataon'ny ol mintsy...
zany hoe tsy illegal fa zany hoe tsy dia mendrika loatra koa... mais bon, izay tafita ihany no arabaina moa dia mamangy @ fahoriana any irlandy :-)
19/11/2009, 13:20
Kdaomba => Io @ sary faharoa io ilay Main e! tsy haiko moa ny manao retouche @le sary raha tsy izay nasongadiko ilay tanana ratsy iny
19/11/2009, 13:18
malagasycool =< Milay le coms e!
Kdaomba =< Efa kôpy hatrin'ny ela ka
19/11/2009, 13:15
Tanana efa zatra mangarona ny an'ny frantsay ka tsy vaovao tamin'ny zazamanga io.
Fa angamba koa nisy tanana nanosika avy tany ambony tany....iza no mahalala fa ry platini sy forongony tsy maty voalavo an-kibo.....
a bas-z'enfants de la patrie....
19/11/2009, 12:55
Na ilay ralenti t@ tv androany ary ry toi dia nahitana fa "main" ilay izy fa tsy itan'ny arbitre. Izaho aloha tsy nahajery koa, fa ny résumé androany no narahiko ! Hum, tsy hihinanan-kanina ilay politika an , izay vao azonao angaha ? :))