Am I A Photographer?

news2dago 15 Martsa, 2013 10:46 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Anisany ny nahazo sehatra ambony tokoa ny sary sy ny fakan-tsary tao aorina ny firongatry ny mpampiasa facebook. Ao tokoa mantsy no mba amoahana ny fahaiza-manao @ ity fakana sary ity. Maro rahateo no mba afaka mijery ny sangan’asa ny tena @ zany. Vokany dia mba revo koa ny anao lahy mba te ho lasa matianina @ ity fakana sary ity.

Tany amboalohany aho dia tsy mba nivaky loha firy fa fakan-tsary “sony compact” izay no mba nananako ny vadiko aza moa no tena mankafy maka sary @ izy io. Sendra nivahiny tany @ toerana iray izay aho anefa tsy nanana fakan-tsary afatsy io “sony” kely io ka noheveriko fa rehefa manana “zoom” be ny fakan-tsary dia efa ampy @ izay ilaiko ny sosy rahateo manify ka izay voatsirambiny ny tanana no novidina ka “Fujifilm s3300 zoomx26” io no azoko tany. Nisy mihitsy anefa ny fakan-tsary “DSLR” na “reflex” azoko novidina raha nanampy kely aho. Indrisy anefa fa tsy novidiko io na dia nampisafidy ahy ary ny mpivarotra. Ny tao an-doha rahateo de oe ze be “zoom” ihany no tsara hitifitra ny “Taj Mahal” rahateo no nahamaika t@ zany.LOL


Nony taty aorina anefa dia nahita tsirony maka sary satria tsara ny sary azoko t@ ilay fakan-tsary. Teo vao resy lahatra ny hiditra lalina kokoa ka nanotany an’I google @ fandehany sy hanovo fahalalana. Nianatra ary mbola mianatra moa h@ zao hay zany ity sary alaiko rehetra ity dia “art” daholo na tsara io na ratsy fa misy izany oe “lecture” izany na oe miteny ho azy ny sary hoy ny fiteny matetika. Tsy le “zoom” be no mitondra azy fa ilay olona mijery ny sary ka mahafantatra ny zavatra nalaiko sy mampiteny azy iny no maha tsara ny sary iray nalaina. Teo aho vao nahatadidy t@ za mbola tao @ T-5 ilay mampiteny sary t@ nanala cepe vao mahita famataranandro de avy de manoratra oe “il est exactement 8h du matin et Koto va à l’école”.LOL

Teo koa vao nahalala ireo « set up » maro misy @ fakan-tsary. Na dia mbola tsy tena mahafehy azy rehetra ary aloha hatreto dia efa mba kôpy ihany ny tena rehefa misy miresaka oe akaro kely ny ISO na regler-o kely ny f-number.

Ny tena mila fehezina dia ny mahay mampifadanja ilay atao oe “exposure triangle” mba tsy hanimba ny sary alaina na “over” na “under exposure”. Izany oe ny hazavana zany no tena mila fehezina tsara rehefa haka sary.

Ny tena olana tamiko dia ny nifehy ilay “depth of field” @ “bridge camera”. Hita ihany anefa ny farany rehefa nihezaka lol. Nijery tany @ google oe “how to blur background?”

sangan'asa vitsy2

mety hipetraka any Roma toa ny Rondro ary ve izy ity any aorina any?

 

Tapitra.

 


Inside Africa Nitsidika An'i Madagasikara

news2dago 29 Aogositra, 2012 11:29 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Sendra nijery ny fandaharana tao @ cnn aho ny asabotsy tolakandro lasa teo dia faly tena faly fa mba nandalo teto Madagasikara i Errol Barnett 

Tsy ho voatantarako @ antsipirihiny akory ilay reportage fa indro zaraiko kosa ny rohy mba afahana mijerena azy.

http://edition.cnn.com/video/#/video/international/2012/08/27/inside-africa-madagascar-biodiversity-c.cnn

http://edition.cnn.com/video/#/video/international/2012/08/27/inside-africa-madagascar-wildlife-a.cnn

http://edition.cnn.com/video/#/video/international/2012/08/27/inside-africa-madagascar-culture-market-b.cnn

TAPITRA


Mbola Ho Tsaraina???

news2dago 05 Jolay, 2012 13:26 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nataoko ihany ny tsy hiteny sy ny hanoratra fa tena nanapan-kevitra a androany ny mba hamoaka lahatsoratra kely eto indray hizara flv mo zany no tena marina fa ny hevitra tsy de misy atoraka laotra intsony fa efa very hevitra tanteraka LOL.

De aleo ny tononkira no ho tsakoina aloha mandrapa fa ny fiainana kay mandalo ary tsy misy haharitra mandrakizay zany eto fa hoy ny fitenenana oe "manampetra ny zavatra rehetra" ary ny loza ary dia hitsara ny tantara no hitsara koa ny mpamorina koa asakasak'izay mbola manohy ny lalana makany @ elo ihany. Eo isika mahita izy

Indro ary ho zaraiko anareo ity hira ny Rija Rasolondraibe ity e ny hafatra de ao anaty tonokira ihany. Mahereza daholo ary mihainoa finaritra e

news2dago


Manimanina Ny Tiako A Izany Ka Lasa Vinany!!!

news2dago 23 Oktobra, 2011 17:32 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena ohatra ela laotra a tsy nanoratra sy nitafa teto de mba hiezaka ny hanoratra na de andalana vitsy ihany ary no ho vita. Maro ny zavatra tiana hambara fa mila fotoana ny zavatra rehetra angamba. Ny politika aloha tena tsy harako intsony fa de manaraka vaovao any @ blogana sasany any ny tena mba manejika vaovao na mijery irony forum irony. Toa ny omaly tsy miova ihany izy ity ra tazanina lavitra.

Tafablaogy indray moa ny tena ity no sady manina ilay teny malagasy koa de ihezaka ny hanoratra matetika eto ihany rehefa misy ny fotoana malalaka.

Tsy de te hilaza zavatra betsaka a fa mampitahy tsotsotra fotsiny oe tena very ny olona 50taona isika ra eo amin'ny fandrosoana. Sendra nandalo tatsy @ nosy Maorisy a mantsy andro vitsivitsy lasa izay fa tena gaga ny tena mahita fa tena tsara ny tanana ary mivoatra ny olona. Misy ny asa ary saika ny atsasaky ny mpiara-dia taminay tao anaty fiaramanidina dia ande hiasa any @ zone any Maorisy daholo. Tsy hita fa ny fitadiavana mahazaka maniraka. Ny indro kely fotsiny dia tena hita mihitsy isika oe tsy havanana @ lafiny taratasy e. Tena honena enao mahita azy ireo manarakefa sy manao baiko maona fotsiny.Mila miezaka kely fotsiny de mety io angamba sady toa oe tsara karama ihany mantsy izy ireo raha ny henoko. Tsy haiko kosa anefa izay tena fahamarinany.

mbola hitohy...

 


Fin Du Monde 2012!!! Tay Be Ty Kle LOL

news2dago 17 Martsa, 2011 05:56 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

2012 Tapitra andro LOLEo ampiandrasana ny fara andro dia manao izay tiny atao raolombelona!!! Maniry loza koa etsy an-daniny hany ka manome sopapa any Razoky ao ambony @ fika handravana izao tontolo tsy misy fotony izao.

Za alo tsy mbola nahita ity horonan-tsary mampatahotra be ity na dia feno aza eny @ sisin-dalana. Izay efa nahita dia miangavy anareo aho mba hamintina izany fohy2 etsy @ fanehona hevitra raha tsy mahadiso!!!

Fa raha ny fijery izao sary zao kosa aloha tena tsy misy velona intsony ny zava mananaina rehetra na hitady fika bomba be aza i simplex!!! LOL tena kozy e. Aiza ve ko ny tany mitresaka ny ranomasina manonja be izay tsy izy. Tsy misy miangana intsony izao e.

Maty nonoka fontsiny ny faminanina nataon'i Maihol ho lasa prezida @ 2013 aza manody ny goavy tsinà LOL.

Tsy hateza intsony ny fitondrana tetezamita fa tsy hahazo fankatoavana intsony. Tsy hisy fika koa ny risoriso any @ Masinda Piera @ "bois de rose" sy ny tsolotra satria tsy miteny any ny vola Ariary fa vola baoritra be. Ny Bianco sy ny fitsarana indray no hiakatra fitsarana an-tampony @ fanaovana fitsarana vilana tety an-tany. 

Mety ho faly ny Movansa 3 hoe ho vita amin'izay ity tolona tsy misy fiafarany ity. LOL  

Na izany aza anefa dia kely finoana a oe hisy ity 12/12/12 ity satria hoy Jesoa oe tsy hisy hahalala na ny andro na ny ora afa tsy ny Ray ihany. Tombatombana fotsiny itony ary fitadiavana sosy sy laza ary voninahitra fotsiny ihany.

Fa ny farandro kosa anefa dia hisy fa aza taitra nareo. Ary eo indrindra isika izao samy misaina ny asany avy ka hijery oe ho afaka sa tsia ho afaka @ ilay fanadinana farany. Tsy hisy ny deuxieme tr fa premiera tr de Vita. Na hosoronana afo miaraka @ be tandroka na hanana fitoerana milay be miaraka @ Razoky Jesoa.

Tapitra 


Mitady Demi-Maman Maika Be!!!

news2dago 04 Novambra, 2010 14:31 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ny namana sasany teto @ blaogy mitady sipa virijiny fa ny a indray sipa efa niasa "used" no tadiaviko! lol "Etat impeccable" tsy dia mbola miroraka firy ny entana. "En forme" tsara na ny ambony na ny ambany tsy dia fohy laotra nefa tsy lava be ihany koa fa eo @ antonony. Bika-na Catalogue e! "Option: full" ary "toute" revy. Mahazaka gidragidra tsara tsy dia mila tambitamby firy. Tsy dia be seremaona rehefa misotrosotro na tsy tafody an-trano. Tsy dia mila vola firy fa ze tongako ao ambovo no revena manja. Tsisy "charge" na misy "charge" ary dia tsy miantoka a fa mbola krizy. Hi hi hi 

NB: "Demi-maman" tsy mbola ni-kil kosa alo no ilaiko e! "Si non" za tsy nametraka an'ty teo.

Vita izay ny rediredy fa andeha hiverina hiasa @ izay aloha. Hitako fa tsisy kil mihitsy eto @ serasera sy blaogy ato dia mba namorona lahatsoratra adaladala a aloha hijerevako raha misy mpitsidika ihany ity blaogy ity na tsia! TPT

Ho hitako eo izay hevitra hipetraka eto ka izay no andrefesako oe afaka milatsaka maire ve za sa depiote sa sefom-pokotany? na koa tsy milatsaka mht MDR...

Tapitra

Jereo koa eto 

 


TMV "Tsena Mora Vidy"

news2dago 02 Novambra, 2010 07:03 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mbola hiverenako ihany ry reto ty resaka tsena tsena ity a! filaharana be tsy misy ohatr'izany izay toerana nolalovako ka misy ity tsena mora vidy ity vahoaka mitangorona be sy mitabataba no hitanao eo ary tsy ilaozan'izay ady sy gidragidra hatrany. Misy ny risoriso sy ny ady ny besandry ka tsy maintsy misy ny korotana sy savorovoro. Ny mahavarina dia misy loko na tgv "oranjy" eo ambony ny tsena fika daholo izany e asa na hadaitra na tsia. Maraina mandram-pahariva ny andro de eo ilay malagasy miandry ny anjara kely voatsirambin'ny tanana eo! Nga hita intsony e toy ny akoho kely notsimpazana fotsim-bary ka mifaly @ izay tandrify ny vava eo. Aza manody ny toa an-dramalagasy nampahatraina mba tsy ahafahany misaina.

Izay ny amin'iny fa hitatitra ny zavatra hitako indray aloha a. Orana nikija foana izany isaky ny hariva teto @ tanana. Rano be mangeniheny ny arabe manerana ny tanana tsy hateza io arabe io fa ho feno lavaka io atsy ho atsy. Vokatry ny ora-baratra dia tapaka nanomboka ny asabotsy tsy niverina raha tsy ny alatsinainy 1 novambra t@ 9 ora alina ny jiro teny @ faritra maro teto Antananarivo izany oe tsy nisy jiro nandritra ny 3 andro!!! Ny faktiora anefa tsy mba misy oe tara fa dia tonga ara-potoana foana TPT mahagaga. Izay ilay fanajana ny kil e.

Tapitra

News2dago Talata 02 Novambra 2010

jereo koa eto 


Ny Hitako Teny Rehetra Teny,

news2dago 26 Oktobra, 2010 14:15 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Sendra mba niakatra tany @ Ville (Analakely) aho androany dia mba hitantara zavatra kely tsy de manao ahoana akory fa tsy maintsy oe hosoratako eto ihany na dia tsy misy dikany firy aza. Voalohany ary dia niverina indray ilay fitohanana ny tamban-jotra na taxibe eo Soarano na efa t@ andron-dRazanamasy sy ry Lalatina ary no nahitako azy farany ilay eo @ kihon'ny fiolanana eo @ Pochard io indrindra tonga dia azonao an-tsaina mihitsy ny fitohanana fa fantatro. Ny antony dia tapaka ny lalana makany @ petite vitesse Isotry iny satria nomena ny mpivarotra ny arabe. Faharoa, dia afaka miverina ihany koa @ iny lalana eo amin'ny Pochard iny mankaty Antanimena nefa efa tery ilay izy. Rariny raha mitohana ny lalana eo ny taxibe rahateo manandoha izay ihany ny saofera ka tsy mahagaga raha mivaralila ny fitoanana.

Manaraka izay dia gaga aho fa lasa misy bazary ao @ gara ny soarano hitako lavitra fotsiny fa ohatra misy botika izany ao anatiny gara ao mihitsy! Ilay gara ny soarano fanaovana RDV fahiny iny na hipetrapetrahana rehefa vizaka mandendeha mitety arikady fahiny. Tadidy ery rehefa ho any Antsirabe fa tsy hifankahitana ny olona mifanaretsaka eo miandry ny lamasiny tonga @ 5ora hariva!!! Ny tena rahateo zanaka mpiasa ny gara ka tsy misy tsy hay ny ora fiaingana sy fahatovan'ireny zotra ireny fahiny. Indrisy fa tsy mbola ato ato mihitsy izany zotra an-dalamby izany no hiverina ahiko tsy hiverina intsony mihitsy e. Aiza ve koa ny gara natao hiantsonana ny fiara-dalamby avy ity no lasa tsena toy ny etsy Soarano ny eny Soanierana moa dia lasan'ilay orinasa Total hivarotana lasantsy. Tsy mba hitaingina lamasinina zany ny taranaka malagasy ary mety tsy ahafantatra akory izany masinina izany akory aza.

Tsy mbola vita ihany koa ilay lapan'ny tanana oe ho vita alohan'ny fahaleovan-tena io indray dia tsy mahagaga ahy satria ny Rova ny manjakamiadana izay nantenaina ho vita ary ity toa tsy nihetsika intsony ny fanamboarana!!! Aleo aloha izy iasa e! ho hita eo raha mahavita na tsia TPT.

Manoloana indrindra ny Hotel de France iny indray raha nitopy niankavia ny masoko ka hatreny @ sicam taloha izay efa lasan'i Glacier manotolo izy izao dia fiara madio be tsy misy pentina vraky be no hitako misy soratra oe amidy "A VENDRE" misy tena tsara mihitsy an ireny clio1, polo na 405 ... vraky e misy isafidianana ao asa anga oe ohatrinona ny vidiny fa tena manambaka vaovao mihitsy raha ny fijery azy ety ivelany. Ny eo @ parking ampovoany kosa dia ireony fiara mercedes sprinter ireony eo mbola tsara ihany koa ary tena hita mihitsy oe mbola tsy dia niasa firy ilay izy eo ihany koa ireny dzama (mazda) be soratra irony izay familina @ ankavanana ny akamarony nafarana avy any korea mihitsy ireo fa siora a. Dia nanteraka hivarotra zavatra efa niasa ramalagasy e tsy mba mendrika ny hitondra vaovao mihitsy fa dia fripy ihany no sahaza azy aleo atao @ teny vahiny hafa oe "USED" dia mba ohatra ny maivamiavana ilay izy. TPT

Manoloana ny Baolai kosa dia feno fiara efa mondraka izany ireny fiat,  R9, R18 na 305 misy soratra indray eo @ fitaratra manao oe: "Manamboatra GSM: Décodages, Flashage, Réparation foza orana sinoa!!!" Tonga dia azoko antsaina fa ilay telefonina ampiasaiko ato io koziny eo io dia ilay foza sinoa mora vidy be kanefa dia mahazaka sim roa miara mande misy tele bluetooth  misy radio mahavaky mp3 sy mp4 na 3gp mahay zavatra anie ny sinoa e! Hay zany mba misy mahavita ihany izy itony rehefa simba ko.   

Tapitra

News2dago faha 26 Oktobra 2010

Jereo koa eto 


Nakaiza Ny Orana? Mamely Ny Gripa!!!

news2dago 22 Oktobra, 2010 13:45 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Hiverina hiblaogy indray aho hanala sorisory @fiainana andavanandroko fa tena mihamaloka mihitsy izy tato ato izay. Avelako kely any aloha ny politika ho an'ireo mpiangaly azy fa ny fiainana @ankapobeny indray no hitondrako vaovao kely ho antsika rehetra alony.

Miditra @ fotom-pahavaratra ny eto Madagasikara raha ny tokony ho izy saingy nivadika ny glôby ka mbola vanim-potoana ny manalasala angamba no hilazako ny vonon'andro eto aloha. Tsy mangatsika tsy mafana fa tena manalasala e. Maraina mangatsika @ antoandro mafana be @ hariva miverina indray ny hatsika ny rahona anefa milondolondo toy ny hanao azy ery ny orana saingy tsy mety latsaka izy aloha hatreto fa miazoazo ihany. Raha latsaka eo io tena angamba dia hanavandra mihitsy.

Vokany, mamely ny gripa tena tsy misy hevitra fa mandripaka tokoa na kely na lehibe dia lazony avokoa. Ny  maripana tafakatra any @ 40° any ho any ho an'ireo izay manavy ary tena mangorangorana tokoa rehefa voan'ilay gripa. Tsy afaka mihitsy raha tsy mandray kely antibiôtika "amoxi" na ny "tetra" soa ihany fa azo vidina eny @ mpivarotra anana ny akamarony ny fanafody somary ampina kely paracetamol 2 indray mitelina mandritra ny 5 andro eo dia misava ihany ilay gripa. Tsy hita moa re olona fa manao dokotera tena eo rehefa voa fa sitrany ahay tokoa mba vola mipetraka ny vidina "consultation" any @ radoko!!!

Efa nolazaiko anareo teto ihany koa ilay Tsena Mora atolotra ho an'ireo Gasy mahantra dia 500Ar hono ny kapaoka ny vary  ary 1000 Ar ny litatra ny menaka izany oe hovokisana vary be menaka zany ny malagasy TPT mandritra ity fampielezan-kevitra hitsefotra ity. Manotany tena ihany aho manao oe toa vonjy tavan'andro fotsiny izany zavatra atao izany mamono afo angamba e! satria tsikaritra tokoa ary voamporofo any @ lahatsoratra nosoratan'ny namana hafa any faha karazan'olona hafa mihitsy no akamaron'ireo nilahatra ny alatsinainy lasa teo ireny. Ireo ilay olona mataty saoka amin'ny gidragidra ireo fa tsy le zanak'i dada intsony. Tsy maintsy ho tambazana ihany aloha sao hanahirana atsy ho atsy.

Tapitra

News2Dago faha 22 Oktobra 2010

Aza adino ny Mitsidika eto


Foko Faha 19 Eto Madagasikara JIOSY

news2dago 03 Septambra, 2010 08:32 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Maro moa ny vaovao tokony mba tantaraiko anareo na dia somary varina foana @ty radio2dago ty aza a dia tsy afaka ny tsy hilaza vaovao kosa na izany aza sa ahoana hoy ianareo. Toy izao sy izao aryalo ny vaovao malaza eto @ tanàna e:

Misavoritaka hatrany ny lafin'ny politika tsy hita izay andraisana azy ny mpanao politika miady seza ny mpitondra mifikitra @ seza. Ny vahoaka mandry tsy lavo loha @ hafitsokin'ny jiolahy. Niverina mantsy ny delestage na dia nanankianana mafy an'i ravalo ary izany t@ fotoan'andro!!! heno izao fa dia ataon'ny orinasa Henri Fraise"orinasa frantsay nandray anjara betsaka t@ fanonganam-panjakana" maivoka mihitsy ny orinasa jirama @ fanofana ny gropy elekrozena ampiasana any andekaleka. Tsy afabela eo ramalagasy fa tsy maintsy mianki-doha lava @ ireo vazaha frantsay ireo na @ lafiny inona na @ lafiny inona.

Fa izany eo ihany fa misy karazan'olona miankanjo lava sy manao baraka dia mitondra tehina mandeha eran'ny tanana ankehitriny tsy mba mandeha fiara izy ireo fa mandeha tongotra hatrany ary miaraka maromaro ohatra ny karazana mpifindra monina izany izy ireo. Gaga be nahita ireto andihin'olona ireto satria dia miavaka ry zareo mihoatra ny mpandalo sasany @ ankajo anaovany. Kay zany ry zalahy ireo no Jiosy malagasy hono mipetraka etsy ambany ny tetezan'ny bypass ry zalahy ary efa manodidina ny 300 mahery any izy ireo ankehitriny. Ireto izany no foko faha 19 eto Madagasikara oa. Tsy afaka naka sary aho moa satria eny andalam-be ka sarotra ny haka haka sary olona eo.

 

Tapitra 


Vazo Gasy Malaza Ao @ Radio2Dago

news2dago 01 Septambra, 2010 09:52 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Eisy e! Tsy afa miala fa de revo tokoa moa izany vao misokatra ny ordi de efa mihaino radio mahagaga nefa ny radio any an-trano tsy mahavantana ahy ny mihaino azy. Normal be satria ny radio fihainoko efa may sy nakaton'ny foza aby. Misy zany radio pirate zany koa hn mande ao @ marindrefy FM ao mbl tsy henoko mihitsy mandrak'androany. LOL

Fahasahiranako ao @ takelaka.org manokana saika mba hampiditra ilay rohy ny radio2dago a fa tsy tafiditra mht tao @ takelaka.org asa misy sivana koa angamba ao ka dia niala maina ohatra ny nandevina alika. Na koa mbola misy fanamboarana ataon'ny mpandrindra angamba ka miandry ny zavatra rehetra. Tsy tafa mazava ho azy ilay fametrahana rohy ka dia nitady hevitra hafa indray.

Mba manala azy moa kanefa de mba te hampifaly ny mpihaino koa mazava ho azy. Manotany ireo namana mpihaino sasany a ary maro @ izy ireo no milaza fa ireo hira gasy taloha hono no tena tin-dry zala?? toy ny hiran'i Njila sy ry Tsiakoraka ry Tselonina sy ry Levelo sy ny sisa. Misy ihany koa anefa no miandry fatratra ny hira vaovao ka ireto farany ireto aloha no omeko fahafapo satria dia efa voalahatro avokoa ny hira gasy malaza ankehitriny ny ampahany fa tsy izy rehetra akory. Raha mahalina anao ny hiaino izany dia manombola eo @ 1 ora atoandro eo na eo @ 8 ora alina eo GMT ny resaka eto an! Tsy mety tena mitoto @ le ora marina moa le izy fa na n1 lasa alo na n1 tara kely fika taholo zany hitazomana mpihaino e! lol

Tsindrio eto raha te hiaino radio2dago ianao.

Tapitra


Varina @Ty Webradio Indray

news2dago 21 Aogositra, 2010 09:55 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ela ela zay tsy hitanareo nanoratra lahatsoratra kay za mbola niketrika kely zavatra hafa mahavarina  ahy indray efa nolalovako ny nahavarina ahy t@ fotoanandro nanokatra blaogy voalohany lany teo ny andro sy ny herinandro vao tena nahafolaka azy tsara nalaina daholo ity sary rehetra ity de napetaka sy nampidirina teto @ blaogy. Tsy mety mihitsy raha tsy mahasoratra lahatsoratra iray isan'andro de varina teo.

Avy eo indray dia roboka tao @ le facebook io indray de tena tsy afabela aminy mht a isan'andro fa de eo connecté eo foana na tsy eo ampototry ny ordi akory aza. Misy aza namana sasany tezitra mihitsy oe tsy novaliko mht hono izy ka miavonavona be za! TPT eisy e ry Kdaomba e! tratra tao enao zay sic antsika roa irery io fa aza amparitaka an! lol

Zao indray dia ity radionomy ity no nahavarina ahy! mba miakatra kely mantsy ny tosaka @ aterineto ato amiko ato niova 4G ny blueline a io mantsy na dia tsy mahafapo ahy aza ny tolotra ao dia tsy mahita mora noho ny ao kosa a aloha fa sarotra ny mandainga. Hiverenako @ izay ny tiako hotanterina @nareo eto nanokatra webradio a ry reto a ka mba henoy mety tsy hatoraka ny radiovazogasy sy ny faniloradio akory fa mba manala azy e! sa ahoana tsindrio eto raha ihaino ny radio-ko ianareo. Efa ela no nanokatra azy io fa tsy misy hitako izay jojony t@ voalohany ka voatery nikaroka tutoriels video bobaka be vao nahay ni-activé ilay radio! TPT Ny tanjoko moa dia ny hanamparitaka ny vazo malagasy @ ty aterina eto ity mbl hira vitsy kely ny hira gasy ao fa akariko miadana eo ihany.

Mahazoa fafiny ary e!

Tapitra

 


Vali-Tagy Ny Simp Wakawaka Ihn Wa

news2dago 15 Jolay, 2010 18:31 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Vao t@ 2000 anie zany kozinareo zany e! vao tsy ela akory fa oh vao omaly!TPT

"Eisy e le alina eeeeeeeeeee" hoy francis turbo t@ zany andro izany asa nga ze nataonlery t@ alina fa za sure fa natory alo izy e!

(afabaraka @ Razafiarison MDR)

Manarak'izay de ry samoela adala na taoka iny "zarako ara enao mamo mamo sy katrikatry iny manalanala azy sy bebe lazao mahita atao..." sy ny oe "aza tratrako @ akodimirana enao fa akapokapoko tsy misy ho raisina...angarongarony tsy hananany hatra angarongaronony e!!!" efa mivika aby ny mpihira t@ izany fotoana zany.

Ry tempo gaigy moa de aoka fotsiny fa mandefa azy daholo ity radio tsy miakina rehetra ity misy anle oe tiko be madama ô madama manjamanja iny dia eo koa ry tif a tifa na le sipa mahafatifaty hono e! mihira anle oe sipasipako iny e hira oh tsy misy handraisana azy zany no nalaza t@ zany taona 2000 zany kanefa de nahagaga fa nalaza tokoa.



Hafa ihany t@ andronay fahiny efa ela be tany nankafy irony fandihy lambada sy ry DJ bobo "there's a party" oh tsy faty reny ery ny tanora nandiha lamdada.

Zao nama koa misy zany oe Oladada mihira rap hono zany sa hip hop moa tsy haiko laotra ny manavaka azy fa de afindrafindrao amboarimborina fotsiny tsara ihany ka. Fa ny tena tsy matiko lolo kosa alo dia ity le wakawaka ty e! tena mitsanga aby ze bodo sy adala rehefa mande zany any @ lanonana rehetra any le wavin'flag moa de aoka fotsiny koa.



Tena mba maharaka ihany a zany oh tsy mety antitra lety za ra simp a t@ zay fahiny nilalao zoera dia ny hiran'i MJ no tena nalaza ary mbl malaza h@ zao. Fa le bandy jiosy lahy iray iry lety no tena tsy leo mihitsy a miheno azy a i JJ Goldman e! be no maty t@ lery tg teto @ tanana t@ 1987 an!

zay ary no izy rankizy fa dia RDV ds 10ans indray hoy le bandy akama iray iny @ filalaovana poker raha mbl velon'aina ka tahin'ny Tompo.

Tapitra ny tagi-ko eee

saika nataoko tao @ le com ny simp fotsiny izy ty de oh mahita ho soratana foana @ le anekidaoty de aleo zany atao lahatsoratra mht izy ty e


Tena Tsy Hita Tabilao I news2dago

news2dago 14 Jolay, 2010 13:50 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa ela marina aho tsy namoaka lahatsoraka ka na ny blaogiko ary tsy nisoratra intsony etsy @ le blaogy mavitrika etsy. TPT

 

Ny marina dia varaina nijery ity oe mondial a ary varina nanao ilay tsato-piso tao @le lalao yahoo prediction 2010 iny. Vokany 36 @ lalao 64 no mba marina ny tsato-pisoko ary any @ laharana faha 19617 any hono no mba laharako @ vokatra ankapobeny. Mazava ho azy fa dia tsy nahazo na inona na inona ny tena fa niala maina toy ny mpandevina alika TPT indray. Verezin'i "Paul le poulpe" lavitra ranews hoy ny mpitoraka blaogy sasany TPT indray. Dia miarahaba manokana ny "FURIA ROJA" zany fa dia lasany ny amboara volamena milanja 5kg be izao miaraka @ vola 30M€ marina raha mila miasa h@ zafiafy intsony raha izany no mba azoko. Mahay izy matoa nibata ny amboara izay no azo tenenina. Ahoana mihitsy no tsy hibatany ny amboara ekipa 2 malaza be eran-tany izany Fc barcelone izay manana mpilalao 8 ao @ ekipam-pirenena ary 6 avy ao @ Real de Madrid miteny ho azy ny lazany ary tsy tokony hisy ady hevitra intsony satria mendrika ry zalahy izay no azo ambara. Mila miehezaka kely letsy elaisany ry brezila raha te hibata @ 2014.

Tsy nitsanga-menatra kosa ny afrikana fa nahavita nampiantrano tsara iny lalao goavana iny ary azo lazaina fa tsy mena-mitaha @ ireo kianja be any eoropa ny kianja rehetra tatsy afrika atsimo. Ity kianja tao Cape Town ity no tena mba kianja reveko t@ ireo kianja maro nilalaovana t@ iny "world cup 2010" iny.

   

Manarak'izay dia niandry fatratra izay toraka voatabia sy kiraro nataon'ny GTT ahy io oe nanao ahoana ihany ny akony tany am-pita tany mba hilazao vaovao izay manana. Raikitra mantsy ny fanentanana samy hafa tao @ facebook tao oe tongava maro dia mitondra atody sy voatabia fa ho torahana ireo miaramila gasy manao matso. Misy ho afabaraka eto marina raha tena raikitra io kôzy io. Mijery vaovao etsy sy eroa aho anefa toa tsy misy akony mihitsy aloha hatreto.

Tapitra.

 


Bresil H@ Farany

news2dago 09 Jiona, 2010 10:20 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Hanomboka indray ny lalao eran-tany eo @ baolina fandaka (sic) ka te hifantoka tanteraka any ny saina hanadino ireo sorisory sy olana nianjady t@ tena tato ato izay.

 

Taloha a rehefa hanomboka ohatr'izao itony mondial itony de efa vitako daholo ny pronostic isakarazany. T@ ty anefe tena ohatra tsy rotitra firy izany asa na nisy inona fa de hiezaka ny hanaraka ihany raha misy ny fotoana.

Tsy miala @ rabre mihitsy na ho any na tsy ho any. Ny "favoris" mantsy "favoris" foana ary ny mijery anzala manao baolina de efa mahavarina toy ny iray minitra mihitsy dia tapitra ny 90mn io rhf mijery breziliana milalao baolina kinga ara teknika koa ka mahafinaritra ny maso ny mijery azy. Ny hirarina ho resy aloha indrindra kosa dia i lafrantsa asa moa na ny fitsabahany mivantana @ raharaha aty afrika no tena mankaleo ahy fa dia tena ekipa tsy tiko mihitsy ity lafrantsa ity efa h@ izay mihitsy. Mba hiverina aminy indray ilay nihatra t@ zala t@ 2002 "1er tr de vita" Enga anie.

NY tiako hidona @ famaranana kosa dia angletera sy espana ary ny ekipa afrikana mety ho lasa lavitra indrindra @ ty kosa dia i Afrika Atsimo. Tombatombana daholo moa ireo fa aoka ny fahaizana mamono baolina no hitsara azy. Alaivo ato ary ny praogramafa hijery baolina indray alo mandritra ny 1 volana misy azy indray rafotsy fa hangatsika ireo atsy ambadika atsy lol.

Tapitra.

 


Tratrin'ny Fety Ny Reny

news2dago 30 Mey, 2010 09:59 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mirary soa ho an'ny reny rehetra ary maniry fahasalamana sy fahasoavana hirotsaka ho anareo tsy tapaka izahay. Mahatsiaro anareo am-bavaka hatrany @ adidy masina miandry anareo isan'andro.

Tapitra

News2dago

Alahady ny trinité 31 may 2010 t@ 12 sy 19 minitra atoandro.


Ampenjika Vaovao Eto @ Blaogi-Ko

news2dago 28 Mey, 2010 08:11 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tonga de Gadrao Vetivety (T.G.V) izay indray no hitako fa mety @ ty “sigle” ny Tanora malaGasy Vonona ity. Satria tena rapida mihitsy ‘ty fitondrana tetezamita ity raha hanagadra olona ary tena mendrika azy tokoa ilay anarana oe TGV. Marina tokoa fa ny zavatra tsy vitan’ny mpitondra tao anatin’ny 50 taona dia vitan’zala ao anatin’ny dimy ambinifolo volana monja. Manodidina ny 200 any mantsy izao no olona efa nogadraina h@ izay nahatongavan’i zandry kely teo @ fitondrana izay t@ alalan’ny fanonganam-panjakana fa tsy t@ alalan’ny fifidianana akory. Vokany tsy maintsy tapenam-bava izay tsy mitovy hevitra sy fomba fijery aminy.


Tsy vao ela akory izay ny raharaha FIGN izay tsy asina resaka lavabe eto intsony fa niarahana nahita ny zava-nitranga ary nampalahelo satria nisy ny rà ny Malagasy latsaka ary koa nisy ny aina nafoy ihany koa samy tompon’andraikitra na ny nanafika ny toby na ireo niaro ny toby samy mitsako izay zava-bitany ny andaniny sy ny ankilany fa ny tena nahatafitohina ny tena dia ireto nanjo ny mpiasa teo @ Radio fahazavana izay nadoboka eny Antanimora nanomboka omaly izy 10 mianadahy ao ny mpilaza vaovao ao kosa ireo teknisiana miisa 3.


Izany moa dia notanterin’I basyvava manao oe:

” MD daholo ireo mpiasan'ny Radio Fahazavana !
Naiditra am-ponja (MD) daholo ireo mpanao gazetin'ny Radio Fahazavana niaraka tamin'ireo teknisiana sy ny mpiambina rehefa nandalo fampanoavana io hariva io.Marihana moa fa efa tamin'ny 20 mey izy ireo no efa notanana teny amin'ny BC Anosy ary efa nakatona tanteraka tamin'io ihany koa  ny onjam-peo 88.6Fm”.


Eto kosa aho dia te hilaza fa tena efa tsy rariny intsony izao zavamisy izao. Inona moa no hidiran’ireo mpiasa ireo @ iny raharaha iny mivantana no dia zakaina ny tsy eran’ny ainy izy ireo??? Tsarovy fa raha managadra olona 1 ianao dia manangam-pahavalo 10 hafa indray koa ataovy ny kajikajy tsotsotra fa mety efa any @ olona 2000 any ho any zany no manohatra ny fomba fanaonao ankehitriny izay tafiditra tanteraka any @ ilay antsoina oe “ fitondrana jadona”. Anjaran’izay indray ny manaraka??? Mety ho izahay mpitoraka blaogy ve? Dia ho hita eo fa ny tantara no hitsara izany. Fianankavina 10 indray izany izao no very asa sy tsy misy mpiahy!!! Tena loza ity fa mandady ny trambo. Ny nanaitra ahy kely fotsiny dia toa tena ao anatin’ny planina mihitsy ilay fandrim-pahana ny manodidina an’I ra8 ny fahitako azy. An’ny FJKM raha teo moa ny Radio ary anisan’ny namelona izany radio izany I dada ary izy rahateo no manome ny karama ho an’ireo mpiasa ireo. Ka noho izay ve no antony manokana hamaizana ireo olona ireto!!! Asa aloha fa za vahiny e.
Manginy fotsiny ny fampijalina ireo olona fotorana sy alainam-bavany toy ny nanjo an’i Manandafy t@ fotoan’androny sy ny nanjo ny Pasitera Valisoa vao tsy ela akory izay sy ny nahazo an’I Tonton Ambroise. Sy ny sisa tsy ary ho voatanisa eto...


Hoy tokoa mantsy I mydago mitatitra ny vaovao manao oe:


“…, ny fitsarana an’i Ambroise RAVONISON na i Tonton, amin’ny Alatsinainy ho avy izao no hivoaka ny didim-pitsarana mahakasika ity raharaha ity, niverina hamonjy ny fandrinany eny Antanimora ny lehilahy mandram-piandry izany didy izany. Ny nanaitra ny maso aloha dia ny fahitana an’i Tonton narary sady nandringa tsy afa-mandeha. Aiza ny fanajana ny zon’olombelona amin’izao « famonoana izao »?”.  


Tsetratsetra tsy aritro fotsiny dia ity lahatsoaratra navoakan’I La Gazette ity:


“Fikasana handrava ny “La Gazette”: Ny pasitera Valisoa no nampaniraka       
Hametraka fitoriana eny anivon'ny mpitandro filaminana ny tomponandraikitra ato amin'ny La Gazette de la Grande Ile, noho ny fikasàna handoro sy hamono ny mpiasa tao aminy. Soa ihany fa vao nanomboka ny tora-bato dia tonga ireo mpitandro filaminana nandrava ireo andian-jiolahy avy amin'ny hetsiky ny mpitondra fivavahana mpiandany amin'ny vondrona Ravalomanana Marc. Ny pasitera Valisoa Rafanomezantsoa no nampaniraka ireto andian-jiolahy ireto ary nahare ny "baiko" nomeny ho amin'izany fandorana sy ny famonoana ny mpiasan'ny La Gazette, ireo mpanao gazety nanao ny asany teny amin'ny Mausolée. Fotoana fohy taorian'ny " baiko " dia nirohotra nandray vato tokoa ireo jiolahim-boto efa niandry teo anoloan'ny La Gazette de la Grande Ile. Azo sary moa ny ankamaroan'izy ireo ary hatolotra ny mpitandro filaminana hanamora ny fikarohana azy ireo izany rakin-tsary izany”. 

Aminareo mpamaky ny blaogiko mety marina tokoa ve izany fiampangana izany?
Etsy an-daniny kosa anefa dia very fanahy mbola velona ny olona ary betsaka ny manotany tena manao oe avela hijanona @ izao ve ity raharaha ity. Hanao inona tokoa moa hoy ny maro fa dia aleo manaraka ny onjany eto. Dia asa tokoa aloha izay fepetra tokony ho raisina fa misokatra amintsika ny ady hevitra manomboka eto.
TAPITRA


Voafandrika Sa Tsia Ny Mpitolona?

news2dago 21 Mey, 2010 08:20 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Sarotra ny naka vaovao omaly satria dia samy manana ny filazany sy ny lainga afafiny ny rehetra na teto @ aterineto na t@ haino aman-jery teto an-toerana ny fanotaniana mipetraka ankehitriny dia ny oe inona no mety ho tohiny ny raharaha? milamindamina ratsy izany mantsy ny tanana ankehitriny nef ahita ho toa matahotahotra izany ihany ny rehetra!!! 

Nanohina ny antso nataon'ny FIGN ny HMF sy ny ankolafy telo omaly teny @ mausolé??? teo dia efa nampanahy be ihany ny rehetra oe inona no mety hitranga sy fonosin'ity antso ity. Marihina fa tokony teny @ fjkm Ambohimanadray no natao ny fotoam-pivavahana kanefa dia novaina t@ ora farany oe eny @ farany ny taxibe 194 sy 146 indray ny hetsika no atao!!! Teo dia efa mahana ihany ny tena oe sao mba misy ambadika hafahafa izy ity ny vokany moa dia iny niarahana nahita iny lasa nilefa ny FIGN oe hiaro ireto mpitolona nakatona ny radio Fahazavana nosamborina ny mpanao gazety sy ny teknisiana niasa farany tao ny alin'ny 20 may!!! Mbola misitery daholo izany. Hilamina ary ve ny tetezamita ny rajoelina sa tsia? ny tantara no hitsara efa voakombona avokoa mantsy ny vava ny mpanohitra ankehitriny!!!

Lasa aiza indray kosa ary ireto FIGN ireto voalaza omaly mantsy fa efa voasambotra ny Kly Raymond ary efa any @ toerana tsara ambina izy raha tena marina io dia tokony naseho ny sary? Ny maraina anefa ny gazety nilaza fa tsy tratra io Kly io? Samy miandry ny rehetra!!! Miely indray ny tsaho oe eny @ toby ny RFI izy eo koa ny milaza fa lasany any avokoa ny fitaovam-piadina rehetra ka asa izay ho tohiny ny tantara ny irariny kosa anefa dia ny tsy iadin'ny samy malagasy. Apetraka @ Andriamanitra ny zava-drehetra.

Tapitra


Tifiriko Vary Raraka... Faty Nikararana!!!

news2dago 21 Aprily, 2010 11:39 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mbola maro ny olona tohina maheno ilay valan-dresaka nataon'i Kly Ravalomanana (sic) omaly nohon'ny fomba fiteniny manao oe:"raha izao mihitsy no tany dia notifiriko variraraka izay olona tany ary angamba dia faty nikararana no teo..." Zany ve dia tokony ho tenenina e! Ny tena mba diakona ambony ao @Fjkm iray eto andrenivohitra ihany asa aloha izay ho tohiny fa ny olona izao tena vao mahita mpitandro ny filaminana dia mivonto fo mhitsy ary mifampiandry mihitsy izay no hilazana azy e.

Nisy nanipy grenady indray ny trano fonenan'ny minisitra ny fitsarana fat-y vaky ny fitaratra noho ny fipoahana mafy. Fiara nirimorimo mafy no heno fa nanimpy io baomba io tao amin'ity tompon'andraikitra ambony ao @ fat-y ity. 

Nihemotra @ 28 aprily koa ilay fihaonana any afrika atsimo hiaonan'ny ankolafy 4 ka ho hita eo indray izay hanondrana @ izay ho tapakin'ny maro any.

Tapitra.


Maniry Loza Toy Ny FAT

news2dago 19 Aprily, 2010 08:26 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ela ela tsy nahalaza vaovao satria dia difotry ny asa sy ny zava-mitranga ka tsy hita intsony izay ho soratana samy manana ny filazany koa moa ny mpilaza vaovao ka mila mailo sy malina hatrany rehefa mahita sy maheno ny vaovao etsy sy eroa ka aleo tsy mamafy lainga mihitsy aloha raha azo atao fa manjaka ny hono hono ka na dia irina mafy ho marina ary ilay izy hay hono ho ihany @ farany. Ireto indray ary ny vaovao azo atolotra ho anareo.

Eo @ raharaham-pirenena aloha dia milaza ny hanao dinika ambony latabatra atsy afrika atsimo ny mpifanandrina roa tonta "Ra8 sy ny Foza" ka mahavelom-bolo ny mpanaram-baovao izay ny datin'andro voatondro moa raha tsy misy indray ny hono hono dia @ asabotsy ho avy izao na ny 24 aprily ho avy izao izany atsy Jo/burg afrika atsimo no atao io dinika io. Voalaza ihany koa fa voahasa hanatrika ao koa ny filoha teo aloha Zafy sy Ratsiraka.

Maro moa ny mpomba ny Fat-y tsy mankasitraka ity dinika ity ka manakorotana sy manao izay ho hafany @ hanakanana izao dinika izao. Vokany mipoaka etsy eroa ny baomba nisongadina t@ ireny ny baomba nipoaka tetsy @ Total Tsiazotafo ny zoma lasa teo. Tsy hay intsony moa na baomba na grenady no nirefotra tao fa andian'olona nandeha tà scooter no nisy nahatsikaritra fa nanipy an'izany teo @ io toerana io. Nisy tokoa ny fahavoazana azy mikasa ny hamory mpanao gazety ny tompona tobin-dasantsy anio ka ho hita eo ny ho lazain'izireo.

Alina indray dia tratehaka ireo volaza fa nikonokonona hanongam-panjakana olona sivily sy miaramila eo @ 20 mahery eo no indray voarohirohy @ ity tranga iray ity. Ny mpanaram-baovao moa tonga dia mahatsikaritra fa sinema indray ity mitranga ity hanosoram-potaka ny mpitondra teo aloha ho tompon'antoka @ izao tetika izao??? Hoy ny maro oe filma efa nandeha io. Ary azo antoka fa hiteny ao @ fahitalavitra tsy ho ela indray i Andry Rajoelina hilaza fa tsy hidinika indray fa misy mikasa haka ny toearany!!! Mbola hono hono aloha izany hatreto fa tsy mbola ofisialy.

Vaovao tapatapany kosa dia misy andiana miaramila sy zandary manakan-dalana eny @ lalam-pirenena faha7 iny very ny fiara taxi-brousse ary voafatotra avokoa ireo mpandeha ka asain'ireto jiolahy mpitandro ny filaminana ireto  mamoaka ny vola sy firavaka any aminy. Tsy misy azo hianteherana intsony anie izany e! samy manao ny ataony daholo ny rehetra io dia ohatra nomen'ny Fis ihany io ka samy mba maka ny anjarany ny rehetra. Loza ity marina.

Niharan-doza tetsy @ route digue kosa ireo mpanao basikety avy any @ faritr'i boeny ka 10 lahy mpilalao no naratra mafy t@ izany ny roa moa no tena voalaza fa tena voa mafy tokoa ary eny @ toby ny hopitaly loterana etsy ambohibao. Voalaza fa vokatrin'ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza.

Miditra @ andro ririnina tsikelikely ny toetr'andro eto Dago ankehitriny na dia mibalika ary ny masoandro dia mamely ny tokoa ny gripa sy ny tazo ankehitriny satria mivadibadika be ny andro ka sahirana ny mpitaiza kely ary anisan'izany ny tena!!! lol

Farany nefa tsy kely indrindra dia ny mety fihaonan'ny mpikambana eo @ ffkm indray hanao valan-dresaka amin'ny mpanao gazety @ ity herin'andro ity. Hisy vavaka izay atao moa ny alahady 25 aprily ho avy izao etsy @ fjkm Andrainarivo manomboka @ 3 ora hariva vavaka hifamelana heloka moa no atao @ izay.

Tapitra 


Mirary Paska Mahafaly Antsika Rht

news2dago 04 Aprily, 2010 08:36 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mirary soa indrindra! avy namonjy fandraisana maraina be a io de ande hirôzy indray alo! Tsy teto an-tanana koa teo aloo teo fa mba nitondra an'i rafotsy kely teny amoron-dranomasina endrey faly ery ny anao vavy milona rano tsy mety hiala mihitsy. LOL

Izay aloa fa mampamangy dhl dia manaova festa sambatra aby isika rht.

Tahin'ny Tompo


Ireto No Voasazy Fa Nanongam-Panjakana

news2dago 18 Martsa, 2010 16:06 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Following the meeting of the African Union’s Peace and Security board, the sanctions against Madagascar are fixed. They are imposed in order to bring them back to the negotiating table. These are the names of the 109 affected people.

I-Presidency
1 - Mr. Andry Nirina Rajoelina, the High Authority of the Transition President
2 - Ms. Mialy Razakandisa Rajoelina, President Rajoelina’s wife
3 - Mr. Zaza Manitranja Ramandimbiarison, Presidency Director of Cabinet
5 - André Haja Resampa, Presidency General Secretary  
6 - Ms. Annick Andriamampianina, Public Relations Director and spokesperson of the Presidency
7 - Ms. Lantosoa Rabezanahary Razafimahaleo, Special Adviser
8 - Ms Hantanirina Chateau Ramakavelo, Special Adviser
9 - Harry Rahajason dit Rolly Mercia, Special Adviser
10 - Lt.-Col. Fidimalala Rafaliarison Rafaliarison, Aide de Camp
11 - Colonel Claude Razafimahatratra, Presidential Security Director
12 - Chief Warrant Officer Victor Razafindrakoto, Bodyguard group leader of President Rajoelina
13 - Gérard Randriamampianina, Bodyguard
14 - Ms. Désirée Francine Olivier, President Rajoelina’s secretary

II- Government Members
1 - Colonel VITAL Albert Camille, Prime Minister
2 – Ms Manorohanta Cecile, Vice Prime Minister in charge of the domestic affairs
3 - Vice-Admiral Hypolite Raharison Ramaroson, Deputy Prime Minister for Foreign Affairs
4 - Alain Bernard Teandrazanarivelo, Deputy Prime Minister for Health
5 - Noël Rakotonandrasana Colonel, Minister of Army
6 – Jean-Claude Rakotonirina, Minister of Trade
7 – Ms Nadine Ramaroson, Minister for Population and Social Affairs
8 - Andriamananoro Razafinarivo Augustin, Minister of Telecommunications, Post and New Technologies
9 - Gilbert Harisoa Raharizatovo, Minister of Culture and Heritage
10 - Rolland Ranjatoelina, Minister of Transport
11 - Jean Rodolphe Ramanantsoa, Minister of Energy
12 – Noëlson William, Minister of Public Service, Labor and Social Legislation
13 - Athanase Tongavelo, Minister of Higher Education and Scientific Research
14 - Irène Victory Andreas, Minister of Tourism and Handicrafts
15 - Colonel Claude Ravelomanana, Secretary of State for the Force
16 - Hery Rajaonarimampianina, Minister of Finance and Budget
17 - Christine Razanamahasoa, Minister of Justice
18 - Sylvain Remy Organès Rakotomihantarizaka, Minister of Internal Security
19 - Julien Rzafimanazato, Minister of National Education
20 - Colonel Randriamiandrisoa Calixte, Minister of Environment and Forests
21 - Nirhy Lanto Andriamahazo, Minister of Water
22 - Fienena Richard, Minister of Economy and Industry
23 – Jean de Dieu Maharante, Minister of Livestock
24 - Jaonina Mamitiana, Minister of Agriculture
25 - Mamy Ratovomalala, Minister of Mines and Hydrocarbons
26 - Virapin Ramamonjisoa, Minister of Sport
27 - Serge Ranaivo, Minister of Youth and Leisure
28 - Eric Razafimandimby, Minister of Public Works and Meteorology
29 – Ms Toto Raharimalala Lydia, Secretary of State for Technical Education and Vocational Training
30 - Alain Andriamiseza, Minister of Fisheries and Fishery Resources
31 – Ms Nathalie Rabe, Minister of Communication

III- HAT Members
1 - Jean Lahiniriko, Vice-President of the HAT
2 - Patrick Monibou, Vice-President of the HAT
3 - Bruno Rajaonson dit Brun-Ly, Vice-President of the HAT
4 - Lala Harinaivo Rasamoelina, Vice-President of the HAT
5 - Dolin Rasolosoa, Vice-President of the HAT
6 - Roland Ratsiraka, President of NDT
7 – Ms Robertine Rabetafika
8 – Ms Ialy Rakotoniaina
9 – Ms Pélops Ariane Voninahitsy
10 - Pierre Andrianantenaina
11 - Phillipe Jaozandry
12 - Bruno Betiana
13 - Evariste Marson
14 - Jonah Prezaraly Parfait
15 - Jean Jacques Rabenirina
16 - Alexander Rambolazafy
17 - Jan Max Rakotomamonjy
18 - Pierre Houlder Ramaholimihasy
19 - Désiré Phillipe Ramakavelo
20 - Benjamin Ramarcel Ramanantsoa
21 - Daniel Ramaromisa
22 - Alain Ramaroson
23 - Yvon Williams dit Sareraka
24 - Jean Theodore Ranjivason
25 - Norbert Lala Ratsirahonana
26 - Bernard Ravelonjato
27 - Herimanana Razafimahefa
28 - Constance Razafimily
29 - Julien Reboza
30 - Remi Jao said Jean
31 - Jacky Tsiandopy
32 - Pierre Tsiranana
33 - Benjamin Vaovao
34 - Andry Rasolofo
35 - Joseph Yoland
36 - Ratovonomenjanahary
37 - René Rasolofo

IV- Military Council Members  for National Defense
1 - Gal Division Rabarisoa Ranto Anjoanin, Vice-President
2 - General Quartermaster Andriamisa Amédé Ramihone
3 - Gal Ranaivomanana Réol Aviation Brigade  
4 - Brigadier General Gilbain Pily
5 - Gal Brigade Koto Marcel
6 - Colonel Raoilijon Rakotoniaina Mary François d’Assise
7 - Colonel Alexander Razafimanantsoa
9 - Medical Col. Ralamboson Jaona Harivelo
10 - Col. Jean Dominique Adolphe
11 - Col. Robert Rameliarison Judex
12 - Col. Ralala Roger Pierre
13 - Col. David Ranaivoson

V-Other military personalities supporting the HAT’s action
1 - Gal Ndrianarijaona, CEMGAM
2 – Gal Bruno Razafindrakoto, Commander of the Force
3 - Gal Zafera Viennot, Commander FIGN
4 - Colonel Richard Ravalomanana, the District Commander of the Force

VI-HCC Members
1 - Jean Michel Rajaonarivony, President
2 - Raymond Imboty
3 - Dieudonné Rakotondrabao Andriantsihafa
4 - Rabehaja Fils Raymond
5 – Ms Rasoazanamanga Raheltine
6 - Rabendrainy Ramanoelson
7 – Ms Ranampy Marie Gisele
8 – Ms Rachel Razaiarivelo Bakoly
9 - Andriamanandraibe Auguste

VII-Other personalities supporting the HAT’s civil action
1 - Daniel Rajakoba
2 - Manasse Esoavelomandroso

Mahay Zavatra Andriamanitra

news2dago 18 Martsa, 2010 08:55 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Gaga sy talanjona a nahita ireto sary vitsivitsy ireto nalefan'olona mailaka taty amiko ka mba zaraiko eto koa ho antsika mpiblaogy sy mpitsidika oe tena mahay zavatra tokoa Andriamanitra.

 

Marina fa efa misy ny solosaina sy ny lôzika afaka hikirakirana sary fa mety efa nisy @ tsika no efa nahita maso an'ireo toerana ireo ka mety afaka mijoro vavolombelona eto. Fa raha izaho manokana aloha dia resy lahatra a fa mahay zavatra Andriamanitra.

Tapitra


Maninona Ny Lhl No Manaramaso Vhv Eny An-Dalana?

news2dago 25 Febroary, 2010 08:58 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mahagaga tokoa fa dia fihetsika tsy afaka @ lehilahy io toetra tia mijerijery io nareo lehilahy ireto tena tssssss!!! hoy i kdaomba zay. Fa tena gaga tokoa aloa a fa saika manao an'izay fihetsika izay tokoa ny lhl e. Raha ho ahy manokana aloa dia ny faritra ambanin'ny loha no mihidina no jereko mialoha de midina ambanimbany kokoa ihany a avy eo LOL sady mihomehy ihany a manoratra ny lahatsoratra fa menatra @ toetrako LOL farany a vao mijery ny volo sy ny volon-koditra!!! avy eo vao mandajalanja oe esy efa ramamabe ty na mamakely na vatombatony lol.

Sendra namaky gazety jejoo a mantsy androany dia varina tokoa mamaky ireo coms ao maromaro ny lhl namela hafatra ao tsy vitsy koa anefa ny vehivavy fa saingy kosa mifangaro hasarotam-piaro sy fijangajangana foana ny hevitra omen'ny vhv @ io fihetsika io. Mety ho marina ihany tokoa aloa izay kanefa ny vhv koa anie ka jejo e! ary raha tsy azo jerena ve moa tsy aleo manao toy ny silamo tonga dia mirebareba ambony ambany de tsy misy ho jerena intsony lol.

Asa ry zalahy sy ry zavavy izay mba hevitrareo momba an'io fihetsika iray io fa aza adino koa anefa fa rhf misy andiana tovovavy maromaro mijery ny lhl ka manadala azy tena sadaikatra ihany an. Efa mitovy mantsy izao ny zo ny lahy sy ny vavy ka dia mijerijery lehilahy koa ny vehivavy fa aza mandainga.

Tapitra!

Esy a oe ry mamakely e


RaràNa Aho Tsy Hivavaka!!!

news2dago 21 Febroary, 2010 08:32 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Maromaro ihany ny vaovao tokony ho notanteriko ho anareo tao anatin'izay andro vitsivitsy izay fa saingy nisafidy ny tsy hiteny sy hanoratra mihitsy aho noho ny antony maro sy fahasahiranako manokana. Mety ho gaga izao ianareo @ io lohateny nosafidiko io fa tena io mihitsy ny kasain'ny sasany atao eto @ izao fotoana izao. Manomboka mirotsaka antsehatra @ tolona am-bavaka mantsy ny mpitondra fivavahana @ izao fotoana izao ka manohitohina ny fanjakana izany satria milaza ny marina ry zareo ka maro @ ireo mpitondra no mahatsiaro voatsindrom-paingotra angamba na mahana @ ratsy efa natao sy ny mbola tiana hatao ka hany hery ny ny manakana ankolaka ny olona tsy hiavavaka.

Nisy hetsika tena nafana vay nitranga sy nisoko mangina tsy nampoizina mantsy t@ iny herinandro lasa iny dia ny andro natokana hibebahana sy hifadin-kanina izay notanterahina ny alakamisy 18 febroary lasa teo. Tsy hanavahana finoana moa izany fihetsika izany ary tsy mitaky zavatra be ihany koa fa mba fandavan-tena no takina t@ tsirairay ka mino aho sy araka ny tatitra henoko dia maro ny olona no nanatanteraka izay fifadina izay. Maromaro ny fiangonana nisokatra teto andrenivohitra sy ny manodidina ary niara nivavaka ny mpino sy ireo izay mahatsiaro tena ka te handray ny anjara birikiny @ fanadiovana ny ota vita teto @ty firenena ity.

Ny andron'ny asabotsy 20 febroary kosa no nisy ny fotom-pivavahana lehibe izay nokasaina hatao tetsy @ kianja be ny mahamasina kanefa dia tsy nomena alalàna izany fa nafindra ny fiadidina ny tanana etsy atsonjombe. Na dia niady mafy ny ho eo atsahamanitra aza ireo mpikarakara dia nolavina sy noasarotina ny fakana alalàna tetsy atsahamanitra izay fotodrafitrasa sy fananan'ny FFPM manokana kanefa dia tsy azo nivavahana tao ka voatery nilefitra nakeny atsonjombe ny mpivavaka. Andriamanitra tokoa tsy mifidy toerana hivavahana fa ny fo manantona azy no zava-dehibe. Asakasak'ireo izay manao ajorom-bala izany Andriamanitra izany ihany.

Nahasarika olona ihany izany hetsika izany na dia somary lavitra ary ny toerana fa ny tena nahagaga ahy dia ny nahita ireto miaramila 5 kamio nitomandavana manoloana ny tobin'ny kaominina tetsy analamahitsy fa hatahorana hiaom-pefy ary ve ireto mpiavavaka ireto no dia ambenana mafy toy izao. Nozarain'ny mpiandry baiboly sy programa moa ireto mpitandro ny filaminana ireto ka nahavarina fa tsy nisy sahy nidina ny fiara ry zareo fa nitoby tao anaty ny kamio fotsiny ihany ka hoy ny maro oe mandaitra ny vavaka. Tsaroko etoana ny tenin'ny mpitarika manao oe Andriamanitra no hamaly izay manisy ratsy anareo. 

Tapitra

Tsetratsetra tsy aritro Jereo tsara anie fa misy hanodrana indray izao ny mpamela hafatra eto e! lol  


Sarisary Sy Ny Krizy

news2dago 12 Febroary, 2010 10:16 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

sary tao @ midi madagasikara

 

sary tao @ reflexiums.wordpress.com

 

sary tao @ povonline

sary tao @ courrierdemada

TAPITRA


Novakin'ny Mpiasa Ny Orinasa COSMOS

news2dago 04 Febroary, 2010 12:48 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

May volo tratra ny mpiasa ny zone satria dia mihatra ity ny sazy ary voa mafy ny orinasa afa kaba Cosmos orinasa mampiasa olona any @ 3000 any ho any. Tsy misy lalam-barotra intsony noho ny AGOA tapaka. Vokany dia nikatona io orinasa io ankehitriny. @izao fotoana anoratako eto izao dia ireny tazako eto ireny ny mpiasa @ io orinasa io mitaona ny entana rehetra ao ampiasana sy ny vokatra vita ny orinasa samy mitaona izay zakany izy ireo ankehitriny "vaky bal" e hoy ry zala izay. Misy mitondra ankajoba, Tshirt, sy ny entana vokarina maro hafa samy mitondra izay zaka ireo mpiasa indrisy tena mahantra ramalagasy ka lasa zary raikitam-pisaka ilay fandrobana. Vita tanteraka koa ny @ io orinasa io satria dia tsy ho tafarina intsony na hiverina ary ny AGOA. Dia efa mitadiava asa koa inona moa.

Manarak'izay dia nanohina ny foko ny nandre ny tenin'ilay praminisitra foza oe hanaovana fanazaran-tena ny tafika sadc fa aleo ho avy!!! tena fanaovana tsinotsinona ny miaramila malagasy izany amiko indrindra ny oe izay maty eo dia omentsika marimboninahitra marobe satria maty ho an'ny tanindrazana. Koa angaha moa tsy azo sorohona ny ady mba tsy hisy e! fa tsy mitsoatsoana ohatr'izany. Hany ka mampitsangam-bolo ny mierirteritra ny ho avy ny malagasy. Koa raha tonga moa ny sadc ka misy manome vola be @ izay ireo miaramila gasy hikomy sy hanao aza lambo ny lehibeny tsy ho tantara  ny ahazo ny mpitarika foza!!! aza hitako aza mahita. Re mantsy izao fa maro ireo toby miaramila mitady hikomy @ io resaka vola io ihany. Tantara mitohy!!!

sary nalaiko tao @ taratra androany 4/02/2010

Anjarantsika no mandinika sy mieritreritra. 

Tapitra.

 


Za Dia Maniry Sazy Hilatsaka!!!

news2dago 28 Janoary, 2010 08:03 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mety ho gaga angamba ianareo raha hilaza @nareo a oe aleoko mihitsy tsy hisy fifanarahana vanona any dia voasazy mafy dia mafy mihitsy isika malagasy sy ny mpitondra mpanongana rehetra tsy misy mahazo mivoka eto fa dia hifampitazana eto mihitsy. Kapoka ho antsika izay ary sahaza @ ditra ny malagasy koa. Mba tiako ho hita mihitsy mantsy ny ho fihetsika ny malagasy zatra tolorana lava ity tahaka ahy oe tsy misy fiaramanidina mivezivezy tsy misy ny sambo tsy mahazo solika sy ny fanafody ary ny sakafo afarana rehetra maha maola maola ny malagasy ity.

Efa mimenomenona ery zao fa nihena ny karama tsy tahaka ny nieverana azy oe nisondrotra 10% aleo mihitsy ho tsapan'ny mpiasam-panjakana tsy mety hitokona ireo oe izany izy rehefa mihena ny kapoaka e! aiza foana ve dia ny mpiasa kely ny zone irery no hitaty ny vokany ratsy eto. Toy izany koa ny miaramila nampiakam-peo koa omaly fa oe nihena ny vatakarama tsy ao ilay prime 15% sy ny 10% fisondrotana nodradraina t@ fotoanandro!!! Mbola aiza e! izahay foana ve no hijaly irery eto aleo samy mifafa eto daholo fa tsy misy miala maina eto izany.

Ho hita eo indray izay zavatra hiseho androany fa ny mpiasa ny kaomina aloha no niaran'ny hatezeram-bahoka (mpivarotra) hatreto miandry ny anjarany koa ny hafa. Ny aina no mateza dia samy ho tsarain'ny tantara eto. 

Tapitra.


Malaina Mihitsy A Hamoaka Lahatsoratra

news2dago 25 Janoary, 2010 10:19 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tapitra sahady ity ny volana janoary 2010 heritaona ohatr'izao sahady ilay "black monday 2009" nampalaza ratsy an'i gasikara najaka t@ izany ny vaky trano sy ny vaky trano ary ny fandorana ireo fananam-panjakana sy ny fananan'olona tsotra sy mpahadraharaha maro manerana ny renivohitra sy ny faritra maro manerana ny nosy. Tantara sisa izany ary samy migoka ny voka-dratsy ny fanimbana izany moa ny rehetra @ izao fotoana izao.

Malaina mihitsy ny tena hanoratra eto @ blaogy satria dia zary zavatra ratsy sy tontolo mahakivy no misy manodidina ny tena. Voalohany ohatra dia ireto trano eva hivarotana manoloana ny farihin'ny behoririka eo @ rano maimbo e! feno trano kely hivarotana eo taratry ny fahatrana satria dia manaratsy endrika ilay toerana izay efa didin'ny trano be tsy misy bikana naorin'ny sinoa mivarotra eto behoririka. Faharoa dia ireo làlana ninina tapahana omena ireo mpivarotra tsy ara dalana ihany koa!!! io dia tena mahasorena ahy manokana mampiasa ny lalana izay tokony ho an'ny fiara maza ho azy fa tsy ho an'ny mpivarotra velively. Aiza ihany ary ity tranobe misy etage etsy @ esplanade hoy aho izay nampalaza an'i tgv t@ fampielezan-kevitra kay fampiesonana fotsiny.

Manarak'izay dia dibon-drano ny tanana@ izao fotoana ny fahavaratra izao toerana diso fantatrin'ny rehetra ny eny besarety sy ny eto ambodin'ny mascar rehetra iny ireo no toerana tena mampijaly rehefa avy ny orana @ izao dia iny soarana, mahamasina, eny ambohijatovo sy ety @ jjrabearivelo rehetra iny dia tsy misy azo aleha rehefa avy ny orana fa azo hakana tsondro mihitsy mitombo isa ny toerana fanaingana zipo hoy ny mpanao vazivazy. Tsy mahagaga raha laharana faha 5 @ tanàna ratsy sy maloto indrindra maneran-tany Antananarivo. 

Vokany moa dia lavaka be mangotana ny arabe rehetra manerana ny renivohitra, ny ambotaka mitombo satria sady miala lavaka ny fiara no mitady lalana aleha hafa ihany koa ny lala kely teo aza notapahan'ireo manam-pahaizana be ao @ cua!!! Izao ilay oe aleo ho avy izany izay ho avy fa samy mitaty izay vokany eto isika e.

Tapitra...

Na somary mitovitovy @ ireo lahatsoratro teo aloha ary dia tsy mahita afa tsy izao a ka na za manoratra ary laony ihany @le izy fa atao ahoana moa.


Maloto Ny TanàNa

news2dago 08 Janoary, 2010 13:53 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Anarany mba vaovao ny taona fa ny toe-tsaina dia nikiroso fahana tena very tanteraka @ katesizy ozy ny olona izay. Voalohany aloa de feno soratra ny rindrina manao oe "tgv=0=Foza orana" na oe "Mialà ny Fat" sy ny "tgvendrana" na koa ny oe "andrytgv=sokina"  de feno ny rindrina manamorona any arabe sy ny tamboho sy ny fefy rehetra eto @ tanàna.

Faharoa manarak'izay dia tapahana ny lalàna ary lasan'ny mpivarotra ny tanàna iny @ petite vitesse rehetra iny manodidina an'i behoririka ary mbola mahazo mivarotra amoron-dalana ihany koa hono izay mbola te hivarotra rehetra ozy ny tenin'ny fat??? omena asa mivarotra izay misôma.Tao aorinan'ny agoa tapaka moa de efa mikatona ny zone sasany ary hikano koa ny hafa. Vokany miady ny mpivarotra ara-dalàna sy ny ny mpivarotra amoron-dalàna. Atahorana ny ady ny samy sivily ao aorina ao.

Fahatelo dia ampadoavina vola 50Ariary ny siô iray ho an'ireo mpatsaka @ paompy de hifamalina eo ny fandoavana azy de korontana sy savorovoro ny tohiny avy eo.

Fehiny tsy mbola milamina velively ny tanana fa vao maika ary mikorontana ambony ambany.

Tapitra


Manantena An'Iza?

news2dago 04 Janoary, 2010 06:49 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Vita izay ny asaramanitra ary namorona ny tsy misy mihitsy ny tokotrano malagasy. Mba nanao izay tandrify azy teo na dia somary tao anaty fasahiranana aza. Nivalona ho tantara sisa ny taona 2009 ary tena mafy t@ vahoaka malagasy iny taona iray iny fa voadaka ihany ny farany. Maro ireo zavatra andrandraina @ty taona 2010 ity ka asa na ho tanteraka na tsia.

Voalohany @ ireny dia ny hifaran'ny adilahy politika sy ny fifampiandanina. Faharoa dia mba ahita asa ireo izay very asa sy tsy an'asa. Fahatelo dia mba hiverina tanteraka ny filaminana sy ny fahadiovan'ny tanana. Ny farany moa dia mba samy hitondra soa sy fanambinana ho antsika ity taona vaovao 2010 ity.

Vaovao ny taona vaovao koa ny herinandro ary fidirana miasa indray androany tena kamo be mihitsy a fa tsy afeniko anareo izany nisy ilay tsy fiasana lavalava kely teo iny tena nihisatra mihitsy namonjy ny toeram-piasana tsy maintsy anefa satria tsy hisy hanome anao eo raha tsy ny atsembohanao ihany no hinananao.

Jeritodika kely fotsiny ny t@ farany taona 31 desambra 2009 teo dia avy be ny orana nanomboka t@ 5 hariva. Maromaro ny fiara nanao accident t@ io fotoana io satria dia feno vakim-pitaratra ireo kihon-dalana sasany teto an-drenivohitra. Tsy mahagaga izany satria be ny revy sy ny fisotrona. Voalaza moa fa 3 no maty ny toaka t@ iny 31 desambra iny ary maro be ireo nanao "coma ethylique" hoy ny teny @ hjra.

Ny tena nanaitra ahy kosa dia nalaza be ny hira sudaf t@ iny farany taona iny ao izany oe "mama rhouda izany" dia ao koa izany "kabesa kabali" izany izay atao ny ankizy vazivazy moa oe tsaramaso kabaro! lol Saika mandeha @ radio foana moa ireo hira ireo. Takona indray ry Jerry marcos sy ry tsiliva t@ iny taona iny.

Tapitra   


Mirary Krismasy Sy Taom-Baovao Sambatra

news2dago 24 Desambra, 2009 19:26 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Manaova fety sambatra dia samy ho tahin'Andriamanitra isika mpiblaogy rehetra. Mirary soa sy fanambinana indrindra ho antsika rehetra anie ity taona vaovao hitsidika ity lasa @ zay ny ratsy rehetra.

Tandremo ny taoka diso tafahotra ry zala lol

Tapitra


Tsy Hita Tabilao Ranews!!!!

news2dago 18 Desambra, 2009 07:58 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tsy oe ny vaovao no tsy misy fa ny hirika hanoratana no tsy tafa hoy ny tanora izay. Tena repotra tanteraka ranews e! vonjena daholo babay sy lovohatra hany ka na ny fotoana hisakafoanana aza tsy misy marary h@ ny vavony mihitsy.

Nanomboka t@ faran'ny volana novambra teo ka mandram-pahavita ny fetin'ny farany taona de mbola tsy point eto @ blaogy ranews. Nisy lanonam-pianakavina nokarakaraina izay tokoa t@ farany volana io ilay oe mitady raharaha e! ka nahita tokoa. LOL vita soamatsara ihany aloa izay no zava-dehibe. 

Misy namana manoratra mailaka mihitsy aza oe fa maninona no tsy hita tabilao intsony. Isaorana azy ireny manokana aloa mahatsiaro. 

Izay aloa ny androany fa @ manaraka indray zara aza nahasoratra an'ity.

tapitra

news2dago 


Misonanika Sahady @ Tosaka Ambony!

news2dago 21 Novambra, 2009 07:30 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Endrey izany hafaliko... hoy ny hira ampiangonana fony izahay nianatra tany @ sekoly katolika fahiny.  Faly ery aho fa tsy nitovy toy ny isan'andro ny tosaka azoko @ aterineto asa angamba efa miditra tsikelikely @ izany tosaka ambony be izany koa izahay eto dago ankehitriny tsy vazivazy intsony izy ity. Nampidina hira t@ Limewire a io ireo mba hirahira henoko etsy sy eroa no mba notadiaviko tao raha hira 2 na 3 monja no tafididiko taloha dia gaga be aho anikeo fa vita tao anatiny 5 mn monja ny hira iray kanefa any @ 4M na 5M any ho any ny mp3 iray. Aty moa mbola tsy misy bedy ny maka ireo mp3 ireny aleo koa izay e! mbola mahantra  izahay tsy haharaka anareo any ampita any akory.

Tsy nino aho aloa t@ voalohany satria vao nanao update n'ilay lozika a omaly ilay limewire io dia angamba io no nahatonga ilay izy raims kely toy io angamba oa. Niditra tao @ msn aho avy eo mba hanaporofoko oe haingana ilay tosaka dia mba nanokatra video iray tao 1mn koa dia nisokatra tsy misy tapaka ilay izay. Endrey izany hafaliko... nasesesiko aby ireo video ka afaka nijery tsara ireo karazany tao a! tena niakatra zany ny tosaka azoko oa. Hanomboka hiaino radio vazo gasy sy radio classique @ izay izany a io. Raha tsy iady souris @ rafotsy eto indray toy ny fanaonay miady telecommande atsy ambadika efa lasan'ny papozy tanteraka moa ny fibakoina an'io fahitalavitra io ankehitriny ka tsy maintsy mandefitra ny lehibe. Izy rahateo tsy miala mihitsy @ ilay M6 music hits sy ity teletoon lava ity nefa vao heritaona sy 3 volana anie ry reto e! efa lasa lavitra ny ankizy @ izao an.

Laozako kely aloa nareo ary fa dia hitety video mapihome sy mahalina atsy ambadika atsy a. Fadina kosa ny mijery video ho an'ny olon-dehibe fa efa naman'ny mijangajanga sahady mitsiriritra ny fananan'olona eo.lol

Tapitra 


Nakarin'i T.Henry T@ TàNany I Lafrantsa

news2dago 19 Novambra, 2009 09:10 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Hadiva hifarana ny fifanitsanana eo @ lalao eran-tany atsy Afrika atsimo @ taona ho avy. Tafiakatra avokoa ny akamaroan'ireo firenena goavana @ baolina kitra toa dry brezila ry Alemana, Italia sy ny maro hafa tsy tafa t@ io kosa ny Rosianina sy ny Okraniana. Ny tena nitana ny sain'ny mpanaraka sy mpitia baolina kosa dia ny lalaon'i Eire sy Frantsa omaly alina.

 

Efa nampoiziko ihany ny vokatra kanjo tena nipoitra tokoa ilay noeritreretiko oe hivoaka sempotra ireo vao ho afaka eo raha ho afaka ary. Raha jerena moa ilay lalao mandroso tany @ Eire (Irlande) dia nifandanja ny lalao fa saingy nanantombo t@ isa maty tany antanin'olona ny frantsay t@ lalao mandroso. Ny mpanao gazety frantsay moa dia efa tsy dia nanisy vidiny firy intsony ity lalao miverina ity fa dia oe 90minitra hono sisa dia efa any Afrika atsimo hono. 

 

Kanjo noho nandeha ny lalao miverina kay sendra ny taolana ry zareo satria dia mba nahafaty tany antanin'olona koa i Irlandy raha vao 30 mn fotsiny ny lalao. Tsy nisy endriny ny lalao avy eo fa toa sasatra manary baolina ilay ekipa frantsay efa faly ery ny tena oe ihitsana ireto.

 

Nandeha ny fanalavam-potoana nahazo coup franc ny ekipa frantsay ary nodakan'i F.Malouda teny @ 40m tany ho any notatazan'i T.Henry t@ tànany an-kavia ilay baolina ary hainy ny nanafina izany tsy ho hitan'ny mpitsara ka nalefany mora teo ambony lohan'i W.gallas ny baolina naiditr'ileio tany anaty arato ny baolina 1 no 1 ny baolina teo ary midika izany fa tafiakatra indray i lafrantsa. Eto aho dia te hiteny oe ilaina ihany ny Video @ itony lalao avo lenta itony satria tsy ho ary ho hita ny mpitsara daholo ny mpitsopitsony kely toy ireny.

Fa ny tena mahalasa fisainana koa dia ity oe lalao nihaonan'i Algerie sy Egypt any Soudan izay nivoaka 1 no 0 koa ny algeriana dia ny renivohitra lehibe rehetra any frantsa no misy rotaka. Midika izany fa voazanak'ireo arabo izany ny frantsay e! ary aleo ataony any koa fa ratsy loha e. nareo any antoerana angamba no hilaza misy misy @ izay tena zavatra nitranga marina tany.

Miala tsiny @ ireo tsy tia baolina aloha fa dia io ny lahatsoratra navoakako androany. Tsy nasiko sira izay vaovao ny tetezamita tsy hinanako hanina any. lol

Tapitra 


Mety Mbola Hiblaogy Aho Afaka 20 Taona

news2dago 17 Novambra, 2009 10:05 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Lasa tagy ity fanotaniana faharoa ity tatsy @ blaogy tatsy ambadika. Efa tena lasa tandra vadikoditra moa ity miblaogy ity raha ho ahy manokana asa ianareo raha toa ahy. Faniriko hatrizay moa ny mba hanokatra siteweb izany tany aloa tany hoe mba hilaza vaovao sy ny sisa rehefa tena dinihina kay ilay hetaheta io dia tena orinasa irey manotolo ilay izy fa tsy vitan'ny olona iray.  Sendra nandalo tato @ serasera aho no nahatsikaritra fa misy blaogy ato ka dia niditra namorona lahatsoratra heritaona mahery lasa izay tao @ blaogy.org no voalohany saingy tsy dia misy mpandalo firy ao ka nivadika tato @ ity blaogy.com ity ka dia tamana tokoa moa izany.

Dia tena varina marina tokoa mandinika ny fotoana lany eto efa mahatratra 259 hono ny lahatsoratra vitako t@ izay fotoana nanaovako blaogy izay ary ny hevitra efa mihaotra ny roa arivo mahery. Tao ny hevitra tsara tao kosa ireo hevitra voatery nofafako satria nanopa sy niteny ratsy fotsiny no nataony. Voatery nanoratra tany @ hery mihitsy moa t@ izay nanao oe azo sivanina ve izy ity. Tsotra ny valiteny nanao oe tsy misy fika io de tsy maintsy namafa sy nijery matetika no natao.

Hifarana ity ny taona 2009 mbola eto ihany a ity na dia somary mahalana ary vao afaka namoaka lahatsoratra satria mbola be koa ny adidy miandry atsy ambadika. Na izany ary dia tsy maintsy mahajery ny feeds vaovao a isaky ny manokatra aterineto. Ka hoy aho oe mbola hiblaogy a @ taona ho avy sy ny taona mbola hanaraka rehetra eo raha mbola velon'aina. Misy azy indray rehefa manan-jafikely mbola hiblaogy iaraka @ zala eto izany kle. Miaraka mijery mamakely @ zafikelin'i kdaomba eto marina.

Tapitra


Varina Mijery Mamakely!!!

news2dago 10 Novambra, 2009 10:08 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Lahatsoratra hafa mihitsy ity satria ny fiainana an-davanandro mihitsy no resahako eto indray. Nahatsiaro ilay lahatsoratra nosoratan'i kdaombaramita manao oe "ianareo lehilahy ireto tena tssssss" manko a io izao ka lasa ihany ny fisainana manao oe tena mivika ihany anie ny lehilahy izany e. Maninona tokoa moa no mikitikitika etsy sy eroa tsy aleo ve mijerijery fotsiny e de mba manofinofy eo rehefa @ alina. lol

Roboka tanteraka ao @ ilay facebook a io mantsy ankehitriny ary tena varina mijery mamakely mihitsy lol. Tena vaky vava mihitsy a ny farany manao oe tena manja le zazavavy malagasy ka. Izay mivoaka iray babany avokoa. Nalaiko namana avokoa izay joba mba ohatrany metimety sy tsara endrika avy eo izy manaiky koa ny ho namako de ao revo mijery ireto sary a. Pôzy nama izao misy dia tena jejo tokoa moa izany ary sary nofidina mihitsy no avoaka ao tsy misy maharatsy an'izany akory fa tena varina enao mijery azy ireo. Izao tokoa ilay tonga @ fitenenana oe antitra 'ty vao be ny tanora. 

Fa ny tena nahafinaritra @ ilay FB dia hitako tao indray ireo namako taloha teny @ lycée ka nahatsiaro ny fahiny izahay. Efa mitaiza avokoa ny akamaron'izireo ao ny efa niteraka 4 dahy be zao ao kosa ny mianadahy sy ny sisa. Tena tsy mahalavitany tokoa ity teknolojia vaovao ity ka.

Izay aloa no azoko atolotra fa ohatrany oe tsy maintsy mamoaka lahatsoratra koa moa @ ity resaka bombs bombs nareo ity ka. lol

Tapitra. 

Ande hijery mamakely indray za io lol

 

 


Aiza Ary Ze Bizina?

news2dago 29 Oktobra, 2009 09:15 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Henjana ny lalao izay no azo hilazana azy satria dia saika mikatso avokoa ny asa asa ankehitriny. Maro ny very asa maro ihany koa ny mitady asa na aiza io na aiza dia tsy ankifidy intsony fa atao daholo sitraniahay vazamihetsika hoy ny fitenenana. Sarotra tokoa ny mitady asa ankehitriny ny mpampiasa vola rahateo miala an-daharana avokoa ny akamarony. Inona ary ny hevitra hoy ianareo? Valiny tsotra dia ny mivarotra kely amoron-dalana izany.

Vokany dia feno mpivarotra eran'ny arabe indrindra fa iny manoloana ny Behoririka rehetra iny manoloana  ireo mpivarotra sinoa lehibe rehetra eo Soarano tsy misy andinganana intsony ny arabe ka dia mitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana hidina aty behoririka makany @ ranomaibo iny ka voatery manivaka midina eto @ pochard ny fiara lasa azo hifanenana zany ilay arabe manolona ny polisin'ny gara io raha ho any Antanimena ambany ny avy aty analakely. Tsy hita izay jojony fa samy manao izay saim-pantany ny rehetra hita mihitsy oe tany tsy misy mpifehy sy fanjakana fa lasa fanjakan'ny baroa.

Mbola manamafy izany koa ny fahamaron'ny vary mitsangana be dia be eny amoron-dalana rehetra eny na fiarakodia io na tsangam-by no asina labasy de vita ny ady asina seza kely ao anatiny de asina vitrine vita aluminium ny FDC dia haranty eo ireto composé be dia be sy lasary isan-karazany. Tsy adino koa ny nem sy ny sambos ary ny hena baolina sy ny mofo dipaina. Feno mpivarotra "gargotte" ny sampan-dalana rehetra eo analakely toy ny etsy @ Raberaivelo ohatra de manoloana ny pavillon mpivarotra taratasy dia fiara indray no eo lokoina volon'oranjy sy tapany fotsiny ireo fiara dia asina vitrine dia izay.

Ny azoko tenenina dia mangalan-tahaka ny ataon'ny hafa ny olona sasany. "Gargotte" iray no mitsangana eo dia afaka andro vitsivitsy dia misy anakiray hafa mitsangana tsy lavitra akory an'io. Tsy miova kosa ny asa eo @ 13 mai fa mbola eo avokoa ireo mpanao "décodage" sy mpanamboatra finday ao anaty fiara rano araraka an-damosina ganagana ny fampitandremana ataon'ny cua. Mbola eo avokoa ireo mpibizina vato sy mpivarotra fiara. Na dia somary mahalana ary ry zalahy vao mahalafo fiara dia mbola ao ihany hanao inona tokoa moa efa io no asa natao h@ izay.

Mino aho fa azonareo sary an-tsaina ny saritsary ny endrikin'ny tanana ao analakely ao @ izao fotoana izao. Loto tsy loto, olona tsy olona, fiara tsy fiara, taxi be sy ny taxi tsy adino eo koa ireo mpivarotra sy mpangarom-paosy izay mameno ny arabe sy ny lalan'ny mpandeha an-tongotra. Asa izao nga ilay antsoina oe Bord...

 

Tapitra


Ho BôMbina Sa Ho Bombs

news2dago 26 Oktobra, 2009 12:59 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

”"

Ela ny ela ka nisy nahatsikaritra ity blaogy bômbina-ko ity marina. Hazavaiko kely aloa ny dikan'ny oe bômbina sao mbola misy tsy mahalala indray ny oe bômbina dia entina milaza fa zavatra nataotao fahatany na alasafay angaha no tena milaza azy na koa entina hilazana zavatra vazivazy ihany koa ny tanora moa rehefa miresaka dia milaza oe mi-bômbina indray ialahy na koa oe mitoraka bilao koa ela zany. Efa mba namaky ireo blaogy ny namana vitsivitsy ihany aho de samy gaga tokoa aloa oe vao bombs tao avokoa aika ity zavatra natao. Izy ity moa tsy dia oe mila doka sy tamby vao atao fa fitiavana te hiserasera no tena marina. Ny tena nanokafako ity blogana ity moa dia ny fitiavana te hampahalala vaovao ho an'ireo rehetra izay mitsidika. 

Miezaka hatrany moa hanaraka vaovao kanefa ny vaovao dia tena misy tokoa isan'andro fa ny fotoana hanoratana izany eto no tsy ampy koa dia nodikaiko ny akamarony sady manorisory koa no betsaka ka naleoko avy dia adinoana izy ireny matetika satria dia saika vaovao ratsy foana no misy sy henoko matetika ka naleoko tsy nanoratra izany sao dia hiteny indray ny sasany oe hilaza loza inona indray ra-news zao androany. lol

Koa dia fidio zany ny blaogy-ko koa inona moa! Fa ny tiako ho marihina fotsiny ho an'ireo mpikarakara ny fifaninana dia mba asio fanamboarana ihany ry zalahy ity tranokala ity fa tena faninana tanteraka ny tenanay niditra tao tsy hita oe aiza no mifidy ireo efa "nominé" sa moa mbola tsy misy izany fifidianana izany fa ajanona fotsiny @ le oe news2dago espace 32 lol satria ny dotmg efa esapace 31. Tsy pazzapa moa izy ity sady tsy ho fidina @ soratra maro sosona SMS ihany koa fa dia mbola miandry ny fanazavana @ zala oe ahoana no hifidianana ireo efa nominé. 

Izay fa dia mazotoa mifidy izay tsara ary koa fa mety ho lasako premier-tour de vita tompoko izy ity ko.

 

 

 


N'inona N'inona Hitranga Jesoa...

news2dago 22 Oktobra, 2009 08:54 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Miaratsy ny fandriam-pahalemana eto an-drenivohitra ankehitriny ary vao maika izany nahazo vahana tao anatin'izao krizy izao. Mijaly ny vahoaka malagasy tsy hita intsony izay hianteherana ny mpitandro ny filaminana izay tokony hiaro ny vahoaka sy ny fananany indray ity mbola variana any @ fiambenana ny kianja malalaka isan-karazany. Dia efa tsy mahagaga fa miaro ny sezan-dry zalahy no tena marina.

Fa hiverenako @ izay ilay lohateny nofidiko androany io izay tononkalon'i Rado ary hiraina any @ fihirana protestanta. Notsongaiko satria dia mavaivay tokoa ny fampahorina sy fitsapana mahazo ireo mpino sy mpitandrina Fjkm ankehitriny ary dia gaga mihitsy ary aho fa dia lasa vazivazy fampiasan'ireo olona sasany ankehitriny ny hoe:"Ataoko ohatran'ny protestant eo an" izay entina milaza ny hoe:"Ataoko minan'ny amaniny eo an". Dia sanatria ve efa tonga any @ izany famingavingana ny fiangonana isika @izao. Vao omaly ohatra ny filoha ny Fjkm no nitaraina fa misy manafika ireo mpitandrina eto an-drenivohitra ary misy koa rahonana. Vao fantatr'ireo jiolahy oe misy alahadin'ny mpitandrina ny alahady dia efa tonga izy ny alina hanamboatra ilay mpitandrina. Mampieritreritra ihany ny hoavin'ity firenena ity rha izany.

Eto aho dia te hanamarika fa nisy resaka henoko t@ olona nitantara fa efa nisy olona nanana tsindrimandry (vison) nitantara ny zavatra hitranga rehetra ary efa miha-tanteraka ilay izy amin'izao fotoana izao. Dia izany "Mama Germaine" izany no nanao famelabelaran-kevitra teny mandriambero toby ny LLB fa tsy maintsy hisy fahorina mafy ho diavina eto ary isika kristiana no tian'ny Tompo hiverina any aminy ary ho diovina avokoa ny malagasy ary ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc satria avy aminy no hiavin'ny fampandrosoana ny malagasy satria efa voasedra izy.

Efa noteteziny avokoa ireo mpitondra ao @ Fat rehetra ireo ary na ny solombavam-bahoaka teo aloha rehetra ary dia nisy ihany koa no nandray izany olona izany teo ireo nandray teo kosa anefa ireo nandà mafy ny tsy handray azy mihitsy dia anisan'izany Atoa Andry Rajoelina. Milaza moa izy fa tokony hiala amin'izay ireo mpitondra fat ireo satria efa vita ny iraka nampanaovina azireo kanefa dia tsy nanaiky ireo. Singanina amin'izany koa fa nandray azy antanan-droa kosa ingahy Monja Roindefo ary nomarihiny mihitsy ary ny oe misy iraka mbola ilana anao miaraka amin'i Filoha Ravalomanana. Tsy resy lahatra moa Atoa Roindefo ka mbola nisalasala sy te hifikitra @ toerany ihany.

Izany sy izany no vaovao henoko ary ialako tsiny fa amin'ny ambangovangony ihany no voatantarako aminareo eto fa lava dia lava ilay izy ka ireo aloa no masaka azoko atolotra anjarantsika no mandray izay tandrify antsika amin'izany. Ny azoko tenenina fotsiny dia ny hoe ho avy ny farany ary tsy maintsy ho ravana izao tontolo izao fa feno loatra ny loto sy ny mpandoto azy.

Tapitra

Mbola Misy Antenaina Ve Ny Gasy?

news2dago 20 Oktobra, 2009 08:38 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Resy mazava ny mpanao basikety malagasy t@ lalao afrobasket 2009 izay natao teto Madagasikara. Izaho manokana aloa dia tsy dia nametraka fanantenana firy @ lalao iraisana intsony satria iarahana mahalala ny zavamisy sy ny entimanana. (sary tsenagasy)

Tandrametaka sy vonjy tavanandro no betsaka @ ilay fanatanjahan-tena malagasy ka tonga dia fantatro ny vokatra oe resy indray e. Mbola nahazo ny hafatra avy amin'ny mpijery koa moa ireo manam-pahefana tonga nijery sy nisalovana andraikitra tao sakoa izay hoy ny maroan'isa tsy maneho hevitra. Mbola aiza no ahazo an-tenisany @ fifidianana.

Izay ny amin'iny fa tranga hafa indray no miseho eny anivon'ny fampianarana ankehitriny dia misy mivoaka foana h@ izao ny lisitrin'ny ankizy tafiditra eny @ Epp ny CEG ary ny Lycée. Ho raisin'ny fanjakana an-tanana avokoa moa ny famonoana ny ho avin'ny ankizy malagasy satria dia taingim-be izay no azo hilazana azy e! ny isan'ny mpianatra eny @ ireny sekolim-panjakana ireny. Aiza ve koa sekoly tsy mahazaka afa tsy ankizy 700 lasa mandray mpianatra 1500 misy hatrany @ seconde 24 ny lycée iray. Mitaraina moa ny mpampianatra fa tafakatra any @ ankizy 80 na 90 any ho any ny kilasy iray. Mazava ho azy fa tsy hisy fianarana ho vanina mihitsy @ izany fa dia ny ditra no azo bebe kokoa fa tsy ny fanabehazana.
(Addis_Ababa_Bole_International_Airport)
Ho any Etopia avokoa ireo ankolafy 4 @ 3,4 ary 5 novambra ho avy izao. Hifanasa vangy @ ady seza any indray ireto ngeza lahy eto amin'ny tanana. Tokony mba hijery ny vahoaka @ izay ary hahay hampadefitra ny ambom-po ny tsirairay fa tsy tia tena sy ho tia toerana lava ary tokony ho tsapan'izireo fa manadalo ny fiainana an-tany fa tsy ho tetezamita mandrakizay akory. Ny tsapan'ny maro aloa dia oe any ny amiraly no hifety ny 73 taony ka hahazo mofo mamy @ iretsy 3 lahy mianaka ary ve sa hahazo ny pasotolaka indray.

Manomboka memely ny delestazy any faritra maro manerana ny nosy ary ny rano sy ny jiro mihitsy no tapaka @ izay fa tsy vitany oe jiro ihany. Tany Maintirano ohatra dia nahafatesana olona 2 mihitsy izany tsy fisin'ny rano izany satria voatery matsaka eny @ renirano ny olona ka nisy ny maty an-drano t@ izany.

Miroso @ fitsarana ny blongana tsara indrindra (BOMBS) indray ny mpikirakira aterineto ankehitriny iza indray no handimby an'i ra-Jentlisa? za ve? lol. Ny hany tsikaritro fotsiny aloa hatreto dia latsa-danja be ny bolongana manoratra manotolo @ teny gasy asa mety misy antony manokana kosa angamba fa ny akamarony aloa dia @ teny vahiny avokoa no betsaka voatonona ao ho hita eo ihany ny fivoaran'ny fifaninanana fa izay mendrika no aoka hibata izany. Raha i news2dago manokana aloha dia ohatrany tsy hita tabilao mihitsy ny tontolo misy azy ao @ ilay fifaninana. Asa ratsy loatra angambany ny zavatra ataoko eto. LOL

tapitra.


Arabaina Fa Tratry Ny Fety

news2dago 14 Oktobra, 2009 09:50 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa ela tsy niblaogy ary efa saika adino ary ny oe tokony hamoaka lahatsoratra efa maro ny draft ato fa saingy tsy vitako h@ ny farany matetika ka dia manov hafa indray avy eo. Mety ho gaga angamba ianareo mahita io lohateny io fa dia faly aho mampandre anareo namana mpamaky ny blaogiko fa tsingeritaona-ko ny andro androany e! Efa antitra ny tena efa hananika ny efapolo indray izao. Efa mihamaro ny volo fotsy! lol

Tsy tafa-blaogy teo aloa teo fa sahirana mikarakara ny asa sy ny tokatrano e! aza tsiny fa maro ireo blaogy mahafinaritra azonareo vakina no sady mamoaka vaovao mahalina hatrany tsy hanonana anarana blaogy aho fa sao misy adinoko ka tezitra eo ny sasany tsy voalaza. Misy ihany ny vaovao fa saingy ny mampalahelo no betsaka ka aleoko tazomina ho ahy samirery aloha fa mbola tsy fotoana izao ny hitantarako azy aminareo.

Izay fa dia mankahery anareo rehetra dia mirary soa e! Samy ho tahin'Andriamanitra.

news2dago 

Tenenina Foana Fa Eeeee!

news2dago 26 Septambra, 2009 14:24 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Afabaraka ny filohan'ny tetezamita tany NY t@ fivoriana ara-potoana ny firenena mikambana. Indroa saika hisisika hitena mantsy ranamana kanjo sendra ny taolana tsy nahendry azy!!! na dia adala ary izy @ fijeriko. Efa fantatra fa misy ny romoromo momba ny nakana ny toerana mbola mitonatonana any @ ihany. Ilay SADC namavony taloha tokoa mantsy no namelaka tamaina azy havia sy havanana satria dia tena nalain'ireo baraka imaso imaso mihitsy oe hivoaka izahay raha miteny eo le io fa mpanongam-panjakana io.

Ny vahoaka tsy mandady arona indray no nanalana vokona androany satria dia nodarofana baomba indray ireo vahoaka efa leo azy @ ilay toetra FOZA ORANA. 


Mbola Hiblaogy Ve I news2dago?

news2dago 18 Septambra, 2009 08:10 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tsy mbola nisy fahasahiranana tahak'ity teo @ fiainako!!! Mihena ny fidiram-bola noho ny toe-draharaha eto @ firenena ny zavatra ilaina andavan'andro anefa midangana izay tsy izy. Ny ankizy tojo tsy fahasalamana tampoka ary midika avy hatrany izany fa famoaham-bola tsy ampoizina. Ny trosa isam-bolana anefa tsy maintsy aloha foana dia ny aterineto, ny finday sy ny fahitalavitra midina avy any @ zanam-bolana (TPS)... izay pitsopitsony tsy dia ilaina akory kanefa mba afaka nigalabona t@ izany ihany tany aloha tany. Misy akony @ fiainako andavan'andro mihitsy ny fidinan'ny sandam-bola malagasy 1€=3000 Ar ankehitriny. Miakatra aby ny vidin-javatra ary miakatra ihany koa ny saran'ny entana fanafatra toy ny solosaina sy ny finday...

Very fanahy mbola velona ihany ny tena ankehitriny mahita ity fiainana miha mikoroso fahana ny tena anefa mba nahita fianarana ihany fa tsy de oe olona nôfa be akory. Fa ny tena mampihaiky ahy dia mahita ny olona mbola manana tsirim-panantenana ihany @ izao fotoana izao ary rariny loatra kosa aloha izay e! Raha de samy hiraviravy tanana eto daholo kosa moa ve tsy de tena vita tompoko ny amin-dramalagasy e! 

Hany hery dia ny mionona @ izay anjara sisa tsy hisy mangirana ihany ve ao aorina ao e! Hany ka na ny hanoratra eto @ blaogy ary dia malaindaina izany tsy ny oe ny vaovao akory no tsy misy fa ny tena mihitsy no tena mbola mila maka aina kely mihitsy aloa mandinika tsara ny lala-kombana!!! 

Tapitra


Miorona Sahady Ny Tranobe Ny Mpitondra

news2dago 07 Septambra, 2009 14:58 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Trano miisa 12 be izao no lazain'ny olona fa an'i filohan'ny fat miorina eny ambatobe. 5 volana izy izay no nitondra atsokosoko ny firenena malagasy izay mivarina any an-kady kary ankehitriny ny harena kosa anefa dia niombo be tokoa nandeha mafy tokoa noho ny hafangainam-pandeha ny lamasinina TGV ny vola miditra any ampaosy. Tsy mahagaga raha mifikitra mafy eo fitondrana avokoa ny mpanao politika.

Ao ireo mividy trano any ivelany ao anatin'ny 3 volana monja hoy i Zafy albert izay dia efa vola be tsy toko tsy forohona no voaangona sy voahodina any @ kaonty n'izy ireo any ivelany any. Tsikaritra koa fa hita ho bolangina be sahady i Monja roindefo ankehitriny hita @ sary ao raha!!! Ny hafa moa dia misatila @ Toaregy sy 4x4 tsy mahita fangirifirina izany.

Tsy misy fitiavana tanindrazana izany eto fa fitiavan-tena no betsaka e! zay no tena marina. Mahaiza ary miary harena izay ho lanin'ny kalalao sy ny koroka ry mpanao politika isany fa ny vahoaka kosa dia avelao hiroaka ahitra any daholo rehefa very asa sy tsy misy ho hanina.

Tapitra


Mamely Ny Gripa

news2dago 02 Septambra, 2009 11:42 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tsy tazanatazana mihitsy aho tao ho ao izay fa tena repotra be mihitsy tsy tany maputo akory ka! Sahirana t@ papozy kely satria dia nanavy be ny sobiniaina ka voatery naiditra hopitaly!!! Hisaorana an'Andriamanitra aloha fa efa salama indray izy ankehitriny na dia voatery nasina serum 6 tavoangy aza. Mafy ny nanjo ontsa ny fo nahita ity tanana kely napidirana fanjaitra kanefa dia vonjy aina no natao koa dia nionona ny fo nankinina t@ Andriamanitra tokoa ny fitsaboana koa dia sitrana soa amatsara izy ankehitriny.

Tsy gripa H1N1 akory no nahazo azy fa gripa tsotra ihany fa somary mahery vaika kokoa ilay gripa @ izao fotoana izao ny lehibe moa afaka mitaraina marary rehefa misy ny manjo fa ny ankizy tena tsy misy hafatarana azy mihitsy oe tsy salama raha tsy izy efa nisy hafanana be. Sambany rahateo izahay mivady vao mba sendra zaza marary izany ka tsy hitanay izay ho raisina ka ny nikorapaka namojy hopitaly no masaka tao an-tsaina. Kay tena fepetra tsara no noraisinay satria dia nahavonjy tokoa.

Tsy maharam-baovao intsony aloha za tato ato izay fa mijerijery @ aterineto fotsiny tsy misy fotoana hamakiana loha @ fitiavan-tena dry zala koa a ny tena marina. Toa oe rava maina ny tany maputo no henoko farany dia midongy toerana i Rajoelina oe!!! Avelako kely aloha ianareo fa andeha hikarakara ankohonana aho aloa.

Tapitra


Vali-Tagy Ny Simplex

news2dago 19 Aogositra, 2009 13:18 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Io ny anao ra simp a! tena marina ve lety ity sa mba mampiresaka ry zalahy! lol

Mitovy @ Madonna sy Eddie Murphy zany ny ady kle ko

na koa le bandy kelity @ sary ahetsika 

Fehiny zany de mety bandy mahay mampime a zany no sady be resaka kanefa koa tsy mivakiloha.

Misaotra @ simplex nanome tagy

TAPITRA


Ho Matotra Ara-Politika Ve Rajoelina?

news2dago 13 Aogositra, 2009 07:27 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Vita ity ny sata hifehy ny tetezamita ary nosolon'izy 4 miralahy mianaka tena ny firehina misy teto madagasikara. Ny atony nisafidianana azy 4 miralahy moa dia noho izy ireo efa nifandimby nitondra ny repoblika fahatelo fa tsy inona akory dia i Zafy Albert - Ratsiraka Didier - Ravalomanana Marc - ( Andry Rajoelina) izay nitondra an-keriny ihany koa ny repoblika faha telo. Mazava ho azy fa lanim-bahoka ny filoha 3 miralahy ary mahasolotena ny vahoaka malagasy tsara satria samy nahazo ny atsasamanila ny mpifidy avy. Amiko dia tsy tokony hiteny intsony ny antoko politika hafa fa miditra any @ ireo firehana ireo fotsiny sisa dia any no tokoay hiady seza mafy.

Mora kokoa ny manendry ny olony eo @ ireo firehana telo ra8-zafy-deba mihoatra @ Rajoelina satria somary vitsivitsy ny mpitarika politika miara miasa aminy ankehitriny sahirana kosa ny eo @ ankolafiny TGV ankehitriny satria dia ady seza izay tsy misy toy izany no ao ankehitriny. Tsy mahagaga fa ao avokoa ireo goaky sy jiolahimboto politika mpanongam-panjakana gaigy lahy sy ny antoko tsy manana vahoaka fotsiny fa zara izy mpitarika fotsiny no fantatr'olona dia efa antoko politika izay. Ao koa ireo efa nitsapa vahoaka kanefa dia nalohan'ny vahoaka ka manery an-kolaka an'ingahy Andry Rajoelina @ fomba rehetra hanendreny azy @ toerana samy hafa hozaraina. 

Mazava hoazy fa maro ny tsy faly @ ity sata voasonia satria ho very seza koa fotonan'izao hanilihina ireo mpanao politika ireo toro hevitra ihany ny ahy raha mieritreritra ny mbola hanohy ny politika ingahy Andry Rajoelina ireo ihany mantsy no nanongana an'i Zafy sy ra8 t@ fotonany avy koa inona moa no hanaka an'i Andry Rajoelina tsy hanilika ireo olona mpitolona @ fitadiavan-tseza ireo? Aiza ve koa 10 Tapitrisa ariary be izao no takin-drizalaky t@ filohan'ny tetezamita ho tambin-karama!!! nefa ny vola efa kely sy fehezina. Mazava ny teniny namaly azireo t@ izay oe tsy manana an'izany homena anareo aho fa izay tsy hiaraka amiko mahazo mandeha!!! mandrak'ity anefa toa ireo mbola milafika ao daholo ry zalahy.

Faly mihitsy aho ankehitriny fa rava ity FAT ity satria dia mangoron-karena fotsiny no ataony tao ny lasa miliaridera tampoka t@ ireo mpanao politika ireo sy ny maro tsy ho voatanisa eto @ fitsetsefana ny volam-panjakana nefa vao 3 volana monja no teo. Dia Ravalomanana ihany no atao fahirano tsy avela hody eto mahagaga ihany ho an'ireo mpanaram-baovao ny fihetsika mamely mafy an'i Ravalomanana manahy mafy tsinona fa mety mbola ho lany izy @ fifidianana satria tena mbola tiany vahoaka izy h@ izao.

Hivoaka androany kosa ireo gadra politika raha tsy misy ny fiovana @ ora farany indray. Misy mantsy ny olona sasany dia faly hampitarazoka fotsiny an'ity raharaha iray ity. 

Tapitra 


Aoka Hifamela

news2dago 12 Aogositra, 2009 08:23 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Izay tsy nanota t@nareo no aoka hitoram-bato azy voalohany!!! Olombelona tokoa isika ka samy manana kilema ka tokony hahay hifamela heloka na toy inona na toy inona eloka mety ho vita ny namana t@tsika. Ary mazava ny teny ny Tompo nanao oe raha hivavaka ianao dia mandehana aloha mamitram-piavanana @ namanao!!! Miarahaba ny mpitarika ny firehana efatonta ny tenako t@ fahavitan'ilay fifanarahana tany Maputo farany teo. Niniko tsy nilaza hevitra mihitsy raha tsy tena nahita maso ilay sonia vita @ fifanarahana ny tena.

Mila fanetren-tena @ tsirairay io ka mila mahay mifandefitra sy mifamela heloka raha tena tiana ny hisiny fihavanana tena izy marina. Mazava ny tenin'ilay mgr Felix Ramananarivo evekan'Antsirabe nanao oe: "Fahavalom-pirenena izay mikiry manilikilika ny hafa tsy misy marina eto hoy izy ka tokony hahay hifamela"!!! Taratra anefa fa mbola misy fikizirana hanilika an'i Ravalomanana ny firehana Rajoelina ankehitriny mahagaga ihany raha ny seza no mahamaika ny sasany fa ny vahoaka very asa sy mijaly tsy rarahina mhitsy. Marihina fa Ravalomanana dia efa nanao veloma ny fitondrana tany maputo efa tantara sisa ny azy fa tetezamita isika izao koa inona indray no mbola hitsikafonana ny momba an-dRavalomanana aleo izy aloa haka aina any @ izay misy azy any. Tsipiteny ho an'ireto mpanohana an'i Rajoelina ireto izany.

May volo tratra tokoa matsy ry zalahy ka nanao sonia ny velirano fa tsy maintsy ho maro an'isa hono ao @ ilay fitondrana tetezamita. O leretsy e! Aoka izay ampy izay ny tomobotso ny vahoaka @ izay jerena. Hita taratra t@ ialy fandaharana tosa-kevitra omaly hariva tokoa fa tena manana hetaheta politika ny hifamela tokoa ny firehana telo dia Didier-Zafy-Marc t@ ilay ady hevitra. Niompana betsaka loatra t@ "amnistie" kosa ny firehana TGV!!! hany ka lsa fitodihina ny lasa foana ny ady hevitra fa tsy dia nisy loatra ny tena hevitra @ ny hitondrana ilay tetezamita.

Midika izany fa mbola tsy misy tanjona ny mpanao politika gasy fa mitanisa ny ratsy vita ny teo aloha fotsiny fa tsy mba misy ny fieritreretana ny ho avy. raha izao manokana ohatra ny ny hisorohana ny fahadisona natao ny mpitondra nifandemby taloha no mahamaika ahy ny hiarovana ny fanagonam-pahefana sy ny didin-jadona ary ny fanagonana harena diso tafahoatra. Ny Hananganana repoblika tsaratsara kokoa fa tsy ny oe hiverina sa tsy hiverina ra8 io anjaran'ny vahoaka kosa no mifidy an'io fa tsy tokony ho terena ny olona oe tsy mila an'itsy na izaroa.

Maivamaivana tokoa mantsy ankehitriny ny firehena telo tonta fa tsy ao intsony ireo goaika mpanongam-panjakana sy mpitady seza gaigy lahy rehetra. Mafy ny mahazo an'Ingahy Rajoelina ankehitriny hizara ny toerana ho azy ireo!!! Tsy maintsy misy tsy hahazo toerana mantsy @ ireo ka hitsikafona ho azy eo @ izay ny marina. Mahaiza mifamela hoa na hiongana @ seza ary!lol

tapitra.


Nirotsaka Ny Fanala Sa Ranomandry???

news2dago 05 Aogositra, 2009 11:25 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

No comment

Tany Antsirabe izao sary izao fa tsy taiza akory!

Tapitra

Jereo koa eto

 

 


Mbola Afaka Hiavana Ve Isika?

news2dago 25 Jolay, 2009 15:23 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Hoy ny soratra masina oe Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao!!! Tsy vitako izany satria izaho tsy maintsy ho tia tena foana! Izaho aloha vao ny hafa. Maika moa fa nanao ratsy ahy ny namako namadika, nanotra, nangalatra tamiko... Mbola lisitra lava be ny tohiny tena vao maika tsy vitako izany hifamela izany na hiavana.

Mandinika akaiky ny fiainana misy eto dago aho ka te hampatsiahy ny tsirairay oe mbola lavitra ny fanjakan'ny lanitra kay isika. Tsy hanavahako finoana io fa na katolika na protestanta na finoana hafa dia tokony handinin-tena oe aiza ho aiza ny misy ahy manoloana ny hafa. Tsy hanavahako ny mpitondra sy ny mpanohitra sy ny misabaka koa izany fa lasitra ireo amiko. Tsy mbola vitany koa izany.

Raha tsorina izany dia rava ny fihavanana malagasy. Tonga ny fisaraham-bazana ary tsy mety koa ny mifampiatsaravelatsihy e! Aleo ihany samy hitazona ny heviny hoy ny hafa. Dia eo mihodikodina eo e! Tsy misy raharsaha vanona fa ny eo ihany no eo. Lavitrin'ny afo ny kitay hoy isika izay...

Tohizako amin'ny manaraka ity aingam-panahy ity! Na koa rangahy tagger-ko nareo a! tohizo oe ito aingam-panahy ito fa ohatrany lasa nanao vakansy daholo ny mpanao blaogy tato ato izay.

mbola hitohy raha mazoto lisany...


Hetraketra-Paty (Fat) Ity!!!

news2dago 21 Jolay, 2009 09:52 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Misy olona ratsy saina eto @ firenena eto hosoram-potaka foana ny etsy @ magro sy ny mpitarika azy h@ izay. Lazaina fa nivarotra tanindrazana t@ daewoo, lazaina fa manompo sampy ihany koa dia napoitra daholo ireto sarin-javatra voasikotra isan-kazarany rehetra. Dia mitohy hatrany ny fanosoram-potaka hatramin'izao fa hoe mpampihorohoro hono ny zanak'i dada e! mahay manapoaka baomba tsy mipoaka ry zareo. LOL Tsy te ho any Adis abeba kay ny anao lahy dia foronona daholo izao rehetra izao. Soa fa ny marina tsy mba maty.

Hiverenako kely ny tantara indrindra ny seho t@ 7 febroary 2009 izay nanaovana sorona ny mpiara mpitolona hanosoram-potaka an'i ravalomanana ihany koa io. Misy ny porofo eo @ sary fa saika voatifitra avy aty afara avokoa ny ankamaron'ny maty t@ io tranga iray io. Ny ampitson'iny ihany moa i Ra8 dia efa nilaza fa hampanao famotorana irasam-pirenena. Raha tena tia ireo mpitolona ireo ny fat tokony efa vita izany famotorana izany mbola tsy misy anefa izany h@izao.

Novonoina ihany koa ireo mpitolona ny ara-dalana ny 28 marsa 2009 tetsy Ambohijatovo nisy ny maty t@ ireo mpitolona kanefa tsy hita ny razana t@ ireny fotoana ireny. Voalaza moa fa nitondra basy ireo mpitolona t@ izay ka mila ravaina ny fihetsehana. Dia efa fomba amapanao ity fanilihina andraikitra ity h@ izao. Nisy ny olana tsy manatsiny notifirin'ilay fiara 4x4 malza izay fa milisy kanefa tsy hita ihany koa izay tena marina t@ ireny mandrak'androany.

Farany izao dia ny baomba tsy mipoaka indray no fitaovana iray hanaovana ilay maritiora ny olona ary efa fatatra fa iza no kendrena sy ho melohina ho nanao izao fomba izao. Dia ny zanak'i dada izany. Raha izany anie no izy dia azo tsorina avy hatrany fa anjely ny mpitondra ankehitriny izany tsy mba misy loto mihitsy ny tanany fa madio be tsy misy tomika mihitsy na dia ny kely akory aza fa ny ankilany kosa dia olona mpamono olona mpanao sorona ny mpiara mitolona aminy sy mpangalatra ary mpanompo sampy. Dia hoy aho oe maninona ary no tsy mba nahazo fitahina avy any ambony ihany ilay fat h@ izao e! Ny marina tsy mba maty.

TAPITRA 


Hiakatra 700 Ar Ny Saran-Dalana

news2dago 17 Jolay, 2009 10:22 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Maro ny olona mampiasa ny fiara fitateram-bahoaka ary iarahana mahalala fa tsy ho takatra velively izany hande "frais" 700 Ariary izany. Mimenomenona mantsy ireo mpandraharaha @ ity sehatra ity fa miakatra ny kojakoja ny fiara no sady miakatra ihany koa ny solika. 300 Ariary moa izany sarany izany ankehitriny kanefa maro ireo mbola tsy mahatakatra izany. Ny olona lavitra fodiana no tena hijaly @ izy ity satria tsy maintsy mande betax fa tsy manan-tsafidy tsinona.

Mandry andriran'antsy kosa ny tokatrano eto andrenivohitra noho ny afitsoky ny jiolahy mitam-piadina mahery vaika satria dia mitety faritra mihitsy ireto farany mandromba. Saika isan'andro no ahenona hoe vaky indray ny tranon'i anona atsy dia toy izany hatrany. Ny mpitandro filaminana moa dia tena efa tsy misy hasiny intsony eo @ vahoaka noho izy ireo nanao fihetsika tsy dia miandany aminy loatra tato ato izay. Tsy ireo jiolahy tokoa no henjehina fa ny olona tsy manana fitaovana no aripaka.

Mbola tena ao anatin'ny fiandrasana ny valim-panadinana CEPE moa ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ankehitriny ary volaza fa anio no hivoaka ny vokatra. Tsy dia tomombana @ tokony izy moa ny fanadinana t@ ity taona ity noho ny lafiny politika tsy dia nilamina loatra ka semban-drahona ihany ireto mpianatra tsy afaka nianatra t@ tokony ho izy fa tapatapaka ny fianarana nandritra ny taom-pianarana. Na izany ary dia mirary soa ho an'ireto zandry sy zanaka manala fanadinana izahay na dia nataon'ny sasany sorona azy ireo. Ny zanak'ireo mpitondra tokoa mantsy dia tsy misy mianatra eto dago. Izany mantsy no atao oe fitiavan-tanidrazana

Tapitra


Nody Maina Satria Tsy Nahalala Fomba

news2dago 11 Jolay, 2009 09:24 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mbola mitsakotsako ny dia nitsefotra tany bruxelle ankehitriny ireo mpomba ny fat. Niakam-peo ery ilay mpanao gazety malaza iray izay ao @ radio tsy miankina iray nitambatamba mafy mihitsy ranamana nanenjika ireto mpamatsy vola!!! fotoana hono izao hanomezana lamosina azireo!!! sy hitodihina @ lalam-bola hafa. Dia hoy aho oe izany ve no antony andadizana any @ saodiana. Mora anie ny miteny sy manejika teny @ kianja ny 13 mai natao daholo izao fanamelohana rehetra izao kay rehefa tena mitondra ny baolina enao tsy hita akory izay apoaka.

Hany ka nanao fanambarana haingana omaly fa haroso ny fifidianana alohan'ny faran'ny taona ary hampanao fitsapan-kevimbahoaka koa hono @ volana septembra. Dia nanipy baolina ny anao lahy fa tsy zakany intsony ny tsindry mahazo azy ny vola tsy misy ho ampiasaina ny tena afabaraka eo @ tantara. Ny mpanao politika nanosika azy etsy andaniny samy manadio ny tenany ankehitriny. Taratra izany @ fihetsika sasany ataony eo ohatra i Rolland Ratsiraka izay mahazo vahana satria tsy mandray anjara mivantana @ tetezamita toy izany koa ny mpiakambana sasany ao @ fat. Misongadina @ ireny koa ingahy monja roindefo milaza fa mahazo maneho hevitra hono rehefa tsy manakorotana na koa ny oe tsara tohizana ihany ny dinidinika ambony latabatra. Mazava ho azy fa hilatsaka ireo @ fifidianana dia efa mizara ny vato e. Ry lahiniriko sy ny tariny koa tsy hanaiky eo.

Ny vahoaka etsy andaniny dia manara maso akaiky dia akaiky ny fanampahan-kevitra raisina. Ny mpanao politika sasany izay tena tsy ho lany sy tsy sahy mifanatrika @ vahoaka @ fifidianana no hany mbola manome vato mafana an'ity filoha ny fat ity ankehitriny maporisika azy hilatsaka sy manoro vohona hatrany. Diso fantatry ny olona izy ireo tsy mila tonona eto intsony. Hisy raharaha eto raha tena mangarahara ny fifidianana hatao. Satria mety hiverina eo ilay iraika lahy taloha hindramiko kely @ Rossy iny hira iny aloha hanesoko azy koa. Ho hita eo @ izay izay tena mbola mamim-bahoaka. Ary hanatra ho an'izay mikasa hanongam-panjakana ity nataon'i Andry Rajoelina sy ny forongony ity oe mila malala fomba fa tsy manadran-tena ho prezidà kanefa tsy lanim-bahoaka.

Tapitra. 


Lasa Biby Fampitahorana Ny HAT

news2dago 08 Jolay, 2009 13:52 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mahagaga fa isan'ny nanimba ny fitondrana hatrizay ity laza ratsy @ anarana ity. T@ andron'ny deba ohatra dia lazain'ny olona an'ny sophie daholo izay zavatra rehetra vaovao miorina dia miparitaka tokoa ilay vaovao izay tsaho ny tena marina tany amboalohany kanjo marina ihany aty aorina. Dia nandimby azy indray ny anaran'ny ingahy Ravalomanana dia nalaza be ihany koa t@ fotaoanadro ny oe an'i ra8 isty an'i ra8 iroa dia tena marina tokoa ilay izy taty aorina. Izao indray dia malaza ny Hat e! Ny olona @ ity farany fotsiny dia safobemantsina ilay izy tsy misy olontokana tena misongadina akory fa avy dia ataon'ny olona lasitra iray izy rehetra. Dia ny fanjakana iray manotolo izany. Malaza ankehitriny fa lasan'ny hat hono ny zao sy izao dia miandry izay fahamarinany aloha hatreto ho hita tsy ho ela ny valiny.

Manarak'izay dia mamofompofona fisamborana sy fanagadrana indray ity fitondrana ity ankehitriny manginy fotsiny ny hasorenana nahazo t@ ilay dihy nitsefotra tany Bruxelle farany teo dia tsy maintsy hiala vokona aty @ mpitolona ry zareo. Olona 11 nalaina ambavany 9 nalefa eny Tsiafahy voalaza fa kingalahy @ resaka fampihorohorona izy 9 mianadahy ireo ka nadoboka avokoa. Nampifandraisiny avy hatrany @ ireo mpitarika ny tolona ilay ketrika ka nalaina ambavany daholo ireo mpitaritolona rehetra ary azo antoka fa mety hiafara @ fanagadrana izy io. Voatonona h@ ny GTT any andafy ho mpiketrika ity fampihorohorona ity ka efa any ihany koa ny didy fampisamborana ho an'izireo. Tapaka hatreo ihany koa ny "update" ny blaogy ny gasytiatanindrazana!!! nanaraka ny topmada koa. 

Nahavory olona tokoa ilay nofokena mitampiavanana nataon'ingahy Rolland Ratsiraka t@ alahady lasa teo teny Atsonjombe. Ny azoko lazaina fotsiny dia ny oe tsy velom-komana ny merina ka mandadilady milahatra laoka iray sotrobe teny antsojombe!!! Tena efa tsy menatra intsony e. Dia mbola nanamafy ilay t@ 26 jiona nozaraina saina ny ankizy mpianatra no nozaraina fen'akoho iray sy arendrina ary menaka "vaky bal" ilay norombaina t@ 26 janoaray e!!!

Hivadika vaovao hafa indray aho. Nalefa mivantana t@ fahitalavitra vitsivitsy teto an-toerana ny fanomezam-boninahitra an'i Michael Jackson omaly alina. Toy izany koa ny lalao "coupe des confederations" tsy misy miraharaha izay piratazy sy "droit d'auteur" any intsony fa tonga de lasa izao e! Tsy maintsy mampifalifaly vahoaka @ lafiny rehetra tokoa e! rehefa tsy misy atokona ihany @ vola de mba omena izay azo omena aloha ny vahoaka. Nisy azy ery izay ny namako Jentlisa nahita ny lalao coupe des confederations h@ farany tsy toy ny t@ andron'i dada ô! lol Tsy nahasoratra mihitsy izy t@ ireny fotoana ireny!

Tapitra Jereo koa eto


Lasan'ny Fat Indray Ny Bizina Rehetra

news2dago 03 Jolay, 2009 09:27 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mitsitapitapy ny fahazoana vaovao ankehitriny satria dia an'ny fitondrana avokoa ny loharanom-baovao heno eto an-toerana miroso makany @ tena jadona tanteraka ny malagasy ankehitriny. Natsangan'ny fat ny FIS izay karazana herim-pamoretana mitovitovy ny FRS t@ repoblika voalohany sy ny RESEP t@ repoblika faharoa. Voalaza moa fa manejika jiolahy sy mpampihorohoro no tena asan'izy ity kanefa dia mahagaga ihany ny antony nanafarana helikôptera mpiady 20 avy any erôpa azontsika antsaina avy hatrany ny firenena hanome ireo fitaovana ireo.

Anisan'ny nanimba ny fitondran-dra8 ny nanagonany harena ho azy manokana. Tsy niandry ela kosa iretompitondra ao @ fat fa dia lasany avokoa ny bizina rehetra momban'ny ppn ilaina @ fiainana andavanandro. Kay ve fialonana zany no tena antony nanonganana an'i ra8 ra izany fa tsy dia tena fitiavan-taanindrazana akory. Afera be tokoa mantsy ny mamoaka entana eny @ ladoany any Toamasina ankehitriny ary lazaina fa zanak'i dada avokoa ireo mpanafatra entana ka tsy avoaka ny entany fa miandry an'i dada vao mivoaka. Dia voatery manao tsolotra e! Aiza enao ry bianco a? Sa tampina koa ny vava satria mena ambany ny mena koa.

Vokany dia karazana entana avy atsy maorisy no tena mitobaka eny antsena ankehitriny. Tsy misy tiako anefa ny tsiron'izy ireny fa ohatrany be sira izany ny dobera margarine! hafa ihany ny an'i dada e! izany tokoa ny oe ny zavatra tsy hita ihany no tadiavina e! Ny menaka moa dia misy karazany tokoa fa vita vahiny daholo e! tsy hay mihitsy izay tena niaviny fa dia hoanina fotsiny aloha fa tsy maintsy ilaina tsinona ka. Mbola matavy ihany koa ny fat @iny manginy fotsiny ny resaka vato sy bois de rose. Ny teo ihany no miverina e! indrisy.

Nofinofy avoka izany vary dimanjato sy menaka dimanjato sy roa izany e! Izay le oe resaka mora hatavezina e! adalan'izay mora voarebireby.

tapitra

jereo koa eto


Fety Manorisory Updated!!!

news2dago 26 Jiona, 2009 14:51 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa omaly aho no nanoratra fa tapaka foana ny aterineto! Manorisory mihitsy! lol  Vokany tsy nety lasa ny lahatsoratra. Dia indro soratako eto indray androany izy ity. Tsy nijery matso aho omaly tsy nanisy sira ny zavatra teny Iavoloha ihany koa mahagaga fa tsy mba nampiraika ahy mihitsy ny fetin'ny 26 jiona ity hatr@ izay nahatsiarovako saina e! Tsy misy hanenenako mihitsy izany ankehitriny satria zavatra saritsary fa tsy tena izy koa aleo tsy manana raha hanana ny ratsy.

Neleoko lavitra nijery ny "hommage" ny MJ tao @ M6 music. Nandeha tao daholo ireo clip nampalaza an'i Bambi nahatsiaro ny fahiny mihitsy nahita ireto dihy mihejankenjana "breakdance" e! Tany an-tsekoly tokoa fahiny dia mifampitsako an'ireny izahay de samy mba mifampipasy eo! lol Takona tanteraka izay fetin'ny fat tany. Manampetra ny zanak'olombelona ary tsy misy haharitra mandrakizay eto. Aza manao ratsy ihany.

Tapaka lalan-drà ihany koa ingahy Ralitera Etienne mpametraka galona ary tsabona eny @ hopitaly soavinandrina izay ankehitriny.

 

Tapitra! ny ambony eto ambany efa lahatsoratra t@ alakamisy. 

Voalohany aloha dia tsy nanagan-tsaina aho satria tsy hitako izay hanaganana saina @ izao raharaha mbola tsy milamina izao. Fetin'ny miaramila  hono ny  26 jiona fa tsy fetim-pirenena ka aleo izay vitainy irery ao ny fetiny. Marihiko etona fa tsy nisy miaramila sahy nanohitra mpanjanaka izany teto koa nahoana no izy no hisalovana ny tolona nataony ny mahery fo fahiny.

Faharoa manarak'izay dia nozaraina vola 16 miliary ny miaramila t@ fanonganam-panjakana natao hanambazana ireto mpitam-basy tsy mahay manavaka ny fahavalo sy ny mpivarotra tanidrazana. Mbola manafy ny teniko teo ihany izany oe fetin'ny miaramila izy ity fa tsy fetin'ny malagasy ka aleo vitainy irery ao ny azy.

Farany dia noterena mihitsy izay hanagana saina fa novaliko boraingina ilay mpiasa ny fokontany nanao oe: "Hatsangako io rehefa 500 Ar ny kilao ny vary ary 2500 Ar ny vidin'ny menaka". Mbola mandoalika @ vazaha ve haleotena e! Vita izay ny tagiko.

Hiverenako @ izay ny lohateniko. Sorena ny tena satria dia fanahinina tapahana ny lalana hitohanan'ny fiara sy hasomebiseby ny olona. Tapaka ny lalana mnolona ny gara soarano torak'izany ny etsy @ fiaro ampefiloha manolona ny shoprite io indrindra eny ampovon'ny arabe no atsangana ny lampihazo. Vokany dia mitohana be ny fiara ny lalana rehetra dia tery be avokoa. Inona ary ity hoy ny olona ohatrany fafinaretana ho an'ny sasany ny mahita ity fitohanana be lavareny ity.

Vao manomboka io oa fa mbola aiza rehefa ao aorina kely ao. Vao tsy ela akory izay mantsy no niakatra ny solika.

 


Tsy Nahetsika Ny Miaramila

news2dago 12 Jiona, 2009 08:54 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nivoaka tampoka tao @ magro ny olona ary namonjy an'Ambohijatovo tamim-pilaminana. Hira vavaka horakoraka sy siotsioka no heno nanakoako eran'ny tanana omaly nanomboka t@ 12 ora no nianga teo @ magro ary tany @ 3 ora tany vao tonga teny Ambohijatovo. Azo sary an-tsaina ny hamaron'ny olona. Ho avy @ ora tsy ampoizina koa i dada raha ny fahitako azy. 

 

sary vitsivitsy nangonina tany ho any! Ntsonale le zanak'i dada e! very lavitra ireo foza orana

 

 

Hipoka ambohijatovo!!! Miteny ho azy ny sary. Tapitra

Jereo koa  eto

 


Adinoko Tanteraka Ny Fetin'ny Reny

news2dago 08 Jiona, 2009 09:55 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena mafy loatra ny ady @ fianinana an-davanandro e! Ka asa na noho izay no nanadinoko ilay andro ho an'ny neny omaly. Hitako nalahelo mihitsy i madama omaly satria na dia efa teny iarana aza ny anay ny oe tsy mandany vola @ fety mihitsy aloha isika @ ty taona ity fa mbola tsy hay izay hofisehon'ny ampitso dia adiko ny niarahaba aza omaly. Repotra t@ fiomanana ny ho any ampiangonana  izahay ary mba niandry ahy hiarahaba izy kanjo indrisy!!! Ny antoandro avy nivavaka izahay vao niteny tamiko izy nanao oe:" Mba sambany aho vao lasa reny kanefa dia adinonao tanteraka" tena gina sy tsy nahateny ny anao lahy ary nitady hevitra hanarenana ny adisona.

Eny fa na dia ireo reny rehetra mpandalo eto @ blaogy koa ary dia adinoko ny nametra hafatra kely toy ny isan-taona miaraba azy ireo. Miala tsiny ry reto fa tena repotra mijery ny adin'i  tgv sy ra8 ka lasa tena ohatrany entana mavesatra mihitsy izy ity marina.

Koa dia faly miarahaba anareo reny rehetra ary miala tsiny na somary tara aza.

jereo koa eto

 


Bacc Baoritra Ny @Ty Taona Ity

news2dago 04 Jiona, 2009 13:36 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mande ny feo eo anivon'ireo mpampianatra fa terena ry zareo hanome isa tsara ny mpianatra rehetra manala fanadinam-panjakana @ ity taona ity. tsy mijery izay votoatiny sy ny fahaizana ny mpampianatra rehefa mitsara ny fanadianana fa kosa ny "présentation" ihany no tsaraina ary tonga dia afahana avy hatrany izay mpianatra mahay mikajy ny taratasim-panadianana.

(raha ny marina diatokony higadra koa ilay nanodina ity fiaramanididina ity)

Tsy misy kosa anefa ny tambin-karama omena ireto mpampianatra mampanao "cours" ireto. Dia inona moa izany fa tsy dia tonga @ ilay fitenenana oe "bacc" baoritra izany no ho zaraina maimaim-poana @ ty izay tsy afaka kosa dia mety oe légalisite ny ray aman-dreny angamba na misy oe Raveloson ny anarana. lol Simbaina mihitsy ny taranaka malagasy e! izay no hita sy tsapa @ izao fotoana izao.

Nahafaly ny malagasy kosa ny fahavoazana mahazo ny frantsay ankehitriny na eo @ lafiny baolina kitra resy ny nigeria 1 sy zero na eo @ tennis lavo t@ 1/4 i Monfils G. na ny lafiny fitanterana toy ny nahazo ilay sidina AF 447 farany teo iny ary dia misy ny olona tsy oe mandatsa akory fa miteny oe ratsy toetra laotra ireto vazaha frantsay ireto ka valin'Andriamanitra @ zavatra tsy ampoiziny avy eo ary maharary azy mihitsy izany kapoka izany. Eo indray ny sasany miteny oe naninona ary tsy ilay sidina nitondra ny fat no nidoboka faty tany. Tsy anjaratsika no mandahatra fa voalahatra kosa anefa isika e. 

Eo ampiandrasa ny mpampandry tany sy izay mety ho mpikarama an'ady ho avy izay nampanantenain'ny filoha ravalomanana kosa dia notsarain'ny fitsarana higadra 4 taona sazy mihatra ny tenany. Nividy Air force II moa no fahotana nahafaty nataony ka izay no sazy omena azy @izany. Dia manotany tena ny mpanaram-baovao manao oe mbola maro koa ny higadra reheva rava ny fat satria vao tsy ela akory dia vola be 10.000€ no nolaniana indray alina fotsiny tany frantsa tany. Ary inona hoy ianareo no mba zestiavana aty @ mpijery dia ny oe na Ravalomanana aza mbola tsy nanitsaka izany toerana izany!!! 

Anjaratsika ny mieritreritra oe iza no basin'arifito @ izany.

 


Raiso Ary Ny Basy Rehefa Tsy Hidinika

news2dago 25 Mey, 2009 10:13 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Miala tsiny @nareo mpamaky ny blongako aloha aho androany fa somary hivatam-batana kely. Tato ato mantsy dia tsapa mihitsy fa tena mitombo indray ny isan'ny mpanohana ny ara-dalàna ka angamba noho ny fahatsapana an'io no nahatonga an'i Ra8 hanampan-kevitra ny oe tsy mila manao "négociation" any intsony raha tsy miverina @ ara-dalàna.

 

Nanaitra ahy ihany koa ny "interview" nataon'i dada tao @ aljazira nanao oe misy "option" roa hoy izy ny amahana izao olana izao na miroso @ dinika na miroso @ ady raha ilaina izany. Mbola maro mantsy hoy izy ny miaramila manohana azy fa eo @ 200 eo ihany ny mpikomy aminy!!! Tsy nilaza mivantana moa izy fa hevitro manokana io @ fandraisako ilay "inteview".

Raha zohina izany dia tonga eo @ ilay tsy azo anoharana intsony isika ka angamba tonga @ itsy "option" faharoa itsy isika ankehitriny. Tsy mora anefa izany zavatra izany fa tsy maintsy be ny ho faty eo na ny andaniny na ny ankilany ary na izahay manoratra izao aza mety ho taraiky eo ihany koa satria ny bala tsy mifidy asina izany fa izay tolorana azy dia ravainy avokoa.

Antony hafa ihany koa no mbola hanindriko an'io lohateny io satria dia ao @ lozikan-javatra mihitsy izany e! rehefa tsy hiroso @ "ady hevitra" dia tsy maintsy "ady @ basy" no atao tsy hitako mantsy izay karazana ady hafa azo mbola atao akaotr'ireo. Na hisy fifidianana  ary eo rahampitso dia tsy hanaiky eo mihitsy izay resy raha izao moko-doha ny andaniny sy ny ankilany izao no jerena. 

Jereo koa eto


FAT Miraparapa

news2dago 22 Mey, 2009 09:50 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia tena tsy mahalala izay ahafaty azy mihitsy ity fanjakana "fôpla" ity tsy vao ela akory izay no nandrahoana ny ambasadaoro amerikanina ry zalahy oe tsy tokony hitsabatsabaka ny raharaha tokatrano ny malagasy.

 

Ny ampitson'iny ihany dia efa namaly bontana ny amerikanina ka tapaka ahtreo ny MCA, ny AGOA sy ny ECBM ary ny famantsim-bola maro mihoatra ny 100 tapitrisa $ ny vola tsy ho azon'ny malagasy intsony.

(sary midi omeko 3 volana ny Fat raha tsy izay dia sazina mafy)

Dia ny maty eritreritra moa dia milaza ihany fa tsy tokony hiantehatra foana @ fanampiana koa isika malagasy. Koa inona moa ny olana raha mahavita tena. Saingy hoy aho tsindriko tsara mihitsy oe "saingy" tsy mahavita tena isika fa miankin-doha foana e! Zao izy ity mangataka any @ saodiana any @ italiana sy ny arabo ankehitriny. Kanefa mbola tsy izao dia izao koa ny vola azo amin'ireny. Ny vola ny hotely nipetrahan'ilay saodianana aza mbola tsy voaloha koa inona ny vola be antenaina aminy eo.

Nikatra ny vidin'ny lasatsy niakatra ihany koa ny lafarina ary lasa 500.000 fmg ny iray lasaka. Tapitra sahady ilay mana avy any an-danitra nomena ny malagasy 2500 Ar dia ilay menaka an'ny orinasa Tiko nalaina ankeriny ary namidy mirary tsy naharitra anefa ilay izy fa vonjy tavanandro dia toy izany daholo ny fanampahan-kevitra noraisiny hatramin'izao.

Modina tsy hita ny kere any atsimo @ izao fotoana izao efa tafakatra 700 Ar ny kapoaka ny vary maro ny tsy homan-kanina ary tsy mahagaga izany satria maina iny faritra iny. Tsy hita anefa izay fepetra noraisina h@ izao. Tsy mila mikoropaka @ ireo olona ireo koa fa tsy maharava fanjakana ireo na hitabataba eo ary. Aleo ny eto Antananarivo ihany aloha no fitahina sy lambolambona @ kabary tsara lahatra.

Androany zao dia notapohona fotsiny oe tsy miasa fa "pont" dia t@ ity aho re olona vao nahatsapa sy nahatsikaritra fa sorena ny olona tsy nasaina niasa a!!! Eo ny nimenomenona oe manapoka eo kosa ny milaza fa tokony efa t@ alarobia dia nolazaina oe tsy miasa @ zoma sy ny sisa.

Etsy andanin'izay dia miahiahy ny miaramila ka nohamafisina ny fiambenana ny toby RM1 sy ny sisintany rehetra. Dia manontany tena aho manao oe dia inona tokoa moa ny ho vitan'ireo miaramila ireo raha tena misy tokoa ny fanafihana avy any ivelany.Tena varina any zavatra tsy misy antony mihitsy ity fitondrana Fat ity. Kanefa ny douane ary ity mikorotana ambony ambany.

JEREO KOA ETO


Mizesta No Betsaka

news2dago 19 Mey, 2009 10:46 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tatanta 4x4 daholo ny mambra ao @ HAT ankehitriny nofinofy izay oe hiaraka ory @ vahoaka izany. Ny fiainana tsy maintsy mba hatsaraina kokoa noho ny teo aloha inona tokoa moa no namonona tena hitolona raha tsy misy tombotsoa kendrena ao.

 

Toareg no azon'ingahy sareraka @ na miliara ny vidiny ankehitriny satria efa nitotongana ny ariary!!! Tsy misy nomerao moa itony fiara tsy matahon-dalana itony fa soratra mivandravandra be oe "HAT" no hita eo @ ilay takelaka. Jenitra ery ry zalahy mikodidia @ arabe feno lavaka ary angamba ninina tsy tsetsemana intsony ny arabe mba afahan'ny option ny fiara mba miasa.

  (Oh izao mihitsy ny fiaran-drizala fa miloko manga fotsiny)

Dia torak'izany ny santionan'ny fiadanana ho an'ireto mpitantana ny tetezamita vonjimaika ireto. Ny capsat moa dia efa mampivonto fo ny mahita azy mandendeha @ minibus vaovao be sy 4x4 maromaro ihany koa matetika dia misarontava ry zalahy tsy sahy miseho vahoaka tokoa sao dia misy mahakobo eo rehefa tsy miasa angamba (mba mianatra ny morsa an'i simplex aloha! lol).

Tsy misy mahalala izay dinidinika natao t@ kadhafi koa moa ny rehetra tsy nisy nanatrika tany fa ny lovatsofina no mba heno @ loaranom-baovao mitongilana t@ fahitalavitra iray eto an-drenivohitra manao oe "manomboka misokatra hono ny fahatokisan'ny any ivelany ny FAT". Nony injay anefa milomano kely @ tranokala dia hita ny vaovao marina fa kay baombina indray ilay resaka vohizina eto Madagasikara.

Etsy andanin'izay dia fadiranovana ny vahoaka tsy mahita izay hatao intsony. Ary matetika tena leo politika tsy misy manaraka vaovao izany intsony ny akamaron'ny olona tsy misy mpijery intsony izany TVM sy Tv+ na Viva izany aleon'ny olona mijery ny Matv sy Otv izay mba hany mamoaka ny vaovao marolafy sy tsy dia miandany loatra @ lafiny iray. Tena leo ny olona ny tena marina vaovao tokana ihany tokoa moa inona intsony no maha vaovao azy. Lasa fandokafana be fahatany ny Fat ny vaovao ao @ TVM sy ny viva. Dia gaga koa ary aho fa saika mba hamatrapatratra tao @ forum ny madagate.com ny tsy fahatoavako an'ity FAT FAT ity indrisy fa nesoriny ny forum e! Izany no midika fa tsy mahatanty kianina ry zalahy ireto fa mahay manakiana sy manasoketa ny hafa fotsiny anefa. 

Mbola tsy fantatra izay zavatra hitranga rahampitso tsy misy mahalala afa tsy ny any ambony ihany. Maro be anefa ireo mailaka voaray mampioro-koditra ny ankamarony raha sanatria ka tena tonga tokoa ny tokoa. Mivavaka mafy mba tsy ho tanteraka io asa ratsy handriampahana foko eto madagasikara io. Mino aho fa mety efa nisy nahazo an'io koa ny maro amintsika angamba.

JEREO KOA ETO   


Tsy Avela Hilatsaka Intsony I Ra8

news2dago 14 Mey, 2009 07:28 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Miketrika mihitsy izay no azo hilazana an'ilaikely milaza ho filoha ambony ny tetezamita ity.

(sary madanight)

Miketrika mantsy ry zalahy ny tsy hafahan'ny filoha ravalomanana hilatsaka intsony satria mazava ho azy fa mbola mamim-bahoaka izy na maro koa ary ireo tsy tia azy tsy azo lavina izany. Koa raha io lafiny iray io no jerena dia tsy hilamina mihitsy ity disadisa ity raha tsy oe mikipy angamba ny mason-dRavalomanana na hivantanako oe rehefa maty izy vao tsy afaka milatsaka intsony.

(Mbola tsy ao aloha madagasikara fa mety ho avy tsy ho ela koa)

Fa ny fanotaniana mipetraka ihany koa dia oe i lafrantsa mihitsy kay no miketrika izany @ fomba rehetra any ambadikin'ny kianja any. Dia tena tsy mahay mipetraka mihitsy ry zalahy ireo koa efa mampijaly vahoaka sy nandripaka ny harena dia mbola baikona ihany koa ny fitantanana ny firenena. Dia ao revo ao daholo ireo marivo salosana mianakavy.



Omeko tsiny ihany koa ny foko merina satria dia: "ory havamanana" sy tia tena avokoa ka mifandrirotra sy tsy mahay mifanampy sy mifanohana fa manimba ilay fihavanana. Tsy mahagaga raha izao ny vokany. Tsy tiana ery Ravalomanana fa lazaina oe mangoron-karena kanefa dia "Gasy-Merina-Tambanivohitra" hany mba tafita sy nahavita nanangana orinasa Tiko tsy mena mitahy @ any ivelany talohan'ny maha filoha azy marihiko tsara fa efa nanam-bola izy vao niakatra teo. Firy @ ireo manodidina ny FAT ireo moa no mba nahavita nanangana orinasa iray mamahana fianakavina mihoatra ny arivo??? Tsy ny Viva na ny Injet aloha e! 

  (sary madanight)

Izaho ahy ity magasihasy maheno fa omena ny saodiana hono ny famokarana ny "agro-alimentaire" sy ny fanafarana vary sy ny PPN... Dia aleo loa toy injay an-kavana e! Rehefa ny vahiny no manambola eto @ tanin'ny malagasy dia tsy mamampaninona ny rehetra fa rehefa ny gasy dia dory daholo ny fananan'ilehio fa miseho manan-karena be eo io. Mbola ho ela isika vao ho tafavoaka e! satria dia tsy ho isan'ny mpanam-bola intsony izany ny zanaka malagasy rehefa tsy ao anatin'ny klioba ny be sôsy izay mankasitraka ny reny malala. Fantatsika daholo oe iza avy ireo klioba ny be sôsy ireo.

Ny mampalahelo koa dia ity ilay rafi-mpampianarana novolavolaina teo izay nikendry manokana ireo zanaka tantsaha izay no tanjona voalohany dia ny ho afaka CEPE ary andiha ny CEG ka io no isan'ny nanosika ny fanjakana hanalava ny rafitra ho fito taona ny ambaratonga voalohany dia indrisy fa hijanona @ io farim-pahaizana io ihany raha mba saika hiakatra kely ho kilasy fahenina sy fahafito izy ireo ary nokasaina ny hifehy ny tenim-pirenena telo dia ny teny anglisy sy ny teny frantsay ary ny malagasy dia lasa nofinofy izany sisa ankehitriny. Misy mantsy mihevitra fa tsy azo ambakaina intsony ireo raha vao mahita fianarana eo. Ratsy saina isika malagasy e. Hitsara eto ihany ny tantara.

JEREO IHANY KOA ATO


Potika Ny Firenena Malagasy

news2dago 09 Mey, 2009 08:36 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Milentika andro aman'alina ny toe-karena malagasy tsapa izany @ fitotongan'ny sandan'ny Ariary ankehitriny. Mbola maro koa ny asa ho very @ taona ho avy io satria ho foanana tsy ahazo ny tombotsoa ao @ AGOA ny orinasa afa-kaba malagasy. Raha mbola eo ny FAT dia milentika isan'andro io toe-karena io.

 

Ny olana dia ity tsy mahatsapa izany ny filohan'ny tetezamita ankehitriny fa manao beloha foana ary manakiana ny fitondrana t@ andron'ny ra8 ihany no ambetin-dresany mampatsiahy ahy fahiny t@ andron'ny Zafy nanakiana hatrany ny fitondran-dratsiraka. Ho lany andro eto isika raha hitanisa ny lasa eto tsy mahagaga izany satria tsy hitan'ny mpitondra ankehitriny izay ametrahany ny tongony. Izao ilay tonga @ ilay fiteny oe mitady raharaha ohatran'i Irainizafilemena.

Mitohy ny tolona ataon'ny mpanohana ny ara-dalana ka etsy @ magro ankorondrano no manao ny hetsika ry zareo ankehitriny. Mitaky ny hirosana any @ tetezamita hifanarahan'ny rehetra moa ny tolona ankehitriny ka miverina ho filoha avokoa ireo prezida efa lanim-bahoaka nandritra ny repoblika fahatelo satria samy nahongana t@ tsy rariny avokoa izy telo ireo hoy Alain Andremiseza ka samy miaraka mitondra izy @ izao tetezamita izao. Ravaina kosa ny FAT fa hifarombonan'ny rehetra ny tetezamita ka mety hijoro ny governemanta tena tetezamita hamolavola ny lalam-panorenana any @ repoblika fahaefatra sy ny fifidianana ny ho filoha.

  (filoha vaovao ao afrika atsimo)

Nasain'ny filoha afrikanina tatsimo kosa ny filoha Ravalomanana hanatrika ny lanonana handraisany ny fahefana androany asabotsy 9 mai. Mety ho tezitra @ io indray izao ny sasany. lol

Jereo koa eto

Ity koa misy lahatsoratra nahaliana ahy nalaiko tao @ gazety tribune

Selon des sources différentes mais concordantes, il semble que la voix de la Raison va quand même finir par primer au sein de nos politiciens. Des évolutions majeures sont attendues, sans doute d’ici le milieu de la semaine prochaine. Suite à des pourparlers, une Convention serait en passe d’être signée, d’une part entre les trois Chefs d’État légalement élus (Zafy, Ratsiraka, Ravalomanana) ou leurs représentants officiels, et d’autre part le putschiste Rajoelina. Un peu à l’image de la Convention de Panorama, cet accord va organiser la gestion de la transition avec un partage du pouvoir exécutif.

Cela risque toutefois d’impliquer une explosion du nombre de postes à la Haute autorité de transition (HAT) pour caser tout le monde, car on voit mal les gloutons arrivistes de cette institution accepter de quitter leurs postes à quatre millions d’ariary mensuels pour laisser la place à d’autres : le fitiavan-tanindrazana n’a toujours été qu’une litanie creuse chez les politiciens Malgaches. Dans le même ordre d’idée, on se demande également si le Premier ministre de la transition va accepter de quitter Mahazoarivo, lui qui prétend avoir le soutien inconditionnel de tout le Grand Sud, malgré les 40 voix monja ihany qu’il a obtenues en tout et pour tout dans tout Madagascar lors des dernières présidentielles il y a deux ans.
Faire d’abord, refléchir après

La rédaction de Tribune.com s’était permis de donner son point de vue dans certains éditoriaux depuis deux mois : la seule solution possible de sortie de crise sereine passe par l’adhésion de toutes les forces politiques sur une transition consensuelle, et pour son propre intérêt, Marc Ravalomanana est pour le moment très bien là où il est. La Convention doit cependant impliquer l’équipe qui lui est restée fidèle, à défaut du principal concerné : il doit être souligné qu’il ne s’agit pas ici de ceux qui se sont empressés de retourner leur veste et leur caleçon. Ce n’est donc pas Jacques Sylla et sa bande de caméléons politiques qui devraient encore prétendre porter l’étendard de l’ancien Président.

A peu de choses près, cette solution de transition consensuelle est également ce que le groupe de contact réuni le 30 Avril dernier à Addis-Abeba a demandé. La solution existe donc, mais c’est la volonté de l’appliquer de part et d’autre qui manquait : qu’on arrête donc une bonne fois pour toutes de demander aux éditorialistes de Tribune.com d’en proposer encore de nouvelles ! Notons également que le retour de Marc Ravalomanana ne semble plus envisagé comme impératif, sauf par une poignée d’irréductibles. Une fois encore, ce retour est illusoire et peu nécessaire dans le cadre de la sortie de crise, la réalité du terrain rendant impossible le retour au statu quo ante du 17 Mars 2009.

Les principaux belligérants seraient donc prêts à quitter l’extrémisme de leurs positions respectives et faire des concessions. En effet, la crise tourne en rond : Marc Ravalomanana est un Chef d’État sans pouvoir, et Andry Rajoelina, un Chef au pouvoir sans État. L’un est en exil, et ne maitrise plus rien : il aurait même demandé l’asile politique en Afrique du sud. L’autre est à Ambohitsirohitra, mais n’arrive pas à créer l’adhésion nationale. De plus, Rajoelina est de plus en plus affaibli, isolé et transparent au milieu de la clique de dinosaures et de rapaces dont il s’est entouré pour réussir son coup d’Etat, et qui commence à n’en faire qu’à sa tête. Faire d’abord, réfléchir ensuite : c’est la caractéristique même de l’immaturité. Il n’est donc pas étonnant que les législateurs depuis 1960 aient placé le seuil de 40 ans pour pouvoir se porter candidat aux présidentielles.
La junte des adjudants ?

Et si MM. Ravalomanana et Rajoelina se sont rendus à la Raison, c’est parce qu’ils ont enfin compris que l’arrogance de l’un et le manque de scrupules de l’autre ont mené la Grande Ile au bord du gouffre. Malgré les apparences, il ne semble toutefois pas qu’il y ait une victoire franche dans la situation, car en l’état actuel des choses, ni Marc Ravalomanana ni Andry Rajoelina ne pourraient bénéficier de la sérénité nécessaire pour diriger le pays. Les légalistes sont encore nombreux, même s’ils sont pour la plupart silencieux et inactifs. Pas de vainqueur donc, mais un grand perdant : le pays. L’armée est tellement incontrôlable qu’elle est devenue une menace grandissante au lieu d’être une sécurité rassurante. Cité par nos confrères de Midi-Madagasikara, un adjudant aurait déclaré « Quand nous agissons, personne ne peut nous empêcher ni nous donner des ordres, même le président de la HAT Andry Rajoelina ». Au moins les choses sont claires, et on sait maintenant qui commande qui. Derrière la révolte des colonels, y a-t-il la junte des adjudants ?

La principale raison qui oblige les auteurs du coup d’Etat à fléchir est la catastrophe économique qui s’annonce, et qui fait qu’ils ont besoin de l’aide internationale. Nous avions tenté d’alerter, en vain, sur l’impact économique de la crise : trop souvent, les entreprises sont les otages et les victimes de politiciens sans scrupules. Le gel de l’aide budgétaire du fait des flous de la gouvernance de Marc Ravalomanana, s’est poursuivi avec le coup d’Etat. Le budget de l’Etat, financé à 75% par les bailleurs de fonds, est exsangue. Et malgré les déclarations rassurantes de Benja Razafimahaleo, c’est la panique devant la dégringolade de l’Ariary, qui illustre le peu de confiance des milieux financiers envers le Gouvernement de transition actuel.

Et ici, nous nous posons la question : comment un chef d’entreprise qui se prétendait brillant comme Andry Rajoelina, n’a pas compris qu’une crise politique dans le contexte mondial de crise financière mènerait immanquablement l’économie Malgache à la catastrophe ? Faire d’abord au rythme TGV, réfléchir ensuite à l’allure d’un train à vapeur… Vu ce manque de vista manifeste du jeune Rajoelina, on se demande si la prestigieuse BNI n’attribue pas quelquefois son trophée du meilleur jeune entrepreneur de Madagascar par le biais d’enveloppes-surprise. Il est vrai que quand on compte parmi ses conseillers Alain Ramaroson, on ne doit pas s’étonner de tels résultats calamiteux : on se souvient de l’influence néfaste de cet individu sur le Président Zafy, avec le résultat que l’on sait.
Besoin pressant

Dia mangataka re tompoko o
Mangataka re tompoko o,
Rahampitso aho ho any Lybie
Rahafak’ampitso ho any Algérie,
Dia hangataka amin’i Chadli
Dia hangataka amin’i Khadafi...

Ainsi se moquait Sareraka des sempiternelles quémandes d’aide internationale de Didier Ratsiraka lors de la Seconde République. Maintenant qu’il est devenu membre de la HAT, va-t-il conseiller la même démarche à son patron ?

Car la Haute autorité de transition (HAT) a un besoin pressant de liquidités. Pour parler clair, le boycott économique de la communauté internationale (excepté la France) a été suffisamment efficace pour obliger les auteurs du coup d’Etat à comprendre enfin que leur nombril velu n’était pas le centre du monde, et qu’ils devaient négocier. Certains ont sans doute cru avec naïveté qu’ils pourraient imposer le coup d’Etat sans que la communauté internationale n’aie son mot à dire : comme un vulgaire bandit de grand chemin, cela équivaudrait à dire « vazaha, paye et tais-toi ». Et la loi des fusils (et donc de la jungle) n’est efficace que devant les foules désarmées. Mais quand on va commencer à parler de choses qui nécessitent un peu de neurones, c’est le dollar (ou l’euro) qui devient la langue officielle. La catastrophe humanitaire qui risque de survenir dans le Sud nécessite également l’union nationale et l’aide internationale : ce ne sont pas les balles de kalachnikov qu’on va donner à manger à nos compatriotes, alors que c’est grosso modo tout ce que Monja Roindefo a montré avoir à sa disposition. Coincidence étrange : après la crise de 1991 et au moment de l’entrée en fonctions de la Haute autorité de l’Etat pour la période de transition, le Sud a aussi connu un grand kere (famine).

Outre la question des pourparlers avec le TIM véritable (pas le TIM défroqué), le respect des droits de l’homme est aussi un moyen de pression que la communauté internationale doit utiliser comme argument avant d’ouvrir les cordons de ses bourses et de sa reconnaissance. Les violations à Madagascar commencent à être enfin à l’ordre du jour des préoccupations internationales. Cette semaine, le bureau des Nations unies de Genève a dépêché un expert des droits de l’homme pour rencontrer le Colonel Rakotonandrasana, ancien chef des mutins devenu Ministre des Forces armées. Il est extrêmement important que l’armée se ressaisisse, d’une part pour assainir le climat politique, permettre une sortie de crise, et aussi pour ne pas nuire davantage à l’image calamiteuse qu’elle a donné des débuts du pouvoir de transition. Mais force est de se demander également si, en son for intérieur, l’armée a envie de sortir de cette crise dans laquelle elle peut se permettre de prendre ses aises. De plus une sortie de crise devrait logiquement se traduire pour certains par un passage devant une cour martiale. Qui n’a pas vu (entre autres ignominies durant cette crise) les images de ce sombre idiot botter courageusement à plusieurs reprises le postérieur d’un colonel sans défense lors de l’arrestation de Manandafy au Carlton.

De tels spectacles ont contribué à discréditer et affaiblir le pouvoir de transition, en rendant l’oreille de la communauté internationale plus attentive aux légalistes. Mais de manière générale, la population est plus que lasse de ce conflit politique mené au nom de l’ambition dévorante de Rajoelina, et favorisée par les bêtises mégalomaniques de Marc Ravalomanana. N’importe quelle sortie de crise est donc la bienvenue, tant qu’elle ramène la paix civile et un environnement serein. Cependant, on se demande comment vont-ils gérer les sujets qui fâchent : la direction de la transition, la direction du Gouvernement d’union nationale, l’amnistie. Et comme cadeau de bienvenue, la question épineuse des ex-mutins. Face à tous ces challenges, même un chinois s’y casserait la tête. Ce sont en fait les mêmes points qui ont fait coincer les discussions au Hintsy ou à Ambohibao. Depuis Janvier, combien de fois n’a-t-on pas annoncé l’imminence d’un accord, avant de se rendre à l’évidence que c’était un mirage. Les mots les plus beaux, même quand ils disent « je t’aime », sonnent creux sans les actes.

La signature d’un accord sera un premier pas, mais ne garantit pas que tout va s’arranger tout de suite. La cohabitation sera nécessairement difficile du fait des rancoeurs, et toutes les périodes pré-électorales risquent d’aviver les tensions. Et surtout, la route vers l’Enfer est, dit-on, pavée des meilleures intentions : attendons donc de voir la Convention signée avant de sabrer le champagne, du moins pour ceux qui en ont encore avec cette crise. Les autres se contenteront de ranovola.

----

Post – scriptum
J’imagine déjà une certaine forumiste au cerveau mal irrigué s’agiter frénétiquement sur son clavier et s’exclamer avec ferveur « hay hanaiky ihany fa resy ianareo TIM – MFM ». D’autres pourraient également écrire « aza kiviana ny vahoaka, tsy maintsy miverina ny Dadanay ». Pour éviter des commentaires superflus, il est donc utile de rappeler que :
(a) Etre par principe légaliste et anti-coup d’Etat ne signifie pas nécessairement être TIM, MFM, ou pro-Ravalomanana....
(b) Critiquer Rajoelina n’interdit pas de critiquer Ravalomanana. Ce n’est pas un retournement de veste, mais de la lucidité.
(c) Critiquer en même temps Ravalomanana et Rajoelina ne siginifie pas qu’on est pro-Rajaonarivelo
(d) Arriver à régner sur le terrain ne signifie pas être respectable : Al Capone était le maitre de Chicago, le fou Néron était empereur de Rome, et Mugabe dirige le Zimbabwe : cela n’en a jamais fait des personnes dignes d’estime.


Mitohy Ny Daroka Ataon'ny HAT

news2dago 06 Mey, 2009 08:04 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mijaly ny mpitarika ny ara-dalana ary saika niafina avokoa izy ireo ankehitriny tsy omena tsiny ry zalahy fa efa mihatra aman'aina tokoa ny famonoana sy ny fisamborana ka aleo aloha maka saina tsara ka tsy hanindry ny fietanam-po be loatra aloha hatreto.

 

Vao omaly ny omaly izao no saika nosamborina ihany koa i Vola Dieu Donné Razafindralambo raha tsy nisy ilay lietna niteny mialoha an'i ingahy Vola Dieu Donné dia taraiky tao koa ranamana omaly. Hatreo moa dia tsy nisy mpitarika intsony ireto vahoaka ireto ka asa izao izay ho tohiny ny tolona. Ny radio mada efa mangina tanteraka noho ny fisamborana an'i Evariste Ramanatsoavina afak'omaly ihany koa. 

Diso tetika ihany ireto mpanao jadona ireto satria tsy ny fisamborana sy ny famonoana anie no ahafahana miazona fahefana. Etsy andan'in'izay kosa anefa dia very fanahy mbola velona ny mpanohana an'i Ravalomanana satria tena tapidalan-kaleha mihitsy ankehitriny. Ny maro moa dia milaza fa izao fihetsika izao no tokony natao t@ ireto mpanongam-panjakana ireto t@ izany fotoana. Tsy fotoana hifanomezan-tsiny intsony anefa izao fa fijerena ny ho avy kosa.

Hitan'ny jeneraly ramaroson alain tany Manjakandrina kosa ny fiara blindé anakitelo ny filoha Ravalomanana ka nentina t@ fiara be ny fivondronana moa ilay izy niakatra tety Ambotsirohotra fa misy code secret ka tsy nety velona. Pempo pempo be moa ilay fiara ka hita ho simba ihany raha ny fijery azy ety ivelany. Dia efa manao vazivazy moa ny mpitily oe mbola ho avy koa ny anjaranareo HAT ao aorina kely ao rehefa miongana ianareo. Dia hoy aho oe hifamaly faty eto fotsiny izany fa tsy hisy raharaha ho vanona eto.

Tapaka daholo ny rano ny jirama eny @ faritra maro eto an-drenivohitra indrindra ireo faritra avo toerana to ny eny Isoraka Antaninarenina Antaninandro Faravohitra sy andohalo rehetra iny ny eny Ampasampito mahazo sy ny eny @ Mosolé  sy Ankatso sy ny maro hafa e! tsy aleo indray delestazy toy t@ andron'ny dada toy injay ity tapaka rano ity.

Midina be moa ny sandan'ny ariary ankehitriny ka afaka manao bizina tsara ianareo any dilambato any raha sendra manam-pikasana ny hanao famantsim-bola aty @ tanana satria mety hitombo avo roa heny ny sandan'ny € atsy ho atsy hoy ny mpandinika. mety ho tafakatra any @ 5.000 ariary any moa ny 1 € ao aorina ao ary ahina mihitsy aza ny hiakarany hatrany @ 6.000 ariary any. Misaotra an'i reny malala mahay manjanaka ankolaka indray.

Jereo koa eto


Lazao Ny Marina Momba An'i Razily

news2dago 04 Mey, 2009 13:44 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

(sary topmada)

Izy no razily nilanja saina dia nosamborina!!! Ny mampalahelo dia tsy fantatra izay momba azy h@ izao. Tsy hay izy na maty na velona ity ary ny rohy iombonana aminy ho fanoherana ny jadona sy ny herisetra.

Mitohy ny adalana ataon'ny capsat

Jereo koa eto

Ans Ampefiloha Fandriana
 
75 sy kidoro 50 lasan’ny miaramila

        Nanomboka ny alatsinainy heriny lasa teo no tonga teny amin’ny Ans Ampefiloha ny mpitandro filaminana nirongo fitaovam-piadiana. Tonga haka ireo fandriana niisa 75 sy kidoro spaonjy 50 fampiasa amin’ny fampivondronana mpilalao ry zareo. Nandritra ny herinandro ny fandravana ireo fandriana ireo. Araka ny fanadihadiana natao, nitondra taratasy avy amin’ny sekretaria jeneralin’ny fiadidiana ny Fahefana avo momba ny tetezamita(Hat) ireo mpaka entana. Nahazo ny fankatoavana avy tamin’ny tale jeneralin’ny komity mpanomana ny lalaon’ny Nosy na ny Coji izany. Tsy nisy ny fanazavana ho an’ny mpiandraikitra ilay foibe fa noterena fotsiny hanatrika ny fandravana ny fandriana sy ny fakana kidoro izy ireo. Manamboninahitra kapiteny no nitarika ny fakana izany, izay tsy nilaza mazava ny hitondrana sy ny hampiasana ny entana nalaina.
 
Tsy nisy nanohitra ny fampiharana ity didy ity ny mpiasa tao na heverin’ny tompon’andraikitra azo an-telefaonina omaly, fa tsy mety aza. Fitaovana tena ilain’ny mpanao fanatanjahantena malagasy ireo kidoro sy fandriana ireo. Eny an-toerana hatrany no misy fampivondronana ireo ekipam-pirenena na avy amin’ny taranja inona na taranja inona. Ireo no hany fitaovana arifomba ampiasain’ny mpilalao kanefa noesorina tamin’izy ireo indray.
 

 
Tsy mahagaga
 
Niteraka fanakianana sy alahelo tamin’ny mpitia fanatanjahantena izao toe-javatra izao.
 
Tsy mahagaga loatra azy ireo anefa ny fihetsiky ny fitondrana mijoro. Zary ankilabao hatrany ny fanatanjahantena eto amin’ny firenena hatrizay. Anisan’ny sehatra tsy mbola nahazo minisitra rahateo ry zareo ary toa tsy mahadodona akory ny fametrahana olona ho amin’izany. Araka ny vaovao farany azo, mahatratra folo ireo olona miady toerana ho minisitry ny fanatanjahantena. Anarana maro no miparitaka saingy misy amin’izy ireny anefa ny olona efa maloto : nanodikodim-bola tany amin’izay departemanta notantanany tany amin’ny faritra. Misy indray ireo olona tsy nahomby tany amin’ny federasionina nentiny teo aloha saingy nahatsiaro ho voailikiliky ny fitondrana teo aloha ka nijapy masinina niova ho Tgv. Manahirana ny fisafidianana ireo olona hapetraka ho minisitra, indrindra amin’ny vanim-potoana ilàna fanarenana goavana ny tontolon’ny fanatanjahantena eto amin’ny firenena. Anisan’ny nankasitrahan’ny mpilalao ny fikasan’ny governemanta hametraka an’Atoa Ntsay Abel ho minisitra. Tsy hita popoka sy tsy azo tamin-telefaonina anefa ity farany ny andro namoahana ny lisitry ny mpikambana tao amin’ny governemanta.
 
Mitohy ny ady seza...

nalaiko tao @ taratra io lahatsoratra io. Tsy ampy kidoro ny miaramila ka nangalatra kidoro. Loza mihitsy

 


Hijanona Hatreo Ve Ny Tolona?

news2dago 30 Aprily, 2009 07:23 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mety ho diso hevitra izay milaza fa ny fanampenam-bava sy ny fisamborana no hiazonana ny fitondrana. Nalainao t@ basy io kaaza gaga raha halain'olona @ basy ihany koa. Lalam-piainana izany ary voafetra ihany ny fisainan-tsika olombelona. Ompa tsy Ompa no heno t@ ilay horonan-tsary tetsy @ carlton nandritra ny fisamborana an'i PM Manandafy sy ny namany.

  (sary topmada)

Eo dia afaka hitsarana sahady fa jiolahimboto ireto miaramila ireto ary manamafy izany ny fanamboridanana ireo voasambotra.

 

Tsy ho vita mora ity raharaha ity hoy ny mpanaram-baovao maro. Efa mandeha moa ny feo oe notifirina i Manadafy!!! Mbola tsy voamarina aloha io vaovao io hatreto. Ny hany azoko lazaina aloha di na efa ao anatin'ny fo mafana aza ny rehetra dia mbola mandamindamina ihany ingahy Ravelson Constant ary manetana ny olona ho tony aloha. Misy farany ihany koa anefa izany satria ny malagasy izay tsy miteny fa rehefa hitraotra izy tsy matahotra basy intsony an. 

Izay oe ihany fa ny mahagaga ny maro dia tsy naharenesana vaovao mihitsy ny mpitondra ny FAT sy ny mpanaraka azy. Menatra ve? sa tsy manakambara intsony. Hita rahateo fa tsy voafehy ireto miaramila nikomy sy nampiakatra teto @ fitondrana izay miroso makany @ ny tena Jadona tanteraka. Ny tantara no hitsara ka ho hita eo ny tohiny.

JEREO KOA ETO


Mety Hisy Farany Ve Ny Habibina?

news2dago 28 Aprily, 2009 12:54 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Matetika tokoa dia ny olona ratsy toetra no ela velona. Io ilay tonga @ fitenenana oe "irina ho faty vao ela velona". Maro maro tokoa ny olona tsy nanao na inona na inona no voagadra ny fitondrana ankehitriny ary tsy ela akory ilay mpivarom-boky voatifitra tsy nahy ary maty tsy tra-drano ihany koa. mariky ny habibina avokoa izany rehetra izany kanefa toa miorom-paka tsara tsy misy ahihina intsony ny hirodanany noho ny ramatahora ampiarina ankehitriny.

 

Rava miandalana ny tolona etsy ambohijatovo mbola mamy tokoa ny miaina ko. Toy izany koa ny any antsirabe satria dia miaramila mirongo basy no miaro ny toerana hivorina ka aleo manaja tena. Tanam-polo tokoa ve hiady @ basy marovava. Raha mba nanana fiadina indray dia hafa indray. Tampina tanteraka ny vavan'ny mpanohana ny ara-dalana satria na ny radio mada mbola nande kely aza ankehitriny tena moana tanteraka nanomboka androany.

Ho hita eo ny lazon'ady ny mpitarika ny tolona satria ny traikefa sisa no mila ampiadiana @ izao fotoana izao. Ny mafana (MFM) tokoa mantsy efa zatra ady @ fandravana fanjakana ka asa izay konokononiny any ambadika any ankehitriny. Mbola misitery daholo izany. Saika nosamborina alina tokoa ny praiminisitra Manandafy Rakotonirina. Tsy tontosa anefa izany fikasana izany.

Ny fiainana miakatra zao ny malaza sy iadivan'ny valalam-bemandry efa mihoatra ny 15.000 fmg izao ny ny sandan'ny Euro. Manaraka izany dia  horoahana daholo koa ny mpandraharaha vaventy Rio tinto mitrandraka ny fasimainty sy ny etsy ambatovy ny resaka petrole moa dia efa lasan'ny total ny ady kle ankehitriny. Tsy mahagaga satria voazanaka indray ramalagasy be tokoa ny mpamadika koa.

Manjaka ny gaboraraka ankehitriny feno mpivarotra eran'ny lalana rehetra toy ny t@ fotoana ny repoblika faharoa ireny ny etsy analakely. Mitsangana avokoa ny fivarotana tsy ara-dalana rehetra ary eny ampovoan'ny arabe no manao izany ireto mpivarotra fripy sy jean ary koa mpivarotra kiraro tonta. Manorisory na ny mandalo eny analekely ary tena miteny irery mihitsy oe niverin-dalana ny malagasy izany.

 JEREO KOA ETO


Voatafika H@ Fiara Mifono Vy

news2dago 27 Aprily, 2009 09:57 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Amiko manokana aloha dia tsy ahoako akory na tapitra may ao ary ny fiara mifono vy rehetra an'ny tafika (malagasy) izay tsy mendrika akory satria mpamono malagasy no asany h@ izay tsy nisy mpananim-bohitra mba lavon'izay tafika izany teto fa toa mpamosavy malemy ka ny ato antrano ihany no aripaka.

 

Fa efa sahy mihitsy koa aloha ilay mpanafika ny kazerina satria tsy vao ela fa t@ asabotsy teo ihany koa no nahalavo miaramila iray kamio ry zalahy iny izy hivoaka ny tonelina ambohidahy iny no nisy nanipy grenady tonga dia taraiky ny iray kamio. Eny @ hopitaly eny soavinandrina ny akamaron'ireto miaramila ireto ankehitriny. 

Midika izany fa tsy misy fandriam-pahalemana velively eto madagasikara  vao maika aza mikorotana. Satria dia saika isan'andro no ahenona olana maty voatifitra, fiara may, trano may ary olona voasambotra sy gadraina. 

Etsy andanin'izay dia tonga eto Madagasikara t@ asabotsy teo ingahy Rajaonarivelo Pierrot! Nisahotaka ny eo anivon'ny FAT tsy nampoiziny mantsy oe ho sahy izy ka efa manomboka mitsikera ihany koa. Maro fahavalo loatra ity fitondrana ity ka asa na hateza na tsia. 

Miandry izay zavatra hiseho androany indray ny rehetra ny malaza aloha dia feno manao barazy ny tanana ka sahirana ny mpifamoivoy. Tsy fantatra rahateo na iza na iza no manao itony barazy itony.

Farany kosa dia mbola mandeha ihany ny radio mada na efa natao haza lambo aza ny fitaovana. Midika izany fa misy olona tsara sitrapo foana manome fitaovana sy mampiatrano azy. 

Jereo koa eto


TGV = 666 ???

news2dago 24 Aprily, 2009 10:26 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Voaporofo izao ny mpanao ny asan'ny maizina
Tena nidiran-doza ny Malagasy    
Tsy maintsy hamafisina ny vavaka     
Sahia manohitra  ny ratsy    
               
Lettre    Numero    Multiplicateur    Produit
A               1        6                         6
B               2         
C               3         
D               4        6                        24
E               5         
F               6         
G               7        6                        42
H               8         
I                9         
J              10         
K              11         
L              12         
M             13         
N             14         6                        84
O             15          
P             16         
Q             17         
R             18         6                      108
S             19         
T             20         6                      120
U             21         
V             22         6                      132
W            23         
X             24         
Y             25         6                      150
Z             26         
          A+N+D+R+Y  + T + G + V =    666
               
Vakio ao amin'ny Baiboly :  Apokalypsy 13 :  18
                                              Jakoba 4 : 7

Dia izao no zavatra tiany indrindra ny mamono olona

Miala tsiny @ izay tsy mahatanty aloha aho fa izao no zava misy tsy azoko afenina.

Maro be ihany koa ireo razan'olona nalefa eny @ Crocfarm eny Ivato.

Jereo koa eto


Ravao @ Fomba Rehetra Ny Etsy Ambohijatovo

news2dago 23 Aprily, 2009 09:12 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Baiko nanomboka ny 22 aprily teo ny fandravana @ fomba rehetra ny tolona atao etsy Ambohijatovo. @ izao ora izao dia feno miaramila manodidina ao ankehitriny. miambona ny zaridaina. Mampihomehy mihitsy ny asan'ireto miaramila malagasy ireto zaridaina no arovana. "Insolite" hoy ny vazaha izay.

Nahasambotra miaramila ny Capsat kosa ny mpitolona any Antsirabe miaramila 5 moa ireo saika haka ny radio mada tany fa sendra ny vahoaka tsy mihemotra ka izao voasambotra izao. Atao famotorana moa ry zalahy ireto ankehitriny. Midika izany fa tsy misy fanjakana toa teny @ vahoaka eto akory.

Vaovao farany dia nisy maty indray etsy ambohijatovo novoin'ireo emmo reg!!! Misy ihany koa ny maratra noho ny fifandonana. Tsy mihemotra anefa ny olona tonga marobe fa manao vy very ny ainy mihitsy. Mampahonena ny fiainan'ny malagasy ankehitriny. Mifamono sy mifandringana toy ny tsy mpiray tanindrazana fa baikon'ny vola sy ny fitiavan-tseza.

Jereo koa eto 


Namono Olona Indray Ny TGV

news2dago 20 Aprily, 2009 14:29 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mitohy ihany ny vono moka ataon'ny FAT. Ny tanjona angamba dia ny handrimpaka ireo mpanohana an'i Ravalomanana koa dia mihomana fa miandry ny tribonaly iraisam-pirenena ao aorina kely ao.

Maro ny maratra ao anosy ao @ izao izaho manoratra izao. Ny maty koa efa misy araka ny loharanom-baovao. Sakanana ny Capsat ny varavana mankao @ hopitaly Hjra.

Manome vaovao eo ihany avy eo.

Jereo koa eto


Taratasy Avy Any @ Pasitera Lala Rasendrahasina

news2dago 17 Aprily, 2009 12:49 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Manoratra ho anareo aho ary miangavy anareo namana mba hanaparitaka izao resaka izao amin' ny rehetra izay azonareo havaovana izany:


Ambaran' ny AVI fa izaho no nitondra ny taratasy ordonnance avy amin-dRa8 manendry ny directoire militaire teo Antanimena. Nahoana no dia manao lainga marivo tototra tahaka izany Ratsirahonana Norbert sy ny AVI. Izaho aza tsy nahafantatra akory fa momba izany directoire izany no antony hivoriana tao Antanimena tamin' iny 17 Martsa 2009 tolakandro iny. Eo am-pisakafoana antoandro amin' ny 12.30 antoandro (17 Martsa 2009) izaho sy ny zanako no niantso ahy i Odon Razanakolona ka nanao hoe mangataka hihaona amintsika FFKM (averiko tsara amintsika FFKM) ny ONU fa misy zavatra maika ka dia ao Antanimena no fotoana amin' ny 1 ora tolakandro. Rehefa tonga teny aho taoriana kelin' ny fotoana nomeny dia nilaza indray izy fa
nahemotra amin' ny 3 ora tolakandro ilay izy fa mbola any amin' ny Filoha Ravalomanana ny ONU. Rehefa tonga ny tamin' ny 3 ora tolakandro dia akory ny hagagako fa tsy izahay FFKM ihany no tao Antanimena fa ny avy amin' ny opposition samihafa (isan' izany Ratsirahonana), ny Capsat, ary TGV.

 

Tsy nisy solontenan' ny mouvance présidentielle kosa teo anefa!!! Teo koa ny Ambasadaoro Amerikana (izay nanao tsilian-tsofina tamiko teo andalantsara fa nametra-pialana ny Filoha Ra8 na dia famindram-pahefana @ miaramila aza  hoy izy io nataony io. Fomba mihaja diplaomatika ihany io hoy izy fa:fametraham-pialana no dikany) sy Afrikana Tatsimo ary ny ONU Dramé sy hafa koa. Dia tsy tohizako intsony ny tantara fa iny nitranga iny... Koa nahoana no lazain' ny AVI aho fa niara-niitondra ilay taratasy ordonnance iny niaraka tamin' ny ONU sy ny Amerikana sns? Tena lainga marivo tototra izany ary misy porofo...
Ka dia ilaina ny manao démenti amin' ny anarako avy aminareo namana, na izay fantatrareo fa afaka manao izany. Miezaka manadio tena mantsy Ratsirahonana sy ny AVI-ny fa hitany fa mitady hivadika ny tantara.
Lala Rasendrahasina
Filoha
FJKM

Vaovao hafa kosa dia notendren'i Prezida Ravalomanana ho praiminisitra ingahy Manadafy Rakotonirina.

 

Jereo koa eto


Tratry Ny Paska

news2dago 13 Aprily, 2009 12:22 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Miarahaba antsika tratry ny fetin'ny Paska!! Somary tara kely vao afaka namoaka lahatsoratra fa voa ny biby ity matôsy ity dia tsy maintsy novonoina tanteraka. Anomboka hanome vaovao @ izay angamba manomboka rahampitso raha sitrapon'ny Tompo.

Manaova fety sambatra daholo


Efa Miala Any Ny F117

news2dago 09 Aprily, 2009 13:07 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Eo am-piandrasana an'i dada ny vahoaka manohana ny ara-dalana ankehitriny ary efa mahazo vahana tokoa ity tolona etsy ambohijatovo satria dia tsy maintsy miroso @ tetezamita iombonana ity tantara ity ankehitriny ary tsy maintsy miverina @ ara-dalana sy ny lalam-panorenena hoy ny iraka manokana avy any @ vondrona afrikanina omaly.

Toram-bato tsy nisy ohatr'izany ny filaharana ilay menaka sy vary tao @ boriboritany iray teto andrenivohitra. Eo ny mimenomenona sy sosotra satria tsy nahazo na voam-bary iray aza kanefa efa t@ 3 maraina no nilahatra!!! Mbola aiza no ahazo e! Vao manomboka io filaharana io. LOL

Nihena ny vidiny no mofo ary nihena niaraka t@ izay koa ny ambehany! lasa iray ankihon-jazakely sisa no halavany any @ 20 santimetatra any ho any no halavan'ilay mofo 200 Ariary. Tsy mahavoky akory ary lasa lafo noho ny teo aloha aza satria lsa mofo 2 no hoanina vao mahasehaka an'ilay 300 fahiny. Mbola aiza e! Efa manomboka mimenomenona sahady koa.

Hilaharana ihany koa ny solika ankehitriny ary matetika dia tsy misy ny toby maro eto andrenivohitra. May ny Jirama ambohimanambola manomboka ny delestazy. Migrevy ny ao @ Minisitera ny vola sy ny banky foibe. Mbola aiza e! izao ilay oe mitady ka nahita.

JEREO KOA ETO


Nikatona Tanteraka Ny Orinasa TIKO

news2dago 04 Aprily, 2009 19:01 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Vita hatreo ny momba an'izany orinasa Tiko izany izay orinasa goavana indrindra teto afrika raha eo @ lafiny "agro-alimentaire". Indrisy fa ny malagasy ihany eto an-tany no mahavita mamono ny orinasa izay mba afaka hitaha @ any ivelany. Tsy hisy mihitsy izany amerikanina hahafoy ny General Motors izany. Na ny frantsay hahafoy ny orinasa Total izany. Ny malagasy kosa dia ory havamanana. 

 

Varina manisa vola miditra any am-paosy ny namana ny malagasy fa tsy mba mionona @ vola miditra any @ tena. Omeko tsiny ny mpitondra ankehitriny satria tokony mba nijery ny mpiasa t@ ireny orinasa lehibe izy fa tsy nanao izay hamotehana ny orinasa toy izao. 

Nanambara androany ary ny tompon'andraikitra tao @ ity orinasa ity fa hjanona tsy hamokatra intsony ry zareo. Nisaorana avokoa ny olona rehetra niara niasa t@ mivantana sy ankolaka. Ary namela tokatrano 3000 tafo very asa ry zareo. Efa nandeha moa ny feo nanomboka omaly oe ho avy hanao be midina any andranomanelatra indray ny Capsat @ alatsinainy ho avy izao ary hanery ny tompon'andraikitra hanidy ny orinasa ka manoloana izany dia ny azy no nataony tonga aloha. 

 

Tsy mendrika hanana zavatra tsara ny malagasy mora ny manimba sy mandrava fa tsy hay kosa ny mikoja sy ny manangana. Tsy ho hita eny an-tsena intsony izany ny vokatra rehetra novokarin'ity orinasa lehibe ity. Ho hita eo kosa oe iza no sahy hividy an'izy ity mora ao aorina ao. Tandremo koa anefa fa kodiaran-tsarety ny fiainana!!! Anareo no maminavina ny tohiny. Mahaiza mionona.

Jereo koa eto


Maratra Ny Fon'ny Malagasy!

news2dago 02 Aprily, 2009 10:59 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

asabotsy mihosindrà! Nisy tokoa ny maty ary mbola maro ny olona nafenina

Samy malagasy no mifamono! hevitra no tsy mitovy dia hitondra makaiza anefa izao famonona olona izao sa kosa tsy olona ireo fa ny tgv ihany no olona!!!

 

 

Mahereza lesy ry zandry a! mbola ho avy ny andro hamaizan'Andriamanitra ny nahavita an'izao.

JEREO KOA ETO


Sabotsy Mihosindrà BIS!!! TGV Mpamono Olona

news2dago 31 Martsa, 2009 12:34 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Faty mikararana ao @ 13mai @ izao fotoana izao! ary hejehina basy hatrany ankadivato ny vahoaka @ izao isika manoratra izao. Ho sahy hilaza ny marina ary ve ny HAT? Izao ve ilay demokrasia. Ho avy eo ny tohiny rehefa avy eo. Mpamono olona ny TGV tokony hiala izy.

 

Vahoaka maneho hevitra Analik'isa no vonoina toy ny mamono akoho. Mbola hitsara ny tantara. 

 

 

 

Bala tena izy hamonoana vahoaka!!! Aiza ilay fahafahana nodradraina fahiny e! Kay mora ny miteny rehefa tsy mitondro fa rehefa eo kay mitovy daholo ny habibina ko

Misaotra Dadazily a! Izao ny olona rehfa tia tanindrazana sahy managana an'iny saina iny tsy mila basy aman-tafondro fa dia ny voninahitrin'ny fiandrianam-pirenena no akarina avo. Raha ireo miaramila nisambotra azy kosa dia tsy mendrika na ny hiankajo an'ireo fanaminy ireo aza. Tsy olona nananimbohitra io fa malagasy ohatr'azy any kanefa dia novonina ihany koa.

JEREO KOA ETO


Mihetsiketsika Ny Sezanla!!!

news2dago 27 Martsa, 2009 09:05 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mbola misahotaka ireo gadra nahazo famotsoran-keloka. Ankehitriny ary misy efa may vava be sahady ry zalahy milaza fa mpandainga ity fitondrana tetezamita ity. Izao no atao oe mitady raharaha ka hahita e!

  (sary midi)

Ny fahitako ity mpitondra ny tetezamita ity dia hadedahana no betsaka fa TSY misy risim-po sy fitiavan-tanindrazana. Dia izao no vokany basin'arifito hoy ny fitenenena.

  (sary midi)

Tenenina foana fa eeeeeeeeeeeeeeeeee! Misy fetrany ny zavatra azo vidim-bola e! Sa hividy vola ireo communauté internationale koa. Mbola ho henjana ny lalao e. Ny capsat no mety azo tambazana vola fa ny hafa kosa angamba tsy poinsa e.

  (sary lesnouvelles)

Dia notapahina daholo ilay tombotsoa kely ny mpiasam-panjakana! hatramin'ny fisondrotan-karama aza dia lazaina fa tsy ho zaka fa tsy misy ny vola. Te hanao aminy eo ka mandoa lanitra e! Areheto ny tanimena sy izay rehetra mety azo hatao fa mety tsy hateza ilay fitondrana raha izao no mitohy.

(sary l'express)

Ho avy i dada rehefa tsy hainareo ity tantara ity koa. Miombo isan'andro tokoa ireo olona etsy ambohijatovo ary tsy hay tohaina izy ireo. Hisy raharaha eto @ io asabotsy sy alahady io.

 

 

Jereo koa eto


No Comment!!! Sady Classe No Qualité

news2dago 25 Martsa, 2009 08:46 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

 

Vita tompoko!

Tapaka avokoa ny tombotsoa azon'ny mpisam-panjakana toy ny fiara fampiasa sy ny tapakila @ soilika ny fahana an-telefoana sy ny sisa. Mitady raharaha ilay HAT ity e! Efa maiakapeo ny olona maro eny anivon'ny minisitera isan-tokony eny ka ho hita eo ihany.

Jereo koa eto

 


Afabaraka I Madagasikara

news2dago 23 Martsa, 2009 10:26 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tao aorinan'ilay fianianana nataon'ny Filoha ny tetezamita Andry rajoelina dia afabaraka tanteraka ny malagasy satria dia olona tsy lanin'ny maro an'isa akory (tsy nisy fifidianana) dia nahasahy nisalotra ny samboady maha filoha ny repoblika!!! Manaiky izao fanoganam-panjakana izao koa izany ny eo anivon'ny HCC.

 

Loza inona re ity e!

 

I Andry Rajoelina moa no filoham-panjakana zandriny indrindra eto afrika raha ny taona no jerena. Tsy nisy nanatrika izao moa ny teo anivon'ny FFKM fa i Monsenera Odon Razanakolona no naningana. Tsy teo ihany koa ireo Jeneraly 3 tokony hitondra ity tetezamita ity kanefa dia nilaza izy ireo oe tsy nisy faneriterena moa t@ ilay taratasy namidrany ny fahefana ho an'i Andry Rajoelina.

Nifaly sy nitotorebika tokoa moa ny Taranak'i Gallieni Vaovao TGV ka nampifalina t@ afomanga sy ny bal populaire ny olona ny alina. Tena hipoka kosa aloha ny kianja be ny Mahamasina e! sarotra ny handainga sady tsy fomba koa. Dia hoy aho oe vokin'ny afomanga sy ny bal izany ireto taranak'i Gallieni Vaovao ireto izay hita sy tsapa tokoa oe olona tsy tsotraky ny fiainana akory.

 

Ny hany tsapako sahady izao omaly dia filma efa nandeha daholo ireny amiko tsy nisy zavatra vaovao mihitsy fa saika ny fihetsika rehetra nataon'ny Filoha Ravalomanana avokoa no nadikan'i Andry Rajoelina hatreto ka manahy aho oe sao dia disc gaoka ary izy ity e! Tsy ahita fiovana akory isika fa ny eo ihany no eo. Izany ohatra dia hita sahady eo @ haino amanjerim-panjakana TVM ny fitongilanana be makany @ fitondrana TGV ahiko ho voadotra indray izy io ao aorina kely ao. Aza hitako indray marina. Tsy nisy feo mikasika an'Ambohijatovo sy Ambohitrimanjaka mihitsy mantsy. Izay hetsika natao ny olona tsy mankasitraka izao fanonganam-panjakana izao. 

 

Mety hiova endrika indray mantsy ny olona mpitolona etsy @ 13mai ary hinoko fa tsy mbola vita ity lalao ity fa mbola tantara hitohy indray. Re ihany koa fa afaka 30 andro sisa dia lany ny tahirin-tsolika eto Antananarivo. Dia tena ahita fiainana milamina @ izay isika rehetra izany izao. 

JEREO KOA ETO


Mety Mba Ahavita Noho Ny Teo Aloha Ve Ny HAT?

news2dago 21 Martsa, 2009 08:50 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ratsy fiaingana sahady ny tetezamita satria tsy misy mankato azy ny firenen-dehibe rehetra afats'i Frantsa irery. Mandeha koa ny feo fa tsy handray karama intsony ny mpiasam-panjakana manomboka @ volana ambony ho avy io satria efa tapaka ny famatsim-bola avy any ivelany izay mampiodina ny 75% ny tetibolam-panjakana.

 

Ka sao dia mba hanao tantely afa-drakotra ny volam-panjakana fotsiny ary ireto fahefana tetezamita ireto raha izany satria nilaza ry zareo mantsy oe amidy ny "air force one" ka ny 10% ny vola dia anamboarana hopitaly. Ary ny 90% kosa dia atao inona? Efa fantantsika ny valiny. Mora tokoa ny mandrava fa ny managana kay sarotra. Tsy vitan'ny vava be fotsiny izy io. Izao tokoa no oe mba manaova raha mahavita e! 

 

Maro tokoa ny olona no miandrandra fiainana hidina sy ho mora kanefa dia ny mifanohitra @ izay no hita ankehitriny. 32.500 Fmg sahady ohatra ny vidiny menaka ary any @ 40.000 Fmg any ny menaka vahiny. Ny dibera moa dia vidina 15.000 Fmg raha 9.000 Fmg teo aloha. Efa any ho any ilay sambo hitondra ny menaka 10.000 Fmg e! Aza taitra mihitsy fa ho mora lavitra ny fiainana tsy ho toy ny t@ andron-dRa8. Ho mora daholo ny zava-drehetra arak'ireo nampanantenaina tetsy @ 13 mai e! Izay rahateo no nanonganana an'i Ra8 oe nagoron-karena loatra oe.

  (sary topmada)

Izany eo ihany fa miseho lany sahady ny korontana eo @ samy tetezamita ankehitriny. Any Toamasina dia nosoloina an-keriny ny lehiben'ny faritra ary nosoloina ekipan'ny Tgv! tsy manaiky anefa ny ekipan'ny Rolland Ratsiraka ka mamory olona ao @ lycée teknika ao foana ary mitady ny hijoron'ny firenena federalista ka i Rolland no prezida. i Sylla koa tsy miala mihitsy fa izy koa hono mba nitolona t@ ora farany ka mba mety ho prezida ihany koa ho voninahitry ny faritra atsinanana. Dia toy izany koa ny ao Toliara i Lahiniriko no prezida tsy mila an'i Rajoelina koa ry zareo. Mbola raharaha ihany koa ny handravina izany. Maninona moa raha tonga dia tendrena ho Lehiben'ny Faritra ry zalahy ireo de mipirina e! Ireo koa no hanimba ny fihinanana vao hanomboka ity. 

 

Loza koa no nataon'ireo mpomba ny tgv ireto etsy nanisana satria dia nozaraina ny tany ao @ minisitera ny fambolena sy fiompina ka samy mba mamaritra izay toerana tiany eo daholo ny rehetra. Io anefa dia tany nomena ny amerikanana anaovana "projet pilote" ao anatin'ny 99 taona efa vita bail izany. Dia mbola manjaka ihany ilay fanjakan'ny baroa e.

  (Sary midi)

Nanafarana an'i Rossy mihitsy ny lanonana androany eny Mahamasina ka ho fety be eny zao sady hisy ny bal pôpilera ihany koa rahalina. Tsy maintsy hifalina foana kosa ny zavatra rehetra na azo t@ tsy fahamarinana aza ny fahefana e! Tsy misy hanatrika eny moa ny akamaron'ny ambasadaoro miasa sy monina eto amintsika. Mbola hanigana eo ihany koa i Lafrantsa sy ny ao @ katolika e! Asa ny FFKM raha ho avy na tsia? Ny fahatongavana eo moa dia midika avy hatrany fa fiandanina @ Andry Rajoelina.

JEREO KOA ETO


Hiditra @ Krizy Ekonomika @Zay

news2dago 20 Martsa, 2009 10:12 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Vita vita iny ny krizy politika hoy ny maro kanefa mbola kivy ihany ny rehetra satria mitatao ny loza ekonomika indray i Madagasikara ankehitriny.

(sary lesnouvelles)

Hiato daholo mantsy ny fanampiana avy @ ireo firenen-dehibe rehetra tsy mankasitraka ilay fanoganam-panjakana nisy teto iny. Voalohany @ ireny i Norvezy, USA sy ny UE, ary ny Sadc sy ny UA.Nanigana kosa i Lafrantsa tsy mahagaga intsony satria izy no tao ambadik'ireny korotana ireny. Hahavita tena ary ve ny fanjakana tetezamita?

  (Vondron'ny SADC)

Hikatona ihany koa ny Usaid, ny CRS, ny CI sy ireo organisma tantan'ireo amerikana eto Madagasikara. Ny peace corps moa dia efa tsy eto intsony. Olona firy indray izany no very asa ary olona nikarama tsy vary masaka akory fa tena tsara karama daholo ny mpiasa @ ireny organisma amerikanina ireny. 

Mahamenatra ihany koa ny fihetsika nataon'ny Capsat nandroba ny entana sy ny fanaka ary ny fiara miisa 3 tao @ tranon'ny Filoha ny repoblika teo aloha tetsy Faravohitra. Dia tena tsy misy hasiny intsony izany fihavanana nampalaza ny malagasy izany. Mbola resabe rahateo ny nahazo ny daroka sy ny fampijalina ny filoha ny FJKM. namaly moa ilay Kaomada tao oe lainga avokoa ny voalazan'i Lala Rasendrahasina (ela ela izy vao nilaza oe Pasitora) dia mbola nampiny oe tsy mendrika ny ho pasitora raha enao (mba tsy nataony ela) iny. 

  (Lafrantsa no ao ambadiky ny tolona)

Hamono omby 50 ny mpitolona rahampitso @ ilay fety etsy mahamasina. Nofon-kena mitam-pihavanana hono no atao mantsy. Tsy afaka ny hisalotra ny samboady moa ny filoha ny tetezamita satria tsy voafidim-bahoaka. Efa tsy andrin'ny tgv mihitsy io lanonam-be io izao. asa na ahafeno kianja na tsia? Eo isika mahita izy ozy.

Ho vasoka eo mantsy satria ny FJKM dia hanao vavaka ho an'ny firenena eo Mahamasina ihany koa @ alahady 29 marsa 2009. Na dia zavatra tsy fampitàha aza dia ohatra tiako ihany ny hanao izany satria tena mba voa mafy mihitsy ny FJKM tato ato izay. Soa ihany fa ny fitorina an'i Jesoa Kristy no atao fa tsy hanao fikomina akory na dia mbola tsy nilaza mivantana ny fanekena izao fitondrana izao ary ny fjkm. Nanameloka tanteraka ilay fihetsika mamaofady ihany koa ny FFKM ary mitaky ny hisiny filaminana @ izay.

 

Toa niala sahady koa ilay minisitra tetezamita misahana ny fiarovana! mahagaga ihany tsy mbola niasa akory dia nitsoaka an-daharana sahady sa kosa efa tonga saina fa tsy hisy hankato izao fanonganam-panjakana izao ny firenena hafa ka hanahirana ny hisahana ny fiarovana ao aorina ao. Manomboka koa ny ady seza satria dia vonona mba haka ny sezany koa Ingahy Ranjivason vao nivoaka ny fonja izy dia izay no teniny voalohany. Ka any @ Monja rondefo zany ny baolina zao. Tapitra ihany koa ny tolona ka vita hatreo ny ilàna ireo kitoza (olona eny @ faritra iva) nafana fo be t@ tolona ireny ka tsy hita izao izay seza sahaza azy ireny. Ireo mpanao politika rehetra mila anjara mofo mamy koa aza misy adinoina sao mitarika olona hikomy eo koa vao zava-doza eo. Manomboka tokoa ny fizaram-potoana faharoa hoy mpivazivazy izay.

JEREO KOA ATO


Sao Dia Lany Andro Hamaly Faty Eto

news2dago 19 Martsa, 2009 09:05 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Niarahana nahalala ny vaovao nampalahelo nahazo ny Filohan'ny FJKM Lala Rasendrahasina izay pasitera no isan'ny mpitondra ao @ FFKM izay mpanelanelana ihany koa t@ ireny fotoana sarotra nodiavn'ny firenena ireny. Novonoina sy nodarohana izy ary nasaina nisotro ny pipiany. Heloka ho an'ireo izay nahavita izany. Tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay.

  (Sary gazetiko)

  (sary midimadagasikara)

Manarak'izay dia mandeha ny antso avo ao @ Radio viva ny tokony hisamborana ireo rehetra nitondra t@ fitondran-dRavalomanana. Manomboka @ filoha Ravalomanana izany ka manaraka azy koa ireo minisitra sy ny senatera ny depiote sy talen'ny ladoany sy ny olona rehetra nihinana sy nanodina ny volam-bahoaka. Aza adino fa toerana hifadimbiasa io toerana io ka mba diniho ihany fa tsy anareo mandrakizay koa akory ny fitondrana. Tsy izany ihany moa ve no nahatonga antsika hankahala iny fitondrana iny izy nisambotra sy nanagadra ireo izay lazaina fa nangalatra sy nanodina dia izao voafandrikin'ny valifaty izao sahady nefa vao 2 andro monja no eo @ fitondrana.

Maro ny zavatra hafa tena maika amiko dia ny fanarenanana ny simba rehetra sy ny hamerenana ireo vahiny mpampiasa vola niasa teo aloha. Mandeha mantsy ny feo oe ho roahana daholo ireo vazaha ao @ QMM sy ny atsy ambatovy!!! Dia mbola kilasiko ho valifaty ihany koa izany fa tsy fitiavana tanindrazana sa oe endrika fivarotana tany @ vazaha koa ireo asa goavana indrindra eto Madagasikara sy manerana izao tontolo izao ity. Sao dia mba hidiran-doza @ izany e! Ny mpamatsy vola rahateo tsy maintsy hanidy ny robinet satria coup d'etat iny tranga teto iny. Ka zara ary misy an'ireo mba azahoana vola koa roahana aiza indray.

Manarak'izay dia maromaro ihany ireo orinasa hiala eto madagasikara satria tsy misy ny filaminana ara-politika ka any @ 5 na 6 taona any indray izireo vao hiverina. Ny orinasa afakaba sinoa no tena mitsaoka an-daharana satria maro maro ihany ny orinasa tantanin'izy ireo no voaroba t@ ireny krizy ireny. Ny etsy @ citic ohatra dia lasa nifindra any afrika atsimo ny tena tompon'ny vola betsaka tao. Torak'izany koa ny courts izay hanao chômage teknika koa manomboka ato ato ary efa atsasaka karama no raisin'ireo mpiasa ankehitriny. Manomboka sahady ny krizy ara-tsosialy eto Madagasikara. 

 

Misy olona mpiavady ohatra mitomany fotsiny no ataony ao @ radio ao fa may ny orinasa niasan'izy mivady ny trano hipetrahana anefa hofaina ny zanaka mandoa saram-pianarana. Ao ny mpivady lasa chômage sy ireo olona analina very asa tsy fidiny t@ iny ady seza teto iny. Ireo izao no tokony jerena akaiky mihitsy. Ny mpandraharaha malagasy maro izay banky tampoka tao anatin'ny 1 andro monja tao @ tranom-barotra citic sy ny etsy @ supreme ny tao @ zoom ny teny @ smart tanjombato. Mila mifehy kibo mihitsy enao ry Ingahy filoha ambony ny tetezamita fa hamay be ity fitondranao ity. Ny ady seza izay manomboka sahady eo @ samy mpitolona. Izahay moa dia mitazana fotsiny sisa koa nareo tsinona milaza fa mahavita azy ka ketreo ao aloha mba ho hita tsara ireny vava be teo @ kianja ireny e.

Jereo koa eto


Haringana Ny Malagasy

news2dago 18 Martsa, 2009 07:51 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Vita hatreo aloha ny tantara mikasika an'i Filoha Ravalomanana. Niala tao anatin'ny savorovoro izy ary azo lazaina fa mbola maro ihany ireo vahoaka tia azy fa tsy afamanoatra noho ny hery hananan'ny ankilany. Bye bye Ravalo hoy ny boay kely. Mbola hatsiarotsiaro ny fitondranao ihany ny vahoaka ao aorina kely ao. LOL



Manarak'izay dia araky ny tantitra nataon'ny namana rehetra eto @ blaogy dia vita izany ny tolona ka miatrika ny ho avy indray ny vahoaka malagasy izay tonga dia tsoriko oe hisedra krizy ara-panahy lehibe aloha voalohany indrindra satria hanjaka ny herisetra sy ny besandry. Dia ho avy koa ny krizy ara-tsosialy lehibe tokoa hitombo ny tsy an'asa, hiakatra ny vidim-piainana, maro ny tsy hinan-kaninana, hitombo ny asan-jiolahy izay hitondra fiadina mahery vaika tokoa.


Mafy mafy ihany ny adidy miandry ireto mpitondra tetezamita ireto. Kanefa dia safidiny io azy ny azy hotsarain'ny tantara eto isika rehetra.


Ny nahalasa saina ahy fotsiny dia nivavaka tany @ Fjkm aho t@ alahady fa avy be ny orana taty dago t@ io fotoana io ka tsy afaka nivavaka tany @ anglikana izahay telo mianaka fombanay mantsy ny mivavaka maraina be @ 6 ora sasany fa t@ io dia naleo nisafidy ny hivavaka any @ protestanta eto an-tanana ihany ka namonjy ny fidiranana t@ 10 ora izahay. Dia ity ny vakiteny novakiana tao t@ io fotoana io ary saika mifandraika @ izao vanom-potoana izao avokoa ny perikopa t@ ity taona ity hoy ny olona rehetra kanefa dia efa t@ taona lasa no natao izany fandaharana izany.

Zefania 2: 1 -3
1 MIANGòNA, eny, mivoria hianareo, Ry firenena tsy manan-kenatra [Na: tsy manina],

2 Dieny tsy mbola mihatra ny didy (Mihelina toy ny akofa ny andro!), Dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin'i Jehovah, Eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.

3 Mitadiava an'i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana; Angamba ho voafina hianareo amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah.


Arak'io teny ny soratra masina io dia ho avy ny fahatezeran'Andrimanitra satria: Tia tena ny malagasy, tia vola, tia voninahitra, tia vetaveta, tia mamono olona, tia mangalatra, tia mandainga, tia mikomy,tia manompo sampy,tia mijangajanga, tia valifaty, tia korotana, tia ady, tia miteny ratsy ny fanahy masina, tia mifosa, tia manenjika, sy ny sisa... Mazava ny zavatra hitranga fa haringanina avokoa ny mpanota rehetra ary anisan'izany ny malagasy.

Jereo koa eto


Voaroba Ny Fiara Mpanatitra Vola Ao @ Banky Foibe

news2dago 17 Martsa, 2009 10:12 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Azo lazaina fa asan-jiolahy ihany ity zavatra ataon'ny miaramila ny Capsat ity satria dia norobaina avokoa ireo fiara mpanatitra vola ao @ banky foibe io maraina io. Miaramila mpioko miambina ny lapa eo no maka ny vola an-keriny.

 

Dia mbola hojereina fotsiny ve izao sa dia efa izay indray ny lalana mipetraka oe didin'ny besandry no mihatra. Miaramila manao fanamina mandroba tena mivadika ny glaoby eto madagasikara. Ny vatatay no mibaiko ny jeneraly. NY ben'ny tanana no manongana ny prezida!!! mahamenatra na ny mitanisany tranga ary.

 

Notafihina ihany koa ireo rezimanta hafa tsy mitovy hevitra @ zalahy dia ny eo anivon'ny polisy FIP etsy Antanimora izay namaly bontana moa ireo ka tsy sahy nifanehatra ela t@ FIP ireo mpioko mpihetraketraka ireto. Tany @ 2 ora maraina tany ho any io no niranga. Mbola tsy maty ao ampony ny polisy tokoa ny namany nodorana velona tetsy Sonerana. Mbola tantara hitohy koa io.

 

Tsy misy miala ihany eny iavoloha na andro na alina dia eo ihany ireto mpiaro ny ara-dalana ireto ary voasoratra ara-tantara mihitsy moa izao fihetsika izao hoy ny namana iray ao blongana atsy ambadika atsy. Ny vahoaka no mandray ny andraikiny rehefa tsy hanao ny mpitandro ny filaminana na dia tanam-polo aza dia tsy misy miala mihitsy ry zalahy ao. Ahoana kosa moa no omena maimaim-poana ho an'ny frantsay ny tany ny tena.

 

Mitohy ato ihany ny REFERENDUM virtoaly. Mitarika @ isa 70% izao ny Eny!!!

Jereo koa eto


REFERENDUM Hanaiky Ve Ny 13 Mai?

news2dago 16 Martsa, 2009 10:42 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Kely finoana aho raha sahy tena hitsapa vahoaka ry zareo eo @ 13 mai ireo. Asa anefa fa tena io no lalana demokratika tena ahafantarana oe iza no mbola mamim-bahoaka. 13 mai sa Iavoloha?

 

Na izany na tsy izany aloha dia mba tiako ho fantatra ny hevitrareo? Ka mba manaova adidy ato!!!

  (sary les nouvelles)

Vaovao farany izay efa nampoizina dia tsy nanaiky ny fitsapan-kevimbahoaka Ingahy Andry Rajoelina!!! Tsy mahazaka vahoaka sa matahotra ny ho afa-baraka. Inona ary no tena tanjona? Sa mihevitra ry zareo oe ho vita eny an-dalambe ity fanoganana ity. 

 

Ny maro an'isa mantsy mbola tsy naneho ny heviny mihitsy hatreto fa nanaiky ny ady varotra nataon'ny roa tonta. @ fifidiana ihany no azo anehoana ny hevitra raha tany demokratika. samy mahay manongana daholo anie na iza na iza fa tsy oe ny tgv ihany no mahavita mitolona e.

Ny tena naha lasa saina ahy anikeo koa dia ny naheno tao @ radio Viva oe tena sahy maty iaraka @ vahoaka eo tokoa ve ravalomanana? Izay no averim-berina foana ao miampy ilay resaka mpikarama an'ady. Dia manontany tena ihany ny tena oe dia tsy misy hevitra azo ampiadina sy irika hafa intsony ve fa tsy maintsy izay famonona olona izay no tena tanjona farany. Io an'Andriamanitra ny aina fa fikasana ihany ny an'ny olombelona ka asakasak'izay sahy handidy alohan'Andriamanitra eo.

JEREO KOA ETO


Tsy Misy Ilana Azy Ny Fifidianana

news2dago 14 Martsa, 2009 12:23 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mivoatra foana ny toe-draharaha ankehitriny. Mahazo vahana indray ireo mpanohana ny tgv na dia tsy dia mahoraka loatra etsy @ 13mai t@ fotoana nandalovanay teny an-toerana io maraina io. Ny eny Iavoloha kosa tsy dia haiko loatra izay hamaron'ny olona eny satria tsy teny aho ka tsy afaka ny hanely tsaho eto koa. Toy ilay niely omaly oe hanafika eny Iavoloha hono ny fiara mifono vy.

  (sary midimadagasikara)

Efa atomotra ny fandresena hoy ny TGV. Mbola prezida ihany ra8 hoy ny TIM??? Tsy hita intsony izay marina @ ity raharaha ity. Tonga teny @ 13 mai moa Ingahy Jacques Sylla niaraka t@ i Andry Rajoelina androany. Gaga ny akamaron'ny olona ny tenako kosa tsy dia taitra loatra satria rangahy io efa fantatra fa nandalo tao @ PSD dia nivadika AREMA dia nivadika UNDD dia lasa TIM dia miandry izay hiakatra eo indray izy izao lol.

 

Maro karazany mihitsy ny palitaon'ireto mpanao politika ireto ka.

 

Tsy izy irery fa saika izy rehetra dia mitovy fa tsy maningana akory. Dinôzôro @ palitao mivadibadika daholo. Tsy misy mendrika hofidina izany satria tsy mena mivadika.

 

Noho izany amiko dia tsy misy ilana azy izany fifidianana izany aty @ tany mahantra ny vola ihany no miteny aty. Ary mbola hiteny foana izy any aorina. Lany andro fotsiny mifidifidy izany fa na iny ahongana an-dalambe toy ny mahazatra na iny ny mpitondra mihitsy no manongana azy @ alalan'ny didy hitsivolana. Tsy hitako izay ilana azy izany. Tsy misy hanaja akory ny safidinao avy eo.

Jereo koa eto


Hovonoina Ny Prezida Ravalomanana

news2dago 13 Martsa, 2009 07:27 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa tafakatra eny @ Capsat ny fiara mifono vy avy eny Imeritsiatosika. Ary efa misy ampahana miaramila mpihoko tafiakatra eny @ manodidina ny Lapan'Iavoloha. Efa nody andakazery koa ny akamaron'ireo mpiambina manokana ny Filoha. Inona no hitranga androany? Andriamanitra ihany no mahalala izany.

 

Nihaona mangigina teny Mahazoarivo koa ny Praiminisitra sy Ingahy Monja Rondefo izay praminisitra noetndren'ny tetezamita. Tsy nisy nipika ny dinika t@ izany.

(sary La vérité)

Misitery ny zavatra hitranga androany. Izaho manokana aloha dia efa tany @ alatsinainy alina tany no efa nahazo antso an-tariby t@ olona mikasika an'io fanafiana eny Iavoloha io. Fa niniko tsy nosorata teto mihitsy aloha sao dia mba tsaho ihany ilay izy. Ankehitriny anefa dia efa ny radio mihitsy no milaza izany ka tsy hitako intsony ny antony tsy anoratako azy eto.

  (Sary midi madagasikara)

Miandry izany ny rehetra ary tsapa ihany fa tsy milamin-tsaina ny rehetra naheno ilay filazana avy @ masoivoho amerikanina hampody tsy misy hatak'andro ireo teratany amerikanina mipetraka sy monina eto Madagasikara. Enga anie ka hilamina ny tanana izay no angatahiko mafy @ Andrimanaitra fa tsy hisy ahazo tombotsoa eo akory raha misy ny korotana sy ady an-trano.

JEREO KOA ETO


Nanenina Ny Akamaron'ny Olona!

news2dago 09 Martsa, 2009 08:55 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

63% no nomen'Antananarivo an'i Andry Rajoelina t@ fifidianana ben'ny tanana. Nanantena hahita zavatra kanjo??? Zavadoza anefa no nitranga ankehitriny dia ny: Ady, korontana, fiantsina, fampihorohorona, fandrombana sy ny asan-devoly rehetra...

(sary midimadagasikara)

 

Maro ny programa an'asa nomeny t@ izany eo ohatra ny kianja isakin'ny firaisana 6. Hamboarina ny esplanade etsy analakely asina tsena ambony ambany. Atao kianja mitafo manaram-penitra ny etsy Antsonjombe. sy ny maro hafa koa...Heritaona aty aorina anefa toa ny mifanohitra @ izay no hita. Potika ny tanana tsy misy ho jerena intsony may sy ravarava ny toerana rehetra mba nahafinaritra jerena teto Iarivo... Onena ny tena mahita ny fiainana andavanandro ny olona. Maro moa ny olona mifampiresaka oe ny nenina tokoa tsy eo aloha fa ao aorina handatsa. Anatra ho an'ny manaraka ireny ny oe aza miatsapy @ hazo tsy fantatra.

Zavatra hafa indray ny mahamay azy (Ingahy ben'ny tanàna io) nefa ity tanàna kely ity aza jereo ny nanaovany azy koa raha lasa mpitondra indray ve tsy asa fotsiny indray. Asa aloha fa izay ny hevitrin'ny maro an'isa oe!!! Dia toy izany koa ny hevitrin'ny miaramila sasany manaradia azy. Samy ho tsaraina @ asany avy ny olona tsirairay ka ho hita eo ihany izay tena mety ho tohiny.

 

Mbola tsy misy vaovao marim-pototra hafa aloa hatreto fa milaza eo ihany raha vantany vao misy.

Manomboka ny fandrombana eny Tanjombato, misy ny 13mai, ary hisy koa ny hetsika ataon'ny mpiaro ny ara-dalàna etsy Mahamasina @ izao ora hanoratako izao daholo izany zavatra izany. @ 12 ora atoandro izao.

Jereo koa eto


Hiverina Etsy @ 13mai Ny Mpanohatra

news2dago 28 Febroary, 2009 08:21 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Hiverina hidinika indray i Andry Rajoelina torak'izany koa ny mpanelanelana Monsenera Odon Razanakolona filoha ny FFKM amperinasa ankehitriny.

(sary gazetiko)

Etsy andanin'izay dia mitohy ihany ny fiantsina ao @ Radio Antsiva sy ny Viva. Io moa dia efa kapoakan'ireo haino aman-jery ireo h@ izay.

Voatendry ihany koa ny delegué au maire enina (6) ho an'ny boriboritany enina eto antananarivo izay notendren'ny PDS Guy Rivo. Ho an’ny
Bor I: Atoa Andrianarivo Jaosoa Rabenandrasana;
Bor II: Atoa Rasoamanana Gerard Marie André;
Bor III: Rakotomalala Rivoniaina Rija;
Bor IV: Radimiarisoa Richard Albert;
Bor V: Rajaofetra Jean Marc;
Bor VI: Rakotomihanina Solofo Jaona.

Nosavain'ny mpitandro ny filaminana ihany koa ny tranon'ingahy Alain Ramaroson omaly. Izy moa efa nilaza fa raha misy fisamborana atao azy dia mety hamaly bontana ny tenany!!! asa aloha oe inona no mety hetsika ataony @ izany.

  (sary midimadagasikara)

Nisy maty indray tany Fianaratsoa omaly vokatrin'ny fifanosehana teo @ ireo mpitolona nandositra sy natahotra ny ho voasambotra. Nefa raha ny filazan'ny mpitantara indray dia oe voatifitra mihitsy olona maty io. 

  (sary gazetiko)

Mahagaga ihany koa ny fanentanana voaray sy hitako tao @ tvplus omaly fa ny filohan'ny Malagasy tonga saina MTS ny Rolland ratsiraka indray no hitarika ny tolona etsy @ kianja ny 13mai androany. Manitikitika ihany oe sao dia lety mihitsy aza no mitady hiakatra eo @ fitondrana eo e? Ny tantara no hamaly an'izay.

Hanome fanampim-baovao eo avy eo raha sanatria misy ny fifandonana etsy @ 13mai sy ny manodidina!!!

JEREO KOA ETO


Ravao Ihany Koa Ny 13 Mai

news2dago 27 Febroary, 2009 08:15 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

(sary gazetiko updated)

Velom-bolo ny olona tsy tia fikomina omaly raha naheno fa niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana nandrava ireo mpikomy tetsy Mahamasina.

Maro mantsy ny olona saika hivarotra omaly teo @ iny toerana iny kanefa dia nasain'ireto mpikomy nangoron'entana ry zareo ka tsy afaka nivarotra. Voatohitohina arak'izany ny fahafahan'ny hafa ka mila ny fandraisan'andraikitra avy @ mpitondra @ izay. Hetahetan'ny maro ihany koa ny hitohizan'izao fandravana izao mba hitohy hatreny @ 13 mai ihany koa. Voamarina ihany koa fa mitondra fitaovam-piadina ireto mpikomy ireto toy ny langilangy sy ny hazo lavalava hidarofana mpitandro ny filaminana dia aza manatena ny ho afamaina @ izay raha voasambotra eo. Heloka be vava tokoa ny miandry ireo olona mamono mpitandro ny filaminana am-perinasa.

 

Manarak'izay dia nitohy ny dinika teny @ hotely Ny Hintsy Ambohimanambola omaly saingy tsy tonga indray ny ekipan'ny tetezamita. Izay nanao be fiavy afak'omaly ka nahatonga ny teo @ fitondrana nihemotra tamin'ny ora farany tsy hamonjy ny dinika noho ny lafin'ny filaminana anatiny. Rariny ihany aloha izany satria tsy ny delegasiona nifanarahana no tonga tao fa tonga tao daholo i babay sy lovohatra ka azo antoko fa tsy hisy raharaha ho vanona akory satria olona maivava be daholo no tonga tao ka naleon'ny ankilany izany nanaja tena ny tsy hanatrika ny dinika. lol

(sary presidency)

Ny FFKM moa no nitarika ny fanelanelanana na dia efa nitsaoka an-daharana aza i Maosenera Odon Razanakolona izay filoha ny FFKM am-perinasa dia tsy niamboha adidy kosa iretsy mpiaramiasa aminy fa nanohy ny fanelanelanana hatrany na dia sarotra aza ny raharaha ny Eveka Anglikana Ranarivelo samoela Jaona indray arak'izany no nitondra teny ny FFKM omaly.

  (sary presidency)

Nihaona manokana t@ ilay solontena ny firenena mikambana moa ry zareo tao @ FFKM avy eo teny an-toerana ihany. Nihaona ihany koa t@ Prezida Ravalomanana izy ary avy eo kosa dia nakeny Ambatobe teny @ Andry Rajoelina.Tsy nisy nipika kosa anefa ny dinika na dia nilaza aza ny TGV fa oe fametrahana tetezamita no tena aton-dihany teto amintsika omaly iny.

Vaovao hafa kosa dia misy migafy ny tamban-jotra ny telma fixe ankehitriny didin'ireo mpandroba @ antsy mantsy ilay tariby mivoaka avy any ambany ny tany iny ka tapaka daholo ny akamaron'ny telefona fixe eto andrenivohitra indrindra iny faritra ambohimanarina sy alarobia iny. Ny olana anefa hoy ny olona mitaraina dia tsy azo mihitsy ny tompon'andraikitra misahana ny mpanjifa ao @ 80800 fa sahirana foana ny tambajotra. Ny andro rahateo mbola ao anatin'ny krizy ka tena ilaina dia ilaina tokoa izay telefona izany.



Mihena ihany koa ny tolotra @ fahita lavitra anekehitriny ary azo lazaina fa mahamonamonaina ny mijery ny fandaharana satria dia tsy misy dikany daholo ny fandaharana mande @ tele ankehitriny tsy afaka mizapy firy koa fa efa vitsy dia vitsy sisa ny tele mandeha ka dia mionona @ izay alefany eo. Ny sasany moa dia tsy misy afatsy resaka politika no mandeha ao ny tena anefa efa boda be ihany koa ny loha mba te hijery zavatra hafa soa ihany fa nisy ilay tele LTV (fahitalavitra ara-pilazantsara) iny manala sorisory fa raha tsy izany angamba dia namidy koa io fahitalavitra io. LOL

Nanao fanambarana ihany koa ny Radio Fahazavana fa nisy nampiasa ny maridrefy 88.6Mhz omaly hariva t@ 4 ora hariva nandritra ny fandaharana mofon'aina iny mihitsy no tapaka tampoka ny radio ka lasa resaka politika fotsiny no nandeha tao. Tsy avy @ radio velively akory io fanetanana io fa avy @ ilay Ratsy hoy ry zareo. Dia efa tsy menatra intsony mihitsy ry ratsy izany ka.

JEREO KOA ETO

 


Horaisin'ny Tafika Ny Governemanta

news2dago 18 Febroary, 2009 07:54 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tankina ny mpitolona etsy @ 13mai ary voton-dranomaso ny mpanohana ny fitondrana saingy mahazo laka kely ihany itsy farany satria hijanona @ toerany ihany ny filoha ny repoblika hitohizan'ny fahazom-bola avy @ ireo mpamatsy vola.

 

Hiroso @ tetezamita hanatanterahana ny fifidianana no atao ary hanangana rafitra eken'ny besin'ny maro. Tsy azo resahana firehana politika intsony mandritra ny fitondrana maramila hakatona avokoa ny radio viva sy ny tele viva torak'izany koa ny radio mada eto Antananarivo ny any @ faritra ihany koa dia tsy mahazo miresaka politika intsony. Samborina ary gadraina avy hatrany ireo izay mandranitra adim-poko. Ireo izay mandromba sy manakorotana. Hiroso @ fampiavanam-pirenena isika. Hijoro kosa ny FFKM ho raiamandreny ampanahy.

 

Ireo no mety hitranga atsy hoa atsy raha tsy mety hidinika ny etsy @ 13mai sy ny eo @ fitondrana. Ny vahoaka kosa dia miandry izay isin'ny filaminana hatrany no te hiasa hanao ny fiainana andavanandro tsy misy rahoraho. Efa mipetrapetraka rahateo ny lamina nomen'ny filoham-pirenena ivoahany @ izao fitondrana izao.

 

Ary mihomana @ izay fifidianana mety atao afaka 2 na h@ 5 taona maha filoham-boninahatra azy eto Madagasikara fa kosa tsy manana fahefana betsaka intsony izy fa ny manamboninahitra ambony ao @ tafika no tompon'ny fahefana feno hamita izany tetezamita izany.

 

Jereo koa eto


Nanao Taridositra Ny Fozaorana!!!

news2dago 16 Febroary, 2009 15:50 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nivoatra haingana be ny tantara androany satria dia nivadika ny rasa. Izy samy izy ihany no nifandramatra. Teny ampiandohana dia haka ny minisitera no tanjona voalohany na dia efa vitsy dia vitsy aza ny olona teo @ 13mai dia mbola nanapakevitra ny haka minisitera ihany ny mpitari-tolona. Nasaina nialoha làlana ny mpiandry ary ny delegasiona tarihina no manaraka azy. Dia i monja rondefo sy ilay minisitra ny fiarovam-pirenena izany.

Nanala devoly moa ny mpiandry tetsy @ BNI analakely ny mpomba ny tgv ary ny barazy kosa dia eo anolonan'ny RM1 iny avy eo moa dia nanatona ny delegasiona nifampiraharaha teo mazava ny resaka fa tsy mahazo mihoatra eo nareo fa faritra mena ny minisitera hitifitra izy izany angamba no tena marina tao. Niala bala haingana ireto mpitarika ka nilaza fa tsy misy olona intsony ao @ minisitera ka sao mba misy vaditany ao @ mpitolona ao! Tsy nisy vaditany kosa anefa tao @ iretsy mpitolona. Teo vao mody nilaza oe aleo fa atao rahampitso indray ny fakana minisitera fa tsy mety raha izao sao dia lazaina fa mangalatra ao indray isika.

 

Tezitra ny vahoaka teo ary nitagoronan'ny olona ilay 4x4 misy ny PM ny tetezamita. Nahozongozon'ny olona ilay fiara avy eo. Zay vao taitra ny mpamily ka namelona ny fiara haingana ka nirifatra nakany ambadikin'ny pavillon analakely. Nitomany teo ny vahoaka tena TGV irigiriny avy eo ka nilaza mihitsy oe "Tsy ianareo no nanana havana maty teny ambotsirohotra ko dia avelanareo toy izao izahay". Aiza i Andry aiza i Andry. Avy hatrany moa dia namaly ny ao @ radio viva oe lasa nakeny @ 13mai izy fa tsy nitsoaka izany. Nidina nakeny indray ny olona tsy nisy olona mptarika koa teny. Avy indray dia ny fanamafisam-peo no nogidraina teo lasa nitsoaka koa ireo. 

 

Inona indray zao no atao rahampitso efa manomboka tsy hita tabilao rahateo ireo lohadohany rehetra i Dollin i Rolland sy ny sisa. Efa raikitra rahateo koa ny ady seza satria i Nadine Ramarosona dia nodina fanina sy nomena toerana fa naleo nampiditra ny ekipan'ny Pierrot Rajaonarivelo. Vasoka fotsiny ireto nanomboka ny tolona nafana fo izany!!! Mahatsiaro tena ho tohotra fiakarana fotsiny. Manamarina izany ilay fanagonan-tsonia omena an'Ingahy Andry Rajoelina hampiditra an'i Nadine ho minisitra. 

 

Sarotra ny mitondra vahoaka ary raha tsy mitandrina dia hifoteran'ny hatezerany indray avy eo. Manasarotra ny tolona ihany koa ny hamaron'ny olona tonga teny Mahamasina ny asabotsy lasa teo. Efa lany koa angamba ny vatsy sy ny vola ka tsy hita izay hevitra hitondrana ny tolona avy eo. Ny olana dia miala pa ohatra ny fialana fozaorana ireto dinôzôro ankehitriny ary avelany irery eo ity TGV ity. Karazany nanolom-bato mafana ho azy ihany izireo. Soa lavo ahay hamindra e! mbola lavitra ny dia.

Jereo koa eto 


Hipoka Tanteraka I Mahamasina

news2dago 14 Febroary, 2009 09:48 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

 

Na asaina mando fidirana 75.000 Fmg aza izahay hiaro ny safidinay t@ 2006 dia vonona izahay ho avy  hameno ny kianja hoy ny olona hiaro ny 54% azon'Ingahy Ravalomanana t@ fifidianana. @ 11 ora sy 45 minitra izao ary efa feno ny gradin ary tonga hatreny @ atsasaky ny kianja ny hamaron'ny olona ankehitriny. Maina tsara ny andro eto Antananarivo fa tsy toy ny t@ alarobia lasa teo.

Tonga eny Mahamasina ny Filoha Ravalomanana Marc @ 12 ora sy 45 mn izao! hikiaka tsy misy hifandrenesana eto @ kianja ankehitriny. Mitsanga avokoa ny olona eto Mahamasina izay nolazaina moa @ ilay onjam-peo iray oe voavidy vola 75.000 Fmg de mandeha moa ny vazivazy oe koa raha tsy ny etsy 13mai koa ny antsika 250.000Fmg lol. Resaka tsy mitombina na izy ara no inona @ izao fanany efa tapitra fongana izao dia handany vola @ napa ve? Asa aloha!!!

 

Saika tsy afaka niteny ny filoha Ravalomanana marc fa niantsoantso mafy ny vahoaka oe "sambory TGV sambory TGV". Na izany aza dia nilaza ampahabemaso indray izy fa vonona ny hiresaka satria samy malagasy oe. Aza mamaly fiantsina ianareo hoy izy fa izaho kosa tsy hamela anareo irery ary hiaro ny safidinareo ihany koa. Nihoraka tsy nisy fijanonana intsony nanomboka teo ny olona ny onja mandeha ihany ny tehaka sy ny sihoka. Mitovy @ ireny Barea mahafaty baolina ireny ny hafalin'ireo mpanohana azy. Tsy nisy nanampo koa moa oe hoavy i Ramose!!! lol

Ny ankilany etsy @ 13mai kosa @ io dia manedry ireo minisitra ihany. Ary nilaza ny tgv oe hanatitra minisitra @ alatsinainy. Dia efa raharaha tadiavina ny an'izay manaraka azy @ izany. Izy rahateo tsy manery akory fa sitrapon'ireo izay mpitolona io ka tsy misy azo hanomezana tsiny azy. Nifarana moa ny fikomina avy eo ka nisy ny ampahan'olona niseho be loha oe hiantsy ny eny mahamasina nony avy eo ary niazo iny RM1 iny ny andihana olona vitsy dia vitsy manao feloha orange. Sady mandeha ihany ny hogahoga sy ny siotsioka nifanehatra tokoa t@ ireo vahoaka ny Mahamasina ry zalahy tao anaty ny tonelina ambohidahy ka vaky nirifatra nanao taridositra niverina. Nihomehezany iretsy farany fotsiny.

Ny manahirana kely ny saiko fotsiny dia ny maheno ny vavaka misandratra etsy @ 13mai rehefa hanomboka ny kabary. Tsy ilay mivavaka akory no ratsy fa ilay fo tsy madio manantanteraka azy. Satria na inona na inona dia karazana fikomina io atao eo io. tsy mifanaraka @ soratra masina izany. Miala tsiny aho fa mety hanafitohana ny sasany indray izao ity soratro farany ity an! 

Manome fanampim-baovao eo avy eo.

Jereo koa eto


Voafatotrin'ny Lelany Ny Etsy @ 13mai

news2dago 13 Febroary, 2009 09:18 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena sanganehana ihany aho naheno ny ben'ny tanàna lefitra Ramatoa Ratsivalaka Michelle toa saropiaro ery @ safidim-bahoaka 63% azon'ny t@ fifidianana ben'ny tanàna teto Antananrivo Renivohitra ny taona 2007. Izy hono no mpisolo toerana ny ben'ny tanàna rehefa misy raharaha ataon'itsy farany. Etsy @ 13 mai anefa dia atao tsinotsinona mihitsy ilay 54% azon'Ingahy Ravalomanana t@ 2006 izay ny malagasy rehetra no nifidy azy fa tsy mponina teto Antananarivo renivohitra fotsiny.

 

Manarak'izany dia mitohy hatrany fampihorohorona ny olona mpanelanelana ankehitriny satria dia nisy nitoraka sy nihaodihaody ny manodidina ny tranon'ny filohan'ny Fjkm Lala Rasendrahasina. Tsy mahagaga izany satria dia dradraina ao @ radio viva isan'andro oe mpiray tsikombakomba @ mpitondra jadona.

 

Efa nahazo ny anjarany koa ny maosenera Razanakolona Odon t@ alahady tetsy Mahamasina. Hampiorohorona hatramin'ny mpitondra fiangonana rehefa tsy mitovy hevitra @ etsy  13mai.Efa naheno feo ary aho oe nisy fiangonana Fjkm efa nodorana fa ny toerana no mbola tsy haiko oe aiza (enga anie mba hijanona tsaho ihany io). Ny foibe fjkm etsy analakely moa dia nisy sahy nilaza mihitsy oe nisy mpikaramanady nitifitra t@ 7/02/09??? Fa inona loatra no olona @ fjkm e? Ovay dieny izao ny fomba fijery sy famindra fa tsy mety izany. Tsy azo zimbazimbaina ny tranon'Andriamanitra na Fjkm io na katolika na inona na inona. Ary efa olona voahosotra daholo ny mpitondra fivavahana rehetra.

Mitohy hatrany moa ny lainga afafy isan'andro etsy @ 13mai lazaina ampahibemaso fa nozaraina vola ny olona tonga marobe tetsy mahamasina! lol maro ny havanay teny nanotaniko kanefa tsy nahazo na ny ariary aza! fa dia fitiavana no nandehanana teny. Misy ny vola sandoka miparitaka etsy sy eroa sy ny sisa...Aoka fotsiny fa dia marina avokoa izay voalaza teo angamba e! Kajikajy tsotsotra fotsiny raha nisy olona 30.000 teny Mahamasina nozaraina 75.000Fmg avy dia any @  2.250.000.000 Fmg any ho any izany no vola nozaraina teny. Sao mba nihoatra iray ary ny Zero nosoratako teo!lol

 

Ny tena mampihome dia ny nanesorana ireto mpiambina oe misy mitady hamono hono i TGV ka aleony maty mitolona toy injay maty @napa. Dia velom-panotanina aho izany oe maty @napa izany ve ireo olona t@ asabotsy niady irery tsy nisy mpiaro tetsy Ambotsirohotra satria tsy hita tabilao teny ilay ranamana io t@ izay andro izay raha tsy diso aho an!!! Asa aloha nareo no mahalala. Manginy fotsiny ny fanampariahana ny tsaho oe misy "tireur d'élite" etsy @ hotely papango e! misy mpikaramanady etsy @ Louvre e! sy ny sisa tsy voatanisa e. Nanome fanamarihina daholo moa ireo hotely voatonona rehetra ireo oe tsy marina izany. Ka iza ihany ary no mpandainga e. Izay no ataoko oe ho voafatotra @ lelany ry zalahy ireo ny farany.

Jereo koa eto


Terroriste Guerre Violence = TGV

news2dago 11 Febroary, 2009 13:14 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Izay no nanakoako eran'ny Mahamasina androany! Feno ny kianja na dia nikija aza ny orana. Norahonana tao @ Radio Viva avokoa ireo mpanankato saika handray anjara etsy Mahamasina. Torak'izany koa ny mpivarotra etsy @ pavillon analakely oe an'ny kaomina hono io ka dorany rehefa tsy manao ville morte!!! Efa tsy demokrasia intsony kosa izany.

Voaporofo koa fa mbola vahoaka ihany koa ireto miaritra ny orana mikija t@ 12 ora sy 45mn io sary io mbola betsaka noho izao ny vahoaka t@ 1ora sasany. Mbola maro koa ny tsy nanatrika teny nefa manohana ny filoha Ravalomanana satria miasa sy mianatra. Hanao ahoana indray ary ny tohiny ny tantara?

(Tsy mila TGV - sambory TGV)

Marina mihitsy ilay lahatsoratra nosoratan'ny namana atsy ambadika manao oe "Rehefa tsy miaraka @nay dia fahavalonay" dia inona izany tsy demokrasia ny fampihorohorona. Marihina fa na ireo mpitondra fivavahana aza dia voatevateva ao @ io radio viva io!!! Miantsy fahakalana olona hatrany ary mitoky teny fatratra ho manana irery ny marina ry zareo. Maro moa ny haino aman-jery  tsy mandeha intsony satria matahotra toy ny matv sy ny record. Ny tvplus sisa no mba milaza vaovao tsy mahagaga fa an'ny ankilany koa io. Soa ihany fa vita ny Tvm ary tsy topotrano miono intsony ny malagasy any anindrana fa maheno vaovao tsara.  

Jereo koa eto


Manipulation Diabolique

news2dago 09 Febroary, 2009 08:37 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Rano raraka an-tany

(sary avylavitra)
Manakory aby ianareo tompoko, mamangy amin’ny fahoriana tompoko. Tsy lahatry ny miankandrefam-baravarana izao fa hetraketrakin’ny mpanao politika. Antontanio Ratsiraka : iza no namono ny olona tamin’ny 10 aogositra 1991 ? Voatery nitifitra ny miaramila rehefa notarihina hananika an’Iavoloha ny vahoaka aman’alina. Iza no tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesan’ireny maty tamin’ny 10 aogositra ireny : Ratsiraka sa ny Hery Velona ?


Vahotra tokoa ny lela raha, 18 taona aty aoriana, voatery mamerina ny fanontaniana sy ahiahy rehetra efa nosoratako tao amin’ny Madagascar Tribune («Ni Iavoloha, ni 13 mai», 12 août 1991). Fa voaozona inona loatra ny mpanao politika malagasy no tsy mahita irika afa-tsy ny fanaovana sorona ny olona ? Tamin’iny 10 aogositra 1991 iny, mbola niala nenina nampitandrina ny olona tonga teny Tanjombato ny Praiministra Razanamasy : «aza mandingana mihoatra eto ianareo fa raharaha ny ao aloha ao». Tsy nisy nihaino azy. Impiry impiry, hatramin’ny nanombohan’izao raharaha izao, no nitsangana sy niteny ny olona maro sady tsy momba ny atsy no tsy momba ny aroa : «mampidi-kizo izao fiziriziriana izao, tsy maintsy ny resaka no vaha-olana».
Tsy misy nihaino isika.

 

Tsy fomban-tany, na aiza na aiza, na oviana na oviana, izany hoe manani-drova. Faha-Mpanjaka dia voaheloka ho faty izay milingilingy amin’izany. Raha nijanona teo amin’ny kianjan’ny 13 mey ny kabary sy ny fanambarana isan-karazany, tsy ho nisy izao rà mandriaka izao. Anontanio ny any Eoropa sy Amerika raha tojo vahoaka an’alina mananontanona ny lapam-panjakana ka mikasa hanao amboletra hiditra ao : ho jerem-potsiny ? Ka inona intsony no maha Fanjakana ny Fanjakana ?


Hatramin’ny 1972 dia ny faty olona no fetran’ny fitondrana. Efa diso hay loatra izany. Lasa tetika politika. Nahazera an’i Tsiranana. Nahalavo an-dRatsiraka. Izao mahasolafaka an-dRavalomanana izao. Kizo ho an’ny vahoaka, kendry tohana ho an’ny mpitondra, tsiny ho an’ny mpanohitra. Mbola mafana ny fo, mbola mamaivay ny fery, saingy teny tsy maintsy atao izao, zokin’izay aoriana rehetra, mba sanatriavina ka tsy ny fanaovana sorona ny olona foana no handrombaham-pahefana eto Madagasikara.


Ilay Filoham-pirenena, tsy hita, tsy nandrenesam-peo, mahabe ahiahy ny olon-tsotra manara-dalàna sady tsy tia korontana. Raha mba miteny indray, lavitra loatra, toa zary miafina, sanatria toa efa lositra. Fa Fanjakana inona loatra ity eto amintsika ity ? Tompon’andraikitra amin’ny haja sy voninahitra fotsiny fa mialangalana rehefa misy fahasahiranana ? Ianao ihany, Ravalomanana, no nihomehy ilay mpiandry omby miandry omby tokana : «tsy fantatra intsony, hoy ianao, iza no sefo, izy sa ilay omby». Mbola sefo ve ianao, Ravalomanana ?

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Vaovao farany dia nametram-pialana ny minisitrin'ny fiarovam-pirenena. Ary andrasana etsy @ kianja mitafo ny mahamasina ireo soronan'ny tolom-bahoaka 2009. Tsy mbola misy resaka hidirana any @ marimaritra iraisana mihitsy hatreto.

Jereo koa eto


Nanafika Ny Lapa Dia Voatifitra

news2dago 07 Febroary, 2009 13:10 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tonga @ tanjona niriny ny mpitarika ny tolona dia ny hisin'ny rà latsaka izany. Iza no tsy mahalala fa faritra mena eny Ambotsirohotra? Nefa dia notsofina rano ny vahoaka ho eny.

  (sary topmada.com)

  (sary topmada)

15 no maty ary mbola gidragidra be ao zao...Poa basy tsy mijanona olona sahabo eo @ 3000 eo ireo natao tohotra fiakarana dia bado tokoa anie ramalagasy e! Hiomehezan'ny vazaha fotsiny.

  sary topmada

Vaovao voaray farany moa dia oe faty mikararana no raofina ao Antaninarenina ao!!! Indrisy ry malagasy mbola voafitaka @ resaka adiseza hatrany ny maro @nao.

Ny mampalahelo dia ireo mpitarika ny tolona tsy nisy naninona na dia iray aza fa ny vahoaka ihany no lasa sorona. Voaporofo ihany koa fa tsy misy miaramila miaraka @ andry rajoelina izany. Efa manomboka moa ny fisamborana izay nitarika izao voina izao. Samy tompon'andraikitra ny tsirairay @ izay zavatra ataony.

Tsy kely lalana moa ny ratsy fa eo ihany koa ny mpanararaotra izay mbola nangalatra tao hotel colbertnadromba tao @ louvre namaky ny banky Boa!!! Sao dia efa tsy rariny intsony kosa e

Jereo koa eto


Rossy Mazava Ny Atondihiny

news2dago 06 Febroary, 2009 09:45 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mody tsy manao politika izy kanefa dia miray petsapetsa @ mpanao politika h@ izay. Saika olomanga ny gasikara mihitsy kanefa noho ny fidirany @ resaka politika voretra dia lasa io olom-bomanga io ny niafarany. Tsy maintsy tonga eto antananarivo hono izy hirahira etsy @ 13 mai sambany kosa izy no lasa mihira eo @ 13 mai io izay lazainy oe faritra mena t@ izy mbola nahazo ranondranony tao @ Radidy. Toro hevitra ny ahy tsy aleo ve mijanona mpanakanto toy izay mandoto tena @ ze politika e. Mba bandy mahay mamoron-kira ihany!!

(Izy no Rossy milaza ho irery any antanin'olona kay tena be akama tokoa any)

Misy azy indray izany ireo jomaka sy bemiranga rahampitso fa hampanaovina asa maloto @ fanankorotanana. Mahantra rahateo ka sitrany ahay mba misy dimy arivo kely hividianana vary 4 kilao aloha. Mazava ho azy fa tsy maintsy hisy zava-doza ketrehana ao rahampitso. Dia avy eo indray hiteny ny mpitarika oe tsy tompon'andraikitra @ hatezeram-bahoaka. Ilay vahoaka no anilihina ny andraikitra rehefa misy ny fihoaram-pefy sy maty @ sorona. Tsy mendrika kosa raha izany toetra fetsifetsy izany no hakana ny fahefana.
(ireto ny mpanao gazety ao @ radio Antsiva)

Tondro molotra fontsiny mantsy izao dia maharava trano sy voaroba ka ilaina mailo tsara mihitsy ny miresaka @ olona. Tsy mety rahateo ny fomba ataon'ny radio viva sy ny antsiva izay milaza mivantana ny laharan'ny ny fiara sy ny toerana misy ilay olona ary lazaina ampahibemaso oe fahavalontsika sy tsy namantsika. Izany ve no atao nefa mba mieritreritra ny hitondra firenena ianao. Maniraka ny mpanaradia anao hamono sy handroba ny olona tsy miovy hevitra @nao. Tokony mba hieritreritra ihany lahy fa tsy izao ihany anie no iainana eto Madagasikara e.

"Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina!!!". Mba meteza kely fotsiny eo @ toeran'ireo voaromba ireo mpanao gazety manondro molotra ireo mba manana vady aman-janaka ihany. Ovay ihany koa ny fomba fanao fa mbola tsy tara. Tao aorinan'ny 17 janoary no nankaty izao dia maro ireo olona voaroba. I Moxe Ramandimbilahatra, nanaraka azy omaly i Eugène Randriamiandrisoa teo koa i Saholimalala izay mpanolotsainam-paritra ny antoko Tim dia farany izay natao antsoantso omaly t@ radio viva dia i Jaquot ny tarika Green. Lazaina fa fahavalom-bahoaka daholo ireo olona ireo dia robaina ny fananany.
(vahoaka madinika tsy maneho hevitra)
Marina ihany koa fa misy ireo "olona mangina tsy maneho hevitra" izay maro an'isa lavitra noho izy roa tonta mifampiantsy @ izao dia atao ahoana ny hevitr'izireo? 50% ny malagasy no nifidy an'i Ra8 ho filoha ny repoblika ary 63% ny olona teto Antananarivo @ mpifidy 44% tonga nifidy no nifidy an'i Andry Rajoelina izany oe ampaham-bato ihany izany no tena azony fa tsy izy manontolo akory. Ny ambony tsy naneho hevitra izay maro an'isa lavitra dia atao tsinotsinona ankehitriny.Te hiasa ampilaminana ireo te hianatra ny zanak'izireo tsy tia resaka politika izireo kanefa dia tsy misy mihaino ny feony satria olona tsy tia tabataba sy miady ry zareo. ny fahendrena malagasy anefa dia milaza fa "Izay mangina volamena". 

Jereo koa eto


Soloy PDS @ Izay Ny Ben'ny TanàNa Andry TGV

news2dago 03 Febroary, 2009 08:23 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa nanala tena tsy ho ben'ny tanàna intsony ny tenany (andry TGV) t@ nandraisany an-dalambe ny fahefana sy ny fibaikona ny "firenena" koa dia malalaka izany ny ao @ CUA fa tsy misy mpitantana intsony ka rariny loatra raha manendry PDS @ izay ny fanjakana mahefa ankehitriny. Miavosa ny fako ny làlana simba sy feno lavaka ny zaridaina tsy misy mikarakara fa laozana mandany andro etsy @ 13mai fotsiny.

 

Nampetraka omaly teny @ fitsaranaavo kosa ilay taratasy mampiato ny filoha ny repoblika @ asany voalaza moa fa nanitsakitsaka ny lalam-panorenana ny filoha amperinasa ankehitriny.

 

Ny mpiara miasa akaiky @ ben'ny tanana moa no nanatitra izany omaly hariva t@ 6 ora hariva. Dia i Ny hasina Andriamanjato sy Nadine Ramaroson izany.

  

Ho eny Tsimbazaza kosa ry zareo androany hametraka ilay taratasy ihany koa ho eo @ ireo solombavam-bahoaka sy ny loholona. izao moa no natao mba hanana saritsarina demokrasia ilay fandrombahana fahefana natao ny asabotsy lasa teo.

  (sary avylavitra)

Miditra mianatra androany kosa ireo mpianatra eny @ sekoly katolika. Ny any @ faritra hafa moa dia milamina avokoa ary efa nandray ny asa aman-draharaha avokoa ny mpiasa mpanjakana rehetra omaly. Tsy nisy nanaraka izay baiko tetsy an-dalambe moa arak'izany ireo mpiasa. Mitaraina kosa ny mpitarika ny tolona eo @ mpiasam-panjakana fa voasakan-tsakana hono ry zareo. Kanefa ny mpiasa mihitsy no tsy te hamonjy ny tolona. Mazava ho azy fa tsy misy olona firy intsony mamonjy ny kianja ny 13 mai.

  (sary topmada)

Inona indray ary no ho lazaina eny @ 13 mai androany efa leo mihitsy ny olona @ ity tolona tsy hita soritra mazava izay tena tanjona tiana hatongavana ity. Heno indray izao fa mikasa ny hitondra vahoaka ho eny Iavoloha indray. Dia efa tena mirediredy mihitsy. Olona  1.000 ve no lazainao hisolontena ny vahoaka 20 tapitrisa. Mila mianatra manisa tsara mihitsy aloha vao mitarika vahoaka fa tsy mety intsony izao atao izao. Efa manomboka miatraika @ vahoaka indrindra ny eto andrenivohitra koa ankehitriny ny fidangan'ny vidim-piainana.  

Akon'ny 13 mai kosa dia niangavy ny vahoaka ny ben'ny tanana fa aato kely aloa ny 13mai fa @ asabotsy indray mihaona no sady hampiseho ny governemanta an-dalambe no hampiseho ireo miaramila mpioko. Ho any Diego kosa hono izy rahampitso raha ny filazany fa ny vaovao miely kosa anefa dia ny oe hikarakara ny fandosirana ny tenany ankehitriny. Mihena be mihitsy mantsy ireo olona tonga teny @ 13 nanomboka ny asabotsy teo no nakaty.

JEREO KOA ETO


Kobosoroka Makaiza

news2dago 02 Febroary, 2009 09:42 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mazava ny fanampahan-kevitra eo anivon'ny vondrona afrikanina dia ny ara-dalàna ihany. Melohina tanteraka izay fanonganam-panjakana tsy ara-demokratika sy tsy mifanaraka @ lalam-panorenana. Tsy kaonty izany ilay tarihin'ny ben'ny tanana ankehitriny.

 

Eo ampiandrasana ny zavatra mety hiseho sy hitranga androany dia manotany tena ny rehetra eo rahovina ihany vao hifarana ity disadisa ity na dia maro ary ny olona tsy dia marisika laotra intsony @ fanarahana ny tolona. Raha tombanana tany @ 80.000 ny olona tany amboalohany ny 17/01/09 dia 3.000 sisa izy ireo ny 31/01/09 izany oe 3,75% ny olona sisa no mahatoky ny tolona atao ankehitriny.

(sary NYtimes)

Hita kenda roroka ihany anefa ny mpitarika Andry Rajoelina satria tsy hita intsony izay fomba hitantanana ilay hetsika ny mpanohana mitabataba demokrasia sy tetezamita ny mpanolotsaina mila manala ra8 tsy hitany intsony izay aleha. Voamarika ihany koa fa mikorotana ny fandridrana (protocol) @ ankapobeny ny sasany miteny oe ataovy @ teny malagasy ny fanambarana ny hafa manery oe teneno eo fotsiny (ny momba ilay art 162 ny lalam-panorenana io).Hita ihany ingahy ben'ny tanana oe tsy manana ny tena foton-kevitra hijorony fa te hamita ilay iraka ampanaovana azy fotsiny dia ny ialan'i Ravalomanana izany.

Ny olona moa dia manohy ny asany fanaony andavanadro ihany. Tsy mila resaka politika izany tsy hisy hanome sakafo tokoa etsy @ 13 mai ho voky kabary fotsiny eo ny kibo anefa tsy maintsy misakafo foana isan'andro fa tsy velona @ kabary tsaralahatra fotsiny. Tsy mahazo ahy intsony koa raha izay resaka filaharana lava izany e! Ny hafa no tsy haiko fa raha izaho manokana tena tsy any @izay intsony.

Fa hiverenako ilay tenin'ny ben'ny tanana oe miray tsikombakomba ny fitondrana sy ny mpitondra fiangonana. Mahagaga tokoa fa tsy mba hita taratra mihitsy ny mpitondra fivavahana katolika t@ ireo solontena ny ffkm nanao ny fanelanelanana sao misy ambadika hafa ihany koa. Tsy tontosa mihitsy moa izany fanelanelana izany mandrak'androany. Sao mba misy adidy tsy hefa kosa ry raiamandreny am-panahy marina. Mijaly anie ny vahoaka e! Mila mandray andraikitra ianareo.

  (sary madanight)

Mbola tsy dia misy vaovao etsy @ 13 mai fa mbola kabary sy filaharan'ireo mpiasa ny orinasan'ireo mpitarika ny tolona no ao dia ry zareo ao @ savonnerie tropicale izany. Miantso ny mpiasa ny jirama sy ny madarail izy hanampy azy ireo. Hay ve vao antsoina indray fa tsy mbola voabaiko Ingahy ben'ny tanana izany orinasa maro notononina teo izany. Mitaraina koa izy ireo oe misy miaramila miambina ny minisitera rehetra. Aleo koa aloa izay sao de doranareo eo koa oe tsy zakanareo. Ingahy ben'ny tanana moa dia mbola tsy hita ihany h@ izao? 

JEREO KOA ETO.

 


Vita Ny Valifatinareo Sy Lafrantsa

news2dago 28 Janoary, 2009 05:03 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

"V" mairiky ny fandresen'ny devoly no hita miseho lany ankehitriny ary mipotra tsikelikely ny contrat vita t@ ireo fanetribe ny firenena. "V" voafitakareo ny vahoaka resy mora rebirebena noho ny fahatrana ary mbola hahantra lavitra noho izao satria aman'hetsiny ireo olona very asa tsy fidiny noho ny hetraketraka nokobonin'ireo DEVOLY BE isakarazany.

Vita ity ny valifaty ho an'ireo rehetra mpitondra voaongana t@ fotoanandrony. Vita ihany koa ny valifatin'ireo rehetra voailika tao aorinan'ny 2002 izay niaraka nandrodana ihany koa t@ fotaonany. Vita ihany koa ny valifatin'ilay bandy kely voalaza voan'ny atsojay sy ny sisa ary nanaiky ny hiaraka hamita ilay asan-devoly mamotika firenena @ dorotrano fanimbana fananan'olona sy ny asan'olona. Rhefa ny vola tokoa no mibaiko tsy misy afaka miazona ny eritreritra sy ny hetaheta rehetra tsy mijery ireto vahoaka ho fitahana. Ary farany Vita koa ny valifatintsika vahoaka milaza mijaly sy mahatra kanefa mialona sy be otripo.

Vita iny ny anjaran'i ra8 rava ny fanjakana potika ny fananany ary mafy ny sedra nolalovany ankehitriny. Notsaraintsika vahoaka izy io ka samy tompon'andraikitra isika rehetra. 

Hoy ny ben'ny tanana jiolamboto omaly nanao oe "pas iray sisa dia vita ny tolona" nanaiky azy koa io ny tafika ary ohatra voafehy ho azy ireo mpandroba. Azo antoka fa ny "pas iray" izay dia ny haka ilay fahefana tetezamita androany etsy @ 13mai. Azonareo izany ny fahefana ka mahaleova mahalasana miravoa sy mifaly fa tonga ilay tanjona nirinareo h@ ela dia ampiriato @ izay ny vahoaka hanaiky ny sitraponareo.

Mibaribary ankehitriny ilay olona faha3 nialoka tao ambadik'ilay ambodia nitafy hodin-janak'ondry. Te hampanjaka ny asan'ny maizina eto Madagasikara. Ho lany @ filokana sy ny fahavetavetana isakarazany ny volam-panjakana. Tsy mahagaga rahateo fa tanana mioson-dra no nakana izany fahefana izany. Mazana mantsy ny devoly rehefa manao pacte aminy enao dia mila sorona hatrany izy.

Tsy hangina kosa anefa ireo maro mivavaka andro aman'alina mivavaka @ hoavin'ity firenena ity. Ary tsy maintsy hivaly ny vavaka ao aorina ao. Andriamanitra no miasa ary tsy hanadino izy rehfa mitodika sy miverina aminy isika VAHOAKA. Mahereza fa tia ny Malagasy Andriamanitra efa nandalo teto izany fandorana baiboly izany kanefa tsy levona izy. Mandalo izao ny sedra maro isakarazany ka atsoy izy fa tsy maintsy hiaino izy rehefa ny fo madio no miantso azy am-pibebahana.  


Hodidina Any Frantsa Izy Roalahy Kambana

news2dago 23 Janoary, 2009 13:49 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Bébés siamois Mahagaga et Mahalatsa évacués en France
 
(sary trimobe.org)
 
Les frères siamois seront séparés à l’hôpital Necker de Paris. Ils quittent le pays ce samedi. Après sept mois d'hospitalisation au Pavillon Sainte-Fleur du centre hospitalier d’Ampefiloha, les frères siamois d'Amboasary-sud, Mahagaga et Mahalatsa s'envoleront pour la France ce samedi 24 janvier. Liés au niveau de l'abdomen, ils seront séparés à l'hôpital Necker de Paris. « L'opération exige un diagnostic très poussé qui nécessite un matériel sophistiqué comme l'imagerie par résonance magnétique ou IRM », explique le Pr. Lalatiana Mamy Andriamanarivo de l'hôpital Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Il précise que « tout est fin prêt ». Médecin traitant des jumeaux, le chirurgien pédiatre fera partie du voyage.
 
Le départ est prévu vers 22 heures 30 par le vol de la compagnie nationale Air Madagascar.
D'après lui, les papiers des deux bébés et de leur mère sont déjà en règle. Croissance normale L’évacuation sanitaire est rendue possible grâce à l'état à travers le ministère de la Santé et du planning familial avec l'appui des associations humanitaires Médecins du Monde et Ordre de Malte. La première paiera le titre de voyage du Pr. Andriamanarivo, celui des bébés et de leur mère, Anjara Mea. La seconde assurera celui de Lucie Raharinirina, surveillante au Pavillon Sainte-Fleur. « Elle a pris soin des jumeaux depuis leur admission dans notre établissement », précise le chirurgien pédiatre. « Actuellement, l'état de santé de Mahagaga et Mahalatsa est rassurant », fait-il remarquer avant d’ajouter : « Leur courbe de croissance est normale ». Agés de sept mois, ils pèsent environ 12 kg alors qu'à leur arrivée dans la capitale, ils ne faisaient que 2,100 kg.
 
Satisfait des résultats enregistrés par l'équipe médicale qui s'est chargée du traitement des jumeaux, le médecin-chef du Pavillon Sainte-Fleur tient à remercier toutes les personnes de bonne volonté qui les ont aidés durant leur séjour dans la capitale. « Hébergée dans une chambre soigneusement aménagée et bien équipée, Anjara Mea, qui est déclarée mère-célibataire, n'a rencontré aucun problème pour s'occuper de ses fils », conclut un médecin. Accouchée par une matrone dans la bourgade d'Andavabaja, district d'Amboasary-sud, elle a été amenée à Antananarivo avec ses nouveaux-nés par le gouvernement.
 
Teholy Martin Date : 23-01-2009
(www.expressmada.com)
 
Dia mirary soa ho azy rehetra ireo ho tsara mandroso ho tsara miverina. Mahatsiaro am-bavaka hatrany. 
 
Eo @ lafiny pôlitika kosa dia natao fisavana ny tranon'i Nirhy lanto Andriamahazo izay adjoint ny Ben'ny tanàna Antananarivo. Mbola maro koa ireo mpiara miasa aminy akaiky no hosavana. Mety hisy hiakatra fitsarana ary ve? Satria manohitohina ny filaminam-bahoaka.
 
 
 
Nampiakatra fitsarana kosa ny eo anivon'ny mbs raha naharay ny taratasy nampetrakin'ny vadin-tany nalefany eo @ CUA. Mbola tantara mitohy ihany koa ity... Ny tantara moa dia izao raha atao bango tokana. Miorina eo @ tanin'ny kaominina etsy Anosipatrana ny radio sy tv mbs ary voalaza fa tsy nandoa hofatany intsony izy efa ho heritaona izao??? Rariny loatra raha mitaky ny vola anjarany ny kaominina. Hisy ary ve ny fahaleovan-tena ny fitsarana? Eo indrindra isika izao. Rahampitso maheno ny tohiny etsy @ kianjan'ny demokrasia.
 
Jereo koa eto
 
 

Tambazo Tsara Antananarivo

news2dago 22 Janoary, 2009 10:34 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia iandrasana disadisa tokoa izay vao mijery ny vahoaka madinika!!! Efa impiry moa no nodradraina oe mijaly ny olona marary eny @ hopitaly ankehitriny. Ny vola ihany no antony vao mahazo fitsaboana @ antonony ireo marary. Tapa-kevitra ary izao ny fanjakana fa hanamboatra ny hopitaly Befelatanana sy ny HJRA. Mahavelombolo aloha ny maheno izany ka miandry ny tena asa ny vahoaka.

 

Efa antitra tokoa ireto hopitaly roa ireto ary fanambin'ny fanjakana moa ny hanao azy ho hopitaly manaram-penitra. Fehiny nisy nahatsara azy ihany izany ny hetsika nataon'ny mpanohitra satria nampihiratra ny mason'ny mpitondra ka nitodika aty @ vahoaka madinika.

 

Manolona ny fifanolanana misy eo @ Andry Rajoeilina sy Marc Ravalomanana dia mifanolana ho azy koa ny Viva sy ny Mbs. Ka nandefa vadin-tany eny Anosipatrana foibe toerana misy ny mbs izay ao @ tanin'ny kaominina ry zareo eo @ fiadidina ny kaominina ary nametraka taratasy fanairana momba ny faharavan'ny fifanekena. Mangoron'entana kosa arak'izany ny MBS raha tena voahaja ny lalàna. Mampanotany tena ihany anefa oe hanaiky an'izay ve lery?

 

"Tsapaho aloha ny hery vao mifanadrina amiko" hoy ny Filoha nampiasa ilay teny tsindrom-paingotra kely maharomotra ny mpanohatra sy ny mpanaraka ny TGV izay. Dia ho hita eo indray izay tenin'ny ankilany @ asabotsy. Ny hita aloha dia mihahenjana hatrany ny tady eo @ roa tonta.

(sary Madagascar tribune)

Mbola manjavozavo ihany ny resaka momba ilay tany namidy @ koreana sy ilay Force one ankehitriny raha ny fanazavana azo avy @ ireo tompon'andraikitra mivantana no resahana. Mazava tsara kosa anefa ny fanazavan'Ingahy Tovonanahary Rabetsitonta momba ireo satria dia mahasoa ny malagasy ny nanaovana izany hoy izy ary ny tombotsoam-bahoaka hatrany no katsahana hoy izy tao @ radio antsiva. Hita mihitsy aloha ny lehilahy oe malalatsaina kokoa ary matotra ara-politika kokoa no i Moxe Ramandimbilahatra. Mangataka ny elanelam-panahy FFKM moa ny lehilahy mba hisorohana @ mety hisin'ny korotana manolona izao disadisa misy izao.

Nomena ho an'ny FFKM kosa ny tany misy ny Romanor taloha etsy Ankorondrano mba hanorenana ny trano foibe iasan'ny FFKM.

 

Vaovao hafa kosa dia rava any @ 80% i Morondava raha nolalovan'ny rivodoza Fanele omaly. Mbola tsy dia misy vaovao heno laotra aloha manodidina an'io fahavoazana io hatreto fa samy mbola varina mamono ny afo efa narehatra teto Antananarivo daholo ny mpitondra.

 

Jereo koa eto

 


Nahazo Fampitandremana Ny Viva Radio

news2dago 21 Janoary, 2009 12:49 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Raha tsy manova famindra dia hakatona koa ny viva radio izay no azo hamitinana ilay taratasy nalefan'ny minisitera ny fifandraisana ho an'ny talen'ny viva radio. Ny fahazon-dalàna ho an'ny viva tv kosa dia efa nasorina tanteraka t@ ity orinasa iray ity. Mbola mandeha ihany aloha ny viva radio hatramin'izao. Fa ny Radio ravinala any Manajary kosa no nakaton'ny fanjakana fa nandefa ilay kabarin'i Andry TGV t@ asabotsy lasa teo!!! Anjaran'iza ny manaraka?

(sary avylavitra)

Manaraka izany dia anaovana fanadihadina manokana momba ny hetra ireo orinasa rehetra ny fianankavin'ny ben'ny tanàna ankehitriny! toy ny nataon'ny amiraly ny orisana tiko t@ 2001. Tena miverina koa eto ny tantara. LOL

Nalefa nivantana tao @ tvm kosa ny fanaovan'i Obama Hussein Barack Junior fianihanana omaly. Ary lasa saina ihany ny tena oe rahovina ny malagasy vao mba ahay hifandimby toerana toy izao. Hita teo avokoa mantsy ireo mpitondra rehetra nifandimby tany an-toerana. Tsy ho hita aty mihitsy izany oe prezida Ratsiraka sy Zafy Albert ary Ravalomanana hiaraka hisakafo izany. Mbola lavitrin'ny afo ny kitay.

(sary irishtimes)

Potika ny faritra atsinanana nolalovan'ny rivodoza Eric. Raha mbola mamakivaky ny tapany atsimo andrefana ny rivodoza Fanele.

(sary meteofrance)

Jereo koa eto


Efa Loza Miatra Kay! Ny Tena Varina @ Politika

news2dago 19 Janoary, 2009 16:05 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Niditra an-tanety anikeo ny rivodoza eric. Tena tsy nisy dia nivakla izany rivodoza izanyfa varina @ le politika maloto ndry zalahy atsy kay ny loza ity efa niditra.

(sary meteo france)

Dia mbola misy koa ao atsimo ao ka sa koa izay ho afitsony

  (sary meteofrance)

Manorana sy maloka hatrany ny andro eto andrenivohitra ary mikija izay tsy izy ny orana atsy @ ireo nosy rahavavy.

Vaovao hafa kosa dia hiverina eny @ fitsarana rahampitso ny raharaha lola ilay mpanakanto malaza nadona ary nahafaty olona t@ taon-dasa. Nahazo fahafahana vonjy maika moa izy t@ izany. Ka mety hanamafy an'io koa ny didy hivoaka rahampitso. Miandry ny mpanaram-baovao maro.

Miely hatrany ny tsaho eto Antananarivo ka manahirana ny maka vaovao tena marim-pototra.

Jereo koa ato

 


SOS Mila Vonjy! Ampitampitao

news2dago 12 Janoary, 2009 11:52 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

La petite Fa, âgée de 21 mois,
a besoin d’aide pour ralentir sa puberté précoce

Mila vonjy i Fa

A 16 mois, la petite Fa, âgée aujourd’hui de 21 mois, a déjà eu ses premières menstrues. Ses poils pubiens ont fait aussi leur apparition et sa poitrine commence également à se développer. D’après les résultats des différentes analyses et les explorations médicales, une tumeur de l’hypophyse est à l’origine du déclenchement de cette puberté précoce chez la petite Fa. Pour ralentir l’évolution de cette horloge biologique trop en avance, l’un de ses deux médecins traitant a suggéré une évacuation sanitaire à l’extérieur pour traiter la tumeur. L’autre praticien a, pour sa part, recommandé une injection hormonale mensuelle, associée à de suivis médicaux réguliers du processus de sa maturité osseuse, du développement de ses différents organes, jusqu’à sa neuvième année. Et la mère de la petite Fa a opté pour cette deuxième solution. Toutefois, étant veuve et n’ayant d’autres sources de revenu que sa modeste gargote, elle n’est pas en mesure d’assurer les 450 000 ariary par mois, nécessaires à l’achat des médicaments pour l’injection hormonale. Elle fait ainsi appel aux âmes généreuses pour soutenir sa petite fille qui n’a pas encore 2 ans, mais qui a déjà le cartilage d’un enfant de 3 ans.

Arrêt de croissance

Deux problèmes majeurs pourraient survenir pour la petite Fa. Pour des raisons évidentes, son développement psychoaffectif peut être perturbé. En effet, dans la plupart des cas, les manifestations de la puberté précoce créent des difficultés dans le milieu socio-familial et scolaire. « Mais ce qu'il faut craindre, c'est que la taille définitive de ce bébé peut être gravement affectée parce qu'il y a une maturation osseuse précoce », déplore l’un de ses médecins traitant.
Dans la puberté normale, l'enfant prend 8 à 10 centimètres en croissance entre 11 et 12 ans. A partir de la phase pubertaire, cette croissance est ralentie à 1 à 2 centimètres par an, jusqu'à 15 à 17 ans où il y a soudure des cartilages de conjugaison. « Une fille ayant ses règles trop tôt a une courbe de croissance ralentie par rapport aux enfants de son âge. Ce sera probablement le cas de la petite Fa », indique ce praticien.
Ceux qui souhaitent apporter de l’aide à la petite Fa peuvent verser directement leur contribution au compte bancaire de la BOA N0. 05 600/1694 955 0009 ou prendre contact avec sa mère au 033 12 527 02 ou aux adresses électroniques : [email protected]  et [email protected]
Recueillis par Vola Andriamanana (midi 12/01/09)

Niniko napetrako eto ity fangatahan'ny renim-pianakaviana iray vonjy ity mba ho anjara birikiko @ fanampiana ny fitadiavana fanampiana ho an'io zanany io. Maro mantsy ireo malala tanana mpandalo eto @ ity serasera ity.

Kianja vaovao
 

Ny vaovao nisongadina t@ farany herinandro teo iny kosa dia ny zaridain'andohalo niova look izay lasa zaridaina maoderina araka ny filaza ankehitriny. Rehefa misy kosa aloha ny zavabita toy intony dia mendrika ho deraina tokoa. Miandry ny zavabita manaraka kosa ny mpifidy.

 

Moderina
 
Rakotra mpino niakanjo fotsy ny kianja mitafo ny alahady teo tombanana any @ 5.000 any ireo namaly ny antso t@ izao fiombonam-bavaka izao. Ny finoana manova zavatra indrindra @ fanalana ny herin'ny maizina izany. Enga anie ka tsy ho fiatsarambelatsia kosa izao fihetsika izao izay ahin'ny mpanaram-baovao sasany.

 

 

Ilay akanjo fotsy

 

Niverina indray ny delestazy omaly ary nangasihasy ery rafotsy tsy nahita ny tantara mitohy Grey's Anathomy. Marihina fa efa nahazo fampitandremana tany @ filoha ny DG ny jirama ka sao dia mba fotoana tokony hisaorana azy @ izay kosa izao sa mbola misy zavatra hafa andrasana aminy indray ve?

Jereo koa eto


Tsy Lahatra Akory Ny Milahatra

news2dago 08 Janoary, 2009 09:52 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Hoy Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Misy tokoa ny tsy mahafaly, maro ny manafintohina, betsaka izay nihoatra ny loha. Tsy lavorary tanteraka, tsy tapitr’ohatra velively, ny fitondran-dRavalomanana. Tokony hanonganam-panjakana anefa ve izany ? Fa angaha tsy misy fomba hafa, ndao atao hoe «demokratika», ankoatra ny rotaka, fitokonana, filaharana an-dalambe ? Inona moa no atao hoe mpanao politika, ary mendrika ny haja sy voninahitra omena izany : mpametraka ny fanontaniana saro-baliana, mpitady ny vaha-olana manahirana, ho tombontsoan’ny tanindrazana.

Raha io mason-tsivana io, firy no mendrika ho mpanao politika eto Madagasikara ? Ny fanaovana politika tsy hoe ampy mihogahoga an-dalambe na mibodo gazety na mibahana haino aman-jery. Inona no tanjona : tombontsoan’ny firenena ve, mahasoa ny besinimaro ve, mendrika ny Tantara ve ? Inona avy no dingana ahafahana miady amin’ny jadona satria asan’ny kamo sady mandrava hefa ny fidinana an-dalambe ?

Fanontaniana tsy maintsy apetraka saingy asa raha ho ahitam-baliny : ny fahafahana maneho hevitra dia isan’ny toko iketrahan’ny demokrasia saingy tombotsoan’ny firenena ve ny fitaomana olona hidina an-dalambe noho ny raharaha «TV VIVA» ? Fantatrareo ve fa efa ela tokoa aho no tsy manaraka haino aman-jery gasy intsony (akoatra ny Alliance FM sy ny RLI) ? Ny antony, tsotra : ny MBS sy ny mpiara-dia aminy tsy manao afa-tsy miaro ny Filohan’ny Repoblika ; ny groupe VIVA tsy manao afa-tsy mandokaloka ny Ben’ny Tanan’Antananarivo. Vahoaka tokam-po ohatra izany, na tamin’ny 1991 na tamin’ny 2002, no mampandatsa ankehitriny izao. Tsy misy mainty sy fotsy izany fotsiny ny fiainana. Tsy misy hadivory sanatria ho hantsana mampisaraka ny andaniny sy ny ankilany. Ny rano natao ho lakanina, ny hady natao ho toharina, ny hevitra natao ho aravona.

Fanontaniana iray hafa : raha nifidy Ben’ny Tanana, tsy ny fota-mandrevo etsy Ankasina, ny fiara mitohana etsy sy eroa na ny fako manamaimbo ny Renivohitra, ve no nantenaina hisy fivoarana fa iza koa no nitady raharaha amin’izay «kianjan’ny demokrasia» ?

Milahatra foana ny Gasy : milahatra vary sy menaka ary savony ; milahatra bus ; milahatra biraom-pifidianana ; milahatra fandoavana faktiora Jirama na Telma ; milahatra taratasy eny amin’ny Firaisana ; milahatra fandraisam-bola na DAB na Trésor na pension eny amin’ny paositra. Tamin’ny 1990, hono, raha nisokatra tany Moskova ny Mcdo dia nilahatra niandry toerana avy hatrany ny olona na dia ny ampitso aza no fisokafana : narahin’ny mpanao gazety tandrefana eso izany hoe notaizain’ny jadona sosialista amin’ny filaharana ny vahoakany.
Iza no ndeha hihevitra fa mampivoatra toetsaina izany filaharana izany ? Filaharana, fisongonan-daharana, fifanosehana : na misy tsipika mazava izao aza mba handaminana ny filaharana, ny Gasy mihitsy no toa tia mitangorongorona sy finaritra mifanitsa-kitro.

Izao indray, antsoina ny vahoaka hivavaka ankalamanjana etsy Ambohijatovo. Avy eo angamba dia ho taomina hilahatra eny amin’ny 13 mey. Filaharana tsy nahitan’ny firenena tombontsoa, na 1972, na 1991, na 2002. Toekarena vao mitraka, mitambotsitra avy hatrany. Filaminana korontanin’ny sain-drotaka. Fahefam-panjakana voazimba., Filaharana mitaky fanozonana, filaharana manantena fahagagana, filaharana mila voatsiary, filaharana mivavaka amin’ny Mesia, filaharana arahin-datsa. Milahara e, milahara foana, aza miala amin’ny maro, ndeha manara-drenirano, sotroy ny ronono an-tavy, hano ny kobaka am-bava : ravinkazo entin-drano, ka indrisy, izay toeran-kitodiana toa tsy hisy.
 
Date : 08-01-2009
www.lexpressmada.com

 

 

 

Mahafinaritra ahy ny lahatsoratra nosoratan'i Vanf io ka tsy aritro raha tsy napetrako teto @ blaogiko. Mino aho fa tsy ho sarotiny izy raha mahita an'izany eto. LOL

Voarara izany ny famorina olona hivavaka ny alahady 11/01/09 izao etsy Ambohijatovo. Raha ny vaovao hitako anikeo t@ gazety. Ny eo anivon'ny CUA anefa dia mitohy ihany ny fikarakarana ny fotoana sy ny sisa ka mety hisy ve ny fifandonana @ izany? Asa eo isika mahita izy? Fa ny tena nanaitra ahy dia izay aho vao naheno t@ ity fitondrana ity oe handrara olona hivavaka eny fa na eny ankalamanjana aza! Tena misy devoly marina tokoa angamba ao ambadika mandrebireby azy ireo hanao toy io! Ny vahoaka no aoka hitsara e.

Andrasana ihany koa izay mety ho fizotrin'ny lanonana eny Mavoloha izay atao rahampitso 9 janoary 2009. Tsy ho any hono ny ben'ny tanana fa aleony manatrika ny asaramanitra izay ataon'ny kaominina etsy @ kianja mitafo ny Mahamasina, lanonana izay tokony natao omaly kanefa dia ninina nahemotra rampitso mba hifanindry tsara @ ny an'ilay lanonana ataon'i dRamose eny Mavoloha!!! Tsy hisy hahita tombotsoa @ izao ady izao mihitsy eo akory ary tsy hisy hivoaka mandresy akory fa samy mitovy saina sy toetra ka tsy mahagaga raha mivaralila ohatran'io. Ny vahoaka ihany no mijinja ny vokany fa iza indray moa.

JEREO KOA ETO

 


Gazy Nirefotra Toy Ny Baomba

news2dago 07 Janoary, 2009 08:17 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Rehefa ho avy tokoa ny loza dia na ny ranovola aza mety hisy voay hoy ny fitenenana. Loza nahatsiravina no nitranga tetsy Ambodivonkely Ambohimanarina omaly tolakandro. Nisy zavatra nipoaka be no henon'ny manodidina ka samy taitra avokoa ny rehetra potoizay dia niely ny vaovao ary fantatra fa ny Garazin'i Ravonjy no nisy ilay loza. Io Ravonjy io moa dia efa ampolotaona maro no efa nanao itony soudure itony ary kinja @ fanamboarana ny vatana fiara pempo na simba sy arafesina izay. Heno ary izao araka ny loaranom-baovao fa olona 3 no namoy ny ainy tao @ ilay garazy ary ny 3 kosa dia maratra mafy ihany koa. Ilaina ihany ny tokony hanaovana fanaraha maso itony fitaovana itony fa mety hampididoza be satria maro ny garazy mampiasa an'itony.

 

 Mbola vaky indray koa ny fonjan'Ambalatavohangy any Toamasina afak'omaly. Mametram-panontaniana ny maro oe misy zavatra tsy mazava intsony ao. Fonjan'iza indray ary ny manaraka? Ny resaka mandeha aloha dia oe ny hanakanana ny olona tsy hivorivory no tena mety tanjona @ izao fonja vaky izao satria azo lazaina fa tsy mandry ny tany! Asa anefa fa heritreritra ihany ny ahy iny.

 

 

 Voatendry ho direkitera ny kabinetra ny CUA kosa ny jeneraly Rasolosoa Dolin. Miditra an-tsehatra ao koa izany ny miaramila ankehitriny. Na izany aza anefa dia mbola atody miady amam-bato ihany ny CUA raha hifampitana @ fitondrana satria itsy farany dia afaka manampatra fahefana.

 JEREO KOA ETO.

 


60M$ Avy Aiza Io Volabe Io?

news2dago 06 Janoary, 2009 10:20 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Fiaramanidina VIP 737-700 sandaina any @ 60M$ any ho any no novidin'ny fanjakana malagasy tany @ ilay miliaridera amerikanina Roy Disney ary dia arifomba izay no ilazana azy angaha jereo ny sary etsy ambany:

 

Raha mba izaho moa no miliaridera sy mpanam-bola be dia inona re no mba novidiko e? Raha ny volako manokana moa no hampiasaiko tsy olana indray iny fa ilay izy dia vola tsy fantam-piavina ary ahina ho vola tao @ banky foibe hoy ny gazety sasany no nividianana azy ity satria ao ihany no misy devise. Fanontaniana mipetraka daholo izany ankehitriny fa ny hita aloha dia faly izay tsy izy ny Filoha nahita ny hatsaran'ilay raoplana.

Sary air force one II 

Fa ilay izy koa aloha dia tena manao toeran'ny tsy manan-kavana e! satria dia olona 25 monja no azony ho entina??? Eo koa zao dia mbola hiampy ihany koa ny fandanina ho an'ireo mpanaradia izay tsy maintsy handeha sidina mitokana mihitsy raha mihoatra ny 25 ny olona hanaraka ny prezida na ireo mpiaro azy manokana ohatra dia mety efa feno ny atsasak'io toerana io!LOL. Betsaka ny zavatra azo kihanina @ izy ity kanefa mety ho lany rora eto fotsiny satria efa azo ilay zavatra ka inona indray.

Izy Mitsam mahafatifaty ery

Ny vahoaka tsy mandady arona  esy ankilany dia miady @ fiainana sy ny vidim-piainana isan'andro ary voalaza moa fa tsy dia laharam-pahamehana loatra angaha hoy ny mpanaram-baovao. Voalaza mantsy fa totalina any @ karama ny fonksionera mandritra ny 12 taona any izany Ar 110 Miliara izany. Na koa nahafahana nanao ny lapan'ny tanana miisa 10 any ho any ny vidin'ity fiaramanidina haitraitra ho an'ny filoha ity. Dia ho hita eo ny tohiny tantara fa ny hita sy tsapa aloha dia mimenomenona ny vahoaka ary sorena @ ataon'ny mpitondra.

JEREO KOA ETO 

 

 


Tonga Androany Ny Air Force One Vaovao

news2dago 05 Janoary, 2009 07:10 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia io izany aloha ny vaovao lehibe misongadina akaotran'ilay fonja vaky teny Tsiafahy izay nisy gadra 22 tafatsoaka ary ny 16 t@ izy ireo dia mbola miriria any h@ izao. Nafonja tokoa ny fisavana ny fiara nivezivezy tany @ iny lalam-pirenena faha 7 iny omaly tontolo ary ireo lehilahy tsy manana karatra dia voatazona avy hatrany atao fanadihadina.

Fa hiverina @ ilay lohateny @ izay aho izay tsy maintsy asina resabe foana aloha satria iarahana mahalala ny fahasahiranana mianjady @ vahoaka ankehitriny kanefa ireo lehibe toa te hifaninana @ ireo mpitondra any @ firenene mandroso sasany. Voalaza tokoa mantsy ho avy androany ilay Air Force One "II" izay azo lazaina fa arifomba tokoa no tena ngeza no malalaka misy fandriana misy salon misy bar sy ireo rehetra mety ho hita ao @ tranon'ny mpanakarena angaha no hamehezana azy. Dia tsy maintsy oe ho voatety ihany izao tontolo izao e!!! Ny aina no mateza hoy ny fitenenana. Misy farany anefa ny zavatra rehetra ary fandalovana ihany ny toerana maha prezida izany ka na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hifarana ny fiadanam-be hananany @ izao io.

Etsy andaniny kosa dia naharay fiarabana tratry ny taona tany @ ben'ny tanana ny fiangonana tao @ nay omaly ary novakiana tao @ filazan-draharaha mihitsy izany. Asa aloha ny an'ny fiangonana hafa fa izay hitako no ambarako eto. Miandry ilay daty farany nomen'Ingahy ben'ny tanana tokoa ny rehetra dia ny 13 janoary izany. Efa nampitadrina anefa ny filoha fa tsy maintsy miatra ny lalàna fa tsy misy ambonin'ny lalàna izany akory. Dia tandremo izany milahatra sy migrevy eo fa tonga dia midoboka izay. Kanefa anie dia io rangahy io mihitsy no nitarika olona hilahatra sy handika lalàna t@ 4 janoary 2002 e! Ka nony injay izy mahazo toerana dia mamemetra ny hafa tsy hikofoka. Mahagaga ihany!!!

Raha ny eritreritro manokana aloha dia aleo hilamina dia misesy fa ampy izay ny korotana sy ny tabataba. Ny vahoaka foana mantsy no atao tohatra fiakarana sy apiriatina sy atao takalon'aina @ zavatra toy itony lazaina foana ombieny ombieny oe mijaly ny vahoaka ka tokony hitokona sy hikomy kanefa rehefa vita avy eo ny tolona dia ao ireo mizara seza eo kosa anefa ireo miady seza fa mahatsiaro voailikilika dia ireo indray no mikomy hanakorotana avy eo dia toy izay hatrany ilay fiainana politika eto Madagasikara nanomboka tao aorinan'ny 91.

Dia miandry izay higadonany sisa ny vahoaka e! Fa ny hita aloha hatreto dia manankarena izay tsy izy ireo mpitondra ary mitombo isa hatrany ny fananany toy ireo mpitondra nifanesy teo ihany. Ary hinoako koa fa mbola toy izany koa ireo mpitondra hifanesy eo. Ny vahoaka dia hahantra hatrany hatrany @ izay mantsy mora rebirebena sy tambatambazana.

Jereo koa eto 


Faly Miarahaba Antsika Tratry Ny Taona 2009

news2dago 02 Janoary, 2009 09:58 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia mbola faly miarahaba antsika rehetra nahatafita iny taona 2008 iny ary nandray ampifaliana ny taona 2009 ihany koa. Aza manadino ilay nahary mbola nanome antsika tombon'andro sy taona vaovao iray indray ary dia mankahery anareo izay sendra olana sy mety ho fasahiranana ihany koa enga anie ka hivalona hiaraka t@ iny taona lasa iny ny ratsy rehetra. 

Dia mirary soa sy fahombiazana ho antsika rehetra izay hamakivaky ity taona vaovao ity. Tsy maintsy hifandimby eo koa anefa ny alina sy ny andro izay tandindon'ny fianantsika mety ho maloka sy mihiratra ka alao hery dieny ety ampiandohana sahady fa homba antsika mandrakariva Andriamanitra.

@ alatsinainy 5 janoary any aho vao hanomboka hitatitra vaovao indray.

Manaova fety sambatra daholo fa tonga ity ny asaramanitra.

Aza adino ny manohy ilay lalao tamberina 2008 ato 

JEREO KOA ATO 


Kilalao Tamberina 2008

news2dago 30 Desambra, 2008 07:21 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ity misy kilalao kely atolotro anareo mpitsidika eto @ news2dago dia mba mametraka tamberina kely ny taona 2008 ianareo asa na atao taga taga izy ity na tsy haiko fa ny fanirina dia ny handraisantsika rehetra anjara fotsiny. Manaraka izay dia mba mitsatoka ny mety hisongadina @ taona 2009 ihany koa.

Ny zavatra tadidiko t@ ity taona hadiva hifarana ity ohatra dia nodimandry i Rado sy Herizo Razafimahaleo. Ny lalao olimpika izay nahazon'i Phelps sy Bolt medaily volamena sy nadravan'ny zavabita tsara indrindra h@ izay. Eo koa ny nahalany an'i Barack Obama izay mainty voalohany hitondra an'i Bekintana. Eo @ resaka aterineto dia namoaka filomanosana @ aterineto indray ny google dia ny google chrome izany

Ny mety hisongadina @ taona ho avy kosa dia miongana @ izay i Robert Mugabe. Ary mety hiova pds kosa ny hitondra ny tanan'Antananarivo. Miandry izay handimby an'i Jentlisa kosa eo @ bombs @ teny malagasy???

Dia mirary taom-baovao 2009 ho antsika rehetra.

Jereo koa eto

 


Afa Bizana Ihany

news2dago 27 Desambra, 2008 07:28 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Valaka t@ fety teo dia tsy nahasokatra blaogy mihitsy omaly! t@ krismasy koa saika mba hanao update kely ny lahatsoratra kanjo tsy tafiditra mihitsy na tao @ namana serasera na takelaka na blaogy dia nakatona ny aterineto de naleo nitaiza zaza e!

Feno ihany mantsy ny progany t@ krismasy teo nifoha maraina tokoa moa izany t@ 4 ora dia efa nanao rano handrona. T@ 5 ora dia efa vita homana tsara daholo izahay hatr@ papozy kely izay hanao krismasy voalohany @ fiainany endrey nitsikitsiky ery izy tsy tsarony akory oe mbola tokony hatory anie. Tonga tao am-piangonana t@ 6 ora latsaka fahefany maraina efa feno hipoka ny tao @ rihina ambany dia tany ambony no nipetraka izahay telo mianaka kely fa mba afaka nisafidy ihany aloha dia nitoetra teo @ izay nahamandry tsara ny saina. Ny fotoana moa @ 6 ora sasany vao manomboka. 

Fa nametram-panotaniana ihany oe ary makaiza daholo ary ireto olona ireto rehefa alahady e? zara ary anefa mba misy krismasy mba afaka mivavaka ny rehetra. Misy koa anefa olona sasany tena mivavaka isan'alahady foana fa tsy mandeha kosa anefa rehefa andro fety!!! Angamba tsy te hisisika @ seza? Naredona ery ny hira tao am-piangonana no sady hira manetana fanahy koa moa no atao rehefa krismasy toy izao ka mba nanezakezaka ery na dia mpamala-kira aza! lol

Nirava izahay t@ 9 ora katroka! Hendry tsara i Fanilo kely ka tsy dia sahirana izahay. Nody nisolo akanjo aloha vao hamonjy ny fiarahana misakafo any @ fianakavina. Nahafinarira ny fiarahana fa saingy tsy nahovoka akory aho nony tena oe hisakafo!!! dia nojeren'ny vilia sy sotro teo fotsiny e. Efa hariva tany @ 7 ora sy sasany tany izahay vao namonjy fodina. Mbola hampandro zaza avy eo somary natao nafanafana ny rano @ izay izy afa-bizana tsara.

Dia toy izay sy izay ny fety taty @nay. Tany @ 9 ora alina tany vao nanomboka nandefa sms hiarahaba ireo havana akaiky nirary soa tratry ny fety. Efa mba nahatsiaro aloha dia angamba tsy ho tezitra izy ireo. Miandry ny @ herinandro indray isika e. Mbola mety mahasoratra ihany aloha angamba fa tsy hiletika be kosa e!

Jereo koa eto

 


Mirary Krismasy Antsika Rehetra

news2dago 24 Desambra, 2008 13:43 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Eo ampiandrasana ny higadonan'ny fety ary dia faly miarahaba antsika rehetra sahady ary mirary anareo rehetra hanao fety sambatra daholo. Manararaotra sahady maka avance kely satria tena fantatro fa tsy hahasoratra mihitsy a rahampitso fa mbola hitolona an'ilay henakisoa sy vorotsiloza mendimendy ao. LOL

ireto ary ny fanomezana avy aty @ news2dago e! samia ary maka izay tiany. Misy ny efa nahazo fa omena ihany koa ireo izay mbola tsy nahazo.

Avia ry mino.mp3

Andro Noely.mp3

Special noel.mp3

In excelsis Gloria.mp3

Bonus fihirana.mp3

Ambondrona 5.mp3

Pazapa 6.mp3

Foza orana.mp3

JEREO KOA ETO

 

 


Lasa Ambasadaoro Any Ryad I Ramiaramanana Patrick

news2dago 23 Desambra, 2008 09:22 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mitohy ihany ny fanomezana seza sy mofomamy eo @ samy mpisaosy ao @ fitondrana ao lasa Ambasadaoro any Arabia saodita ingahy minisitra sy ben'ny tanana teo aloha. Dia tsy maintsy ahitana toerana tsara foana kosa aloha izay tena tanan-kavanana i ra8 e! izy indray tsy manary namana izany mihitsy. Miandry ny anjarany zany izao i Hery Rafalimanana! LOL

Lasa niazo an'i Parisy kosa ingahy ben'ny tanana Andry Rajoelina ary voalaza moa fa afera privé no nandehanany any. Ary any izy no hanao fety ny 25 desambra sy ny faran'ny taona 2008. Aleo tokoa maka saina kely aloha raha maka ny toearany ny tena mandinika tsara maka ambony maka ambany izay lalan-kombana fa sao dia solafaka ka tsy ho tafarina eo intsony. Tohanako eto ny hevitr'i Tebokaefatra atsy ambadika oe tsy misy tsy vitan'ny fandeferana ny fiainana. Satria tsy misy tombony ho an'iza akory ny krizy sy korontana. Mampijaly vahoaka fotsiny eo.

Izay ny @ iny fa hiverenako kely ilay kintana 5 may omaly maraina. Voalaza zany izao fa tsy misy ambadika pôlitika akory iny voina izay nitranga iny fa resaka teknika tanteraka no tena fototrin'ny afo. Rehefa sendra zavatra ohatr'ireny tokoa mantsy dia mifanome tsiny no betsaka matetika. Fa na izany aza anefa dia lesoka tokoa ny fahazaina mamonjy voina rehefa tena sendra voina goavana sahalan'izao no mitranga. Raisiko ohatra fotsiny oe na tohatra lava aza tsy misy eo @ ireo mpamonjy hain-trano nefa ilay trano mijoalajoala tokoa. Mbola himpogatra etsy eroa anefa ity tranobe hiorona ity atsy ho atsy raha tsy hilaza afatsy ilay hiorona etsy Bemasoandro Itaosy isika @ taona ho avy io satria dia tranobe misy rihina 18 be izao anakitelo no aorina eny.

Mampikaikaika tokoa ny fitohanan'ny fiara ao Analakely ao ankehitriny. Azo lazaina fa tsetsina tanteraka mantsy ny lalana makao noho ireo mpivarotra tsy mpanaran-dalana mameno ny arabe sy ny olona maro mifamezivezy ihany koa. Miakatra any @ 8.000 Ariary any moa ny saran'ny taxi ankehitriny kanefa dia ny mandeha tongotra ary no mety ho tonga aloha raha andeha ho any Analakely.

Hidiran-doza moa ny vorotsiloza sy ny akoho amam-borona  rehefa fety ny faran'ny taona toy izao satria dia mora ihany no hamarotan'ny mpivarotra azy raha ny gisa ohatra satria io no mba nanotaniko omaly dia 25.000 Ariary ny iray ary ny akoho mifaha kosa dia eo @ 7.000 ariary eo. Ampina kely henakisoa atao bebe menaka izay izy ity andamba dia tsy misy mifankahita mihitsy. lol

Manaova fety sambatra daholo e! Rahampitso aho mametraka mp3 bobaka eto mba fanomezana kely avy aty @ news2dago satria tsy ampy aroso ho antsika rehetra eto ilay vorotsiloza sy henakisoa. Ndray milelamolotra sahady a ry zareo a!lol

Jereo koa eto


Sary Hafa Kely

news2dago 17 Desambra, 2008 12:24 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ity indray misy karazana sary hosodoko nisy nandefa taty amiko t@ mailaka. Mahavarina tokoa ilay izy ary mifono endrika maromaro ilay sary. Ankafizo sy diniho tsara anie fa ahita sary hafa ao @ ilay sary voalohany enao e!!!

Alaivo eto ary ilay sary mifono misitery mila power point ny mijery azy

Ny vaovao dia volakakafotra ny teo ihany no miverina dia ny viva tv mikantona sy ny mpanohitra hivangam-bao tsy hamonjy an'i Ramose Honoris causa! lol

jereo koa eto


Androany Faha 33 Novambra???

news2dago 03 Desambra, 2008 13:06 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ny ahy moa dia mitatitra ny zavatra malaza sy vaovao henoko etsy sy eroa no tanteriko eto @ blaogiko mazana. Izao indray ary no fiteny vaovao malaza ankehitriny: Ho an'ireo mpiasa birao matetika no tena mitranga ity fiteny ity matetika. Rehefa tapitra ny volana iray ka mbola tsy nandray karama ny mpiasa satria mety tsy mitotona zoma tsara ny faran'ny volana dia tohizana foana ilay volana itsahana aloha ka ny volana novambra izao dia nitotona alahady ny 30 novambra ka ny zoma 5 desambra 2008 vao tena handray karama ny mpiasa ka lasa misy izany ny 31,32,33,34,35 novambra!!! Fomba fiteny fotsiny moa io no sady vazivazy ny samy mpiasa matetika.

Ny vaovao hafa kosa dia tsy milamina ny tany fa mamono olona mihitsy ireo mpangalatra ankehitriny ary tokony mba handray fepetra ny mpitondra ambony fa tsy avela andry tsy lavoloha ny olona. Aiza ve koa misy paobasy sy olona maty na maratra foana etsy sy eroa teto Antananarivo tato ato izay.

Mitaona fako kosa no asan'ny ben'ny tanana ankehitriny izay vary mangatsika efa ho herinandro izay!!! Raha amiko manokana aloha dia naleoko nomena notantanan'ny fanjakana foibe ny fanalana io fako io @ tena afatsilo mihitsy ohatr'izay ny eo anivon'ny CUA tsy izany moa no nitranga fa lazaina atsojay no betsaka izao anefa tsy voataona akory ilay fako.

Bonus krismasy kosa:

Avia ry mino mp3

Iny lalana iny mp3

Jereo koa eto


Avia Ry Mino mp3

news2dago 30 Novambra, 2008 15:41 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Hifarana ity ny taona 2008 ary tonga @ fiomanana sy ny fitsenana ny noely isika ankehitriny ho an'ny mpino kristianina tokoa mantsy dia alahadin'ny adventa androany. Izay taom-baovao kristianina ihany koa, ary alahady 4 sisa no ho diavina dia hankalazana ny 25 desambra isika ary hatsiarovantsika ny naterahan'ny mpamonjy izany andro izany.

Ho anay anglikanina moa dia misy ny fitovizana kely @ litorjia katolika ihany saingy mirona betsaka @ fomba protestanta izany rehefa atao ny fanompom-pivavahana any ampiangonana. Iray ihany tokoa moa ny inoana dia Jesoa izany. Koa tsy dia hitako izay fahasamihafana rehefa mivavaka any @ protestanta aho na any @ Katolika na koa any @ loteriana torak'izany koa ireo antoko fivavahana hafa. Raha zohina mantsy dia sampana iray ihany no fototra hiaingana.

Koa indro ho fiomanana @ noely ary dia atolotro anao eto ny karoly krismasy nataon'ny amboara-peo Anglikanina Avaratr'anjoma na ny ATMA izany (alaivo eto ny avia ry mino.mp3). Iriko indrindra izy ity mba ho voalahatra ao @ radio vazogasy! raha sendra mandalo eto ny tompon'andraikitra dia azonareo alahatra tsara ity hira ity. Ary hiezaka ny hanome hira iray isan'alahady aho mandram-pahatonga ny 25 desambra 2008! Misy azy indray izao i tokinao maheno ny rakikira ato.

Mahazoa fafinaretana ary ary samy ho tratry ny fety daholo isika raha sitrapon'ny Tompo.

Jereo koa eto


Lanonana Zoma Manifika

news2dago 28 Novambra, 2008 09:39 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ny vaovao eran-tany no anombohoko azy dia tsy inona akory fa ny fitokonana ataon'ny mpanohitra any Bangkok izay nanidy ny seranam-piaramanidina nanomboka ny ny talata lasa teo ka foana avokoa  ny sidina anabakabaka makany @ ity firenena ity. Ny tiako hatongavana dia firenena fanaovan'ny gasy transit mantsy ny ao thailand rehefa hibizina haka entana any Shina ny malagasy. Mazava ho azy fa tsy maintsy misy ny teratany malagasy any an-toerana @ izao fotoana izao. Mafy ny mahazo rehefa tratra ny tranga toy izao any an-tany lavitra any ka raha sanatria tsy misy ny vola no tena gidraka be.

Ny any Mombay kosa angamba no mety misy herijika kely oe tsy hisy malagasy any an-toerana fa ireo bory satroka kosa no mety manana havana any na sendra mandalo any ihany koa. Mafana ny toe-draharaha maneran-tany @ izao fotoana izao. Tsy matahotody kosa anefa ireo mpampiorohoro raha ny tsy manatsiny no tena lasibatra amiko dia fahalemena foana ny tsy fahasahina mifanadrina mivantana @ ilay heverin'izy ireo ho fahavalo.

Etsy andaniny kosa dia nisy namako akaiky lasa matiloan-tsambo lery ary namonjy ny toerana hiasana nanomboka ny 19 novambra lasa teo niazo an'i Frantsa ary ho any Italy izy any mantsy ilay sambo iasany no miandry azy ary ka ho any @ izany Florida izany izy avy eo. Marina aloha fa be tokoa ny vola ho raisina sy ny tany mety ho diavina fa na izany aza dia tsy te ho eo @ toerany kosa aho anefa satria 9 volana be izao tsy ahita ny vady aman-janaka no sady mahery vaika ihany koa ireo piraty @ izao fotoana izao. Mirary soa azy kosa aho anefa hahavita ny asany.

Fety be indray manomboka androany zoma e! Ny tena moa tsy afaka makaiza fa mitaiza! lol fa na izany kosa aza dia mba mitatitra ireo seho sehatra malaza eto @ tanana kosa e! Hiakatra etsy @ lapan'Akorondrano ohatra i Iary ilay tovovavy mpandala ny mozika rock rahariva manomboka @ 7. CCESCA kosa no hisy an'i Mika sy Davis ary ao @ Mon Goûter kosa i Dadah sy Fafah mbola androany hariva ihany koa manomboka @ 9 ora alina. Mety hosoparan'ny orana kosa anefa ireo fety ireo raha ny vinavina ao @ meteo.

Jereo koa eto na ato 


Niova Bika I news2dago!

news2dago 26 Novambra, 2008 13:32 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena mba nahavarina ahy mihitsy ny blaogin'i kdaomba tato ato izay! Ka soa moa fianatra ka dia mba nanara-dia azy kely ahy sady ohatra ny efa leo ilay endrika teo iny aho saria efa ho hivalona tokoa ity ny taona ka aelo ovaina any ny endrika efa voky taona iny. Tsy naka ilay violety ny kala pissoa aho fa ohatra loko marevaka loatra. Asa indray izao raha mbola hisy ilay soratra oe tsy mahazo mijery eto ianao rehefa mamela hafatra ny mpandalo!!! misy mantsy ny namana sasany dia tena sosotra mihitsy mahita azy iny. Somary manindry ny bokotra F5 aloha rehefa avy mamaky ny lahatsoratra izay no hafatra mba tadidiko.

Ny vaovao moa dia efa saika voatatitra atsy ambadika tanterin'ireo namana ka tsy dia hiverenako firy intsony. Ny tiako amafisina fotsiny dia ity oe nanova ekipa ny TVG mba tsy hivadika VGT angamba atsy ho atsy ka naka an'i Ny Hasina Andriamanjato sy Elia Ravelomanatsoa indray ny ao @ CUA ao ary nahongana kosa i serge Radert sy i Mme Annick. 

Maro kosa ireo fonja vaky tato anatin'ny iray volana izay tatsy Ambositra moa no nitranga farany izy ity. Efa gadra 30 mahery izao no tafaporitsaka t@ izany. Mila mailo fa ho avy ny farany taona ity.

Jereo koa eto


Azonareo Indray Ity Tagytagy Ity An!

news2dago 24 Novambra, 2008 10:15 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa namoaka lahatsoratra aho teo kay aho voatondro tatsy ambadika dia mba manoratra indray ny fahitako an'i afrika. Isaorana i kdaomba manadala ahy lol.

Afrika dia kaontinanta anisan'ny niangaran'Andriamanitra satria dia ao aminy no misy ny harena be tsy hita nonoa eo @ harena an-kibony ny tany. Kanefa dia mbola mahatra ara-toetsaina izy satria misy ireo olona hafa tsy mitovy loko aminy izay fetsy sy mpampiady angely etsy sy eroa ka rotiky ny ady sy ny korotana i Afrika. Ary sokajin'ireo fetsy ireo ho sarangan'olona ambany izy satria dia havahana mihitsy izy raha eo @ lafina volokoditra. Raha samy misy olona tratra miklandy ohatra any eropa dia ny afrikanina ihany no tena lazaina sy dradraina lava @ haino aman-jery na samy misy eropeanina tatsinana sy aziatika aza samy tratra ao.

Tsy atao mahagaga izany satria tsy maintsy hifandimby hanana ny heriny ireo lokom-bolokoditra rehetra ireo. Efa madiva hifarana ity ny herin'ny fotsy ka hirona any @ mavo indray izao ny hery izay hinona marimarina fa karazana tetezamita hanampy ny mainty hoditra hiakatra sy haka ny toerana tokony hisy azy. 

I Barack Obama moa no tena pitik'afo nadrehatra ny ambopo ny afrikanina hitraka oe tokony havita zavatra ny mainty rehefa tena hanao. Santionany io fa maro ireo safiotra sy mainty hoditra no manam-pahaizana sy kinga eo @ lafiny fanatanjahan-tena. Ireny olona ireny moa dia azo antoka fa taranaka afrikanina miely etsy sy eroa noho fivarotana andevo taloha. Ireto ohatra ny olona mainty mba fantatro anisany malaza indrindra: Péle mpanjaka ny baolina kitra, Tiger Woods, Lewis Hamilton, Ry Michael jackson, Jordan ..., Ry Venus sy Serena... ireo aloha no tsaroko fa mbola betsaka fa tsy ary ho voatanisako eto avokoa. Ny tiako hatongavana fotsiny dia ity oe! tsy latsan-danja @ hafa akory i afrika fa manana ny maha izy azy.   

Raha te hiala @ izao fahatrana misy azy izao i afrika dia tokony hahay hifandamina aloha ny firenena tsirairay sy ireo mponina eo aminy. Izany dia tsy ezaka ho azo rampitso dia rampitso akory fa mety mbola taonjato maro any aorina any vao ho tratra satria mila adinoin'ireo taranaka ho avy aloha ny tontolo misy azy izao vao miorona tsara ny fitiavan-tanindrazana hipoitra ao anatiny ao.

Niniko natao toy izao ity lahatsoratra ity satria isika afrikanina mantsy dia fatratra @ fitanisana ny lasa ka manetretra ny fiainana taloha izay efa tsy ho diavina intsony fa efa nivalona ho tantara sisa fa tokony hahay himbajina ny ho avy sy hanao tomban'ezaka sy hanisy tanjona tsaratsara kokoa mihoatrany anio. Fehiny dia faniriko tokoa raha ny afrikanina no hanoritra ny ho aviny sy izay mety sy tsara ho azy fa tsy ny firenena hafa akory. Mbola maro ny torapo tiako soratana ka aleo aloha faranana eto ny anio.

Tageko indray:

Tomavana: lasa mpaka sary malaza ao geneve ao mba hamoaka sary indray mipika ho an'i afrika.

Hery: tia tsikitsiky ao afrikaItaly ao.lol

Pissoa: izay atsy afrika atsimo mahafatra tsara ny fisainan'ny afrikanina

Tsikisariaka: izay any ejypta

Helisoa: ao frantsa izay mamaphery @ lahatsoratra mitory ny filazantsara izay tsy ampy eto afrika.

Lehilahytsyresy: Izay atsy japon izay mpametraka hafatra eto aminy blaogiko tsy tapaka izay hinoako fa manakambara tokoa @ ity lalao ity.

 


Fifaninanana Masina!!!

news2dago 24 Novambra, 2008 09:47 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Velon-taraina ny orinasa malagasy oe tsy mandeha ny entana satria mitobaka ny vokatra vahiny eny @ tsena! isan'izany ohatra ny orinasa savonnerie tropicale izay tsy izy ovina @ malagasy eo @ famokarana savony. Ny tranombarotra Magro moa no omeny tsiny @ izany @ famarotany ilay savony lava citron plus!!!  Gaga ihany aho naheno ity ady hevitra tao @ kidaona maraina t@ herin'andro satria dia ohatra manome tsiny be fahatany ny tranombarotra Magro ny olona sasany kanefa iarahana mahalala fa orinasa nanana ny tombondahany ity savonnerie ity satria nanao monopole izy efa an-taonany maro saingy tsy mba nahay nanitatra sy nanatsara ny vokatra novokariny.

Ilay savony "nosy" kely fony za mbola zaza no mbola amidy @ izao za efa raim-pianakavina izao. Tsy mba nisy fanovana ny fonony sy ny habeany fa dia iny ihany ilay savony h@ izao. Alaim-panahy ihany aho manao oe tsy mahay marketing angamba ny mpitantana ao @ ity orinasa ity fa variana any @ zavatra hafa. Manaraka izany dia somary misy fofona izay ny savony lava ka tsy dia tiako ny mividy azy satria tena tsy mahazaka ilay savony ny tanako manao allergie. Dia aleoko mihitsy mampiasa ilay citron plus sady tsy misy fofona no mandroatra tsara rehefa hanasana lamba. Mila manao ezaka izany ny orinasa malagasy manenjika ilay fenitra tokony arahana fa tsy tokony hitabataba etsy sy eroa fotsiny. Ny mpanjifa mifidy izay mety aminy fotsiny.

Hivoaka @ alakamisy izao ihany koa ny sarimihetsika malagasy "malok'ila fan'4" izay vokarin'ny scoop digital izay mpamokatra sarimihetsika anisany sangany eto Madagasikara. Eo ihany koa dia mbola mimenomenona ihany koa oe lasan'ny mpanao piraty ny tsena sy ny vola @na miliara fa izy tsy mahazo tombony. Kanefa amiko dia ny piraty no famatarana voalohany oe tena misy mpankafy izay ilay vokatra natao. Io na film vazaha aza misy foana ny piraty e! tsy misy fika io fa tsy maintsy misy foana.

Norombahan'ny akademia ny antsika ny amboaran'i madagasikara 2008 eo @ baolina fandaka sic!!! (fantsiarovana an'i rajentlisa elaela tokoa izy izay tsy nanoratra lahatsoratra momba azy ity! lol). Nody ventiny izany ny rano natsakaina 8 taona aty aorina ny niorenan'ity ivo toerana fanofanana sy fampianarana ankizy hilalao baolina. Mitovy tsy misy valaka @ ilay Asec mimosa atsy cote d'ivoire izy ity ary voalaza fa ilay namorona an'io ivo toerana io ihany no nanorona ity academie ny antsika. 


Vehivavy Gasy 4.000 Te Hanambady Vazaha

news2dago 17 Novambra, 2008 07:51 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tonga eto Madagasikara ireo mpanera vazaha ka nampiantso ireo malagasy te hanambady vazaha. Gaga fotsiny aho nahita ity tantitra an-gazety fa mahery ny 4.000 izy ireo no milingilingy te hanambady vazaha. Ary voalaza fa arahan-dranomaso mihitsy oe ireo izay tsy lany. Indrisy tokoa fa dia hitomanina ankehitriny ny hanambady vazaha.

Hividy fiaramanidina hfa indray hono ingahy Filoha fa tsy afapo @ ilay air force one keliny ao izy.Etsy an-daniny dia voalaza fa hiaka-bidy indray ny jiro sy rano. Ny solika moa dia tsy nisy fidinany mihitsy fa ariary be no mba fihenam-bidy. Ny baril anefa efa 60$ sisa. Misy fetsy be mihitsy ireo be vola ireo an.

Niletika kely ranews2dago teo ho eo izay satria variana @ fiainana an-davanandro. Eo ny fitaizana ny zaza eo ny asa somary maimaina tato ato izay. Fiainana daholo izany. Fa ny tena nahatonga saina ahy dia ny nijereko ny alimanaka fa hay efa madiva hivalona ity taona 2008 ity. Jereko ihany anefa izay tomban'ezaka toa ny eo ihany no eo. LoL ny tena no miantitra fa tsy hita izay tena zavatra niova.


Tonga Ny Bemidina

news2dago 06 Novambra, 2008 12:21 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nalaza mihitsy izany oe bemidina izany fahiny. Ka tonga teto amiko ry zalahy androany nanotany ny patanty ny asako!!! LOL za kosa aloha tena mba mpanaran-dalana ihany fa t@ ity taona ity aho tena nahatsiaro sahirana izany ka nampandeferina ny an'i Kaisara tsy izy manontolo akory fa ny iray ampahatelony sisa no tsy voaloa kanefa mbola tsy azoko ny patanty raha tsy voaloa izy rehetra.

Iny moa tsy maintsy aloa ihany tsy olana fa ny fahasahiny ilay bandy mpamory hetra oe omena 100.000 Ar hono lery tonga dia vita ny tantara rehetra (omena ny patanty 2008). Raha tsy izany dia akatona ny trano fiasana. Tsy nanaiky kosa aho aloha satria maty be mihitsy aho satria ny vola 2/3 ny hetra efa nalohako dia kaontiny ny arina fotsiny izany satria amboarina ny raharaha! Bianco aiza enao e! toa dradraina fotsiny. Vola be mihitsy anie zany ny azon-dry le maty raha manao toy izany @ olona 10 ohatra dia efa mahazo 1.000.000 Ar. Tsy rariny kosa e!

Ny tena olana manaraka izay dia ny oe ny ben'ny tanana hono no maniraka manao an'io! dia mbola tsy rariny koa raha izany koa no mbola marina. Mampiome mahasosotra ihany ilay izy @ lafiny iray. 


Dokambarotra Mapidin-Doza

news2dago 31 Oktobra, 2008 08:40 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Asa ianareo raha mahatsikaritra fa ny zavatra mandeha @ fahitalavitra dia miraikitra ao an-tsain'ny ankizy. Tato ato izay mantsy dia maro ireo dokam-barotra mandeha @ fahitalavitra. Eo ohatra ny Fresh vokarin'ny orinasa star izay namoaka karazana fresh vaovao misy tsirom-boankazo hafa toy ny frezy ny paoma ary menth dia ilay tena fresh fahiny koa mazava ho azy. Tsara tokoa ny tsiron'ity fresh ity raha ho ahy manokana. Iny aloha tsy olana na dia misy alcool kely ihany aza satria natao azo sotroin'ny daholo be izy iny tsy mitovy @ ilay cousin-ny soavaly 3 mampalaza an'i Madagasikara. Eo koa ny Lite karazany hafa ihany koa io tsy mahamamo ihany koa ny misotro azy io fa somary mangidy ihany koa ity farany.

Ny tena manitikitika ny saiko kosa anefa dia ilay zava-pisotro iray ao anaty kanety irony izay karazana manome tonus ny olona irony izany oe mampatanjaka izany ilay izy. Ny dokam-barotra rahateo moa dia tovolahy iray mikotrana basikety miaraka ny akama no somary tsy ampy vovokaina no nahazo kely @ ilay zava-pisotro ao anaty kanety ity tonga dia mahazo hery avy hatrany izy avy eo ary hita ho mavitribitrika izay tsy izy no tsy miraty arato mihitsy na iray aza avy eo. Ilay kanety misy soratra oe Dynamic koa tena manintona maso be ny paoziny ary tena mahate hanadrana ihany koa. Indro kely anefa hoy ny mpandrafitra izay satria tsy azo sotroin'ny ankizy latsaky ny 5 taona izy ity. Sarotra anefa ny handrara ny ankizy satria tsy ary ho arakao izay vidiny any @ vatsiny omenao azy. Voalaza tokoa mantsy fa efa misy ankizy marary nisotro azy ity any @ hopitaly hoy ny kidaona maraina omaly.

Mahatsiaro ilay tranga tany Bresil aho ilay tovolahy nisotro coca kely tao anaty kanety ary no avy eo nihinana bonbon menth tonga dia maty tsy tra-drano satria nifangaro tao akibo ilay rano sy ilay bonbon ka niteraka rivotra be no nadroatra be tokoa.Voalaza moa fa tena mitovy ireny baomba ireny mihitsy izy ity rehefa mifangaro. Ka manaitra ny tompon'andraikitra ihany @ izao zavatra izao sao dia ahitana loza.

Niampy iray indray ny fahitalavitra eto andrenivohitra. Tonga soa i LTV izay azonao jerena eo anelanelan'ny Tvplus sy ny Mbs ny marindrefy ahitana azy. Voalohany rahateo @ irony fahitalavitra fitoriana ny filazan-tsara irony izy ity. Tsy mbola fantatra marina moa izay tena tompony fa mbola karazana essai tekinika ihany aloha hatreto.

jereo koa eto.


Alpha Blondy Etsy Antsonjombe

news2dago 29 Oktobra, 2008 08:35 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia hirona sy hilomano ao anaty reggea indray ramalagasy @ farany herinadro satria dia hiseho sehatra etsy Antsonjombe ny alahady 2 novambra ingahy Alpha Blondy sy ny mpitendry sy teknisiana 17 be izao. Seho matihanina tanteraka moa no fanamby apetrak'i Joy K izay lasa mpikarakara lanonana lehibe toy izao. Manomboka mahazo sehatra avo avo ny lehilahy (Joy K) ankehitriny ary hinona fa ho mpifaninana @ media consulting sy ry kintana prod.

Mahagaga ahy ihany koa ny nahita an-gazety androany fa toa oe mirona kokoa @ kandida Barack Obama hono ny fon'ny tanora malagasy. Marihina fa tsy dia misy hidirany velively @ fianam-pirenena eto an-toerana ny mahalany azy ho filoha amerikanina fa mba te hanome vaovao fotsiny ilay gazety angamba hoy aho. Na ihany koa noho izy mainty hoditra no mety mba hiandrandran'ireto tanora malagasy azy ve? Mitarika tokoa aloha ranamana ankehitriny ary marobe ireo gasy mipetraka any sendra manoratra aty amiko oe mety ho lany tokoa izy @ 4 novambra. Eo izany no hanomboka hitsimbadika @ izay ny tantara ny Etazonia izay nalaza @ fanavakavahana vao tsy nisy 50 taona akory izay ary mbola ahitana izany any ankehitriny saingy kosa miseho @ endriny hafa.

Tantara lava be moa io resaka mainty sy fotsy io ary tena mbola mibahana eo @ fiaraha-monina eny fa na dia isika eto Madagasikara aza izay marihiko sy tsindriko eto fa samy voakilasy ho mainty hoditra avokoa na dia misy aza ny somary zarazara fihodirana dia mbola mipetraka foana izany resaka izany. Mahagaga tokoa! Tsy afaka miaraka hono ny andevo sy ny andriana fa samy manana ny lafim-pirazanany avy ireo. Ary raha sendra misy ny mpifankatia anakiroa tafaraka dia henatra ho an'ny fianakaviana. Azontsika porofoina ao @ karajia serasera ny ady hevitra momba an'izay. 

Anjanoko eo ny amin'iny satria efa ny fiaraha-monina no nametra izany rindran-damina izay ka tsy maintsy manaraka ny rehetra.

Jereo koa eto


Marary Ny CyprèS!

news2dago 28 Oktobra, 2008 09:28 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Maina ny akamaron'ireo fefy cyprès eto Antananarivo. Voalaza fa misy bibikely mihinana izy ireny dia tapitra maina sy maty avokoa! Marihina fa maina hatrany @ fakany ity hazo ity hoy ny nahita maso ireo fefy manodidina an'Antananarivo toy ny etsy Ankorondrano ohatra. Asa izao izay fanefitra atao @ izy ity fa tena mihanaka mihitsy ity bibikely manimba hazo ity. Ny koroka aloha no tena fahenoko fa ilay biby mihinana cyprès ity tena mbola tsy haiko tsara.

Manomboka mirotsaka ny orana eto Andrenivohitra na dia mbola tsy tena mahavonto ny tany aza dia mba efa mampisento kosa ny firotsahany.

Tapaka tontolo andro kosa omaly ny lalana teny @ Digue noho ny fisin'ny fiara kamio kely nandona poteau ny jirama. Nidaraboka t@ tany moa ny andrin-jiro ka nimbahana ny arabe ary ilay fiara koa nivadika teo @ arabe ihany. Tsy nisy aina nafoy akory fa ny zavatra simba no betsaka.

Ireo indray aloha ny vaovao hany mba henoko androany. 


Tsy Misy Mpihaino Intsony Ny RFI

news2dago 23 Oktobra, 2008 08:44 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Fanontanina mipetraka am-bavan'ny maro ny oe: "Inona no ilaina ny fiatranona fivorina misesisesy toy ity?" indrindra tao aorinan'ny nahazoan'i Madagasikara hampian-trano ny frankaofonia @ 2010. Maro mantsy ny olona no milaza fa tsy dia mahamaika laotra ny fandraisana azy io! Ny mpitondra kosa anefa te hampiseho @ hafa fa mahavita azy i Madagasikara. Maro mantsy ny taozam-banventy mety ho azo @ izao fandraisana fivoriana avo lenta izao ka tombony ho an'ny mpampian-trano iny.

Mifandraika @ izay ihany ny vaovao manaraka dia voalaza fa mihena ny mpihaino ny RFI eto Antananarivo  raha ny fanadihadiana natao tokoa mantsy dia tsy misy @ 9% sisa mihaino izany. Marihina fa tao aorinan'ny 2002 no tena tafitohinat@ ity radio ity ny malagasy noho izy niandany t@ deba ka tsy mahagaga raha izao no vokany. Manaraka izany efa te hivelatra @ teny hafa ihany koa ny olona henoko ohatra fa maro tokoa ny manaraka ny BBC radio sy ny VOA ankehitriny mba hamolahana ny teny anglisy.

Raha hampian-trano ihany tsy aleo ve ny CAN no ezahana hampiantranona @ izay mba tafiakatra avy hatrany ny malagasy kely. Toy izany mantsy no nataon'i Burkinafaso t@ fotoanandro tany @ taona 90 tany ho any. Tombony ho antsika ihany koa satria hahazo kianja sy hotely ny faritra sasany fa tsy hijanona eto andrenivohitra fotsiny.

Efa mananika ny 2000 ny TAM ankehitriny midika izany fa manambola ny malagasy fa mody mangana fotsiny indraindray. Efa notanteriko teto ihany izy ity t@ lahatsoratro iray volana lasa izay. Marihina fa miantsara ny fiara mifamezivezy ankehitriny. Maromaro ny olona no manana irony 4x4 Hummer, Touareg, Toyota bobaka be misy mitovitovy bika @ ilay hummer koa fa tsy tsaroko ny anarany, ny citroen C4, Megane sy ny kangoo maro e! ny fiara vita sinoa moa dia vraky be koa ary be mpividy koa.  

 


SOS Mijaly Ny Tany!!!

news2dago 22 Oktobra, 2008 07:43 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mba nanitikitika ahy ity fanehon-kevitra nataon'i Helisoa ity ka asehoko eto mihitsy ho dinihitsika ny ho avin'ny ireo taranaka handimby antsika ao afara ao noho ny tsirambina ataontsika izao ihany. Raha tombanako mantsy dia ny tiany lazaina dia oe "mitaraina ny tany" ary azo lazaina fa mivadika mihitsy ny toetrandro @ ankapobeny. Hoy indrindra hoy Helisoa oe:

Vokatry ny tsy firaharahiana ny tontolo iainana ...

Asa raha mba misy mihaino ary raha mba afaka miteny ny teknisianina momba ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny mpitsabo aty Madagasikara ?
Fa dia GRAVY ry zareo ny loza ambaranareo izany an !

Ny zavatra hitranga eran-tany mantsy dia ho MATETI-PIAVY sy MIMAHERY VAIKA foana ny CYCLONES satria mihamafana ny ranomasim-be ary ny tany lasa ngazana !
Jereo ao fa misy "inversion de température" en permanence ao Antananarivo noho ny ozinina (cimenterie vao manomboka sns...e ), ny doro-tanety, setroky ny pots d'échappement indrindra indrindra ! i Betsimitatatra koa moa ambany toerana dodinin'ny vohitra dia ao tsy mivoaka ny rivotra MAFANA feno loto fa mavesatra , tsy mety tafakatra manome orana akory !
Ny haretin-koditra, maso dia maro, ny mikasika ny ORL (taovam-piseporana ? izay moa ilay izy sa inona ?) dia maro dia maro tokoa ! Ny allergies tsy lazaina intsony !
O re olona o ! Dia mba hanao ahoana ny hanjo rahefa tafapetraka daholo ny "extractions minières à ciel ouvert" ?

dia hoy aho oe ahoana tokoa moa izany fa ireo asa vaventy rehetra anie toa manimba ny tontolo iainana e! ny QIT fer ao Faradofay ny fitradrahana chrome sy ny sisa izay mety azahoana vola be tokoa anefa ho antsika miaina @ izao fotoana izao kanefa manimba ny tontolo iainana ka lasa kizo fara ireo taranaka ho avy. Inona ary no hevitra?

Jereo koa eto


Miala Any I ASMA

news2dago 21 Oktobra, 2008 09:02 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Vao tsy ela akory izay no nitsahatra ny ririnina dia efa maila any sahady ny rivodoza! I Asma izany no rivodoza voalohany hiditra an-tanety @ alakamisy raha ny loharanom-baovao. I Cnn moa dia efa niteny hoe ao anatin'ny 48 ora izy no higadona eto Madagasikara ka any @ faritr'i SAVA iny no ahina ho lalovany @ izany.

Ho an'ny eto an-drenivohitra indray dia mahonena ny mahita ity zavotany be manadala isan-kariva ity noho ny doron-tanety. Tsy hita intsony mantsy ny faritra ambony misy ny Rova sy ny lycée Andohalo rehetra iny @ hariva raha jerena avy ety Avaradoha sy Anjanahary iny manomboka eo @ 5 ora sy sasany eo. Setroka be no mandrakotra ny tanana ary tena manompo mena be izany ny faravodilanitra rehefa jerena indray ny faritra andrefana rehetra iny. Mazava ho azy fa niantona ny orana ary mamay be @ antoandro.

Vokany eo @ fahasalamana dia mamely ny gripa izay tena mahery vaika tokoa ary izay tratrany dia mandraingiraingy izay tsy izy. Azo lazaina avy hatrany fa maloto dia maloto ny rivotra iainana.

Jereo koa eto


Tsy Nande Nivavaka Indray A!

news2dago 19 Oktobra, 2008 09:29 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Loza mihitsy fa h@ izay nisin'ny papozy izay dia nivangam-bao foana izahay angamba efa ho 4 alahady izay. Ny an'i neny moa efa ela ela ihany satria izy tsy mba nahazo nandende h@ izay nitondrany vohaka noho toe-pasalaman'izy mianaka. Mandinin-tena ihany izahay oe tena tsy mety izao atao izao kanefa tena mbola tsy afaka mihitsy izay raha ny tena marina.

Voalohany aloha dia @ 6 ora 30 maraina no miditra ny fivavahana maraina ao @nay! ny tena anefa lanaky ny torimaso @ fitaizana ny zaza @ alina dia tena ao @ le torimaso mamy mihitsy io ora fidirana io. Mahamenatra ihany mantsy ilay mamonjy fandraisana fotsiny no aleha any ampiangonana. Dia nisafidy ny tsy nandeha aloha hatreto. 

Faharoa indray dia ny fidirana @ 9 ora 30 tena efa tsy nahazatra anay mihitsy. Torak'izany koa ny fivavan-kariva izay miditra @ 4 ora izay tsy misy fandraisana ny fanasan'ny Tompo. Manampy izany dia any @ fianakavin-dramatoa izahay no misakafo rehefa alahady kanefa mety any @ 12 ora 30 any vao mirava ny fiangonana vokany tsy mety koa izany iny.

Soa ihany fa malalaka ny safidy omen'Andriamanitra ho antsika olombelona ka manao izay danin'ny kibony isika. Tsy mba afaka nisaotra azy akory noho ny nanomezany fahasalamana, dimby sy fara, vola aman-karena ary indrindra tombon'andro isa-maraina.

Menatra ny tenako mihitsy aho marina.


Ebit 2008!

news2dago 17 Oktobra, 2008 13:20 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Maharaka tekinolojia i Madagasikara satria dia miseho ao @ Ebit avokoa ny ankamaron'ireo zava-baovao farany nivoaka any ivelany eo @ lafiny TICs izany. Misy solosaina kely ao toy ny ultra PC sy ny karazany hafa ihany koa. Eo koa ny tolotra aterineto toy ny moov yes sy ny internet everywhere tolotra ao @ orange. Maro ny zavatra tiana ho azo fa ny vola mihitsy no tsy aharaka ka aleo mijery fotsiny aloha.

Fanatanjahatena kosa ny manaraka. Nanaitra ny sain'ny maro ny naheno ilay tolotra nomen'ny filoha ivoriana ny mpilalao baolina malagasy izay manodidina ny 500$ any isan'olona! Hafetsena io moa koa izay fika rehetra mihitsy ahazoana fandresena no atao ko anatra ho antsika ny toy izao i Benin aza mahay lavitra an'izay! ny azy tonga dia ny mpitsara mihitsy no voantsidry vola dia zao izy  tafakatra tsara ary voalohany ao @ sokajiny. Kanefa toa tsy dia misy mpilalao kalaza akory ao @ ity ekipa ity. 

Namonjy ny fihaonam-be faha XII ny francophonie izay atao any Quebec Kanada ny filoha malagasy. Ary hinona marimarina fa efa any an-toerana izy @ izao fotoana anoratana izao. Midika inona anefa moa ity fikambanana ity tena mahatapaka ahitra ve? Asa aloha fa amiko manokana dia tsy hitako izay vitany hatramin'izay. Ny fahitako azy dia mbola tsindry aloka avy any @ ilay voalaza oe reny malala no tsy maintsy anaovana izao. Asa ihany koa raha misy latsa-kemboka tsy maintsy efaina @ itony fikambanana itony na tsia. Dia mbola voatsetsitra an-kolaka ihany koa izany ny firenena mahantra ary i afrika no ankamarony satria tsy misy hazon-damosina.

Vao tsy ela akory izao no nahilika tsy anisan'ny mpikambana ao intsony i Mauritanie satria voalaza fa tsy misy ny demokrasia any noho ny fakan'ny miaramila ny fanjakana tany an-toerana. Dia izay fotsiny ny sazy omena azy fa tsy misy mihitsy ny oe fanampahan-kevitra hafa mivantana noraisana. Ny tiako lazaina dia ny oe inona no fepetra hafa tena mihatra mivantana @ ilay naka fahefana @ basy sy ny hery. Ho hita eo aloha izay hodinihina any fa aleo tsy manao be lazao eto fotsiny.

jereo koa eto

 


Mahonena Ny Fitaovana Ampiasain'ny Polisy

news2dago 16 Oktobra, 2008 10:55 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena omaly aho vao afaka nametraka fitorina tany @ manampahefana t@ ilay zavatra nitranga tato amiko. Dia inona no nitranga hoy ianareo lany tany ny tapakandroko iray manontolo. Voalohany aloha dia mbola mivory ny kaomisera sy ireo eo ambany fiadidiny. Vita ny fivorina vao afaka mandray olona ry zalahy. Nivory efa ho adiny 2 ry zalahy dia miandry fa gasy e!

Zay eo ihany fa ny tena nahakamo ahy dia ny nahitako ireo polisy nandray ahy nangataka vola hividianana toaka!!! Tsy nanome aho mazava ho azy satria tsy hitondra olona any @ ratsy akory no nalehako tany. Dia avy ilay polisy iray dia namoaka 5.000 Ariary no naniraka ilay namany indray avy eo no sady niteny oe: " Aleo fa soloko ny anjaran'io ranamana io (mantsy ahy io zany), ary haingana ela fa maika isika e!" Ny andro anefa vao @ 10 sy sasany maraina. Tsy hatao mahagaga raha tsy asin'olona hasiny ry zalahy.

Dia tena toerana ratsy mihitsy aloha ny any @ tobin'ny polisy tena marina e! ny trano hiasana moa dia tsizarizary hitanao ao daholo na fandriana na latabatra sy seza efa tena voky taona ny akamarony. Ny milina fanoratana moa dia efa t@ andron'ny repoblika voalohany angamba, kanefa dia kinga ery ingahy inspektera manoratra aminy. Ny trano fiazonana olona atao famotorana moa dia tena tsy manaja ny zon'olombelona mihitsy feno tranon-kala no sady tsy misy kidoro hatorina sy  toerana hivoahana. Dia mifangaro ao izany ny loto sy ny fandriana. Aza mba voatana ao ihany oa anankam-po.

Mandeha eo koa moa ny famotorana eo @ efitra ilany mifanila ny misy ahy ka henoko eo daholo ny adalana ataon-draolombelona. eo ohatra ny raim-pianakavina iray namono ny zanany t@ hety! Loza anie zany re olona e! ny sasany indray dia ny ao an-trano ihany no mifampitory sy mifandetika ao! ny anambavina ihany no mitory ny anadahany izay voalaza fa mamono azy ny ny vadiny ary vonon'ilehio h@ dadatoany ary! misy raha la tera oa.

Ny tena antodihako tany moa dia hametraka fitoriana @ olona X iray izay nanao ny asa ratsy tao amiko! dia ny anotanin-dry zalahy voalohany dia ny oe misy olona ahihinao ve? mazava hoazy fa tsy misy satria tsy nahatratra ambody omby na iza na iza aho. No sady masaka tao an-tsaiko ny tenin'ilay mpampianatra ao @ EMGAM manao oe: " aleo lavitra mamotsotra olon-dratsy toy izay manameloka olo-marina!" Ka io no nahatonga ahy tsy hanedrinkendrika na iza na iza... (Mbola hitohy)

Jereo koa eto


Baiboly Ao Anaty Finday

news2dago 11 Oktobra, 2008 19:11 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mifarana ny herinandro tokony hiala sasatra ny rehetra ny ara-panahy kosa tsy mba tokony hisy hakana sasatra izany. Efa andron'ny fandrosona moa izao ka rariny loatra raha ampiasaina ny tekinolojia vaovao sy avo lenta! Koa raha sendra manana irony finday efa somary raitra sy azo ampidirana hira sy dossier irony ianao dia azonao alaina eto ny Baiboly efa voadika @ teny malagasy. Ataoko fa mety hanampy anao izy ity. Ampidirina ao anaty finday izy io mazava ho azy fa mbola extracter-na aloha vao afindra any anaty finday. Koa mazotoa mamaky baiboly sy mizara izany teny izany ho an'ireo namana rehetra. Isaorana ireo nanampiniavana nandika izany hatraminy farany ka nahazoana izao vokatra izao.

Vaovao ratsy kosa aloa no tanteriko manaraka satria dia nisy namaky t@ alarobia hifoha alakamisy ny trano fiasan'i news2dago ary very t@ izany ireo fitaovana sasany tao ampiasana. Atao ahoana fa izay no anjara sy lahatra ary ny zavatra rehetra dia miara miasa ho an'reo izay tia an'Andriamanitra. Lesona azoko notsoahana t@ izao dia nataoko tsirambina ny hamafiny ny hiditrano. Soa ihany fa mbola tsy nanitatra ny ambaidainy ny kapitaly ny tena no nitranga izao zavatra izao fa vao nikasa! kanjo efa nomen'ilay nahary fanairana sahady oe tokony hanamafy ny hiditrano sy hanao alarme sy ny sisa izay rehetra mety ilaina @ fiarovana ny fananana.

Manarak'izay dia tapitra hatreo ny lalana ho an'ny barea t@ can sy ny coupe du monde 2010 satria dia lavo 3 no 0 tany @ elefanta izy no sady naharesy 1 no 0 an'i Botsoana koa i Mozambika. @manaraka indray manarina e!lol laharana faha 3 no misy antsika ao @ sokajy faha 7 narahako mivantana tao @ live coverage ny fifa moa io lalao io.

Na dia teo aza izany vaovao rehetra izany dia tsy maintsy mijery ny ho avy foana no tanjona ary manakina ny fiainana @ Andriamanitra hatrany. Izy no mahafantatra ny mahasoa ny zanany rehetra. Koa mahereza daholo no samy ho tahin'ny Tompo.

Jereo koa eto


Hilaza Vaovao @ Izay I news2dago

news2dago 01 Oktobra, 2008 07:57 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Na dia mbola bongobongo maso ihany aza ny tena dia tsy manadino mijery ny hafatra nipetraka @ ireo lahatsoratra nosoratana faram-parany. Gaga ihany aho anefa fa toa spam no betsaka hitako tao satria dia dokambarotra milaza fanafody maromaro sy ny momba momba ilay fanafody no hitako marobe tao. Nisy aza moa namana hafa no nanokatra lahatsoratra mihitsy ho firarintso an'ny tena ka dia isaorana etona ireny.

Fa ny vaovao nisongadina kosa dia ny loza-piarakodia nitranga teny @ lalana digy iny t@ herin'andro lasa teo. Raha hiverenana kely moa ny tantara dia toy izao: "Nisy fiara 4x4 izay vaovao vao azo ny tompony tapam-bolana monja izy izay no nivadika tany an-tanimbary noho ny fandehanana mafy sy ny fahatairana teo @ ilay mpamily raha nahita tampoka fiara nifanena t@ izay noheverin'ilay ranamana fa moto ilay fiara kely golf boribory jiro ireny io fiara io moa dia voalaza fa poamaso na koa eo tsy nirehatra ny  jiro ilany havia @ fiara. Avy dia niala ilay mpamily ny 4x4 ka izao nifatratra tany an-tanimbary izao". Aina 3 be izao moa no nafoy t@ ity loza ity. Izay voalaza fa mpiavana daholo ihany.

Ao anatiny ny fety ny oktoberfest kosa isika izao izy io moa dia fety atolotr'ireo namana nianatra sy mandrato fianarana any @ rainiboto, fety ho an'ny malagasy tany ampiandohana mba ho fiarahana mifaly @ vahoaka alemana izay malaza tokoa @ fisotroana labiera ka dia nanararaotra ny orinasa star ny hanohana ara-bola ity hetsika ity no sady hivaroboba ny labiera thb izay malaza ihany koa. Marobe moa ny mpihira andray anjara @ izy ity izay atao ao Mahamasina. Nanomboka ny 22 Septembra ka h@ 22 oktobra moa ny fety.

Farany sady mahatsikaiky no mahamenatra no tanteriko farany dia ity, nisy vehivavy malagasy iray tapaka lalan-dra noho ny hadisoam-panantenana nahazo azy t@ fiarahany @ vazaha italiana iray saika hampiakam-bady azy.Voalaza mantsy fa bandy tena vetaveta ilay ranamana ary mpandala irony fiarahana mandry @ olona maromaro irony. Kivy tanteraka mantsy hono ilay tovovavy no menatra ny fianakaviana ihany koa fa saika hanambady vazaha. Kanjo vazaha tsy misy antony. Mbola ho betsaka mihitsy no mey ho voa toy izao raha tsy  mitandrina @ ity matimaty hanambady vazaha vazaha ity.

Jereo koa eto

 


Tonga Soa Fanilo

news2dago 25 Septambra, 2008 06:52 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ity no lahatsoratra voalohany nosoratako ho an'i Fanilo zanako tongasoa teraka ny alatsinainy t@ 9h50 tao @ pavillon sainte fleur! Salama tsara ny reniny sy ny zanany na tsy maintsy nandalo fandidina aza ny reniny noho ny antony ara-pasalamana. Ny fanampin'anarana fanilo Haingotiana no nosafidinay mivady ho fiantso azy! faly ny tena ary tena misantatra izany oe mitaiza izany!

Efa nanomboka ny alahady no nakaty zao aho no tsy natory firy @ alina! ary mety tsy havaky ny hafatra apetrakareo aho zao satria mbola any @ hopitaly izahay h@ izao fa nikarakara kopia aty @ firaisana ho dia mizara ny hafalina eto @ tontolo ny blaogy aloha. LOL ! mando vola kely aty @ cyber tsy hita e!

izay aloha fa mandra-panoratra indray! dia misaotra mialoha @ firarintsoa valiko eo daholo rehefa tafody any an-trano izahay mandany fotoana lavalava aho!

 


Tiako Ianao Ry Teniko!

news2dago 20 Septambra, 2008 09:10 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tsara levenana ny maty, voalevina omaly tokoa ny nofo mangatsikan'i Rado. Notron'ireo olona marobe toy ny olom-panjakana ny mpanankato ny mpikabary ary ny olotsotra marobe, tsy tambo isaina, izay nanamorona ny lalana niala teny Ankorondrano ka hatreny Faravohitra ary nifarana teny Anjanahary. Izany rehetra izany dia tao anatiny kopakopa tanana sy tehaka hatrany, miaraka @ ireo hira nosoratan'ity mpanakanto lasa nody ity.

Etsy an-danin'izay dia toa lasa zezika nampitsiry indray ny fitiavan'ny malagasy ny tenindrazany ity fahalasan'i Rado ity. Tsy hisy intsony mantsy ny sahy hanamavo ny olona mampiasa ny teny malagasy. Hita taratra t@ fitaizana nameon'i Rado ho an'ireo zanany izany. Nanaitra ahy tokoa mantsy ilay fanadaharana tao @ tvm izay nanoritroritra ny androm-piainany. Voalaza t@ izany ary fa ny zanany rehetra dia tsy mba miresaka @ teny vahiny rehefa miresaka. Anatra ho antsika taranaka aty afara izany, aiza ho aiza moa isika @ fitiavana azy ity. Ekeko mihitsy oe raha te hamolaka teny hafa dia tsy maintsy mampiasa azy aloha. Kanefa kosa mila mahay mandanja lanja ny tsirairay manoloana izany.

Kenda ihany koa aho raha namaky ny fikarohana nataona mpikaroka sy manampahaizana iray milaza fa @ taona 2050 any hoany hono dia tsy hisy intsony izany teny gasy mangarahara izany. Koa manoloana izany indrindra enga anie ka mba ho diso izany fikarohana vita izany, ialako tsiny @ ilay mpikaroka, no mampitsiry ny fanatenana ato anatiko oe misy antony ny nandaozan'i Rado antsika iny. Tsy maintsy hisy mantsy manomboka eto ny sehatra misy ny sangan'asany izay hahazo toerana bebe kokoa. Ary hanaitra ny ambompon'ny ankizy sy ny taranaka hifandimby ny hitondra izany fanilo izany.

Vaovao hafa kosa no hotanterina manaraka dia niovaoka ny didim-pitsarana ary voaeloka higadra asa anterivozona 10 taona sazy miatra i Rija Ramino zanak'i pasitera Ramino paul, izany moa dia eloka efa vitany tany @ taona 2004 tany ho any. Tena feno habibina tokoa raha ny filazan'ny gazety ny namonony ilay olona. Tena mafy ny mahazo ity Pasitera rainy ity.

Ankizy maro kosa no nitsindroka sy nihinanana yaourt à boire efa simba, ary voalaza moa fa maty mihitsy ilay ankizy 5 taona nihinana ity yaourt ity. jereo eto ny adininy misimisy momba izay.  

Jereo koa eto   


Fitadiavana Olona Tsy Hita.

news2dago 19 Septambra, 2008 08:31 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ireto indray ny vaovao tapatapany azoko zaraina @nareo androany. Nisy zaza vao teraka narina teny an-jaoridira  ka sendra mpandalo manam-panahy ka nitondra io zaza io teny @ mpitsabo mikambana omaly maraina ary velona soamatsara ilay zaza. Mitohy moa ny fikarohana mikasika io tranga iray io. Dia manontany tena oe efa nitondra azy 9 volana ihany ve? No sady efa nateraka, zay vao hanampakevitra ny hanary zanaka. Tena  adaladala mihitsy. Any zao anefa tena misy olona mitady zanaka mafy mihitsy kanefa dia tsy mahazo. Lakalaka mihitsy ity fiainana an-tany ity.

Resaka tropicana II ny manaraka. Nandritra ny andro vitsivitsy izao dia nisy izao fanambarana izao foana hitako an-gazety:"Izahay fianankavin'ireo taiwanais nandeha t@ sambo tropicana II dia milaza fa mbola tsy hita izy ireo h@ izao. Izay olona mahita azy ireo velona dia iangavina mba hiantso ny finday 033.17.815.74. Ny valisoa atolotray @ izany dia 200.000.000 fmg isaky ny olona velona hita. Marihina fa tazominay ho tsiambaratelo ny momba ireo olona izay manome vaovao." Midika zavatra maro izany fanambarana izany ary tena mino ireto fianankavina ireto oe mbola velona any ireo havany ireo. 

Atao veloma farany eny @ Fjkm trano vato Faravohitra kosa ny nofo mangatsika n'i Rado alohany hametrahana azy eny @ fasan-drazany eny Anjanahary. Marihina moa fa lany tsy misy intsony ny sangan'asa sy ny boky natonta rehetra nosoratan'i Rado eny @ mpivarom-boky rehetra. Hivalona tanteraka izany ny tantaram-piainany @ maha olona azy fa ny kanto sy ny asany kosa mitoetra mandrakariva ho antsika rehetra. 

Jereo koa eto 

 


Zaza Be Tangolaza!

news2dago 18 Septambra, 2008 07:59 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Milaza ny maro ankehitriny fa lasa resa-jaza ny ady ny cua sy ny governemanta. Ary tena marina izany satria mitovy tsy misy valaka @ ireny zaza be tatibolana manafitohana sy maha te hikapoka ireny. Vao misy zavatra kely mantsy dia manao valan-dresaka foana ireo mpikabana ao @ kabinetra ny kaominina. Maninona moa raha mitady vahaolana aloha vao mitatitra ny vaovao @ vahoaka. Fa tsy manao izao fanao ankehitriny izao.

Voalaza mantsy fa tsy nahazo solika ny CUA, raha tena nozohina ifotony anefa dia ny galana mihitsy no nanapa-kevitra hampiantona ny famatsina solika ireo tsy mpandoa vola. Tsy anavahana io na iza na iza ka ao anatiny ny kaominina fa lasa aiza indray ary ny vola sa dia ho lazaina indray oe ao anatiny ilay trosa h@ 1980 io ka tsy ho efainay intsony fa efa anjaran'ny fanjakana foibe ny mandoa izany.

Izay ny @ iny fa hivadika vaovao hafa mihitsy aho. Mampalahelo mantsy ny mahita ireto mponina etsy @ lalana digue iny fa nototofana ny ampahany @ tanimbary manamorina iny toerana iny. Voalaza moa fa natao amboletra izao fakana ny tanimbary izao. Vidin'ny fanjakana 10.000 Ar mantsy ny 1m toradroa ho an'ireo manana taratasy aradalana ary 5.000 Ariary kosa ho an'ireo tsy manana. Mahagaga ihany moa izao toe-javatra izao ary mandeha be ny resaka momba azy ity. Betsimitatatra moa no anisany mampiavaka an'Antananarivo satria sady mahavokatra no mamonjy ny mponina @ todradrano.

Anio no hiala ao an-tranony eny Ivato ny nofo mangatsika n'i Rado ary ho eny @ kianja mitafo eny Ankorondrano mba ho fiarahan'ny vahoaka miory @ fianankavina. Tsy dia tena mazava loatra moa izay tena marina @ ity fiandrasana ity eo ny milaza fa eny @ lapan'ny fanatanjahatena eny Mahamasina ny vaovao henoko farany anefa dia oe etsy Ankorondrano ka ho hita eo ihany izany rahariva oe aiza marina? 

Tokony hamonjy ny fivorina tsy ara-potoana any @ firenena mikambana any amerika kosa ny Filoha malagasy  kanefa noho izao nahafatesan'i Rado izao dia mety mbola hiova ny fandaharam-potonany. Marihina mantsy fa tena nandray anjara feno t@ fametrahana izao fitondrana izao i Rado ary tena nampietana ny tonon-kalo novetsoiny t@ izany fotoana izany "Tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany".

jereo koa eto


Henin-Kaja Ny Maty Ary Omem-Boninahitra Ny Velona

news2dago 17 Septambra, 2008 07:45 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mbola mitana ny sain'ny maro ny nadaozan'i Rado ny malagasy mpiray tanindrazana aminy. Nahavita be tokoa izy teo @ fanandratana avo ny teny malagasy ary nataony rehareha tokoa izany. rariny loatra raha niondrika sy nitsapa alahelo ny fianankavina ny Filoha ny repoblika Marc Ravalomanana omaly hariva t@ enina ora. Ary niara nipetraka t@ fianankavina moa izy avy eo ary tsy niala teny raha tsy efa t@ 7 ora.

Samy maneho ny lahatsoratra momba azy avokoa moa ireo gazety miseho isan'andro rehetra ary ity ny matoan-dahatsoratra sedra mba tsikaritro: "saro-dimbiasana" hoy i taratra izay tena nanitikitika ny saiko tokoa. Dia tena nivalona tokoa moa izany ny asa soratra nataony sy ny fitandroana ny teny malagasy. Ankehitriny mantsy dia mba mikasa hemerina izany @ toerana misy azy ny mpitondra kanefa toa lalaovin'ny mpanao politika. Batina ery ny malagasy tsy hampiasa ny teniny lazaina hatrany fa mihemotra.

Saika takona daholo aloha ny vaovao hafa hatreto fa io ihany no tena mibahana ny toerana na izany aza misy ihany mba atolotro anereo toy ny fiakaran'ny vola malagasy raha sandaina @ $ sy ny € mbola ho tanteriko eto ihany ny vokatr'izany eo @ ireo orinasa afakaba izay tsy mijery afatsy ny tombotsoany manokana. Eo koa ny disadisa misy eo @ cua sy ny governemanta izay mitohy @ tsy fahazoana ny cua solika. Izay oharin'ireo mpanara-baovao toy ny zaza be tatibolana moa ny Cua @ izy ity.

Alaivo eto ny hira ho fatsiarovana an'i Rado

 


Lasa I Rado Poeta! (Updated)

news2dago 16 Septambra, 2008 05:08 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

T@ alahelo lehibe no nadrenesako t@ kiadaona maraina vao eo fa nodimandry i Rado. Very olomanga iray indray izany ny zavakanto malagasy. Mirary fiononana feno ho an'ny fianakavina isika mpiblaogy. Manome fanampim-baovao eo ihany rehefa mahazo.

Alaivo eto ny hira misy ny sangan'asany 


Aleo Asina 2éMe Session Indray Ny Bacc E!

news2dago 12 Septambra, 2008 12:17 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Miditra ny mpianatra sahirana ny ray aman-dreny @ fisondrotana etsy sy eroa. Eo koa ireo mbola sasamiandry ny lisitra fanampiny @ bac izay hivoaka ato ato. Maro tokoa mantsy hono ireo ankizy tokony ho afaka kanefa dia tsy afaka satria tsy tafiditra tao anaty solosaina ny naoty sasany noho ny tandrevaka teo @ ireo mpandika ny naoty ao anaty solosaina! Loza anie zany re olona e! ny ho avy ny mpianatra iray manontolo no simba @ izany zavatra izany. Ary eto aho dia te hisarika ny saintsika oe tsy aleo ve averina ihany ny fihodinana faharoa eo @ ity bac ity e. Efa maro rahateo ireo sekoly ambony tsy miankina mila mpianatra vaovao sady misy tena ampy fitaovana izy ireny no azo antoka fa tsy hisy fitokonana toy ny eny Ankatso.

Nivoaka teny Iavoloha androany maraina ihany koa ireo mpampianatra 2719 nahavita fihofanana sy fianarana ka teo ambany fiahin'ny Filoha no natao izao famoahana azy ireo izany. Semban-drahona ihany anefa ity lanonana ity satria dia nisy mpampianatra 8 mianadahy niara-doza tany Mahanoro omaly maraina satria dia nivadika ny fiara mazda nitondra azy ireo. Tsy nisy aina nafoy akory fa ny ratra no betsaka. Saika hamonjy ilay lanonana eny Iavoloha mantsy izy ireo. 

Tsy totosa kosa ilay famoriana mpanao gazety saika ataon'ny ben'ny tanana omaly sy androany. Ny antony tsy nisin'ilay valan-dresaka aloha dia tsy mbola fantatra mihitsy satria iarahana mahalala fa tsy dia matotra tsara ara-politika ity Ranamana mitondra ny tanana ity ka tsy mahagaga raha mapiesona etsy sy eroa foana izy rehefa miteny. Hita tena goragora tokoa mantsy ny fitantanana ny tanana ankehitriny ary ny tsara rehetra vita teo aloha ary simba avokoa. Ny jiro rehetra manaingo ny lalana makeny @ anjelimainty etsy Anosy ohatra dia tapitra tsy nisy intsony. Ny etsy @ 13mai ihany koa dia torak'izany. Simba ny tanana izay no tena marina.

Farany dia nanomboka androany etsy @ lapan'ny kolontsaina etsy Mahamasina ny foara be mampiranty ny asa tanana sy vokatra avy any Egypta. 

 


Any @ RéAnimation Ny Poeta Rado

news2dago 09 Septambra, 2008 12:38 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Eny @ Homi nanomboka ny farany ny volana aogositra i Rado na Georges Andriamanantena! izay mpanoratra sy poeta malagasy anisan'ny sangany @ izao vanim-potoana izao. Mihombo anefa ny aretina mahazo azy ary tsy maintsy naiditra eny @ fameloman'aina izy. Marihina fa aretim-po no mahazo azy ary efa notsaboana tany ivelany izy t@ taon-dasa. Hanampy ny fianankavina moa ny fanjakana @ izay mety ho lany rehetra.

Betsaka kosa ny ho rava trano @ fanamboarana ilay lalambe mikondana na "autoroute" mampitohy an'Ankadimbahoaka sy Ivato ary mandalo iny lalana digue rehetra iny. Avy any Soazilandy tokoa mantsy ny filoha t@ farany herinandro teo ary rarakivy raha nahita ny fandrosoana eo @ io firenena kely atsy afrika atsimo io. Satria betsaka ny foton-drafitrasa any an-toerana. Koa inoana fa nampihetsika ny ambopo ny malagasy izany zavatra hitany tany izany.

Jereo koa eto


Glita Be

news2dago 05 Septambra, 2008 07:51 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Zoma mahafinaritra indray ny andro! maro be ireo fety aman-danonana ary hisongadina @ ireny ny hetsika atao eny @ eldorado Cabaret concert tsy hisy afa tsy glita no tendrena ao ary fampisehona farany ataon'i Eric Manana eto Madagasikara @ ity taona ity. Maro moa ny mpanakanto miaraka hilalao aminy @ io eo ry Johary, Rija Ramanantoanina sy ny maro hafa tsy voatanisako...

Manomboka androany koa ny Festival Angaredona ary handritra ny 10 andro eo ity hetsika ara-javakanto ity izay maimaipoana moa ny fanmpisehona ary etsy ambohijatovo ny seho no atao marobe koa ireo mpanakanto vao misondrotra handray anjara @ io. I Rajery moa no mikarakara ny hetsika...

Eo @ toetr'andro kosa dia efa manomboka mafana ny andro eto Andrenivohitra, efa manala tsikelikely ny akanjo mafana ny olona. Mivadibadika be ihany anefa izany toetr'andro izany indraindray mbola mamanala ihany @ hariva. Tsy mahagaga moa izany satria tena hita misy fiovana ny toetr'andro maneran-tany. Eo ohatra ny ranomandry nirotsaka tatsy Kenya izay nahagaga ireo mponina tany. Eo koany rivo-doza mahazo ny any Amerika izay mifanesisesy izay tsy izy. Voalaza moa fa efa fantatra avokoa ny anarana omena ny rivo-doza aty @ faritra misy antsika aty.

Mandeha be kosa ny fizarana ny laharana fiara ary tsikaritra fa mihatsara ny fiara mifamezivezy ankehitriny. Efa any @ litera ....TAL moa izao ny marika @ takelaby raha ny eto Antananarivo no resahana. Midika izany fa manam-bola ihany ny gasy.

Vaovao henoko tao @ kidaona maraina kosa dia nisy mpanala bac tsy afaka izany angaha toa hoe namono tena fa ny toerana misy azy aloha tsy henoko tsara.


Omeo Sopapa A!

news2dago 02 Septambra, 2008 09:56 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Kilalao kely atolotro ho anareo namana rehetra. Efa miandriandry ny vahiny kely moa izahay mivady ankehitriny ka ity misy fifaninana mba asaiko ataonareo!

Omeo fanampin'anarana oe ny zanako?

Fitsipika: Anarana malagasy, raha afaka manome ny dikany moa vao maika tsara!

Santionany mba tiako ohatra: Tsikisariaka, Ravakamalala, Mitia, Tokinao sns

Anarabositra kosa: Dadarabe, Pissoa, Maintikely sns

izay ary fa dia miandry ny tolotra avy aty @nareo

 

 

 


Eto Dago I Jim Carey!!!(Up Dated)

news2dago 01 Septambra, 2008 07:56 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mandeha ny andro ary tsy voafehy ny fotoana potoizay dia mivalona ny fakan-drivotra sy fialan-tsasatra ho an'ireo izay afaka nandeha moa dia saika efa tafaverina any @ toerana niaingana avy ny tsirairay ankehitriny ary hiatrika ny fidiran'ny mpianatra indray @ herin'andro ambony. Saika niaka bidy toy ny mahazatra moa ireo fitaovam-pianarana ka hita ho sahirana mihitsy ireo izay manana zanaka maro mbola mianatra.

Miarahaba ireo mpianatra afaka bac rehetra ary mampahery ireo izay mbola hamerina fa mbola ho avy ny anjara fa aza kivy. Nifamahofaho rahateo ny famoahana ny vokatra ka nampitebieby ireo mpiadina. Nampiavaka azy kosa dia nisy mpianatra 3 nahazo ny metion tres bien teo @ sokajy C ary mpianatra avy ao @ md misely moa izy rehetra ireo. Mazava ho azy fa hahazo vatsim-pianarana hianatra any an-dafy izy ary ny sekoly no miantoka izany. 13 taona kosa no zandriny indrindra @ ireo afaka bac ary sokajy tekinika izy.

Mandalo eto Dago kosa i Jim Carey ilay mpilalao sary mihetsika nalaza tany @ taona 1990 tany ho any.Eo @ lafiny fambolena moa no tena votoatiny ny diany aty Madagasikara. Horaisin'ny filoha Ravalomanana moa izy androany.

Nadoboka eny Antanimora kosa i Henry Lecacheur fanakorotanana ny filaminam-bahoka sy fanaovana meeting tsy nahazoana alalana moa no fanejehana azy @ izany. Mbola ho avy koa ny fanagadrana ireo mpanohatra hafa. Miandry tataka kely fotsiny sisa dia avy koa ny manaraka. Efa marika hitarafana ny fahalemeny ny fitondrana moa izao tranga miseho izao. 

Jereo koa eto


Mampiova Olona Ny Mipetraka Any An-Dafy

news2dago 29 Aogositra, 2008 08:16 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Trangan-javatra hafa mihitsy no tanteriko eto indray androany, zavatra niseho tamiko izy ity tsy ela akory izay. Tsy inona izany fa momba ireo namako lasa monina sy mipetraka any an-dafy e! Nisy ranamana izay niray dabilio tamiko ary tena akama be mihitsy izy io tany @ taona 1992 tany ho any izahay no nihaona farany rehefa azo moa ny Bacc dia nanam-bitana ranamana ka lasa tany frantsa nanohy ny fianarany. Ny tena moa dia teto @ tanana ihany safidy moa io tsy misy omena tsiny mihitsy. T@ izany izy dia nahavita nanoratra taratasy saika isam-bolana mihitsy ary izaho indray ary no ila tsy hahavaly azy indraindray.

Nivadika teny ihany ny volana sy ny taona tsy dia henoheno intsony ranamana taty aorina fa misy inona ary olona sendra nahalala azy no niteny tamiko oe nanam-bady izy! Ny tena moa manoratra email ihany fa tsy misy valiny intsony e! Ary io no tena nakamo ahy ho any frantsa t@ taona 2005 saika hianatra moa t@ io fotoana io kanefa nalaiko ambony nalaiko ambany dia tsy mety amiko ny mandao ny aty e. Tsy afaka ny hanao belote intsony ve zany na hitafa @ ireo akama rehetra aty any an-dafy koa toa ohatra ny samy maka ho azy izany ny gasy lasa any. Dia naleoko nahodina ny vola ary nananganako ny asa ataoko ankehitriny. Asa kely kanefa aleoko mionona aminy toy injay hiolonolona @ hafa rehefa mahazo diplaoma vazaha any.

Ny namana taloha ary ity toa mody fanina izany satria niantso azy efa in-3 aho t@ izany fotoana izany dia noraisiny t@ voalohany nandeha ny resaka ary natsidiko ny teny hoe "hibôsy kely any @ lisany any lesy aho raha sitram-po ny Tompo a", "hay ve hoy ranamana", "miantso anla ihany aho rehefa tena tapa-kevitra e". Nanomboka teo dia lasa messagerie vocal foana ny finday-n'ilay ranamana. tsy nisy resaka intsony nanomboka teo mandrak'androany. Raha sendra mamaky an'ity lahatsoratra ity izy  izao mety ho tonga saina ihany. Sady olona mpanoratra tonon-kalo be izay izy no tia ny teny malagasy ihany koa. Afaka mifanerasera eto ihany izay mitsam na tsy mifanatritava aza.

Ny tena nanosika ahy hanoratra ity lahatsoratra ity dia izao e! nisy zanak'anabaviko izay tonga nanao mariage teto madagasikara izy mianatra any frantsa any koa ary gasy ihany koa ny vadiny. Vita soa moa ny mariage ary tsara ny fety. Nisy olona mpaka sary "video pro" izay nentiny taty dago haka sary fotsiny io mazava ho azy fa ry zalahy no niantoka ary tsy nahita aterineto ry lerony hanaovana ny famandrihana ny toerana dia tonga nidodododo taty amiko nampiasa ny aterinetiko teto. Vita ny famandrihana toerana. Lasa nanao vakansy ry zalahy avy eo, ary nody teto Tàna indray avy eo. Ary ilay anambaviko io no nahafatarako ilay vaovao oe tsy misy lasantsy ao Maevatanana any @ lahatsoratro hafa any!!!

Niniko tanterina eto izany oe tena repotrat@ praogany ry zalahy e! tsy afaka nivily mihitsy ny tena anefa mipetra ety @ RN4 lalana lalovana izany raha ho any Janga. Gaga fotsiny aho anikeho naheno t@ Rabôfy oe lasa nody anikeho any Paris ry lerony. Tsy nanao veloma akory!!! Raha azoko tsara izany dia havana raha misy patsa sisa izahay. Indrisy mifosa fotsiny aho ity sisa kanefa tena ialako tsiny mihitsy e!!! Tena manova olona izao an-dafy an-dafy ao izao ka.


Mampiady Angely Ny Mpanao Politika

news2dago 28 Aogositra, 2008 11:59 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mandreraka ny mihano ny fifamalina misy eo @ TGV sy ny TIM satria mifamaly @ alalan'ny fampiantsona mpanao gazety izany. Ho anay mpitazana moa dia samy miaro ny rambony tsy ho tapaka sy manao izay hatsara ny sary eo imason'ny vahoaka fotsiny izy ireo. Kendaina izahay hoy ny ankilany manakenda ve izany rehefa mandoa ny trosa sa mamporisika ny olona tsy handoa ny trosany koa izany. Kenda ve ny kaominina raha mandoa 4miliara @ 125miliara ao @ kitapom-bola ampiasaina. "Diversion" ilay fika TGV amiko.

Tsy midika velively izany oe fijery mitongilana satria tena mamitaka vahoaka ny tena marina. Ny tena marina dia tsy mahavita azy ireo bandy tafiditra ao @ kaominina ireo dia miala bala fotsiny. Ny andaniny kosa moa dia diso paika ihany koa satria vao maika halan'ny vahoaka hatrany isaky ny mandray fanampahan-kevitra. Ho sahirana Ingahy Ravalomanana raha mitetika ny hirotsaka indray @ 2012 satria efa ratsy toerana izy eto Antananarivo.

Manaraka izay dia nilefitra ihany ny fanjakana @ ilay 4 miliara tokony alohan'ny kaominina inona izany moa fa tsy filana ady no tena marina t@ ilay izy. Kanefa ny Tgv indray no mbola nahazo tombony eo imason'ny vahoaka. Mbola maro moa ny sihon-dresaka mikasika ny fingana tetehina atao @ ity TGV ity kanefa tokony hahay hiova fomba fiady ny mpitondra fa tsy hanao politika botolo toy ny natao ny arema fahiny.

Miresaka arema ihany aho dia mitatitra ihany koa oe marary mafy hono ny amiraly ankehitriny ary voa ny homamiadana any @ loha. torak'izany koa i Pety Rakotoniaina dia marary mafy ihany koa ankehitriny kanefa moa vao maika nafindra any Tsiafahy fa ahina koa ny hiombon'ny aretina.

Izay ny @ iny aloha fa nivaly ny Bac Tekinika andrasana tsy ho ela kosa ny Bac jeneraly. Mirary soa ho an'izay afaka ary mampahery kosa an'ireo izay tsy nahomby.

Jereo koa eto

 


Tsy Mety Mivaly Ny Bac

news2dago 25 Aogositra, 2008 09:21 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tomefy tanora tetsy Ankadifotsy omaly tolankandro sasamiandry ny fivoahany valiny bac! Indrisy anefa fa mbola tsy nisy izany. @ ity herinandro ity no tombanana ny hivoaka ity bac ity ny any sisiny anefa efa mivaly daholo ny ankamarony. Aleo anefa tena ialana nenina tsara mihitsy ny fanarahamaso sy ny fanamarinana faram-parany ireo salan'isa azo ny mpiandina tsirairay mba tsy hifanomezan-tsiny avy eo. T@ zoma teo tokoa mantsy ny déliberation no natao ary 9,5/20 no salan'isa omena ireo afaka  @ izany.

Eo @ vaovao hafa kosa dia lasa mankadilo sofina indray ny maheno ny fitarainana ataon'ny ben'ny tanàna sy ny ekipany @ izao fotoana izao. Amiko manokana mantsy dia tokony efa nivonona ny @ izay mety ho fingana izy raha nirotsaka teo. Ny fikarohana ny vahaolana no tokony imasoana fa tsy ny fitarainana lava no tatitra omena ny vahoaka. Nasaina nandoa ny trosa hatrany @ taona 1980 tany ho any angaha hono ny kaomina ary manodidina ny 850.000.000 Ar any ho any ny vola nalain'i fanjakana foibe t@ kitapom-bola tokony ho an'ny CUA. Etsy an-danin'izay anefa dia mitombo ny takelaby sy dokam-barotra azon'ny orinasa injet eto @ tanàna ary eny @ toerana tsy tokony hisy azy ary indraindray no misy ireo takelaka. Efa manampatra fahefana sahady ingahibe ny tanàna.

Nalefa eny Antanimora vonjy maika kosa i Kevin ilay voampanga fa nanao ilay fanolanana sy famonoana zazavavy kely 6 taona tetsy Anjanahary. Alaim-panahy ihany aho hiteny oe sao mba mila irony seza elektrika ihany ary eto Madagasikara. Maro laotra mantsy ny mihetraketraka eto. Vao tsy ela akory koa izao ilay lehilahy récidiviste sady mpifoka rongony no efa nigadra in-5 t@ famonoana olona no namono olona bevoka teny @ faritra 67Ha iny. Avy dia nomeny ny totohondry ny kibon'ilay ramatoa no mbola nolerany ny antsy ihany koa! Soa fa mba voavonjy itsy farany sy ny zaza tao ambohoka. Mampalahelo ny zava misy fa atao ahoana moa.

Jereo koa eto


Tsy Misy Dibera Eny @ Mpivarotra!

news2dago 22 Aogositra, 2008 14:31 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Matetika moa ny zavatra rehefa tina asondro-bidy dia somary afenina kely na tsy apoitra eny @ etezera fa lazaina oe lany dia avy eo misondrotra ny vidiny. Tsapa mantsy tato ato izay fa lany ny dibera tiko tsy misy afa tsy io mantsy no tena malaza ka miandry izay fisiny sisa. Ny nividianako farany izao dia t@ zoma lasa teo ary 2000 Ar ny 250g. Voalaza moa fa toa oe simba nga hono ny milina mpamokatra azy ity any Antsirabe any.

Ny vaovao hafa moa dia tsy misy lasatsy ao Maevatanana ka mihitsoka ao daholo ny akamaron'ireo mpanao vakansa avy any mahajanga. Mila mihomana mitondra solika @ zerikana izany izay mikasa ny ho any @ iny faritra iny mba tsy ho sahirana eny andalana eny.

Afa-baraka kosa ny eo @ tontolo ny fanatanjahatena satria dia novakiny minisitra Jean Louis Robinson batsilana ny tsy mety teo anivon'ny komity olimpika izay nanao fitsangatsanganana fotsiny no natao tany Beijing. T@ ireo olona 21 nofantenina ny ho any mantsy dia 6 monja no tena atileta ny ambony dia olona mpanaraka fotsiny. Tsy nisy mpanazatra, tsy nisy mpitsabo nohentina moa tany hoy ny minisitra. @ manaraka indray manarina.

Jereo koa eto


Zava-Doza Mitandrema Isika

news2dago 20 Aogositra, 2008 14:25 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Indro zaraiko @nareo eto ny email nalefan'olona taty amiko voaraiko androany! niniko tsy nadika @ teny malagasy izy ity satria sao mba misy vahiny mitsidika ity blaogiko ity dia mba azony izay voalaza ato!

Très important!! Pour une fois...                                          
Il est important de lire ce petit message                               
                                                                            
 Est-ce possible d'être rendu fou , à ce point???                           
 Vous pouvez le croire ou non, il n`en reste qu`à vous!                     
 Ceci s'est passé à Montréal et à St-Bruno. Il y a quelques jours de        
 cela,dans un cinéma, une personne s'est assise sur quelque chose de piquant sur
 un des sièges. Lorsqu'elle s'est relevée pour voir de quoi il s'agissait,elle a
 trouvé une aiguille plantée à travers le siège avec une note attachée disant: '
 Vous venez d'être infecté par le VIH'.                                         
                                                                            
  Le Centre de Contrôle des Maladies rapporte plusieurs événements similaires
 dans plusieurs autres villes récemment. Toutes les aiguilles testées sont      
 positives VIH. Le Centre rapporte qu'on a trouvé des aiguilles aussi dans      
 les retours de monnaie de téléphones publiques ainsi que dans des machines 
 distributrices de liqueurs douces.                                             
 Nous demandons à tout le monde d'user d'une extrême prudence, quand vous   
 serez confronté à ce genre de situation.                                       
 Toutes les chaises publiques devraient être inspectées avec vigilance et   
 prudence avant usage. Une inspection visuelle minutieuse devrait suffire.

IMPORTANT: SI CELA VOUS ARRIVE (DE TROUVER UNE AIGUILLE OU D'ÊTRE PIQUÉ)   
                                                                            
 SVP AVERTIR LA POLICE LOCALE IMMÉDIATEMENT ET/OU LA DIRECTION DU           
                                                                            
 CINEMA OU DE L'ENDROIT OÙ VOUS VOUS TROUVEZ À CE MOMENT.                   
 
De plus, les soussignés demandent à chacun de vous de communiquer cet avis 
 à tous les membres de votre famille et vos amis, du danger potentiel..         

On nous a demandé de passer ceci au plus grand nombre de personnes         
 possible. Pensez que vous pouvez sauver une vie juste en redistribuant ceci.

L'Organisation Mondiale de la Santé vous remercie.                         
                                                                            
 S/S François Charpentier                                                   
Sûreté du Québec                                                                    

jereo koa eto                                     


Manararaotra Diso Tafahoatra Ny JIRAMA

news2dago 19 Aogositra, 2008 10:08 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tototry ny fahasahiranana ny tena ankehitriny iny aloha tsy afamiala @ maha olombelona ny tena, ary tsikaritry ny maro angamba fa tsy tafablaogy mihitsy aho tato ato izay ny vaovao anefa misy tokoa ka omeko eo ihany izay tadidiko.

Voalohany dia ny eo anivon'ny Jirama izay mahatohana ny mpanjifa tokoa ny ataony satria tsy misy tonga aty an-tranory zareo fa mitokona hono ka tsy nisy naka izany ny relevé efa ho 2 volana izao. Avy eo indray ny mpanjifa no asaina manoratra @ taratasy izay consommation lany eo @ kaontera ny jiro dia torak'izany koa ny rano. Mazava ho azy fa miakatra izay tsy izy ny consommation nao ao satria tonga dia volana roa be izao no indray mitambatra ao. Tsy manaiky anefa ry zareo raha mba miangavy ny tena oe aloha indroa ilay izy.

Faharoa kosa dia ilay lalao soabika @ Tvplus! izay tena hitako oe lasa mamoafady loatra ilay izy satria dia amboridana ireo mpifaninana tsy misy afa tsy takon'enatra kely sisa anaovana. Kanefa anie dia vehivavy lehibe efa renim-pianakavina daholo ny ao e! Manotany tena mihitsy aho oe misy lanjany tokoa ve ny fitafina anaovana eny an-koditra rehefa milanja!!! Asa aloha e! Manarak'izay dia ny toem-pasalamana ny mpifaninana izay tena mampiahiahy be ihany satria misy foana no torana ao ka sao dia mba hisy loza ny farana vao ho tonga saina ireo mpikarakara.  

Farany dia any Suede ny Filoha ankehitriny, raha naka vakansy kosa ny mpikambana sasany ao @ governemanta.


Andeha Sa Tsy Andeha?

news2dago 15 Aogositra, 2008 18:15 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Vakansy ny andro te mba hiala sasatra i news2dago! maro anefa ny zavatra tsy maintsy homanina sy ilana paikady tsara vao tena afaka mandeha. Eo ohatra ny vola atotona @ ity vakansy ity ze aleha tokoa vola daholo. Manaraka izay ny toerana, maro ny toerana efa nitsidika tato an-tsaina kanefa toa tena tsy hitako izay haleha.

Ambila sa Folopointy samy tsara kanefa misy lafy ratsiny daholo Ambila ohatra dia ilay milahatra baka no tsy reviko any dia tsy kaonty iny zany aloha. Folopointy avy foana hono ny orana any! tsy afaka hilalao rano zany fa sao manavy eo. Vatomandry sa Mahanoro? Vatomandry tsy dia misy toerana afaka hilalaovana rano sy hilomanosana torak'izany koa i Mahanoro. Raha ho any Mahajanga anefa toa ohatra ny lavitra loatra ka tsy hatanty rafotsy satria mavesatra entana! teraka an-dalana eny zay vao loza eo.

Raha mijery ny ho entimanana indray aho anefa dia toa tena handany vola be ihany vao afaka ny hiala sasatra, ny vola anefa mety tena ilaina ao aorina kely ao rehefa tonga ny vahiny. Dia angamba izahay tsy andeha indray fa hitanin'andro etsy antokotany fotsiny sisa.

Lalina ihany izy ity ka taloha mantsy dia tsy mba notazaina t@ izany vakansy izany izahay ny tena moa zanaka mpiasa ny lalamby taloha ka tsy nisy afatsy Antsirabe sy Toamasina no falehako ary Ambatondrazaka dia indray mandeha monja aho no mba tany. Manakara moa dia mbola tsy hitako mihitsy. Izao kosa efa mitokatrano ka dia miova ny fiainana lasa mandeha vakansy foana matetika ny tena fandehananay dia rehefa farany volana septambra eo mantsy tsy manahirana ny mitady trano satria efa tapitra mody ireo mpiala sasatra. Dia aleo @ taona manaraka indray e!

 


Natao Mariazy I Spir'Omic

news2dago 11 Aogositra, 2008 09:54 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ny lalao any Beijing aloha no tena malaza ankehitriny. Ary vokatra ratsy sahady ho an'ny malagasy satria dia raraka t@ fihodinana voalohany avokoa ny mpanao judo malagasy sy ny mpilomano. Tsy asina resaka intsony moa satria ny fanomanana vonjy tavanandro fotsiny ka mazava ho azy fa ny vokatra koa dia sahala @ izay ihany koa.

Nahazo mari-boninahitra Honoris Causa hafa indray ny filoha Ra8 tany @ oniversite ny Beijing raha totalina moa izany dia efa 3 sahady ny mari-boninahitra ambony azony tao anatiny heritaona izay. Noho ny hafalim-pony moa dia nomena vatsy kely ireo atileta malagasy mandray anjara @ ity lalao olimpika ity ka nahazo 200$ isan'isany avy.

Natao mariazy t@ zoma 8/8/8 lasa teo kosa ilay mpanakanto malagasy metisitisy endrika maha taratara ireo zatovovavy eto @ tanana ary inoana fa maro no diso fanantenana sy mba niandrandra ny ho voafidy kanefa dia efa nanana ny safidiny ny lehilahy tsy iza izany fa i Spiromic tetsy @ culte Andohalo moa no natao ny mariaziny ary tetsy @ hotely Colbert no niara nisakafo izy sy ireo mpanotrona. Maharena tokatrano ary mahareta h@ farany. Ho an'ireo zatovavy kely kosa dia mbola ao i Mirado fa aza kivy e! lol

Jereo koa eto


Maivan-Danja Ve Ny Rà Afrikanina?

news2dago 06 Aogositra, 2008 08:25 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Hafa kely ity vaovao entiko eto ity androany satria mba nahita vaovao t@ tv5 aho anikeo milaza oe tompon'antoka lehibe t@ famonoana olona fahobe na "génocide" tatsy Roanda ry zareo frantsay sy ny fanjakana noentin'i François mitterand. T@ taona 1994 moa no nanomboka ity ady an-trano ity ary tombanana any @ 800.000 any no maty t@ ireo foko "totsy" sy "oto". Raha izaho manokana aloha dia tena resy lahatra aho fa marina io fanambarana navoaka ny fanjakana roande io, satria tena mitovitovy an'io ihany ny fomba saika hatao teto Madagasikara t@ taona 2002 ary ny tantara moa afaka mitsara izany. Teo no nimpoitra ny fankalahana frantsay teo @ ireo malagasy ary io no mba anisany nampiakatra ny fitiavan'ny olona an'i Ra8 t@ fotoan'andro dia ny oe afaka @ zioga ny frantsay isika. Manamarina izany ihany koa ny zavatra nintranga tatsy Côte d'Ivoire.

Ny indro kely fotsiny dia ny oe rehefa ny afrikanina na ny mainty hoditra no maty dia hain'ireo firenena lehibe no mametrapetraka ny dôsie sy mampangina ny feo sy ny fanandihadina tokony atao rehetra. Satria tena tokony henjehina any @ tribonaly iraisam-pirenena ity vono olona matsiravina ity. Tsy io ihany fa eo koa ny atsy Sodan, RDC, sy ny faritra maro aty afrika izay misy ambadika foana moa izy ireny satria ny afrikanina tsy manana basy izany fa amporisihina hiady mba hitsetsefana ny harena be tsy hita nonoa ao aminy.

Vao tsy ela akory izay no nisy ilay tsunami tany azia ary eran'ny vazatany efatra ny famonjena sy ny fanampiana azo. Fa rehefa ny afrikanina no maty mosary sy rava ny ady dia tsy mihetsim-bolomaso akory ireto firenena lazaina fa lehibe ireto. Tsy misy vidiny ary ve izany ny aina afrikanina sy ny mainty hoditra raha oharina @ ireo volon-koditra hafa?

jereo koa eto

 


Vako-Drazana Sy Hira Gasy.

news2dago 05 Aogositra, 2008 09:08 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Voizina indray ankehitriny ireo vakoka sy kolotsaina malagasy izay tena mampiavaka ny malagasy @ ireo firenena hafa. Nomeny kaominina hilalaovana hira gasy sy vako-drazana mantsy ny kianja maintso  eo Ambohijatovo isak'alahady ary dia vory eo daholo ireo sangany @ ity vako-drazana ity. Ny fanontaniana apetrako fotsiny dia ny oe fa inona tokoa moa no mampiavaka sy maha samihafa ny hira gasy sy vako-drazana e? misy afaka manome fanazavana ve? Izaho mantsy ohatrany manafangarao an'ireo foana! lol.

Nitsidika ny tetsy @ lapan'ny tanana kosa ireo orinasa namaly ny tolobidy @ fanarenana ny lapa ka orinasa lehibe 7 no namaly ny antso t@ izany. Voalaza moa fa atao mangarahara tanteraka ny fizotra ny asa sy ny tolotra omena izay mahazo ny fanorenana ny lapa. Etsy andaniny kosa anefa dia nilahatra ary nilanja sora-baventy ireo mpivarotra amoron-dalana etsy Behoririka omaly. Andrasa indray izay ho tohiny ny dinika eo @ mpivarotra sy ny kaominina.

Mavaivay kosa ny fifaninana eo @ ireo mpivarotra solika eto an-drenivohitra. Tsapa mantsy fa milahatra izay tsy izy ny fiara maka solika eny @ ireo mpivarotra shell rehetra ary tsy maharaka indray aza ny tolotra omena ny mpanjifa satria dia 200 Ar be izao ny elanelam-bidy misy eo aminy sy ny mpivarotra solika hafa. Fahiny mantsy dia mitovy foana ny vidiny solika na aiza na aiza no ividianana izany tsy hita izay antony hitsinjarana azy oe Total na Jovenna na shell na Galana...fa izao kosa tena misafidy ny olona ka izay zakany ihany no vidiny.

Jereo eto


Manao Ahoana I Zain!

news2dago 01 Aogositra, 2008 09:00 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Hiova anarana manomboka androany ny Celtel Madagascar na ilay mpamongady @ serasera sy antso @ finday. Tsy ny eto Dago ihany anefa fa any @ tranobe reniny mihitsy no miova manomboka androany. Vao maika hafana izany ny fifaninana eo @ Orange sy Telma ary i Zain ka hisonanika ny mpanjifa hisafidy izay tiany. Mety hajifa koa anefa ny vola ao ampaosy hividianana ny fahana.

Tsy mahazo mandeha @ andro hariva intsony ireo sambo kely fripy izay angaha no azo ilazana azy sady akaiky kokoa @ zavatra fividiny ny malagasy. Izay aleha tokoa mantsy izao dia fripy avokoa ny lalana rehetra eny @ 67 ha ohatra dia misy mivarotra eo @ sisin-dalana eo ny kojakoja an-dakozia toy ny frigo, fatana, lafaoro, fanaka sy ny sisa. Toy izany koa ny vavahady ny zone franche iray etsy Andraharo misavovona ohatrany eny Isotry ireny ny fivarotana fripy. Tsy atao mahagaga moa izany satria izany no sahaza ny vola miditra @ fianakavina iray. Fa hiverenako @ izay ilay didy mandrara ny fivoahany sambo @ hariva satria dia nisy foana ny loza tato anatin'ny iray volana monja dia efa mahery ny roampolo ny maty sy tsy hita noho ny sambo rendrika ka hentitra ny fanjakana raha namoaka io didy io.

Jereo koa eto

 


76777 No Isan'ny Mpanala Bac

news2dago 28 Jolay, 2008 08:36 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia tonga tokoa ity ilay androm-panadinana ho an'ireo mpanala Bac ny taranja filôzôfia moa no adinina @ andro voalohany. Mirary soa ho an'ny ankizy mpiadina rehetra. Efa nivaly t@ asabotsy hifoha alahady kosa ny Bepc ary manodidina ny 49% eo no taham-pahafahana t@ izany. Miarahaba ireo afaka ary mampahery hatrany an'ireo tsy afaka kosa, mila miomana tsara indray @ taom-pianarana manaraka fa mbola misy izany ny lesoka.

Nifarana t@ asabotsy teo koa ny fifaninana lalao mm's tournement ka norombahan'i Andritiana efa tompon-daka t@ taona lasa ihany ny amboara t@ ity indray maka ity. Azo ambara fa tena havanana ny lehilahy @ lalao PES 2008 satria dia tena sahirana tokoa ireo nifaninana t@. Miandry ny lalao kitram-pokotany indray izany izao ny kilonga efa miala sasatra izay hanomboka @ 2 aogositra ho avy izao.

I Nina sy ny street fighters kosa no nahazo ny amboara teo @ fifaninana tecktonik. Na ilay dihy malaza ataon'ny tanora ankehitriny. Raha mijery an'ity dihy ity moa ka tsy asiana feo ny fahitalavitra dia tena sanatria ohatra ny mahita olona voan'ny ramanenjana ireny. LOL, samy manana ny vanom-potoanany moa ny dihy rehetra ny anay zao dia ny smurf sy ny breakdance no nalaza. Taloha tokoa izany.

Tafakatra eo @ dingan'ny manasan-dalana kosa ny Barea ny Madagasikara eo @ lalao cosafa castel cup! lalao atao any Afrika atsimo naharesy an'i Angola t@ isa 1 no 0 moa izy t@ ampahefa-dalana ary hidona @ i Mambas Mozambika indray. Mety mba hamaly bontana kosa angamba ireto omby masika ireto androany. 

Jereo koa eto


Mampatahotra Ny Lozam-Pifamoivoizana!

news2dago 26 Jolay, 2008 08:42 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Kamiao be anakiroa omaly no nanapaka ny lalana RN4 vokatry ny loza naterakin'ny tsy fitandremana. Voalaza mantsy fa nifanenjika ireto kamiao anakiroa ireto ka izao niteraka fitohanana sy lalana tapaka izao soa ihany aloha fa tsy nisy ny aina nafoy fa ny fahavoazana ara materialy no betsaka! tao ny rava trano ny kamioa moa potika tanteraka ny Kaontenera nentina nidoboka sy nitsivalana teo @ arabe. Ny Kamiao iray moa dia nidofotra tetsy Antanety Ambohimanarina ary nifaoka trano anakitelo ny faharoa kosa dia teo @ ilay fidinana Ambodimita ary nifatratra tany @ tranon'olona ihany koa! soa fa niandry faty ireto tompotrano ka tsy nisy tao fa raha tsy izay angamba dia faty nikararana no hita.

Nisy olona maty hita natsingevan'ny rano indray tetsy @ ilay lakan-drano etsy Andraharo mbola eny @ iny faritra Ambohimanarina iny ihany no niseho ny tantara. Vehivavy lehibe ilay izy ary mbola teny ankodiny daholo ny fitafiny rehetra. Ity rano ity moa dia ahitana ohatr'izao foana rehefa miditra ny rano. Mbola misitery ny antony nahafaty ity olona ity fa ny tena nampahonena dia ny tsy fikarakaran'ny Kaominina ny razana. Ireny Kamiao be mpitaona fako ireny mantsy no nakana ilay faty!!! ary onena daholo izay sendra nandalo sy nahita ity tranga ity omaly oe sanatria ve efa fatim-biby no dia atao ohatr'izao. Toy izao koa mantsy hono no nanaovana ireo enin-dahy maty teny Ivato herinandro lasa izay. Mba tokony jeren'ny tompon'andraikitra akaiky ihany ny ohatr'izao.

Efadahy mpikambana sy mpikarakara Rallye ao @ FMMSAM no indray maty tsy tra-drano tany Ilempona Antsirabe raha nisava ny lalana kasaina hanaovana ny fifaninana ao aorina kely ao. Rehefa ho avy moa ny loza tsy mba mampilaza. Dia bangana indray izany ny tontolon'ny fanatanjahatena. Vokatrin'ny fandehanana mafy moa no tena nahatonga ny loza ary tsy teny @ lalam-pirenena akory no nitranga fa tany @ route secondaire ary voalaza fa tsy tafiditra tao anaty tetezana ilay 4x4 netin'izy efadahy ka izay no tena nahatonga izao loza izao.

Hivadika lafim-baovao hafa kosa tanteraka aho aloha fa efa ho lava izany zavatra mampalahelo notataraiko teo izay. Dia ny lafin'ny toetrandro izany, diso fanantenana tanteraka mantsy ny olona mpanao vakansy any Toamasina ankehitriny fa tsy misy masoandro mihiratra mihitsy fa dia orabe mikija foana izay efa ho herin'andro izao. Ka asakasak'izay mbola te handeha any aloha.

Jereo koa eto   


Atao Fitadivam-Bola Ny Mpianatra Manala BAC

news2dago 24 Jolay, 2008 09:56 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tsy misy hetsika afatsy fanentanana ny ankizy mpanala BAC hanala azy ankehitriny ao @ onjam-peo sy ny fahitalavitra. Izany no tena oe tsy mivoaka ny ala akory dia efa misihoka. Asa zao raha mba hifantoka tsara @ fanadinana ireto ankizy mpianatra ireto na tsia fa dia tena mahonena ny maheno ireo dokam-barotra. Eo ohatra ny manala azy vita bac miaraka @ Olombelona Ricky iray izay, ny faharoa dia ny dihy techtonik mandramaraina, ny fahatelo dia ny smile party eny ankorondrano, ary farany dia Tovo jhay. Ny mahalasa ny saiko fotsiny dia ny oe fa heverin-dry zalahy manambola be ary ireto ankizy cibler-ny ireto!!! sady avy eo dia hanaonao foana any satria hivoaka alina koa, misy azy ny raiamandreny raha mba afaka moa maninona fa raha sanatria tsy afaka no tena voa mafy. Tokony mba hieritreritra ihany ny mpikarakara lanonana fa diso tia tena loatra.

Manaraka izay dia nodimandry t@ alahady 20 jiolay teo i Rabenahy Paul izy moa dia mpampianatra physique chimie no sady maitre de conférence eny ankatso tao @ sampana science, ary nampianatra tao @ acem. Mety misy mahafantatra azy ihany ny akamaron'ny mpianatra nanao cours tao @ Acem. Mirary fiononana feno ho an'ny fianankavina isika.

Marary mafy eny @ réanimation eny Ilafy kosa ny filoha ny Leader Fanilo Herizo Razafimahaleo. Avy nodidina moa ny lehilahy ka tsy nahatsiaro tena intsona na oe etat comateux izy izany ankehitriny. Ity vaovao ity moa dia navokan'ny gazety mpiseho isan'andro iray eto madagasikara.

Mbola mahalasa saina ihany koa ireo zavatra boribory maro hita tao Manakara. Ary lasa resaka be mihitsy ao @ radio sy ny tele satria dia ny mponina no nahia ireo zavatra ireo. Ny filoha moa dia niteny oe misy manao trafika na fitaovam-piadina eto. efa misy mafia zany eto amintsika ka ahina ny fifandonana @ fisamborana ireo atidoha manao io trafika io.

Jereo koa eto 


Fandrindram-Piterahana Mety Hahomby Ve?

news2dago 22 Jolay, 2008 08:17 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ady @ hamaron'ny zaza teraka ankehitriny no fanamby omen'ny fitondrana ka mila arindra ny fiainam-pianakavina. Tsy vitsy mantsy ny fianakavina malagasy no mbola mihaotra ny zaza enina ao an-trano kanefa ny vola raisina tsy mahatoraka ny vola mivoaka @ famelomana. Mbola marikin'ny fahatrana ihany koa moa ny hamaron'ny zaza teraka. Tsy dia hita kosa anefa ny tena politika tena matipaika hiadina @ izy ity fa toa resaka ambony latabatra fotsiny no betsaka. Ka ireo mipetraka ety ambonivohitra sy misy ny serasera no tena madaitra fa ireo tambanivohitra kosa tena mbola lavitra ny asa. Eo ihany koa ilay soatoavina malagasy izay mahamenatra ny miresaka momba ny firaisana ara-nofo @ olona tsy fantatra sy eo @ ray aman-dreny sy zanaka.

Nambaran'ny filoham-pirenena kosa fa misy orinasa lehibe manao trafika na basy eto Madagasikara. Mampitandrina ny tenany fa tsy hitsitsitsitsy izay tratra @ izy ity. Nisy sary maromaro moa nasehony t@ izany ho porofo @ fisin'ilay trafika. Midadasika ny morotsiraka ary tsy azo lavina fa sarotra ny fanaraha-maso ny morotsiraka fa ilaina ny fiara-miasa @ vahoaka izany vao mety ho vita. 

Mafotaka kosa ny lalao MMS tournement ao @ fahitalavitra MBS. Izy ity moa dia lalao @ PS2 ka lalao ady baolina kitra no atao ilay PES2008. Tena kinga tokoa ireo kilonga kely ary tsy diso anjara ihany koa ireo lehibe milalao sy manaraka azy ity. Ny tena moa mba milalao ihany fa eto @ solosaina eto ihany no mikatroka fa tsy sahy mifanejana @ ireo kilonga ireo satria azo antoka fa resy bobaka be ka aleo manaja tena. Ho tanterina miandalana eto ihany moa izay mety handrombaka ity lalao ity.

Nisondrotra omaly indray kosa ny vidin-tsolika ary 3100 Ar izy ankehitriny raha 2970 Ar teo aloha ny gazoala kosa dia 2980 Ar. Dia miaritra izay hiafarany eto moa ny rehetra fa hiteny inona intsony moa. Ny shell ihany no hany mbola nitazona ny vidiny taloha.

Jereo koa eto


SoAbika Na Bigest Loser Gasy

news2dago 15 Jolay, 2008 07:27 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia mahazo vahana mihitsy itony tele realité itony eo @ ireo fahitalavitra malagasy ankehitriny. Efa tsy vaovao @tsika intsony ohatra ny fandaharana Pazapa izay isany nisantatra itony tele realité itony teto Madagasikara. Izy io moa dia fifaninanana mihira ka ny mpijery no mifidy izay tiany hahazo ny vola be Roapolo tapitrisa Ariary @ farany tsy mahagaga raha roboka daholo izao bodo sy adala rehetra izao! LoL ialantsiny @ teny somary hejakenjana, satria dia fafinaretana ho an'ny mpikarakara ny mampiseho ireo olona miteniteny foana @ tonon-kira tsy fantatra na teny inona na teny inona. Mety misy ny tsy nianatra nandray anjara @ izy itony kanefa eo koa ny sasany tena tsy ampoizina mihitsy oe olona ohatr'izao ihany ve kanefa dia tena miteniteny foana ohatr'izany. Asakasak'izay mbola tsy tonga saina ihany @ ity fandaharana iray ity aloha e.

Avelako eo ny @ iny satria samy manana ny safidiny ny olona ka tsy azontsika sakanana @ izay tiany akory. Dia hanomboka tsy ho ela koa ny fifaninana hanahia tena ampahibemaso satria dia andeha mivantana eo @ fahitalavitra eo izany ny fikotsanana!!! sy ny fifadina hanina ho an'ireto tovovavy sy ramatoa bota be miisa 500 be izao, samy mba te hahazo bika hono izany angaha ny "motivation" tena nanaovan'ny ankamaron'ireo mpifaninana ireo. Dia tena karazany tokoa moa izany ao ny botrefona fohy kely eo ny trozona lavabe eo ny katavy tsy hoby varavarana!!! Dia hisy azy indray ny hijery an'ity fifaninana ity ka na dia mangalatahaka ilay "Bigest loser" atao any ivelany any aza.

Mbola maro moa ny tele realité ataon'ny vazaha ho an'ireo fahitalavitra hafa tsy mbola mamoaka ny azy eo ny "Fear Factor" eo koa ny "Bachelor" eo koa ny "triumph" sy ny sisa ka miakina @ fahavonona ny tsirairay sisa izay dia hijery foana aloa sady ny fialam-boly tsy misy firy eto @ tanana. Ny fandehanana any @ vakansa moa efa iarahana mahalala fa henjana nohon'ny lasantsy tsy takabidy no sady faritra mena daholo ny lalam-pirenena satria misy manakan-dalana any ankodahoda any.

Jereo koa eto

 


SoiréE Bleu-Blanc-Rouge!!!

news2dago 12 Jolay, 2008 07:17 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nandeha be ny resaka oe hanao bal populaire etsy Andavamamba ny frantsay @ fankalazana ny 14 jiolay. Fetiny moa io tsy atao mahagaga izany izay ankalazany azy any tsy mampaninona fa ny faneligelenana ny hafa kosa no mila tandremana. Heno mantsy fa oe ho tapahana ny lalana manoloana ny Alliance française io @ alatsinainy ka asa izay mba ho fihetsika ataon'ny kaominina @ izany.

Ho raisina @ fomba manetriketrika eny Iavoloha kosaireo 11 mianadahy nahavita ny fianarany tany amerika. Ny filoha ny repoblika moa no nanome vatsim-pianarana ho azy ireo ka rariny raha mba manome voninahitra kely azy ireto mpianatra tao aorinan'ny nahavitany ny fianarany. Misy @ ireto ankizy ireto moa ny mbola hanohy ny fianarany any @ benkitana ihany hamita ny Masters sy ny Phd. Eo ihany koa anefa ireo nisafidy ny hijanona eto an-tanindrazana @ izay.

Fisolokiana kosa no tena marina t@ ilay resaka fivohahan'ny laza adina bepc tany mahajanga satria dia laza adina t@ examen blanc no natao photocopie ary naparitaka eran'ny tanana mba hanosoram-potaka ireo mpikarakara ny fanadinana. Efa mandeha moa ny famotorana @ izao fotoana izao. Ny irarina dia ny hizoran'ny fanadinana ara-panjakana manaraka ampilaminana sy ao anatin'ny fahamarinana.

Mangigina kosa ny tontolo ny blaogy ankehitriny satria tena efa ao anatin'ny fialan-tsasatra ny ankamaron'ny fianakaviana. Ny hilazako an'izany dia ny olona mamela hafatra sy ireo lahatsoratra vaovao miseho. Mirary fialan-tsasatra mamy ho antsika rehetra. Tandremo sao dia mahazo loko laotra ary. LOL!!! 

Jereo koa eto 


Loza Nahatsiravina Teny Ivato (Updated)

news2dago 11 Jolay, 2008 07:34 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Namoizana ain'olona 6 be izao ny atadrevaka nataon'ny orinasa iray nisahana ny fandrodanana ny trano tao @ tobin'ny BANI teny Ivato. Ity fandrodanana ity moa dia ao anatin'ny fanitarana ny seranana karakarain'ny Adema. Manjavozavo be ihany moa ny zavatra tena niseho fa ny heno fotsiny dia ny oe tsy mbola nahazo fankatoavana t@ ireo manampahaizana ireo mpiasa nadrodana ilay trano fa avy kosa dia nanatsofa ny andry ampovon'ilay trano ka io no nampirodana avy hatrany ilay tafo ary nanototra ireo mpiasa 6 tao. Voalaza moa fa maty tsy tra-drano avokoa izy ireo.

Hamonjy ny asany any Geneve kosa ny ambasadoaro vaovao Rajemison ka nanao veloma sy nangataka tso-drano tany @ praiminisitra ny tenany omaly. Marihina moa fa @ alahady ho avy izao izy no hanainga.

Tsara karakara tokoa ireo kambana siamois Mahagaga sy Mahalatsa ary nalefa ao @ Pavillon Sainte Fleur moa izy ireo satria ao no misy ny fitaovana arifomba sy mpampivelona manana ny traikefa momba ny fikarakarana ny zaza teraka. Nitsidika azy miralahy moa ny manampahefana ao @ minisitera ny fahasalamana ka nanome ireo kojakoja kely ilain'ny zazakely. 

Jereo koa eto


Mahamenatra Ve Ny Tsy Fahaizana Teny Vahiny?

news2dago 10 Jolay, 2008 09:19 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena vaka ny saiko nahita ireo matoan-dahatsoratra an-gazety mivoaka isan'andro milazalaza ny fiverenan'ny fanagasina indray any @ ireo sekoly ambaratonga fototra. Ny tena moa niaina mihitsy t@ izany andron'ny fanagasina izany kanefa toa mba nahavita fianarana ihany taty aorina, koa tsy dia hitako laotra izay mahalasa resabe azy ity ankehitriny. Ny tena marina dia hitsikerana hatrany ny fomba hitondran'ny mpitondra ankehitriny izy ity ka lasa resaka politika hatrany. Toy ny oe potika ny ankizy malagasy @ fanagasina sy ny sisa. Amiko manokana dia lasa anavahana ny toerana misy eo @ fiarahamonina ny resaka fanagasina ankehitriny satria mahantra ara-toetsaina ny malagasy ka lasa tsy tia ny azy intsony.

Menatra mantsy ny malagasy raha tsy mahafehy ny teny vahiny indrindra raha mandiso ny rafitra sy ny fitsipika @ io teny io noho ny mandiso ny fitsipika sasany @ fanoratana ny teny malagasy. Izaho zao dia anisany faly mihitsy mahita ireo namana mpiblaogy namana manitsy hatrany ny tsipelina disoiko eto @ ity blaogy ity midika izany fa mbola misy ihany ireo tia ny teny malagasy ka sarotiny @ izy io. Indrisy anefa fa marary io teny io ankehitriny satria dia atao ankilabao, tsy mahagaga raha ho simba io afaka taona vitsy ao aoriana ao.

Saika lasa adim-poko kosa ny disadisa ny mpianatra tao Barikadimy Toamasina. Soa ihany fa niravina ihany ny ady teo @ ireo zanak'avaratra sy ny zanak'i Toliara tao aorinan'ny fanelanelanana nataon'ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana. Ny mahalasa saina kely fotsiny dia azon'ireo indray ity maka maka takalon'aina ity ary saika nodoran'izy ireo t@ lasantsy moa ilay azo takalon'aina!!! dia ny olona toy ireny ve dia mba mendrika ny hahazo diplaoma sy hanana ny toerana eo @ fiara-monina. Sao dia mba tokony ho sazina mafy kosa fa tsy any Iraka na any Gaza akory eto Madagasikara.

Vita soamatsara kosa ny fanadinana BEPC ary nilamina ny fizotran'ny fanadinana @ akapobeany. @ 28 jiolay kosa ireo zokiny no hanala ny BAC! koa mirary soa sy fahombiazana hatrany ho an'ireo zandry kely ireo ny tena. Maniry kosa anefa fa mba tsy ho simba ny fankana an-keriny rehefa tonga eny @ anjely manontolo fa mba hianatra, hianatra tsara, hianatra mafy...LOL ianareo no tompon'ny taona 2000! eee fahiny tokoa izany.

Jereo koa eto%


Nodimandry Hono I Ndoundoulah!!!

news2dago 08 Jolay, 2008 07:21 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Hatairana ny naheno ity feo nandeha androany maraina t@ nahenoiko radio iray teto andrenivohitra oe maty hono i ndoundoulah!!! ilay mpihira malaza tsy izy ovina @ isika @ izao fotoana izao satria dia ao anatin'ny lazany tokoa ankehitriny indrindra eo @ gadon-kira mihetsika! kay tsy izy akory no lasa fa ny rainy. Koa dia mirary fihononana ho an'ny fianankavina isika mpiblaogy.

Misy mikasa hifofo kosa ny ain'ny filoham-pirenena ankehitriny ka dia nohamafisina izay tsy izy ny fiarovana azy! voamarika izany t@ matso lehibe teo mahamasina fa dia tena mirongo fiadiana mahery vaika avokoa ireo mpiambina. Sihon-dresaka moa no heno oe olona any ivelany any no mikasa hanao ny asa ratsy ka mila mailo hatrany ny tenany. Tsy mahagaga moa izany satria dia efa azo porofo izao fa misy ny solika eto madagasikara. Ka azo antoka fa ny firenena vaventy ihany no mikasa hisompatra an-dramalagasy.

Ampandoavina vola ihany izany ireo fiara miantsona eny antaninarenina ary ny CUA no misahana ny fikirakirana ny vola azo avy @izany!!! marihina anefa fa notsikeraina izay tsy izy ny fomba fiasan'ny teo aloha ny @ ireo fiara niatsona tetsy analakely t@ fotoan'andro. Mivadibadin-dela foana izany ny mpitondra ny tanana ankehitriny. Tsy mahagaga izany satria vao mianadraharaha ry zareo no sady ny akamaron'ireo lohadohany ao @ CUA dia efa fantatra t@ laza ratsy fahiny. hangarahara ary ve ny fitantanana sa mbola hokobonina toy ny teo aloa ihany ny vola ampiasaina ao?

Jereo koa eto


Enimbolana Niasana Nisy Asa Vita Ve?

news2dago 07 Jolay, 2008 08:34 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Miova andriana hono miova sata ary tokony hiova ny fomba fiasa! dradradraina moa t@ ny fampielezan-kevitra oe tsy nahavita azy rafaly nadritra ny 8 volana kanefa izao toa ny asa vitany rehetra aza noravaina avokoa. Rava ny zaridaina tetsy @ 13 mai, ny tetsy antanimbarinandriana ary ny tetsy andohalo. Lazaina moa fa tonga ny asa dia atomboka nony injay simba ny zavatra tsy misy vola akory kay eny an-tanana. Mahagaga mihitsy ny zavamisy ankehitriny eo @ fitantanana ny tanana ary alaim-panahy aza ny tena hiteny oe sao mba lolom-po kosa no mimbahana ao an-tsaina! ka andrava ny efa vita no tena tanjona sy hamafa ny dian-tanan'ny teo aloha.

Voalaza mantsy t@ fotoan'andro fa voasakan-tsakana ny asa ny Injet sy ny Domapub mety misy angamba izany @ izao dia lasan'ny Injet avokoa ny dokam-barotra ao @ fivondronana nitombo isa ny isan'ny takelaby vaventy ary saika feno ny dokam-barotra ataon'ny Telma ny andrin'ny tsatokana telephone  zay mazava ho azy fa ny orinasa Injet no nanao azy!

Ny tiako antongavana dia ny oe! mahagaga raha tsy ho tia tena ny olona satria ny azy ihany aloa no mahamaika fa ny mpifidy sy ny vahoaka ambin-javatra hatrany. Izao manjaka ny gaboraraka tsy laizan intsony ny mpivarotra mivarotra eny @ izay tiany hivarotana ary tena saika ny lalana rehetra dia feno mpivarotra avokoa! tsy voafehy akory izany izireo aiza anefa ny tena nomena t@ fampielezan-kevitra! 

Etsy an-danin'izay dia hita fa atao izay hizaran'ny olona ny loko ny antoko TGV satria dia nolokoina manga sy loranjy ny gradin toy izany avokoa ny lokon'ny akanjon'ny mpiasan'ny fivondronana! inona no tena tanjony @ izao isika no aoka hieritreritra! Miala tsiny @ ireo izay mety ho tafitohina aloa fa izao dia ampy hitarafana ny toetran'ity ben'ny tanana vaovao ity oe! mitovy tsy misy valaka @ ingahy prezida ihany izy fa tsy hafa akory.

Vaovao hafa kosa dia natao tao avaratr'andohalo ny zoma lasa teo ny fahatsiarovana ny nahafatesan'i Dawily ilay mpanao tantara malaza fahiny tao @ radio madagasikara. Mitoetra hatrany moa ny tantara nolalaoviny hatramin'izay satria dia nahalina ny mpihaino ny manaraka ny tantara t@ radio fahiny.

Nanomboka androany kosa ny fanadinana BEPC ka mirary soa an'ireo zandry kely lahy sy vavay nanala io fanadinana io izahay tsara andro moa ry zareo satria dia antonony tsara ny marim-pana teto iarivo androany.

Jereo koa eto 


Lehilahy Mitondra Vohaka!!!

news2dago 04 Jolay, 2008 10:32 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena mba nanaitra ahy ity vaovao hitako t@ fahitalavitra vahiny iray androany maraina ary hamafisin'ireo mpilaza vaovao an-tsoratra marobe any ivelany any! tsy fahita firy moa izy ity ka izay no mba nanoratako azy eto sy mba zaraiko anareo izay mbola tsy naheno ilay vaovao. Ny vehivavy ihany mantsy no mitondra vohaka sy bevoka izany fa ity kosa dia lehilahy no mitondra izany ary tena misy kibo mihitsy kanefa tsy misy nono fa dia tratran-dehilahy be no sady koa misy volom-bava ranamana!!!

Ny vaovao eto amintsika kosa dia ny fahatongavan'ny prezida avy any ejipta no malaza aloa "avy any @ tany masina mantsy hono izy ka dia lehibe tokoa ny finonay" hoy izy tetsy ivato! voatatitra tokoa mantsy fa nitsidika ny tendrombohitr'i sinay izy. Io ilay tendrombohitra manan-tantara eo @ kristianina sy ny zanak'israely. Ka dia tsy maintsy atao izay hampitolagaga ireo vahiny manakaja ho avy aty fa mahavita azy ny malagasy.

Mety hanao fanintsina ny governemanta kosa ny mpitondra ato ato ka ireo minisitra nijanona ela t@ toerany no mila ovaina toerana! etsy an-danin'izay kosa dia miandry ny taratasy manendry azy ho ambasadaoro any algerie kosa ingahy Mahafaritsy Samuel ampodina kosa izany i Vola Dieudonné Razafindramiandra izay tompon'ny toerana h@ izao fotoana izao.

Jereo koa eto 

 


Fandidina Fo Ho Takatrin'ny Mahantra Ve?

news2dago 03 Jolay, 2008 09:13 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mirentirenty an-gazety ary saika matoatenim-baovao mihitsy ny nahavitan'ny clinique mahaleon-tena iray ny fandidina sy ny fanokafana fo, ary anisan'ny lehibe sy arifomba, indrindra eto madagasikara. Ny ezaka vita eo fisaboana aloa dia tsy asiko teny sy tsikera kely eto fa ny sarany sy ny vola ho lany ho an'ireo marary kosa no mba tiako tsindrina kely oe ho araka ve? satria mantsy efa mba be be ihany izany olona henoko niresaka oe tena tsy an-jaza ny mitsabo tena ao @ io clinique iray io satria dia volabe tokoa ny aloa ao rehefa ho didina! misy ary ny sasany toa tena nanaovana cabaret mihitsy hitadiavana vola handoavana ny saram-pitsabona satria tany @ 180.000.000 Fmg tany hono!!! no saran'ilay fandidina. Etsy an-danin'izay dia malaza koa ny feo mandeha oe rehefa misy mamangy ny marary dia mbola mandoa vola ihany koa ilay marary satria ireo mpamangy dia ampanaovina akanjo manokana mihitsy toy izany ny aro tanana sy ny aro tongotra ary aro vava!!! ny tena aloa mbola tsy nahita fa resaka mandeha no tanterina eto ka anjarantsika izay efa nandalo tao no manamafy na mandiso io tantitra henoko io.

Tsy mbola azo atao kosa ny fanasarahana ilay kambana "siamois" fa mbola osa ny fahasalamany @ izao fotoana izao! satria dia tsy ampy lanja ireo zaza ireo izy roa mitambatra no 3Kg mahery kely ka sarotra ny hanao ny fandidina ary mety hatahorana ny manao ilay fandidina raha tsy salama tsara ireo zaza. Na eo aza izany dia mirary fahasalamana ho azy isika.

Manomboka kosa ny Braderie ary efa tena zatra an'io moa ny mpijery sy ny mpanjifa ka dia mahasarika olona foana izy ity na dia atenatenam-potoana be aza. Asa na hisy fihenam-bidy ihany ny entana amidy ao na tsia? Ny azo antoka aloa dia ny mpisam no tsy maintsy hahazo laka ao satria be olona mivezivezy, tsy hanavahana moa io asa io fa t@ andihany farany teo ohatra dia zatovovavy 3 be izao no tratra tao.

I Noel Rakotondramboa kosa no voafidy ho prezida lefitra eo anivon'ny antenimeran-doholona izy moa dia tsiahivina fa nisolo ny toeran'iRajemison izay lasa ambasadaoro ao @ onu sy any soisa.

Jereo koa eto


Pazapa 6 Hono E!!!

news2dago 29 Jiona, 2008 08:37 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ireto indray ny vaovao nisongadina voaraiko androany. Tapaka foana ny aterineto mivoaka aty ivelany nandritry ny hatelona izay, nony nanotaniana moa ny tompon'andraikitra dia oe efa manao izay mety ry zareo! marihina anefa fa androany sy rahampitso (28 - 29 jiona) no fankalazana ny aterineto aty dago.

Naratra mafy kosa ireo maramila roa may t@ afomanga tany toamasina fa tsy nisy akory ny namoy ny aina fa takaitra izany no azo. Io moa dia vaovao navoakan'ny gazety mpiseho isan'andro iray eto andrenivohitra izay tena mandiso vaovao foana izy tato ho ato izay kanefa dia tena be mpividy tokoa, androany moa ilay gazety vao nanamarina fa tsy nisy akory ny aina nafoy!!!

Androany (28 jiona) kosa no nanomboka ny fanitarana ny seranam-piaramanidina eny ivato. Izao hono nonatao dia mba ho marikin'ny fahavononan'i madagasikara handray ny firorim-be ny afrika @ taona 2009. Mahazaka fiaramanidina 4 indray miaraka hono io seranana rehefa vita ny fanitarana. Maro kosa ny ho ravana trano ny mponina eny Ivato noho ny fanamboarana ny autoroute lehibe mampitohy ny seranana @ ilay hotely lehibe sy ny hisy ireo villa ho an'ny filoham-pirenena afrikanina.

Sambany kosa no nisy malagasy nanatrika ny seho lehibe tany londre ho fanamarihana ny tsingerin-taona faha 90 taonan'i Nelson Mandela. Izany moa no tanteraka dia nohon'ny lalao sms nataon'ny operateur mobile Celtel t@ ireo mpanjifany. Olona 6 mianadahy moa izy ireo no nanatrika tany ary niantohana tanteraka ny lany rehetra @ fivahinianany any Londre.

Farany kosa dia efa mande izao ny fifanitsanana eo @ ireo mpifaninana @ pazapa ary andihiny faha6 moa izy ity, karazan'itony tele realité ity moa ny pazapa ary maro ireo tanora roboka manao an'io satria volabe no azo avy eo raha mahazo voalohany any @ 20.000.000 Ar no azon'izay mahazo voalohany, misy casting ihany koa moa ho an'ireo mipetraka any an-dafy ka te handray anjara @ izy ity, ho avy any i Lily sy Christian @ ity volana jolay ity. Maro moa ny ankizy manao tsirambina ny fianarany rehefa tafiditra ao @ villa izy satria dia afoy daholo ny telo volana voalohany satria any @ volana novambra any vao vita izy ity matetika. Vola be tokoa moa no azon'ny Rta @ io ary tsy mijery izay fahavoazan'ny ankizy any izy fa ny vola miditra @ ihany no ambony aminy.

Eo @ vaovao ny finoana kosa dia napetraka @ toerany androany 29 jiona kosa ny eveka anglikanina dia i Rev Ranarivelo jaona samoela! izy moa dia zanak'avaratranjoma ilay fiangonana eo ambodifilao iny ho an'izay mbola tsy mahafantatra.

Jereo koa eto 


Nanorisory Ny Afomanga!!!

news2dago 27 Jiona, 2008 08:22 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena diso fanantenana t@ ilay afomanga ny olona teto Iarivo satria dia tena nanorisory ny nijery izany ny alin'ny 25 jiona lasa teo. Afomanga azo isaina @ ratsan-tanana no niakatra teo ary nielanelana efa ho 5minitra vao misy indray! natao fotsiny izay hafeno 30mn ny faharetany fandefasana ny afomanga! Menomenona re izao ny olona amin'io tsy hita isa intsony eny @ iny faritra avo rehetra iny! ary efa nisy niandry toerana h@ 4 ora hariva aza ny sasany!

Menatra angamba ny fitondrana ka nanisy afomanga tampotampoka ny 26 jiona ary tsy tao anaty piraograma mihitsy ilay izy! dia io no mba tena nafinaritra kely no nijery azy na dia somary monotone ihany aza ny endrika asehon'ilay afomanga! teo @ 50mn teo eo ny faharetany. Fa ny tena nahatsikaiky dia ity ny fampitahana nataon'ny olona oe:"hafa ihany ny afomangan'ny ra8 ny an'ny ben'ny tanana mahantra kely" (ny afomnga ny 25 jiona).

Dia nampatsiahy ahy ny taloha tokoa ilay afomanga nalefan'i ra8 fony izy ben'ny tanana tany @ taona 1999 tany ho any, io no afomanga mba naharitra 30mn voalohany teto madagasikara h@ izay nahatsiarovako saina sy mba hitako! dia nifaninana t@ moa i Rossy t@ izany satria i rossy t@ ireny dia mpanolon-tsaina ny deba ka nandefa afomanga tao manjakamiadana loza moa no nintranga t@ izay satria trano 2 no indray may no sady maromaro ireo zaza sy ankizy may ny vanja teny @ iny faritra iny. Fa nahita tsara kosa anefa ny tanana iray manontolo satria tsy misy manakona ny Rova.

Ny vaovao hafa moa dia ny loto ny tanana ao analakely izay saika mitondra takaitra foana rehefa fety tahak'izao, ny olona moa efa iarahana malala fa tsy mba misy mahay manaja ny fahadiovana! ny toaka sy ny labiera moa dia nanasana tongotra mihitsy angamba satria tena hitanao maditidity mihitsy ny arabe manomboka eo @ gara ny soarano ka hatreny @ hotely glacier. 

Ialana tsiny @ ireo izay mila sary aloha fa tsy nitondra fakan-tsary aho rehefa vory vahoaka ohatran'ireny satria dia azo antoka fa ao ry zala lava bras ka aleo mailo ihany. 

Jereo koa eto 


@ 7 Ora Tsy Diso Ny Afomanga

news2dago 25 Jiona, 2008 07:33 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Hisy ihany izany ny afomanga ary etsy anosy toy ny mahazatra ihany no alefa. Redonina kosa aloa ny hiram-pirenena ka rehefa vita ny adininy fahatelo farany vao mandeha ny afomanga ka tombanana any @ 7 ora hariva any! Tsy maintsy ho tomefy olona indray izany eny @ iny faritra iny rahariva. Marihina fa tena fafinaretan'ny ankizy tokoa ny mijery afomanga no sady mitondra arendrina rehefa fetin'ny 26 jiona ohatrizao.

Ho tokanana androany kosa ny tsenabe etsy Ambohimanarina ary ny filoha Ravalomanana no hitokana azy @ izany! izy ity moa dia anisan'ny praograma t@ fampielezan-kevitra fony Rafalimanana nilatsaka ben'ny tanàna. Asa zao ra ho avy ao koa ny boay kely na tsia!!! tapaka moa ny lalàna ety @ faritra ambohimanarina ety ka tsy misy ny fiara afaka mivezivezy ary sahirana ireo mpitatitra sy ny mpandeha betax mifampitady mihitsy @ toerana misy ireo betax ireo. Lasa ety andraharo moa ny fiantsonana vonjimaika izao ety @ galaxy ny marimarina kokoa.

Tonga omaly hariva 24 jiona kosa raha tsy nisy ny sampona ny Rev. RANARIVELO Jaona izay eveka vaovaon'ny anglikanina avy any afrika atsimo moa izy sy ny fianankavina namita ny fianarana phd @ teolojia ary izao voafidy ho evekan'ny diosezin'Antananarivo ary hisolon-tena ny anglikanina ao @ FFKM @ alahady 29 jiona moa izy no handray izany asany vaovao izany ka hisy fitaom-pivavahana lehibe @ io andro io eny @ katedraly Ambohimanaoro.

Dia mirary fety sambatra ho an'ny mpiblaogy rehetra i News2dago! lol

Jereo koa eto


Nakatona Ny Orinasa Le Quartz

news2dago 24 Jiona, 2008 09:18 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena Minisitra roa be izao no indray nanazava ny antony nanenjehana ny mpitantana ny orisana iray lehibe mpikirakira sy mpanao fanondranana ity vatosoa ity. Ny minisitrin'ny Angovo sy ny harena an-kibony tany Razaka Elysé sy ny minisitrin'ny fitsarana Bakolalao Ramandraibe no nanome ny fanampim-panazavana ny @ nanamborana ny tompon'ny orinasa Le quartz! Voalaza t@ izany ary fa diso ny momba momba ilay vato nahondrana sy ny tombam-bidiny ka izay no nanejehana azy. "Bloc d'emeraude sur gangue de mica" ilay vato ary mitentina any @ 100.000 € any no tena vidiny, raha "Bloc de beryl sur gangue de biotite et de mica" ary 30.000 € monja no voalazan'ity orinasa quartz ity ho mombamomba io vato io. Mbola tantara mitohy moa izy ity ankehitriny ka andrasa izay ho tohiny. Ilay vato moa dia mbola any @ musée any ivelany any, dia tompony mangataka atiny tokoa ramalagasy.

Mizotra araka ny tokony ho izy kosa ny fanamboarana ny rova ny manjakamiadana ary tombanana ho vita @ faran'ity taona ity ny fanafona azy. Marihina fa natao beton avokoa ny andry lehibe rehetra miazona azy ary avy eo vao fonosina hazo! Hiala maina @ izay izany izay tsy valahara mpandoro azy eo @ manaraka.

Natao "goudron" kosa ny lalana lalovan'ny matso manoloana ny tribune centrale etsy mahamasina! natao moa izao mba tsy hanidinan'ny vovoka any @ ireo vahiny manankaja mipetraka eo @ tribune! tokony mba natao manodidina rehefa hanao ihany! izany oe tokony avy dia natao "piste en tartan" ilay fanaovana hazakazaka.

Any Toamasina kosa zany ny Filoha ra8 no hanao afomanga ny alin'ny 25 jiona ary avy dia hanenjika ny matso eto antananarivo izy ny 26 jiona! sarotra marina izany te ho filohan'ny malagasy rehetra izany @ andro fety toy izao. Tina ho hita daholo ny faritra rehetra tsy ankanavaka. Asa anefa raha efa mba tsapany ny fijalina mahazo ireo malagasy ireo.

JEREO KOA ETO


Manandevo Ireo Mpampiasa Vahiny

news2dago 17 Jiona, 2008 11:52 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Hiova endrika kely ny vaovao omeko anareo androany! tranga niseho any @ fiasana samy hafa any no ho tanteriko aminareo satria adidiko izany mampahafantatra ny zava-misy rehetra izay mba fantatra sy heno @ ireo namana sy havana sasany.

Iarahana mahalala moa ankehitriny ny asarotan'ny fitadiavana asa ka dia miafy @ izay hita sy azo aloa ny ankamaron'ny olona sy ny tanora ankehitriny. Orinasa lehibe iray manao itony "agence immobilier" itony no voalohany tanteriko aminareo aloa!orinasa tantanin'ny frantsay moa izy ity ary tena mahazo vola tokoa aty @ tanin'ny tena aty. Tsy mba misy "contrat de travail" izany ao aminy ary avy dia tsorin'ilay vazaha ny resaka oe "recompense" no omena fahafalim-po izany no tambiny omena ireto mpiasa fa tsy mba karama velively! lalina izany.

@ izay ny asa tena asa be mihitsy satria mitady trano amidy erak'antananarivo mandodona isam-baravarana oe sao misy trano ahofa na amidy! isan'andro enao tsy maintsy mahita trano 3 farafahakeliny ho entina any @ ilay agence raha tsy zany tsy mahazo "commission" @ farany volana. Ny latsa sy ny taim-bava manginy fotsiny.

Tsy vitsy ny mijaly @ ireo mpiray tanindrazana kanefa ho aiza moa mamelona vady aman-janaka ny tena tsy maintsy miafy! ny hofatrano ny saram-pianaran'ny ankizy mianatra ny frais ny sakafo sy ny sisa samy mbola hefaina daholo! azo lazaina tena mijaly ny mpivady ka mila heritsaina tsara mihitsy.

Orinasa hafa-kaba iray izay indray eny ambatomaro eny no misy azy! ao indray dia "regime guatanamo" mihitsy tsy mahazo mivoaka any ivelany, ny finday tsy azo alefa, efa misy ostie koa moa ao ka rehefa marary tonga dia makany @ ostie dia miverina miasa indray avy eo na marary inona na inona! satria mahazo vola be ireo mpitsabo rehefa vitsy ny mpiasa maka "congé"! ny ora firavana miovaova isan'andro! indraindray @ 4 hariva indraindray @ 8 alina dia ohatr'izay hatrany hatrany. Mbola vazaha frantsay ihany koa ny tompon'io orinasa io.

Mafy leretsy ny fiainana tena marina moa zany kanefa tsy maintsy mitraka foana! mbola maro ireo fitarainana azoko fa ireo aloa ny santionany fa tohizako ihany @ manaraka. Ny "promotion canapé" sy ny "abus" moa mandeha foana ny vehivavy malagasy koa moa tena efa niova ny toe-tsain'ny sipa sasany ka tena zarany ary.

jereo koa eto


Tsy Mba Malaza Ny Fetin'ny Ray!

news2dago 14 Jiona, 2008 08:14 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena takona tanteraka ny fête des péres tsy mba misy nahamarika akory eny fa na ny dokam-barotra fahita aza tsy dia mankalaza firy ny fetin'ny ray! hafa ihany oa ny fetin'ny reny. Na izany aza anefa dia efa misomebiseby ny olona ao analakely ao efa manomboka ny fitohan'ny fiara etsy sy eroa ary hanomboka @ alatsinainy ho avy izao tokoa ny tsenabe ny 26 jiona.

Voamarika ihany koa fa tsy mbola hita mihofahofa @ trano ny sainam-pirenena h@ izao, mazava ho azy fa azo hilazana sahady ny hasorenan'ny olona nohon'ny fiakaran'ny vidim-piainana izy ity sy izay hafa rehetra mahalonilony ny olona manoloana izao fitondrana izao.

Mitaky ny hahazo subvention ihany koa ny mpitondra fiara karetsaka ka asa na hahazo fahafahampo izy ireo na tsia manoloana izany hetahetany izany. Azo lazaina aloa fa tena mihopapana tokoa ny saran'izy itony satria manodidina any @ 4.000 Ar na 5.000 Ar any ho any ny sarany mora indrindra.

Ny lalao mandroso hihaonan'ny barea sy Mambas kosa no hanamarika ity faran'ny herinandro ity! io no tena lakile ho an'ny dingana manaraka ka tsy tokony atao ambanin-javatra mihitsy na ny motivation ho an'ny boay kely na koa ny tetika ho entina miatrika ny lalao.

Jereo koa eto


Lasa Tranom-Bakoka Ny Gara Soarano

news2dago 10 Jiona, 2008 17:06 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Lasa musée zany ny Gara ny soarano ary ny CUA no iandrakitra izany! angamba hifidra vonjimaika ao ny birao ny ingahy ben'ny tanana satria ao ny gara sahaza ny tgv! lol. Eo ampiandrasana ny fanarenana ny lapan'ny tanana. Tsy maintsy afindra izany ny gara ka eo @ petite vitesse eo ampitan'ny paositra eo tsaralalana no aorina indray izany gara vaovao izany ary tena hanaram-penitra tokoa io indray dia ny orinasa madarail no hiantsoroka ny fanamboarana, naleony nanao vaovao toy injay andany vola @ fanarenana ny gara satria inoana fa vola be no manamboatra an'io gara eo soarana io. Marihina fa hanomboka mialoha ny faran'ny taona 2008 ny fitanterana olona makany toamasina hoy ny tompon'andraikitra ao @ madarail. Mahavelombolo ny mpandeha izany ary tsy ho ela ny zotra antananarivo antsirabe. wait & see!!!

Voarara ny fivarotana tsipoapoaka kanefa dia efa miparitaka tokoa izy ireny @ izao fotoana izao. Hanomboka @ alatsinainy izao tokoa ny tsena be ny 26 jiona! hisamaritaka indray izany eny analakely manomboka eo.

Jereo koa eto

 


Latabatra Boribory Ho An'ny MAP

news2dago 10 Jiona, 2008 09:06 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mila vola indray ny malagasy ka namory an-databatra boribory ireo mpamatsy vola ny fitondrana. Vola be mitetina any @ 5 miliara $ any ho any no ilaina hanatanterahana ny MAP. Ka asa indray izay ho fifanarahana hipoitra eo na ho lasa trosa ho baben'ireo taranaka ao aorina izy ity na hanao ahoana indray! tsy hanome vola fotsiny @ izao mantsy ny mpamatsy vola fa misy tambiny daholo izy ireny raha tsy oe angaha vola adala tompo. Hentitra ihany koa anefa ireo mpamatsy vola satria tsy dia mazava loatra ny demokrasia misy eto @tsika sy ny fitantanana mangarahara ny volam-panjakana. Ka mety hananosarotra ny hahazo ity vola be angatahana ity!

Ho tapaka indray ny lalana maromaro eto andrenivohitra ny alakamisy 12 jiona fa hisy "carnaval" izany angaha oe hamakivaky ny renivohitra @ io alakamisy io. Ny fitohanana ny fiara efa manahirana mbola hisy ihany koa izao fanampahana lalana izao angamba dia asa fotsiny ny fahasorenana ho an'ireo izay hitondra fiara @ io alakamisy io.

Hanomboka @ ity herinandro ity ihany koa ny adina ara-panatanjahatena eo @ fanadinana bakalorea! maro indray izao ny tanora hifampitaona hijery azy ity satria mahalina sy mahafinaritra ny tanora ankehitriny ny mahita ireo mpiadina maro be manao 1000m! kanefa ihany koa misy ireo mpanararaotra mangalatra ny entan'ny sasany mipetrapetraka eny rehetra eny! ka mila mailo izany ny ankizy hanao io fanadinana io. Mirary soa ny rehetra @ izany! ny CEPE moa dia @ 16 jiona no hanomboka.

Farany dia toa manatena tay tsokina ny mpitia baolina kitra te hanaraka mivantana ny euro 2008 satria dia tsy mampihetsim-bolomaso ny mpitondra akory ny fitarainan'ireo 75% mpitia baolina kitra! efa hifarana androany izao ny andro voalohany eo @ fiadian-toerana eo @ vondrona isan'isany. Kanefa dia tsy mba misy feo heno akory eo @ ireo mpitondra mahefa rehetra oe hikaroka ny fomba andefasana ny lalao mivantana! marihina fa lalao 8 @ 32 ihany no ho hita ny malagasy!

Jereo koa eto

 


Sarotra Ny Fiainana

news2dago 28 Mey, 2008 09:42 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Maneran-tany ny fahasahiranana ary hita fa samy sahirana daholo na ny tany mandroso na ny tany mahantra toa ny madagasikara! efa ho 15000 fmg na 3000 ariary mantsy izao ny vidin'ny lasantsy. Mazava ho azy fa hiakatra tsy ho ela ny vidin'ny entana PPN. Any @ 135$ mantsy izao ny baryl any @ tsena iraisam-pirenena any. Mazava ho azy fa manankarena izay tsy izy izany izao ny fianankaviana Bush izay moa no efa notadiaviny hatry ny ela ka azo antoka izany fa hisotro ronono ampilaminana izy sy ny fianakaviny sy ny tarany! hiantoka izay handimby azy eo. 

Tsy latsadanja @ izany koa ny prezida Ravalomanana fa hitombo ihany koa ny harena ho azony satria tsy mitsahatra mitombo ny vondrona tiko @ izao fotoana izao. Maro mantsy ny orinasa nositahan'ny fanjakana efa heno oe lasan'ny tiko indray toy ny Soavonio ohatra. Tsy atao mahagaga moa izany satria kapitalista no manjaka eto madagasikara ka izay manana volabe ampiasaina ihany no manjaka. Any japon izy ankehitriny namonjy ny fivorina iarahan'ny firenena afrikanina sy japon miasa.

Ny maro an'isa kosa dia miantoka mihitsy ankehitriny satria dia mihena ny vola eo ampelatanana ary hita mihitsy oe tsy mahatafita volana ny vola ao antrano ao! mafy e, tsy hita intsony ny handrefesana ny fasahiranana ankehitriny. Azo antoka fa hitombo hatrany ny elanelana hisy eo @ manankarena sy ny mahantra.

Sarotra tokoa ny fiainana ka raha tsy manana finoana sy ny fanantenana dia angamba efa ela no namoifoy! soa ihany fa fohy ny fotoana iainan'ny zanak'olombelona.

JEREO KOA ETO

 


Resin'ny FMF Ny Fanjakana!

news2dago 14 Mey, 2008 09:13 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nangina ny fankalazana ny 13 mai! Amiko manokana aloa dia tsy dia hitako laotra tokoa ny hankalazana ny 13 mai na dia tena manana ny tantarany tokoa aza io andro io teo @ resaka fanonganana fanjakana satria dia voalaza fa ny amiraly irery no tsy mba nampiasa izany kianja izany raha naka ny fahefana! fa na i zafy na ra8 dia samy may vava teo daholo t@ fotoan'andro! noho ny injay anefa lasa prezida dia samy nandà daholo ny hanaovan'ny mpanohitra fihetsehana teo! mahagaga ihany.

Hiakatra fitsarana androany kosa i pety sy ny Jly fidy. Momba ny nakana ny toby BANI ankeriny moa no hiompanan'ny fitsarana atao androany io; ka andrasana indray izay vokatry ny fitsarana sy izay mety ho sazy ho azon'izy mitsamy ireto.

Ny fiainana moa mande ihany etsy andanin'izay! miverina manadio tsena indray ny mpiasan'ny CUA ka manao fangalampiery @ mpivarotra indray ry zalahy izany izao.Manomboka kosa ny fanamboarana ny kianjan'andohalo ary tena dokam-barotra be mihitsy moa izy ity izay mande @ fahitalavitra matetika.

Lasa 5000 Ar kosa ny litatra ny menaka Tiko! izay marihina fa niakam-bidy foana izy ity tao anatin'ny 6 taona izay, tena mampiteny ny moana mihitsy ny fiakatry ny vidim-piainana! 

Farany dia resy teo anivon'ny Chambre administrative ny fanjakana raha nandrava ny federasiona malagasy ny baolina kitra!!! tsy atao mahagaga moa io satria efa nihaona ny mpikambana eo anivon'ny federasiona sy ny filoha ny repoblika tapam-bolana lasa izay ka io angamba no lalana ialana @ fahafaham-baraka noho ny tsy fahaizan'ny minisitera! mahay miala bala foana kosa aloa ra8 eo @ lafiny toy izao e! hainy mihitsy ny mampiasa fahefana.

Jereo koa eto na mihomeza kely ato


Akon'ny Fety Ny Pentekosta

news2dago 13 Mey, 2008 09:15 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nahavory kristianina maro ny "global day of prayer" izay nototosaina tao @ lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena ny alahady hariva lasa teo! andro natokana hiarahan'ny kristianina tsy hanavahana antokom-pivavahana niaraka nidera an'Andriamanitra moa izy ity! ka vory lanina tao avokoa ny mpino rehetra! ary ny fikambanana mpiara mamaky ny baiboly moa no nikarakara azy ity izay tarihin'ny Pastora Mamy Rakotolehibe.

Etsy andanin'izay kosa dia nipoaka izay no filazan'ny tanora azy ny seho sehatra nataon'i Din Rotaka tao Antsahamanitra ny alahady ihany koa! na izany aza anefa dia tsy nihemotra ny lehilahy fa nototosainy foana ny lanonana.

Nahazo olona kosa anefa  i lola ny alatsinainy ary tena mbola ao anatin'ny lazany izany ny lehilahy na dia efa feno 10 taona aza izy izao no nandeha irery! ny indro kely fotsiny dia teo @ herin'aratra izay tapaka lava ka nanimba ny feeling teo @ ireo mpankafy! na izany aza anefa dia isany tanjona ho tratrarin'ny mpanankato malaza ankehitriny tokoa izany laza tsy lefy ao anatiny folo taona niakarana an-tsehatra izany.

Toy izany koa ny seho nataon'i Tsiliva tao antsahamanitra dia tomefy olona ihany koa tao!

Olona 6 kosa no namoy ny ainy ary am-polony no naratra mafy nanditra ny fety nodiavintsika teo iny! tantely amam-bahona tokoa ny fiainana tsy maintsy misy foana ny loza rehefa fety toy izao. eo ny mety oe tandrevaka eo @ tsirairay kanefa mety ho vokatrin'ny fisotroana diso tafahoatra ihany koa! anatra ho an'ny fety manaraka izany ka mila mailo hatrany satria lahy tokana ny aina.

Jereo koa eto na koa mihomeza kely ato.


Tratry Ny Pentekosta

news2dago 11 Mey, 2008 11:51 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tsy dia mahazatra antsika ny mifampiarahaba tratry ny andro nilatsahan'ny fanahy masina, kanefa dia andro lehibe tokoa ho an'ny kristianina izy ity! koa dia faly miarahaba antsika indray nahatratra izao andro fandresena izao indray! tena mihazakazaka tokoa ny fotoana! efa hisasaka sahady ny taona 2008. Tena tsy hitahita akory!

Koa  dia mirary soa antsika mpitsidika ny blaogiko! ary mankahery antsika hatrany @ izao fahasahiranana mianjady antsika izao! ny Tompo anie homba antsika hatrany!

jereo koa eto


Hay Trano Nisesisesy

news2dago 06 Mey, 2008 12:21 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena mila mitandrina isika rehefa mahandro sakafo fa betsaka tato ato izay ny hay trano namoizana ain'olona! teny @ 67ha ohatra dia tovovavy 2 no indray maty satria tsy tafavoaka ny trano ry zareo fa misy irony "grille de protections" ny tranony! ny aty koa moa tsy ary fomba ny fitaovana ampiasain'ny pompier ka dia izao no vokany.

May ihany koa ny tranombarotra Eureka eny ankadimbahoaka! ary vola tsy toko tsy forohona no may kila tao. Ireo tety bidy ny entana oto tao moa dia sandaina @ miliara any ho any. Be moa ny resaka mandeha manodidina ity tranombarotra iray ity satria dia azo inoana fa manana assurance izy.

Tsy misy olana kosa hoy ny minisitra teo aloha Radavidson ny fifandraisany @ prezida Ravalomanana! ary vonona ny lehilahy @ izay andraikitra hafa omen'ny filoha azy. Vita hatreo izany ny resaka momba azy miralahy mianaka ireo na dia vohizina mafy mihitsy azy ity resaka ity eo anivon'ny mpanohitra raha tsy iresaka afatsy ny resaka nataon'ny herizo razafimahaleo tao @ radio antsiva ary izay mandranitra ady @ izy roa tonta voalazako etsy ambony.

Ho any @ bekintana kosa ingahy Ra8 amin'ity herinandro ity hamoaka ireo mpianatra izay nomeny vatsim-pianarana nanomboka t@ 2002. Marihina moa fa tena mahay ireo ankizy ireo raha ny tatitra azo teo anivon'ny prezidansa. Nipikelika ny anao lahy raha niteny an'io tao @ radio sy ny tele. Ny mampalahelo fotsiny dia tsy latsa danja @ izany ihany koa ny fahaizan'ny malagasy fanatanjahatena izay lazaina fa tsy laharam-pahamehana tato ato izay. Tsy misy intsony mantsy ny minisitera misahana mivantana ny fanatanjahatena sy ny kolontsaina!!! atao ahoana fa tsy mahavoky ny fanatanjahatena e.

Jereo koa eto

 


Manahirana Ny Maka Ambulance!

news2dago 04 Mey, 2008 13:44 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Sahirana kely aho tato ato izay fa nisy tsy salama tato @nay ary tsy maintsy naiditra hopitaly ilay olona narary! iny moa dia lalam-piainana ka tsy atao mahagaga fa ny vaovao tiako hisarihina ny saintsika kosa dia ity ambulance ity e! nila naka ambulance moa izahay satria efa tsy afa nihetsika teo am-pandriana intsony ny marary.ka ito farany no tiako asiana sira kely ary tena hanafarako taranaka fara mandimby mihitsy raha azo atao, oe aza mba miantso ity "Espace Medicale" ity mihitsy raha mbola azo atao fa tsy mamely.

Raha any ivelany moa dia mety azo torina mihitsy ry zareo saingy eto madagasikara dia tsy mbola @ izay! Inona no mahatonga aho hilaza izany hoy nareo tsy nety naka ilay marary taty an-trano ry zareo ary hitanao miala pà mihitsy raha ny fahenona ny resaka ataon'ilay ramatoa mpandray ny antso an-tariby eo. Aiza ve ko anotaniana ny taona ny marary sy ny toem-pahasalamany ary raha vao fantany oe efa olon-dehibe satria olona efa 79 taona ilay izy dia tsy mety maka ry zareo asa angaha izay antony.

Ny ambulance hafa kosa re olona dia alaina any an-toerana mihitsy fa tsy mba vita ny antsoina @finday fotsiny !!! ka raha olona efa mila fitsaboana malaky moa dia asa fotsiny izay iafarany. ny toeram-pitsaboana hafa koa moa dia tsy misy ny reanimation toy ny etsy @ toby loteriana eny ambohibao. Mbola ho ela vao handroso isika malagasy e! tena milomano ao anaty fahatrana tanteraka.

Jereo koa eto


Vaovao Voahangoko Androany

news2dago 28 Aprily, 2008 09:04 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Eto dago i Dadarabe fantatry ny maro @ fanaovana tononkalo eto @ blaogy! ary ho any Mahajanga kosa izy @ herinandro ho avy eo. Marihina moa fa i Hery (sefo) no nandalo teto ihany koa t@ volana lasa iny! samy nanamarika moa izy mirahalahy namana ireo fa misy zavatra mahaliana sy mahatamana tokoa eto madagasikara. Koa miandry ireo namana hafa hitsidika koa isika!

Hipoka kosa ny lapan'ny kolon-tsaina sy ny fanantajahan-tena omaly raha niseho sehatra tao i Melky izay tanora vao nisondrotra t@ ity sehatry ny kanto ity. Nanotrona azy tao moa i Mirado sy Nary (zay). Miandry ny hafa ihany koa isika hitsapa ny heriny.

Mbola tsy nahazo fahazon-dalana ny hilahatra sy hamory ny mpiasa kosa ireo syndicat ny mpiasa mikasa ny hilahatra @ 1 mai izay efa fantatra fa fetin'ny asa. Ahina mety hisy hanao ambadika politika indray angamba ka sakanana ny zoan'ny mpiasa @ izany.

Fisokafana kely hoy ny mpanaram-baovao satria dia notendrena ny asabotsy teo ireo senatera 11 anjarany! ahitana an'i Moxe, Rabetsitonta, Ruffine Tsiranana izay efa fantary ny maro ihany oe mpanohana azy h@ izay ihany ireo voatendry ireo ny 8 ambony moa dia ireo minisitra sy mpanolontsaina ary mpiara miasa @ tao prezidansa. tsy kaonty tao kosa i satrobory kanefa dia samy mpamono afo ihany izy sy Ingahy Moxe isaky ny misy hetsika ataon'ny mpanohatra.

JEREO KOA ETO

 


TanàNan'ny Filokana!

news2dago 16 Aprily, 2008 10:00 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Manjaka indray ankehitriny ny fisarihina @ alalan'ny SMS na ny Short Message Service ho an'ireo mpikirakira ny finday eto madagasikara! samy mandrabiraby @ loka marobe daholo moa ireo mpamongady @ serasera an-telefaonina eto madagasikara ity.

Ny celtel no nanao izany voalohany t@ alalan'ny fialan-tsasatra iantohana tanteraka! maro no revo nanao an'io ary narahina mivantana t@ tvm ny fisarihina indrisy fa tsy ho hita ao ny laharan'ny finday-ko satria aho tsy nandray anjara! nefa mba te ho any venise sy parisy ihany ny tena! kanefa tsy mba mahazo mihitsy aho rehefa misy lalao toy itony.

Ny telma indray no nanao ny tolotra avy eo ka avy dia mahazo 1.000.000 Ar isak'herinandro izay tsara vintana! io ilay lalao antsoiny oe "million Naka"! mba nanadrana ihany aho t@ herinandro lasa iny fa tsy tao anaty lisitra indray koa e! dia naleoko tsy nanao intsony aloa!

Fa ny tena fakam-panahy be ho ahy ry zareo dia ity tolotra omen'ny orange ity e!loka voalohany mitsubishi sportero 4x4 ny faharoa suzuki alto ny fahatelo scooter dia mbola misy loka maro be ihany koa! tena mba manofinofy ihany ny tena oe sao mba mety ho poinsa kosa fa aleo manao ihany dia efa nandefa SMS iray aho zao androany aloa! na dia 1.000 Ar be izao ary ny sarany ny SMS iray. Mahay mitady vola ry zalahy e! tena hainy mihitsy ny mambabo anao @ izay kely foana mety ho jerenao oe rendrarendra kanefa dia voasariny ihany enao avy eo! Mahay ry zalahy ao @ marketing ao ary tokony mba hakarina kosa ny karamany rehefa hita fa voaverina ny vola ilaina @ ireo vidin-doka izay mitotaly any @ 300.000.000 Ar any ho any oe! raha ity tolotra orange ity fotsiny io! zany oe SMS 300.000 isa any no ilaina zany dia efa tratra ny "seuil de rentabilité"! dia mba handray anjara ihany aho aloa sao mba ho sendra sendra mahazo ihany kono! lakalaka mantsy ny fiainana hono.

 Loka Orange

 JEREO KOA ETO

 


Faty Olona Mikararana!

news2dago 07 Aprily, 2008 09:06 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena maloka iny herinandro lasa teo iny satria dia maro laotra ny olona niaramboina teto @ firenena raha tsy hilaza afatsy ilay lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona 14 tao anatiny indray mipimaso monja! efa voatatitra teto ihany moa izy ity any @ bologana sasany any! tany @ iny lalam-pirenena faha 7 iny no nitranga ny loza ary voalaza fa fiara nifanejika no fototra niavin'ny loza ka ny hafa tsy manantsiny no mamoy ny ainy avy eo! "tokony ho saziana @ sazy izay farany henjana izay nahavanon-doza": hoy ny praiminisitra.

T@ sabotsy indray dia ny varatra no namono olona! ary tena azo lazaina fa varamaina tokoa ilay izy  ary tena hita sy heno ho mahery vaika be izany satria dia tsy mitsahatra midoboka mihitsy! ny alin'ny sabotsy hifoha alahady moa no nitrangan'izay oram-baratra niampy havandra be efa hitovy @ totohondry tany @ faritra sasany teto @ nosy. Vokany, olona 3 no indray maty nolatsaham-potaka t@ toerana samy hafa teto antananarivo.

T@ iny herinandro iny ihany koa no nahitana tranga hafahafa satria dia ankizy kely 5 manodidina ny 5 ka h@ 12 taona eo no voarohirohy ho namono nahafaty ny ankizy kely iray namany izay vao 8 taona monja! voalaza moa fa natosika tany anaty rano itsy farany ary lasa nitsoaka ry zalahy avy eo! ka nokarohana nanomboka ny alakamisy ity zaza ity ary tsy hita raha tsy ny sabotsy! efa eny @ fampanoavana moa ny raharaha @ izao fotoana izao! ka andrasana izay ho tohiny ny raharaha.

Nifandona ihany koa ny mpivarotra amoron-dalana sy ny polisy kaominaly ny sabotsy lasa teo torabato no nasetrin'iretsy mpivarotra ny polisy raha nikasa ny hanaisotra azy ry zareo ao @ kaominina! ny naratra no nisy aloa fa ny maty kosa mba tsy nisy tao aorinan'ny fifandonana!

Vaovao farany kosa dia nihazo an'i berlin androany ny filoha ravalomanana ka andrasana fatratra izay vaon-dalana ho entiny avy any! ary andrasa ihany koa izay mety ho tohin'ny ady seza eo @ antoko tim izay mifandrirotra te ho prezida ny senat avokoa ireo ngeza lahy eo @ ity antoko lehibe ity!

jereo koa eto


Ady @ Fingitrihan'ny Mpiasa!

news2dago 02 Aprily, 2008 10:36 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena lalina ny fahaizan'ny zanak'olombelona ankehitriny fa tsy misy tsy vita ny electronique sy ny informatique @izao! ny mpiasa moa dia somary manahirana ny manaramaso azy rehefa oe ho any @ dokotera na ostie izay fa raha tokony mba vita adiny iray na roa ny dia makany dia lanin-dry zalahy any ny azy ny tapakandro ny sasany aza moa dia ny tontolo andro mihitsy.

Asa tokoa na efa nifanaraka ny mpampiasa sy ny dokotera ny ostie @ izy ity fa dia tonga eto madagasikara tokoa ankehitriny itony karazana karatra mitahiry ny mombamomba anao rehetra ohatra ny abehana karapanondro ilay karatra asa mety mbola kely aza! dia ao daholo e! afaka mitahiry ny ora nahatongavanao ao @ ostie sy ny ora nivoahanao tao ihany koa, ny fanafody nomena anao, na ny aretina mahazo anao, na ny andro hakanao aina kely ka afahanao tsy miasa dia voatahiry ndry zalahy ao avokoa.

"Natao izao fomba manarampenitra izao": hoy ity sefon'ny dokotera eny @ ostie vaovao eny tanjombato ity mba ialana @ ilay fotoana lany @ fakanesana aty @ ostie! etsy andanin'izay dia misy azy ry zalahy mpingitrika indrindra fa ireo mpiasa @ orinasa afakaba ireny fa dia tsy misy fika intsony ny fanaovana kilavaka.

JEREO KOA ATO na MIHOMEZA KELY ALOHA


Anjara-Biriky @ "Aza Ampijaliana Ny Tenintsika"

news2dago 31 Martsa, 2008 11:40 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena faly be mihitsy aho nahita ity hevitra natolotrareo eto @ tontolon'ny blaogy ity. Mahavelombolo izay no azo ilazana azy angamba satria tena mbola tafapaka tsara ilay fianarana taloha tany an-tsekoly t@ taranja malagasy. Ary tena voninahitra ho anay mpitoraka blaogy @ teny malagasy mihitsy ny toy itony.

Koa ireto no mba atolotro ho antsika androany! ary hotohizana raha mbola mahita ao aoriana kely.

Ny manao vary amin'anana @ teny frantsay no voalohany tokony mba fadiana raha misy ihany ny teny malagasy mahasolo azy.

Manaraka izany dia ireto no mba henoko matetika diso tenenin'ny olona ary tohiny ny nataon'i pissoa tao @ blaoginy izy ity satria tsy mifakaiza akory fa mety adinony fotsiny ny nanoratra azy tao.

malagasy fa tsy oe gasy io dia tena mampalahelo mihitsy fa dia fiteny matetika.

tamiko fa tsy taminà na taminah

amiko fa tsy aminà na aminah

mavesatra fa tsy mazefatra

famataranora fa tsy famataranandro ity farany angamba mety azo asolo ny kalandary satria io no mifanakaiky @ kokoa.

ny hevitra hafa moa dia efa tapitra voalazanareo daholo fa izaho no somary tara ka ialako tsiny eto.

 


Vaovao Samy Hafa

news2dago 26 Martsa, 2008 17:59 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Valabe iompina omby

Naorina ao Ihosy ny valabe iray mifefy tsatoka miisa 4000 ka ny 1600 no efa voatsatoka hatramin'izao nandritra ny 2 volana izay. Marihina fa naorina izao valabe izao mba hanarahana maso ireo omby ompiana ao no sady iadiana @ dahalo ihany koa! mazava ho azy fa hisy miaramila hiandry ity toerana iray ity, ary ny omby matavy kosa avy eo dia amidy ho an'ireo mpiasa ao @ Dynatec sy Sherrit!!! io no tena nahavariana ahy t@ ity vaovao ity oe fa olona inona loatra ny vazaha miasa ao no tsy tia afa tsy omby matavy.

Faly ny olona any antsinana fa miverina ny fiara-dalamby mitatitra olona

Toamasina-Moramanga! Ela ny ela ka afaka hitaingina lamasinina indray ny mponina @ iny faritra iny! maro tokoa mantsy ny tanàna sy toerana tsy tonga ny fiara fa kosa lalovan'ny lalamby, in3 isaky ny herinandro no mandeha ity zotra ity ary @ alina ihany koa ka asa na anao ahoana na ahoana ny fandriampahalemana @ izany? 

Hitrandraka volamena ara Indostria @ izay ny malagasy

Any @ iny faritr'i Diana iny izany no isantarana ny fitrandrahana volamena ara indostria, satria dia hampiasa fitaovana arifomba @ izay ireo mpitrandraka! marihina moa fa efa tafakatra any @ 300.000 FMG na 60.000 Ar ny grama ny volamena ankehitriny ary mirongatra izay tsy izy ny halatra volamena. Voalaza moa fa tena mirongo basy mihitsy hono ireo mpanendaka.

Ny farany dia resaka foza orana

ity resaka tanteriko farany ity moa dia tena lasa resabe mihitsy eto Antananarivo satria dia nalaza mihitsy izy ity tato ato izay! ny foza orana moa dia mpanimba ny voly ary mivelona @ loto sy maloto ny olombelona, manatody any @ 700 any hono ary tonga dia indray foy daholo izy io rehefa ao ny fepetra rehetra ilainy! ny lakadrano sy farihy ary ny dalle fanariana rano moa dia ahitana foza orana avokoa. Etsy adanin'izay dia misy mivarotra koa izy ity ary misy mividy ihany koa atao laoka angamba! izaho aloa tsy tia e! fa ny tena mahatsikaiky dia ilazana ireo sipa maivava sy jejojejo izy ity ankehitriny! ka lasa tsy afaka ambavan'ny tanora oe :"ireny misy foza orana" lol

JEREO KOA ATO na MIHOMEZA ATO

 

 


Mirary Paska Sambatra Ho Antsika!

news2dago 22 Martsa, 2008 11:54 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tsy dia hanao resaka be aho androany fa anjanoko kely daholo aloha izay zavatra mampiasa saina sy vaovao misy herisetra sy mampalahelo fa hifantoka kely @ aram-panahy androany! dia tsy inona fa ny andron'ny paska izany izay ho tsiahivin'ireo mpino maro be eran-tany rahampitso!

Koa dia mirary paska mahafaly ho antsika mpitsidika eto @ blaogiko aho aloa naleoko nalefa aloha ny firarin-tsoa satria rahampitso mety tsy hanam-potoana firy hanoratana mantsy!

Izay ary fa dia manaova fety sambatra daholo e!


Trafika Na Biby Sarona Tatsy Afrika Atsimo

news2dago 16 Martsa, 2008 10:13 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mampalahelo ny nanjo ireto biby saika ahondrana antsokosoko ho any @ repoblika tcheque! satria dia sarona tatsy afrika atsimo izy ireo! izany oe tena gorobaka be mihitsy izany ny eo @ serana rehetra eto mandagasikara fa afaka mivoaka sy miditra eo daholo na bois de rose na irakianina tsy manana pasipaoro na ankizy kely te hitaingina fiaramanidina na rongony sy fitaovam-piadina sy ny biby kely toy ny sokatra aza dia tafavoaka eo daholo!

Asa izay ho fepetra ho raisina fa dia tena manala baraka ny maheno an'izany zavatra goragora izany! Tra tehaka tany afrika atsimo tokoa mantsy ny karazana tanalahy sy bibilava sy bibikely hafa, efa miala aina moa ny sasany t@ ireo biby ireo satria tsy nihinan-kanina nandritra ny diany! tombanana eo @ tapabolana eo eo moa izany fotoana efa nialany teto madagasikara izany!

Navotan'ireo mpitsabo biby ao afrika atsimo moa ireto biby ireto ary efa nalefa any @ Zoo @ izao fotoana izao! etsy an-danin'izay anefa dia mbola mikasa ny hampody an'ireo eto Madagasikara indray ny tompon'andraikitra ao @ governemanta ka ho voakarakara ve anefa izy ireo raha ampodina eto an-tanindrazana! 

Na izany na tsy izany aloha dia tsy maintsy olona ambony sy mahitahita no afaka hanao izao trafika izao fa tsy ho vitan'ny olon-tsotra mihitsy! dia miandry ny tohiny isika fa tsy maintsy hisy olona ambony hidoboka indray eo atoato!

Jereo koa eto na mihomeza ato


Hitagataga @ Izay I news2dago!

news2dago 27 Febroary, 2008 10:04 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

ity ary ny tsiambaratelo n'i news2dago aloha dia mahaiza mitsatoka izay mety ho mombamomba azy! efa nifanarahana moa izy ity ka tsy maintsy atao izany satria maro no efa nahefa ny azy ny mpiblaogy sasany!

1. Mino an'Andriamanitra aho ary Kristianina aho mazava ho azy!

2. Tsy dia tia olona matikenamaso loatra aho fa rehefa miresaka amiko aleo tg dia mahitsy!resaka tsy soronana izany no tena angadiko aleoko izay toy injay manaikinaiky kanefa tsy mifanaraka @ ao antsaiko ny resaka.

3. Ny fanantajahatena tena mba reviko dia ny lalao baolina kitra mijery angamba sisa fa efa retirety raha ny taona nojerena lol! ary ny ekipam-pirenena tena ankafiziko indrindra dia i Brezila vao fito taona monja aho t@ 82 dia efa nijery Mondial t@ fahitalavitra ary haiko dhl ny anaran'ireo mpilalao brezilianina ireo t@ izany ka h@ izao! ny tsy azoazoko indray dia ny ekipan'i lafrantsa ankehitriny satria dia merisenera no akamarony! ny tsy lanin'ny vavoniko h@ izao moa dia ny mondial 98 satria resy ny ekipako t@ io! 1 et 2 et 3 zero snif snif! rehefa milalao iraisam-pirenena ny club M scorpion ary barea dia mijery eny mahamasina foana aho ra mbl afaka na resy na maharesy tsy ahoako firy fa mijery foana aho!

4. Halako ny lehilahy mikasitanàna ny vadiny @ io dia tena fahalemena amiko ary henatra ho anay lehilahy mht

5. Mirevy ihany aho indraindray fa rehefa misy fety ihany kosa anefa fa tsy isak'izay mahatsiaro ary beks na bin no mba fisotroko fa tsy mahavoa an'ilay mahery vaika fa mora zakan'ny rano! hi hi hi 

6. Tia miresadresaka aho ary mankafia mijerijery ny hakanton'ireo joba ny tanàna!manja anie izy ireo e! malahelo kosa aho anefa rehefa mahita malagasy vavy manambady vazaha! tsy hita fa fiainana izany e! 

7. Tsy mba mahay solfa sy mitendry glita kanefa mba te hihira ihany ilay fotsy feo akamanareo e! izay no tsy nampalaza ahy angamba fa mety halaza ihany eto @ tontolon'ny baogy raha sitrapon'ny Tompo!

dia izay no izy ry reto a!

Jereo koa eto 


Mande Be Ny Varotra ENZOY!!!

news2dago 26 Febroary, 2008 12:51 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mba misotro jus ihany aho fa ity jus iray hitako amidin'ity mpivarotra sinoa iray eo ampitan'i JJ Rabearivelo ity no tena mba mahavariana ahy mihitsy fa tena mande be ilay izy ary saika mpianatra ao @ lycée sy mpanao cours ao  Arcade no mpividy ity karazana sachet kely misy soratra oe ENZOY ity!

Fa inona ary ity vidin-dry zalahy ity oa any antsaiko hay kay tena aphrodisiaque ilay izy! hitako ny boay kely no mibako azy eo daholo! tsy hita tokoa moa fa ianareo vehivavy ireto tena mila olona performant be ko lasa ny boay kely avy no mividy zavatra tsy izy fa mba te hanome fahafam-po anle joba kely!

Taloha mantsy tany @ taona 90 tany ho any zany oe 20 taona lasa izay dia nisy rangahy izay niara nihofana tamiko dia ny fividin'ingahy rainy dia fanafody pilona kely izay "ombilahy" no anarany asa raha mbola misy io karazana fanafody io izao na tsy misy intsony! Razoky ko moa mpanao tourné lava ka mba tia mihodikodina e!

@ izao fotoana izao kosa dia fanafody générique no feno izao ka izany "silagra" na "novagra" no misy ary tena tsy mila ordonance akory ny mividy azy vazaha namana mpibizina mpitondra kamio any dry maintikely sy ry landiboatavo any no mpividy an'io aty ka boite iray dia efa mahaverina ny frais ny mankaty dago izany oe any @ 600€ any zany no hamarotany an'io any @ mpitondra kamio namany any ivelany any ary amidy atsinjarany ilay izy! tena bizina be ho anareo izay mivezivezy! tandremo fotsiny sao tratra any!

Fa ny olana @ itony fanafody itony dia ny effet secondaire e! isika malagasy mantsy be tosin-drà izay ka sao dia anao ohatr'ilay ranamana maty teo ampanaovana oe lery ary sipany koa no niaraka t@ fa tsy vady akory!ka sady afa baraka no tapitra andro!!! ilay zazalahy kely vao 14 taona indray dia nihinana ny viagra ny dadany ka voatery naiditra hopitaly fa nihijitra be izay tsy izy ny vata tenany iray manotolo angamba be daozy @ ilay fanafody!

Tokony hitandrina ihany @ fihinana itony karazan-javatra amidy itony fa sao dia hidirana angano eo! toy ny lalandrà tapaka sy ny sisa 

JEREO KOA ATO na MIHOMEZA ETO


Tia Misetrasetra Ny Tanora!

news2dago 25 Febroary, 2008 10:41 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tato ato izay dia be dia be ny mirimorimo @ itony scooter itony! io indray mantsy izao no lamaody ny tanora eto Antananarivo! tena efa lasa fialam-boly mihitsy mantsy izy itony ankehitriny ny malagasy raheteo havanana @ kitikitika sy ny adaptation! koa dia revo ao dhl na kely na lehibe!

Tsy mila fahazoan-dalana moa ny mitondra azy itony ka mora ho an'ny ray aman-dreny no mividy scooter ho an-janany sitran'ny ahahay tsy manatitra azy mianatra intsony dia mba afaka @ frais sy ny lasantsy miakatra! tsara izy @ io lafiny io tena mitsitsy ao ilay itiavana azy mihitsy saingy ny ankizy tia andrakadrana izay ka dia mivoana any @ tsy izy ny zavatra avy eo!

Taloha t@ andronay dia ny pointe no nalaza teny antaninarenina fa izao dia pointe @ scooter indray no malaza mivoatra miaraka @ toetr'andro tokoa ny fialamboly e! ao ny Jog 50 sy 90 izay tena tian'ny ankizy tokoa satria efa tena voafolak'irizalahy tsara ny momba azy! toa oe zany kité kité zany oe ny maotera ka io 2 temps io no tena mora amboarina alehibiazina izany ny herin'ny maotera ka lasa mirifatra izay tsy izy izy itony ka raha tokony ho 70km/h no faratampony @ hafainganam-pandeha dia tonga any @ 120km/h any izy rehefa kité!

Dia raikitra ity karazana dridrodridro tsy misy farany ity rehefa mety ho lalana malalaka rehetra eto Antaninarivo dia ahitana andiana tanora mifanejika @ scooter!!! @ io ry zalahy tsy miraharaha ny hafa mihitsy fa dia tena misetrasetra e! na efa hita izao ary oe misy fiara mifanena @ dia mbola sahy miditra ihany izy enao indray no mandefitra! raha tena mpamily ratsiratsy frein aloha dia taraiky ao ry lerony e!

Iny @ Marais masay iny moa dia efa tena lasa fifaninana mihitsy ary tena misy loka goavana ao any @ 10.000 Ar any no fanamby ary mitomba arakarak'izay hifanarahana eo! ny zesta sy ny tsindry koa aloa mandeha ihany! eo koa ny Joba kely miandry ho entin'izay maharesy @ fifaninana tena revy hafa mihitsy ny an'ny ankizy @ izao e!raha sanatria mianjera @ io anie @ hafainganam-pandeha 100km/h any mety tena tsy misy raisina e!asa ditra ary ve izany sa hadedahana no betsaka! Mba tandremo kely lesy fa malama maina anie ny tany e! sao maratra mafy eo vao hanenina ao aorina!

JEREO KOA ATO na MIHOMEHEZA ETO


Miala Any Ny Rivodoza!

news2dago 28 Janoary, 2008 09:33 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

salama isika e! dia tena kivy tokoa ny maraina teo raha iny andeha hiasa iny fa dia avy ny orana merika ny andro nitady elo sy aron'orana eran'ny trano satria efa ela ihany izay no maina ny andro ka zara lasa adino ny mitondra an'ireny fitaovana samy hafa ireny! indrisy fa maloka ny andro ho an'i Madagasikara e! satria dia mananotanona azy eo ny rivodoza be anakiroa dia i Fame sy i Gula izany!

ka asa izay ho afitsok'i fame aloha fa raha ny vaovao heno dia tena nitondra faisana tokoa ny any mayotte @ izao isika miresaka izao! ary ny any mahajanga ihany koa dia hita fa nisy fahavoazana ihany ny irina dia mba tsy hisy aina afoy aloha.

ho an'antananarivo manokana aloha dia hamakivaky ny tanana izy anio tontolo andro araka ny filazan'ny mpamatatra ny toetrandro samy hafa! etsy andanin'izay  dia mihamitombo hery ilay rivodoza iray atsy @ranomasibe indianina

ho any malagasy aloha dia tsy atao mahagaga ny fisin'ny loza voajanahary oh io satria dia fotoana ny izao! ny azo atao dia ny manaitra ireo eny @ faritra iva hiakatra @ toerana ambony sy hanamafy ny tafo trano @ fanasina fasika ny tafo mba tsy ho lasan'ny rivotra!

arak'izany dia ho mafimafy ihany ity taona ity satria dia mamely mafy ny loza sy ny aretina maro toy ny gripa sy ny sery ny parasy lafrika! manginy fotsiny ny tsy fahandrim-pahalemana izay nitranga ihany koa t@ ity volana janoary madiva hifarana ity dia ny fifapitsapan'ny jiolahy sy ny polisy!

fehiny, ny resaka politika aloha dia mifatoka any @ fifidianana ny mpanolotsainam-paritra ny sainy mpanao politika ny mpanohatra moa dia tsy handray anjara araka ny mahazatra ny mpitondra efa vonombonona ary ny tsy miakina kosa dia mety hanao fahagagana sahala ny t@ kominaly ihany! ny filoha moa dia hoany adisabeba @ ity herinandro ity hamonjy ny fihaonabe afrikanina!

jereo koa ity

 

 


Fiarabana Tratry Ny Taona!

news2dago 24 Janoary, 2008 11:01 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

salama isika e! dia mangingina indray ny resaka politika eto @ tanàna @ izao fotoana izao! koa dia mba manararaotra kely ingahy ben'ny tanàna miarahaba ireo andrim-panjakana isan'isany natombony t@ praiminisitra izany omaly dia nakany @ Hcc androany dia hanaraka eo koa angamba ny eny tsimbazaza sy ny eny anosikely! mariky ny fanajàna moa ny miarahaba ny raiamandreny @ fotoananan'ny asaramanitra oh izao! tsy nisy nipika moa ny dinika t@ ireo fihaonana ireo fa ny mpanara baovao no mba manombatombana izay mba hany takany oe inona ary no vontoatiny ny dinika tao! ny olona sasany ary moa dia milaza mihitsy oe toa tsy hita izay ataon'ingahy ben'ny tanàna fa lasa mangataka etsy sy eroa fotsiny!

etsy andanin'izay indray dia mbola mitohy ihany ny fifanazavana eo @ mpitondra sy ny katolika satria dia namaly bontana ny ariseveka ny praiminisitra omaly oe tsy voafehy ny fandaharana ka tsy maintsy naato aloa ny karajia asa fa lasa adin'ny moana sy marenina moa izy ity ary ny mety amiko tsy mety aminao na ny marina kokoa angaha dia ny oe ny mety amiko ihany no tsy maintsy ataonao satria izaho no masimadidy satria ahy ny fahefana  ko izay tiako anaovana azy eo io! omeko vola ranona dia mahazo afidrako atsy ny renivohitra dia afindra gadrako ranona dia migadra afahako rahanona dia afaka sy izay mety ho tohiny eo e! za no mandidy za no manapaka! nareo ho entina fotsiny nareo dia aza mitabataba fa sao mahazo ny sahaza eo!

fehiny, dia ahoana ihany ary zany ireto vahoaka tsy mandady arona ireto e! ny fiaina ity miakatra miakatra hatrany! ny vola anefa tsy misy! ny mpitondra manao ny ataony! ny vahoaka ihany no mifafa ny kihony eo! efa tsy dia nisy firy aloha ny delestazy ka tsy dia nimenomenona ny olona ny orana ihany koa efa avy rahateo! dia hoy a oe! @ manaraka aza manantena an'i ranona sy ranona oe hanampy anao zany indrindra rehefa tonga ny fampielezan-kevitra mipoapoaka ery ny programa dry zalahy oe ataoko itsy vitaiko iroa! ny anao ihany atao tsaratsara e! izay hahafaly ny akohonana kelinao no imatesana fa ampy izay ny fitaka isan-karazany! rehefa tsy misy manaraka ve  ireo tsy ho leo eo ihany!!!

JEREO KOA ETO

 


Tonga Soa news2dago!

news2dago 17 Janoary, 2008 10:39 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.

 

Technorati Profile
1 2 3 ... 38 39 40  Manaraka»

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)