Mangidy ny rora ary manakifin-doha ny sasany mijery ireto zatovo miandahy miambavy mitaona ny entana norobaina teny @ tranombarotra vaky teto an-drenivohitra. Fa loza inona re ity nataon'ny zanak'Antananarivo ity e. Tsy tahotra tsy henatra fa dia miseho mazava eny izy rehetra milanja izay voaray ny tanana. Dia lasa fanjakan'ny baroa tokoa ny tanana. Efa madiva hilentika eto ny masoandro tsy misy mandeha intsony ny fahitalavitra ary radio vitsy sisa no heno.
(namoatsapona le zalahy ity)
Gina sy mangasihasy ny rehetra ary nilatsaham-panenenana izay toa mandatsa ihany ankehitriny manao oe "Tahak'izay" izay mitovy @ tsy misy ihany. Tsy voafehin'ilay amboadia mitafy hodin-janak'ondry ireto olona notaritiny izay tena nihaom-pefy mihitsy mandromba sy mamaky trano etsy sy eroa nasesiny avokoa nanomboka teny @ CITIC sy supreme Center etsy behoririka ny magazay courts niampy ny Naza electronic sy ny shoprite Analakely ny vakitrano. Simba ny tanàna manjaka ny asan-devoly. Miraviravy tanana ny vahoaka tsy hita izay hiatorahana. Ny miaramila rahateo tsy nahavita niaro akory ireto vahoaka.
(sary ravatorano)
Ny radio ara-pilazantsara iray Vaovao Mahasoa izay isaorana eto noho ny fitondrana am-bavaka ny firenena tsy akin-janona ny vavaka nasandratra avo dia avo. Manondro @ 9 ora alina latsaka folo ny ora no niditra mivantana tao @ Radio ny Praiminisitra izay hita ho feno feno tokoa ary voton-dranomaso miantso ny vahoaka ho tony ary efa miroso @ fampindinihina ny roa tonta. Velom-panantenana teo ny rehetra oe hifarana @ izay angamba izao fitaitainana izao. Fotoana fohy avy eo anefa dia namaly indray ny ben'ny tanana avy eo manao oe tsy marina velively izany. Tankina ny tena naheno oe ary manotany tena tokoa oe ankasitrany ary ve izao zavatra mitranga izao?
(sary ravatorano)
Manondro @ 12 ora sy sasany alina ny ora no naneno ny finday-ko antso avy any @ havana ihany ilay izay mampilaza manao oe misy manampoizina ny rano ary zatovolahy miisa 5 no mandromba sy mamaky trano eny @ 67 Ha rehetra iny. Miantso vonjy ireo traboina kanefa tsy nisy afaka namonjy ary maromaro mihitsy ny olona tapaka lalan-drà oe noho ny fitaitainana teny @ iny faritra iny. Efa poa basy tsy misy hifandrenesana eto Analakely hoy izy ary mijoalajoala efa ho 7 metatra ny afo eo @ Naza electronic. Manao izay ho afany ny mpitandro ny filaminana mandamina.
Asa izay any gaza sy bagdad any fa tena mandry tsy lavo loha arabakiteny ny tena ity tsy mahita tory mihanohaino oe inona indray no hitranga avy eo. Soa fa nisy ilay fahitalavitra LTV iny teo azo nojerena nandefa hiram-pivavahana. Mavaivay tokoa ny fitsapana nahazo ny zanak'Antananarivo ka noho izay angamba no nahatonga ity hafatra fohy SMS ity tonga aty amiko dia ny oe "ronjom-bavaka atao manomboka @ 9 ora ary ao @ Daniela 9:4-19".
vao mangiran-dratsy dia efa taitra sahady ny tena ary somary mangina ny tanana heno rahateo koa fa aato aloa ilay fihaonana etsy @ 13 mai izay notarihin'ny amboadia mitafy hodin-janak'ondry izay milaza fa tsy hanakorotana sy hilamina tsara kanefa dia mibolila mandromba etsy sy eroa. ary hita sy kinendry ihany ilay izy hatr@ voalohany oe korotana sy rotaka no kobonona mampatsiahy ny andro fahiny rehefa resy ny club M de vaky ny vetmad sy ny bata tsy hiteny aho oe t@ andron'iza no nisy an'izany.
Ny tena moa dia niezaka hatrany mba nandajalanja ary miezaka hatrany mba hanana ny fijery marolafy ka namoaka lahatsoratra indraindray mety hifandiso @ fijerinao mamaky kanefa zontsika ny miady hevitra hatrany mba hirosona any @ tsaratsara kokoa. @ 6 ora sasany maraina ny andro ary navadika any @ marin-drefy ny RDB ny radio ka indro nifandimby niteny tao ny ben'ny tanana ny PM ary farany ny Prezida Ravalomanana izay samy miantso ny olona ho tony sy mba hifampidinika. Manomboka eto kosa dia ho vasoka @ izay tena fanetribe ny firenena.
Re koa izao fa manomboka ny fandrombana any mahajanga. Mazava ho azy fa avy @ ny tgv sy ny ekipany no fototry ny korotana rehetra kanefa dia mbola sahy manadio tena ihany ny ben'ny tanana na dia tsy ho afaka @ ny andraikitra nitarihiny ireo olona marobe miampy ny jiolahimboto nokaramain'ny antoko ny fitondrana teo aloha. Adala ihany Antananarivo mandrora ny azy ka izao no alehany. Ilaharana sahady ny menaka ny vary moa va tsy efa fahita t@ andron'ny amiraly izany.
Jereo koa eto