Novakin'ny mpiasa ny orinasa COSMOS
May volo tratra ny mpiasa ny zone satria dia mihatra ity ny sazy ary voa mafy ny orinasa afa kaba Cosmos orinasa mampiasa olona any @ 3000 any ho any. Tsy misy lalam-barotra intsony noho ny AGOA tapaka. Vokany dia nikatona io orinasa io ankehitriny. @izao fotoana anoratako eto izao dia ireny tazako eto ireny ny mpiasa @ io orinasa io mitaona ny entana rehetra ao ampiasana sy ny vokatra vita ny orinasa samy mitaona izay zakany izy ireo ankehitriny "vaky bal" e hoy ry zala izay. Misy mitondra ankajoba, Tshirt, sy ny entana vokarina maro hafa samy mitondra izay zaka ireo mpiasa indrisy tena mahantra ramalagasy ka lasa zary raikitam-pisaka ilay fandrobana. Vita tanteraka koa ny @ io orinasa io satria dia tsy ho tafarina intsony na hiverina ary ny AGOA. Dia efa mitadiava asa koa inona moa.
Manarak'izay dia nanohina ny foko ny nandre ny tenin'ilay praminisitra foza oe hanaovana fanazaran-tena ny tafika sadc fa aleo ho avy!!! tena fanaovana tsinotsinona ny miaramila malagasy izany amiko indrindra ny oe izay maty eo dia omentsika marimboninahitra marobe satria maty ho an'ny tanindrazana. Koa angaha moa tsy azo sorohona ny ady mba tsy hisy e! fa tsy mitsoatsoana ohatr'izany. Hany ka mampitsangam-bolo ny mierirteritra ny ho avy ny malagasy. Koa raha tonga moa ny sadc ka misy manome vola be @ izay ireo miaramila gasy hikomy sy hanao aza lambo ny lehibeny tsy ho tantara ny ahazo ny mpitarika foza!!! aza hitako aza mahita. Re mantsy izao fa maro ireo toby miaramila mitady hikomy @ io resaka vola io ihany. Tantara mitohy!!!

sary nalaiko tao @ taratra androany 4/02/2010
Anjarantsika no mandinika sy mieritreritra.
Tapitra.





09/02/2010, 15:41
Aleo andeha any zay AGOA e, zay na @ zone franche aza tsy matahotra an'zany, reo Amerikana reo ange no matahotra fa votsotra sy very lay volabe nomena an'i RA8 nenay zao mande tsara, refa tsy misy fitafiana any etazonia dia aleo hividy lafo any, angaha any tsy misy mahantra hoy nareo, nenà roahiiko any daolo na frantsay na amerikana na sinoa na iza vahoiny samy tsy tiko raha mbola manambaka ny malagasy toa ahy ihany, soa ihany ny misy anay fa tsy mba ahitana korontana zany ny ato ampiasana, ara-dalana na ny karama na ny congé na ny permission.
08/02/2010, 12:46
anctelma => Aza mitsara oa alo fa aleo ny tantatra no hitsara. Ny resaka ody indray dia azy sy Andriamanitra iny ny tenanao aloha jerena fa io no mahavoa antsika malagasy mahay mihitsy mitsikera ny hafa sy manaratsy ny hafa foana.
Tsy manome tsiny anao koa a fa zoanao tanteraka ny mitolona ary tsara izany raha izay no mapandry ny sainao dia aleo h tsarain'ny karatra eto koa e! sa ahn
08/02/2010, 10:14
Mahagaga ihany ny foto-pisainana, sanatriaviko raha izaho no hitady ny hiverenan'iny mpilalao ody iny(Ra8), efa nanafarako taranaka fara aman-dimby fa tsy mila izay Ra-osy mihitsy, ay mbola hisy zavatra hanjo an'iny fa aleo ho hita dia jerentsika, tsy mankasitraka ny fandrobana ihany koa ny tenako saingy ra8 no nampianatra nandroba ny fananam-pirenena teto madagasikara, dia izao tsy maty manota, raha ny toe-tsaina ry news2dago dia tsy ambany toe-tsaina mihitsy ny aty, ary efa talohanao no nitolomako, nahita ny 71 tany toliara aho, ny mey 72, ny 91, ny 2002, ary dia mbola mitohy mitolona ihany ny 2009, satria kobakambava no nahazoan'ny ra8 mpilalao ody ny fitondrana. hamoraina ny izao sy izao kay ao ambadika hihihi, aza manao an'A/tra tsy misy nareo e!
04/02/2010, 18:01
Atao ahoana tokoa moa e!! Miandry ny sitrapon´ireo milaza fa topmpon´ny gasikara "Mampalahelo"!!! Misaotra an´i New2dago nizara e!! Mandram-pihaona indray
04/02/2010, 17:31
Fa angaha raha miasa ao dia tsy maintsy hoe hisolelaka? sa nareo le sotrokely no fanaonareo?
04/02/2010, 15:53
Izaho aloha na ahn na ahn dia tsy mankafy ny fanimbana sy ny fandrobana, diso TOLONA raha izany !
04/02/2010, 15:19
anctelma => Raha mitovy toe-tsaina toanao izao dhl ny gasy dia miala tsiny a fa tsy ho afaka izany i madagasikara na hifarana ary izao tontolo izao. Vakio daholo ny lahatsoratr nataoko fa misy resaka telma any ho any fatsy tsaroko intsony.
Ny tiako tsindrina @ty lahatsoratra ity dia tsy manome tsiny an'i rakoto a na i rabe fa ilay toetsaina mandroba no tiako tsindrina mafy oe toetsaina mirefarefa @tany izany raha izay no mbola masaka ao andohanareo dia mbl tsy ho lasa lavitra isika. Aleo ho avy ny sazy dia miara mizaka ny vokany eto e! Tsy izany ve no vavan'i tgv oe tsy izy no hijaly fa ny vahoaka malagasy e! @zay fotoana izay ianao hiteny oe ahak'izay ihany t@ andron'ny le8 "tsitinao" io lol
04/02/2010, 15:01
Iza moa no namporisika hoe ampiharo ny sazy tsy i dada sy ny zanany izay mivory ao @ kianjan'ny zaza kamboty, nony foana ny AGOA dia iza no faly voalohany tsy ianareo zaza kamboty navelan'dra8, koa izao maka ny anjarany ny malagasy izay efa firy taona no nambakain'ireo vazaha mpitantana Zone Franche ireo dia ianareo indray no mimenomenona? Mba nihaino ny fitarainan'ireo mpiasa ireo ve ianareo t@ teo @ fitondrana, ry Jentilisa izany manaratsy frantsay nefa dia mbola miasa ao @ Sté Frantsay, izany ve tsy atao hoe miavon-tsy feno, rehefa tsy tiana dia tsy tiana fa mba manana hazon-damosina, zà rehefa nankahala an'i ra8 dia tsy niraharaha na nanao taratasy t@ olon'ny TIM mihitsy, naleoko nangina. Vitako ihany ny nataoko ary veloko ny tenako,
TSY MAINTSY AFAKA NY TANIKO, TSY MAINTSY TAFITA MADAGASIKARA
04/02/2010, 14:51
aza mifanilika fa zahay nitondra ny mafy t@ andron'ny ra8, tsy nisy mpiaro, firy moa ny mpiasan'ny Telma voaroaka angaha namoaka an'io vaovao io i news2dago, koa nony injay voa ny cosmos dia tatatataina fa tsy mahay ny mpitondra, angaha, aza ambany toe-tsaina oà r'izalahy
04/02/2010, 14:36
DIa tena maivan-doha tokoa izany 1erministra ny foza izany ! dia tena ilay fozaorana ireny mihitsy ny toetrany fa manimba no hainy. Mahamenatra sady mampalahelo !