Maditra Ny Ankizy!

news2dago 09 Febroary, 2008 09:48 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena sahiran-tsaina ny ray aman-dreny amin'izao fotoana izao fa tena tsy voafehy intsony ny ankizy fa tena sarotra tenenina sy maditra!

Tsy vao ela akory izay no nandray fepetra ny fanjakana nanakatona ny ARENA na irony karazana boite de nuit irony eo antanimena moa izy ity ary tena miandahy miambavy mihitsy ny ankizy mandeha @ itony trano fandihizana itony! ny mampiavaka ity ARENA ity tokoa mantsy dia izy mivoha alarobia hariva sy asabotsy hariva ka afaka manarapo tsara ireo mpianatra tia andrakandrana sy jejojejo dia ao mianatra mifoka sy migoka ary mifampikaoty ary miafara @ firaisana ara-nofo nohon'ny andrakandrana na koa mety misy fanolanana ho an'ny sasany tsy latsaky ny 10 isan'andro mantsy ny fitorina eny @ polisy misahana ny ankizy ankehitriny!tsy io ihany fa misy koa eny betongolo ary manginy fotsiny ny karazana hetsika toy itony ataon'ireo efa lehibebe ka manao fitadiavam-bola @ itony fampandihizana itony feno peta-drindrina ny poteau oe misy Balle des jeunes atsy ary izao ny saram-pidirana!

Ny tena azo ambara angamba dia ny oe mifampitarika @ ratsy ny ankizy e!aiza ve ko zazakely izao dia efa manendaka sy mamaky trano sahady! toy ity nitranga teny tsaralalana ity satria dia ankizy manelanelana ny 15 taona ka h@ 17 taona teo no nanakana olona avy dia nofinganin-dry zalahy ilay rangahy izay ho endahina ka nianjera t@ tany ary avy dia nalainy ny zavatra teny aminy!

manamafy izany koa ity tranga iray niseho teny anosiala ity satria dia nifamaly faty ny ankizy noho ny adiady nifanaovana andianam-pianatra anakiroa ka niafara t@ torabato sy fifanjevoana izany!

Dia ny fanotaniana mipetraka dia ny oe ahoana ary no iafaran'ny taranaka malagasy raha dia lasa makany @ hetraketraka sy ny zava-mahadomelina ny fialamboly ny ankizy sisa! tena mampalahelo ny mieritreritra azy ity! ny irina dia ny oe mba ho tsara taiza ny taranaka kanefa tsy izany no zava-mitranga ankehitriny

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA KELY ETO

 


Tsy Fahamatorana @ Politika

news2dago 07 Febroary, 2008 13:04 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Lasa resabe ho an'ny mpanara-baovao indray ity resaka kandida ao @ antoko TIM ity e!satria dia voamarina mihitsy izany izao fa misy tokoa ny parachutage eo @ ity antoko ity! saika matoa-dahatsoratra an-gazety foana ity nahazo an'i Jhay Tax ity na ilay tale jeneralin'ny RDJ izay toa ohatran'ny kandida sambotsamborina fotsiny izy ka saika atao lohalisitra TIM kanjo gaga ny anao lahy fa tsy hita lisitra akory avy eo!

ny tiana hisarihana ny saintsika dia izao oe mba te hanatsara ny vokatra ho an'ny TIM ingahy mpihay "Coach" analamanga ka saika mba haka ny fon'ny tanora izy ka nanolotra kandida tanora arentirety eo aloha hazahoana fandresena kanefa ny ao @ birao politika ny TIM mihitsy no efa te hanilika azy ka tsy mila izay kandida natolony!tsy iza moa ny mpihay an'analamanga fa ny minisitry ny raharaham-bahiny izay hany sisa naharitra ela teo @ toerany!

ny zavatra toy intony moa dia azo hitarafana sahady oe tena misy zavatra tsy milamina mihitsy eo @ ity antoko ity fa samy manao izay saimpantany ny mpitantana nifandimby teo! tsy atao mahagaga moa izao zava-mitranga izao fa efa nampoizina ihany satria tsy matotra ara-politika ny antoko eto madagasikara! raha manaraka ny fifidianana any @ bekintana isika izao dia mafana ny ady hevitra sy ny fifandresen-dahatra eo @ samy mpikambana ary fifidianana be manadala mihitsy vao mipoitra izay tena hitondra ny kasikety ny antoko tsirairay avy! hanatra ho antsika aty madagasikara ny toy ireny oe mila mifandresy lahatra aloha manohana izay programa ny mpilatsaka ary izay tafavoaka eo dia kandida ny antoko @ izay!

hoy ny olona oe soa fa tsy misy mpifanina ny TIM fa raha tsy izany angamba dia mibaby faharesena indray izy @ io fifidiana manaraka eo io!

JEREO KOA ETO 


Hivoaka Ihany Ve Ny Teti-Bola Ho Any CUA?

news2dago 06 Febroary, 2008 08:43 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

samy miandry fatratra ny rehetra oe hahazo vola ve ny CUA sa tsia? eo ampamolavolana ny teti-bola mantsy izao ny teknisiana mavitrika ao @ CUA @ izao fotoana izao rehefa vita izay dia ho entina hiadian-kevitra miaraka @ ireo mpanolotsiana izy ity na androany alarobia na @ herin'andro ambony satria moa ny ben'ny tanàna mbola namita iraka any ivelany any!

io ho vita ihany fa ny fanontanina mety hipetraka dia ny oe: "hanome ve ny fanjakana sa tsia?" ny fanomezana aloha tsy maintsy satria mandika lalàna ny mpitondra raha tsy manome satria fampadehanan-draharaha ho an'ny kominina ny tetibola ary samy manana ny azy ny kominina tsirairay manerana ny nosy ka angamba tsy hisy ny fiangarana oe itsy ny na iroa no zanak'i dada! fa samy malagasy daholo ny rehetra na aiza na aiza!

izany eo ihany fa ny tena mahamaika ny olona ihany koa dia ny oe tafapaka marina aty amintsika vahoaka ve ny tetibola ny kominina io sa anao ahoana indray ny hita mantsy izao dia tena dikain'ny fanjakana ny kominina eto andrenivohitra fomba fiady daholo ihany izany fa ny antsika vahoaka dia ny oe vita ve ny fampanantenaina sa tsia? hita mantsy izao fa ny minisitera no manamboatra ireo lavadavaka rehetra ny fanamboarana ny tsena eo ambohimanarina sy besarety ohatra ny tetibola ny minisitera zany no andrimbinana @ io! iny tsy hidirantsika lalina ny amin'iny fa ny fihetsiky ny mpitondra mihitsy no tiako tsindrina kely oe misy zavatra tiany aseho @ vahoaka ao oe izay no mahavita fa tsy ny kominina sy ny ben'ny tanàna nofidinareo akory!karazana ratrapage ihany zany mba ahazoana ny fon'ny vahoaka indray @ fifidianana manaraka!!!

fehiny, ny antsika dia ny tanàna mandroso no tanjontsika ny fihemorana no tena fadina ka ho hita eo raha hahay hampiasa ny fahaizamanao ny teknisiana ao @ CUA na tsia fa ho tsaraintsika @ asany izy afaka fotoana fohy! 

JEREO KOA ETO

 

 


Tsy Mahasoa Zavatra Ny Malagasy

news2dago 04 Febroary, 2008 09:10 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

mampalahelo ny mahita ireo takelaby mpanoro sy fandrindrana ny fifamoivoizana eto andrenivohitra fa dia lasibatrin'ny mpangalatra izy ireny ankehitriny!

tsy mba mahasoa zavatra isika malagasy fa izay azo avadika vola dia atao avokoa!

miteny ho azy ny sary oe vao ovina moa ity làlana ity no vita nahafinaritra ery ny endriky ny tanana kanefa dia izao sisa! takelaka iray na roa sisa tafajanona eo @ izao ary mety tsy ho ela ihany koa ny anjarany!

iza ary no tena tompon'andraikitra voalohany @ fiarovana an'izy ireny e! ataoko fa ny akaiky indrindra dia ny mponina manodidina no tena ho tokony sarotiny @ izy itony satria fananana iombonana izy itony! tsy izany anefa no mitranga fa dia mijery fotsiny ny olona rehefa misy maka izy ireny satria mety mpiray tsikombakomba ihany koa ny iray tanana satria olona eo ihany na izy samy izy ihany no mangalatra! mety ho olona hafa koa anefa no tena manao izao asa ratsy izao!

tsy io ihany no alainy fa izay rehetra mety ho vita @ vy dia hongotan-drizalahy avokoa toy ny sarona dalle ny telma ny lalamby ny madarail ny tariby ny jirama ary tena metatra maromaro mihitsy mba tsy hitenenena oe kilometatra mihitsy aza ary dia majifa daholo e!

ny tena loza mantsy dia misy tambanjotra mihitsy ny fangalarana ity vy ity misy mihitsy mantsy dokam-barotra an-gazety oe mividy vy @ kilao ka eo 150Ar ka h@ 200Ar eo ny kilao tsy mikely soroka anefa ny manampahefana mikaroka ny tambanjotra ka vao t@ taon-dasa no tratra ilay karana mpamongady sy mpanangona vy kanefa mety tsy ho izy irery no manao izany fa mbola misy hafa ihany satria mbola misy foana ny halatra h@ izao!

JEREO KOA ETO

 


Lakan-Drano Misintona Olona!

news2dago 02 Febroary, 2008 09:41 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia tena mahalasa saina ny maro tokoa ny maheno oe misintona vahiny hono ity lakan-drano iray etsy ambohimanarina Antananarivo firaisana faha6 ity! omaly tokoa mantsy dia lehilahy iray indray no nalainy tao tsy fantatra mazava moa izay tena nahafaty an'ity ranamana ity sahabo eo @ 30 taona toa oe nenjehin'ny alika hono izy dia nisaoty tao anaty rano tao dia izay! tsy nipoitra intsony!

ny mahavariana @ izy ity tokoa mantsy dia saika misy maty an-drano foana ao isan-taona rehefa fotoam-pahavaratra! t@ taon-dasa zao dia vehivavy no maty an-drano tao ary niboridana tanteraka moa io razana io t@ izay fotaoana izay ka angamba mety oe voaendaka izy! dia novoin'olona avy eo! ary mety mitovy @ izay ihany angamba ny nahazo an'ity lehilahy omaly ity!

lasa lalamasaka tokoa mantsy izy iny satria dia maro ny mpiasa ny orinasa afa-kaba no manivaka eo rehefa andeha hiasa ireo mipetraka eny andohotapenaka sy 67ha sy ny any itaosy sy ampitatafika rehetra iny ohatra dia mandeha @ iny daholo!

betsaka ihany koa ny olona mifamezivezy @ iny lalana iny eo  ny mpanasa lamba ny asa madinika isakarazany mpanao hanimasaka ny mpivarotra vy sy ny mpanao bisikileta maro zany ny vola mihodina eo ka mety efa tilin'ny jiolahy sy ny mpanendaka ny toerana hamelezany ka mety izay koa no mahatonga ny von'olona @ iny faritra iny mangina be mihitsy mantsy rehefa mandeha elaela @ ilay fefiloha sady tsy misy hevitra hitsohahana ihany koa raha sendra voasakana eny ampovoany eny!

etsy andanin'izay dia mandeha moa ny feo oe misy lolo hono io rano io t@ telo taona lasa tokoa mantsy dia nisy tanora nianantra nilomano teo ka maty nifamonjy tao izy roalahy ary hita nifamihina mihitsy ny razana rehefa navoaka avy tao anaty rano!

fehiny, aleo mitandrina ihany rehefa mandeha @ itony fefiloha itony ohatra oe mandeha andian'olona maro no miaraka rehefa mamakivaky azy io mba tsy hitaran'ny tsaho sy ny honohono izay tsy afaka @ malagasy mihitsy!

JEREO KOA ETO 


«Mialoha   1 2 3 ... 56 57 58 59 60 61 62 63  Manaraka»

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)