Tia Misetrasetra Ny Tanora!

news2dago 25 Febroary, 2008 10:41 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tato ato izay dia be dia be ny mirimorimo @ itony scooter itony! io indray mantsy izao no lamaody ny tanora eto Antananarivo! tena efa lasa fialam-boly mihitsy mantsy izy itony ankehitriny ny malagasy raheteo havanana @ kitikitika sy ny adaptation! koa dia revo ao dhl na kely na lehibe!

Tsy mila fahazoan-dalana moa ny mitondra azy itony ka mora ho an'ny ray aman-dreny no mividy scooter ho an-janany sitran'ny ahahay tsy manatitra azy mianatra intsony dia mba afaka @ frais sy ny lasantsy miakatra! tsara izy @ io lafiny io tena mitsitsy ao ilay itiavana azy mihitsy saingy ny ankizy tia andrakadrana izay ka dia mivoana any @ tsy izy ny zavatra avy eo!

Taloha t@ andronay dia ny pointe no nalaza teny antaninarenina fa izao dia pointe @ scooter indray no malaza mivoatra miaraka @ toetr'andro tokoa ny fialamboly e! ao ny Jog 50 sy 90 izay tena tian'ny ankizy tokoa satria efa tena voafolak'irizalahy tsara ny momba azy! toa oe zany kité kité zany oe ny maotera ka io 2 temps io no tena mora amboarina alehibiazina izany ny herin'ny maotera ka lasa mirifatra izay tsy izy izy itony ka raha tokony ho 70km/h no faratampony @ hafainganam-pandeha dia tonga any @ 120km/h any izy rehefa kité!

Dia raikitra ity karazana dridrodridro tsy misy farany ity rehefa mety ho lalana malalaka rehetra eto Antaninarivo dia ahitana andiana tanora mifanejika @ scooter!!! @ io ry zalahy tsy miraharaha ny hafa mihitsy fa dia tena misetrasetra e! na efa hita izao ary oe misy fiara mifanena @ dia mbola sahy miditra ihany izy enao indray no mandefitra! raha tena mpamily ratsiratsy frein aloha dia taraiky ao ry lerony e!

Iny @ Marais masay iny moa dia efa tena lasa fifaninana mihitsy ary tena misy loka goavana ao any @ 10.000 Ar any no fanamby ary mitomba arakarak'izay hifanarahana eo! ny zesta sy ny tsindry koa aloa mandeha ihany! eo koa ny Joba kely miandry ho entin'izay maharesy @ fifaninana tena revy hafa mihitsy ny an'ny ankizy @ izao e!raha sanatria mianjera @ io anie @ hafainganam-pandeha 100km/h any mety tena tsy misy raisina e!asa ditra ary ve izany sa hadedahana no betsaka! Mba tandremo kely lesy fa malama maina anie ny tany e! sao maratra mafy eo vao hanenina ao aorina!

JEREO KOA ATO na MIHOMEHEZA ETO


Maloto Be Ny Ranon'ny JIRAMA!

news2dago 23 Febroary, 2008 10:32 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Asa ianareo raha mahatsikaritra fa ohatran'ny maloto be ny rano @ paompy izao! io aloa mety tsy mahagaga fa noho ny fiakaran'ny rano manodidina an'i mandroseza angamba! fa ilay izy tena mitovy @ ranom-potaka no tena maha sadaikatra indraindray oe azo sotroina ve ity sa ahoana?

Ny fanontaniana mipetraka dia ny oe izy itony moa ve tsy mba tokony handalo analyse maromaro vao tokony omena ny vahoaka e? satria ao anatin'ny kalitao daholo izany ary ny mpanjifa tokony omena zavatra madio satria miala vola! Ny mifanohitra @ izany foana anefa no mitranga matetika ary tsy mahagaga izany satria aty amintsika tsy dia misy be taraina ka dia manjaka ny gaboraraka!

Efa tena tarazo @ malagasy mihitsy mantsy ny manome zavatra tsy madio ho an'ny mpanjifa raha tsy hiteny afats'ilay tranga tany moramanga isika oe omby efa marary izao dia mbola amidy ihany! na koa oe akoho efa maty ny barika izao dia mbola varotana ihany!

Ataoko angamba fa mba fotoanan'izao ny mba tokony hijoron'ny mpanjifa @ izay oe tokony azo torina @ izay ireny zavatra ataon'ny sasany tsy dia mety loatra ireny! avy eo mantsy rehefa tonga ny aretina ny mpanjifa ihany no sahirana kanefa raha any @ toerana hafa ireny mety mba nahazo onitra ny mpanjifa raha voamarina tsara oe io tokoa no namparary ilay olona nihinana! raha izany lalàna izany angamba no miatra eto tena maro ny mpanjifa hahazo onitra!

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA ETO na ATSY

 


Tokony Hisy "Minisitera Ny Fiarovana @ Loza Voajanahary"!

news2dago 22 Febroary, 2008 08:50 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ny hevitra moa teram-bary koa dia arosoko eto indray izay mba hevitro mikasika ity fiarovana ny vahoaka @ loza voajanahary ity! satria tsy maintsy misy ny rivodoza isan-taona ary tsy maintsy misy 2 na 3 mandalo eto madagasikara dia tsy mba misy tonga saina mihitsy ve oe inona no tokony hisorohana azy! amiko dia ny fampidirana ny Minisitera hisahana ny fiarovana @ loza voajanahary no tokony atao voalohany! tonga dia efa atao maty paika ao daholo ny lamina sy ny rafitra rehetra! raha andany vola ihany mantsy aleo tonga dia manatontona vola hiarovana ny vahoaka aloha toy injay hanome vola azy fanampiana efa traboina! @ iny mantsy izy efa tsy manan-tsafidy intsony ka mora foana no mambabo ny fony @ io fotoana io!

Tena alaim-panahy aho mantsy hiteny oe ataon'ny mpitondra fitaovana politika fotsiny ny mamonjy ny traboina ankehitriny! vola anie reolona no tononin'ny filoha atao fanampina ny faritra traboina e! ny vary sy ny fromazy manginy fotsiny tsy misy maharatsy an'izany mihitsy ary tsy fotoana hifanomezana tsiny intsony izao! fa ny ahy ny tiako hatongavana dia ny oe aleo misoroka toy izay mitsabo e!

Isika anie tia mangalatahaka e! io mihitsy no fahalemetsika ambetiteniko eto foana io kanefa indraindray tsy mifanaraka @ zava misy aty @tsika ny zavatra alaintsika tahaka indraindray ny tena tahafitsika matetika moa dia i lafrantsa na eo @ lalàna izany na eo @ firafitry ny governemanta!

Jerenareo tsara fa na tranonkala milaza ny mety ho toetrandro ary anie tsy hananan'ny malagasy e! lany eo ny fahefatradiny mikaroka atsy sy aroa vao mba mahita enao @ izay indray tena zara fa milaza ny toetrandro aty madagasikara fa dia ny nosy manodidina no betsaka ao indrindra fa ny nosy la reunion! ko tsy hita tsinona fa meteo france no jerena ko izy ve hiraharaha izay an'olona hafa any fa ny azy aloa no mahamay azy! io zao dia efa lesoka iray lehibe ho antsika sahady, manaraka izay indray dia eto @ ireo mpamonjy voina hita fa tsy ampy isa mihitsy izy ireo ankehitriny ary tato ato anefa dia tena alerta foana na eo @ trano mianjera na eo @ rano miakatra sy ny sisa! sao mba tokony ampiana ny isan'izy ireny ohatra sady be ny tanora manana ny vatana afaka miasa @ ireny!

Farany dia ny benevola no tsy mba kapokatsika malagasy mihitsy e! malaina isika hanao zavatra raha tsy misy tambiny foana! asa nohon'ny fahatrana angamba! izaho zao ohatra mazoto mihitsy hanagana blaogy maimaimpoana hisahana ny toetrandro ary mino aho fa maro ireo mpamahana blaogy mety hanampy ahy @ io!

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA kely ETO na ATO


Vaovao An-Tsary Vitsivitsy

news2dago 21 Febroary, 2008 09:15 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Andro vaovao ho an'ny mpiray tanindrazana indray androany ary toa mahavelom-bolo ny mahita ny ankamaron'ny olona manao ny asany an-davanandro am-pitiavana! na dia teo aza ireny loza nianjady t@ malagasy ireny! atao ahoana tokoa moa fa tsy maintsy mitraka e! fiainana daholo ireny!

dia mba nanangona sary vitsivitsy aho androany mba asehoko anareo ny fahavoazana naterak'iny rivodoza iny!

simba ny lalana 67 ha

ito izao ilay lalana andalovan'ny ligne 126 ety @ 67 ha!

ikopa nalaina avy eo ampian'ny score digue

toy izao ny fiakatr'ikopa tonga namana tokoa vao mavomavo!

mbola ikopa ihany avy ato @ ilany havanana

ahoana no tokony atao @ ity trano mivava be ity e! sao dia mba tokony azera ary sao mahafaty olona eo indray vao hifanome tsiny eo!

loza mitatao tokoa ity trano iray ity

mbola maro ny zavatra nanaitra ny maso fa ireo aloha no tratra androany fa @ manaraka manao misimisy e!

ny mampanahy ahy izao dia ity oe misy rivodoza vaovao niforona sahady hono any ho any!

 JEREO KOA ETO  ary MIHOMEZA ATO na ATSY


Lasa @ Izay Angamba Ny Ratsy Rehetra

news2dago 20 Febroary, 2008 11:32 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

samy mbola mitsakotsako ny voina nahazo ny firenena malagasy ny rehetra ary tena naharary ny firenena mihitsy iny niatra t@ nosy iny satria dia be laotra ny fahavoazana nianjady t@ ireo mpiray tanindrazana!

niazo avy hatrany ny faritra atsinanana moa ny filoham-pirenena nanao fanamiana miaramila!!! omaly niaraka t@ ireo sampana momba ny vonjy taitra! nijery ifotony ny loza sy ny zavatra simba ka heno fa hanome 1 miliara ariary avy hatrany izy hamonjena ny toamasina! ary miampy 100 tapitrisa ariary hanarenana ny lycée rabemanjara! niarahaba ny vaohoakan'i toamasina manonkana moa ny tenany @ fahatsapan-tenan'ny rehetra @ fandraisana andraikitra t@ fanadiovana ny tanàna fa tsy niandry ny avy aty @ fanjakana fotsiny! ny piraiminisitra kosa dia tany @ nosy sainte marie ka nanamarika fa simba ny 95% ny tanàna! namonjy tany ihany koa ny filoha ny antenimiera Jaques sylla raha avy vao tonga teto an-tanindrazana ninjery ireo vahoaka nifidy azy ho solombavam-bahoaka!

etsy andanin'izay dia ny safodrano no atahorana eto an-dranevohitra satria dia efa mivoaka ny loza manambana ny eo an'ivon'ny apipa ny @ ho fahavakisan'ny fefiloha indrindra fa ny aty @ ilan'ny andrefana @ ikopa! ny orana moa dia mbola avy foana hatramin'izao na dia efa lasa aza ilay ts'Ivan!

ny voina tena nampihetsim-po ny olona teto iarivo koa dia ity raim-pianakaviana mba niaro ny fianakavinany ity kanefa dia maty tsy tradrano noho ny akasomparana teo @ fomba fiasa ao @ jirama satria dia navelan'izy ireo nikirazorazo t@ poteau ny fil tapaka efa ho iray volana izay! mba miantso ny tompon'andraikitra ihany izahay kanefa dia tsy nisy niraharaha hoy ny lehibe n'ny fokotany teny Ankazotoho! ka izao no vokany! niakatra tokoa mantsy ny rano teny anosimahavelona ary nisy fil nimboridana nikirazorazo t@ tany ary nilatsaka tao an-tranon'ity niaramboina ity ilay fil ka nahafaty azy izany voalaza moa fa niaro ny zanany no nahatonga azy niroboka tao anaty ny rano misy herin'aratra!

ny fandaniana ny tetim-bola ny kamoinina no nanamarika ny vaovao teto antananarivo omaly satria dia eo @ 26 miliara ariary eo zany no vola ho an'ny CUA @ ity taona 2008 ity! ka miandry izay ho fiatraikan'izany aty @ vahoaka ny rehetra!

ny irariana moa dia ny oe angamba mba ho lasa n'izay ny ratsy rehetra e! 

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA ATO na ATSY


«Mialoha   1 2 3 ... 54 55 56 57 58 59 60 61 62 63  Manaraka»

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)