Arendrina Taratasy ô!

news2dago 23 Jiona, 2008 09:55 Fialamboly Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia ny fankalazana ny fety no mampisomebiseby ny olona ankehitriny! maro moa ny zavatra nitranga t@ iny weekend iny teo ny fetin'ny mozika izay nankalazaina ny 21 jiona lasa teo ka carnaval no nankalazana azy teto antananarivo! tsy fahita moa izy ity ka tena nahalina tokoa ny nijery azy! tsy tsaroana intsony ny fitohanan'ny fiara io tontolo ny asabotsy io!

Mbola maro moa ny fety aman-danonana hotanterahana @ izao fetim-pirenena izao! anisan'izany ohatra ny seho sehatra lehibe ataon'ny tarika Iraimbilanja (Raimbla) @ 25 jiona 2008 ao antsahamanitra. Efa ela ny tarika no tsy niaka-tsehatra ka inoana fa ho faly ireo mpankafia azy @ izao fiverenany izao indray.

Feno entana sinoa kosa ny tanana ankehitriny! ary ny tena mampalahelo dia tsy hita firy intsony ny arendrina taratasy izay tsorina fa tian'ny ankizy tokoa fahiny, indrindra ireo zavavy kely ary jiro kapoaka ny fitondranay t@ izany! nifaly ery nifampitaona ny hanao arendrina ny ankizy rehetra tsy anavahana na iza na iza fa na ny ankizy fiadina aza dia mpinamana be @ io andro iray io! ny tsipoapoaka vita @ bougie sy ny vanjan'afokasoka moa dia eny an-tanana ihany!!! Fahiny tokoa izany. Izao mantsy dia itony karazana jiro kely maroloko itony no mameno ny tsena, tsy hita izay endriny fa dia jiro kely mande @ "pile" sisa no ho lalaovina zany @ 25 jiona alina.

Hatramin'izao koa dia mbola tsy hay na hisy ny afomanga na tsia, fa ny hita ao anaty ny fandaharam-potoana aloa dia tsy misy izany afomanga izany! efa tsy hahita matso izany dia mbola tsy ahia afomanga ihany koa, tena maivana tokoa izany fety izany ny vola rahateo tsy misy.

Vaovao farany kosa dia Voantendry ho Minisitrin'ny fanatanjahatena Ingahy Jean louis Robinson ary Paul Richard Ralainirina kosa no Minisitrin'ny Fahasalamana sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakavina.

Jereo koa eto na mihomeza kely ato 


Telenovela Na Tantara Mitohy...

news2dago 16 Mey, 2008 12:15 Fialamboly Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Malaza indray ankehitriny ny fanarahana tantara mitohy @ fahita lavitra ary saika ny tele rehetra dia samy mandefa tantara mitohy daholo ary samy mahaliana sy mahasarika ny mpianakavy mihitsy ny mijery azy isan-kariva! iny enao reradreraka iny dia lasa voafantsika eo ambodin'ny tele rehefa @ hariva. Indraindray aza moa tena mila tsy hahay andrindra ny programa mihitsy fa mifanitsaka ny ora andehan'ilay telenovela.

ireto ary ny santionany ka iza no mba fijerinao raha eto madagasikara ianao ka tia mijery tantara mitohy ihany koa! ary ho anareo any ivelany mpitsidika ny blaogy kosa dia mampahafanatra anareo fotsiny aho oe ireo indray ny tantara mahavarina an-dramalagasy ankehitriny:

Ao @ Matv no ahitana ny "destins de femmes" za aloa mbola tsy nahita an'io fa lazain'ny olona oe tsara be! azonao jerena @ 7 ora sasany alina

Ao @ Tvm kosa dia izany "Au coeur des passions" izany no ao ary mandeha isan'andro @ 8 ora sasany alina

Ao @ Viva kosa dia izany "Prison break" zany mandeha @sivy sasany alina

Ao @ Mbs kosa dia izany "Les feux de l'amours" izany  io kosa dia mandeha @ 7 sy fahefany alina ity dia tantara tsy mety tapitra mihitsy kanefa dia misy mijery foana mahagaga ahy mihitsy.

Farany dia ao @ RTA no ahitana ny "Monica brava" mande @ 7 ora hariva sy izany tantara mitondra ny lohateny oe "luna" izany io kosa dia azonao jerena @ 8 ora alina.

Etsy andanin'izay moa dia fanamarihina fotsiny ny ahy oe somary lava laotra ny dokam-barotra mandeha eny anelanelan'izy ireny matetika ary indraindray aza tena alaim-panahy aho hilaza oe lava noho ny tantara aza izy ireny indraindray!!! eo ihany koa ny lalao sms izay ahazoana loka marobe e! dia samy revo eo daholo ny rehetra mba mitsapatsapa vitana eo ihany koa.

Jereo ko eto na mihomeza kely ato

 


Fety Ny Mpifankatia Hono E!

news2dago 13 Febroary, 2008 12:19 Fialamboly Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia tafapaka eto amintsika indray izany ity fety ny vahiny anakiray ity e! dia samy manao izay ho afany eo daholo ny mpifankatia na ny lahy na ny vavy! samy mizara izay tsara sy izay hahafaly ny ankilany ary mifandefitra eo daholo! aoka fotsiny e! klin re izao bisou oroka be re izao! mafinaritra e!

Dia miforona daholo ny programa @ 14 febroary e! ao ny andeha ho any @ resto ao ny hifampitaona hijery fampisehoana maro azo isafidianana tokoa izy @ izao fotoana izao azo lazaina oe nandaitra izany ny dokambarotra ho an'ireo mpibizina e!enga anie mba hifankatia foana ny olon-droa mandavan-taona fa tsy @ io 14/02 io ihany!sa tsy izany!

Ny fialamboly koa moa tsy dia misy rahateo eto @ tanàna ka aleo mba hifaly hoy ny fitenenana! na izany na tsy izany anefa dia azo lazaina oe mora rebireben'ny vahiny isika @ resaka kolontsaina e! tsy vao ela akory tokoa izay no nisy nivoy sy nankalaza  ny fetin'ny halloween na ny 31 oktobra alina izany dia tadiavin'ny olona ankalazaina eto ihany koa! asa raha anao ahoana ny @ ity taona ity fa ny t@ taon-dasa aloa dia tena nampiorokoditra ny mahita ireto sarotava mampatahotra isakarazany nanaovan'ny olona e! vazaha ny ankamarony an! aleo dia tsorina!

ny mardi gras moa efa vita ary efa nifety t@ io koa ny ankizy ny sampan-kazo sy ny sampandrofia izao no ho avy manaraka eo io moa dia fety ho an'ny kristiana indray fa ny mampiavaka azy @ ity dia ny 16 martsa no daty ankalazana azy @ ity izay fotoana anaovana ny fifidiana izay ho mpanolon-tsaina paritra indray ary inoana fa hihena ny fahavitrihin'ireo mpifidy @ ity fifidianana ity sady tsy dia maha taitra ny olona rahateo izy ity fa an'ireo mpitondra ihany!

dia ho hita eo e! ny azo hamehezana azy fotsiny dia ny oe ny fetin'ny 26 jiona zany no mba hany fety antsika malagasy ka tokony mba atao manetriketrika fa lasa zary ho fahazarana fotsiny manko ny fankalazana azy isan-taona!

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA KELY ATO


Lalao LOVE Ao @ TVM

news2dago 12 Febroary, 2008 08:50 Fialamboly Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia tia maka tahaka tokoa ny malagasy e! tena resaka marina io fa tsy vazivazy intsony oe mpangalatahaka isika! aiza ve re olona koa fetim-bazaha any no alaintsika tahaka sy voizina mafy ho tafapaka aty @ kolontsaina malagasy aty! ny fety ny mpifankatia no tiako asiana teny eto!

Azo lazaina fa vao haingana tokoa ity fety ity vao tena nalaza teto @tsika teto ary tonga dia tsorina oe bizina no tena antony fa tsy dia ilay fifankatiavan'ny olon-droa akory! dia mandeha daholo ny varotra raozy mena sy ny bouquet isan-karazany e! ny peratra sy ny fisakafoanana any @ resto! tsy misy maharatsy an'izany akory raha izay no hampaharitra ny fitiavan'olon-droa!

Hiverenako kely @ izay ary ilay kilalao ao @ TVM izay mahatonga ahy hiteny oe mpangalatahaka isika satria dia ny lalao Les Z amours mihitsy no namboarimboarina e! misy fizarana roa ilay lalao ka ny fizarana voalohany ohatra dia ahitana lehilahy iray sy vehivavy telo tsy mifanatrika izy efatra mianadahy fa misy takona kely manelanelana azy eo! dia eo e! mifampikaoty eo mametraka fanotaniana ilay tovolahy ary mamaly azy eo izy telo mirahavavy ka izay mety mifanojo @ valinteny andrasan-dralehilahy no mety hambambo ny fony! i Dieu Donné sy Johary Ravaonjanahary moa no manentana ny fandaharana! dia toy izay ihany ny fizarana faharoa fa vehivavy indray no mametraka fanontaniana dia lehilahy telo indray no mamaly!

@ farany moa dia milaza izay anaran'ny olona mifanojo @ ilay tiany ny mpametraka fanotaniana  dia aseho azy amin'izay ilay nosafidiany ka tsy mahazo manenina raha tahiany ka tsy mety aminy indray io safidiny io avy eo!lalao ihany moa ilay izy ka efa samy mihomana @ izany angamba ny mpandray anjara @ ity lalao ity! mafinaritra rehefa misy ny famokarana fandaharana fa ny indro kely fotsiny dia ny oe aleo tsy maka tahaka ny fandaharana vahiny fa mitrandraka izay tena an'ny tena e! io angamba dia mivantana @ ireo haino aman-jery rehetra io! santionany fotsiny ireto tanisaiko ireto fa mety misy koa tsy voamariko ny an'ny hafa! ohatra: pazzapa rta, tena tia mbs sns...

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA KELY ETO


«Mialoha   1 2

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)