Hadisona 7 Nataon'i Fanjakana Ra8
Malaza @ politika bontolo ny afrikanina ary lasa zary fihomehezana ho an'ny firenena mandroso. Nigagana ny Ganeana raha nahafidy filoham-pirenena t@ alalan'ny fifidianana ary nahay nipetraka sy nanaiky resy ny mpitondra resy t@ izany. Hanatra ho an'ny firenena afrikaina hafa iny. Mbola tsy ho @ izay anefa raha ny eto Madagasikara manokana no lazaina.
Raha ireny hamaron'ny olona t@ asabotsy ireny ohatra no tsy hampihetsim-bolomaso ireo mpitondra dia efa mitady raharaha hafa mihitsy izy. Ny RFI mantsy izao dia tena loharanom-baovao matanjaka mamoaka izany any ivelany any ary manakaiky ny marina lavitra aza ny vaovao avoakany noho ny mihaino ny tvm sy ny rnm ny tena indrisy mbola sy zaka ilay demokrasia e. Aiza ve ko ny RFI no henoina raha hiaino vaovao eto Madagasikara enao zavatra tsy tokony hitranga akory. Nisy namana mantsy any @ faritra any dia milaza fa tsy maharaka vaovao mihitsy izy fa @ rfi no mba mihaino. Aza maika ianareo ry rfi fa atsy ho atsy nareo dia hagorona entana indray.
Hadisona voalohany amiko ny tsy famelana ny olona hahalala ny vaovao misy marina. Manjaka arak'izay ny hono hono sy ny tsaho izay tena talentan-dramalagasy ihany koa. Loharanom-baovao iray mantsy no mba fihainon'ireo mpakasitraka sy ny mpanohana dia ny viva radio sy ny mbs. Dia samy manamboatra ny vaovaony araka ny mety aminy eo. Mazava ho azy fa ho diso ny fomba fijery avy eo.
Hadisona manaraka dia ny tsy firaharahina ny hafa izany. Tsy misy alaroalaro fa izay tina ihany no tsy maintsy ataon'ny hafa. Firifiry moa ireo mpitondra misonoka @ harem-be @ izao fotoana izao kanefa nivelirano ery tery @ 13mai t@ fotoanandro oe hanao ny mangarahara sy hitandro ny fahamarinana sy ny fahamasinana.
Hadisona fahatelo dia tsy fanekena ny zavamisy marina. tsy inona izany fa mihena ny fitiavan'ny olona an'i ra8 ankehitriny indrindra ny eto Antananarivo izany. Dia ho faizina ary ve izy ireo satria tsy tia anao intsony. Avereno ny delestazy asondroty ny menaka sy ny sisa...
Hadisona Fahaefatra manaraka dia ny fanaovana ny fiangonana ho fitaovana politika. Tsy azo lavina mantsy fa tokony hijanona ho elanelam-panahy izy ireo ka afaka anatonana rehefa misy ny tsy mety. Ny zavamisy ankehitriny anefa dia voabaiko izy ireo hanaraka ny firehan'ny mpitondra.
Hadisona fahadimy dia ny fanagadrana olona tsy mitovy hevitra @ tena. Tsy misy falalahana izany ho an'ny mpitsara fa tsy maintsy mamorona dossier ho an'izay olona tina ho gadraina. Loza anie izany re olona e!!! Mety alaim-panahy izao ianareompamaky hilaza fa pro-TGV za! Tsy izay loatra fa mba tia mamakafaka ny zavamisy aho ary tsy maintsy mba mamoaka izay ato andohako ato.
Hadisona fahaenina dia ny fanaganana fahavalo ho an'ny tena. Maro ny olona nailika fotsiny izao toy ny tsy niara nitolona sy niaritra ny mafy ery teny @ 13mai lazaina izy ireo fa mpanao politika efa retirety sy sisa kanefa dia natsoina rehefa mila vonjy toy ny t@ 17 desambra lasa teo ohatra. Maro tokoa ireo antoko sy fikambanana nailika noho ny tsy fitoviam-pijery ka mazava ho azy fa mihena izany ny olona manohana fa ireo tena mpisolelaka sy mahita ranon-dranony sisa no manompo ao.
Hadisona fito izay tsy farany akory fa mbola maro ireo fahotana mahafaty vita dia ny fitiavan-karena diso tafahoatra. Tsy vitsy ny mahalala ankehitriny fa mpanao bizina gravy be ity fitondrana @ izao ity. Ary indraindray dia manampatra fahefana mihitsy mba azoana ilay harena. Ka na iza na iza manakatsakana eo dia any amponja izay.
Raha akapoka izany dia makany @ jadona izao fanjakana izao. Ny fanotaniana mipetraka dia ity mety hahay hanova famindra ve?
Ny vaovao hafa kosa dia nirodana ilay lampihazo eny Andohalo izay vao notokanana ka lasa nihodina resaka politika ilay izy ny ankilany milaza fa zara fa vita ny andaniny milaza fa nosimbaina ilay izy. Ny azo antoka aloha dia nisy naratra t@ ity loza ity ary efa nidodododo nanome fanampina any ny fanjakana foibe.
Mandry tsy lavoloha ny olona ankehitriny ary matahotra korotana mafy ka na olona manao vazivazy ratsy aza dia efa manakorotana tsena iray manontolo. Tranga hita sy niseho ity t@ asabotsy lasa teo. Mbola betsaka ny tiana ambara fa aleo indray @ manaraka.