Diso Kajy

news2dago 22 Oktobra, 2013 10:38 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Andro fahatelo mialoha ny androm-pifidianana ny andro anoratako izao. Efa samy manana ny safidiny ny akamaron’ny olona na dia mbola misy ireo izay misalasala ihany. Hifidy sa tsia ? Antony maro no mahatonga izay ao no tsy mahatoky ny fahamarinan’ilay fifidianana ao kosa ireo izay tena tsy mahita hofidina mihitsy.

Fa ny tena tiako ho tsindrina kosa dia ity kajy kajy politika maloto noezahina nitaizana ny vahoaka nandritra ny efa-taona sy tapany dia  « ny zarazarao hanjakana ». Raikitra ny sakoroka ny 26 janoary 2009 vaky bal ny magro sy magazay maro dia norobaina sy nangalarina avokoa ny zavatr’olona izay halatra be vava tokoa anefa dia vita vita ho azy teny avokoa ny fandrobana t@ izany fotoana izany lazaina moa fa oe volam-bahoaka ihany io de lasa tokoa nandroba.

Dia raikitra indray ny tolona ho an’ireo legaliste izay niezaka niaro ny ara-dalana tao aorina ny fanonganam-panjakana. Niara nahita isika fa maro maro ireo mpitarika nitsoaka an-daharana sy namadika palitao tsy ho voatanisa eto fa fantatsika tsara daholo mbola zarazarao hanjakana ihany. Mandrak’androany moa dia mbola tsy vita ny famerenana ny ara-dalana mbola eo daholo ireo nanongana hatreto.

Hisy indray ny fifidianana indro fa 41 be izao no kandida hitondra ny Madagasikara iraka vao, nihena moa ireo mpifaninana noho ny kajy kajy politika any ambadika ka lasa 33 indray no hosafidianina eo no mba iriko ho DISO KAJY amin’izay ireo mpizarazara hanjakana ireto izay matetika dia ny vahiny no ao ambadika sy manohana azy ireny hatrany hatrany. Diso kajy hoy aho satria ny vato ho an’ny kandida tohanako dia  mety tsy dia hizara firy intsony indrindra tao aorina ilay teny @ coliseum ny 13 oktobra lasa teo indro fa efa mazava ny lalana fa hifidy dokotera ny mpomba an-dRavalo fa ny mpifandrina kosa hisamaritaka amin’ireto zanam-poza maro be izay fanahiniana narotsaka mihitsy mba hizarana ny vaton’Antananarivo izay mbola matanjaka sy momba an-dRavalo. Hidona @ Poteau hoy ny tanora izay satria dia voamaso tsokina ny azy ka ny kely hananany no ahiratra kanefa ny kely mba hanana no mbola hozarazainy ao indray. Vato ho an’ny TGV zany no hozaraina 10 ho an’ny zanam-poza isan’isany. Ao moa ireo milaza fa tsy mpomba intsony ny  fitondrana nefa tao ihany h@ izay fa nony ho tong any fififdianana vao mody niala pa. Soa fa mba maharaka ny vahoaka ka tsy ho voafitaka intsony.

Koa fanentanana farany sy mba anjara birikiko hamerenana ara-dalana sy ara-drariny izay tokony ny vahoaka maro an’isa no masimandidy fa tsy ny ampahana miaramila ao @ tafika no hajakazaka sy hanao toetra tsy zaka lava eto dia tongava mifidy ary araho masony valim-pifidianana ary tsarovy fa tsy kely lalana ny ratsy. Aza mandry mandry manana aretina isika soa fa eo koa Dokotera mba hitsabo ny firenentsika. Rehefa mailo isika dia ho diso kajy ny Mpanjanaka Vaovao.  

TAPITRA

 


Fikasana Hanolana Safidim-Bahoaka « Version 2013 »

news2dago 30 Septambra, 2013 10:36 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ao anaty propagandy tsara ny rehetra ankehitriny, ary efa hita soritra sahady fa misy kandida  3 na 4 eo no hita mety hisongadina tsara ka hiakatra dingana manasan-dalana raha tsy misy ny sampona. Indro kely anefa hoy ny mpandrafitra ny manao zavatra tsy mora rahateo. Mande be ny « hono hono » fa oe efa maty paika daholo ny zavatra rehetra ka lany @ isam-bato 52% ny kandida iray efa vita sonia h@ PV sy ny urne efa vita paika daholo.

Ny tena moa dia tena liam-baovao ka nisikotra ny fomba hanaovana ilay fanolanana ka toy izao hono ny fisehony. Natonta avo roa heny daholo na ny « urne » na ny bileta tokana ka raha vata fadatsaham-bato 20000 zany no nafarana dia 40000 no tonga ny 20000 mande @ ara-dalana ny 20000 ambony hanaovana ilay fanolanana !!! de toy izany ny bileta tokana raha 7 tapitrisa ny mpifidy dia 14 tapitrisa zany no natonta ??? Raha jerena tampoka tokoa ilay izy de mety hitombina ihany kanefa rehefa fakafakaina tsara dia ho sarotra ihany ny hanao izany zavatra izany.

Voalohany, raha hanao izany dia tsy ho vita na olona iray izany zavatra ratsy izany tsy maintsy ho tamban-jotra be manadala ihany koa mila vola sy fitaovana ary indrindra ny olona hanantareka ilay baiko. Faharoa, ny zava misy anefa ny vola tsy manana isika na ny nanontana ireo bileta tokana aza dia fanampina avy any Afrika Atsimo no nanaovana azy ary tsy misy afa tsy 9 Tapitrisa no natao eo zany dia efa tsy mitombona ilay resaka 14 Tapitrisa avo roa heny ny isany mpifidy. Ny momba ny urne indray de tsy de hitako laotra izay tena atotan’isa momba an’iny. Fahatelo, ary ity no tena goavana indrindra raha hanao PV dia manana solon-tena 2 avy ny kandida iray izany oe sonia na olona 66 samy hafa zany no hita eo @ PV ary misy ny laharan’ny Kara-panondro ihany koa raha ny PV mahazatra h@ izay no miverina. Izany oe mila sonia na olona 627000 zany ny bileta tokana erakin’ny birao handatsaham-bato ??? Dia samy manana dika iray avy ny kandida tsirairay. Ho sarotra ihany ny hanao izany raha ny saina tsy miangatra asa anefa. Fahaefatra, ny tena marina dia natao mihitsy ny hielezan’ny tsaho mba hanakivina ny mpifidy tsy hahavitrika satria raha vitsy ny mpifidy eny @ tanan-dehibe de mora ny hanao ilay fanolanana ny safidim-bahoaka.

Farany, tsy kely lalana anefa ny ratsy ary ny rindrina ary hono manatsofina mety misy mikasa hanao izany ihany fa mila mailo ny rehetra. Ary io no tena hanentanan’ny PRM Ravalomanana foana oe araho maso ny fanisam-bato.  Ary mandehana MIFIDY.

Hoy Ravalo oe : « Mila mailo isika hoy izy fa ny ratsy tsy kely làlana» tao @ mydago

Hoy koa i tananews oe : « Car si vous voulez avoir matière à contester par la suite, comme par exemple le vol ou le détournement de votre voix, cela signifie automatiquement que vous devez venir faire le déplacement le 25 octobre 2013.» 

Tapitra


Tokony Ho Lany I JLR

news2dago 19 Septambra, 2013 13:18 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Maro be ny hevitra mitosaka eny @ tamban-jotra serasera rehetra eny. Misy hevitra maro lafy mipoitra tokoa kanefa dia roa ihany no tena misongadina. Andaniny, manatsatso ny fanohanan’i PRM Ravalomanana an’i Dokotera Jean Louis Robinson na JLR. Ankilany, mametraka ny fitokisany kosa amin’io filoha teo aloha io. Ialako tsiny dieny mialoha fa ny ankolafy Ravalomanana ihany no ho resahako alo eto.

Raha atao jery todika kely ny tantara dia tonga eo amin’ilay tsy misy azo anoharana intsony ity ankolafy ity satria i dada tsy tafody, i neny voailika tsy hofidina, ny fara hery dia ny hanohana olona. Ka io no mahatonga ny resabe etsy sy eroa oe ny frantsay no ao ambadika ao mety ho marina tokoa raha ny filazan’ilay ambasadaoro [fr] ao @ tweet-ny. Tsy olana izany amiko andao lalaoavina ao @ kianjany izy (ny frantsay). Toy isika milalao «belote» ireny, anjarany aloha izao no miantso manaiky ny ambony, « Sans A tsy aky aritra io» mahaiza milalao fa na manana « Tri-As» ary enao mety tsy ho tsy afaka. Ny tiako hatongavana dia ity ho an’izay manohana sy mbola tia ny PRM Ravalomanana dia hatsaharo manomboka ny mason’andro anio ny fanenjehana frantsay izy ihany no nampianatra antsika mihatsaravelatsihy dia mba averina any koa ny baolina. Fadio ny manejika eny @ tamban-jotra sy ady hevitra rehetra eny, tsarovy fa arakaraka ny hanafosafona ny saka(frantsay) no mety hampatoritory  azy.

Atody tsy hiady amam-bato jereo ny tantara tany Lybia, Cote d’Ivoire, Mali, dia ho sanatria hisy Madagasikara koa ve ? Aleo isika mba mailo ka ny saina amin’izay no ampiadina fa tsy ny fo efa be izay 50 taona nandadizana izay. Mahaiza mifidy tsara kokoa ny mifidy olona noho ny hanao vato maty sy vato fotsy izay mbola tsy misy lanja mihitsy aty amin’ny tany andalam-pandrosoana.  Raha hifidy ihany anefa dia mety kokoa ny manohatra ny kandida atolotry ny foza. Na mangalatra fiaingana aza izy ireo tsy ho lasa lavitra noho ny fanjakana ratsy tantana nandritra ny tetezamita. Be ny tofoka sy kivy ka tsy hisafidy foza izany.

Koa na hizara ary ny vato azon’i JLR dia azoko antoka fa mety ho tafakatra any amin’ny fihodidinana faharoa izy satria mbola maro ny olona manina ny fandrosoana vita t@ andron’i dada. 

 


Manaranaram-Penitra

news2dago 13 Desambra, 2012 11:01 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Lamaody indray moa ity manaranaram-penitra ity ankehitriny niniko averina in-2 mihitsy ilay izy @ zay ny tena marina no voalazako satria tokoa mantsy mihena ny lanjany ny teny miverin-droa amintsika malagasy TPT.

Tsy hita fa izay jerena toa manaranaram-penitra avokoa kanefa ny tena marina dia masobe tsy mahita hanakonana ny tena marina no misy. Maro ireo zava-bitabita sa zavazava-bita LOL notokanana sy hotokanana etsy sy eroa kanefa hoy ny maro oe tsy misy mahavoky ireny fa jerijerena fotsiny ihany. Iza tokoa no artista hi-style hiseho sehatra eny @ “coliseum de Madagascar” hijery seza babangoana!!! Manao vazivazy mihitsy moa izahay ato mitanisa oe iza no mety ahafeno an’io kianja manaranaram-penitra io? Tsy misy angamba fa mila manao rodobe ihany vao poinsa. Raha tsy atao oe fidirana gaboraraka koa angamba.

Izay ny @ iny fa ny mahalina ny mpanaram-baovao indray izao dia ny maneho ny tsahon-kevitra t@ fanambarana ny PRM Ravalomanana ny tsy hilatsahany @ izay fifidianana hisy @ taona 2013. Be no milaza fa tsara ny fanampahan-kevitra ao kosa anefa no milaza fa tara laotra eo ihany koa ny miteny fa rediredy farany ny azy. TPT Dia tena tsy miova marina ny olona ka!!!

Raha ho ahy manokana dia tsy dia olana amiko io tsy firotsahany io satria izay no torolalana omeny ny sadc ary efa nilaza foana ny filoha Ravalomanana fa hanaiky izay fehin-kevitry ny sadc ny tenany ny ankilany aloha dia tsy niteny tsy nivolana hatreto fa ny azo antoka dia ho fifidianana manaranaram-penitra no hisy eto raha hisy manahy aho mantsy fa tsy hisy mihitsy io satria marobe no ho very fihinanana raha vao vita ny fifidianana.

Raha mirotsaka kosa i PT-kely dia aleo mihitsy izy aloha hitsapa hery ao dia ho hita eo tena manana vahoaka tokoa sa tsia!!!@ zao mantsy dia mialoka foana @ oe vahoaka maro an’isa??? Manaha mihitsy aho fa tsy ho lany izy raha tsy oe angaha mahita fomba manaranaram-penitra hafa indray TPT izy moa bandy kely be kle izay ihany fa aleo hiketriketrika tsara ao de ho hita eo izay hoapoakany. Ny azo antoka dia maro no diso fanantenana aminy aloha hatreto ka tsy hifidy azy mihitsy tsy hay koa izay olom-baovao soavaly be tongotra hipoitra tampoka eo. Izay mety aroson’ilay iraikalahy teo aloha izay avy dia hiatorahany olona fotsiny izao satria oe ao ambadik’Idada.    

 


Miarahaba Ireo Reny Rehetra

news2dago 28 Mey, 2011 22:00 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Salama daholo dia mirary soa ho an'ireo reny rehetra!!! Tsy dia misy ambara firy alony fa sendra mba afaka nanokatra an'ity de mba nararaotra namoaka lahatsoratra kely varavety ho an'ireto mamakely isakarazany. Ba mamy daholo ry reto a 

 


Camille Ihany No Vital Kotozafy Ihany No Leksisy

news2dago 16 Martsa, 2011 10:20 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Inona ny vaovao ao? Tsy misy e! ny Teo Ihany no Miverina. Ny malok'ila 1 ihany no malok'ila 1. LOL

Tsy iza ny PM vaovao fa mbola i Vital ihany no hisolo an'i Vital. Tsy hisy RI "reconnaissance internationale" izany eo na andeha ambakin'ny loha aza satria mbola ny eo ihany no eo tsy misy fisokafana na @ iza na @ iza io. "Wait & See" sisa sa ahn?

Filma efa nande kosa hoy ny sasany. Nisy nanantena fiovana ihany anefa ny olona sasany fa raha za kosa aloha de efa nampoiziko mihitsy io oe ny eo ihany no eo ary mety hitohy 20 taona ity tetezamita ity raha izao no mitohy. LOL

Tapitra

reconnaissance internationale


Alalao Ny Sehatra

news2dago 09 Novambra, 2010 07:04 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena tia tanindrazana ve isika ireto sa tsia? Atomboko amin'ireo miseho sy milaza fa mpitondra ireo ka hatramin'ny valala bemandry. Nahoana moa aho no sahy manotany an'io fanotaniana io. Ny valiny dia tsotra be tsy misy tia tanindrazana eto fa samy tia vola sy tia voninahitra daholo. Nifanenjika sy nanosom-potaka ny teo aloha fotsiny milaza fa mivarotra tanindrazana sy mibizina ho azy manokana fotsiny, ny mpitondra amin'izao kay izy mihitsy no mpitarim-bato vilam-bava be. Voarohirohy amin'ny resaka andramena sy ny karazany tsy hotanisaiko eto...

Nahoana no teriterena ireo mpandraraha tsy maintsy hivarotra entana ao @ Tsena Mora Vidy sy ny mpivarotra hampitovy vidy amin'ny entana varotana ao @ TMV izany ve tsy fanambotrina ny mpivarotra hivarotra fatiantoka sa mila doka amin'ny mpifidy oe mihena ny vidiny entana. TSIA tsy izay no tokony ho izy avelao alalaka ny sehatra aza terena ny olona fa aleo izy hanao izay tiny tsy voatery aho hifidy @ 17 novambra izay tiko ihany io fa aza mba mifanorisory mihitsy.

Nisy teto izany oe tsy maintsy Arema vao tafiditra mpiasam-panjakana nolalovana teto zany oe fitondrana tsy misy afa tsy UNDD sy TIM izany. Nitondra antsika nakaiza anefa ireny mpitondra nifandimby ireny. Ny tsirairay no hitsara ary mahalala ny rehetra oe iza no tena nahavita azy hatramin'izay.

Nahoana moa no mpitondra ambony no milaza oe "rehefa mila ahy dia mimpingampinga miantso hampiditra ny havany ho polisy tamin'ny fifaninana hiditra ho polisy..." F'nga izy tia zany dia resaka fahalalana olona foana vao tafiditra hiasa @ fanjakana e! Aiza moa ny mpitandro ny filaminana no tsy hanao izao zavatra mamoafady izao manongam-panjakana sy tsy mahalala ny ambaratongam-pahefana fa sahy tsy manaraka baiko sy ny sisa... Gaga aho raha handroso ity Madagasikara ity raha mbola izany no hanjaka eto ny mahitahita ihany no ho tafiditra hiasa kanefa maro be ireo zanam-bahoaka mahay sy miafy amin'ny fianarana ary milofo mba hifaninana @ ireny fifaninana maro misy eo @ fanjakana ireny kay very maina foana izany fikirizana izany fa misy lalana ambany ny tany aty @ sisiny mibosesika sy maka ireo toerana. Tena tsy mamely mihitsy...

Maro be ny teny sy resaka tiana ambara fa aleo faranana eto aloha fa mamonamonaina fotsiny ny hitanisa azy eto satria tsy mba misy zavatra tsara mihitsy fa ny lesoka no feno sy hita h@ izay 50 taona nahazona ny fahaleovan-tena izay. Miandry ny 50 taona manaraka hivarinana any akady bebe kokoa indray isika izao fa mbola tsy ampy le 50 taona lasa teo iny.

Tapitra

News2Dago 09 Novambra 2010 

Jereo koa eto 

 


Tsena Mora Ny Ary Ambany Faotra Ary!!! TPT

news2dago 25 Oktobra, 2010 07:46 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Inona ny malaza? Tsy misy, ary ny vaovao? Mbola tsy misy koa!!! Dia inona ihany ary zany. Vola kakafotra e! ny omaly tsy miova ny FATy ihany no mbola faty... 

Alatsinainy indray ity ny andro mangingina ny eto @ tanana ka manorisory aleo ihany le misy sakoroka be ireny mba misy action e! de mba betsaka ny twitter sy ny vaovao miely eto @ nety eto fa tsy maina be ohatr'izao. Ny vedety aloha hatreto dia ity nahazo ny delegasioana malagasy tany Montreux Soisa ity. Ndray tsy misy baraka afaka izany intsony re olona fa dia natsongoloky ny olona ny anaran'i Madagasikara a. Ny nahazo tany aloha tsy haiko fa za tsy nanatry maso fa ny tatitra sy video miely @ aterineto dia efa miteny ho azy ny sary fa tsy misy mankasitraka izao fitondrana halatra izao ny rehetra na koa mety paika ihany koa io ho any vondrona miteny frantsay mba maka 19 @ rehetra izy e. Asa aloha fa za vahiny eee

Zay ny amin'iny aloha fa hiverina kely @ ty resaka Tsena mora ity indray a. Tsy mbola nahita mpivarotra misy an'ireo entana mora vidy be ireo mihitsy a hatreto mba nitady ihany tety amin'ny manodidina fa eeee tsy nisy e! Fika be indray ity oa angamba toy ny mahazatra ihany. Ny tena marina dia tsy misy mety mampanofa trano ho an'ilay varotra ny olona mety maro ny antony mahatonga izany matahotra sao hivadihiny ny vahoaka eo ka ho may eo ny trano rehefa raikitra ny sakoroka io moa efa fomba fiady indray ity mandorodoro fanananolona ity ka tsy mahagaga raha mailo ny olona ny fiangonana aza misy mandoro nefa tranon'Andriamanitra ko maika fa izay tranon'olona io ve hisy vidiny @ ze mpisotasota. Mbay tany ry anona aaa!!! Vao kobon'ny olona fotsiny ilay revy miainga oe avy @ fitondrana dia miala pa ny olona vokany sahirana ny vaomiera sosialy ao @ fitondrana mitady fivarotana. Dia mbola tsy tonga saina ihany ry zala.

Ny afisy ny fifidianana moa dia hanazana lamba fotsiny ary izay mipetraka eo dia rovitra avy hatrany manginy fotsiny ny ompa sy ny hogahoga mahazo ireo mpanao fampielezan-kevitra. Tsy mbola tonga saina ihany!!! Asa ihany izy ity fa dia kely finona a raha mba hisy tokotanoniny ity fifidianana ity na ho vita ary io dia angamba 2% ny olona hifidy eo. Tsy rarahiny eee! Ny azy ny revy mandeha foana. Miandry ny kapoaka ho feno indray izany sisa e! ny mahagaga a dia tsy mety feno mihitsy ilay kapaoka na dia efa ho 2 taona mahery ary. Mety misy goaka koa angamba ilay izy dia tsy mety feno ko. TPT

Etsy andaniny dia miakamidina ohatra ny lelon-jaza ny mpanaraka ny movansa 3 asa angaha oe inona no anton'izay? betika izy bobaka be mila tsy ho omby mihitsy ny kianja ny magro indraindray kosa anefa tena vitsy kely mampite hiteny oe hajanony @ izay io fa lany andro eo nareo! TPT Ny tena marina dia miandry zavatra ny vahoaka ireo mpitarika rahateo tsy mena mivadika izany androany mafana fo be rahampitso anefa lasa eny Tsimbazaza ko inona ihany kosa ary izany e, lasa fitadiavan-tseza sisa ilay izy fa tsy ny hitady ny ara-dalàna intsony. Jereo tokoa anie fa izay nivadika rehetra ohatra ny tsara toerana daholo ao @ le FAty e. Ny vahoaka @ izay very fanahy mbola velona toy ny vahoaka tsy misy mpiahy izany. hany ery ka raha vao misy zavatra mitranga dia mirohotra ny olona toy ny fitsenana ny Tantely teny Ivato dia mbola ho avy koa i Deba dia jereo tsara fa olona tsy olona koa ny hitsena azy eny.

Tapitra

News2dago 25 Okobra 2010

Tsindrio eto 

 

 


Tsisy Miraharaha Ze Fifidianana Any E

news2dago 16 Oktobra, 2010 14:33 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Atao daholo izao fika rehetra izao fa tsisy rototra ny pokona e! aleo ihany mitady vola sy mitady izay ho arapakin'ny vava aloha. Za zao oh tsy kôpy na inona na inona momba ity fifidianana aferan-daomy ity sa aferana doma ity no marina kokoa e! TPT Ny dobla enina rahateo efa natelin'i rajoelina any aminy any koa tsy efa fanatra ve ny valiny oe lany ny eni na tsy ampy isa ary ny eo ambony latabatra e.

Gaga koa a naheno sy nahita oe toa nitalakotrokotroka hono ny nitsenana an'i Tantely teny Ivato zao!!! De ho avy tsy ho ela koa oe ilay raikalahy taloha ka asa koa izay ho afitsony eo na inona no tena ketrika tina atongavana amin'izany fiditra vedety izany na inona.

Ny vaovao eto @ tanana moa dia tsy de misy firy fa makafoka daholo ny olona @ setroka doron-tanety maizain'ny setroka ny tanana efa lasa zary fiainana andavanandro koa ka tsy misy mivaky loha intsony koa, ny gasy koa moa maka tsy taitra izay. Miandry ny loza hiatra vao mety ho may volotratra efa tara laotra amin'izay fotoana izay.

Ny akaotr'izay moa efa tsy vaovao intsony satria efa fantatrareo dôly ny radio maromaro nakatona, ny mambra ao @ CT sy CTS  notendrena, ny faharesen'ny barea fanidrony indray, ny lalana eo @ 13 mai notapahana ilay manolona ny lapan'ny tanana tsy mety vita io sic kely sisa ka efa ho vita ihany.

Ny vaovao vao mafana dia hanokatra fivarotana PPN isakin'ny firaisana ny eo anivon'ny kaominy hirary hono ny entana amidy amin'ireo fivarotana ireo ka asa indray na an'iza ny vola miditra avy eo na ho an'iza misitery izany mon ami.

Tapitra.

Miala tsiny fa natao maimaika ny lahatsoratra fa lazain'ny sasany fa tsy miblaogy intsony oe fa varina any ho any!!! 

 


Demokrasia Malagasy Mahamenatra

news2dago 03 Martsa, 2009 08:06 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mitohy ihany ny tolona etsy @ 13 mai ary omaly no nanomboka ny fitokonana faobe. Tsy dia tafita 100% moa izany hetsika izany na dia niezaka mafy ary ny mpanentana sy ny mpikomy handresy lahatra ny olona. Nifarana t@ vaky trano sy ny fandrobana arakin'ny mahazatra moa ny hetsika. Lasibatra avokoa ny teny Tsaralalana sy ny manodidina soa ihany fa teo ny mpitandro ny filaminana.

 

Mbola nahitana razana ihany koa tao @ ilay tranombarotra may "Trading center" ka naranty teo @ 13 mai ireo razana ireo. Tsy naneho ny heviny moa i Andry Rajoelina t@ ireo faty hita ireo fa nanamarika fotsiny izy fa faty nafenin'ny fanjakana tao ireo!!! Napetraka teo anolon'ny lapihazo teo moa ireo razana ireo. Asa inona ny antony tsy mbola mazava.

Nisy korotana ihany koa teny Ambohipo omaly satria dia nanao barazy eran'ny tanàna ny mpomba ny 13mai ka noravan'ny emmonat ny sakana nisy naratra mazava ho azy noho ny fandosirana ny sasany t@ ireo nanao barazy. Voaelingelina arak'izany ny fivezivezena eo @ fiara sy ny mponina manodidina. Mbola demokrasia malagasy koa izany.

 

Niely koa ilay tapakila na banky azon'Ingahy Rajoelina avy any @ José Viane. Ny fahamarinany kosa aloha tsy fantatra satria efa avo lenta ihany ny teknolojia izao ka mety azo amboarina ihany itony zavatra itony. Na izany aza tsy midika koa oe tsy mitombona ilay izy fa natao ieritreretana tokoa oe sao dia mba marina ihany ary!!!

 

Nokorotanin'ny fanjakana ihany koa ny onjam-peo ny fahitalavitra sy ny radio viva ka tsy nisy feo sy sary intsony nanomboka ny asabotsy ny nakaty!!! Hany herin'ny radio viva dia nafindrany na notsindriny avy hatrany koa ny onjam-peo ny radio fahazavana izay radio ara-pilazantsara an'ny protestanta. LOL

(sahalan'izao angamba ny fitaovana ampiasaina handravana ny radio tele viva tena samy be atidoha marina)

Jereo koa eto 


Nilefitra Ihany I Andry Rajoelina

news2dago 22 Febroary, 2009 08:15 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Toy ny varisosoa voatapon-drano ireto mpitokona tetsy @ kianja ny 13mai raha naheno fa nahazo taratasy fanasana avy any @ FFKM ny tenany (Andry TGV) mba hihaona @ Filoha Ravalomanana Marc omaly asabotsy 21 febroary. Tsy hisy aloha ny dia be fa aleo mamonjy ity fihaonana ity hoy izy. Nirava aloha be arak'izany ny fikomina omaly satria voatondro @ 1 ora atoandro ny fihaonana.

(sary malagasy aho)

Iza moa no tsy efa nilaza h@ fiandohany ny krizy oe ny midinika an-databatra boribory ihany no vahaolana fa tsy ny fizirizirina hikomy sy hanakorotana etsy sy eroa. Andrasana efa misy faty olona maro sy zavatra simba betsaka vao tonga saina oe ilaina ny fifampidinihina. Tsy misy hanome anao fahefana eny an-dalambe izany eo na iza mpitondra eo na iza. Nefa dia nilaza mihitsy moa t@ izany fotoana oe za tsy hiaona @ mpamono olona e! za tsy hidinika raha tsy tetezamita sy ny sisa. Tsy fotoana ny fandatsana intsony moa izao fa fotoana tokony hibanjinana ny ho avy.

  (sary malagasy aho)

Mbola mampitandrina ihany moa i Andry Rajoelina oe aato ny fikomina fa tsy tapitra akory!!! Ny hany tsapa ny mpanaram-baovao aloha dia ny fihenan'ny mpanaradia sy ny fahalanin'ny vola nampiasaina t@ izany fikomina natao izany. Teo koa ny tsy fahombiazana teo @ tetika natao hatrany amboalohany. Ny fanaganana governemanta eny an-dalambe sy ny famakina minisitera sy ny fitarihina ny olona hiditra any @ faritra mena mba hisin'ny sorona sy ny rà latsaka. Izany no natao moa hoy Ingahy Manandafy dia ny mba hanalana baraka an'Ingahy Ravalomanana fotsiny @ ireo any ivelany oe olona lia-drà ny mpitondra toy ny natao @ 10 aogositra. Ie tsy nitarika olona ho eny Iavoloha tokoa izy t@ izany fa ry Pasitera sy ry Zafy no nampidikizo ny vahoaka teny.

Na izany aza anefa dia mba nahavelom-bolo ihany ny nahenona ny fisiin'ilay fihaonana ary samy nandefitra ny andaniny avy ka afaka nifampidinika ihany. Ny tsara atao kosa nefa dia tsy mihaino lakolosy tokana avy any @ ekipan'ny tgv fotsiny fa mba tokony henoina koa ny feon'ny mpanao politika hafa sao mba misy hetahetany koa ireo hafa ireo ary azoko antoka fa manana tokoa izy ireo.



Miandry ny ampitso izany isika manomboka izao. Efa saika ratsy ihany ny zavatra nitranga satria efa vonona ny @ ady an-trano mihitsy ry zareo mpikomy satria efa natsoina ny reservista sy ny miaramila sasany hanampy azy ireo ary haka basy any an-dakazery eto andrenivohitra omaly ka nandeha foana ny fanaingana ny andrimasom-pokonolona hiaro ny toerana vitsy vitsy teto antananarivo omaly. Tsy nisy fihetsika hafahafa kosa anefa hatreto aloha.

Ny irarina moa dia ny hifaranan'ny fikomina tanteraka sy ny hisin'ny filaminana maharitra. Ary hita ho miramirana avokoa ny rehetra namonjy fiangonana androany alahady. Hanomboka herin'andro vaovao indray isika rahampitso ka entina am-bavaka hatrany mba hisy vokany izay dinika ataon'ny roa tonta izao.

Jereo koa eto

Sur invitation des « Raiamandreny am-panahy » , le Président de la République, Marc Ravalomanana, a pris part, ce samedi 21 février 2009, à l’Episcopat Antanimena, aux pourparlers dirigés par les 4 Chefs d’Eglise, dirigeants du FFKM (Conseil chrétien des Eglises), en présence de M. Andry Rajoelina et en vue de la recherche d’une solution à la situation politique actuelle.
 
Selon le communiqué lu par le FFKM à l’issue de cette rencontre, les deux parties se sont convenues  :
 
- D’arrêter toute forme de provocation, de dénigrement, et de diffusion de fausses nouvelles par le biais de l’Audiovisuel.
- De faire cesser tout acte de pillage et de vandalisme visant des biens des particuliers et de l’Etat
- D’arrêter toute manifestation dans la rue
- De cesser toute forme d’arrestation et de poursuites à caractère politique

Les dirigeants du FFKM ont salué « la volonté et le courage » des deux parties d’avoir bien voulu honorer leur invitation.
Les pourparlers se poursuivront.

 Source : Présidence de la République de Madagascar 


Votsitra Indray Ny Minisitera Azo

news2dago 20 Febroary, 2009 06:28 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Velona ny valim-botana nataon'ny fanjakana alina ka nisy ny fifampitifirana teo @ ireo andrimasom-pokonolona sy ny miaramila rifatra nandositra moa ny andrimaso noho ny poabasy tsy akijanona nanomboka t@ 2 ora maraina. Mpandromba tokoa satria dia vakitrano ampahibemaso no lazain'ilay Jeneraly Organes iny fa modely tokony arahana ny rehetra. Ô re olona e!!! fa loza inona ary ity hoy aho izao ve no atao modely. Tsy menatra akory izy milaza izany an! Mbola tsy fantatra izay maty tao fa arak'ilay vaovao azoko dia nisy tokoa ny gly tao.

 

Manarak'izay dia kivikivy ihany ny vahoaka manohana ny ara-dalàna alina satria dia resy tsy niady izy ireo noho ny fahitana ireto mpanohatra miditra ao @ minisitera. Velona moa ny antso an-tarobia oe aleo hidiranay @ izay ny fisamborana rehefa tsy hanao ny fanjakana e! Marina tokoa izany satria mbola eo ampelatanana tokoa aloha ny fahefana feno dia tokony ampiarina fa tsy asina indrafo izany. Efa tany miady io mantsy ka izay mifanadrify @ izay no tokony arahina. Mazava koa ny tenin'ny Alain Ramaroson t@ fahitalavitra oe tokony dorana daholo ny tranona minisitra rehefa mitady hisambotra azy. Izany ve dia tokony mbola hisy hanaovana marimaritra iraisana hoy ny mpanaradia ny ara-dalana.

Azo antoka koa fa efa niditra tao @ minisitera ireo mpandromba ka asa izay zavatra very tao izay ny vavahady rahateo efa voapitsoka aby. Mila mampiasa hery @ izay rafanja fa ela loatra a! Izahay anie miandry top fotsiny e! rehefa oe tairina izy tia dia raiketo ny hazalambo.Ny vaovao farany azoko avy @ ireo namana akaiky vaditany dia milaza ry zalahy fa vaditany fôpla ireo nentina nolazina fa vaditany ireo ny tena marina dia vaditany mpianadraharaha ry lerony ireo. Dia ahoana ihany ary izany! Fitaka sy lainga foana ve izany no hitaritana ilay vahoaka sa inona mihitsy no tena tanjona.

 

Vaovao farany henoko t@ olona sy ny radio kosa dia feno fiara mifono vy ao anosy ao @ izao fotoana izao ary nahazo akanjo vaovao miaro @ torabato ny zandary sy ny polisy. Tsy hilefitra mora foana izany ny fanjakana ara-dalàna ary rariny ny azy. Efa nitsipaka ny fakana fahefana eny andalam-be koa moa ny minisitra anglisy ka mino izahay fa hanaradia ny ara-dalana ireo firenen-dehibe rehetra ka ho vasoka eo lafrantsa mpiatsaravelatsihy.

Mbola maro kosa ireo olom-boafidy manohana ny fitondrana ka tonga nanohana ny antso nataon'ny Filoha teny Iavoloha omaly. Akory atao moa fa dia tohanana ny ara-dalàna fa tsy hanaiky mpaka fahefana eny an-dalambe sy ny mpaky trano.

 

Jereo koa eto


Ny Bevoaka Sy Ny Zazakely No Ato Bouclier Radem

news2dago 19 Febroary, 2009 10:35 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Samy sorena aby ny mpanaram-baovao naheno oe ny vadin'ny miaramila no aroso eo aloha mba hakana seza sy ny minisitera. Namaly moa ny maro oe tsy mety ve raha ny vadin'ny mpitari-tolona no atao eo aloha eo.

 

Raha tsy mahomby io dia mety ny zazakely sy ny vehivavy bevoka ary ireo be antitra no ho entina atao takalon-tsorona eny @ 13mai. Aza hitako ka mijery eto ny mpitarika tolona ka haka ity sopapa ratsy ity. Andeha fafako indray ity fa sao dia mampidin-kizo ny hafa. LOL

 

Manarak'izany dia tena olona mpandromba mihitsy ireto etsy @ 13mai ireto satria dia nisaritaka sy ny nikorotana be omaly hariva ny tanana rehetra manodidina. Noana tany @ grevy tany mantsy izy mianankavy ka norobainy avokoa ireo mpivarotra koba sy mananasy tetsy analakely etsy @ "sept prix" iny nitohy h@ mpivarotra kafe sy mofo izay an'ny madinika mba mitady sy sahy miatrika fiainana no samaritahana ohatran'io.

 

Voaroba avokoa ny versment ny taxibe iray tetsy @ petite vitesse iny. Ireo mpandalo sendra mifanena aminy moa dia tsy misy miangana fa lasany avokoa ny finday sy ny vola rehetra eny @ eny. Tsy mety fay mihitsy ry zalahy ireto satria entin-javatra izany mifoka môly no tena marina. Tena ilay olona eny @ faritra iva sy tsy an'asa ireny no manao ity fandrombana ity. Mody mifangaro @ mpitolona ao ry zalahy dia avy @ angady sy ny harona rehefa avy eo. Efa misy sarety kely entiny mihitsy moa eny hiaomana entana voaroba. Tokony avy dia tifirina kosa ry zalahy ireo fa tsy ho hendry intsony raha ny fijeriko azy.

JEREO KOA ETO


Mizotra Makany @ Ady An-Trano

news2dago 05 Febroary, 2009 06:56 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Na inona na inona dia misy hadison'ny vahiny ihany izao zavatra mitranga eto Mandagasikara izao. Misy tena mahatsiaro very tombotsoa manokana indrindra fa ny reny malala hatramin'izay niakaran'i Ra8 teo @ fitondrana izay ary mazava ho azy fa tsy mankasitraka izany izy ireo ka manao izay hatongavana any @ ady an-trano.

 

Raha tsy mitandrina isika dia ho tody @ zavatra iriny ireto firenena matanjaka ireto satria mantsy afaka miditra mivantana eto ny tafika vahiny hampandry ny tany sy hiaro ny teratany vahiny monina eto amintsika no sady afaka manao ampihimamba maka ny harenan'ny malagasy toy ny vehivavy sy ny vatosoa ary ny safira sy ny lavanila... Misy mivohy foana mantsy izao ny resaka merina sy tanindrana any @ sisiny any ary voalaza fa misy manejika ny mpiavy tany @ faritr'i sava iny ary efa nisy 4 no maty t@ ireo mpanao varo-mandeha.

 

Ny zavatra mitranga anefa dia ny samy merina no miady seza eto andrenivohitra ny mpanaraka azy ireo anefa dia hita misy fahasamihafana mihitsy satria ny mpanohana ny fitondrana dia olona manana ny toerana salan-tsalany fa ny manohana ny Tgv kosa dia ireo kilasy fahatelo hita izany @ sary maro samihafa ireo izay mora karamaina vola sy tsy mijery lavitra satria efa tena ao anaty fahatrana tanteraka. Mahita izany ireo fanetribem-pirenena izay voakarama ny firenena lehibe ihany koa ka mijapy ilay Tgv sy miantsy ady hatrany handranitana an'i adim-poko io.

 

Tsy izaho velively no handeha hampianatra ireo ngeza lahy roa mifanandrina eto Iarivo eto fa tokony hahay hanindry fo izy ireo. Ka tsindriko eto mihitsy ny oe tokony hahay hifandefitra satria samy diso samy marina fa tsy misy manana ny marina feno akory afatsy Andriamanitra irery ihany. Zavatra tsy ampoizina akory mantsy dia mety hanimba ny taranaka maro hifandimby. Ny zanak'ireo mpitondra sy mpanakorotana sy mpanao politika ireo moa dia any an-dafy any avokoa. Ka sady tia tena zany ry zareo no tsy mendrika ny hizaka ny zom-pirenena malagasy ihany koa. Asakasak'izay manan-tsaina hitarika adim-poko eto.

 

Ny vaovao farany eto dago aloha dia ny fifanolanana @ le resaka PDS sy ny fandravana ny sefom-pokotany 192 ka androany no voalaza fa hametraka ny solontena ny PDS ny eo anivon'ny fitondrana  hanendry sy hametraka ny eny @ firaisana ary hanedry ny prezidam-pokotany kosa ny ekipan'ny tgv. Mitohy hatrany ny ady saritaka efa manomboka mahatofoka ny vahoaka.

JEREO KOA ETO 


Mpitondra Tenin'ny Vahoaka (Updated)

news2dago 31 Janoary, 2009 13:51 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia notanterahin'ilay ben'ny tanana tokoa ny hetahetan'ireo lazaina fa vahoaka maro an'isa ankehitriny dia ny hitondrany ny Tetezamita.

  (sary efa lany daty io satria t@ 26/01/09)

Toy izao ilay atao oe vahoaka  maro an'isa izany oe 80.000/20.000.000 na koa oe 0,004 % no hadidy sy hanapaka ny tany sy ny fanjakana.

(sary topmada 31/01/09)

Dia atao ahoana izany ireo vahoaka tsy milahatra tsy tia korontana kanefa tsy sahy maneho hevitra fa ampitahorina bemiranga sy olona milanja basy handromba sy hanampim-bava.

Demokrasia ny bandy bokona sy beloha no tiana hanjaka eto @ tanana.

Niato kely mihitsy aloha omaly tsy namoaka lahatsoratra fa nandinika tsara ny zavamisy ary nanao jeritodika niezaka ny tsy haneho hevitra fa hilaza vaovao fotsiny sisa sao dia tapaka lalan-drà @ hatezerana eto ny farany. Lol !!! Ny fiainana rahateo mitohy ihany.

Indreto indray ary ny vaovao nisongadina eto @ tanana ankehitriny.Tsy misy entana intsony eny @ mpivarotra indrindra ny ppn ilaina andavanandro. Raha sendra misy ary dia hilaharana ny menaka dia mindagana 40.000 Fmg na 8.000 ariary miandry ilay 2.000 Ar toky nampanan-tenain'ny mpitondra tetezamita izany izao! lol Tsy fahotana tokoa ny manofy ô.

 

Izy tompony(ra8) ary tsy nahavita izany kanefa io no asany. Ny vary ny dibera ny sira siramamy tsy misy firy intsony e! Teo anefa afaka nisafidy tsara fa tsy nahay nionona dia izao no vokany. Efa natao hilahatra mandram-pahafatiny ny gasy mantsy. Dia aleo zany mividy vita vazaha fa lasa manankarena laotra ilay teran-tany malagasy e! zany ve tsy fialonana. LOL

 

Aleo manao tôtôkelim-bazaha eto daholo e! Ny vazaha na manalika aza toa lefitra ihany fa raha malagasy kosa tonga de ataovy @ fanaovana azy.

Mbola lefitra ihany aloa hatreto ny fiakaran'ny vidim-piainana fa miandry fatratra ireo entana nagalarina atao risoriso izao ny rehetra sao mba afaka mividy mora eny na efa mibotsina aza ny iaorta sy ny ronono vidina foana fa iza no ho faty noana eto. Misy ihany koa ny solika fa ao aorina no asa.


Miandry fihaonana izay ataon'izy roalahy mianaka moa ny rehetra na dia efa nilaza ampahibemaso aza ny ben'ny tanana manao oe miray tsikombakomba @ mpitondra ny FFKM dia mbola hisy ihany ve hino fa hanao izany dinika izany izy mitsamy ireo. Ho hita eo ny aina no matezà. Ny tsapa izao dia tsy misy raharaha vanona eto an-tanana fa mikorontana ambony ambany.

Nomen'ny fanjakana 1.250.000 Fmg na 250.000 Ar ireo mpiasa rehetra niara-boina t@ ilay rotaka ny alatsinainy eo. Miandry ny fanambarana avy @ filoha ny repoblika ny rehetra ankehitriny.Toy izao ny fintina @ ilay fanambarana:"Mijoro hatrany ny fanjakana tarihin'ny filoha ny repoblika izay voafidy @ fomba demokratika". T@ ilay fanelanelanana nataon'ny FFKM moa dia samy niaky ny 2tonta fa hiaona tsy misy fepetra mialoha kanefa nohon'ny zava-nitranga androany 31 janoary kosa dia hotrotrona am-bavaka ny firenena ny alahady 01/02/09 ao Isotry fitiavana mba isorohana ny fifandonana.

Jereo koa eto
 


Mitady Rà Mandrika I TGV

news2dago 29 Janoary, 2009 11:16 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Araka ny siho dresaka dia miteny indray ny Ben'ny tanana oe misy mitady haka ny vola ao @ banky foibe ankehitriny ka hanao andrimasom-pokonolona. Mety hitarika ny vahoaka izy hiakatra eny @ asabotsy ka handromba sy hanimba eny Antaninarena indray ny jiolahimboto. Raha sanatria ka marina ity tsaho ity dia mba miangavy aho mba aparitaka haingana ity lahatsoratra ity. Taomy ihany koa ny olona tsy ho eny @ 13 mai @ asabotsy mba hisorohona ny rà mandrika.

mahagaga tokoa ny azon'ny ben'ny tanàna manana mpiambina milanja basy? Raha nahamarika koa ny rehetranijery tv plus dia nisy tanora nisaron-tava izay nitondra basy!!! nialoha ny lalàna t@ le ho any @ mbs ny mpilahatra. Misy mikotrika rà mandrika mihitsy eto ka mila mitandrina ny rehetra @ izany.

Ry zala ireto hono no tena hahazo tombony @ izao krizy izao hoy ny maro.

 

(sary nalaiko tao @ foko)

Io izany no Chef de Gare micommande ilay TGV!!! Enga anie mba hi-derailler ity tantara ity fa tsy ho tody any @ gara intsony. Tapaho daholo ny tetezana rehetra mbola handalovana sao ho loza

Jereo koa eto


Antso Ho An'ny Mpitondra GADRAO I ANDRY RAJOELINA

news2dago 29 Janoary, 2009 06:32 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Marina mihitsy ity antso antso ity ary hitovizako hevitra @ tokinao sy hery ka ho fandraisako anjara dia mba miantso ihany koa aho eto oe Sambory sy gadrao i Andry Rajoelina. Tompon'andraikitra izy @ izao korontana misy eto Madagasikara satria nanaiky ny hiaraka tsikombakomba t@ maizina tsy tia malagasy mpiray tanindrazana @ aiza ve ka ny fananam-panjakana raitra indrindra eto @ ranomasim-be indiana dia tsy mba sakananao akory ireo olona entinao manimba azy!!!

Mitarika ny zanaka malagasy tsy HIANATRA izy ny zanany anefa mianatra tsara aty an-dafy!!! Mitarika ny olona hilahatra sy haka ny fanjakana eny an-dalambe kanefa midradradra ny oe demokrasia!!! Mitarika ny zanaka malagasy atao sorona kanefa navelany irery tsy nisy mpiahy ireo mpilahatra nanafika sy handromba ny mbs.

Mahay mandainga tokoa izy @ resaka serasera ary toa ohatrany marina avokoa izay lazainy kanefa rehefa tena mandinika sy mamerina mampitovy ny zavatra nolazainy dia tsy misy miady ny resaka fa mifanipaka. Tompon'antoka TANTERAKA @ izao zavatra simba sy rava izao izy ary efa voasotra ao @ tantara ny firenena ho mandrakizay ny zava-doza nataon'ity zalahy ity.

Jereo koa eto 

 


Navela Iady Irery Dia Evy Eo Mody Hitomanina

news2dago 28 Janoary, 2009 14:47 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dadany raha hanao resaka serasera ry zareo mpitarika vahoaka eto @ 13 mai ireto ka. Samy nahita ny tenin'ny ben'ny tanana ny malagasy rehetra nanao oe: "Tsofiko rano ianareo raha ho any @ mbs fa izaho kosa hiverina eny @ 13 mai mba tsy afahana misambotra ahy"

  (sary avylavitra ireo fa azo sambom-belona ny mpandroba)

Eto izay dia fantany oe hiom-pefy ity tantara ity ka nahoana no nilaozana ary ny vahoaka avela andeha irery efa fantatra oe hisy hitifitra any. Naninona no tsy nanarina ireo mpilahatra nandoro ny Rnm sy ny Tvm kanefa fantatra izao fa fananam-panjakana ireo. Za aloha tsy mbola naheno ny ben'ny tanàna na indray mandeha oe malahelo izy noho ny fahasimbana nisy teo @ ireo haino amanjerim-panjakana ireo e?

  (sary avylavitra)

Fa nony nisy kosa ny maty dia io fa hitomanina etsy @ 13 mai ilay razana. Mahagaga ihany ny fialana andraikitra ataon'ilay nitarika. Manarak' izay dia tapany fa hatao tanana maty hono eto Antananarivo rahampitso? nihena be mihitsy mantsy ny mpanaradia ny tolona ankehitriny. Ka aleo @ asabotsy indray no mifampitaona. Fa ity no fanontanina tiako ampetraka oe vahoaka iza moa no naniry ilay tetezamita? sao dia mba olona tokana ao ambadika no lazaina fa vahoaka. Asa ny olona no aoka hitsara.

  (sary avylavitra)

Manarak'izay dia milaza izy(Andry TGV) oe tsy tompon'antoka @ izao korontana izao i Rolland Ratsiraka ary narovany fatratra teo @ 13 mai androany. Nony nanotanina t@ tv plus anefa itsy farany dia nilaza mazava izy fa "tsy izaho no nitarika olona nidina teny @ 13 mai". Miala pà ny anao lahy ary manipy ny baolina eny atsorok'ilay ben'ny tanana izay tena hita mihitsy oe voabaiko sy voafehin'ireo mpiaradia aminy.

Etsy andaniny kosa anefa dia tonga nitsidika ny rnm sy ny tvm tetsy anosy ny Filoha Ravalomanana ary nanome toky fa amboarina haingana ny simba ary nisy mihitsy moa ireo mpiasa tao no nitomany nigogogogo. Ary aloha ihany koa ny karama na may aza ny bon de caisse. Tehaka nirefodrefotra no azony teo ary nanome toky ny olona vory nanodidina azy teo fa hanampy azy @ izay! Avy eo izy niazo an'Iavoloha.

Efa manao andrana ara-tekinika ny tvm ankehitriny ary efa mandeha ihany koa ny radio viva. Tsy voaresaka intsony kosa anefa ny resaka fifampidinihana. Ny loza dia ity MANDAINGA BE MIHITSY I TGV FA ANOTAN'ireo mpanao gazety vahiny milaza mantsy izy fa tsy mety hifampidinika aminy hono ny filoha??? nefa izy no mametraka fepetra be sy ady varotra be. Izany ve no hitondra ny TETEZAMITA Tapaka ho azy eo.

Jereo koa eto


Miatra Ny Couvre Feu

news2dago 27 Janoary, 2009 17:17 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia mbola miaina ao anatin'ny tebiteby ny vahoaka tsy madady arona ankehitriny. Mandray ny andraikiny kosa anefa ny fanjakana ka norotsaka ny EMMO NAT ary tsy azo atao ny mivorivory na mandeha mihoatra ny @ 9 ora alina.

Mandeha ny tsaho oe i Andry rajoelina no namoaka ireo miaramila ireo!!! Raha marina tokoa izany enga anie ka ho diso aho dia efa naman'ny mangorona entana ny fitondrana Ravalomanana. Ny RDB kosa anefa dia namoaka ny tenin'ny Filoha ary nanome baiko ny mpitandro ny filaminana @ izay ary tsy misy mahazo milahatra intsony manomboka eto. Ho hita eo raha mbola sahy hidina etsy @ 13 mai ihany ireo jiolahimboto mpandroba ireo.

Ny any @ faritra aloha ny vaovao henoko farany dia tapitra nodorana sy norobaina avokoa ireo tranombarotra magro. Hiampy indray izay ny mpisom! noho ny tsy fisainana kely fontsiny sy ny ambom-po diso toerana. Tapitra hatreo koa ny resaka fifampidinihina izany. Be kaomandy laotra mantsy ilay ben'ny tanana fa oe nahazaka jiolamboto mpandromba ka manao ramatahora eran'ny madagasikara.

Jereo koa eto


Alin'ny 26 Janoary 2009 Teo Iarivo!!!

news2dago 27 Janoary, 2009 09:05 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mangidy ny rora ary manakifin-doha ny sasany mijery ireto zatovo miandahy miambavy mitaona ny entana norobaina teny @ tranombarotra vaky teto an-drenivohitra. Fa loza inona re ity nataon'ny zanak'Antananarivo ity e. Tsy tahotra tsy henatra fa dia miseho mazava eny izy rehetra milanja izay voaray ny tanana. Dia lasa fanjakan'ny baroa tokoa ny tanana. Efa madiva hilentika eto ny masoandro tsy misy mandeha intsony ny fahitalavitra ary radio vitsy sisa no heno.

  (namoatsapona le zalahy ity)

Gina sy mangasihasy ny rehetra ary nilatsaham-panenenana izay toa mandatsa ihany ankehitriny manao oe "Tahak'izay" izay mitovy @ tsy misy ihany. Tsy voafehin'ilay amboadia mitafy hodin-janak'ondry ireto olona notaritiny izay tena nihaom-pefy mihitsy mandromba sy mamaky trano etsy sy eroa nasesiny avokoa nanomboka teny @ CITIC sy supreme Center etsy behoririka ny magazay courts niampy ny Naza electronic sy ny shoprite Analakely ny vakitrano. Simba ny tanàna manjaka ny asan-devoly. Miraviravy tanana ny vahoaka tsy hita izay hiatorahana. Ny miaramila rahateo tsy nahavita niaro akory ireto vahoaka.

  (sary ravatorano)

Ny radio ara-pilazantsara iray Vaovao Mahasoa izay isaorana eto noho ny fitondrana am-bavaka ny firenena tsy akin-janona ny vavaka nasandratra avo dia avo. Manondro @ 9 ora alina latsaka folo ny ora no niditra mivantana tao @ Radio ny Praiminisitra izay hita ho feno feno tokoa ary voton-dranomaso miantso ny vahoaka ho tony ary efa miroso @ fampindinihina ny roa tonta. Velom-panantenana teo ny rehetra oe hifarana @ izay angamba izao fitaitainana izao. Fotoana fohy avy eo anefa dia namaly indray ny ben'ny tanana avy eo manao oe tsy marina velively izany. Tankina ny tena naheno oe ary manotany tena tokoa oe ankasitrany ary ve izao zavatra mitranga izao? 

  (sary ravatorano)

Manondro @ 12 ora sy sasany alina ny ora no naneno ny finday-ko antso avy any @ havana ihany ilay izay mampilaza manao oe misy manampoizina ny rano ary zatovolahy miisa 5 no mandromba sy mamaky trano eny @ 67 Ha rehetra iny. Miantso vonjy ireo traboina kanefa tsy nisy afaka namonjy ary maromaro mihitsy ny olona tapaka lalan-drà oe noho ny fitaitainana teny @ iny faritra iny. Efa poa basy tsy misy hifandrenesana eto Analakely hoy izy ary mijoalajoala efa ho 7 metatra ny afo eo @ Naza electronic. Manao izay ho afany ny mpitandro ny filaminana mandamina.

Asa izay any gaza sy bagdad any fa tena mandry tsy lavo loha arabakiteny ny tena ity tsy mahita tory mihanohaino oe inona indray no hitranga avy eo. Soa fa nisy ilay fahitalavitra LTV iny teo azo nojerena nandefa hiram-pivavahana. Mavaivay tokoa ny fitsapana nahazo ny zanak'Antananarivo ka noho izay angamba no nahatonga ity hafatra fohy SMS ity tonga aty amiko dia ny oe "ronjom-bavaka atao manomboka @ 9 ora ary ao @ Daniela 9:4-19".

vao mangiran-dratsy dia efa taitra sahady ny tena ary somary mangina ny tanana heno rahateo koa fa aato aloa ilay fihaonana etsy @ 13 mai izay notarihin'ny amboadia mitafy hodin-janak'ondry izay milaza fa tsy hanakorotana sy hilamina tsara kanefa dia mibolila mandromba etsy sy eroa. ary hita sy kinendry ihany ilay izy hatr@ voalohany oe korotana sy rotaka no kobonona mampatsiahy ny andro fahiny rehefa resy ny club M de vaky ny vetmad sy ny bata tsy hiteny aho oe t@ andron'iza no nisy an'izany.

Ny tena moa dia niezaka hatrany mba nandajalanja ary miezaka hatrany mba hanana ny fijery marolafy ka namoaka lahatsoratra indraindray mety hifandiso @ fijerinao mamaky kanefa zontsika ny miady hevitra hatrany mba hirosona any @ tsaratsara kokoa. @ 6 ora sasany maraina ny andro ary navadika any @ marin-drefy ny RDB ny radio ka indro nifandimby niteny tao ny ben'ny tanana ny PM ary farany ny Prezida Ravalomanana izay samy miantso ny olona ho tony sy mba hifampidinika. Manomboka eto kosa dia ho vasoka @ izay tena fanetribe ny firenena.

Re koa izao fa manomboka ny fandrombana any mahajanga. Mazava ho azy fa avy @ ny tgv sy ny ekipany no fototry ny korotana rehetra kanefa dia mbola sahy manadio tena ihany ny ben'ny tanana na dia tsy ho afaka @ ny andraikitra nitarihiny ireo olona marobe miampy ny jiolahimboto nokaramain'ny antoko ny fitondrana teo aloha. Adala ihany Antananarivo mandrora ny azy ka izao no alehany. Ilaharana sahady ny menaka ny vary moa va tsy efa fahita t@ andron'ny amiraly izany.

Jereo koa eto


111 Ny Maty Ary 80 Maratra Mafy(Updated)

news2dago 26 Janoary, 2009 11:09 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nodoran'ny olona ny RNM ary hiazo ny MBS ny vahoaka tsy hay tohaina. Vahoaka be tokoa ireto milahatra ireto raha ny tantitra henoko farany.May ihany koa ny tranon'ny loholona Moxe Ramandimbilahatra. Miazakazaka be ny vaovao ankehitriny.

Tsy toy izao intsony izany ny zavatra mety ho tazana ao Anosy ao! Indrisy tsy mba hanana zavatra tsara mihitsy isika.

Nahatafiditra baolina izany ny ekipan'ny TgV androany raha ny filazan'ny olona satria dia may koa ny MBS @ izao za manoratra izao @ 1 ora sy 30 moa eto Antananarivo. Inona no mbola andrasana e! sa miandry faty olona vao hifampidinik.

Rotaka be ny tantara e! nisy nifampitifitra tetsy @ mbs ka 1 no maty tsy nahasakana ny olona maro be anefa izany fa tafiditra ato @ mbs ihany ry zareo ka potika tanteraka koa ny mbs. mIrodorodo makaty @ 67ha indray ny olona ankehitrinytsy hay oe ho aiza na ho aiza. Mafana ny raharaha ary tena mampahonena ny korotana. Tanterina eto ihany ny vaovao manaraka. 

Nikatona avokoa ny mpivarotra rehetra ary nasaina nody ny mpianatra eny @ sekoly katolika. LOza ny niafaran'ilay tolona ary rà mandrika izy ity ao aorina ao.

May daholo ny fananan'i ra8 eto Antananarivo  ny etsy Ankorondrano indray zao no mirehatra ary miakatra ny setroka nalaina ny entana sy ny zavatra rehetra tao ny Magro io. Dia io efa miakatra io koa ny setroka etsy @ magro tanjombato. Asa oe aiza indray ny manaraka??? Mbola miantso olona ho eny @ 13 mai indray ny ben'ny tanana @ 4 ora latsaka fahefany eto Antananarivo. 

Zazalahy kely vao 14 taona no maty tetsy @ mbs Anosipatrana androany ary lasa sorona tsy fidiny @ ity politika maloto ity. Ny ambetitenin'ny olona moa dia oe: "Miteniteny foana i ra8 no mahatonga ny olona ho romotra sahalan'io". Inona ary no hitranga rahampitso sy rahafaka ampitso. Efa mndeha koa ny tsaho oe efa tsy manaraka baiko intsony ny polisy ankehitriny fa ny zandary sisa no ao. Raha ny resaka moa dia oe ny olona mihitsy no naka ny basy teny antanan'ireo miaramila niambina ny mbs!!! Mazava ho azy fa mikorotana ny tanana ankehitriny. Vao tonga ny sary dia asiko haingony ity lahatsoratra ity na dia somary mampalahelo ihany ny fihodin'ny raharaha ankehitriny

Horera

 Jereo koa eto


Tampina Ny Daomy! Updated

news2dago 26 Janoary, 2009 03:56 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Vita hatreo ny momba ny viva radio sy ny ben'ny tanàna satria dia nandray andraikitra ny fanjakana t@ ireo nigafigafy eran'ny tanana. Efa tsy mandeha intsony ny viva radio @ izao fotoana anoratako izao. Mety efa vosambotra ihany koa ny ben'ny tanana. Ny hany henoko tety @nay izay tsy dia lavitra @ foibe ny viva radio dia zavatra nipoaka be inimbetsaka teo @ 1 ora maraina teo. Hijanona hatreo ary ve ity raharaha ity? Miandry ny rehetra...

Miandry ny vaovao ny rehetra miteny ho azy kosa ny sary afahana mitsakotsako ny korotana nitranga sy ny zavatra mety hitranga androany. @ 6 ora sy 10 maraina izao eto Antananarivo.

Voalaza fa vazaha afrikanina tatsimo no nokaramaina naka ny emetteur ny viva radio. Niaraka t@ filoha avy any ary ve ireto mpikaramady ireto. Niady ihany ny andrimasom-pokonolona fa atody miady amam-bato!!! fa dia nahoana kosa ary no olona avy any ivelany no asaina manao izany asa izany. Voalaza ihany koa fa novakin'ny olona ny magro behoririka. Vaky avokoa ny fitaratra ary voahongotra h@ varavana vy nanidy ity tranombarotra ity.

Efa misy olona mitagorona ihany koa eo @ 13 mai ary efa mipetraka ny fanamafisam-peo. Mbola tsy voasambotra akory ny ben'ny tanana hatreto ny androany no tsy fantatra. Maro ihany ireo orinasa nihidy androany indrindra ireo orinasa ny karana. Mihidy ihany koa ireo birao ny firaisana. Mila miditra antsehatra kosa ireo mpanelanelana e! angamba fotaonany izao. Mbola miantsy sy manejika ny tolona ihany koa anefa ny ao @ mbs toy ny natao ny viva ihany koa. Lakolosy tokana aloha izany no heno hatreto. Tsy mandeha ihany koa ny tvm sy ny rnm eto Antananarivo ny any @ sisiny mbola mandeha tsara hoy ny namana any. Latsaka kely izao ny @ 10 oro maraina miandry ny hetsika etsy @ 13 mai indray sy izay mety tatitra ho heno eo. 

 @ 11 ora katroka izao mikabary eo @ 13 mai i Andry Rajoelina ankehitriny voalaza fa vahoaka vorilanina ihany koa no ao ankehitriny raha ny vaovao azoko @ antso an-tariby. Miantso izy "ny hivoahan'ny mpianatra sy ny mpiasa ary milaza fa ry zalahy no mampiasa fitaovam-piadina". Ho eny @ tribonaly ny mpilahatra ankehitriny satria misy ireo mpianatra nosamborina. Ny mpilahatra moa dia miaogahaoga oe "izahay tsy matahoatra kaomandô".

Etsy andaniny dia heno koa fa nisy nandoro ny tranon'ny loholona Moxe Ramandimbilahatra. Misy ny sakan-dalana etsy sy eroa ankehitriny.

Jereo koa eto


Breaking News!!!!! Updated

news2dago 25 Janoary, 2009 08:38 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Raikitra ny gidragidra satria nivoaka ny didy fampisamborana ny ben'ny tanana!!!Mangitakitaka sy mitaitaina ny vahoaka ankehitriny. Miangavy sy maniry ny tsy hisin'ny rà latsaka ny maro an'isa. Hiaino ve ny mpitondra hanaiky mora foana ve ny ankilany?

  sary avylavitra

 

MIARAMILA Maro maro MANAO SAROTAVA MIAKATRA ENY AMBOHIMITSIMBONA sy miaodiaody eran'ny tanàna ary Miezaka ny hanala ny emetteur ny viva radio ireo sy andeha hisambotra ny ben'ny tanana eny Ambatobe @ izao ora hanoratako izao raha ny filazan'ny viva radio moa dia oe mirodorodo miakatra eny ihany koa ankehitriny ny andrimasom-pokonolona.

  (sary avylavitra)

Miroso makany  @ fifadonana ny raharaha mazava ho azy.

 

Etsy ankilany dia manao antso avo ao @ TV MBS ny mpomba azy mba hitsena ny filoha amim-boninahitra izay avy namita iraka avy atsy afrika atsimo voalaza moa fa @ 2 ora izy no higadona eny ivato ary hanao izay ho afany ry zareo hampiseho oe mbola mamim-bahoaka ity filoha ity. H@ ovina indray no lasa misy fitsenana ny prezida alefa @ tele izany e! Efa alohalika tokoa ny ranom-bary kanoa.

 

Mandeha be ny toe-draharaha ankehitriny ary ady @ serasera no tena misy ankehitriny dia miroso eo daholo ny taim-bava mandranitra ny vahoaka hifankahala na ny mbs, radio mada h@ radio fahazavana  mpanohana ny fitondrana aandaniny ary ankilany kosa ny viva ny antsiva ny radio don bosco manohana ny andry rajoelina dia samy manao itony antso mivantana avy @ mpihaino itony. Mazava arak'izany fa samy manana filazany ny rehetra ary milaza ho mahatarika olona daholo.

  (sary avylavitra)

Nisy fanerena ny olona rehetra isan-tonkatrano teny ambohibao hivoaka ny trano miaraka @ karne hitsena ny filoha ary hanofanofa saina eny @ arabe. Mivoaka daholo koa ireo fiarakodia mandeha eran'ny tanana mandefa ny fanetanana hitsena ny filoha dia mitovy @ ireny oe misy propangady ireny mihitsy e. Dia samy manohana ny azy eo daholo. Fa ny olana sy indro kely dia miantso ny mpitondra ireto vahoaka(nitsena ny filoha ireto) hisambotra an'i tgv. Dia namaly moa ny praiminisitra oe: "Aza matahoatra fa rahariva ihany!!!"

Arak'izany dia ahina mafy mihitsy ny hisin'ny ady ny samy malagasy sy ny korontana. Mbola lavitra raha ny ho @ izay latabatra boribory izay. @ 3 ora marina moa izao eto Antananarivo ary efa ningadona ny Filoha izay nody tampoka avy any afrika atsimo na dia tokony mbola tokony hivory aza izy rahampitso. Tanteriko eo ihany raha vao mahazo fanampim-baovao. 

JEREO KOA ETO


Sarin'ny Tolom-Bahoaka

news2dago 24 Janoary, 2009 19:32 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Indreto misy sary vitsivitsy nalaina tetsy sy teroa avy any @ ireo namana mavitrika nanaraka akaiky ny tolom-bahoaka tarihin'i Andry TGV.

NO COMMENT!!!

  (sary manalazy)

 

(sary avylavitra)

 

  (sary avylavitra)

 

  (sary avylavitra)

 

Manao antso avo hanao andrimasom-pokonolona hatrany moa ny viva radio ankehitrina. Ahina arak'izany ny mety fisamborana sy ny fanakatonana ny radio viva izay marihina fa be mpihaino tokoa ankehitriny.

  (sary avylavitra)

  

Marihina fa nitombo avo roa heny ny isan'ireo mpitolona noho ny t@ 17/01/09 ity hetsika androany ity

Tohiny ato jerena

JEREO KOA ETO

 

 

 


Nidina Eny @ 13mai Ny Olona!!! Updated

news2dago 24 Janoary, 2009 11:05 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Raikitra ny fanoganana ny fanjakana! hidina eny @ 13 mai ny olona!!! @ 1 ora tolakandro izao. Mitaky ny hirosona any@ tetezamita moa i andry rajoelina.

 

Hisy raharaha eto satria dia manaraka akaiky ny mpanao gazety any ivelany. Ho avy ny miaramila hisambotra ny ben'ny tanana. Hiaro ve ny vahoaka? Satria mazava fa hanongam-panjakana izy. Izy hono no hitondra ny tetezamita.

Raikitra izany ny fitokonana manomboka @ alatsinainy??? Hitoy tsy akihato ny findinana an-dalambe.  Misokatra indray ny tantara vaovao ho an'i Madagasikara manomboka eto. Miasarotra ny raharaha ary lasa lavitra ny fitakin'i Andry Rajoelina. 

 

Ny fototrin'ny olana nampisy ny disadisa teo @ 2 tonta aloha dia avy @ fanjakana ihany izay nanidy ny viva TV. Izay nandefa manontolo ny resak'i Ratsiraka nandritra ny 40 mn ny andron'ny 13/12/2009. Inona moa ny olana raha tsy nasina sira tany fotsiny io tranga iray io e! efa mitady raharaha koa anie ry lerony e.

 

Manaraka izay dia nividy fiaramanidina 60M$ indray izay karazana rendrarendra ihany eo imason'ny vahoaka izay mijaly sy mahantra.

 

Eo koa ilay resaka tany namidy @ koreana sy ny fanatotofana ny betsimitatatra... sy ny maro hafa koa. Etsy andaniny dia manao teny anavona ny fitondrana fa tsy manaiky hifampiresaka. Hadrasana efa ho vaky ny takobilany vao mikorapaka daholo ny rehetra.

Ny filoha moa ankehitriny dia lasa any afrika atsimo rehefa avy nitsidika tatsy morondava izay nolalovan'ny rivodoza. Tsy mahagaga raha lasa fanjakan'ny baroa eto amintsika.

Tsy mbola misy feo heno aloha hatreto avy any @ fitondram-panjakana.

Jereo koa eto


Hadisona 7 Nataon'i Fanjakana Ra8

news2dago 19 Janoary, 2009 11:49 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Malaza @ politika bontolo ny afrikanina ary lasa zary fihomehezana ho an'ny firenena mandroso. Nigagana ny Ganeana raha nahafidy filoham-pirenena t@ alalan'ny fifidianana ary nahay nipetraka sy nanaiky resy ny mpitondra resy t@ izany. Hanatra ho an'ny firenena afrikaina hafa iny. Mbola tsy ho @ izay anefa raha ny eto Madagasikara manokana no lazaina.

Raha ireny hamaron'ny olona t@ asabotsy ireny ohatra no tsy hampihetsim-bolomaso ireo mpitondra dia efa mitady raharaha hafa mihitsy izy. Ny RFI mantsy izao dia tena loharanom-baovao matanjaka mamoaka izany any ivelany any ary manakaiky ny marina lavitra aza ny vaovao avoakany noho ny mihaino ny tvm sy ny rnm ny tena indrisy mbola sy zaka ilay demokrasia e. Aiza ve ko ny RFI no henoina raha hiaino vaovao eto Madagasikara enao zavatra tsy tokony hitranga akory. Nisy namana mantsy any @ faritra any dia milaza fa tsy maharaka vaovao mihitsy izy fa @ rfi no mba mihaino. Aza maika ianareo ry rfi fa atsy ho atsy nareo dia hagorona entana indray.

Hadisona voalohany amiko ny tsy famelana ny olona hahalala ny vaovao misy marina. Manjaka arak'izay ny hono hono sy ny tsaho izay tena talentan-dramalagasy ihany koa. Loharanom-baovao iray mantsy no mba fihainon'ireo mpakasitraka sy ny mpanohana dia ny viva radio sy ny mbs. Dia samy manamboatra ny vaovaony araka ny mety aminy eo. Mazava ho azy fa ho diso ny fomba fijery avy eo.

Hadisona manaraka dia ny tsy firaharahina ny hafa izany. Tsy misy alaroalaro fa izay tina ihany no tsy maintsy ataon'ny hafa. Firifiry moa ireo mpitondra misonoka @ harem-be @ izao fotoana izao kanefa nivelirano ery tery @ 13mai t@ fotoanandro oe hanao ny mangarahara sy hitandro ny fahamarinana sy ny fahamasinana.

Hadisona fahatelo dia tsy fanekena ny zavamisy marina. tsy inona izany fa mihena ny fitiavan'ny olona an'i ra8 ankehitriny indrindra ny eto Antananarivo izany. Dia ho faizina ary ve izy ireo satria tsy tia anao intsony. Avereno ny delestazy asondroty ny menaka sy ny sisa...

Hadisona Fahaefatra manaraka dia ny fanaovana ny fiangonana ho fitaovana politika. Tsy azo lavina mantsy fa tokony hijanona ho elanelam-panahy izy ireo ka afaka anatonana rehefa misy ny tsy mety. Ny zavamisy ankehitriny anefa dia voabaiko izy ireo hanaraka ny firehan'ny mpitondra.

Hadisona fahadimy dia ny fanagadrana olona tsy mitovy hevitra @ tena. Tsy misy falalahana izany ho an'ny mpitsara fa tsy maintsy mamorona dossier ho an'izay olona tina ho gadraina. Loza anie izany re olona e!!! Mety alaim-panahy izao ianareompamaky hilaza fa pro-TGV za! Tsy izay loatra fa mba tia mamakafaka ny zavamisy aho ary tsy maintsy mba mamoaka izay ato andohako ato.

Hadisona fahaenina dia ny fanaganana fahavalo ho an'ny tena. Maro ny olona nailika fotsiny izao toy ny tsy niara nitolona sy niaritra ny mafy ery teny @ 13mai lazaina izy ireo fa mpanao politika efa retirety sy sisa kanefa dia natsoina rehefa mila vonjy toy ny t@ 17 desambra lasa teo ohatra. Maro tokoa ireo antoko sy fikambanana nailika noho ny tsy fitoviam-pijery ka mazava ho azy fa mihena izany ny olona manohana fa ireo tena mpisolelaka sy mahita ranon-dranony sisa no manompo ao.

Hadisona fito izay tsy farany akory fa mbola maro ireo fahotana mahafaty vita dia ny fitiavan-karena diso tafahoatra. Tsy vitsy ny mahalala ankehitriny fa mpanao bizina gravy be ity fitondrana @ izao ity. Ary indraindray dia manampatra fahefana mihitsy mba azoana ilay harena. Ka na iza na iza manakatsakana eo dia any amponja izay.

Raha akapoka izany dia makany @ jadona izao fanjakana izao. Ny fanotaniana mipetraka dia ity mety hahay hanova famindra ve?

Ny vaovao hafa kosa dia nirodana ilay lampihazo eny Andohalo izay vao notokanana ka lasa nihodina resaka politika ilay izy ny ankilany milaza fa zara fa vita ny andaniny milaza fa nosimbaina ilay izy. Ny azo antoka aloha dia nisy naratra t@ ity loza ity ary efa nidodododo nanome fanampina any ny fanjakana foibe.

Mandry tsy lavoloha ny olona ankehitriny ary matahotra korotana mafy ka na olona manao vazivazy ratsy aza dia efa manakorotana tsena iray manontolo. Tranga hita sy niseho ity t@ asabotsy lasa teo. Mbola betsaka ny tiana ambara fa aleo indray @ manaraka.

JEREO KOA ETO


Nangalarina Ny Fitaovan'ny VIVA TV!!! Updated

news2dago 17 Janoary, 2009 15:31 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nisy namaky teny Ambohimitsimbona ny emetteur Viva TV miaramila morongo basy no naka izany ankerina araka ny vaovao vao azoko izao! Mitohy izany ny gidragidra fa tsy misy hanaiky resy eo. Manomboka ny andrimasom-pokonolona miaro ny viva radio etsy ambodivona.

Toa filma efa nandeha izany raha ny fijeriko azy. Tapaka foana ny jiro eto Antananarivo ary misy baiko midina avy any ambony mihitsy no manao izany mba tsy afahan'ny manaraka vaovao. Manomboka mikorapaka ny mpitondra @ akapobeny.

Araka ny sary vitsivitsy nalain'ny namana avylavitra dia anjaratsika ny mitsara na nahazaka olona ity hetsika ity na tsia:

 

 (sary avy lavitra t@ 3ora latsaka folo)

 

Marihina fa mbola somary maraindraina ny namana dia efa nanomboka naka ny sary! na izany aza dia nokasaina atomboka t@ 10 ny lanonana kanefa dia mbola vitsy ny olona tonga t@ 9:30 maraina. Mbola hikaroka sary etsy sy eroa aho afahana mandaja tsara ny zava nisy marina.

(sary avylavitra)

Misy mantsy ny olona sasany nilaza fa vorilanina ny olona tao ary nifanitsakitro tokoa ka tanteriko eo ihany raha vao mahazo fanampim-baovao aho.

(sary avylavitra)

Miteny ho azy ny ora etsy ambany oe mety ho feno ihany ny kianja angamba any @ 12 ora any! lol

(sary avylavitra)

Marihiko fa raha ny filazan'ny radio antsiva sy ny viva dia hipoka ity kianja ity nanomboka tany @ 11 ora tany ho any izany oe mbola adin'ny iray mialoha izany dia efa toy izao sahady ny olona namandrika toerana. 

(sary avylavitra)

toy izao kosa ny hamaron'ny olona tany @ 10:30 tany ho any

(sary avylavira)

 

 

 

 

 
 
 

 
 

 

 

 

 

 

 

 

 Fehiny dia nahazaka olona ilay TGV kay!

Esory ny minisitra 2 Minisitrin'ny vola sy ny Minisitrin'ny fanajarina ny tany!!!

Esory ny MBS sy ny sisa 

Tsy ekena ny jadona etsetra etsetra....

Hoy ireo vahoaka be manaraka ato afara.

@ Asabotsy indray mifankahita hoy ny ben'ny tanana

JEREO KOA ETO

 


Aza Mamono Vahoaka!!!

news2dago 16 Janoary, 2009 09:15 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Avelao izy (VAHOAKA) hanao izay tiny fa aza raràna @ izany. Krizy lehibe voalohany ho an'ny mpitondra ankehitriny ity fifanolanana misy eo @ sy ny cua ity. Mandeha mantsy ankehitriny ny tsaho isan-karazany oe efa karamaina any ho any ireo mpanakorotana ilay fitokanana ny kianja ny demokrasia.

 

 (sary gazetyavilavitra)

 

Ny prefet de police koa dia nanipy ny arotanana ka nilaza fa tsy mahatapa-kevitra @ izay andraikitra tokony ho raisina. Tokony tsy ho adinoina tokoa mantsy fa ny vahoaka no andriamanjaka hono raha ny demokrasia no resahana. Koa raha hitany oe fotoana tokony hanehona hevitra izao na koa hilaharana dia aza raràna izy. Ampirimo tsara any andakazery ny maramila sy ny basy fa aza alefa eny Ambohijatovo ry mpitondra hajaina indrindra. Mba fiangavina ihany ny ahy io fa izay fanampahan-kevitra raisinareo eo kosa dia anareo samirery izany. Tsarovy tsara fa tsy voavidy vola ny rà latsaka na izy io na izy samy malagasy isika ary samy merina ihany koa!!! tsy tokony hisaritaka.

Marina mihitsy mantsy fa mety hanomboka rahampitso ny faharavan'izao fitondrana izao raha tsy mahay mitandrina izy ireo @ famonoana vahoaka. Avelao jerena oe raha mahazaka olona fa na 100 no ho avy eo na 1.000 na 100.000 na firy na firy dia heviny io samy manana ny fomba fijeriny foana fa tsy voatery hitovy amin'ny anao akory. Izany rahateo ny demokrasia. Fahendrena ny mamela ireo olona mpiantana ao @ CUA ireo haneho hevitra ankalalahana tsy misy herisetra. @ izay fotoana izay mantsy ho hitan'ny havany eo ihany izay tena mbola tiny vahoaka.

 

(sary lexpressmada 16/01/09)

 

Koa raha tanin'ity ka hita fa mahazaka olona izy (CUA) dia aleo manaiky ny teniny mamaha ny olana an-databatra boribory ary manao fifanarahana ampilaminana raha mbola tinareo ny hijanona eo @ fitondrana. Raha ohatra kosa ka hita oe tsy nahazaka olona dia aza rabirabina na hihebohebo indray oe mbola manjaka tokana izahay ka hanao izay danin-kibony ihany dia ataovy toy ny hanatra ihany. Ho anareo eo anivon'ny CUA kosa dia avadio im-pito foana aloha ny lela vao manampan-kevitra fa aza maika maika hanao zavatra tsy ampieverana @ manaraka.

Aleo mihitsy ampianariko eto ireto raiamandreny sy zanaka ireto fa tsy mahay mandamina ny raharaha tokatranony akory. Enga anie ka hahay hanaja ny hafa ny tsirairay indrindra milaza fa mpandala ny demokrasia io.

JEREO KOA ETO


Tsy Mahazaka Demokrasia Ny Malagasy

news2dago 15 Janoary, 2009 08:57 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ity fitondrana entin'Ingahy Ravalomanana Marc ity dia fanjakana nalaina teny an-dalambe na tiny izany na tsy tiny. Izy no nitaona olona handika lalàna nitarika olona ho tapahana tongotra sy hiady @ miaramila sy ny GIR t@ taona 2002 tsy tokony hadinoana ny tantàra. Noreseny lahatra ny vahoaka t@ izany oe arovy ny safidim-bahoaka dia io fa revo tao daholo ny vahoaka malagasy izay efa leo ny mpitondra t@ izany. Ny vahoaka no niaro ny tranony ny fananany ny ainy koa aza raha ilaina izany dia sahin'ny vahoaka ny niaro azy andro aman'alina. Avy eo izy dia nanadran-tena ho filoham-pirenena ny 22 febroary 2002 izay tena azo lazaina oe fanoganam-panjakana mihitsy no nataony teo. Mandala ny demokrasia hono izy t@ izany andro izany.

VS

Etsy andaniny dia toa te hanaraka ny làlana nosoritan'itsy lazain'ny maro oe raiamandreny itsy kosa Ingahy Andry Rajoelina ka hitarika vahoaka atao sorona (efa fantany tsinona fa tsy maintsy hidrikina ny ankilany) izy ary hitokana izany oe kianjan'ny demokrasia izao ny asabotsy 17 janoary 2009. Ie toa marina ihany ilay tenenin'i deba oe: "Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina". Ny misitery dia ny oe hiaro azy ve ny vahoaka izay efa leo ihany koa ity fitondrana ra8 ity tsy azo lavina izany. Hahay hitarika olona ve ity bandy kely ity sa tsia? Ho hita eo ny tohiny @ asabotsy.

Amiko dia mila miresaka ny roa tonta fa tsy tokony hanao be loha ohatran'io!!! Inona moa ny zavatra tsy vita @ fifampiresahana e? Ary na manana ny marina aza ny iray @ izy roa tonta dia tokony mba hahay hihaino ny hafa. Eny fa na dia manana ny herim-pamoretana sy ny fahefana feno aza ny mpitondra tsy tokony hanome lamosina ny ben'ny tanana toy izany koa ny ben'ny tanana na mahatsiaro ho voaporitra aza dia tokony mba nangataka fihaonana t@ mpitondra ihany ary io no tokony narangaranga hatrany. Rehefa tsy nety izay dia naka mpanelanelana aloha eo ny FFKM na ireo raiamandreny hafa afaka hanao izany. Farany dia farany vao miantso vonjy @ vahoaka @ izay. Eo mantsy dia mandry kokoa ny saina oe efa vita ny dingana rehetraka afaka mandray fanampahan-kevitra mifanojo @ ilay tiany vahoaka.

Io na inona na inona ny mety hitranga eo dia tsy azo hiverenana intsony ny tantara. Samy ho tompon'andraikitra eo daholo isika rehetra.

JEREO koa eto


May Ny Hotely Kintana 5 Eny Ivato

news2dago 22 Desambra, 2008 15:59 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mbola tsaho ihany koa ity oe may indray koa hono ilay hotely tsara tarehy eny Ivato!!! Ny fahamarinany aloha dia rahariva vao mety tena ho fantatro. Ô leretsy e! Tsy mba mendrika hanana zavatra tsara mihitsy izany isika eto Madagasikara eto ka! dory daholo izay hitanareo mbola tsara eto. Tena fisainana mirefarefa @ tany mihitsy ka. Misy ambadika pôlitika io satria ny fivorim-be mihitsy no tian'ny sasany tsy hisy! Lozan'izay iavin'ny fanafitohinana.

Voalazan'ilay loharanom-baovao azoko teo ary fa tombanana any @ 70% any ho any hono ny fahavoazana ao @ ity hotely ity. Nanamafy anefa ny sinoa izay miantoka ny asa fa ho vitainy ara-potoana ihany io hotely io. Dia anjaran'iza indray ny manaraka satria efa may daholo na Andafiavaratra na ny Lapan'ny tanana na ny Rova ny manjakamiadana... Mila mailo ihany ary tokony hifandefitra hatrany ary tandrovana ny fananana fa tsy atao ohatr'izao.

Vaovao farany, dia tsy nisy nandoro akory ilay hotely fa nisy court circuit tao @ rihina faharoa izay misy kidoro sy hazo ary baoritra izay fantatra tsara fa zavatra mora mirehitra tokoa ka io no nampihitatra haingana ilay afo. Manaraka izany dia hita sahady ny lesoka @ ity hotely ity izany fa raha misy tokoa ny loza any aorina dia hirarakopana ny aina hafoy satria mbola tsy arifomba isika @ loza toy itony. Mila jerena akaiky koa ny momba an'iny.

Jereo koa eo


Hotapahana Koa Ny Aterineto!!!

news2dago 22 Desambra, 2008 08:54 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa nataon'ny amiraly izy ity t@ fotoan'andro ka asa raha mety ho tanteraka koa ao aoriana kely hoy tokoa mantsy ny amiraly oe:"Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina"!!! Ka mety hiverina daholo izany na ny andrimasom-pokonolona izay hiaro an'ingahy ben'ny tanana @ fanamborana (izay mbola tsaho aloha hatreto), ny barazy antiekonomika (ny filoha ny ACEM izay efa lasa tanan-kavanana ny filoha ankehitriny ihany koa), ... Ary ny farany izay tena hany sisa lalana tokana afahana mampiely ny vaovao haingana dia ny fanampahana ny aterineto izany.

Hamaivay io taona 2009 io ka na lasa PDS ny hitondra an'Antananarivo na hiroso any @ tetezamita izy ity. Pôlitika avo lenta tokoa satria dia ny sakay sy maso taloha no lasa miray latabatra ankehitriny dia ny Tim sy ny Arema izany satria ny ankamaron'ireo olom-boafidy ao @ Tsimbazaza ao ohatra dia ny Arema ihany no lasa TIM dia inona moa izany fa tsy marina ilay teny oe ny Teo Ihany no Miverina.

Manaraka izany dia miverina @ ilay tsaho izay mora mandaitra @ ramalagasy aho satria rehefa sakanana ny haino aman-jery dia tsy maintsy mihonona @ hono hono ny rehetra ka indraindray mety marina izy ireny mety ho diso koa anefa. Ka ny tsirairay no mila mahay madanjalanja izay fahamarinan'ilay tsaho.

Tombontsoa ho an'iza tokoa moa ny fanapenam-bava e? Tsy efa tokony ho mailo ve ny mpitondra oe efa nahavoa ny teo aloha ity fomba fiady iray ity ka tokony hanitsy ny lalana ry zareo!!! Misy marina kosa aloha ny voalazan'i tgv @ ilay resaka mbs io satria dia tsy afaka manamparitaka sary sy feo manerana ny Madagasikara izy fa ny Tvm sy ny Rnm ihany no tokony afaka manao izany. Eo zao dia efa hita oe nilaozan'ny toetrandro ilay lalàna mifehy ny fifandraisana ka azo hiadina tsara any @ tribonaly mila fahasahina fotsiny io dia izay. Toriho aloha ny mbs oe tsy manara-dalàna ka tokony akatona, eo mantsy ho hitan'ny havany eo raha misy ambany ny lalana tokoa ve eto sa misy ihany ilay tsy maty manota.

Fa mialoha izany rehetra izany aloha dia avelao aloha izahay hifety zay nareo vao milahatra sy manao barazy @ izay. Ho hita eo ny tohiny eo isika mahita izy... I news2dago kosa aloha dia hilaza vaovao foana na tsara na ratsy ho ny andaniny roa raha tsy oe angaha hanao vazivazy ratsy indray ka hanapaka ny aterinaeto!!!

Jereo koa eto

 


Mandat D'arrêT Contre Andry Rajoelina!

news2dago 19 Desambra, 2008 08:06 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Njay ny anareo!!! Gina ny tena namaky gazety mivoaka isan'andro iray ary avy dia nahoraka be eran'ny tanana ilay vaovao izay fikasana hisambotra an'i Bandy kely. Dia hanao ahoana tokoa izany ny fety ho diavina atsy ho atsy raha ho soparan'ny rapôlitika indray!!! Enga anie ka tsy hisy ny korontana izay no rarina.

Fa amiko kosa aloha raha manao izany fisamborana izany ny fanjakana izay voalaza @ sihon-daresaka moa: "fa namory olona mpanao politika tsy nahazoana alalana tetsy @ La Rotonde ingahy ben'ny tanana" no tena antony mety hisamborana azy. Avy dia hita mivandravandra fa tsy mahazo maneho hevitra intsony eto dago izany. Noho izany tsy misy ny demokrasia. Ho hita eo moa ny tohiny ny tantara fa ny aina no mateza.

Andaniny kosa dia mandrora mitsilany ny mpitondra raha miroso @ izany satria mety tsy hitazam-potsiny ny olona 63% ny mpifidy teto Iarivo raha misy izany. Tsy azo lavina fa mety tena hisy ny gidragidra izany. 

Efa miakatra ny maripana raha izany fa miandry izay higadonany sisa isika samy manisa andro izany ny andaniny sy ny ankilany. Izaho kosa hitazan-davitra ihany fa tsy misy hidirako ny @ izay satria tsy misy hanome ahy ariary na ny andaniny na ny ankilany ny ahy any am-paosiko aza no manaraka @ fandoavaka 6% @ impôt synthetique ho an'Ingahy ben'ny tanana ary ny hetra TVA homena an'i ra8 hozaraina @ ireo mpisolelaka mpanao pôlitika omena 400 tapitrisa ariary be izao (vola be hono no nozaraina teny Mavoloha teny t@ 17 izany adalan'ireo izay tsy te hankeny).

Izahay vaohako kosa ity miady mafy @ fiainana andro aman'alina mba nisy nijery ve? eo ireo mararay mila vonjy eny @ hopitaly mety miandry vola kely afahana mividy fanafody sy ny sisa... Eo koa ireo olona be antitra miandry pension milahatra efa manomboka @ 3 maraina eny @ fandraisam-bola avy eo anefa voaendaka etsy ivelany @ tsy fisin'ny fandrimpahalemana ry zalahy anefa manao ampihimamba ny volam-panjakana sy ny fandehanana mitety izao tontolo izao. tsy hanao lava teny aho fa ampy izay isika rehetra mahalala tsara ny fahorin'ny isan-tokantrano ankehitriny.

Jereo koa eto 

 


Bye Bye VIVA TV

news2dago 15 Desambra, 2008 07:55 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ny VIVA hatramin’izay nisiany, herintaona izao, dia niezaka hatrany tamin’ny fanomezana fahafaham-po ny mpihaino sy ny mpijery ary ny mpanjifa teo amin’ny sehatra fiaraha-miasa, na amina dokam-barotra (Publicité) sns...Ka n’inon’inona natao. Na teo amin’ny fampahalalam-baovao, na tamin’ny fandaharana novokarina dia natao izay hanolorana zavatra tsara ny mpanjifa, nametrahana ho ambony ny kolon-tsaina Malagasy ka nanomezana izay noheverina fa tsara tamin’ny sokajin-taona rehetra, ifantohan’ny filamatra hatrany manao hoe : « Le Feeling de toutes les générations ». Dia mirona amin’io ny foto-kevitra rehetra eo amin’ny fanabeazana na fampahalalàna amin’ny olom-pirenena ny zava-misy marina, tsy ny eto an-tanindrazana ihany fa izay vaovao lehibe misongadina miseho any ivelany ihany koa... Kanefa dia izao mijanona tsy afa-manohy izay tanjona hanome fahafaham-po ny mpijery izay ny VIVA noho ny fanapaha-kevitry ny ministry ny Paositra sy ny Fifandraisana ary ny Fifandraisan-davitra, nanao sonia ny taratasy voaray ny alin’ny 13 desambra 2008 hanajanonana ny TV, rehefa nandefa ilay fanehoan-kevitra fanazavàna ny zava-misy araka ny fahalalan’ny Amiraly Didier Ratsiraka, filoham-pirenena teo aloha, ny toe-draharaha misy eto amin’ny Firenena sy izay mahakasika an’ity Nosy ity. Marihana fa maro tamin’ireo gazety mpiseho isan’andro no namoaka izany koa, andro vitsy talohan’ny nandefasan’ny VIVA izany ny sabotsy alina. Efa nisy televiziona sy radio ihany koa efa namoaka ny ampahany tamin’izany resadresaka nataon’ny Amiraly Didier Ratsiraka izany.

Dia mampametra-panontaniana ny VIVA amin’izao izy tonga tamin’ny fanakatonana ny Antenne tsy hahafahan’ny Televiziona manohy ny asany izao.

Ny VIVA dia maneho etoana ny fisaorana lehibe anareo rehetra mpijery sy mpihaino azy. Ary mbola mampanantena ny hanome ny kanto sy tsara hatrany ho antsika rehetra.

VIVA TV/Radio FM 98.8
Antananarivo, 14 desambra 2008.
Source Madagascar Tribune

Ze ataonla eo ozy Iary izay e! Mahoraka eto @ tanana ny fanakatonana ny viva TV izay an'i Andry Rajoelina. Iny aloha efa raharaha tadiavina ihany ny itsy farany satria efa arahana maso akaiky ny fitsiny rehetra ankehitriny ary io tsy nahay nitandrina iny dia zara ary misy hirika hanidina azy hoy ny fanjakana. Voaramaso hoy aho satria dia isan'ny dradraina t@ telem-panjakana fa tsy hita teny Iavoloha ny ben'ny tanana t@ 12/12/08 ary efa hita ihany oe misy zavatra hitranga atsy ho atsy.

Mbola tsy feno anefa ny vera hoy ny namana Jentlisa izay ao @ lahatsorany atsy ambadika ka mbola tsy hitokona ny vahoaka fa hano fety fa hitokona hanao inona koa moa e! Tsy efa io ve ilay nimatimatesana tetsy @ 13 mai t@ 2001 tsy nampatory andro aman'alina nanao andrimaso sao dia mananim-bohitra ny fanjakan'ny amiraly izay mbola ara-dalana t@ izany fotoana izany. Ny malagasy anie tsy mandeha @ laojika no mahavarina ahy @ fihetsiny e! Indraindray enao tiany indraindray enao halany ka tsy hita be ihany izay tena ao an-dohany ao.

Raha izaho manokana aloha tsy ho azon'iza na iza hirotsaka eny @ 13 mai izany intsony aho e! efa teny aho t@ 91 na dia mbola mpianatra tao @ lycée aza dia nirotsaka teny kay tena fitaka be vava ny an'ireto mpitarika fa niady seza sy nizara vola no ady kle nony vita ny tolona. Toy izany koa t@ 2001 oe "hanova sa tsy hanova?" tsy nakeny mihitsy aho raha ny sitrapoko satria efa fantatro ilay zavatra hitranga avy eo fa saingy ny ramatoako no tena nafana fo be t@ izany sady protestant rahateo izy ka tsy mahagaga raha mazoto ery. Ny tena moa mbola niandrandra fandresena ka tsy maintsy oe manaraka azy eny ihany sao misy mandrombaka tampoka eny. LOL!!! 

Ka raha misy hetaheta ho anareo mpitarika politika oe hirotsaka an-dalambe satria mety hiafara @ izay ihany izy ity satria tsy ho afaka mora foana eo ilay zalahy eo io fa sarotra lavitra noho ny manala an'i Ratsiraka io. Dia efa miteny aho izay. Tsaronareo tsara io teniko io indray andro any. Dia izao dia efa mihomana manofana kômadô tsy mora tambazana vola ny vola mantsy izy manana betsaka, any angamba no lalana metimety kokoa fa aza ny vahoaka no atao sorona ampy angamba izay.Tenaizay izy ity e! Rà mandrika no iafaran'ity tantara ity. Aza misy an'izany re olona.

Ny vaovao hafa kosa dia mikasika ireto mpamily na kamio mamon-drongony mitondra fiara  miridana etsy sy eroa ireto dia tokony hisy ny fepetra ho raisina mikasika azy ireo fa ny aina mantsy lahitokana ary mampahonena izay laozany @ hetraketraka ataon'ny sasany. Toy ity nitranga tetsy Ankazomanga omaly ity. Teo @ sampanan-dalana bolevara ny erôpa iny no tsy tafavily ilay kamio be ary nifatratra taty @ mpivarotra amoron-dalana ka zazalahy kely iray no maty eo. Voalaza moa fa niaraka t@ rainy izy ary naratra mafy koa ity rainy ity tsy izay ihany koa enefa fa ilay reniny dia miandry vohaka ankehitriny. Lakalaka tokoa ity fiainana ity e.

Jereo koa eto


Fondation Ravalomanana!!!

news2dago 04 Aogositra, 2008 09:07 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Anisany zavatra mba nanitikitika ny saiko ny naheno t@ fahitalavitra fa misy izany " Fondation Ravalomanana" izany ary any amerika ny foibe toerana misy azy ity. Izay aloha no henoko t@ ilay fahitalavitra ary io no manome ireo vola rehetra ilain'ny mpianatra nahazo ny vatsim-pianarana avy any @ filoha ny repoblika. Tsy latsa danja @ ireo olobe eto an-tany izany ny filoha malagasy fa mba manana ny azy ihany koa ary io dia toetra tsara @ ity filoha ity mihitsy ilay tsy mena mitaha @ hafa. Eo ohatra ny " Fondation Clinton" izay miady @ fianahany Sida eo koa ny "Fondation Bill Gate" sy ny "Fondation Oprah"... Samy manana ny fomba hanampiana ny sahirana sy ny mahantra moa iretsy farany. Asa na inona kosa no fepetra takina mba azoana ilay vatsim-pianarana @ "Fondation Ravalomanana"? Mbola hanadiady ny momba izay aho @ manaraka.

Hanainga ho any Suede kosa moa ny filoha ary avy any izy dia hiazo an'i Beijing hanokatra ny lalao olimpika. Miandry voan-dalana indray izany ny valala be mandry. Marihina moa fa hiaraka @ filoha any shina ireo atileta malagasy nahazo ny medaly volamena rehetra t@ lalao ny nosy.

Nanatrika ny fanamarihina ny niorenany ny toby ny mpihofana ho mpiandry any Karilmalaza moa ny filoha t@ herinandro lasa iny ary teny Imerikasinina kosa izy omaly maraina nanatrika ny fotoam-pivavahana tao @ Egilizy Notre Dame de Mont Carmel, izay fiangonana vao namboarina. Manamafy ny fiarahana miasa eo @ fanjakana sy ny fiangonana moa izao fihetsiny izao.

Nafindra eny Tsiafahy kosa i Pety Rakotoniaina rehefa avy notsaboina tao @ hopitaly Befelatanana. Mbola misitery moa ny antony namindrana azy any Tsiafahy h@ izao.  

Jereo koa eto

 


Tia Tena Diso Tafahoatra

news2dago 22 Mey, 2008 07:20 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Hofanina eny Iavoloha ny ben'ny tanàna manerana ny nosy ary voalaza fa izay miasa ihany no mahazo fanampiana! Nitafa t@ ben'ny tanàna andry rajoelina moa ny filoha avy eo. Voalaza ny mpandinika moa fa antipédagogique ny fiofanana toy izao noho ny amaron'ny mpiofana satria efa mihoatra ny 1500 any izy ireo! Omena moto iray avy moa izy ireo ho fitaovana hiasany any @ faritra misy azy avy any.

Nanomboka omaly ihany koa ny kongresy nasionaly ny TIM vory lanina ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena ary voafidy ho filoha nasionaly i yvan randriasandratsiniony ary voamarika fa toa natao ankilabao ingahy rajemison rakotomaharo satria tsy ao anatin'ny birao politika intsony koa ny tenany! kanefa izy no olona naha Tiko an'ny Tiko sy nampiakatra an'i Ra8 t@ toerany ankehitriny. Atahorana haka ny toerany angamba ka avy dia finganina hatraty ampiandohana. Ny mpanaram-baovao anefa mahita fa izy no olona mba tena democrate ao @ antoko TIM ao.

Fa ity no tena zava-doza! mba hisorohona ny fiakaran'ny vidin'ny PPN hono dia omena subvention ny Tiko SA ary ny fanjakana no handoa izay mety ho fiakarany!!! io moa dia notsindrin'i herizo Razafimahaleho oe iza ary no hametra ilay fiakarany! raha tahiny ka 4.000 Ar ohatra ny vidiny menaka eny @ tsena ka mahatsiaro maty antoka ny Tiko dia milaza @ fanjakana izy oe tokony ho 5.000 Ar ny vidiny ary tsy voafetra io tombom-bidy io fa asaina alohan'ny vahoaka @ alalan'ny hetra ihany avy eo! sao mba tena tia tena diso tafahoatra kosa e! 

Jereo koa eto na mihomeza kely eto


Tsy Mbô Za!

news2dago 08 Mey, 2008 08:32 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena misy manam-bitana ny olona sasany eto @ ity tany fandalovana ity. Gaga fotsiny aho raha nahare fa misy mpivady samy parlemantera oe eto madagasikara! samy hahazo 4x4 dia samy hahazo ny tombotsoa tsy hita nonoa. Ingahy rainy oe senatera izany Bezara Manassé zany no anarany ary lany tany @ faritra Antsinana! ny ramatoany kosa dia handimby toerana an'i Botozaza Pierrot izay lasa minisitra ny fitanterana, izany antsoina oe Yvonne Ranorovelo izany no anarany izy kosa dia ho lasa solombavambahoaka ny Toamasina I. Tena izao no tonga @ fitenenana oe ny harena mila vintana.

Lasa lefitry ny filoha ny antenimieran-doholona kosa ingahy Rajemison izany oe nitotongana izany ny toerana nisy azy raha filoha teo aloha dia lasa lefitra ankehitriny @ manaraka izany mety tsy ho hita tabilao intsony.

Avy be tsy nisy hoatr'izany kosa ny orana omaly ary tena nikotrom-baratra vao maraina tokoa satria dia vao maraina @ 10 ora sy sasany dia efa nisy ny orana ary nanariva andro mihitsy ilay izy! samy tsy nanampo na inona na inona moa ny rehetra hany ka dia kotsakotsa daholo izay nivoaka ny trano omaly! mety mbola hanao azy koa io andro io androany satria efa mandongolongo sahady izy ato.

Heritaona sahady kosa ny fandaharana ao @ televiziona malagasy anim'artista izay sehatra iray omena ny mpanakanto sy ny artista! maro ireo artista nandray anjara t@ izao fankalazana izao. samy maniry moa ny rehetra ny mba hivelaran'ny fandaharana bebe kokoa.

Farany dia mahagaga ahy mihitsy ity dokam-barotra mandeha @ fahitalavitra marain-tsy hariva ity momba ny ampemba na ny sorgho izany! mampanontany tena ahy mihitsy oe ny voly vary ary tsy hita izay hanaovana azy ka dia inona indray no hitetatetana any @ voly tsy hay na ny mihinana azy ary sa kosa misy vola ambadika trandrahana indray ao zao! ny tantara ihany no hitsara e!!!

Jereo koa eto


Tsy Azo Trandrahana Ny Hazo Sy Vato

news2dago 25 Aprily, 2008 09:54 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Gagagaga ihany aho nandre ny resaka nataona mpandraraha iray mpandrafitra ny asany raha ny tena marina kokoa fa tsy misy hono ny hazo izao eto madagasikara, irony varongo irony mantsy no tena mba tsara hanaovana fanaka! kanefa dia tsy azo trandrahana intsony izy ireny @ izao fotoana izao. Tsy misy afatsy kesika sy hazo ala hono no azo ampiasaina! Misy lafiny tsara sy ratsy daholo moa ny fepetra rehetra raisina. Tsara satria mba miaina kely aloa ny hazo fa tsy tapatapaka fahatany intsony. Fa ny lafiny ratsy indray dia mety hiditra any @ "chomage technique" ny mpandraharaha raha tsy misy ny hazo ampiasaina. Kanefa hoy ry zareo misy ny olona ambony manondrana antsokosoko sy manangona hazo maro @ izao fotoana izao. Dia aleo fa ho tsarainy ny karatra eo foana izay manao ny tsy mety e!

Torak'izany koa ny resaka vato raràna ihany koa ny fanondranana vato any ivelany kanefa maro ihany ny mahitahita mahatafavoaka an'io vato io any ivelany, ary lasa varo maizina ilay izy avy eo. Mbola ny olona ambony sy manana fahefana tsy azo takarin'ny lalanà ihany no mahavita ireny fanondranana antsokosoko ireny fa ny olon-tsotra tsy mahavita an'io akory. 

Fehiny dia tsy misy zavatra mivoamboaka fahatany izany eto raha tsy ny olona tompony lalanà ihany no manao izany. Satria izy tsy mba azo enjehina fa raha enjehina Izy dia ny mpanenjika indray no migadra sy mijinja ny vokatra avy eo. Dia miandry ny rariny eo ramalagasy e!

Ny vaovao hafa kosa dia midehaka indray ingahy ben'ny tanàna oe nahazo fanampiana avy any shina ka hanao kianja maro isakin'ny firaisana!!! ka asa raha ho vitany indray izy ity fa ny lehilahy moa dia mahay miresaka izay tsy izy ka mora mambambo vahoaka. Ny tsena moa @ izao dia miverina mivarotra eny @ arabe sy ny sisin-dalàna rehetra eny ny mpivarotra tsy ara-dalàna rehetra.

Jereo koa eto


Ino Vaovao Tour

news2dago 18 Aprily, 2008 12:19 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Raikitra dia tsy raikitra dia izao mety ho raikitra indray ny "Ino vaovao Tour 2008". Efa resabe izy ity tao ho ao izay fa nony tonga ny Filoham-pirenena dia nihazakazaka ny raharaha satria avy dia tonga ny mpanakanto hanefa ny contrat-ny hono no sady ny Filoha no masimandidy @ lafiny rehetra! dia azony tsipaka ambavafo izany ny minisitra Ramiaramanana nandrara mafy ny tsy ha tanteraka ity seho ity!. Ny fanirina dia ny mba hilamina fa tsy hisaritaka ao ry zalahy bemiranga satria tapôlaka no atao fa tsy politika oe! ka tokony samy hitana ny teny nomeny.

Mitohy ihany koa ny resabe manoloana ny hiovan'ny governemanta, ary efa manao entretien sahady raprezy manoloana ireo olona hitany fa manana ny traikefa ilainy dia tsy inona akory fa izay mahay manatanteraka ny baiko midiny avy any @ ingahy rainy izany! efa raikitra moa ny loka ety @ sisiny oe iza ireo olona telo na ny "tiercé" tsy ho poinsa intsony hotafiditra ao anatin'ny governemanta dia ny ahy ireto: " Radavidson - Ramiaramanana - Ranjeva "! ny anareo mba iza hono?

Mangingina indray ny momba ny Lecacheur raha managam-peo indray ny CRN ary tena mitabataba mihitsy ny ao Antsirabe sy ao Manakara! mihely araka izany ny trakta sy ny fanentanana ny vahoaka hikomy sy ho any @ tetezamita! Tsy dia mahasarika olona anefa ireny trakta trakta ireny.

Vaovao hafa kosa dia ady saritaka koa ny etsy @ Jesosy mamonjy ankehitriny fa misy manidy ny vavahady ny sekoly tokony hidirana makao @ sekoly pentekotista mitambatra! satria hono mandalo aty @ fiangonana Jesosy mamonjy, izany lalana izany, ka azy ny vavahady ka izay tiany anaovana azy eo na hidina io na ho voaina!!! dia tsy tafianatra izany ny ankizy mpianatra! Karazany tohiny ny ady lova eo @ samy jesosy mamonjy sy pentekotista moa izy ity satria i dahoda tsy mba niteny oe iza no handova azy eto an-tany.

JEREO KOA ETO

 

 


Mety Ho Samborina Ny Minisitra Radavidson!!!

news2dago 14 Aprily, 2008 09:25 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tena henjana ny lalao e! raha kilalao baolina kitra izy ity dia mety ho maro maro indray izany no hahazo karatra mena ato ho ato! raha tsy hilaza afatsy ny minisitra ny fanabehazana sy ny filohany federalista Henri lecacheur aho... eo ihany koa ireo mikonokonona korotana toy ny crn sy ny ny mpanara-dia azy. Ny ben'ny tanàna n'antananarivo moa dia tsy hita ihany izay hapoakany h@ izao milaza ihany koa izy fa voasakatsakana ka asa izay tena marina.

Ny vahoaka etsy an-daniny manohy ny fiainana andavanandro ihany, ary tena miady mafy mihitsy mba tsy hilazana oe mitrongy vao homana, na mpiasa miankina na ny tsy miankina moa dia efa samy leo sy lonilony @ fitondrana fa tsy afaka manoatra satria ny fanotaniana lehibe mipetraka dia ny oe iza indray no hasolo (Prezida) azy eo anefa! ny mpanohitra efa teo ihany ny ankamaroany ary tsy nahavita azy akory t@ izany fotoana!

Fa ny tena tiako ho tsindrina dia ity oe maninona ary no dia manangam-pahavalo @ manodidina azy i ra8 e! nisy tsy nifanarahana ve tao dia avy eo miady. Sanatria, ohatran'ilay kilalaonay fahiny ny raharaham-pirenena ankehitriny! saingy ity farany tena tonga dia fanagadrana no miantra an'izay mifandiso @ henjana fa tsy mba oe tsy ombonako intsony ela lol! Samy hotsarain'ny tantara eto daholo na iza na iza e! ny fiainana mitohy foana. Ianareo mpamaky no iriko hanohy izay hetahetanareo avy any.

JEREO KOA ETO

 


Tsy Raikitra Ny TapôLaka

news2dago 11 Aprily, 2008 10:08 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Asa na dia ota inona laotra no nataon'i rossy izany t@ ireto mpitondra ankehitriny fa tsy mbola fotoana tokony hanaovany seho eto madagasikara hono izao noho ny antony iaraha mahalala!!! inona anefa io antony iaraha mahalala io? misitery izany anaka!!! raha izao manokana aloa tsy mahafantatra koa e! Mametram-panotaniana ihany oe misy korontana ve eto sa misy fanoganam-panjakana sa misy mikomy? Ny heno fotsiny avy tao @ minisitera ny kolontsaina dia ny oe misy hifandraisan'ny 2002 hono ilay izy! isika anefa efa aty @ taona 2008. Dia tsy misy azo hifandeferana mihitsy eto izany fa rehefa mpifanandrina fahiny dia fahavalo mandrakizay! aiza ilay fair-play e! dia izao mihitsy ilay demokrasia afrikanina porofo azo tsapain-tanàna mihitsy.

Maty antoka be hono ny media consulting t@ io fikarakarana ny "ino vaovao tour 2008" io na ny fitsidiam-paritany ataon'i Rossy satria nofoanana avokoa ny fifanarahana rehetra. Asa raha mba honeran'ny fanjakana izany fatiantoka izany na tsia, satria dia roa herinandro mialoha ny seho no nandraràna ny hanaovana ny lanonana. Mbola tantàra mitohy ny @ iny.

Managam-peo ihany koa ny federasiona milaza fa mpiaro ny zon'ny mpanjifa @ fiakaran'ny vidim-piainana ankehitriny ary betsaka ireo tolon-kevitra naroso hisoroana ny fiakaran'ny vidim-piainana ary misongadina @ ireny ny famerenana ny karatra isan-dahy hanalefahana ny fandoavam-bola eny @ hopitaly hono, kanefa efa hiarana mahita fa na ny vola raisina @ TAFITA isan-taona isan-taona aza tsy hita oe lasa aiza na lasa aiza avy eo. Izany ve tsy oe rano atondraka an-damosin'ny ganagana fotsiny. Ireto ny santionany @ vidin'ny PPN: 1kg vary dia 1000 Ar, ny menaka Tiko 1L dia 2000 Ar,  ny sira 1 sachet milanja 200gr dia 120 Ar, ny laoka moa dia 6000 Ar ny kilao na ny hena kisoa io na ny hen'omby, ny vary 1/2plat eny @ vary mitsangana dia 700 Ar.  Ny saran-dalana moa dia 300 Ar. Asa mety azontsika sary an-tsaina angamba ny fahorin'ny malagasy ankehitriny, raha olona mikarama 50.000 Ar ka manofa trano, ary manan-janaka mianatra, mandoa jiro ary tsy maintsy misakafo fara faharatsiny indroa isan'andro!!! ary tsy mahazo marary mihitsy satria mbola hafa ihany koa iny! Mijaly e, izay no hamehezana azy, lanja miakatra tokoa ny fiainana...

JEREO KOA ETO

 


Misy Miketrika Rotaka Eto!

news2dago 10 Aprily, 2008 10:04 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nanao fivoriana tsy ara potoana ary tsy nisy nipika ny mpikambana vitsivitsy teo anivon'ny governemanta sy ny tompon'andraikitra ambony eo @ foloalindahy, omaly tolak'andro teny @ ilay trano atao oe "tongotra elefanta". Nahavarina ny maro moa ity fivoriana ity satria dia tsy nisy nilaza izay zavatra nodinihina sy natao tao ireo mpivory rehetra tao izay notarihin'ny praiminisitra! fa dia tombatombana no ataon'ny mpanaram-baovao oe mety mikasika @ ireo fikomina sy firotsahana an-dalambe kasain'ny mpanohitra atao angamba no nodinihina tao.

Ny maraina ny omaly tokoa mantsy dia efa nilaza ny hanamboraka ny tsiambaratelo ingahy henri Lecacheur mikasika ny zavatra fantany sy hamoaka ireo porofo rehetra any aminy any momba ny resaka Vodiala, ny port ny toamasina, ny air mad sy ny sisa e!... tsy mena mivadika tokoa ny olona raha hamboraka ny tsiambaratelo izany. Izao izany ilay tonga @ antsoina oe nokakeriny ambokely tiany izay Ingahy 77 kano. Ny mpanohitra moa dia miketrika fatratra ny ho any @ tetezamita izany foana. Ka aleo oe andrasa izay ho tohiny!

Ingahy Rainy moa dia misonenika ery manohy ny fitsidihina any alemaina ary nihoana t@ Ramatoa Angela merkel izy omaly!

Farany dia hiverina hisokatra androany indray ny radio antsiva izay heno eo @ marin-drefy 97.6 FM! marihina fa nalaza ity radio ity @ fandaharana momba ny politika ary nahita faisana teo daholo na ry Zafy Albert na Ry Deba ary asa na anakory ity farany ity fa "Jamais 2 sans 3" hoy ny vazaha izay! dray dray dray aza hitako aza mahita ahy marina! ny aina no matezà fa ny tantara tsy maintsy mitohy!

JEREO KOA ETO


PôLitika Voretra!

news2dago 13 Martsa, 2008 15:30 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tsy dia misy lanjany firy @ olona izay fifidianana hatao @ alahady 16 marsa ary ahiana ny fihenan'ny mpifidy @ ity indray maka ity! ary efa miakatrakatra ny marimpana ao ambony ao satria dia mihetsiketsika izay tsy izy ny governemanta @ famporisihina isan-karazany an-gazety sy @ televiziona oe zo ny mifidy!

Indrisy anefa fa tsy tafapaka any @ vahoaka izany!!! iza tokoa moa ny ho fidiana eo! toa ohatran'ny vato iray ihany anie no ho hita eo @ alahady 16 marsa io ka sao dia mba tokony atao oe fandatsaham-bato izy ity fa tsy fifidianana!!! ny mpifaninana rahateo tsy nisy sahy nirotsaka ny mpitondra anefa manao amboletra ary te hanamafy ny toerana @ alalan'ny fifidianana ka lasa ara-dalàna ho azy ny rafitra apetraka satria izay anga no atao oe demokrasia!

Dia ity no tonga @ ilay fitenenena oe "Pôlitika voretra" e! satria mandeha ny tsindry aloka izao manao oe ho saziana izay tsy mifidy! kanefa ny mpifidy anie efa voasazy @ fiainana sarotra sy fahantrana impito mandifotra olona! Tian'i Lery mantsy io isa fito io! LOL! ka izaho zao mety tsy ho bediny fa hanefa ny adidiko aho raha tsy misy ny sampona! enga anie! Efa mandray an-tsoratra ireo izay tsy mifidy mantsy hono ireo lehiben'ny fokontany sasany ka tsy omena taratasy na asarotina na ilana vanony izay maka taratasy any oh oe maka certificat de résidence sns! ko tsy efa resaka maloto ve izany sa ahoana hoy nareo! 

JEREO KOA ITY na MIHOMEZA ETO 

 


Tokony Hisy "Minisitera Ny Fiarovana @ Loza Voajanahary"!

news2dago 22 Febroary, 2008 08:50 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ny hevitra moa teram-bary koa dia arosoko eto indray izay mba hevitro mikasika ity fiarovana ny vahoaka @ loza voajanahary ity! satria tsy maintsy misy ny rivodoza isan-taona ary tsy maintsy misy 2 na 3 mandalo eto madagasikara dia tsy mba misy tonga saina mihitsy ve oe inona no tokony hisorohana azy! amiko dia ny fampidirana ny Minisitera hisahana ny fiarovana @ loza voajanahary no tokony atao voalohany! tonga dia efa atao maty paika ao daholo ny lamina sy ny rafitra rehetra! raha andany vola ihany mantsy aleo tonga dia manatontona vola hiarovana ny vahoaka aloha toy injay hanome vola azy fanampiana efa traboina! @ iny mantsy izy efa tsy manan-tsafidy intsony ka mora foana no mambabo ny fony @ io fotoana io!

Tena alaim-panahy aho mantsy hiteny oe ataon'ny mpitondra fitaovana politika fotsiny ny mamonjy ny traboina ankehitriny! vola anie reolona no tononin'ny filoha atao fanampina ny faritra traboina e! ny vary sy ny fromazy manginy fotsiny tsy misy maharatsy an'izany mihitsy ary tsy fotoana hifanomezana tsiny intsony izao! fa ny ahy ny tiako hatongavana dia ny oe aleo misoroka toy izay mitsabo e!

Isika anie tia mangalatahaka e! io mihitsy no fahalemetsika ambetiteniko eto foana io kanefa indraindray tsy mifanaraka @ zava misy aty @tsika ny zavatra alaintsika tahaka indraindray ny tena tahafitsika matetika moa dia i lafrantsa na eo @ lalàna izany na eo @ firafitry ny governemanta!

Jerenareo tsara fa na tranonkala milaza ny mety ho toetrandro ary anie tsy hananan'ny malagasy e! lany eo ny fahefatradiny mikaroka atsy sy aroa vao mba mahita enao @ izay indray tena zara fa milaza ny toetrandro aty madagasikara fa dia ny nosy manodidina no betsaka ao indrindra fa ny nosy la reunion! ko tsy hita tsinona fa meteo france no jerena ko izy ve hiraharaha izay an'olona hafa any fa ny azy aloa no mahamay azy! io zao dia efa lesoka iray lehibe ho antsika sahady, manaraka izay indray dia eto @ ireo mpamonjy voina hita fa tsy ampy isa mihitsy izy ireo ankehitriny ary tato ato anefa dia tena alerta foana na eo @ trano mianjera na eo @ rano miakatra sy ny sisa! sao mba tokony ampiana ny isan'izy ireny ohatra sady be ny tanora manana ny vatana afaka miasa @ ireny!

Farany dia ny benevola no tsy mba kapokatsika malagasy mihitsy e! malaina isika hanao zavatra raha tsy misy tambiny foana! asa nohon'ny fahatrana angamba! izaho zao ohatra mazoto mihitsy hanagana blaogy maimaimpoana hisahana ny toetrandro ary mino aho fa maro ireo mpamahana blaogy mety hanampy ahy @ io!

JEREO KOA ETO na MIHOMEZA kely ETO na ATO


Tsy Fahamatorana @ Politika

news2dago 07 Febroary, 2008 13:04 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Lasa resabe ho an'ny mpanara-baovao indray ity resaka kandida ao @ antoko TIM ity e!satria dia voamarina mihitsy izany izao fa misy tokoa ny parachutage eo @ ity antoko ity! saika matoa-dahatsoratra an-gazety foana ity nahazo an'i Jhay Tax ity na ilay tale jeneralin'ny RDJ izay toa ohatran'ny kandida sambotsamborina fotsiny izy ka saika atao lohalisitra TIM kanjo gaga ny anao lahy fa tsy hita lisitra akory avy eo!

ny tiana hisarihana ny saintsika dia izao oe mba te hanatsara ny vokatra ho an'ny TIM ingahy mpihay "Coach" analamanga ka saika mba haka ny fon'ny tanora izy ka nanolotra kandida tanora arentirety eo aloha hazahoana fandresena kanefa ny ao @ birao politika ny TIM mihitsy no efa te hanilika azy ka tsy mila izay kandida natolony!tsy iza moa ny mpihay an'analamanga fa ny minisitry ny raharaham-bahiny izay hany sisa naharitra ela teo @ toerany!

ny zavatra toy intony moa dia azo hitarafana sahady oe tena misy zavatra tsy milamina mihitsy eo @ ity antoko ity fa samy manao izay saimpantany ny mpitantana nifandimby teo! tsy atao mahagaga moa izao zava-mitranga izao fa efa nampoizina ihany satria tsy matotra ara-politika ny antoko eto madagasikara! raha manaraka ny fifidianana any @ bekintana isika izao dia mafana ny ady hevitra sy ny fifandresen-dahatra eo @ samy mpikambana ary fifidianana be manadala mihitsy vao mipoitra izay tena hitondra ny kasikety ny antoko tsirairay avy! hanatra ho antsika aty madagasikara ny toy ireny oe mila mifandresy lahatra aloha manohana izay programa ny mpilatsaka ary izay tafavoaka eo dia kandida ny antoko @ izay!

hoy ny olona oe soa fa tsy misy mpifanina ny TIM fa raha tsy izany angamba dia mibaby faharesena indray izy @ io fifidiana manaraka eo io!

JEREO KOA ETO 


Hivoaka Ihany Ve Ny Teti-Bola Ho Any CUA?

news2dago 06 Febroary, 2008 08:43 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

samy miandry fatratra ny rehetra oe hahazo vola ve ny CUA sa tsia? eo ampamolavolana ny teti-bola mantsy izao ny teknisiana mavitrika ao @ CUA @ izao fotoana izao rehefa vita izay dia ho entina hiadian-kevitra miaraka @ ireo mpanolotsiana izy ity na androany alarobia na @ herin'andro ambony satria moa ny ben'ny tanàna mbola namita iraka any ivelany any!

io ho vita ihany fa ny fanontanina mety hipetraka dia ny oe: "hanome ve ny fanjakana sa tsia?" ny fanomezana aloha tsy maintsy satria mandika lalàna ny mpitondra raha tsy manome satria fampadehanan-draharaha ho an'ny kominina ny tetibola ary samy manana ny azy ny kominina tsirairay manerana ny nosy ka angamba tsy hisy ny fiangarana oe itsy ny na iroa no zanak'i dada! fa samy malagasy daholo ny rehetra na aiza na aiza!

izany eo ihany fa ny tena mahamaika ny olona ihany koa dia ny oe tafapaka marina aty amintsika vahoaka ve ny tetibola ny kominina io sa anao ahoana indray ny hita mantsy izao dia tena dikain'ny fanjakana ny kominina eto andrenivohitra fomba fiady daholo ihany izany fa ny antsika vahoaka dia ny oe vita ve ny fampanantenaina sa tsia? hita mantsy izao fa ny minisitera no manamboatra ireo lavadavaka rehetra ny fanamboarana ny tsena eo ambohimanarina sy besarety ohatra ny tetibola ny minisitera zany no andrimbinana @ io! iny tsy hidirantsika lalina ny amin'iny fa ny fihetsiky ny mpitondra mihitsy no tiako tsindrina kely oe misy zavatra tiany aseho @ vahoaka ao oe izay no mahavita fa tsy ny kominina sy ny ben'ny tanàna nofidinareo akory!karazana ratrapage ihany zany mba ahazoana ny fon'ny vahoaka indray @ fifidianana manaraka!!!

fehiny, ny antsika dia ny tanàna mandroso no tanjontsika ny fihemorana no tena fadina ka ho hita eo raha hahay hampiasa ny fahaizamanao ny teknisiana ao @ CUA na tsia fa ho tsaraintsika @ asany izy afaka fotoana fohy! 

JEREO KOA ETO

 

 


Naseho Vahoaka Ny Ekipan'ny TGV

news2dago 30 Janoary, 2008 11:44 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia naseho vahoaka omaly tokoa ny ekipan'ingahy Ben'ny tanàna mifangaro ao ny vaovao sy ny tonta raha ny fijerinay ety ivelany! Mme Ratsivalaka Michele, Olga Rasamimanana ary serge Radera (sary Express de Madagascar)

ireto kosa ireo delegue d'arrondissement

firasisana volohany: Rakotomavo Serge

firaisana faharoa: Sabin Randriambololona

firaisana fahatelo: Nirina Rakotomamonjy

Firaisana fahaefatra: Donat Rakotonarivo

Firaisana fahadimy: Jean Desiré Rakotonarivo

Firaisana fahaenina: Jean Gaston Rabemanana

(sary Gazety Ao raha)

tsy dia oe fitia te hanenjika akory fa izao izany no mety ho vokatra azo tao aorinan'ny adivarotra isan-karazany e!ny fanamby nomen'ingahy ben'ny tanana aloa dia oe omena enim-bolana izy ireo fa rehefa tsy mahomby dia miala tany! dia hoy izahay oe f'anga ny zavatra oh itony mitovy ny any @ orinasa e! hifanerasera aman'olona anie no tena andraikitra sahan'izy ireo fa tsy dia oe mila vokatra be ahoana akory e! dia ho hita eo tokoa aloha izay ho afitsony fa ny zavatra hita ny mpanaram-baovaoa dia efa hita nitana andraikitra ambony teto @ firenena ireo t@ andron'ingahibe zafy sy Ratsiraka e!koa inona intsony moa no andrana mbola ilain'ny ben'ny tanàna ho fantatra fa tsy efa iarahana nahalala ve ny nataon'ireo teo @ fitondrana e! dia tena vao mianatra politika marina ka ny tonta ihany no avadibadika e! ny olomanga anie feno e! ary betsaka ny CV nalefa tany @ tany kanefa moa rehefa ireo no tiany dia ireo izany! koa aza gaga raha ialan'ny vahoaka @ fifidianana manaraka ka ho afabaraka eo fotsiny! aiza daholo ireny ekipa nafana fo nandany vola aman-karena talohan'ny fifidianana ireny? tsy vitsy amin'ireny no ankizy vao nivaoka t@ sekoly ambony kanefa mety mahavita lavitra noho ireo efa goaika be ireo! dia ho hita eo tokoa moa ze ataony fa avelao aloha hiasa e! miandry koa isika fa gasy rahateo!

fehiny, tena mety ho diso tetika ny ben'ny tanàna amin'ireto ekipany ireto satria dia tsy vaovao @ vahoaka ireo manodidina azy ireo!mety maro ihany no efa kivy @ izao fotoana izao kanefa dia tena tokony hanana ny hoaviny tsara tokoa izy! satria toa manomboka voamarina izao ireo tsaho nandeha t@ ireny fampielezan-kevitra ireny!

jereo koa eto


Dia Inona Indray Ny Manaraka

news2dago 29 Janoary, 2008 09:46 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

salama isika e! isaorana an'Andriamanitra aloha fa dia lasa ny rivodoza Fame na dia namela takaitra be tao besalampy aza izy ary namoizana aina iray araka ny vaovao hita etsy sy eroa! dia miandry izay ho afitsok'i Gula indray ny any @ faritra antsinana ny nosy ireo nosy rahavavy aloha dia efa azo antoka fa dia hiafana indray @ ity rivodoza iray ity!

etsy andanin'izay dia mikonokonona fitokonana ny antoko sasany izay marihina fa mpanohina ny fitondrana ankehitriny koa izay no mety hametrahako fanotaniana oe sao dia mba sarin'ady izy ity fa tsy tena izy e! hita ho mareforefo mantsy ny mpanohitra mba tsy hitenena oe tsy toa teny @ vahoaka intsony! satria dia azo lazaina fa maty pasipaoro daholo ireo antoko lehibe mpanohitra ireo ary tsy revin'ny vahoaka intsony aleo dia lazaina ny marina e! ka angamba noho izay no hamporisihina ny mfm ao ambadika mba hanetsika indray izay fanoherana izay hiverenan'ny vahoaka hiantoraka aty @ antoko Tim indray @ izao fifidianana efa ho lava izao! satria na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy hanao izay ho afany ny antoko Tim @ izay fifidiana rehetra ho avy eo mba tsy hampagozohozo ny toerana izay efa azony h@ izay!

ny vahoaka moa dia efa iarahana mahalala ny fahasahiranany indrindra ny tsy fahampiana eo @ ara-bola izany! ny hany ambetiteny nay dia ny oe aza mba marary @ izao foatoana  izao ihany fa raha tsy manana any @ 200000 Ar ianao tsy afaka miditra eny @ hopitaly kanefa ny fikarakarana sy ny fanararaotana manginy fotsiny eny @ hopitaly dia hita fa tany andalam-pandrosoana e! samy manararaotra @ izay toerana misy azy! tsy miraharaha ain'olona fa vola ihany vao miresaka!

fehiny, niniko somary navoana kely ohatran'ito ny lahatsoratra androany mba hafahantsika mpamaky mahatsapa ny mety ho tontolo iainan'ny vahoaka izao izay hita tena latsaka ankaterena tokoa! izay aloha no azo natolotra adroany fa rahampitso indray manao misimisy

JEREO KOA ETO


Andeha Hibalady Ny Filoha

news2dago 26 Janoary, 2008 08:39 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

araka ny voavao navoakan'ny gazety mpiseho isan'andro iray dia efa maro be sahady ny dia mety ho ataon'ny filoha amperin'asa @ ity taona 2008 ity inoana fa ho maro arak'izany ny fivoahan'i prezida any ivelany any!

@ fivoahana atao oh itony moa dia inoana fa tsy maintsy misy ny voan-dalàna entin'ny raiamandreny ho antsika vahoaka rehefa tafaverina izy na izany misy mpanambola hiasa aty amintsika na misy manampahaizana malagasy alefa hiofana na hianatra any ivelany! voalazan'ity loaranom-baovao ity moa fa any azia any izany no tena mety ho alehan'ny filoha ka maro no mety sehatra ara teknôlôjia avo lenta eo @ infôrmatika sy elektrônika no tokony mba ho trandrahany any! satria ireo no tena mampandroso ny aziatika @ izao fotoana izao!

hinoana ihany koa fa tsy maintsy hijery akaiky ny fomba fitsitsin'ny arabo ny rano ny filoha rehefa hitsidika any dobay ny tenany @ volana aprily ary tsy maintsy ahitany hevitra io olana misy ao @ jirama io nalahelo mantsy hono ny filohan'ny antenimiera teo aloha fa voatery nandeha natsàka satria dia notapahan'ny jirama ny rano ao @ antenimieram-pirenena eny tsimbazaza nohon'ny trosa tsy voaloa! ka angamba mba ho mety ho "prioriter" ny fitadiavana vahaolana @ ity resaka jirama ity! ka tsy ho ambanin-javatra mihitsy ny fitadiavana fanampiana @ resaka solika any ampotiny any! satria tany mamokatra solika daholo ireo! indrindra fa ny any dobay!

fehiny, tombon-dahiny ho an'ny mpitondra fanjakana moa ny mivoaka oh io rehefa misy firenena manasa izy koa inoana fa tsy ho mariny ny filazan'ny olona oe: "mandeha mibalady fotsiny ra8" fa tena hikaroka izay tena hahasoa ny vahoaka marina izy!

jereo koa ity na ity


Aiza Ihany Izay Ekipan'ny TGV E!

news2dago 23 Janoary, 2008 09:09 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

salama isika e! dia tena mahavariana fa raha any @ baolina kitra no misy ny sehatra dia efa mety ho forfait ny ekipa iray raha mbola tsy ao anatin'ny feuille de match ny anaran'ireo mpilalao! ny an'ingahy ben'ny tanàna ity to tsy hita soritra ihany izay tena ho tompon-toerana! miandry ihany ny olona oe iza ary no ho mpiara miasa aminy eo efa ho iray volana mahery izao toa mbola tsy hena na ny delegue ny arrondissement aza oe itsy na izaroa!

mande mantsy ny feo ankehitriny fa miady seza fotsiny ny mpanao politika nanohana azy teo indrindra fa ny avi izany! mila toerana maro maro ao @ mpanantanteraka  manko ry zareo ireo satria hono nandray anjara mavitrika t@ fampielezan-kevitra! ka mba mila anjara gatô milailay ry zala izao!

tena hoy aho oe filma efa nande lesy izany ry tgv a! zao enao zao tsy mbola niainga eo @ gara akory dia mety efa voaongana? aza hitako aza mahita ahy! tsy te ho eo @ toerany aloha aho e! satria tokoa mantsy ny mpanolon-tsaina ny tgv dia maro an'isa ny antoko avi ao fa angaha ny tgv tsy mba nanana olona natolotra e! antoko efa lany bala ary ve no anakinana ny fitokisana zao izy izao manao ny ataony kono! dia ho hita eo raha ho an'ny ben'ny tanàna no hanala ity tsilo manidrona mafy @ tongony ity e! ny anjaratsika dia ny mijery izay tohiny eo!

ny atahorana mantsy dia ny ho fitsimbadiky ny raharaha satria efa nihaona mangingina t@ ra8 i Pasitera Andriamanjato, ingahy manandafy ary i Ratsirahonana mba iarahiasa @ indray oe! tsy mahagaga raha tonga teny iavoloha i dadabe pasitera t@ 4 janoary ary ny ekipan'ny mafana dia mankasitraka ny fihetsikin'ny fanjakana @ fanendrena ny sefom-pokotany hita izany @ lahatsoratra an-gazety ny hevitr'i Raveloson Constant ny @ io lafiny io! ingahy ratsirahonana no tsy de henoheno izao izay tena ho fihetsiny sy izay tena heviny kanefa raha vao manome TOP fotsiny izy dia mety izay no vita ny @ TGV!Wait an See

jereo koa eto


Tambazana Tsara Ny Faritany Hafa!

news2dago 22 Janoary, 2008 09:37 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

salama isika e! dia tena nahavelom-bolo ny naheno ny tetikasa maro be izay ho atao eto toamasina raha nadray ny tale ny sherritt ny filoha omaly eo ohatra ny fanamboarana ny trano ipetrahan'ny mpianatra ao barikadimy! ao ny fananganana sekoly ambony sy ny hopitaly lehibe manarampenitra eo anelanelan'ny moramanga sy toamasina! tsara daholo izany zavatra izany raha toa ka tena vita fa tsy ho kabary fotsiny ihany!

ny atahorana mantsy dia ny oe sao dia mba hanambatambazana ny toamasina fotsiny ihany izao tetikasa izao satria tsara ny vokatra tany toamasina t@ fifidianana ary tsy azo adinoana koa fa any toamasina no misy ny lohadohan'ny mpanohitra mahatarika olona be kokoa noho ireo faritany hafa ka avy dia tsetsemo aloha ny dômy ozy ny mpiloka izay! soa ihany fa pôlitika no resahana eto aloha! raha zohina mantsy ny fandehany tantara dia t@ ireny 2002 ireny dia toamasina irery no faritany tsy nifidy an'i prezida ravalomanana ary saika tao no namikitra ny toerany ny amiraly! nitsibadika anefa ity ny tantara ka any indray aloha ny mpitondra ankehitriny no hila ranondranony mba hifikirana ny seza sao mantsy mibolila antananarivo ka any indray ve no andeha ny mpitondra rehefa mafy ny ady! dia azon'ny sainao inoana ve ny nanokafana indray ny radio sky fm sy ny rft izay efa nakatona t@ mandat voalohany ny fitondran-dra8 ity noho izy manenjika be ny fitondrana! kanefa ny rdj aty henjehina fatratra! misy raha la terre hoy ny namana ikotoniaina ao tv plus izay!

hita taratra mantsy fa makany @ fitondrana jadona ihany ny fihetsiny izao!satria raha vao tsy mitovy hevitra@ dia migadra oh ry rolland rastiraka ry pety ry jly fidy sy ny maro hafa e! kanefa anie dia ireto roa farany ireto tena nivarotra aina mhitsy hiakarany ra8 eo @ fiondrana e! tsy azo odina tsy hita koa ireo sarangan'olona maro be teny à 13 mai fahiny! aiza izy reo zao? ry ingahy ratsirahonana ry ramakavelo sy ny maro hafa e! izay ilay lazaiko oe fihininy irery ny fahefana fa tsy mba zarainy @ hafa ka io no mhatonga hilaza oe lasa olon-tokana sisa no miteny ka iafara any @ jadona io izao! izany eo ihany fa hiverenako ireo resaka natomboko tetsy ambony oe tsy maintsy misy ambadika politika izao fihetsikin'ny mpitondra izao dia tambatambazo koa ny faritra hafa fa sao dia lasan'ny mpanohitra eo koa e! wait and see

jereo ko eto

 


Aza Atao Fitaovana Politika Ny Fiangonana!

news2dago 21 Janoary, 2008 15:25 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

salama isika e!heno siho dresaka indray tato ato fa ny maha radio katolika ny rdb no namelezana ny karajia oe! dia io no vohizina etsy sy eroa oe mamely ny katolika ny fanjakana satria fanjakana entiny fjkm!

gina ny tena naheno izany vaovao tsy dia mitombina laotra izany satria mety ho fifandrifin-javatra ihany ilay izy! voalaza mantsy hatramin’ny oe tsy nalefa mivantana t@ fahita lavitra tvm ny sinôda lehibe ny katolika t@ taona lasa eo ihany koa ny sehatra sy fandaharana betsaka bahanan’ny protestanta ao @ io fitaovam-panjakana io! mety marina ihany izany fa @ ampahany ihany amiko! dia tonga hatraty @ finoan’ny ben’ny tanàna izany oe katolika izy dia misehoseho @ maha katolika azy! tsy misy maha ratsy izany anie fa ny zavatra ratsy indrindra ny ilay sain-dratsy maneho fankahalana ny hafa e! koa lozan’izay ihavin’ny fanafitohinana hoy ny soratra masina!

tsy dia hanao toriteny lava akory no hanorata eto fa ny mba hisarihana ny sain’ny mitondra tena ho kristianina! dia ny maha rantsan’ny kristy antsika rehetra! tsy tokony hiseho intsony izany izay lokon’ny finoana hanan’ny tena satria dia faly ny sekta mahita ny ataon’ny fiangonana ara-tantàra ireo dia ny katolika fjkm eem ary ny loteriana izay mivondrona ao anatin’ny ffkm izany!tsy tokony ho adinoina  anie fa eto @tsika irery no misy izany fitambaran’ny finoana izany e! ka aleo samy miazona ny azy tsara kanefa tsy hanejika be fahatany ny hafa fotsiny! ary ny tena fadina indrindra dia ny fifandonana izany!

fehiny, ny ho avy no aoka ho banjinin’ny tsirairay ary raha tahan’ity misy ny manana eritreritra hivohy sy ampiady dia ario impito mandifitr’olona izany fisainana izany satria ny fahavoazana sy ny pitik’afo kely toy izany tena vidina lafo ao aoriana!

JEREO KOA ETO


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)