Lakan-Drano Misintona Olona!

news2dago 02 Febroary, 2008 09:41 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia tena mahalasa saina ny maro tokoa ny maheno oe misintona vahiny hono ity lakan-drano iray etsy ambohimanarina Antananarivo firaisana faha6 ity! omaly tokoa mantsy dia lehilahy iray indray no nalainy tao tsy fantatra mazava moa izay tena nahafaty an'ity ranamana ity sahabo eo @ 30 taona toa oe nenjehin'ny alika hono izy dia nisaoty tao anaty rano tao dia izay! tsy nipoitra intsony!

ny mahavariana @ izy ity tokoa mantsy dia saika misy maty an-drano foana ao isan-taona rehefa fotoam-pahavaratra! t@ taon-dasa zao dia vehivavy no maty an-drano tao ary niboridana tanteraka moa io razana io t@ izay fotaoana izay ka angamba mety oe voaendaka izy! dia novoin'olona avy eo! ary mety mitovy @ izay ihany angamba ny nahazo an'ity lehilahy omaly ity!

lasa lalamasaka tokoa mantsy izy iny satria dia maro ny mpiasa ny orinasa afa-kaba no manivaka eo rehefa andeha hiasa ireo mipetraka eny andohotapenaka sy 67ha sy ny any itaosy sy ampitatafika rehetra iny ohatra dia mandeha @ iny daholo!

betsaka ihany koa ny olona mifamezivezy @ iny lalana iny eo  ny mpanasa lamba ny asa madinika isakarazany mpanao hanimasaka ny mpivarotra vy sy ny mpanao bisikileta maro zany ny vola mihodina eo ka mety efa tilin'ny jiolahy sy ny mpanendaka ny toerana hamelezany ka mety izay koa no mahatonga ny von'olona @ iny faritra iny mangina be mihitsy mantsy rehefa mandeha elaela @ ilay fefiloha sady tsy misy hevitra hitsohahana ihany koa raha sendra voasakana eny ampovoany eny!

etsy andanin'izay dia mandeha moa ny feo oe misy lolo hono io rano io t@ telo taona lasa tokoa mantsy dia nisy tanora nianantra nilomano teo ka maty nifamonjy tao izy roalahy ary hita nifamihina mihitsy ny razana rehefa navoaka avy tao anaty rano!

fehiny, aleo mitandrina ihany rehefa mandeha @ itony fefiloha itony ohatra oe mandeha andian'olona maro no miaraka rehefa mamakivaky azy io mba tsy hitaran'ny tsaho sy ny honohono izay tsy afaka @ malagasy mihitsy!

JEREO KOA ETO 


Saran-Dalana Tokana

news2dago 01 Febroary, 2008 09:02 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena mampikaikaika ny mpandeha mihitsy ity ataon'ny taxibe ity e! satria dia nofoanana ny saran-dalana 200 Ar ka natao tokana avokoa 300 Ar na aiza na aiza no miainga! izany oe tsy misy intsony izany ilay antsoina oe tapa-dalana fahiny izay nanavotra ny maro mihitsy!

heno ihany koa fa hiakatra manomboka rahampitso ny saran-dalana makany Mahitsy ka hiakatra 1000 Ar avy hatrany ny makany ambohidratrimo dia ho lasa 400 Ar ary tsy mitondra tapa-dalana ihany koa! raha azoko tsara zany ny tiandry zalahy atao dia oe mandehana tongotra e! mahagaga tokoa mantsy ny mahita an'ireo taxibe marobe mivezivezy zara raha misy olona 2 ao anaty fiara! kanefa dia aleony mitondra an'ireo toy injay hitondra olona 5 andoa sarany 200 Ar mety efa betsaka koa angamba ny azo hatrizay ka tsy olana na hitaona seza ary!

etsy andanin'izay dia miandry fatratra ny zotra andalamby ny mpandeha makany @ ireo faritra mba lalovan'ny masinina toy ny makany antsirabe ambatolampy na ihany koa ny makany moramanga sy ny faritra rehetra antsinana iny hatrany toamasina! satria dia mijaly ihany koa ireo @ io resaka saran-dalana io! ary betsaka @ mponina any mantsy no voatery mandeha an-tongotra elabe vao tonga eny @ lalam-pirenena toy ny mpandeha avy ao ambila lemaintso ohatra! efa manomboka miarin-doha tokoa ny madarail @ izao fotoana izao ary vao nahazo lohamasinina 5 vaovao be nafarana manokana avy any shina! koa inoana fa tsy ho ela dia ho afa-pasahiranana ny mpandeha ao aoriana kely ao!

fehiny, mbola mila ezaka be mihitsy ny fanatsarana ny kalitao @ itony sehatra fitanterana itony ka tokony mba jeren'ny fanjakana izay famaizana sy fantsarana ny asan'ny mpitatitra tsy vitsy @ izy ireo mantsy no mifanejika sy tsy mahay manaja ny mpandeha izay kely sisa mba zon'ny mpandeha mba tokony ho azony satria mantsy efa lafo rahateo ny saran-dalana!

jereo koa eto

 


«Mialoha   1 2 3 4 5 6

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)