Mande Be Ny Varotra ENZOY!!!

news2dago 26 Febroary, 2008 12:51 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mba misotro jus ihany aho fa ity jus iray hitako amidin'ity mpivarotra sinoa iray eo ampitan'i JJ Rabearivelo ity no tena mba mahavariana ahy mihitsy fa tena mande be ilay izy ary saika mpianatra ao @ lycée sy mpanao cours ao  Arcade no mpividy ity karazana sachet kely misy soratra oe ENZOY ity!

Fa inona ary ity vidin-dry zalahy ity oa any antsaiko hay kay tena aphrodisiaque ilay izy! hitako ny boay kely no mibako azy eo daholo! tsy hita tokoa moa fa ianareo vehivavy ireto tena mila olona performant be ko lasa ny boay kely avy no mividy zavatra tsy izy fa mba te hanome fahafam-po anle joba kely!

Taloha mantsy tany @ taona 90 tany ho any zany oe 20 taona lasa izay dia nisy rangahy izay niara nihofana tamiko dia ny fividin'ingahy rainy dia fanafody pilona kely izay "ombilahy" no anarany asa raha mbola misy io karazana fanafody io izao na tsy misy intsony! Razoky ko moa mpanao tourné lava ka mba tia mihodikodina e!

@ izao fotoana izao kosa dia fanafody générique no feno izao ka izany "silagra" na "novagra" no misy ary tena tsy mila ordonance akory ny mividy azy vazaha namana mpibizina mpitondra kamio any dry maintikely sy ry landiboatavo any no mpividy an'io aty ka boite iray dia efa mahaverina ny frais ny mankaty dago izany oe any @ 600€ any zany no hamarotany an'io any @ mpitondra kamio namany any ivelany any ary amidy atsinjarany ilay izy! tena bizina be ho anareo izay mivezivezy! tandremo fotsiny sao tratra any!

Fa ny olana @ itony fanafody itony dia ny effet secondaire e! isika malagasy mantsy be tosin-drà izay ka sao dia anao ohatr'ilay ranamana maty teo ampanaovana oe lery ary sipany koa no niaraka t@ fa tsy vady akory!ka sady afa baraka no tapitra andro!!! ilay zazalahy kely vao 14 taona indray dia nihinana ny viagra ny dadany ka voatery naiditra hopitaly fa nihijitra be izay tsy izy ny vata tenany iray manotolo angamba be daozy @ ilay fanafody!

Tokony hitandrina ihany @ fihinana itony karazan-javatra amidy itony fa sao dia hidirana angano eo! toy ny lalandrà tapaka sy ny sisa 

JEREO KOA ATO na MIHOMEZA ETO


Tia Misetrasetra Ny Tanora!

news2dago 25 Febroary, 2008 10:41 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tato ato izay dia be dia be ny mirimorimo @ itony scooter itony! io indray mantsy izao no lamaody ny tanora eto Antananarivo! tena efa lasa fialam-boly mihitsy mantsy izy itony ankehitriny ny malagasy raheteo havanana @ kitikitika sy ny adaptation! koa dia revo ao dhl na kely na lehibe!

Tsy mila fahazoan-dalana moa ny mitondra azy itony ka mora ho an'ny ray aman-dreny no mividy scooter ho an-janany sitran'ny ahahay tsy manatitra azy mianatra intsony dia mba afaka @ frais sy ny lasantsy miakatra! tsara izy @ io lafiny io tena mitsitsy ao ilay itiavana azy mihitsy saingy ny ankizy tia andrakadrana izay ka dia mivoana any @ tsy izy ny zavatra avy eo!

Taloha t@ andronay dia ny pointe no nalaza teny antaninarenina fa izao dia pointe @ scooter indray no malaza mivoatra miaraka @ toetr'andro tokoa ny fialamboly e! ao ny Jog 50 sy 90 izay tena tian'ny ankizy tokoa satria efa tena voafolak'irizalahy tsara ny momba azy! toa oe zany kité kité zany oe ny maotera ka io 2 temps io no tena mora amboarina alehibiazina izany ny herin'ny maotera ka lasa mirifatra izay tsy izy izy itony ka raha tokony ho 70km/h no faratampony @ hafainganam-pandeha dia tonga any @ 120km/h any izy rehefa kité!

Dia raikitra ity karazana dridrodridro tsy misy farany ity rehefa mety ho lalana malalaka rehetra eto Antaninarivo dia ahitana andiana tanora mifanejika @ scooter!!! @ io ry zalahy tsy miraharaha ny hafa mihitsy fa dia tena misetrasetra e! na efa hita izao ary oe misy fiara mifanena @ dia mbola sahy miditra ihany izy enao indray no mandefitra! raha tena mpamily ratsiratsy frein aloha dia taraiky ao ry lerony e!

Iny @ Marais masay iny moa dia efa tena lasa fifaninana mihitsy ary tena misy loka goavana ao any @ 10.000 Ar any no fanamby ary mitomba arakarak'izay hifanarahana eo! ny zesta sy ny tsindry koa aloa mandeha ihany! eo koa ny Joba kely miandry ho entin'izay maharesy @ fifaninana tena revy hafa mihitsy ny an'ny ankizy @ izao e!raha sanatria mianjera @ io anie @ hafainganam-pandeha 100km/h any mety tena tsy misy raisina e!asa ditra ary ve izany sa hadedahana no betsaka! Mba tandremo kely lesy fa malama maina anie ny tany e! sao maratra mafy eo vao hanenina ao aorina!

JEREO KOA ATO na MIHOMEHEZA ETO


Miala Any Ny Rivodoza!

news2dago 28 Janoary, 2008 09:33 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

salama isika e! dia tena kivy tokoa ny maraina teo raha iny andeha hiasa iny fa dia avy ny orana merika ny andro nitady elo sy aron'orana eran'ny trano satria efa ela ihany izay no maina ny andro ka zara lasa adino ny mitondra an'ireny fitaovana samy hafa ireny! indrisy fa maloka ny andro ho an'i Madagasikara e! satria dia mananotanona azy eo ny rivodoza be anakiroa dia i Fame sy i Gula izany!

ka asa izay ho afitsok'i fame aloha fa raha ny vaovao heno dia tena nitondra faisana tokoa ny any mayotte @ izao isika miresaka izao! ary ny any mahajanga ihany koa dia hita fa nisy fahavoazana ihany ny irina dia mba tsy hisy aina afoy aloha.

ho an'antananarivo manokana aloha dia hamakivaky ny tanana izy anio tontolo andro araka ny filazan'ny mpamatatra ny toetrandro samy hafa! etsy andanin'izay  dia mihamitombo hery ilay rivodoza iray atsy @ranomasibe indianina

ho any malagasy aloha dia tsy atao mahagaga ny fisin'ny loza voajanahary oh io satria dia fotoana ny izao! ny azo atao dia ny manaitra ireo eny @ faritra iva hiakatra @ toerana ambony sy hanamafy ny tafo trano @ fanasina fasika ny tafo mba tsy ho lasan'ny rivotra!

arak'izany dia ho mafimafy ihany ity taona ity satria dia mamely mafy ny loza sy ny aretina maro toy ny gripa sy ny sery ny parasy lafrika! manginy fotsiny ny tsy fahandrim-pahalemana izay nitranga ihany koa t@ ity volana janoary madiva hifarana ity dia ny fifapitsapan'ny jiolahy sy ny polisy!

fehiny, ny resaka politika aloha dia mifatoka any @ fifidianana ny mpanolotsainam-paritra ny sainy mpanao politika ny mpanohatra moa dia tsy handray anjara araka ny mahazatra ny mpitondra efa vonombonona ary ny tsy miakina kosa dia mety hanao fahagagana sahala ny t@ kominaly ihany! ny filoha moa dia hoany adisabeba @ ity herinandro ity hamonjy ny fihaonabe afrikanina!

jereo koa ity

 

 


Fiarabana Tratry Ny Taona!

news2dago 24 Janoary, 2008 11:01 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

salama isika e! dia mangingina indray ny resaka politika eto @ tanàna @ izao fotoana izao! koa dia mba manararaotra kely ingahy ben'ny tanàna miarahaba ireo andrim-panjakana isan'isany natombony t@ praiminisitra izany omaly dia nakany @ Hcc androany dia hanaraka eo koa angamba ny eny tsimbazaza sy ny eny anosikely! mariky ny fanajàna moa ny miarahaba ny raiamandreny @ fotoananan'ny asaramanitra oh izao! tsy nisy nipika moa ny dinika t@ ireo fihaonana ireo fa ny mpanara baovao no mba manombatombana izay mba hany takany oe inona ary no vontoatiny ny dinika tao! ny olona sasany ary moa dia milaza mihitsy oe toa tsy hita izay ataon'ingahy ben'ny tanàna fa lasa mangataka etsy sy eroa fotsiny!

etsy andanin'izay indray dia mbola mitohy ihany ny fifanazavana eo @ mpitondra sy ny katolika satria dia namaly bontana ny ariseveka ny praiminisitra omaly oe tsy voafehy ny fandaharana ka tsy maintsy naato aloa ny karajia asa fa lasa adin'ny moana sy marenina moa izy ity ary ny mety amiko tsy mety aminao na ny marina kokoa angaha dia ny oe ny mety amiko ihany no tsy maintsy ataonao satria izaho no masimadidy satria ahy ny fahefana  ko izay tiako anaovana azy eo io! omeko vola ranona dia mahazo afidrako atsy ny renivohitra dia afindra gadrako ranona dia migadra afahako rahanona dia afaka sy izay mety ho tohiny eo e! za no mandidy za no manapaka! nareo ho entina fotsiny nareo dia aza mitabataba fa sao mahazo ny sahaza eo!

fehiny, dia ahoana ihany ary zany ireto vahoaka tsy mandady arona ireto e! ny fiaina ity miakatra miakatra hatrany! ny vola anefa tsy misy! ny mpitondra manao ny ataony! ny vahoaka ihany no mifafa ny kihony eo! efa tsy dia nisy firy aloha ny delestazy ka tsy dia nimenomenona ny olona ny orana ihany koa efa avy rahateo! dia hoy a oe! @ manaraka aza manantena an'i ranona sy ranona oe hanampy anao zany indrindra rehefa tonga ny fampielezan-kevitra mipoapoaka ery ny programa dry zalahy oe ataoko itsy vitaiko iroa! ny anao ihany atao tsaratsara e! izay hahafaly ny akohonana kelinao no imatesana fa ampy izay ny fitaka isan-karazany! rehefa tsy misy manaraka ve  ireo tsy ho leo eo ihany!!!

JEREO KOA ETO

 


Tonga Soa news2dago!

news2dago 17 Janoary, 2008 10:39 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.

 

Technorati Profile
«Mialoha   1 2 3 ... 38 39 40

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)