111 Ny Maty Ary 80 Maratra Mafy(Updated)
Nodoran'ny olona ny RNM ary hiazo ny MBS ny vahoaka tsy hay tohaina. Vahoaka be tokoa ireto milahatra ireto raha ny tantitra henoko farany.May ihany koa ny tranon'ny loholona Moxe Ramandimbilahatra. Miazakazaka be ny vaovao ankehitriny.
Tsy toy izao intsony izany ny zavatra mety ho tazana ao Anosy ao! Indrisy tsy mba hanana zavatra tsara mihitsy isika.
Nahatafiditra baolina izany ny ekipan'ny TgV androany raha ny filazan'ny olona satria dia may koa ny MBS @ izao za manoratra izao @ 1 ora sy 30 moa eto Antananarivo. Inona no mbola andrasana e! sa miandry faty olona vao hifampidinik.
Rotaka be ny tantara e! nisy nifampitifitra tetsy @ mbs ka 1 no maty tsy nahasakana ny olona maro be anefa izany fa tafiditra ato @ mbs ihany ry zareo ka potika tanteraka koa ny mbs. mIrodorodo makaty @ 67ha indray ny olona ankehitrinytsy hay oe ho aiza na ho aiza. Mafana ny raharaha ary tena mampahonena ny korotana. Tanterina eto ihany ny vaovao manaraka.
Nikatona avokoa ny mpivarotra rehetra ary nasaina nody ny mpianatra eny @ sekoly katolika. LOza ny niafaran'ilay tolona ary rà mandrika izy ity ao aorina ao.
May daholo ny fananan'i ra8 eto Antananarivo ny etsy Ankorondrano indray zao no mirehatra ary miakatra ny setroka nalaina ny entana sy ny zavatra rehetra tao ny Magro io. Dia io efa miakatra io koa ny setroka etsy @ magro tanjombato. Asa oe aiza indray ny manaraka??? Mbola miantso olona ho eny @ 13 mai indray ny ben'ny tanana @ 4 ora latsaka fahefany eto Antananarivo.
Zazalahy kely vao 14 taona no maty tetsy @ mbs Anosipatrana androany ary lasa sorona tsy fidiny @ ity politika maloto ity. Ny ambetitenin'ny olona moa dia oe: "Miteniteny foana i ra8 no mahatonga ny olona ho romotra sahalan'io". Inona ary no hitranga rahampitso sy rahafaka ampitso. Efa mndeha koa ny tsaho oe efa tsy manaraka baiko intsony ny polisy ankehitriny fa ny zandary sisa no ao. Raha ny resaka moa dia oe ny olona mihitsy no naka ny basy teny antanan'ireo miaramila niambina ny mbs!!! Mazava ho azy fa mikorotana ny tanana ankehitriny. Vao tonga ny sary dia asiko haingony ity lahatsoratra ity na dia somary mampalahelo ihany ny fihodin'ny raharaha ankehitriny