Malaina mihitsy a hamoaka lahatsoratra
Tapitra sahady ity ny volana janoary 2010 heritaona ohatr'izao sahady ilay "black monday 2009" nampalaza ratsy an'i gasikara najaka t@ izany ny vaky trano sy ny vaky trano ary ny fandorana ireo fananam-panjakana sy ny fananan'olona tsotra sy mpahadraharaha maro manerana ny renivohitra sy ny faritra maro manerana ny nosy. Tantara sisa izany ary samy migoka ny voka-dratsy ny fanimbana izany moa ny rehetra @ izao fotoana izao.
Malaina mihitsy ny tena hanoratra eto @ blaogy satria dia zary zavatra ratsy sy tontolo mahakivy no misy manodidina ny tena. Voalohany ohatra dia ireto trano eva hivarotana manoloana ny farihin'ny behoririka eo @ rano maimbo e! feno trano kely hivarotana eo taratry ny fahatrana satria dia manaratsy endrika ilay toerana izay efa didin'ny trano be tsy misy bikana naorin'ny sinoa mivarotra eto behoririka. Faharoa dia ireo làlana ninina tapahana omena ireo mpivarotra tsy ara dalana ihany koa!!! io dia tena mahasorena ahy manokana mampiasa ny lalana izay tokony ho an'ny fiara maza ho azy fa tsy ho an'ny mpivarotra velively. Aiza ihany ary ity tranobe misy etage etsy @ esplanade hoy aho izay nampalaza an'i tgv t@ fampielezan-kevitra kay fampiesonana fotsiny.
Manarak'izay dia dibon-drano ny tanana@ izao fotoana ny fahavaratra izao toerana diso fantatrin'ny rehetra ny eny besarety sy ny eto ambodin'ny mascar rehetra iny ireo no toerana tena mampijaly rehefa avy ny orana @ izao dia iny soarana, mahamasina, eny ambohijatovo sy ety @ jjrabearivelo rehetra iny dia tsy misy azo aleha rehefa avy ny orana fa azo hakana tsondro mihitsy mitombo isa ny toerana fanaingana zipo hoy ny mpanao vazivazy. Tsy mahagaga raha laharana faha 5 @ tanàna ratsy sy maloto indrindra maneran-tany Antananarivo.
Vokany moa dia lavaka be mangotana ny arabe rehetra manerana ny renivohitra, ny ambotaka mitombo satria sady miala lavaka ny fiara no mitady lalana aleha hafa ihany koa ny lala kely teo aza notapahan'ireo manam-pahaizana be ao @ cua!!! Izao ilay oe aleo ho avy izany izay ho avy fa samy mitaty izay vokany eto isika e.
Tapitra...
Na somary mitovitovy @ ireo lahatsoratro teo aloha ary dia tsy mahita afa tsy izao a ka na za manoratra ary laony ihany @le izy fa atao ahoana moa.





27/01/2010, 01:45
Izay mihitsy (^^)
26/01/2010, 19:37
ie lol
26/01/2010, 15:55
Aleo ihany ve Air Force One sy Air Force Two ?
25/01/2010, 20:06
Mahamenatra mihitsy rey olona ny tarainan'ny olona vahiny nandalo teto @sika fa dia izao maloto, maimbo izao no tenendry zareo, mampite-hisitrika ohatry ny ôtris indrai1. Ho lasa Haiti2 i Mada raha tsy miala teo io botity io.
25/01/2010, 19:20
Miarahaba antsika aloha tratrin´ilay Alatsinainy indray na dia efa alim- be aza e!!!
Atao ahoana tokoa moa!! tsy misy hafa tsy miandrandra izay ho fiafarany e!! hoatrin´ny hoe: " an´ireo mpanao politika i Gasikara" Misaotra an´i New2dago nizara ny zava-misy e!!
25/01/2010, 14:59
Tena azoko an-tsaina ilay tantaranao ry N2D. Izao rehefa sendra TGV maizina !
25/01/2010, 13:40
Izaho mamaky ny lahatsoratrao aza toa kivy sy sosotra be ihany, maika fa ianao sy ny vahoakan'Antananarivo miaian an'izany. Faherezana no atolotra ary faniriana ny hiovan'ny toe-javatra.
25/01/2010, 12:08
hihihi... Marina izany ry NewsDago. Vao nijery tao amin' ny Forbes.com aho teo, dia hitako voasoratra tao tokoa fa laharana faha-4 amin' ny tanana maloto indrindra eran-tany i Antananarivo tanmin'ny 2008. (Milahatra amin' i Port-au-Prince). Loza ity marina.