Mba Mitombina Ve Itony E?

news2dago 08 Novambra, 2008 07:21 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mahazo mailaka sahala @ ity etsy ambany aho matetika! ary alaim-panahy hiteny oe mpisoloky ilay olona mandefa azy io. Satria mety hosodoka @ ilay volabe arangaranga ny tena dia mety ho roboka tokoa. Raha izaho manokana kosa aloha tsy mba handany andro hifanoratra @ io a! Satria tsy maintsy hisy vola angatahany amiko any aorina any oe! mila mandoa hetra 15% aty @ ity kaonty ity ianao vao azo alefa any @ nao io vola io sy ny sisa...

Maro mantsy ny olona fantatro efa voa t@ izy itony ka izay no tsy mampiraika firy amiko @ izy ity. Izao ary ny vontoatiny ilay mailaka tonga aty amiko:

From Mr Lusee mark (B.O.A)
Bill and Exchange Manager,
Bank of Africa(B.O.A)
Ouagadougou Burkina Faso.
West Africa.
 
ATTN,   
                                                         
 
Sorry to distract your attention, I am Mr Lusee mark the bill and exchange manager in the bank of Africa Ouagadougou Burkina Faso.
 
In my department, I found the deposited fund amounted SEVEN  MILLION TWO HUNNDERED THOUSAND DOLLARS (USD7,200,000.00).customer who died in the air crash with his entire family.
 
 However, I shall detail you with the full information as soon as I hear from you.
 
Can you be able and capable to assist me  provide your receiving bank account where this fund will lodge in your favour?
 
I shall give you 30% of the total sum as soon as this fund hits your account and I shall visit you in your country for the shearing.
 
Please this is very confidential. If you are interested, please forward me the bellow information's;
 
Your name:............................
 
Your country:.........................
 
Your phone Number:......................
 
Your tel/fax:...........................
 
Your age:...............................
 
Your occupation:.......................
 
Thank for your anticipated co-peration.  
Your's  Faithfully.
Mr Lusee mark 

Tsy mbô za hoy ilay hira izay! 

Aleoko ihany mionona @ ariary sy ariariroa eto!lol

Jereo koa eto

 

 


Voarara Ny Mipipy, Mandrora Ary Miteny Ratsy!!!

news2dago 08 Oktobra, 2008 12:15 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mba nahafaly ahy ny naheno ity onjam-peo nilaza vaovao hafa kely ity oe voarara ny mipipy, mandrora ary ny miteny ratsy eny @ toerana hifamezivezena ny olona sy ankalamanjana. Mety hapigadra 10 andro ary handoavana lamandy ny mandika ireo lalana ireo. Tena mila ampiharina kosa anefa fa tsy atao plivava fotsiny. Tena azo lazaina fa fanitsina goavana eo @ fiara-monina sy ny fiainana andavanadro ny mponina mihitsy ity lalana vaovao ity.

Marihina mantsy fa ny gasy dia anisany mponina voretra indrindra raha oharina @ firenena hafa. Tokony mba hisy koa ny lalana manafay ireo mpandoto sy mpanimba ny vola taratasy izay ampiasaina eto Madagasikara. Asa izao raha mba ho hitan'ny manampahefana ity lahatsoratra ity izao.lol

jereo koa eto


Mbola Manahirana Ny Manao Taratasy

news2dago 07 Oktobra, 2008 13:46 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Saika haka ny kopia ny nahaterahan-janako aho androany efa tokony azoko ny alakamisy lasa teo izy io fa saingy mbola tsy afaka naka azy tany aho satria tena mbola sahirana be fa mbola tany @ hopitaly t@ io andro io. Mba nanantena aho zany androany oe tonga de azoko fotsiny ilay kopia! Kanjo tena mbola tsy nisy nikarakara ilay taratasy. Dia tsy hiteny zavatra betsaka aho fa ny any tato an-tsaiko dia ny oe tena ni-derail ny tgv zany. Etsy @ firaisana voalohany moa no natao ilay kopia. Tena tsy misy mandeha @ laoniny ny raharaha tena marina e! Asain'ilay olona miverina indray aho @zoma ho avy izao ny fotoana anefa volamena ka asa izao raha ho afaka ny ho any indray na tsia.

Manaraka izany indray dia ny fomba fiasa ao @ ity atao oe pavillon sainte fleur ity e! anarany fotsiny ny oe tsy miankina kanefa dia mitovy @ fomba any @ sarababem-bahoaka ihany. Lasa vonjy tavan'andro fotsiny sisa ny fanara-maso ny zaza fa tsy misy fizahana tena manara-penitra. Ny hialazako an'izany mantsy dia be ny olona miandry sy milahatra dia manomboka kizitina ny mpampivelona satria miasa irery dia diso ny zavatra atao avy eo! Hita ihany oe mbola mila ezaka e! Ny mpitsambo kosa aloha dia tena ao @ kapaokany mihitsy e! Ary inoako marina fa ireo no tena mahasarik'olona ao @ ity hopitaly iray ity. Mbola betsaka ny tiana tenenina fa @ manarka indray aho manohy fa sao lasa mahamonamonaina sy mahakamo ny mamaky ny lahatsoratra.

Farany dia lasa any Tazania i Ramose! Ny tena antodia any moa tsy arako laotra fa sendra henoko fotsiny io anikeo. Ny akaotran'izay dia mirongatra ny vono olona feno habibina eto @ tanana eo ny olona misy mandoro dia arina any anaty fako sy ny sisa. Niniko natao ny tsy dia mitatitra ireny vaovao ratsy ireny satria tena manimba saina e! Amiko mantsy ny vaovao dia mba tokony ho tsara fa tsy ratsy sa tsy izay? Rehefa mifampiarahaba mantsy isika ny mifanontany vaovao foana.

Jereo koa eto

 


Vehivavy Mamoafady Oe!

news2dago 21 Aprily, 2008 12:35 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Fanondranana vehivavy hivaron-tena izany indray no vaovao hitako an-gazety androany! ary tena fitahana ireo olona ireo! karazany iray io @ resaka fizahan-tany mamoafady sy ny proxénète izay efa mipaka eto Madagasikara ankehitriny. Mariky ny fahantrana izao ary tokony hahatonga saina ny mpitondra oe very ny taranaka malagasy ankehitriny.

Vola be izay no andrabirabina azy @ izany ary tsy vitsy ihany koa ny malagasy te hahita mafy an'izao andafy andafy izao ka dia roboka daholo! Rehefa tonga any anefa dia tena an-devozina ara-nofo sy araraotina @ fahatrana. Ampanaovina sary mihetsika mamaofady sy mivaron-tena sy ny sisa rehetra azo ampanaovina anireo.

Etsy an-danin'izay moa dia mirongatra izay tsy izy ny tranon-kala misy irony "rencontre" irony ary tena ahitana karazany sipa gasy maro mihitsy ao! eo no te hanambady fotsiny izao ireo vazaha be vola ao koa anefa no leo ny miaraka @ teratany malagasy satria tsy mahavelona vady aman-janaka hono!!!

Tsy vitsy ihany koa irony karazana asa hafa kely manomboka mahazo vahana eto @tsika tao aoriana kely ny nahatongavan'ireto sinoa marobe eto ireto dia ny fanaovana "massage" izany, sady mihotra moa no manao izay tiana atao rehetra ihany koa raha sendra lasa lavitra ny heritreritra sy ny filàna. Fa mandoa vola amboniny indray ianao, eo ohatra ny "mihotra" adiny iray dia sandaina any @ 200.000 Ar any ho any! koa ahoana moa no tsy hiroboka hanao an'izany ny zatovo vavy malagasy satria efa tena jamban'ny vola.

Vokatry ny fandrosoana sy ny fanalalahana daholo moa izany rehetra izany ary tsy azontsika lavina ny oe mba te hiaina tahaka ny olon-drehetra ramalagasy kanefa dia tena mahonena ny mahita ity fahaverezan'ny sotoavina malagasy ity. Atao ahoana tokoa moa fa na ny "clip" hitanao @ tele isan'andro ary dia mampadihy fitombenana no betsaka! io dia efa ataonay vazivazy foana oe any @ izay mihetsika ihany no misy ny saina ko!lol

JEREO KOA ETO 

 


Mirongatra Ny Sakan-DalàNa

news2dago 15 Aprily, 2008 10:07 Fiarahamonina Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tantely amam-bahona ny fiainana ary semban-drahona indray ny mpanankato satria dia nodimandry omaly i Romule mpikambana ao @ kintana telo. Maneho ny fiaraha-miory amin'ny fianankaviana izahay mpitoraka blaogy rehetra tsy ankanavaka! mahaiza mionona tompoko!

Vaovao hafa kosa dia mirongatra izay tsy izy ny mpanedaka eny @ lalam-pirenena faha 2 sy ny faha 4 iny eo anelanelan'i brickaville sy moramanga no tena matetika @ RN2 ary etsy Manerinerina Ankazobe kosa ny RN4. Avy dia atsivalan-drizalahy eo @ arabe ny hazo lehibe na asiny vato be eo dia tsy maintsy mijanona ny mpandeha @ fiara dia avy izy avy any an'ala mitondra basy ary avy dia manendaka izay azony alaina rehetra eny @ mpandeha. Miandry izay ho fihetsiky ny mpitondra mikasika an'izao tsy fahadriam-pahalemana izao.

Mbola mitohy ihany koa ny fitokonana eny Ankatso ary manankan-dàlana ihany koa ireo mpianatra ny tena vontoatiny fitokonana moa dia tsy dia mazava loatra @ mpanaram-baovao! raha izao no mitohy dia tena andro sisa no isaina ho an'ingahy minisitra!!!

Milaza marary mafy eo am-pandriana kosa ingahy Henry lecacheur ka tsy afaka ny hanohy ny firotsahana an-dalambe aloha hatreto! marihana moa fa nisy nitifitra ny fiara noentiny t@ asabotsy lasa teo. Andrasa izay ho tohiny ny tantara!!!

Milaza ny ho avy eto Dago ihany kosa i Rossy satria toa tsy avy @ Filoha akory ny sakana tsy ahafahany manao ny seho kasainy atao fa avy @ Minisitera mpihay angamba! dia tena misangy ratsy koa ny ao Ambohinjatovo ao ka! ny baolina kitra ity tena bory tanteraka ny lohany satria mbola tsy mijoro ihany izay hitantana azy vonjimaika.

Jereo koa eto


«Mialoha   1 2 3 4 5 6  Manaraka»

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)